Fivoarana sa fahariana?

 

Betsaka ireo tena manam-pahaizana amin地y siansa ankehitriny no tsy manome lanjany intsony ilay rijankevitra momba ny fivoarana. Izany anefa tsy manakana ny mbola ampianarana an段zany ihany any amin段reo sekoly sy anjerimanontolo, amin地y porofo sy hitsim-po kely dia kely.

 

Avy aiza izany kiry anoherana ny fampianaran地y Baiboly momba ny fahariana izany, nefa dia tsotra tokoa ny manaiky io?

 

Voalohany indrindra aloha, dia satria tsotra loatra io tantara io ho an地y saina feno avonavon地y olombelona, izay mitady ny hanazava ny zavatra rehetra amin地y fanamarinan地y fisainany, na dia efa hita izao aza fa tsy takany izany. Hoy anefa ny Baiboly hoe: Finoana no ahafantarantsika fa ny tenin但ndriamanitra no nanaovana izao tontolo izao (Hebreo 11.3).

 

Manaraka izany, dia satria raha nisy ny fahariana, dia misy ny Andriamanitra Nahary, izay afaka mampamoaka ny voariny, noho izany.

 

Farany, dia satria ny fanazav瀟地y Baiboly dia tena tsy mandoka ny olombelona mihitsy, hany ka aleony manaiky izay mety ho soso-kevitra aroso ankoatr段zany, na inona na inona.

 

 

 

 

 

 

Fisaintsainan弛lombelona

 

Ny tena marina, ny fivoarana dia soso-kevitra ihany, fa tsy zava-misy. Fa mifanohitra amin段zany kosa, ny azon地y rehetra hamarinina, dia tsy miova ny lal瀟a mifehy ny fiterahan地y zavamananaina sy ny zava-boary. Iza no nanao izany lal瀟a izany? Tsy nisy ve, talohan地y olona sy ambony noho izy, Saina, Fikasana, Hery tsy refesi-mandidy, izany hoe Andriamanitra, ka raha vao manokatra ny masontsika handinika ny tontolo isika, dia ilay lamina nataony no hitantsika?

 

Ankoatr段zany koa, misy boky hafa nomen但ndriamanitra antsika, dia ny Baiboly, izay miantomboka amin地y tantara tsotra sy mahatalanjona, manambara ny fahariana izao tontolo izao. Iza no mendrika hiresaka an段zany kokoa noho ny Mpahary? Ary iza no tsy mendrika kokoa noho ny voary, izay feno hambo anefa, ka manome ny heviny momba ny zavatra izay tsy natrehany, satria tsy teo izy?

 

Fantatra ny tantaran地y Fiandohana: ny fahariana misesisesy zavamananaina, araka ny karazany avy, karazana izay tsy miova, ary ambonin段zany rehetra izany ny fahariana ny olombelona. Ny lehilahy sy ny vehivavy izay nampitoerina teo amin地y fahasambarana tetỳ an-tany, dia tsy nankat ilay didy mazava nomen但ndriamanitra, ary mendrika ho azy ireo ny fanamelohana ho faty. Niha-nahazo vahana ny faharatsiana: lainga, famonoana olona, fahalvan地y toetra, izay nitarika ny olona ho amin地y safo-drano, kisarisary manjavozavo ihany anehoana ilay fitsarana mampivarahontsana hanjo ny zanak弛lombelona, izay mikiry mikomy amin但ndriamanitra.

 

Niakatra sa nidina?

 

Tsia, tsy araka ny eritreritra mahafaly ny sasany tsy akory, fa ny olombelona dia tsy niala avy tany amin地y zana-tohatra farany ambany indrindra tamin地y biby, na koa hoe avy amina sela iray, ary nivoatra tsikelikely, nandritra ny taona alikisa nihatsar瀟y, ka manohy ny diany toy ny mpandresy ho lasa andriamanitra any am-parany any. Ny mifanohitra amin段zany no marina. Tandrify tanteraka ny asa nankinin地y Mpahary azy, hifehy ilay tontolo mahavariana, ny olombelona, nefa dia tsy nitsahatra ny nitotongana, ka ny saina faran段zay lalina nananany aza dia tsy ampy nanafoana na nanarina ilay fihen瀟地y hatsaran-toetrany, hany ka nivarina ho amin地y lavaka tsy hita noanoa feno herisetra sy faharatsiana izy.

 

Ianao ve mino fa mandroso mihatsara ny zanak弛lombelona? Tsy ny mifanohitra amin段zany ve, tsy tsapantsika amin地y vatantsika sy ny saintsika ve ny dindo mavesatr段lay lova tamin地y fahotan地y razantsika, izay mbola mainka koa ampiantsika ny antsika? Tsy misy sokajim-biby mampiavosa tarazo sy haratsiana toa antsika, satria ny biby dia miaina araka ny natiora, fa isika kosa, araka ny danin地y kibontsika. Hita eny amintsika koa ny marika mampalahelo avy amin段reo fijaliantsika, ary tsy avela hohadinointsika koa fa mahonena ity fiainantsika etỳ an-tany ity, na dia eo aza ireo fivoarana samihafa amin地y lafiny teknika.

 

 

Avy aiza isika? Ary ho aiza?

 

Ahoana moa no hinoanao fa afaka mijery ny lasa amin地y vovoka kely ny olombelona, ary maminavina ny hoavy avy amin地y tsy misy? Tsy vitany ny hanazava na inona na inona. Fa ho an但ndriamanitra kosa, dia tsy misy zava-miafina, ary raha miresaka amintsika ny zava-mampalahelo noho ilay paradisa very Izy ao amin地y Baiboly, dia manambara ihany koa ny fifaliana ho azontsika any amin段lay Paradisa izay novohain段 Jesoa ho antsika, noho ny hazofijaliana. Mazava sy azo antoka kokoa noho ny mijery sarintany ny zavatra hitanao ao amin段o boky io: avy aiza ianao, ary ho aiza. Amin段zao fotoana izao ianao, dia eo amin段lay teboka antsoina hoe FINOANA.

 

Mendrika ny fitokisanao io Andriamanitra io, Izay nanome an段 Jesoa Kristy, Ilay Zanany Lahitokana, noho ny haben地y fitiavany, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana fiainana mandrakizay.

 

Satria ilay Andriamanitra Mpahary dia ilay Andriamanitra Mpamonjy ihany koa.

 

Dia amin段zao andro farany izao kosa no nampitenenan(Andriamanitra) tamintsika ny Zanany, Izay voatendriny ho Mpandova ny zavatra rehetra; Izy no nahariany izao tontolo izao, Izy koa no famirapiratan地y voninahiny sy endriky ny tenany indrindra ary mihazona ny zavatra rehetra amin地y herin地y teniny; ary rehefa nanao fanadiovana hahafaka ny fahotana Izy, dia nipetraka teo amin地y t瀟ana ankavanan地y Lehibe any amin地y avo (Hebreo 1.2-3).

FIVAROTAM-BOKY KRISTIANA

  Fianarana Baiboly maimaimpoana

  Fivarotana boky kristiana amin地y vidiny mirary

  Fampindramana boky kristiana

 
 


ANTANANARIVO

Lot IV L 39 D

Anosivavaka Ambohimanarina

101 Antananarivo

L瀝an地y Bus 194 Akaikin地y P穰isserie Le Clafoutis

Ny olombelona:

iza?
avy aiza?
ho aiza?

 

 
Tel : (261 20) 22 090 00

Portable : 032 42 552 35

e-mail : christmadabiblio@yahoo.fr

 

ANTSIRABE

Lot 18 I 50

Mahazina

110 - Antsirabe

Portable : 034 04 639 11

033 02 402 61

 

TヨLAGNARO

Villa Emmanuel

Lot II D 040

Bazar kely

614 - Tlagnaro

Portable : 033 14 576 73

032 41 493 16

 

TOAMASINA

Boulevard Joffre

Portable : 033 06 655 30

 

 

 

IMEAF FRANCE