Ny tontolo iainantsika dia tontolo anjakan’ny tsy rariny sy ny fijaliana. Ny tsy fitoviana manoloana ny fahoriana dia mahatonga antsika na mitroatra na manaiky satria tsy azo ihodivirana.

 

Tsy maintsy misy anefa ny olo-meloka nahatonga izany, ka iza àry no hampangaina? ANDRIAMANITRA, izay raisina tsotra izao ho toy ny tompon’andraikitra voalohany amin’ny fahoriana rehetra mihatra amin’ny zanak’olombelona.

 

Matetika no andrenesana izao fanontaniana izao, izay tsy inona ihany fa fialan-tsiny mahonena noho ny tsy finoana na ny tsy fahalalana: raha marina tokoa fa Andriamanitra dia fitiavana, araka ny lazain’ny Baiboly (1 Jaona 4.8,16), nahoana no tsy arovany kokoa ireo olona nohariany amin’ny kapoky ny fiainana? Ohatra, nahoana no avelany hisy ny fampijaliana ankizy tsy manan-tsiny, ny tsindry hazo lena sy herisetra izay mamely olona maro dia maro eran’izao tontolo izao, ny fahantrana mahamenatra any amin’ny tany sasany sy ny fandanindaniam-poana tsy misy henatra any an-kafa?

 

Mbola mety hoeken’ny saina ihany angamba raha manafay ireo izay manevateva  Azy Andriamanitra, raha mamely ireo olon-dratsy, na ratsy fitondrantena na mpanao ratsy, Izy. Fa mba tokony harovany kosa ireo tsy manan-tsiny sy ny olona tsy misy mpiaro...!

 

 

 

 

 

Mitandrema!

 

Aoka hihaino ilay Mpahary, aloha, ireo olona miampanga Azy ho tsy miraharaha, masiaka, na, raha tianao, “tsy mamonjy olona tra-boina”! Ny Teniny ihany mantsy, ny Baiboly, no hanamarina Azy ary hany afaka hanome valiny io fanontaniana mampatahotra io. Mampianatra antsika aloha ny Boky Masina fa ny antony voalohany miteraka ny  fahoriana rehetra mihatra amin’ny zanak’olombelona dia ny antsoina hoe ny ota. Ny ota no nahatonga ny fijaliana sy ny fahafatesana teto an-tany.

 

Mampahatsiahy antsika ny Romana 8.20-22 fa ny fijaliana mianjady amin’ny voary manontolo dia avy amin’ny avonavona, ny faharatsiana sy ny fitiavan-tenan’ny zanak’olombelona manapaka azy. Ny fandotoana sy ny famonoana ny zava-boary, izay kianina hatraiza hatraiza ankehitriny, dia manamafy izany. Ny fahaverezan-dàlan’ny olombelona, ny fahatsapany ny vokatr’izany ho azy sy ny manodidina azy, dia tokony hanosika azy hianatra handini-tena, hahatsapa ny toerana feno ota misy azy: izay no làlana hahatongavany amin’ny fibebahana sy ny finoana.

 

Ary mba fantatrao ve ny tsy rariny lehibe indrindra hatramin’ny naha-tany ny tany? Ny heloky ny zanak’olombelona nanombo an’i Jesoa, ilay Zanak’Andriamanitra, Izay tonga tamim-pitiavana hamonjy ny voariny.

 

 

 

 

Fambara loza

 

Fa mbola tsy voavaly tanteraka ny fanontanianao. Be ireo voina no tsy vokatry ny ota mivantana ary mahatratra ny tompon’andraikitra sy ny tsy tompon’andraikitra, tsy an-kanavaka. I Jesoa mihitsy no efa niresaka an’izany, raha nisy zava-nitranga iray: “...ary ireny valo ambin’ny folo ireny, izay nianjeran’ny tilikambo tao Siloama ka maty, ataonareo va fa mpanota mihoatra noho ny olona rehetra izay monina ao Jerosalema ireny? Tsia, hoy Izaho aminareo; fa raha tsy mibebaka ianareo, dia ho ringana tahaka azy koa ianareo rehetra.”

(Lioka 13.1-5)

 

Izao no hevitra notsoahin’ny Tompo tamin’izany: ny loza manjo ny sasany dia fampitandremana ho an’ny hafa rehetra. Ao amin’ny vatan’olombelona, ny fanaintainana dia fambara loza: afaka mamonjy ny ain’ny marary izany satria manery azy hanatona mpitsabo, izay hitsabo, tsy ny fanaintanana ihany, fa ny fototra niaviany koa. Ny loza iray hitako, ny fahafatesana tampoka reko, dia mampahatsiahy ahy fa rahampitso koa angamba ny anjarako, ka tsy maintsy vonona aho, fa mety ho foana tanteraka ny zavatra nokasaiko ary mety ho tapaka ny fifandraisana mamy indrindra. “Miomàna hihaona amin’Andriamanitrao” (Amosa 4.12).

 

 

 

 

 

 

 

Ny tanjon’Andriamanitra

 

Te hahatonga ny olona ho matotra Andriamanitra, hahatonga azy hametra-panontaniana momba ny zavatra lehibe indrindra: Nahoana aho no eto an-tany? Inona no aorian’ny fahafatesana? Tokony hitatitra ny momba izay nataoko ve aho indray andro any? Ireo tokoa mantsy no tena olana marina! Ny loza fara-tampony, dia tsy ny fahafatesana, fa izay manaraka azy: ny fitsarana. Angamba ny zazakely iray maty dia afaka amina fijaliana maro isan-karazany mety ho nanjo azy tetỳ an-tany, ary indrindra indrindra, afaka amin’ny fahaverezana  mandrakizay, izay ho niandry azy taoriana raha toa tsy nanaiky an’i Jesoa ho Mpamonjiny izy.

 

Masi-mandidy Andriamanitra, hendry Izy, ary fantany tsara izay ataony. Amin’izao fotoana ankehitriny izao Izy dia te hitarika ny sainao, te hikasika ny feon’ny fieritreretanao sy ny fonao. Tsarovy ny fitiavany, fa aza ilaozanao mitroatra manoloana ny fijalian’olon-kafa sy manameloka an’Andriamanitra. Toa nolaviny indray mandeha ny fahamarinany raha namely ilay Zanany tsy manan-tsiny Izy, nisolo voina ny mpanota toa antsika, dia izaho sy ianao. Ary am-paharetana no iandrasany anao hitodika any Aminy mba hovonjena. Tsy tianao ve ny hanao izany izao ankehitriny izao?

 

“Fa fahafatesana no tambin’ny ota; ary FIAINANA MANDRAKIZAY no FANOMEZAM-PAHASOAVANA avy amin’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika” (Romana 6.23).

 

 

FIVAROTAM-BOKY

KRISTIANA

 


ANTANANARIVO

Lot IV L 39 D

Manao ny

tsy rariny ve Andriamanitra?

 
Anosivavaka Ambohimanarina

101 – Antananarivo

Làlan’ny Bus 194 Akaikin’ny Pâtisserie Le Clafoutis

Tel : (261 20) 22 090 00

Portable : 033 14 168 12

              032 42 552 35

e-mail : christmadabiblio@yahoo.fr

 

ANTSIRABE

Lot 18 I 50

Mahazina

110 - Antsirabe

Portable : 033 02 402 61

              033 02 402 61

 

TÖLAGNARO

Villa Emmanuel

Lot II D 040

Bazar kely

614 - Tölagnaro

Portable : 033 14 576 73

              032 41 493 16

 

Editeur : BPC- La bonne semence. France                         Réf. SV021 MA                                 Dieu est-il injuste ?