“Avy amiko izao zavatra izao”

1 Mpanjaka 12.24

Raha ny marina, ny fahadisoam-panantenana eo amin’ny fiainana dia tsy inona akory fa lalàm-pitiavana. “Misy zavatra tiako ambara aminao anio”, hoy ny Tompo amin’ireo olomasiny izay tra-pahoriana. “Ho bitsibitsihiko eo am-poton-tsofinao izany, mba tsy hatahoranao ireo tafiotra mety hahakasika anao, ary mba tsy harary loatra ireo tsilo tsy maintsy hitsahinao. Fehezan-teny kely ihany izy io: avelao hidina any anatin’ny fonao lalina any ka ho toy ny ondana hametrahanao ny lohanao izay reraka: “Avy amiko izao zavatra izao”.

Efa noheverinao ve fa izay mahakasika anao dia mahakasika ahy koa? “Fa izay mikasika anareo dia mikasika ny anakandriamasony” (Zakaria 2.12). “Satria malala eo imasoko ianao” (Isaia 43.4); izany no antony tena hitiavako ny hanofanana anao. Raha manafika anao ny fakàm-panahy ary ho avy “toy ny rano maria” ny fahavalo (Isaia 59.19), dia tiako ho fantatrao fa “avy amiko izao zavatra izao”. Izaho no mandahatra ny zavatra rehetra amin’ny fiainanao. Tsy kisendrasendra akory raha eo amin’io toerana io ianao, fa io no toerana nofidiko hisy anao.

Moa tsy nangataka ny mba hahay hanetry tena ve ianao? Koa ao amin’ny sekoly hianarana io lesona io no nametrahako anao. Ny olona manodidina anao sy ireo izay miara-dia aminao no fitaovana hahatanterahan’ny sitrapoko aminao. Misy olana ara-bola va ianao? Sarotra aminao va ny mahita ny ampy? “ Avy amiko izao zavatra izao”, satria Izaho no manana ny zavatra rehetra. Tiako ho avy amin’ny tànako no handraisanao ny zavatra rehetra, ary hiankina amiko tanteraka ianao. Tsy misy fetrany ny harenako (Filipiana 4.19). Tsapao ny teny fampanantenako, ary aoka tsy ho lazaina ianao, toa an’i Isiraely tany an’efitra, hoe: “ Kanefa, na dia nataoko aza izany teny izany, mbola tsy ninoanareo ihany Jehovah Andriamanitrareo” (Deoteronomia 1.32).

Mandalo alim-pahoriana va ianao? “Avy amiko izao zavatra izao”. Izaho Ilay Olon’ny fahoriana, “zatra ny fahoriana” (Isaia 53.3), navelako tsy hisy olona hampahery ianao, mba hanatonanao Ahy ka hahitanao “ny fampiononana mandrakizay” (2 Tesaloniana 2.16-17). Nisy namana namborahanao ny tao am-ponao ve sy nilazanao tsiambaratelo, nefa nandiso fanantenana anao? “ Avy amiko izao zavatra izao”. Navelako hisy izany fahadisoam-panantenana izany, mba ahafantaranao fa Jesoa no Namanao tsara indrindra. Izy no miaro anao tsy ho lavo, Izy no mampahery ny fanahinao ao anatin’ny ady; Izy no ampinganao, Izy no fandresenao. Te hahalala ny tsiambaratelonao Izy, te ho Mpiandry anao, te ho Mpitarika anao.

Nisy olona nanendrikendrika anao ve? Avelao Izaho no hikarakara izany ary avia mialoka eo ambany elatro, “mba tsy ho azon’ny lela mifanditra” (Salamo 31.20). Fa “hampiseho ny fahamarinanao tahaka ny mazava (Aho), ary ny rariny ho anao tahaka ny mitataovovonana” (Salamo 37.6). Potika va ny lamina napetrakao? Torotoro sy lanaka va ianao? “Avy amiko izao zavatra izao”. Naminavina zavatra ianao, dia tonga nangataka tamiko ny mba hitahiako izany; nefa Izaho nitady handamina izany ho anao ka ho tompon’andraikitra amin’izany, satria “mavesatra aminao loatra izao zavatra izao, ka tsy ho zakanao irery ny hanao izao” (Eksodosy 18.18). Tsy inona ianao fa fitaovana, ary tsy ianao no Mpampiasa izany.

Naniry dia naniry tokoa ianao ny hanao zava-dehibe ho ahy, kanefa moa natokana teo amin’ny farafaran’ny fangirifiriana sy ny fahalemena ianao , ka tsy nahavita izany? “Avy amiko izao zavatra izao”. Fony ianao mbola tena teo am-perin’asa, dia tsy nahasarika anao Aho. Izao, dia tiako ny hampianatra anao ny lesona sasantsasany omeko, izay lalina tokoa. Ireo izay nianatra niandry am-paharetana ihany no afaka manompo Ahy. Ireo mpanompoko lehibe indrindra dia indraindray ireo izay tsy eo amin’ny sehatry ny asa intsony, mba hahaizany mampiasa ny vavaka ho fiadiana. Voantso tampoka handray toerana sarotra sy feno andraikitra ve ianao? Mirosoa, ary matokia Ahy. Matoa Aho manankina aminao io toerana lehibe io, dia satria tiako hiainanao ny fahamarinan’ny Teniko: “H(o)tahian’I Jehovah Andriamanitrao … amin’ny asanao rehetra sy amin’izay rehetra ataon’ny tànanao” ianao (Deoteronomia 15.10).

Anio, dia apetrako eo an-tànanao ny “diloilo kely foana amin’ny tavoara” sy ny “koba eran-tànan’ila” (1 Mpanjaka 17.12) mba hampiasanao izany tsy amin-tahotra. Izay zavatra rehetra mitranga amin’ny fiainanao, izay rehetra teny mandratra nahakasika ny sofinao, izay rehetra sakana manimba ny faharetanao, izay rehetra fisehoan’ny fahalemenao, dia aoka hahita anao voatafin’izany hery sy tanjaka avy amin’Andriamanitra izany. Tadidio fa ireny zavatra rehetra fanofanana ireny dia isan’ny fitaizan’ny Ray anao. Ho sitrana vetivety ny ratra aterany, arakaraky ny hianaranao mijery Ahy ny amin’ny zavatra rehetra. Satria “izany no iveloman’ny olona, ary amin’izany tokoa no hiainan’ny fanahiko” (Isaia 38.16). “Koa hatanjaho ny tànana miraviravy sy ny lohalika malemy; ary manaova làla-mahitsy halehan’ny tongotratreo … Miezaha mitady fihavanana amin’ny olona rehetra ary fahamasinana; fa izay tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo” (Hebreo 12.12-14).

“Alatsaho ao am-ponareo ny teny rehetra izay ambarako aminareo anio” (Deoteronomia 32.46).

 

Raha mbola tsy mazava ao an-tsainao ny atao hoe “fahateraham-baovao”, raha tsapanao fa mbola tsy vonona ny hifanatrika amin’Andriamanitra ianao aorian’ny fahafatesanao, dia fantaro fa:

 

« Ary tahaka ny nanendrena ny olona ny ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana » (Hebreo 9.27), hoy ny Baiboly. Raha mandà tsy hiatrika ny fahamarinana ianao fa te-hijanona hatrany ao amin’ny manjavozavo, dia tataovan-doza satria hifanatrika amin’Andriamanitra aorian’ny fahafatesana. Hifanatrika Aminy toy ny Ray izay hitsena anao eo an-tokonana ve ianao, sa hifanatrika Aminy toy ny Mpitsara izay hamoaka didy tsy azo ivalozana ny aminao ? Didy haharitra mandrakizay izany ! Tsarovy anefa fa tsy zakan’Andriamanitra ny fahotan’ny olona, ny fahotantsika. Raha mijery avy eny an-danitra Andriamanitra, dia olona tsy mba manao izay mahafaly Azy no ahitany anao. Miaina araka ny filàna ara-nofo ianao, entanin’ny filàn’ny fonao, ary manao ny sitraponao, izay tsy mifanaraka amin’ny an’Andriamanitra. Noho izany dia toy ny maty ara-panahy no fahitàny anao noho ireo fahadisoanao sy helokao. Tsy ny fiezahanao hanamarin-tena hoe tsy manao ratsy no hahafahanao manova ny fitsaràn’Andriamanitra anao ; satria tsy ny fijerinao no inona, fa ny fijerin’Andriamanitra.

Inona àry no tokony hataonao ?

Voalohany indrindra, ekeo ny fitsaràn’Andriamanitra anao. Mpanota very ianao ary mendrika ny hiharan’ny fanamelohan’Andriamanitra ka ho tafasaraka Aminy mandrakizay.

 

Manaraka izany, aoka ho fantatrao fa tsy mahavonjy tena ianao : tsy hahafa-po an’Andriamanitra na oviana na oviana ny ezaka ataonao, satria avy amina  loharano maloto tsy zakan’Andriamanitra  no niaingany. Porofon’izany : “…tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria  samy efa nanota izy rehetra”, hoy ny Soratra Masina. (Romana 5.12)

Noho izany, avy any an-kafa ny famonjena. Ao amin’i Jesoa Kristy, izay tonga tetỳ an-tany mba hamonjy ny mpanota. Naka ny toerana mendrika ho anao Izy, maty teo ambony hazofijaliana, satria “fahafatesana no tambin’ny ota” , hoy ny Soratra Masina (Romana 6 .23). Ny fahotanao io nentiny teo amin’ny hazofijaliana io. Nefainy ny tombam-bidy notakin’ny ota, raha maty nisolo voina anao izay olo-meloka Izy. Sitrak’Andriamanitra ny havoavonjy ny olona rehetra sy ny hahatongavany amin’ny fibebahana, noho ny hatsaram-pony.

Aoka ianao hanetry tena ka hanaiky ny maha-mpanota anao, sy hanaiky ny hasarobidin’ny sorona nataon’i Jesoa teo amin’ny hazofijaliana. Nalatsany ny rany mba ho voadio amin’ireo fahotanao marobe ianao; mandraka androany io ra io dia mbola manan-kery hanadio anao, raha manaiky izany ianao.

Rahampitso : ny fiainana mandrakizay

Ankoatra izay, mbola nampanantenaina ianao fa  fiainana mandrakizay no omeny izay rehetra manatona Azy. Mazava ny tenin’ny Tompo Jesoa hoe : “Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay ka tsy hohelohina ; fa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana izy” (Jaona 5.24). Izany no miandry anao raha manaiky ny Tompo Jesoa ianao, dia fanantenana velona sy fahazoana antoka fa raha maty ianao anio, dia misokatra ho anao ny lanitra.

Ankehitriny àry, anao ny safidy !