[Page principale | Nouveautés | La Bible | Chant- Cantiques]

 

MIZARA TSARA NY TENY FAHAMARINANA

C. I. SCOFIELD

2 Timoty 2. 15 : “Mazotoa manolotra ny tenanao amin’Andriamanitra, ho olona voazaha toetra, dia mpiasa tsy mahazo henatra, mizara tsara (= mamoaka tsara, na mizotra mahitsy amin’) ny teny fahamarinana.”

Famintinana ny fizaràna :

1     Fampidirana

2     Ny Jiosy sy ny Jentilisa ary ny Eglizin’Andriamanitra

3     Ireo vanimpotoampitondrana fito

4     Ireo Fiaviana roa

5     Ireo fitsanganana amin’ny maty roa

6     Ireo Fitsarana dimy

7     Ny Lalàna sy ny Fahasoavana

8     Ireo toetra roa ao anatin’ny mpino

9     Ny toeran’ny mpino sy ny tena toetra iainany

10   Ny famonjena sy ireo valisoa

11   Ny (tena) mpino sy ny mitonon-tena ho mpino

 

Fizaràna amin’ny antsipiriany :

1     Fampidirana

2     Ny Jiosy sy ny Jentilisa ary ny Eglizin’Andriamanitra

2.1     Ny fiantsoana  (fampitahana ny fiantsoana an’i Israely sy ny fiantsoana ny Eglizy)

2.2     Ny fitsipi-pitondrantena

2.3     Ny toerana fitsaohana

2.4     Ny hoavy

2.4.1      Hoavin’ny Eglizy (any an-danitra)

2.4.2      Hoavin’i Israely (etỳ an-tany)

2.5     Famintinana momba ny fahasamihafan’i Israely sy ny Eglizy

3     Ireo vanimpotoampitondrana fito

3.1     Ny vanimpotoampitondrana voalohany  — Ny olombelona tsy manan-tsiny

3.2     Ny vanimpotoampitondrana faharoa  — Ny olombelona teo ambanin’ny Fahatsiarovan-tena

3.3     Ny vanimpotoampitondrana fahatelo  — Ny olombelona tompon’ny fahefana teto an-tany

3.4     Ny vanimpotoampitondrana fahefatra  — Ny olombelona teo ambanin’ny Teny fikasana

3.5     Ny vanimpotoampitondrana fahadimy  — Ny olombelona teo ambanin’ny Lalàna

3.6     Ny vanimpotoampitondrana fahenina  — Ny olombelona eo ambanin’ny Fahasoavana

3.7     Ny vanimpotoampitondrana fahafito  — Ny olombelona eo ambanin’ny fanjakàn’i Kristy manokana

4     Ireo Fiaviana roa

4.1     Soritra faminaniana roa

4.2     Ireo Fiaviana roa

4.3     Tsy finoana ny teny faminaniana momba ny fiavian’ny Tompo

4.4     Ny fiavian’ny Tompo fanindroany, mbola ho avy

4.4.1      Dingana roa amin’io fiaviana io

4.4.2      Ny Tompo dia ho avy Izy tenany mihitsy ary amin’ny vatany

4.4.3      Fahasamihafan’ireo fiavian’ny Tompo roa, ilay efa lasa sy ny mbola ho avy

4.5     Tsy adika ho kisarisary ny fiavian’ny Tompo

4.5.1      Tsy tokony hafangaro amina toetra tsotra maha-Andriamanitra Azy  ny fiavian’ny Tompo Izy tenany mihitsy

4.5.2      Tranga sasantsany nolazaina ho fahatanterahan’ny fiavian’ny Tompo, nefa tsy izy

4.5.3      Ny fiovàm-pon’ny mpanota iray dia tsy ny fiavian’ny Tompo, tsy akory

4.5.4      Ny fahafatesan’ny kristiana iray dia tsy fiavian’i Kristy, tsy akory, satria :

4.5.5      Ny nanapotehan’ny Romana an’i Jerosalema  dia tsy ny fiavian’i Kristy fanindroany, tsy akory

4.5.6      Ny fielezan’ny fivavahana kristiana dia tsy ny fiavian’i Kristy fanindroany, tsy akory

4.5.7      Misy tranga hiseho ve, hialoha io fiavian’ny Tompo io ?

5     Ireo fitsanganana amin’ny maty roa

5.1     Fitsanganana amin’ny maty maromaro

5.2     Fitsanganana amin’ny maty voalohany

5.3     Fitsanganana amin’ny maty ho fahamelohana

5.4     Fitsanganan’ny vatana amin’ny maty

6     Ireo Fitsarana dimy

6.1     Ny fitsarana mifandraika amin’ny mpino

6.2     Ny fitsarana ny ota ao amin’ny mpino

6.3     Fitsaràn’i Kristy, fampiharihariana ny asan’ny mpino

6.4     Ny fitsarana ny firenena

6.5     Ny fitsarana ny maty tsy nanana mihitsy ny fiainan’Andriamanitra

6.6     Fitsarana hafa

7     Ny Lalàna sy ny Fahasoavana

7.1     Manavaka ny foto-kevitra sy ny vanimpotoampitondrana

7.2     Inona no maha-samy hafa  ny lalàna sy ny fahasoavana ?

7.3     Inona no atao hoe “ny lalàna” ? Ireo kisarisary hita ao

7.4     Fampiasana ratsy “ny lalàna”

7.5     Ny toetran’ny lalàna

7.6     Ny vokatry ny lalàna    Nahoana no nasiana ny lalàna ?

7.7     Ny zavatra tsy vitan’ny lalàna

7.8     Tsy eo ambanin’ny lalàna ny mpino

7.8.1      Romana 6

7.8.2      Romana 7

7.9     Inona no fitsipi-piainan’ny kristiana ?

7.10    Inona no atao hoe fahasoavana ?

7.11    Inona no lamin’Andriamanitra ao amin’ny fahasoavana ?

7.12    Tsy mety afangaro ny lalàna sy ny fahasoavana

8     Ireo toetra roa ao anatin’ny mpino

8.1     Ilay toetra tranainy

8.2     Ilay toetra vaovao

8.3     Ny fanafahana amin’ny herin’ny ota

8.3.1      Ny fisian’ny nofo

8.3.2      Ady eo amin’ireo toetra roa ireo

8.3.3      Hery entina handresena ny nofo

8.4     Fiainana kristiana ara-dalàna

9     Ny toeran’ny mpino sy ny tena toetra iainany

9.1     Ny toeran’ny mpino

9.2     Toerana sy tena toetra iainana

9.3     Fampirisihana ny kristiana eo amin’ny fiainany andavanandro,  mifototra amin’ny toerana misy azy

10   Ny famonjena sy ireo valisoa

10.1    Ny famonjena dia fanomezana maimaimpoana

10.2    Ny asa ankasitrahin’Andriamanitra dia hahazo ireo valisoany

10.3    Ny famonjena dia zavatra ananana amin’izao fotoana ankehitriny izao

10.4    Ireo valisoa dia homena any aoriana

11   Ny (tena) mpino sy ny mitonon-tena ho mpino

11.1    Ny mpino dia voavonjy, ny mitonon-tena ho mpino dia very

11.2    Ny mpino dia omena valisoa  — Ireo izay mihambo ho mpino dia helohina

 

 

1                    Fampidirana

Ao amin’ny 2 Timoty 2, dia aseho amina toetra fito samihafa ny mpino. Raisina ho toy ny zaza izy (and 1) ; ho toy ny miaramila (and 3) ; ho toy ny mpanao fanatanjahantena (and 5) ; ho toy ny mpi­a­sa tany (and 6) ; ho toy ny mpiasa (and 15) ; ho toy ny fanaka (and 21) ; ary ho toy ny mpanompo (and 24) :

·        Amin’ny maha zaza azy, dia ampirisihina i Timoty hihahery amin’ny fahasoavana. Ny fa­ha­soavana dia mifamatotra amin’ny maha zanaka, fa ny lalàna kosa dia mifamatotra amin’ny fanompoana (Galatiana).

·        Amin’ny maha miaramila azy, dia ampirisihina i Timoty hiaritra ny mafy, ary tsy haningo-tena amin’ny raharahan’izao fiainana izao ; ireo no zavatra mahakasika manokana ny miaramila tsara.

·        Amin’ny maha fanaka azy, dia tokony hodiovina izy, ary hatokana ; amin’ny maha mpa­nompo azy, dia tokony halemy fanahy izy, mahari-po ary mahalefitra ; dia toy izany hatrany, amin’ireo lafiny fito amin’ny fiainana kristiana.

·        Amin’ny maha mpiasa azy (1 Timoty 2. 15) : “Mazotoa manolotra ny tenanao amin’An­dria­manitra, ho olona voazaha toetra, dia mpiasa tsy mahazo henatra, mizara tsara (= ma­moaka tsara na mizotra mahitsy amin’) ny teny fahamarinana.” Ilaina ny ma­ha­tsi­ka­ritra tsara ny fizaràna samihafa ao amin’ny Baiboly, raha tsy izany dia ho kely ny vo­ka­tra, ary hifamahofaho ny ao an-tsaina sady tsy hankamamiana ny fianarana azy.

Ny tanjon’ity bokikely ity dia ny hanoro zavatra folo tokony havahana, dia ireo fanavahana lehibe indrindra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra (= ny Teny Fahamarinana). Enga anie izay mianatra ny Teny mba hanao toa ireo olona tany Beria (Asa 17. 11), izay nandinika isan’andro, tamim-pa­ham­bo­nian-toetra tokoa, ny Soratra Masina, mba hahitany raha marina ny zavatra nolazaina taminy.

2                    Ny Jiosy sy ny Jentilisa ary ny Eglizin’Andriamanitra

Ny voambolana hoe “Jentilisa” dia midika hoe “tsy Jiosy”. Mi­tovy ihany ny hoe “ny Jentilisa” sy “ny firenena”.

Andininy fototra : “Aza manao izay hahatafintohina ny Jiosy na ny jentilisa na ny fian­go­nan’An­dria­ma­ni­tra” (1 Korintiana 10. 32).

Maherin’ny antsasaky ny Baiboly no mikasika firenena iray ihany, dia ny vahoaka Israely. Mitokana tan­teraka ny toerana misy azy ireo, amin’ny lalan’Andriamanitra sy ny fiheviny. Natokana hiala ta­min’ny zanak’olombelona sisa izy ireo, ary niditra tamina fanekena tamin’i Jehovah, Izay nanao teny fikasana manokana ho azy ireo, zavatra izay tsy nataony tamina firenena hafa. Ny tantaran’izy ireo dia saika mameno ny Testamenta Taloha manontolo (tantara sy faminaniana), ary tsy nomarihina ny firenena hafa, raha tsy mahakasika azy ireo.

Ny fanambaràna nataon’i Jehovah tamin’i Israely, amin’ny maha firenena azy ireo, dia momba ny etỳ an-tany. Raha mitoetra ho mahatoky sy mankatò izy ireo, dia ho azony antoka ny fa­ha­le­hi­be­a­za­na sy harena ary fanapahana etỳ an-tany ; raha tsy mahatoky na tsy mankatò kosa izy ireo, dia haely manerana ny tany manontolo (Deoteronomia 28. 64).

Ny Soratra Masina dia milaza tena iray hafa, dia ny Eglizy, izay manana fifandraisana manokana amin’Andriamanitra koa, ary nandray taminy teny fikasana manokana. Saingy tena samy hafa amin’i Israely izy io :

·    Ny Israely dia ny taranak’i Abrahama ara-nofo ihany, fa ao amin’ny Eglizy, dia foana ny fa­na­va­hana ny Jiosy sy ny Jentilisa.

·    Ny fifandraisan’i Israely amin’Andriamanitra dia fifandraisana araka ny fanekena, fa ny fifan­drai­san’ny Eglizy aminy kosa dia fifandraisana araka ny fahaterahana.

·    Ho an’i Israely, ny fankatoavana dia loharanon’ny fahamboniana sy harena etỳ an-tany ; ny Egli­zy dia mianatra mianina amin’ny sakafo sy ny fitafiana, ary miandry fanenjehana sy fan­ka­ha­la­na.

·    Ampifandraisina amin’ny fananana sy zavatra etỳ an-tany i Israely, fa ny Eglizy kosa dia am­pi­fan­draisina amin’ny zavatra ara-panahy sy any an-danitra.

Na i Israely, na ny Eglizy, dia samy tsy nisy mandrakariva, tsy akory. I Israely dia nanomboka tamin’ny fian­tsoana an’i Abrahama. Ny Eglizy dia mbola tsy nisy, nandritra ny fiainan’i Kristy tetỳ an-tany (na ta­lo­hany), satria i Kristy dia miresaka ny fiangonany toy ny mbola ho avy : Matio 16. 18 : “Ambonin’ity va­to­lampy ity no haoriko ny fiangonako” (ny matoanteny haorina dia manambara ny hoavy).

Araka ny Efesiana 3. 5-10, dia tsy nambara tao amin’ny faminaniana tamin’ny Testamenta Taloha mi­hitsy ny Eglizy (mbola “voafina … tao amin’Andriamanitra”). Ny fahaterahan’ny Eglizy dia hita ao amin’ny Asa 2, ary ny fiafaràny etỳ an-tany dia ao amin’ny 1 Tesaloniana 4.

Amin’ny fitsinjarana ny zanak’olombelona indray, araka ny Soratra Masina, dia misy antoko iray mi­a­va­ka tanteraka amin’i Israely sy amin’ny Eglizy : ny firenena (= tsy Jiosy = “Jentilisa”). Mba ha­ha­fan­ta­ra­na ny toerana misy ny Jiosy sy ny Jentilisa (ny firenena) ary ny Eglizy, dia azo jerena vetivety ireto tson­gandahatsoratra ireto :

Ny Jiosy : Romana 9. 4-5 ; Jaona 4. 22 ; Romana 3. 1-2

Ny Jentilisa : Efesiana 2. 11-12 ; 4. 17-18 ; Marka 7. 27-28

Ny Eglizy : Efesiana 1. 22-23 ; 5. 29-33 ; 1 Petera 2. 9

Raha ampitahaina, izany, izay voalazan’ny Soratra Masina momba an’i Israely sy ny Eglizy, dia hita fa samy hafa tokoa izy ireo, na amin’ny fiforonany, na amin’ny fiantsoana azy, na amin’ny teny fika­sa­na, ny fitsaohana, ny fitsipi-pitondrantena ary ny hoavy.

2.1   Ny fiantsoana
(fampitahana ny fiantsoana an’i Israely sy ny fiantsoana ny Eglizy)

 

Israely

Ny Eglizy

“Hoy Jehovah tamin’i Abrama : Man­de­ha­na mi­a­la amin’ny taninao sy ny havanao ary ny tra­non’ny rainao, hankany amin’ny tany izay ha­se­ho­ko anao” (Genesisy 12. 1).

“Koa amin’izany, ry rahalahy masina, mpi­om­bo­na ny fiantsoana avy any an-danitra, hevero ny Apostoly sy ny Mpisoronabe Izay ekentsika” (He­breo 3. 1).

“Jehovah Andriamanitrao efa hampiditra anao any amin’ny tany soa, dia tany misy re­ni­ra­no sy loharano ary rano lalina… tany misy vary tritika sy vary hordea sy voaloboka sy avi­a­vy… sady tsy hanan-java-mahory akory eo ia­nao” (Deo­te­ro­no­mia 8. 7-9).

“Ny fanjakàntsika dia any an-danitra, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia Jesoa Kristy Tompo” (Filipiana 3. 20).

“Hoy Jesoa taminy : Ny amboahaolo manan-davaka… fa ny Zanak’olona tsy mba manana izay hipetrahan’ny lohany” (Matio 8. 20).

“Ho an’ny lova tsy mety simba … voatahiry any an-danitra ho anareo” (1 Petera 1. 4).

“Hoy ralehilahy : Mpanompon’i Abrahama aho. Ary Jehovah efa nitahy ny tompoko indrindra, ka … nanome azy ondry aman’osy sy omby, ary volafotsy sy volamena, ary andevolahy sy an­de­vo­vavy, ary rameva sy boriky” (Genesisy 24. 34-35).

“Hataon’i Jehovah ho lohany ianao, fa tsy ho ram­bony ; ary ho ambony tokoa ianao, fa tsy ho ambany, raha mihaino ny didin’i Jehovah An­driamanitrao, izay andidiako anao anio, ka mi­tan­drina sy manaraka azy” (Deoteronomia 28. 13).

“Mandraka ankehitriny izao dia noana sy man­ge­taheta sy tsy manan-kitafy… ary tsy manana antom-ponenana izahay” (1 Korintiana 4. 11).

“Manao ahoana ny hasarotry ny hidiran’ny ma­nankarena amin’ny fanjakàn’An­dria­ma­ni­tra !” (Marka 10. 23).

“Mihainoa, ry rahalahy malalako : Tsy efa no­fi­din’Andriamanitra va ny malahelo amin’izao fi­ai­nana izao, ho mpanankarena amin’ny fi­noa­na sy ho mpandova ny fanjakana nolazainy  ho­me­na izay tia Azy ?” (Jakoba 2. 5).

“Na zovy na zovy no hanetry tena tahaka ity za­za­kely ity, dia izy no ho lehibe indrindra amin’ny fan­jakàn’ny lanitra” (Matio 18. 4).

Tsy midika tsy akory izany fa ny Jiosy tia fivavahana iray dia tsy nankany an-danitra, nony maty. Ny fahasamihafana dia ny zavatra nampirisika azy hivavaka : fitahiana tetỳ an-tany, fa tsy any an-da­ni­tra.

Amin’izao vanimpotoampitondrana (dispensation) izao, na ny Jiosy na ny Jentilisa dia tsy afaka ho­von­jena, raha tsy amin’ny alalan’ny finoana ny Tompo Jesoa Kristy sy ny fandalovana amin’ny fa­ha­te­ra­ham-baovao (Jaona 3. 3, 16) ; ao amin’ny Eglizy, dia tsy misy intsony ny fanavahana ny Jiosy sy ny Jentilisa (1 Korintiana 12. 2, 13 ; Galatiana 3. 28 ; Efesiana 2. 11, 14).

2.2   Ny fitsipi-pitondrantena

Ny fiavahan’i Israely sy ny Eglizy dia mbola miseho ihany koa amin’ireo fitsipi-pitondrantenany avy :

Israely

Ny Eglizy

“Rehefa entin’i Jehovah Andriamanitrao ianao ka tafiditra any amin’ny tany izay efa hidiranao ho­lo­vana, ary firenena maro no voaroakany hia­la eo anoloanao… dia aringano mihitsy izy ; aza ma­nao fanekena aminy, na mamindra fo ami­ny” (Deoteronomia 7. 1-2).

“Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe : Tiava ny fa­ha­valonareo, ary mivavaha ho an’izay ma­nen­ji­ka anareo” (Matio 5. 44).

“Raha tevatevaina izahay, dia misaotra ; raha enjehina, dia miaritra ; raha tenenina mafy, dia mamaly teny moramora kosa” (1 Korintiana 4. 12-13).

“Maso solon’ny maso, nify solon’ny nify” (Ekso­do­sy 21. 24).

“Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe : … na zovy na zovy no mamely tahamaina ny takolakao an­ka­va­nana, atolory azy koa ny anankiray” (Matio 5. 39).

Deoteronomia 21. 18-21

Lioka 15. 20-23 sy Filemona 10-11, 16.

 

2.3   Ny toerana fitsaohana

Israely dia tsy afaka nitsaoka afa-tsy teo amina toerana iray (tabernakely, na tempoly tany Je­ro­sa­le­ma), ary nijanona lavitra an’Andriamanitra, tsy afa-nanatona Azy raha tsy nisy mpanelanelana, dia ireo mpisorona. Ny Eglizy kosa dia mitsaoka, na aiza na aiza misy roa na telo mivory amin’ny Ana­ran’ ny Tompo Jesoa ; afaka manatona malalaka an’Andriamanitra, ary ireo rehetra izay mandrafitra azy dia mpisorona.

Ampitahao : Levitikosy 17. 8-9 sy Matio 18. 20    Lioka 1. 10 sy Hebreo 10. 19, 20-22    Nomery 3. 10 sy 1 Petera 2. 5  

2.4   Ny hoavy

Mibaribary, ao amin’ny faminaniana, ny fanavahana an’i Israely sy ny Eglizy. Ny Eglizy dia hesorina etỳ an-tany, fa Israely voaarina kosa dia hisitraka ny fahefana sy ny fahatsarana etỳ an-tany.

2.4.1       Hoavin’ny Eglizy (any an-danitra)

“Ao an-tranon’ny Raiko, misy fitoerana maro… handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho (Jesoa), dia ho avy indray ka handray anareo ho any Amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa” (Jaona 14. 2-3).

“Izao no lazainay aminareo, amin’ny tenin’ny Tompo : … Ny tenan’ny Tompo no hidina avy any an-danitra, amin’ny fiantsoana sy ny feon’ny arikanjely ary ny trompetran’Andriamanitra, ka izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana, aloha ; ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy, ho eny amin’ny rahona, hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka ; dia ho any amin’ny Tompo mandrakariva isika” (1 Tesaloniana 4. 15-17).

Ny fanjakàntsika [na : ny tanintsika] dia any an-danitra, ary avy any koa no iandrasantsika Mpa­mon­jy, dia Jesoa Kristy Tompo, Izay hanova ny tenan’ny fietrentenantsika ka hitovy endrika amin’ny tenan’ny voninahiny” (Filipiana 3. 20-21).

“Ry malala, ankehitriny aza dia zanak’Andriamanitra isika, nefa mbola tsy naseho izay ho toetran­tsi­ka rahatrizay. Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa” (1 Jaona 3. 2).

2.4.2       Hoavin’i Israely (etỳ an-tany)

“Indro, hitoe-jaza ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany dia hataonao hoe Jesoa. Izy ho lehibe, ka hatao hoe Zanaky ny Avo Indrindra ; ary Jehovah Andriamanitra hanome Azy ny sezafian­dria­nan’ i Davida rainy ; ary hanjaka amin’ny taranak’i Jakoba mandrakizay Izy ; ary ny fanjakàny tsy hanam-pahataperana” (Lioka 1. 31-33). (Amin’ireo teny fikasana fito natao tamin’i Maria ireo, dimy no efa tanteraka ara-bakiteny. Ahoana moa no hahafahantsika milaza fa tsy ho tanteraka ireo roa sisa ?)

“Simeona efa nanambara izay nitsinjovan’Andriamanitra ny jentilisa tamin’ny voalohany, hanalany olona aminy, hankalazana ny anarany. Ary mifanaraka amin’izany ny tenin’ny mpaminany, araka ny voasoratra hoe : Rehefa afaka izany, DIA HIVERINA AHO ka hanangana ny tranolain’i Davida, izay efa nianjera ; ary hanangana izay efa rava ao Aho, ka hamboatra azy indray” (Asa 15. 14-16).

“Hoy izaho : Sao narian’Andriamanitra anie ny olony ? Sanatria izany ! Fa izaho koa mba Israelita ta­ra­nak’i Abrahama ihany, avy amin’ny firenen’i Benjamina… Ny fahatafintohinany (ny fa­ha­ta­fin­to­hi­nan’ny Israelita) no nahatonga famonjena ho an’ny jentilisa, mba hampialona azy. Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo izany zava-miafina izany, ry rahalahy (fandrao mihevitra ny tenanareo ho hendry ia­na­reo), fa efa misy fahamafiam-po manjo ny Israely sasany, mandra-piditry ny hafenoan’ny jentilisa.” (Ro­mana 11. 1, 11, 25)

“Amin’izany andro izany, ny Tompo dia mbola haninjitra ny tanany fanindroany, hanavotra ny olony izay mbola sisa… Dia … hamory ny Israely izay voaroaka sy hanangona ny Joda izay voaely, avy any amin’ny vazantany efatra (Izy)” (Isaia 11. 11-12).

“Jehovah hamindra fo amin’i Jakoba, ary mbola hifidy ny Israely indray, ka hamponina azy ao amin’ ny taniny” (Isaia 14. 1).

“Koa indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay tsy hanaovana intsony hoe : Raha velona koa Jehovah, Izay nitondra ny Zanak’i Israely niakatra avy tany amin’ny tany Egypta ; fa izao kosa : Raha velona koa Jehovah, Izay nitondra ny Zanak’i Israely niakatra avy tany amin’ny tany Avaratra sy avy tany amin’ny tany rehetra izay nandroahany azy ; fa hampodiko ho amin’ny tany izay nomeko ny razany izy” (Jeremia 16. 14-15).

“Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hananganako Rantsana marina ho an’i Davida, ka hanjaka Izy sady ho hendry, ary hanao fitsarana sy fahamarinana amin’ny tany. Amin’ny androny no ha­mon­je­na ny Joda, sy handrian’ny Israely feizay, ary izao no anarany izay hanononana Azy : JEHO­VAH FAHAMARINANTSIKA” (Jeremia 23. 5-6).

“Indro izy hangoniko avy any amin’ny tany rehetra izay nandroahako azy, tamin’ny fahatezerako sy ny fisafoahako ary ny fahavinirana be ; ary hoentiko amin’ity tany ity indray izy, ka hataoko mandry fe­izay ; ary izy ho oloko, azy Izaho ho Andriamaniny” (Jeremia 32. 37-38).

2.5   Famintinana momba ny fahasamihafan’i Israely sy ny Eglizy

Azo lazaina tsy am-pihambahambana, fa ny fanovana ny Eglizy ho jiosy (izany hoe ny fampivoarana ny Eglizy lazain’ny Soratra Masina, hanaraka ny fombafomba fivavahana jiosy) dia nanao be ko­koa hampihemotra ny fandrosony, hampivaona ny asa nanirahana azy sy hamotika azy ara-pa­nahy, mihoatra noho ireo antony hafa rehetra mitambatra. Navelany ny làlana fisarahana amin’izao ton­to­lo izao  —amin’ny fanarahana ny Tompo sy araka ny fiantsoana azy avy any an-danitra—, fa nam­pia­sainy ireo soratra jiosy (ny Testamenta Taloha), mba hanamarinany ny ezaka nataony ham­pan­dro­so izao tontolo izao, ny fanangonany harena, ny fombafombany mampitolagaga, ireo trano fiva­va­hany kanto dia kanto, ireo tsodrano ataony amin’ireo miaramila handeha hiady, ary ny fa­na­va­ha­ny ny mpino ho “mpitondra fivavahana” sy “laika”. 

3                    Ireo vanimpotoampitondrana fito

Ny Soratra Masina dia mizara ny fotoana (nanomboka tamin’ny naharìna an’i Adama mandra-pa­ha­tongan’ “ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao” ao amin’ny Apokalypsy 21. 1) ho fotoana ma­ro­ma­ro­ tsy mitovy halavana, antsoina mazàna hoe “vanimpotoampitondrana” [dispensations] (an­tsoi­na ao amin’ny Baiboly Darby hoe “fitondrana” [administration], ao amin’ny Efesiana 1. 10 sy 3. 2) ; mbola antsoina koa hoe “andro” [“économies”, “âges”, na “siècles”] (Efesiana 2. 7), “andron’ny Tompo”, sns. Azo isaina ho fito ireo vanimpotoampitondrana ireo.

Ireo vanim-potoana ireo dia miavaka samy manana ny endriny avy, ao amin’ny Soratra Masina, ami­na fiovan’ny fomba fitondran’Andriamanitra ny zanak’olombelona, na ny ampahan’ny zanak’ olom­belona, manoloana ny ota sy ny andraikitry ny olona. Ny tsirairay amin’ireo vanim­po­toam­pi­ton­dra­na ireo dia azo raisina ho toy ny fizahàn-toetra vaovao isedrana ny olona voajanahary, nefa dia miafara, hatrany, amin’ny fitsarana, izay maneho ny tsy fahombiazana tanteraka eo amin’ny olona voajanahary, isaky ny vanimpotoampitondrana tsirairay.

Ny dimy amin’ireo vanimpotoampitondrana ireo dia efa nifarana ; isika, izao, dia miaina ao anatin’ ny fahenina, izay efa eo amin’ny faramparany, angamba ; ary eo anoloantsika ny fahafito farany, dia ny fanjakana arivo taona (millénium).

3.1   Ny vanimpotoampitondrana voalohany
— Ny olombelona tsy manan-tsiny

Io vanimpotoampitondrana io dia niantomboka tamin’ny faharìna an’i Adama (Genesisy 2. 7) ary ni­fa­rana tamin’ny nandroahana azy avy tao amin’ny saha Edena. Adama, izay noarìna ho tsy ma­nan-tsiny sy tsy mahalala ny tsara sy ny ratsy, dia napetraka tao amin’ny saha Edena, niaraka tamin’i Eva vadiny. Nomen’Andriamanitra andraikitra izy, mba tsy hihinanana ny voan’ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy. Ny vanimpotoampitondran’ny tsy fananan-tsiny dia nifarana tamin’ny tsy fa­hom­bia­zana voalohany teo amin’ny olombelona, izay nisy fiantraikany mavesatra indrindra. Io va­nim­po­toam­pitondrana io dia nifarana tamin’ilay fitsarana hoe : “Noroahiny ny olona.”

Genesisy 1. 26 ; 2. 16-17 ; 3. 6 ; 3. 22-24.

3.2   Ny vanimpotoampitondrana faharoa
— Ny olombelona teo ambanin’ny Fahatsiarovan-tena

Noho ny fahalavoana, dia nahazo ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy ry Adama sy Eva, ary izany dia no­meny holovain’ny taranany, dia ny taranak’olombelona. Noho izany, ny fahatsiarovan-tena dia nan­jary afaka namoaka fitsarana ara-môraly, ka dia tonga tamin’ny zanak’olombelona ny an­drai­ki­tra hanao ny tsara sy hiala amin’ny ratsy. Io vanimpotoampitondran’ny Fahatsiarovan-tena io dia na­nomboka tamin’ny nahavoaroaka an-dry Adama sy Eva avy tao Edena ka hatrany amin’ny Sa­fo­drano ; tsy nisy fitondrana na lalàna, nandritra io vanimpotoampitondrana io.  Ny niafarany dia “ny nofo rehetra samy efa nanimba ny làlany avy, tambonin’ny tany” ary “be ny faharatsian’ny olona tam­bonin’ny tany, ka izay fisainana rehetra avy amin’ny fony dia ratsy ihany, mandritra ny andro.” Noho izany, io fizahan-toetra faharoa nisedrana ny olona voajanahary io, dia no­fa­ra­nan’An­dria­ma­ni­tra tamina fitsarana : tonga ny Safodrano.

Genesisy 3. 7, 22 ; 6. 5, 11-12 ; 7. 11-12, 23

3.3   Ny vanimpotoampitondrana fahatelo
— Ny olombelona tompon’ny fahefana teto an-tany

Namonjy olona valo ho afaka tamin’io fitsarana mampivarahontsan’ny safodrano io Andriamanitra, ary nanome azy ireo ny fahefana sy ny fitondrana ny tany. Andraikitr’i Noa sy ny taranany io. Ny fia­fa­ràn’io vanimpotoampitondran’ny fitondran’ny olombelona io dia andrana nanevateva an’An­dria­ma­ni­tra, nitady ny tsy hiankina aminy (Tilikambo tao Babela), sy fitsarana tamin’ny fanorokoroana ny fitenin’ny tany manontolo.

Genesisy 9. 1-2 ; 11. 1-4 ; 11. 5-8

3.4   Ny vanimpotoampitondrana fahefatra
— Ny olombelona teo ambanin’ny Teny fikasana

Tao amin’ireo taranaka naely izay nanorina ny Tilikambo tao Babela, dia niseho ny fanompoan-tsam­py (Josoa 24. 2). Dia nifidy lehilahy iray Andriamanitra, dia i Abrama izany, ary nanome teny fi­ka­sana azy sy ny taranany. Ny sasany tamin’izany dia teny fikasana izay fahasoavana ranofotsiny sy tsy misy fepetra. Tanteraka ara-bakiteny ireo, na ho tanteraka amin’ny hoavy. Ny teny fikasana sa­sa­ny kosa, izay misy fepetra, dia niankina tamin’ny fahatokiana sy ny fankatoavan’ny Israelita. Ny fia­fa­ràn’io vanimpotoampitondran’ny Teny fikasana io, dia ny tsy fanajana ireo fepetra ireo sy ny tsy fa­hom­biazan’ny Israely ary ny fitsarana, tamin’ny fanandevozana tany Egypta.

Ny bokin’ny Genesisy dia manomboka amin’ireto teny fatratra indrindra ireto : “Tamin’ny voalohany An­driamanitra nahary”, ary miafara amin’ny hoe : “tao anatin’ny vata (vatam-paty) tany Egypta”.

Genesisy 12. 1-3 ; 13. 14-17 ; 15. 5 ; 26. 3 ; 28. 12-13 ; Eksodosy 1. 13-14

3.5   Ny vanimpotoampitondrana fahadimy
— Ny olombelona teo ambanin’ny Lalàna

Tonga indray ny fahasoavan’Andriamanitra, namonjy ny olombelona tsy nahita hatao intsony, ary na­na­votra (nanafaka) ilay vahoaka voafidy (Israely) ho afaka tamin’ny tanan’ny mpangeja azy. Na­na­raka izany, tany an-taniefitr’i Sinay, dia naroson’Andriamanitra tamin’izy ireo ny fanekena amin’ny la­là­na. Tsy nangataka tam-panetrentena ny hanohizana ny fanekena fahasoavana ny vahoaka, fa na­maly tam-patokiantena hoe : “Izay teny rehetra nolazain’i Jehovah dia hataonay.” Kanefa ny tan­ta­ran’i Israely tany an-taniefitra sy tany Kanana, dia tantara lava momba ny tsy fanajana mi­ba­ri­ba­ry sy tsy misy fiafaràny ny lalàna. Taorian’ny fampitandremana tsy tambo isaina, dia no­fa­ra­nan’ An­dria­ma­ni­tra io vanimpotoampitondran’ny lalàna io, izay fisedrana ny olombelona tamin’ny la­là­na, no­fa­ra­na­ny tamin’ny fitsarana, dia ny fandefasana sesitany ny vahoaka tany an-tany hafa sy ny fa­­ne­le­za­na azy ireo tany amin’ny jentilisa. Marina fa nisy sisa tavela kely, niverina, tamin’ny andron’i Ezra sy i Nehemia, ary teraka avy tao amin’io i Kristy, tamin’ny fotoan’androny, nefa dia nifarana ta­min’ny fanomboana an’i Kristy io vanimpotoampitondran’ny la­làna io, ary naely ny vahoaka ma­non­tolo.

Eksodosy 19. 1-8 ; Romana 3. 19-20 ; Asa 2. 22-23 ; Romana 10. 5 ; 2 Mpanjaka 17. 1-18 ; Asa 7. 51-52 ; Galatiana  3. 10 ; 2 Mpanjaka 25. 1-11

3.6   Ny vanimpotoampitondrana fahenina
— Ny olombelona eo ambanin’ny Fahasoavana

Ny fahafatesana fanonerana nanjo ny Tompo Jesoa Kristy no manokatra ny vanimpotoampiton­dran’ny fa­ha­soavana tsy misy fangarony, tombontsoa tsy tokony ho azo. MANOME fahamarinana Andria­ma­ni­tra, fa tsy mitaky izany intsony, toy ny teo ambanin’ny lalàna. Famonjena lavorary sy ho man­dra­ki­zay, izany, no atolotra maimaimpoana ny Jentilisa sy ny Jiosy, raha toa miaiky ny fahotany izy ireo, mi­be­baka am-pinoana an’i Kristy.

“Jesoa namaly ka nanao taminy hoe : Izao no asan’Andriamanitra, dia ny hinoanareo Izay nirahiny” (Jao­na 6. 29).

“Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : Izay mino [Ahy] no manana fiainana mandrakizay” (Jao­na 6. 47).

“Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no ma­nana fiainana mandrakizay ka tsy hohelohina ; fa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana izy” (Jaona 5. 24).

“Ny ondriko, mihaino ny feoko ; ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy ; ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy, mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin’ny ta­na­ko” (Jaona 10. 27-28).

“Fahasoavana no namonjena anareo, amin’ny finoana ; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra ; tsy avy amin’ny asa, fandrao hisy hirehareha” (Efesiana 2. 8-9).

Io vanim-potoana fisedrana ny olombelona eo ambany fahasoavana io, dia hifarana amin’ny :

·    fitsarana ny tontolo tsy mino sy ny Eglizy niodina : Lioka 17. 26-30 ; 18. 8 ; Apokalypsy 3. 15-16 ; 2 Te­sa­lo­niana 2. 7-12.

·    fidinan’ny Tompo avy any an-danitra, mba haka ny olomasina izay natsangana sy ny mpino izay mbola velona, hitsena Azy eny amin’ny habakabaka (1 Tesaloniana 4. 16-17).

Aorian’izany dia ho avy ilay fotoana fohy antsoina hoe “ny fahoriana lehibe” (Matio 24. 21-22 ; Da­nie­la 12. 1 ; Zefania 1. 15-18 ; Jeremia 30. 5-7), arahin’ny fiverenan’ny Tompo tenany, mba hanjaka etỳ an-tany amin’ny fahefana sy ny voninahitra lehibe ; dia mbola hisy fitsarana sasantsasany ihany (Ma­tio 24. 29-30 ; 25. 31-46). Misy olona manao hoe io dia vanimpotoampitondrana mitokana, eo ane­la­ne­lan’ny vanimpotoampitondrana fahenina sy fahafito.

3.7   Ny vanimpotoampitondrana fahafito
— Ny olombelona eo ambanin’ny fanjakàn’i Kristy manokana

Aorian’ireo fitsarana fandiovana, hiaraka amin’ny fiverenan’i Jesoa eto an-tany, dia hanjaka eto an-tany amin’i Israely naverina tamin’ny toerany i Kristy, mandritra ny 1000 taona (vanim-potoana an­tsoi­na mazàna hoe “fanjakana arivo taona” [Millénium]). Ny foiben’ny fanjakàn’i Kristy dia ho ao Je­ro­sa­lema, ary hiaraka Aminy ao amin’ny voninahiny ny olomasina, anisan’izany ny Eglizy, izany hoe ireo izay voavonjy tamin’ny vanimpotoampitondran’ny fahasoavana.

Asa 15. 14-17 ; Apokalypsy 19. 11-21 ; 20. 1-6 ; Isaia 2. 1-4 ; Isaia 11 (ny toko manontolo).

Aorian’izany dia “hovahana kelikely”, aloha, i Satana, ary hahita làlana ahazoany ny fon’olom­be­lo­na indray, ka hitarika azy ho amin’ny ratsy sy ny fikomiana ary ny ady amin’ny Tompo sy ny Olony Ma­sina. Izany no hiafaran’io vanimpotoampitondrana farany io, toy ireo talohany, amin’ny fitsarana. Ha­joro ny “sezafiandrianana fotsy lehibe”, hatsangana amin’ny maty ireo olona ratsy fanahy, ka ho­tsa­raina ho mandrakizay ; dia ho avy ny “lanitra vaovao sy tany vaovao”, ary hanomboka ny man­dra­kizay.

Apokalypsy 20.3, 7, 15 ; 21 ; 22.

4                    Ireo Fiaviana roa

Andininy fototra : “Nambarany rahateo ny fijalian’i Kristy sy ny voninahitra manaraka izany” (1 Petera 1. 11).

4.1   Soritra faminaniana roa

Ny faminaniana ao amin’ny Testamenta Taloha dia mampivohitra mazava “soritra” faminaniana roa izay toa mifanipaka, momba ny Mesia.

Ny iray amin’ireo soritra faminaniana ireo, dia mampiseho Azy tonga amin’ny fahalemena sy ny fa­ne­trentena, olon’ny fahoriana zatra fijaliana, toy ny solofo mipoitra avy ao amina tany karankaina, tsy misy endriny na zavatra manintona na fahatsarana, mba hahatonga Azy ho tiana. Ny tarehiny dia fandrabiraby, ny tongony sy ny tanany dia tsy maintsy holavahana. Tsy maintsy afoin’An­dria­ma­ni­tra sy ny olona Izy, ary ny fasany dia hiaraka amin’ny an’ny olon-dratsy. Jereo : Isaia 53 (ny toko ma­non­to­lo) ; Daniela 9. 26 ; Isaia 7. 14 ; Zakaria 13. 6-7 ; Salamo 22. 2-19 ; Marka 14. 27. Izany no hita nan­dri­tra ny niavian’ny Tompo voalohany, araka ny asehon’ny Filazantsara.

Ny soritra faminaniana iray dia mampiseho amintsika Mpanjaka tsara dia tsara, tsy ho hain’iza na iza to­haina, handio ny tany amina fitsarana mampivarahontsana, hanangona an’i Israely voaely, ha­me­ri­na amin’ny laoniny ny sezafiandrianan’i Davida sy hanome izany famirapiratana mihoatra la­vi­tra noho ny an’i Solomona, ary farany, hahatonga fanjakana feno fandriampahalemana lalina sy fa­ha­ma­ri­na­na tanteraka. Jereo : Isaia 11. 1-2, 10-12 ; Daniela 7. 13-14 ; Deoteronomia 30. 1-7 ; Mika 5. 1 ; Isaia 9. 5-6 ; Matio 1. 1 ; Isaia 24. 21-23 ; Matio 2. 2 ; Isaia 40. 9-11 ; Lioka 1. 31, 33 ; Jeremia 23. 5-8. Izany no hiseho amin’ny hiavian’ny Tompo fanindroany, izay mbola ho avy.

4.2   Ireo Fiaviana roa

Ny fahatanterahan’ireo faminaniana momba ny Mesia, dia nanomboka tamin’ny nahaterahan’ny Za­naky ny Virijiny, araka ny voalazan’i Isaia, tany Betlehema, araka an’i Mika ; ary nitohy ara-ba­ki­te­ny man­dra-pahatanteraka antsakany sy andavany ny faminaniana rehetra momba ny fa­ne­tren­te­nan’ny Mesia, satria tsy maintsy nesorina aloha ny ota, alohan’ny hametrahana ny fanjakàny. Ny Jiosy nefa dia tsy nanaiky handray ny Mpanjakany tamin’izany toetra izany, “malemy fanahy sady mi­tain­gi­na boriky, dia zana-boriky tanora” ; nohomboany Izy : Zakaria 9. 9 ; Matio 21. 1-5 sns. ; Jaona 19. 15-16.

Ny faharatsian’ny olombelona dia tsy nanakana ny drafitr’Andriamanitra, tsy akory, satria ny lamina na­petrany dia misy fiavian’ny Zanany fanindroany, izay mifandraika amin’ny faminaniana momba ny voninahitry ny Mesia etỳ an-tany. Hitovy amin’ny fahatanterahan’ny faminaniana momba ny fi­ja­lia­ny tetỳ an-tany, ihany, ny hahatanteraka ireo faminaniana ireo, amin’ny antsipiriany sy ara-ba­ki­te­ny. Hosea 3. 4-5 ; Asa 1. 6-7 ; Lioka 1. 31-33 (ny andininy 31 dia efa tanteraka) ; Asa 15. 14-17 ; Matio 24. 27-30.

4.3   Tsy finoana ny teny faminaniana momba ny fiavian’ny Tompo

Ny Jiosy dia tsy maika ny hino tao am-pony izay rehetra nolazain’ny mpaminany momba ny FI­JA­LIAN’ny Mesia ; ary isika kosa dia tsy maika ny hino ao am-po izay rehetra nolazain’izy ireo momba ny VONINAHINY. Azo antoka fa isika no mendrika ny fanakianana lehibe indrindra, satria mora kokoa ny mino fa ho avy “eo amin’ny rahona, amin’ny hery lehibe sy ny voninahitra” ny Zanak’An­dria­ma­ni­tra, noho ny mino Azy ho avy toy ny zazakely tao Betlehema sy toy ny mpandrafitra tao Nazareta. Ma­zava ho azy fa inoantsika io zavatra farany io, satria efa tanteraka, fa tsy satria efa nolazain’ny mpaminany mialoha ; ary tokony hajanona ny fanakianana ny Jiosy noho ny tsy finoany. Raha misy ma­nontany tena hoe ahoana no nahatonga azy ireo ho jamba toy izany, momba ny dikan’ny teny fa­mi­naniana mazava sy tsy misy ihambahambana, dia hovalianay fa jamba izy ireo, toy ireo kristiana ma­robe tsy mahita ny dikan’ny teny faminaniana izay mazava toy izany, ary mbola maro kokoa aza, mi­kasika ny voninahiny etỳ an-tany, ary nohajambain’ny fandraisana ho “ara-panahy” ny Soratra Ma­­sina. Raha lazaina amin’ny teny hafa, ireo mpanora-dalàna fahiny dia nampianatra ny vahoaka fa ny faminaniana momba ny fijalian’ny Mesia dia tsy tokony horaisina ara-bakiteny ; ary tsy misy hafa amin’izany, ampianari-na mpanora-dalàna ankehitriny ny vahoaka, hoe ny faminaniana mi­ka­si­ka ny voninahitry ny Mesia etỳ an-tany dia tsy tokony horaisina ara-bakiteny koa.

4.4   Ny fiavian’ny Tompo fanindroany, mbola ho avy

4.4.1       Dingana roa amin’io fiaviana io

Ny fiavian’ny Tompo fanindroany, nefa, dia misy dingana voalohany, izay hakan’ny Tompo ny mpino kris­tiana ho any an-danitra, araka ny nampanantenainy ao amin’ny Jaona 14. 1-3 (ny antsipiriany dia omena ao amin’ny 1 Tesaloniana 4. 14-18) ; ny dingana faharoa amin’io fiverenana io dia ny hi­se­hoany am-boninahitra etỳ an-tany, mba hampihatra ireo fitsarana mampivarahontsana (Apo­ka­lyp­sy 19. 11-21) sy hametraka ny fanjakàny. Ny andinin-tSoratra Masina manambara ny fiavian’ny Tompo fanindroany dia manoritra, indraindray ny lafiny fanantenana tsara ananan’ny mpino izay mi­an­dry ny Tompo mba horaisiny ho eo akaikiny, indraindray ny voninahiny amin’ny fisehoany hana­tan­te­raka ny fitsarana sy hametraka ny fanjakàny.

Ny Jaona 14. 1-3 dia manome antsika sasantsasany amin’ireo teny farany fampaherezana sy fam­pi­ri­si­hana nataon’ny Tompo tamin’ireo mpianany, izay very hevitra sy nalahelo, talohan’ny ha­na­tan­te­ra­hany ny fanoloran-tenany teo amin’ny hazofijaliana :

“Aza malahelo ny fonareo ; minoa an’Andriamanitra, ary minoa Ahy koa. Ao an-tranon’ny Raiko misy fitoerana maro ; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho ; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka han­dray anareo ho any Amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa.”

4.4.2       Ny Tompo dia ho avy Izy tenany mihitsy ary amin’ny vatany

Eto ny Tompo dia mampiasa teny mitovy tanteraka, momba ny fiverenany sy ny fandehanany. Ity fa­rany ity, araka ny efa fantatsika, dia Izy tenany mihitsy ary tamin’ny vatany. Tsy azo atao ny milaza fa ny fiverenany dia tsy ho Izy tenany sady ho “ara-panahy”, satria amin’ny ankapobeny dia tsy azo atao ny tsoakevitra an-keriny avy amina soratra mampiasa fiteny tsotra dia tsotra, raha tsy hoe voa­te­ry manao izany, satria misy andininy hafa tsy azo iadian-kevitra sy tsy azo lavina, ao amin’ny So­ra­tra Ma­sina. Ary tsy misy tsongandahatsoratra toy izany, momba ny lohahevitra dinihintsika.

Tsy navela hisalasala isika, momba io lohahevitra iankinan’ny aina io, na navela fotsiny amin’ireo tsoakevitra noforonin’ny saina, na dia manintona fatratra aza izy ireny.

Tamin’ny fotoana nahatakona tsy hitan’ny mpianany intsony ny Tompontsika, dia “nisy roa lahy teo anilany, niakanjo ankanjo fotsy, izay nanao hoe : Ry lehilahy Galiliana, nahoana no mijanona eto, mi­jery ny lanitra, ianareo ? Iny Jesoa Izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny, dia mbo­la ho avy tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra” (Asa 1. 10-11).

Mitovy amin’izany ihany ny voambaran’ny 1 Tesaloniana 4. 16-17 :

Ny tenan’ny Tompo no hidina avy any an-danitra, amin’ny fiantsoana sy ny feon’ny arikanjely ary ny trompetran’Andriamanitra, ka izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana, aloha ; ary rehefa afaka iza­ny, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy, ho eny amin’ny rahona, hi­tse­na ny Tompo any amin’ny habakabaka ; dia ho any amin’ny Tompo mandrakariva isika” (1 Te­sa­lo­nia­na 4. 16, 17).

“Miandry ny fanantenana mahafinaritra sy ny fisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra lehibe sady Mpa­monjy antsika, dia Jesoa Kristy” (Titosy 2. 13). Momba io “fanantenana mahafinaritra” io, dia am­pi­ri­si­hi­na isika “hiambina” (Marka 13. 33, 35, 37 ; Matio 24. 42 ; 25. 13) ; “hiandry” (1 Tesaloniana 1. 10) ary “hiomana” (Matio 24. 44). Ny vavaka farany ao amin’ny Baiboly dia momba ny fiverenan’i Kristy hain­gana (Apokalypsy 22. 20).

“Ny fanjakàntsika dia any an-danitra, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia Jesoa Kristy Tompo, Izay hanova ny tenan’ny fietrentenantsika ka hitovy endrika amin’ny tenan’ny voninahiny, ara­ka ny fiàsan’ny heriny, izay ahaizany hampanaiky ny zavatra rehetra ho Azy” (Filipiana 3. 20-21).

“Ry malala, ankehitriny aza dia zanak’Andriamanitra isika, nefa mbola tsy naseho izay ho toe­tran­tsi­ka rahatrizay. Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena en­driny tokoa” (1 Jaona 3. 2).

“Indro, avy faingana Aho ; ary eto amiko ny famaliako, mba hamaliako ny olona rehetra, araka ny asany” (Apokalypsy 22. 12).

4.4.3       Fahasamihafan’ireo fiavian’ny Tompo roa, ilay efa lasa sy ny mbola ho avy

Ireto andinin-tSoratra Masina ireto dia mampiseho amintsika mivelatra kokoa ny fahasamihafana mi­sy amin’ireo fiavian’ny Tompontsika roa ireo. Ampitahao :

 

Fiaviana voalohany (efa lasa)

Fiaviana faharoa (mbola ho avy)

“Niteraka ny Lahimatoany izy, dia no­ho­di­di­ni­ny lamban-jaza ka nampandriany teo amin’ny fihi­nanam-bilona ; fa tsy nisy nitoerany tao an-tra­nom-bahiny” (Lioka 2. 7).

“Amin’izany andro izany dia hiseho eo amin’ny lanitra ny famantarana ny Zanak’olona, ka dia hi­tomany ny firenena rehetra ambonin’ny ta­ny, ary hahita ny Zanak’olona, avy amin-kery sy vo­ni­nahitra lehibe, eo amin’ny rahon’ny lanitra” (Ma­tio 24. 30).

“Ankehitriny dia efa naseho indray mandeha ta­min’izao andro farany izao Izy, mba hanafaka ny ota, tamin’ny nanaterany ny tenany” (Hebreo 9. 26).

“Dia tahaka izany koa Kristy, rehefa natolotra in­dray mandeha, hitondra ny otan’ny maro, dia hi­se­ho fanindroany, tsy amin’ota, amin’izay mi­an­­dry Azy, ho famonjena” (Hebreo 9. 28).

“Efa tonga ny Zanak’olona, hitady sy hamon­jy ny very” (Lioka 19. 10).

“Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin’ izao tontolo izao, hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao” (Jao­na 3. 17).

“… ary ny hanome fitsaharana anareo izay am­pa­ho­rina kosa mbamin’ny tenanay, raha hiseho Jesoa Tompo, avy any an-danitra, mbamin’ny an­jelin’ny heriny, amin’ny afo midedadeda, ha­ma­ly izay tsy mahalala an’Andriamanitra sy izay tsy manaiky ny filazantsaran’i Jesoa Tom­pon­tsi­ka” (2 Tesaloniana 1. 7-8).

“Raha misy mandre ny teniko ka tsy mitandrina, Izaho tsy mitsara azy ; fa tsy tonga hitsara izao tontolo izao Aho, fa hamonjy izao tontolo izao” (Jaona 12. 47).

“Satria Izy efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin’ny fahamarinana, amin’ ny alalan’ny Lehilahy iray voatendriny, koa efa na­no­me vavolombelona hampino ny olona re­he­tra izany Izy, tamin’ny nananganany Azy ta­min’ny maty” (Asa 17. 31).

Ho azo tanisaina mila tsy hisy fiafaràny izany fahasamihafana izany. Efa maro nefa ny porofo no­me­na, mba hampisehoana fa ny teny fikasana natao tamin’i Israely sy ny Eglizy dia mitaky tsy misy fe­pe­tra ny fiverenan’ny Tompontsika, amin’ny hoavy.

4.5   Tsy adika ho kisarisary ny fiavian’ny Tompo

Ny fiavian’ny Tompo fanindroany dia ho fiavian’Izy tenany mihitsy sy amin’ny vatany, araka ny ase­hon’ireo tsongandahatsoratra maro ao amin’ny Soratra Masina. Noho izany, io fiaviana io dia tsy mi­la­za ny fahafatesan’ny mpino, tsy akory, na ny nanapotehana an’i Jerosalema, na ny nidinan’ny Fa­na­hy Masina tamin’ny andron’ny Pentekosta, na ny fampielezana tsikelikely ny fivavahana kris­tia­na, fa ilay “fanantenana mahafinaritra” ananan’ny Eglizy, izany hoe ilay fotoana hananganana amin’ny maty ireo olona masina izay “mandry”, sy handehanan’izy ireo hitsena ny Tompo eny amin’ny ha­ba­ka­ba­ka, miaraka amin’ireo olona masina mbola velona izay “hovàna” (1 Korintianina 15. 51-52). Amin’izay fotoana izay, ireo izay zanak’Andriamanitra ankehitriny dia hitovy Aminy, ary ireo olona ma­sina izay hita fa nahatoky dia homena valisoa, noho ireo asan’ny finoana nataony noho ny Ana­ra­ny, rehefa avy voavonjy.

Heverinay fa ilaina ny mandinika fohifohy ireo rijan-kevitra maro lazaina etsy sy eroa, manohitra ny foto-pampianarana araka ny Soratra Masina momba ny fiavian’i Kristy Izy tenany mihitsy sy amin’ny va­tany, na ny fiaviana faharoa : izany no ndeha hataontsika izao.

4.5.1       Tsy tokony hafangaro amina toetra tsotra maha-Andriamanitra Azy
ny fiavian’ny Tompo Izy tenany mihitsy

Mazava ho azy fa ireo tsongandahatsoratra ao amin’ny Soratra Masina, milaza ny fisehoany hita ma­so sy amin’ny vatany, amin’ny fiafaràn’ity vanimpotoampitondrana ity, dia tsy maintsy avahana amin’ireo izay milaza ny toetrany maha-Andriamanitra Azy, mahatonga Azy hahalala ny zavatra re­he­tra sy hanerana mandrakariva ny toerana rehetra ; Matio 18. 20 sy  28. 20 dia ohatra amin’izany tson­gan­da­ha­tso­ra­tra izany.

Fahamarinana feno fitahiana tokoa, amin’izay lafiny izay, ny maha eo mandrakariva ny Tompo, mi­a­ra­ka amintsika “ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao” (= ny fiafaràn’izao va­nim­po­toampitondrana misy antsika izao). KRISTY JESOA OLONA, nefa, dia eo ankavanan’An­dria­ma­ni­tra, amin’izao fotoana izao, Izy tenany mihitsy ary amin’ny vatany, araka ny ilazan’ny Asa 1. 9-11 azy ma­za­va tsara :

“Ary rehefa nilaza izany Jesoa, dia nakarina Izy, raha mbola nijery izy ireo ; ary nisy rahona nitondra Azy, ka tsy hitan’ny masony intsony Izy. Ary raha mbola nandinika ny lanitra izy ireo, tamin’ny nan­de­ha­nan’i Jesoa, indreo, nisy roa lahy teo anilany niakanjo akanjo fotsy, izay nanao hoe : Ry lehilahy Ga­liliana, nahoana no mijanona eto, mijery ny lanitra, ianareo ? Iny Jesoa Izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny, dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra” (Asa 1. 9-11).

“Fa Stefana, fenon’ny Fanahy Masina, dia nibanjina ny lanitra ka nahita ny voninahitr’Andriamanitra sy Jesoa nitsangana teo ankavanan’Andriamanitra, dia nanao hoe : Indro, hitako ny lanitra mi­so­ka­tra, ary ny Zanak’olona mitsangana eo ankavanan’Andriamanitra” (Asa 7. 55-56).

“Ary rehefa nanao fanadiovana hahafaka ny fahotana Izy (ny Zanaka), dia nipetraka teo amin’ny ta­nana ankavanan’ny Lehibe, any amin’ny avo” (Hebreo 1. 3).

“Koa raha niara-natsangana tamin’i Kristy ianareo, dia katsaho ny zavatra any ambony, any amin’ ny itoeran’i Kristy, Izay mipetraka eo an-tanana ankavanan’Andriamanitra” (Kolosiana 3. 1).

Misy kisarisary tsy dia lavorary loatra, nefa mety hahazoana bebe kokoa hoe nahoana ny Tompo no ase­ho sady eo afovoan’ny Olony no mipetraka any an-danitra eo ankavanan’Andriamanitra, ka avy eo amin’io toerana io no hiaviany Izy tenany mihitsy : Mandritra ny ady, ny foibem-pitondrana mia­ramila dia manatrika isaky ny vava ady, amin’ny alalan’ny fifandraisan-davitra, na dia any amin’ ny foiben-toerany irery aza  no ahitana azy ireo ara-batana. Tahaka izany ny Tompontsika, noho ireo toe­tra maha-Andriamanitra Azy, dia tena miaraka tokoa amin’ny Egliziny ankehitriny, nefa ho hita Izy tenany sy amin’ny vatany etỳ an-tany, mandritra ny fahatongavany faharoa.

4.5.2       Tranga sasantsany nolazaina ho fahatanterahan’ny fiavian’ny Tompo, nefa tsy izy

Ny faminaniana mikasika ny fiverenan’ny Tompo dia tsy tanteraka tamin’ny nidinan’ny Fanahy Ma­si­na tamin’ny andron’ny Pentekosta, tsy akory, na tamin’ny fisehoany nandritra ireo fifohazam-panahy le­hi­be na ireo fivoriam-bavaka feno fitahiana.

·    Ny fandraisana ny Teny araka ireo tranga notanisaina ireo, dia azo ambara ho fanafoanana ny fo­to-pampianarany momba ny Telo Izay Iray  —satria ny Fanahy Masina, eo, dia raisina ho toy ny fisehoan’i Kristy tsotra ihany.

·    Ao amin’ny teny fikasàn’i Kristy momba ny handefasany ny Fanahy Masina, dia lazainy io Fa­na­hy io hoe “Mpananatra HAFA” (Jaona 14. 16) ; ary ao amin’ny Jaona 16. 7 dia hoy i Kristy : “Ra­ha tsy hiala Aho, dia tsy ho avy atỳ aminareo ny Mpananatra ; fa raha handeha Aho, dia hi­ra­hi­ko ho atỳ aminareo Izy.”

·    Ireo mpanoratra notsindrin’ny Fanahy Masina, nanoratra ny Asan’ny Apostoly sy ny epistily ary ny Apokalypsy, dia manamarika ny fiverenan’ny Tompo mihoatra ny in-150, aorian’ny Pen­te­kos­ta, ary milaza izany mandrakariva ho toy ny mbola ho avy.

·    Tsy nisy niseho tamin’ny Pentekosta ireo tranga voalaza mialoha fa tsy maintsy hiaraka amin’ny fia­vian’i Kristy fanindroany : na ny fananganana amin’ny maty ireo olona masina nodimandry (1 Ko­rintiana 15. 22-23 ; 1 Tesaloniana 4. 13-16), na ny “fanovàna” ireo mpino mbola velona amin’izay fotoana izay, izay “hitafy ny tsy fahalòvana” (ny tenany “mety lo” dia hovàna “hitovy en­drika amin’ny tenan’ny voninahiny” ary hitsena ny Tompo eny amin’ny habakabaka    1 Ko­rintianina 15. 51-53 ; 1 Tesaloniana 4. 17 ; Filipiana 3. 20-21), na ny fitomanian’ny firenena re­he­tra ambonin’ny tany, rehefa hahita ny Zanak’olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe (Ma­tio 24. 29-30 ; Apokalypsy 1. 7).

Ireo dia tranga hiaraka amin’ny fiverenan’ny Tompontsika, hiseho rehefa ho avy Izy. Tsy nisy niseho ireo, na tamin’ny Pentekosta na tamin’ny fisehoan’ny Fanahy Masina.

4.5.3       Ny fiovàm-pon’ny mpanota iray dia tsy ny fiavian’ny Tompo, tsy akory

Fisainan-jaza loatra ny maneho izany rijan-kevitra izany ho toy ny fanazavana matotra ireo teny fa­mi­na­niana, izay maro dia maro tokoa sady milaza amin’ny antsipiriany ny tranga manodidina ny fia­vian’ny Tompo :

·    Araka ny Soratra Masina, dia ny mifanohitra amin’izany no izy. Ny fiovàm-po dia ny fa­na­to­nan’ ny mpanota iray an’i Kristy, fa tsy ny fiavian’i Kristy ho an’ny mpanota iray (Matio 11. 28 ; Jaona 5. 40 ; Jaona 7. 37 ; Jaona 6. 37).

·    Tsy misy iray amin’ireo tranga nolazaina teo ambony ireo, izay tsy maintsy hiseho amin’ny fi­ve­re­nan’ny Tompo, no miaraka amin’ny fiovàm-pon’ny mpanota iray.

4.5.4       Ny fahafatesan’ny kristiana iray dia tsy fiavian’i Kristy, tsy akory, satria :

·    Nony azon’ny mpianatra fa nilaza ny Tompo hoe hitoetra mandra-piaviny ny iray amin’izy ireo, dia niely tamin’ny rahalahy ny teny hoe “tsy ho faty izany mpianatra izany” (Jaona 21. 22-24).

·    Ireo mpanoratra masina dia miresaka mandrakariva ny fahafatesan’ny mpino ho toy ny fan­de­ha­na­ny. Na aiza na aiza, ny fiverenan’ny Tompo dia tsy ampifandraisina amin’ny fa­ha­fa­te­san’ ny kristiana iray (jereo Filipiana 1. 23 ; 2 Timoty 4. 6 ; 2 Korintiana 5. 8). Stefana, rehefa ho faty, dia nahita ny lanitra nisokatra ary ny Zanak’olona  —tsy tonga, fa “MITSANGANA eo an­ka­va­nan’An­driamanitra” (Asa 7. 55-56).

·    Tsy misy iray amin’ireo tranga nolazaina mialoha, izay tsy maintsy hiseho amin’ny fiverenan’ny Tom­po, no miaraka amin’ny fahafatesan’ny kristiana iray.

4.5.5       Ny nanapotehan’ny Romana an’i Jerosalema
dia tsy ny fiavian’i Kristy fanindroany, tsy akory

Satria tokoa :

·    Tranga telo no voalaza mialoha ao amin’ny Matio 24 sy Lioka 21. 20-24 : ny fanapotehana ny tem­poly, ny fiavian’ny Tompo, ary ny fiafaràn’izao fotoana izao, na izao vaninandro izao (jereo Ma­tio 24. 3). Ny fampifangaroana, tsy ilaina akory, an’ireo tranga ireo, na dia samy hafa tan­te­ra­ka aza izy ireo, no nampipoitra io hevitra io, hoe ny fahatanterahan’ny iray dia fa­ha­tan­te­ra­han’izy rehetra.

·    Ny apostoly Jaona dia nanoratra ny Apokalypsy taorian’ny nahapotehana an’i Jerosalema, ne­fa rehefa milaza ny fiavian’ny Tompo izy, dia milaza izany ho toy ny tranga ho avy (Apo­ka­lyp­sy 1. 4, 7 ; 2. 25 ; 3. 11 ; 22.7, 12, 20). Ny teny fikasana farany ao amin’ny Baiboly dia : “Indro, avy fain­gana Aho.” ; ny vavaka farany : “Avia, Jesoa Tompo.”

·    Tsy misy iray amin’ireo tranga nolazaina mialoha, izay tsy maintsy hiseho amin’ny fiverenan’ny Tompo, no niseho tamin’ny nanapotehana an’i Jerosalema (jereo 1 Tesaloniana 4. 14-17 ; Ma­tio 24.29, 31 ; Matio 25.31-32 sns.).

 

4.5.6       Ny fielezan’ny fivavahana kristiana dia tsy ny fiavian’i Kristy fanindroany, tsy akory

Satria tokoa :

Ny fanapariahana ny fivavahana kristiana dia miandalana, nefa ny Soratra Masina dia milaza amin­tsi­ka fa ny fiverenan’ny Tompo dia tampoka sy tsy ampoizina (Matio 24. 27, 36-42, 44, 50 ; 2 Petera 3. 10 ; Apokalypsy 3. 3).

·    Ny fanapariahana ny fivavahana kristiana dia zava-misy mifanarakaraka, na fandroson-ja­va­tra. Ny Soratra Masina dia miresaka ny fiverenan’ny Tompo mandrakariva ho toy ny tranga to­ka­na.

·    Ny fanapariahana ny fivavahana kristiana dia mitondra famonjena ho an’ireo olon-dratsy ; voa­la­za kosa fa ny fiavian’i Kristy dia hitondra, tsy famonjena tsy akory, fa “fandringanana tam­po­ka” (1 Tesaloniana 5. 2-3 ; 2 Tesaloniana 1. 7-10 ; Matio 25. 31-46).

4.5.7       Misy tranga hiseho ve, hialoha io fiavian’ny Tompo io ?

Misy milaza indraindray fa io fiaviana fanindroany io dia tsy hitranga alohan’ny hiovan’izao tontolo izao fo, vokatry ny fitoriana ny Filazantsara, sy ny hanekeny ny fanjakana ara-panahin’i Kristy man­dri­tra ny arivo taona.

Diso tanteraka io tsangan-kevitra io, satria :

·    Ny Soratra Masina dia milaza mazava ny toetran’ny tany amin’ny fiavian’i Kristy fanindroany  —tsy hoe misitraka ireo fitahian’ny fanjakana arivo taona, fa toy ny tena feno faharatsiana tokoa (Lioka 17. 26-32 miaraka amin’ny Genesisy 6. 5-7 sy Genesisy 13. 13 ; Lioka 18. 8 ; Lioka 21. 25-27).

·    Ny Soratra Masina milaza ny fizotran’io vanimpotoampitondrana io, manomboka amin’ny voa­lo­ha­ny ka hatramin’ny farany, dia mampiasa voambolana manilika tanteraka izay rehetra me­ty ho fisiana tontolo niova fo (Matio 13. 36-43, 47-50 ; Matio 25. 1-10 ; 1 Timoty 4. 1 ; 2 Timoty 3. 1-9 ; 4. 3, 4 ; 2 Petera 3. 3-4 ; Joda 17-19).

·    Ny lamin’Andriamanitra amin’ity vanimpotoampitondrana ity dia aseho ho mikendry, tsy ny fio­vàm-pon’izao tontolo izao, tsy akory, fa ny “hanalany olona aminy, hankalazana ny Anarany”. Aorian’izany dia “hiverina” Izy, ary amin’izay fotoana izay ihany, fa tsy aloha tsy akory, vao hio­va fo izao tontolo izao. Jereo Asa 15. 14-17 ; Matio 24. 14 (“ho vavolombelona amin’ny firenena re­he­tra”) ; Romana 1. 5 (“any” fa tsy “amin’ny” firenena rehetra) ; Romana 11. 14 (“ny sasany” fa tsy “izy rehetra”) ; 1 Korintiana 9. 22 ; Apokalypsy 5. 9 (“avy tamin’ny fokom-pirenena re­he­tra”, fa tsy “ny fokom-pirenena rehetra”).

·    Tsy ho vita ny “hiambina” sy “hiandry” tranga iray izay fantatsika fa tsy hiseho alohan’ny arivo tao­na.

5                    Ireo fitsanganana amin’ny maty roa

Araka ny Soratra Masina, dia mazava sy azo antoka fa hitsangana daholo ny maty. Tsy misy foto-pam­pianarana ny finoana, mifototra amin’ny fahefa-na tsongandahatsoratra maro toy izany. Foto-pampianarana iankinan’ny aina io, ho an’ny tontolo kristiana : “Raha tsy misy fitsanganan’ny maty, na dia Kristy aza dia tsy natsangana ; ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny toriteninay, ary foana koa ny finoanareo” (1 Korintiana 15. 13-14).

5.1   Fitsanganana amin’ny maty maromaro

Ny Soratra Masina dia tsy mampianatra hoe tsy misy afa-tsy fitsanganana amin’ny maty tokana, ho an’ny rehetra, amina fotoana iray. Efa nisy tokoa, mantsy, fitsangananaa olona masina sasan­tsa­sa­ny tamin’ny maty : “Nisokatra ny fasana, ka maro ny fatin’ny olona masina izay efa nodimandry no na­tsangana, ka nivoaka avy tao amin’ny fasana ireo, taorian’ny nitsanganan’i Jesoa, dia nankao amin’ny Tanàna Masina ka niseho tamin’ny maro” (Matio 27. 53).

Mbola hisy fitsanganana amin’ny maty roa ; tsy mitovy ny fotoana hisiany na ny olona hiantefany. Anisan’ny iantsoana izany ny hoe : “fitsanganana ho fiainana” sy “fitsanganana ho fahamelohana”, na : “fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina”, “fitsanganana voalohany”, “fitsanganana avy amin’ ny maty”, “fitsanganan’ny maty”, sns.

Ireto avy ny andinin-tSoratra Masina momba izany lohahevitra izany :

“Avy ny andro [amin’ny teny grika : ora] izay handrenesan’ny olona rehetra any am-pasana ny feo­ny [feon’ny Zanak’olona] ; dia hivoaka izy : izay nanao tsara dia ho any amin’ny fitsanganana ho fi­ai­nana ; fa izay nanao ratsy kosa dia ho any amin’ny fitsanganana ho fahamelohana” (Jaona 5. 28-29).

Ny voambolana hoe “andro” [amin’ny teny grika : ora], ve, midika fa hisy fitsanganana amin’ny ma­ty miaraka, ho an’ireo karazan’olona roa ireo ? Tsia, satria ilay “andro” ao amin’ny andininy 25 dia efa nitohy nandritra ny 1900 taona (jereo koa “andro” ao amin’ny 2 Petera 3. 8 ; 2 Korintiana 6. 2 ; Jaona 8. 56).

5.2   Fitsanganana amin’ny maty voalohany

“Raha manao fanasàna ianao, dia asao ny malahelo, ny kilemaina, ny mandringa, ny jamba ; dia ho sambatra ianao, satria tsy mba manan-kavaly ireo ; fa hovaliana kosa ianao, amin’ny fi­tsan­ga­nan’ny marina” (Lioka 14. 13-14).

“Tahaka ny ahafatesan’ny olona rehetra ao amin’i Adama, no ahaveloman’ny olona rehetra kosa ao amin’i Kristy. Nefa samy amin’ny filaharany avy : Kristy no santatra ; rehefa afaka izany, dia izay an’i Kristy, amin’ny fiaviany” (1 Korintiana 15. 22-23).

“Tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, ny amin’izay modimandry, mba tsy hahalahelovanareo tahaka ny sasany, izay tsy manana fanantenana. Fa raha inoantsika fa efa maty Jesoa sady efa ni­tsan­gana indray, dia toy izany koa no hitondran’Andriamanitra izay efa nodimandry tao amin’i Jesoa, hiaraka Aminy. Fa izao no lazainay aminareo, amin’ny tenin’ny Tompo : isika, izay velona ka mbo­la mitoetra mandra-piavin’ny Tompo, dia tsy mba hialoha izay nodimandry, tsy akory. Fa ny te­nan’ny Tompo no hidina avy any an-danitra, amin’ny fiantsoana sy ny feon’ny arikanjely ary ny trom­pe­tran’Andriamanitra, ka izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana, aloha” (1 Tesaloniana 4. 13-16).

Io “fitsanganana ho fiainana”, “fitsanganan’ny marina”, “fitsanganan’ny maty ao amin’i Kristy” io, no resahin’i Paoly ao amin’ny Filipiana 3. 11 : “Raha mba misy hahatratrarako ny fitsanganana amin’ ny maty”. Tsy voalaza hoe “fitsanganan’ny maty”. Raha toa fitsanganan’ny maty no noresahina, dia mi­di­ka izany fa hisy fitsanganan’ny maty rehetra, miaraka. “Amin’ny maty” dia tsy maintsy midika fa misy fanavahana, izany hoe ampahan’ny “maty” mijanona. Raha toa ny apostoly nieritreritra fitsan­ga­nan’ny maty rehetra, ahoana moa izy no ho afaka hilaza hoe “raha mba misy”, satria tsy ho afa­ka hiala amin’izany izy tsinona ?

Ao amin’ny Apokalypsy 20. 4-6, dia mbola resahina miaraka indray ireo fitsanganana amin’ny maty roa ireo, fa nampiana hevi-dehibe kosa, dia ny fotoana handalo anelanelan’ny fitsanganan’ireo izay voavonjy sy ny fitsanganan’ireo izay tsy voavonjy.

“Nahita sezafiandrianana maro aho, ary nisy nipetraka teo amboniny, ary nomena fahefana hitsara izy ; ary hitako koa ny fanahin’izay notapahin-doha noho ny filazana an’i Jesoa sy ny tenin’An­dria­ma­ni­tra, sy izay rehetra tsy niankohoka teo anoloan’ny bibidia na teo anoloan’ny sariny ary tsy nan­dray ny marika ho eo amin’ny handriny na ho eo amin’ny tànany ; ary velona izy ka niara-nanjaka tamin’i Kris­ty arivo taona. Fa ny sisa amin’ny maty dia mbola tsy velona, mandra-pahatapitry ny arivo taona. Izany no fitsanganana voalohany. Sambatra sy masina izay manana anjara amin’ny fitsanganana voalohany ; ireo, tsy mba ananan’ny fahafatesana faharoa fahefana, fa ho mpisoron’ An­driamanitra sy Kristy ireo, ka hiara-manjaka aminy arivo taona” (Apokalypsy 20. 4-6).

5.3   Fitsanganana amin’ny maty ho fahamelohana

Ny andininy faha 12 sy 13 ao amin’ny Apokalypsy 20 no milaza ny fitsanganana amin’ny maty faha­roa, dia ny “fitsanganana ho fahamelohana”.

“Nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo anoloan’ny sezafiandrianana ; ary no­ve­la­rina ny boky ; ary nisy boky iray koa novelarina, dia ny bokin’ny fiainana izany ; ary ny maty dia no­tsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin’ny boky, araka ny asany. Ary ny ranomasina dia na­moaka ny maty tao anatiny ; ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsy hita namoaka ny maty tao aminy ; dia samy notsaraina araka ny asany izy” (Apokalypsy 20. 12-13).

Vavolombelona ny Soratra Masina, milaza mazava tsara fa ny vatan’ny mpino dia hatsangana amin’ny maty, havahana amin’ny vatan’ny tsy mpino, ary hitsena ny Tompo eny amin’ny ha­ba­ka­ba­ka izy ireo, arivo taona alohan’ny fananganana amin’ny maty ireto farany.

5.4   Fitsanganan’ny vatana amin’ny maty

Tsy maintsy hazonina mafy fa ny foto-pampianarana momba ny fitsanganana amin’ny maty dia mi­ka­sika ny vatan’ireo izay maty. Ny fanahy niala tamin’ny vatana dia tonga eo no ho eo amin’ny toe­ram-pahasambarana na toeram-pijaliana (Filipiana 1. 23 ; 2 Korintiana 5. 8 ; Lioka 16. 22-23).

6                    Ireo Fitsarana dimy

Ny fiteny hoe “fitsarana faobe”, izay hita matetika loatra ao amin’ireo asasoratra ara-pivavahana, dia tsy ao amin’ny Soratra Masina ; ary, manoatra noho izany aza, ny hevitra tiana hampitaina amin’ izany voambolana izany koa, dia tsy hita ao. Toy izany koa, lazaina ny momba ny “fitsarana farany”, ary i Marta dia nilaza tamin’ny fomba manjavozavo sy tamin’ny ankapobeny momba “ny fitsan­ga­nan’ny maty amin’ny andro farany” (Jaona 11. 24).

Fahazaran-dratsy tena mampalahelo eo amin’ny tontolo kristiana, ny miresaka ny Fitsarana toy ny tranga lehibe ho avy amin’ny fiafaràn’izao tontolo izao, hisehoan’ny olona rehetra, ny olona masina, ny mpanota, ny Jiosy sy ny Jentilisa, ny velona sy ny maty, eo anoloan’ny “Sezafiandrianana Fotsy Lehibe”, mba hotsaraina. Lavitra indrindra ny fampianaran’ny Soratra Masina izany.

Ny Soratra Masina dia manambara fitsarana dimy, azo sokajiana ho antoko efatra, miavaka noho :

·        ny olona hiantefan’ny fitsarana

·        ny toerana hanaovana ny fitsarana

·        ny fotoana hanaovana ny fitsarana

·        ny vokatry ny fitsarana.

 

6.1   Ny fitsarana mifandraika amin’ny mpino

Ireo fahotany dia efa voatsara.

Fotoana :            Taona 30.

Toerana :           Ny hazofijaliana.

Vokany : Ny fahafatesana, ho an’i Kristy ; ny fanamarinana, ho an’ny mpino.

“Ary Izy nitondra ny hazofijaliany, dia nankany amin’ny tany atao hoe Ikarandoha, izay atao amin’ny teny Hebreo hoe Golgota. Teo no nanomboana Azy tamin’ny hazofijaliana” (Jaona 19. 17-18).

“Ary IZY nitondra ny fahotantsika tamin’ny tenany, teo ambonin’ny hazo” (1 Petera 2. 24).

“Fa Kristy koa, aza, efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina, mba hiton­dra antsika ho amin’Andriamanitra” (1 Petera 3. 18).

“Kristy nanavotra anay tamin’ny ozon’ny lalàna, satria tonga voaozona hamonjy anay Izy ; fa voa­so­ra­tra hoe : ‘Voaozona izay rehetra mihantona amin’ny hazo’ ” (Galatiana 3. 13).

“[Kristy] Izay tsy nahalala ota dia efa nataony [Andriamanitra] ota, hamonjy antsika, mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao aminy kosa isika” (2 Korintiana 5. 21).

“Ankehitriny dia efa naseho indray mandeha tamin’izao andro farany izao Izy, mba hanafaka ny ota, tamin’ny nanaterany ny tenany” (Hebreo 9. 26).

“Efa nanao fanadiovana hahafaka ny fahotana Izy” (Hebreo 1. 3).

“Ary amin’izany dia tsy misy fanamelohana, ho an’izay ao amin’i Kristy Jesoa” (Romana 8. 1).

“Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no ma­nana fiainana mandrakizay, ka tsy hohelohina ; fa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana izy” (Jaona 5. 24).

Io voambolana “hohelohina” io ihany no adika amin’ny hoe “fitsarana”, ao amin’ny Matio 10. 15 sy He­breo 9. 27 ary 2 Petera 2.4. Voambolana hafa tanteraka kosa no ampiasaina ao amin’ny 2 Ko­rin­tia­na 5. 10, izay mikasika ny fampiharihariana ny asantsika, amin’ny maha mpino antsika.

6.2   Ny fitsarana ny ota ao amin’ny mpino

Fotoana :            Tsy voafetra.

Toerana :           Na aiza na aiza.

Vokany : Faizin’ny Tompo isika, raha tsy mandini-tena.

“Raha mba mamantatra ny tenantsika isika, dia tsy mba hotsaraina. Fa raha tsaraina isika, dia faizin’ ny Tompo, mba tsy hohelohina miaraka amin’izao tontolo izao” (1 Korintiana 11. 31-32).

“Famaizana no anton’ny iaretanareo ; Andriamanitra mitondra anareo tahaka ny zanaka ; fa aiza moa izay zanaka tsy faizin-drainy ?” (Hebreo 12. 7).

Jereo koa : 1 Petera 4. 17 ; 1 Korintiana 5. 5 ; 2 Samoela 7. 14-15 ; 2 Samoela 12. 13-14 ; 1 Timoty 1. 20.

6.3   Fitsaràn’i Kristy, fampiharihariana ny asan’ny mpino

Fotoana :            Rehefa tafaverina i Kristy.

Toerana :           Rehefa tonga any an-danitra ny mpino.

Vokany,  ho an’ny mpino : “Valisoa” na “fatiantoka” — “fa ny tenany kosa dia hovonjena”.

Hevitra manetriketrika tokoa ny hoe, na dia nentin’i Kristy tamin’ny tenany teo ambonin’ny hazo aza ny fahotantsika, ary manome toky Andriamanitra fa tsy hotsarovany intsony izany (Hebreo 10. 17), ny asa tsirairay dia tsy maintsy hoentina eo amin’ny mazava sy hampiharihariana ary handray ny sa­ha­za azy. Tsy maintsy dinihin’ny Tompo ny fiainan’ny mpino, ny asany.

“Koa dia ataontsika ho voninahitsika ny mba hankasitrahany antsika, na mitoetra, na tsy mitoetra. Fa isika rehetra dia tsy maintsy ho hita toetra miharihary eo amin’ny fitsaràn’i Kristy, mba handraisan’ny olona rehetra izay zavatra nataon’ny tenany, dia araka izay nataony, na tsara na ratsy” (2 Korintiana 5. 9-10).

“Nahoana ianao no mitsara ny rahalahinao ? Ary nahoana kosa ianao no manao tsinontsinona ny rahalahinao ? Fa samy hiseho eo anoloan’ny fitsaràn’Andriamanitra isika rehetra” (Romana 14. 10).

Marihina tsara, fa ao amin’ireo andininy roa ireo, tsy sarahina amin’ny teny manodidina azy, ny fise­hoa­na eo amin’ny fitsarana dia ferana ho an’ny mpino. Ao amin’ny voalohany, dia ambaran’ny Apos­toly fa isika dia ao amin’ity vatana ity, ka lavitra ny Tompo (ara-batana), na efa niala tamin’ity va­tana ity, ka eo anilan’ny Tompo : tsy ho hay ampiasaina momba ny tsy mpino izany fiteny izany. “Koa dia ataontsika ho voninahitsika” ny mba hankasitrahany antsika, … “fa isika rehetra dia tsy main­tsy ho hita toetra miharihary”, sns. (2 Korintiana 5. 9-10).

Ao amin’ilay andininy faharoa (Romana 14. 10-11), ny voambolana hoe “ianao” sy “rahalahinao” dia mampiseho koa fa ferana ho an’ny mpino io andininy io. Tsy afangaron’ny Fanahy Masina mihi­tsy ny olona voavonjy sy ny tsy voavonjy. Ny filazana fa hiseho eo amin’ny fitsaràn’i Kristy ny mpino, dia tsy mifanohitra velively amin’ny voalazan’ny Jaona 5. 24, izay manambara fa tsy hotsaraina ireo mino an’i Jesoa. Ny hatao eo anoloan’io fitsarana io, dia ny hampiharihary ny zavatra lasa rehetra sy hanome ny valin’izany. Mitanisa tsongandahatsoratra ao amin’ny Isaia ny Apostoly, ha­na­po­ro­foa­na fa “ny lohalika rehetra handohalika”, sns., ary ampiany hoe : “Samy ham­pa­moa­hin’An­dria­ma­ni­tra ny amin’ny tenany avy isika rehetra.”

Ity tsongandahatsoratra manaraka ity dia manome antsika ny fototra hitsarana ny asa :

“Tsy misy mahay manao fanorenana hafa afa-tsy izay natao, dia Jesoa Kristy. Ary raha misy man­dra­fi­tra volamena, na volafotsy, na vato tsara, na hazo, na bozaka, na mololo, eo ambonin’ny fa­no­re­na­na, dia haseho avokoa ny asan’ny olona rehetra ; fa ny andro no hampiseho azy, satria haseho amin’ny afo izany andro izany, ka dia hozahan-toetra amin’ny afo ny asan’ny olona rehetra. Raha ma­ha­ritra ny asan’ny olona, izay narafiny teo amboniny, dia handray valim-pitia izy. Raha ho levon’ ny afo ny asan’ny olona, dia ho fatiantoka izy ; fa ny tenany kosa dia hovonjena, nefa toy ny avy ao amin’ny afo ihany izy” (1 Korintiana 3. 11-15).

Ireto tsongandahatsoratra manaraka ireto dia milaza ny fotoana hisian’io fisehoana eo anoloan’ny fitsa­ràn’i Kristy io :

“Ho avy ny Zanak’olona, amin’ny voninahitry ny Rainy, mbamin’ny anjeliny, dia hamaly ny olona re­he­­tra araka ny nataony” (Matio 16. 27).

“Dia ho sambatra ianao, satria tsy mba manan-kavaly ireo ; fa hovaliana kosa ianao, amin’ny fi­tsan­ga­nan’ny marina” (Lioka 14. 14). Jereo 1 Korintiana 15. 22-23.

“Koa amin’izany, aza mitsara na inona na inona, alohan’ny fotoana, dia ny fiavian’ny Tompo, Izay ham­piharihary ny zavatra takona ao amin’ny maizina ka hampiseho ny fikasàn’ny fo ; dia samy ha­ha­zo izay derany avy amin’Andriamanitra izy rehetra” (1 Korintiana 4. 5).

Tena mampahery tokoa ny mahafantatra fa, mba hitsinjovana izay fisehoana tsy ho azo ialàna sy izay fampiharihariana ireo asantsika mampalahelo sy tsy manao ahoana, dia mitarika antsika ny Tom­po ankehitriny, noho ny fitiavany feno faharetana, ary miasa ao amintsika, mba hahitany, amin’ izay fotoana izay, zavatra ho azony iderana antsika.

“Indro, avy faingana Aho ; ary eto amiko ny famaliako, mba hamaliako ny olona rehetra, araka ny asa­ny” (Apokalypsy 22. 12).

“Hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satroboninahitry ny fahamarinana, izay homen’ny Tompo, Mpitsara marina, ho ahy, amin’izay andro izay” (2 Timoty 4. 8).

6.4   Ny fitsarana ny firenena

Fotoana :            ny fisehoan’i Kristy am-boninahitra (Matio 25. 31-32 ; Matio 13. 40-41).

Toerana :           Lohasahan’i Josafata (Joela 4. 2 ; 4. 12-14).

Vokany : Ny sasany ho voavonjy, ny sasany ho very (Matio 25. 46).

Fototra : Ny fomba nitondrana ireo antsoin’i Kristy hoe “rahalahiko” (Matio 25. 40, 45 ; Joela 4. 3, 6, 7). Mino izahay fa ireo “rahalahy” ireo dia ny Sisa tavela Jiosy, ireo olona izay hitodika amin’i Jesoa toy ny amin’ny Mesiany, mandritra “ny fahoriana lehibe” aorian’ny fampia­ka­ra­na ny Eglizy, ary hifarana amin’ny fisehoan’ny Tompontsika am-boninahitra (Matio 24. 21-22 ; Apokalypsy 7. 14 ; 2 Tesaloniana 2. 3-9). Lava loatra ny fanaporofoana io fa­ha­ma­ri­na­na io, ka tsy holazaina amin’ny antsipiriany eto. Mazava ho azy, nefa, fa ireo “rahalahy” ireo dia tsy mpino nandritra ny vanimpotoampitondrana nisy ny Eglizy, satria tsy na­ha­fan­ta­tra fa ny asa soa atao amin’ny mpino dia tsy inona, tsy akory, fa atao amin’i Jesoa te­na­ny.

Satria io fitsarana ny firenena velona io dia afangaro matetika amin’ny fitsarana eo amin’ilay “Seza­fian­drianana Fotsy Lehibe” voalaza ao ain’ny Apokalypsy 20. 11, dia tsara ny manamarika ireto tran­ga mifanohitra ireto, eo amin’ireo fitsarana roa ireo :

Ny firenena velona

Ny Sezafiandrianana Fotsy Lehibe

Tsy misy fitsanganana amin’ny maty

Ny firenena velona no tsaraina

Eto an-tany

Tsy misy boky

Sokajy telo : ny ondry, ny osy, ny “rahalahy”

Fotoana : rehefa miseho i Kristy.

Misy fitsanganana amin’ny maty

“Ny maty” no tsaraina

Efa foana ny tany sy ny lanitra

“Novelarina ny boky”

Sokajy iray ihany : “ny maty”

Aorian’ny Fanjakàn’i Kristy 1000 taona.

Hiaraka amin’i Kristy ny olona masina, hanatanteraka io fitsarana io ; ka noho izany, dia tsy izy ireo no hiantefan’izany fitsarana izany. Ampitahao 1 Korintiana 5. 2 sy Daniela 7. 22 ary Joda 14-15.

Raha ny marina, ny fitsarana eo amin’ny Sezafiandrianana Fotsy Lehibe sy ny fitsarana ny firenena, dia tsy misy ifandraisana afa-tsy tokana ihany : ny Mpitsara.

 

6.5   Ny fitsarana ny maty tsy nanana mihitsy ny fiainan’Andriamanitra

Fotoana :            Aorian’ny Fanjakana arivo taona (Asa 17. 31 ; Apokalypsy 20. 5, 7).

Toerana :           Eo anoloan’ny “Sezafiandrianana Fotsy Lehibe” (Apokalypsy 20. 11).

Vokany : Apokalypsy 20. 14.

Mety hisy angamba ho lasa eritreritra amin’ny voambolana hoe “andro”, ampiasaina ao amin’ny Asa 17. 31 sy Romana 2. 16. Jereo ireto andininy manaraka ireto, izay ahitana fa ny hoe “andro” dia midika fotoana lavabe : 2 Petera 3. 8 ; 2 Korintiana 5. 2 ; Jaona 8. 56. Ny “ora” voalaza ao amin’ny Jaona 5. 25 dia efa nandritra ny mihoatra ny 2000 taona.

6.6   Fitsarana hafa

Ny Soratra Masina dia manambara koa fitsarana ny anjely (1 Korintiana 6. 3 ; Joda 6 ; 2 Petera 2. 4).

Ny voalaza ao amin’ny Lioka 22. 30 dia angamba mifandraika amina Mpitsara toy ny tamin’ny an­dro nanjakan’Andriamanitra tamin’ny Israely (talohan’i Saoly, mpanjaka voalohany)    an­drai­ki­tra fam­pandehanan-draharaha fa tsy dia fitsarana. Jereo Isaia 1. 26.

7                    Ny Lalàna sy ny Fahasoavana

7.1   Manavaka ny foto-kevitra sy ny vanimpotoampitondrana

Ny fanavahana hafa lehibe ataon’ny Tenin’Andriamanitra, dia ny momba ny Lalàna sy ny Faha­soa­va­na. Ireo foto-kevitra roa ireo, izay tena mifanohitra tanteraka, dia toetran’ireo vanim­po­toam­pi­ton­dra­na roa isan’ny lehibe indrindra — ny vanim-potoana jiosy sy ny vanim-potoana kristiana : “Ny la­là­na dia nomena tamin’ny alalan’i Mosesy ; fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa, dia tonga ta­min’ny alalan’i Jesoa Kristy” (Jaona 1. 17).

Mazava ho azy fa tsy midika izany, tsy akory, hoe tsy nisy lalàna talohan’i Mosesy, na tsy nisy faha­soa­va­na sy fahamarinana talohan’i Jesoa Kristy. Ny fandraràna an’i Adama tsy hihinana ny voan’ny ha­zo fahalalana ny tsara sy ny ratsy (Genesisy 2. 17), dia lalàna ; ary ny fahasoavana dia naseho tamim-pi­tiavana tokoa, raha nitady ireo voariny nanota Andriamanitra ka nanafy azy ireo fitafiana hoditra (Ge­nesisy 3. 21)  —kisarisary soa tokoa, mampiseho an’i Kristy “Izay natao … fa­ha­ma­ri­na­na … ho an­tsi­ka” (1 Korintiana 1. 30). Nisy hatrany ny lalàna, amin’ny heviny hoe fa­nam­ba­rà­na iray mom­ba ny sitrapon’Andriamanitra, sy ny fahasoavana, amin’ny heviny hoe fa­nam­ba­rà­na iray momba ny famindràmpon’Andriamanitra ; ary marobe ny ohatra omen’ny Soratra Ma­si­na momba izany. Fa ny “lalàna” izay tena ambaran’ny Soratra Masina, dia ny lalàna nomen’i Mo­se­sy ; manjaka sy ma­ma­ri­tra ny vanim-potoana nanomboka tao Sinay ka hatrany Kalvary izany. Toy iza­ny koa, ny fa­ha­soa­va­na dia manjaka sy manoritra toetra manokana amin’ny va­nim­po­toam­pi­ton­dra­na nanomboka teo Kal­vary ; hifarana izany, amin’ny maha toetra mampiavaka azy, amin’ny fa­kà­na ny Eglizy.

7.2   Inona no maha-samy hafa  ny lalàna sy ny fahasoavana ?

Zava-dehibe iankinan’ny aina ny mandinika fa tsy afangaron’ny Soratra Masina na oviana na ovia­na ireo foto-kevitra roa ireo, na inona na inona vanimpotoampitondrana misy. Ny lalàna dia ma­na­na ny toerany sy ny asany, izay tsy mitovy velively amin’ny an’ny fahasoavana. Ny lalàna, dia An­dria­ma­ni­tra mandrara sy mitaky. Ny fahasoavana, dia Andriamanitra mitady sy manome. Ny lalàna dia fanompoana manameloka ; ny fahasoavana, fanompoana mamela heloka. Ny lalàna dia ma­no­zo­na ; ny fahasoavana dia manafaka amin’io ozona io. Ny lalàna dia mamono ; ny fahasoavana, ma­no­me fiainana. Ny lalàna, manakombona ny vava rehetra eo anoloan’Andriamanitra ; ny faha­soa­vana, manokatra izany ho fiderana Azy. Ny lalàna dia mametraka elanelana lehibe eo amin’ny olo­na meloka sy Andriamanitra ; ny fahasoavana, mampanakaiky ny olona meloka amin’An­dria­ma­ni­tra. Ny lalàna, milaza hoe : “Maso solon’ny maso, nify solon’ny nify” ; ny fahasoavana manambara hoe : “Aza manohitra izay manisy ratsy anao ; fa na zovy na zovy no mamely tahamaina ny ta­ko­la­kao an­ka­vanana, atolory azy koa ny anankiray.” Ny lalàna milaza hoe : “Mankahalà ny fa­ha­va­lo­nao” ; ny fa­ha­soavana : “Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo.” Ny la­làna mi­la­za hoe : “Ataovy, dia ho velona ianao” ; ny fahasoavana : “Minoa, dia ho velona ianao.” Ny lalàna dia tsy nanana iraka hanambara azy, na oviana na oviana ; ny fahasoavana dia tsy main­tsy toriana amin’ny voary rehetra. Ny lalàna dia manameloka, na dia ny olona faran’izay tsara aza ; ny fa­ha­soa­va­na dia manamarina maimaimpoana, na ny olona faran’izay ratsy aza (Lioka 23. 43 ; Ro­mana 5. 5 ; 1 Ti­moty 1. 15 ; 1 Korintiana 6. 9-11). Ny lalàna dia rafitra izahan-toetra ; ny fa­ha­soa­va­na, rafitra ma­no­me tombontsoa tsy mendrika ho azo. Ny lalàna dia mitora-bato ny vehivavy mi­jan­ga­janga ; ny fa­ha­soa­va­na, milaza hoe : “Izaho koa dia tsy manameloka anao ; mandehana, ary amin’izao sisa izao dia aza manota intsony.” Teo ambany lalàna, dia maty ho an’ny mpiandry ny on­dry ; eo ambany fa­ha­soa­vana, dia ny mpiandry no maty ho an’ny ondry.

Hatraiza hatraiza, dia asehon’ny Soratra Masina antsika fa mifanohitra tanteraka ny lalàna sy ny fa­ha­soa­vana.

Ny fampifangaroana azy ireo, izay hita matetika tokoa amin’ny fampianarana ankehitriny, dia ma­no­va azy roa : very ny toetra mampitahotra ananan’ny lalàna, very koa ny maha-tombontsoa tsy men­drika ho azo ny fahasoavana.

7.3   Inona no atao hoe “ny lalàna” ? Ireo kisarisary hita ao

Ny voambolana hoe “lalàna”, ao amin’ny Testamenta Vaovao, dia saika midika hatrany hoe ny la­là­na nomen’i Mosesy (Romana 7. 23 ihany no miavaka, amin’izany) ; indraindray, dia ny lalàna ma­non­to­lo no resahina (ny atao hoe lalàna môraly, na ny Didy folo, sy ny lalàna momba ny fom­ba­fom­ba fivavahana : Romana 6. 14 ; Galatiana 2. 16 sy 3. 2), indraindray dia ny didy ihany (Romana 3. 19 sy 7. 7-12), ary indraindray kosa dia ny lalàna momba ny fombafomba fivavahana fotsiny (Kolosiana 2. 14-17).

Ao amin’ny lalàna momba ny fombafomba fivavahana, nefa, dia ahitana kisarisary mam­pi­to­la­ga­ga, ny sariohatra tsara dia tsara tokoa mampiseho ny Tena sy ny asan’ny Tompo Jesoa Kristy, amin’ ny maha Mpisorona sy Sorona Azy, indrindra ao amin’ny Tabernakely (Eksodosy 25 hatramin’ny 30), sy ny sorona ao amin’ny Levitikosy (Levitikosy 1 hatramin’ny 7), sariohatra izay hahatalanjona sy han­ka­fi­zin’ny olona feno fanahy.

Toy izany koa ny fomba fiteny sasantsasany ao amin’ny Salamo, izay tsy ho azo hazavaina mihitsy, raha tsy takatra fa avy amin’ny “fanompoana nitondra fahafatesana …, dia ilay voasoratra teo amin’ny vato” (2 Korintiana 3. 7) izy ireo, nefa dia manjary mazava tokoa rehefa ampifandraisintsika amin’i Kristy na ny olom-boavidy :

“Ny lalànan’i Jehovah no sitrany ; eny, ny lalànany no saintsaininy andro aman’alina” (Salamo 1. 2).

“Aoka ho tonga amiko ny fiantrànao, mba ho velona aho ; fa ny lalànanao no firavoravoako” (Sa­la­mo 119. 77).

“Endrey ny fitiavako ny lalànanao ! Fisaintsainako mandrakariva izany” (Salamo 119. 97).

7.4   Fampiasana ratsy “ny lalàna”

Fahadisoana telo no nampikorontana ny Eglizy, momba ny tena fifandraisan’ny lalàna sy ny faha­soa­vana.

1.  Ny baranahiny, na fandàvana izay rehetra mety ho fitsipi-piainana ho an’ny mpino (= an­ti­no­m­is­me) ; izany dia fananterana hoe, satria voavonjy maimaimpoana noho ny fahasoavana ny mpino, ary tsy misy zavatra mendrika nataony, ho amin’izany, dia tsy takiana aminy ny hiaina fiainana masina.

 

“Manaiky fa mahalala an’Andriamanitra izy, nefa mandà Azy amin’ny asany, dia olona ve­ta­ve­ta sady tsy manaraka ary olona tsy izy, izay tsy manao asa tsara, na inona na inona” (Titosy 1. 16).

 

“Misy olona sasany efa niditra misokosoko, izay voasoratra fahiny ho amin’izany fanamelohana izany, dia olona ratsy fanahy, izay mamadika ny fahasoavan’Andriamanitsika ho fijejojejoana, sady mandà ny Andrian-tokana, dia Jesoa Kristy Tompontsika” (Joda 4).

 

2.  Ny fanarahana fombafomba, na fifikirana amin’ny fombafomba fivavahana. Amin’ny endriny tany am-boalohany, izany dia nandidy ny mpino hitandrina ny didy ao amin’ny Levitikosy.

“Ny olona sasany izay nidina avy tany Jodia, nampianatra ny rahalahy hoe : Raha tsy forana ara­ka ny fanaon’i Mosesy ianareo, dia tsy azo vonjena” (Asa 15. 1).

Ny endrika isehoan’io fahadisoana io, amin’izao vaninandro ankehitriny izao, dia ny fam­pia­na­ra­na fa tena ilaina ny fanatontosana ny sakramenta, mba hahazoana famonjena.

3.  Ny fahadisoan’ny Galatiana, na fampifangaroana ny lalàna sy ny fahasoavana. Izany dia mam­pianatra fa ny fanamarinana dia azo, amin’ny ampahany noho ny fahasoavana, ary amin’ny ampahany noho ny lalàna ; na, raha lazaina amin’ny fomba hafa, dia hoe ny faha­soa­vana dia ilaina, hahatonga ny mpanota ho afaka hitandrina ny lalàna.

 

Io fahadisoana io no miely indrindra, ary mba hanoherana azy, Andriamanitra dia namaly ao amin’ny epistily ho an’ny Galatiana, ta­min’ny fampitandremana manetriketrika sy ny lojika tsy azo iadian-kevitra ary ny fa­nam­ba­rà­na mampiorina.

 

“Izao ihany no tiako holazainareo amiko : Moa ny asan’ny lalàna va no nandraisanareo ny Fa­na­­hy, sa ny fitoriana ny finoana ? Adala toy izany va ianareo ? Rehefa nanomboka tamin’ny Fa­na­hy ianareo, dia hahatanteraka amin’ny nofo va ankehitriny ?” (Galatiana 3. 2-3).

 

“Gaga aho, raha mifindra faingana toy izao ianareo, hiala amin’Izay efa niantso anareo ta­min’ ny fahasoavan’i Kristy, ho amin’ny filazantsara hafa, izay tsy filazantsara akory ; fa saingy misy ny sa­sany mampitabataba anareo, ka ta hamadika ny filazantsaran’i Kristy. Fa na izahay, na an­je­ly avy any an-danitra aza, no mitory filazantsara hafa aminareo, afa-tsy izay efa notorinay ta­mi­na­reo, aoka ho voaozona izy” (Galatiana 1. 6-8).

 

Izao manaraka izao dia hahitantsika fanazavana fohifohy momba ny fampianaran’ny Soratra Ma­si­na mikasika io lohahevitra lehibe io. Ao amin’ireo andininy tanisaina, dia ny lalàna môraly no tena am­ba­ra.

 

7.5   Ny toetran’ny lalàna

“Masina tokoa ny lalàna, ary masina ny didy, sady marina no tsara” (Romana 7. 12).

“Fantatsika fa araka ny fanahy ny lalàna ; fa izaho kosa nofo, namidy ho andevon’ny ota” (Romana 7. 14).

“Mankasitraka ny lalànan’Andriamanitra aho, araka ny toetra anaty” (Romana 7. 22).

“Fantatsika fa tsara ny lalàna, raha entin’ny olona araka izay antony” (1 Timoty 1. 8).

“Ny lalàna, tsy araka ny finoana” (Galatiana 3. 12).

7.6   Ny vokatry ny lalàna   Nahoana no nasiana ny lalàna ?

“Inona àry no holazaintsika ? Ota va ny lalàna ? Sanatria izany ! Kanefa tsy nahalala ny ota aho, raha tsy tamin’ny lalàna, satria tsy fantatro akory ny fitsiriritana, raha tsy ny lalàna no nanao hoe : ‘Aza mi­tsi­riritra’ ” (Romana 7. 7 ; jereo koa 7. 13).

“Tsy misy nofo hohamarinina amin’ny asan’ny lalàna, eo anatrehany ; fa ny lalàna no ahazoana ny fa­halalana marina ny amin’ny ota” (Romana 3. 20).

“Inona àry ny lalàna ? Nanampy noho ny fahadisoana izy” (Galatiana 3. 19).

“Fantatsika fa izay zavatra lazain’ny lalàna dia lazainy amin’izay manana ny lalàna, mba ho voa­tam­pina avokoa ny vava rehetra, ka hiharan’ny fitsaràn’Andriamanitra izao tontolo izao” (Romana 3. 19).

(Fomba iray ihany no fitenin’ny lalàna : “izay rehetra lazaina”. Tsy miteny izy raha tsy hanameloka.)

“Izay rehetra amin’ny asan’ny lalàna dia eo ambanin’ny fanozonana ; fa voasoratra hoe : ‘Voa­ozo­na izay rehetra tsy maharitra mankatò ny zavatra rehetra voasoratra ao amin’ny bokin’ny lalàna’ ” (Ga­la­tiana 3. 10).

“Na iza na iza mitandrina ny lalàna rehetra, nefa diso amin’ny iray loha, dia meloka amin’izy rehetra” (Ja­ko­ba 2. 10).

“Raha ny fanompoana nitondra fahafatesana aza, dia ilay voasoratra teo amin’ny vato…” (2 Ko­rin­tia­na 3. 7).

“Ny fanompoana nitondra ny fanamelohana…” (2 Korintiana 3. 9).

“Izaho dia velona tsy manan-dalàna, fahiny ; fa rehefa tonga  kosa ny didy, dia velona indray ny ota,  ka dia maty aho” (Romana 7. 9).

“Ny lalàna no herin’ny ota” (1 Korintiana 15. 56).

Ny tanjon’Andriamanitra, tamin’ny nanomezany ny lalàna ho an’ny zanak’olombelona, izay niaina tsy nisy izany nandritra ny 2500 taona (Jaona 1. 17 ; Galatiana 3. 17), dia, voalohany aloha, mba ham­pahafantatra ny olona ny fahotany, ary, manaraka izany, mba haneho aminy fa tsy afa­ka ma­nao na inona na inona izy, manoloana ireo fitakiana marina ataon’Andriamanitra. Noho iza­ny, ny la­là­na dia tsy inona, tsy akory, fa fanompoana fanamelohana sy fahatesana.

7.7   Ny zavatra tsy vitan’ny lalàna

“Tsy misy nofo hohamarinina amin’ny asan’ny lalàna, eo anatrehany ; fa ny lalàna no ahazoana ny fahalalana marina ny amin’ny ota” (Romana 3. 20).

“Nony fantatsika fa tsy hamarinina amin’ny asan’ny lalàna ny olona, fa amin’ny finoana an’i Jesoa Kris­ty, dia nino an’i Kristy Jesoa koa isika, mba hohamarinina amin’ny finoana an’i Kristy, fa tsy amin’ ny asan’ny lalàna, satria tsy misy nofo hohamarinina amin’ny asan’ny lalàna” (Galatiana  2. 16).

“Tsy mahafoana ny fahasoavan’Andriamanitra aho ; fa raha avy amin’ny lalàna ny fahamarinana, dia maty foana Kristy” (Galatiana 2.  21).

“Hita marimarina fa amin’ny lalàna dia tsy misy olona hamarinina eo anatrehan’Andriamanitra ; fa ‘ny marina amin’ny finoana no ho velona’ ” (Galatiana 3. 11).

“Izay tsy hain’ny lalàna, satria ny nofo no nahalemy azy, dia vitan’Andriamanitra, tamin’izy naniraka ny Zanany, naka ny endriky ny nofo ota sy ny amin’ny ota, ka nanameloka ny ota tao amin’ny nofo” (Ro­mana 8. 3).

“Ao aminy (Jesosy) no anamarinana izay rehetra mino, ho afaka amin’ny heloka rehetra, izay tsy azo nanamarinana anareo tamin’ny lalànan’i Mosesy” (Asa 13. 39).

“Misy fahafoanana ny didy nialoha, noho ny halemeny sy ny tsy fanasoavany (fa ny lalàna dia tsy nahatanteraka na inona na inona), ary misy koa fampidirana ny fanantenana tsaratsara kokoa, izay anatonantsika an’Andriamanitra” (Hebreo 7. 18-19).

7.8   Tsy eo ambanin’ny lalàna ny mpino

7.8.1       Romana 6

Ny toko faha-6 amin’ny Romana dia manomboka amin’ny fametrahana ny foto-pampianarana mom­ba ny fahitana ny mpino maty ao amin’i Kristy, ary ny batisa no marik’izany (6. 1-10) ; rehefa iza­ny, dia soritany, manomboka eo amin’ny andininy faha-11, ny fitsipika tokony hanjaka eo amin’ny fi­zo­­tran’ny mpino, ny fitsipi-piainany. Izany no velabelarina ao amin’ireo andininy roa ambin’ny folo fa­­ra­ny ao amin’io toko io ; ny andininy faha-14 dia manome antsika ny foto-kevitra lehibe momba ny fa­na­fahana ny mpino  —fanafahana, tsy amin’ny fahamelohana noho ny ota (azo amin’ny ala­lan’ny ran’i Kristy io fanafahana io), fa amin’ny fanjakàn’ny ota, fanafahana amin’ny fa­nan­de­vo­zan’ny ota.

“Ny ota tsy hanan-kery aminareo ; fa tsy mba ambanin’ny lalàna ianareo, fa ambanin’ny fa­ha­soa­va­na” (Romana 6. 14).

Nefa mba tsy ampiasàna izany, hahatongavana amin’ny baranahiny (= fandàvana izay rehetra mety ho fitsipika), izay manisi-kevitra hoe tsy misy dikany, izany, ny fiainana masina, dia mailaka ny Fa­na­hy manampy hoe : “Ahoana àry ? Hanota va isika, saingy tsy ambanin’ny lalàna, fa am­ba­nin’ ny fa­ha­soavana ? Sanatria izany !” (Romana 6. 15). Mamaly an’izany tsy mihambahamba ny fo re­he­tra na­te­raka indray, hoe : Amen, amen.

7.8.2       Romana 7

Manaraka izany, ny toko faha-7 amin’ny Romana dia mampiditra lohahevitra iray momba ny fa­na­fa­ha­na amin’ny lalàna :

“Amin’izany ianareo koa, ry rahalahiko, dia efa natao maty ny amin’ny lalàna, noho ny tenan’i Kristy, mba ho vadin’ny hafa ianareo, dia Izay natsangana tamin’ny maty, mba hahavokarantsika ho an’ An­driamanitra. Fa fony tao amin’ny nofo isika, dia ny filàn’ny ota, izay nohetsehin’ny lalàna, no niasa tao amin’ny momba ny tenantsika, hahavokatra ho amin’ny fahafatesana. Fa ankehitriny dia efa afa­ka tamin’ny lalàna isika, satria maty ny amin’izay nihazonana antsika, ka dia manompo amin’ny ha­vaozam-panahy isika, fa tsy amin’ny haelan-tsoratra” (Romana 7. 4-6 ; hita araka ny an­di­ni­ny faha-7, fa tsy miresaka ny lalàna momba ny fombafomba fivavahana izany).

“Raha izaho, dia tamin’ny lalàna no nahafatesako ny amin’ny lalàna, mba ho velona ho an’An­dria­ma­ni­tra aho” (Galatiana 2. 19).

“Fony mbola tsy tonga ny finoana, dia voambina tao ambanin’ny lalàna isika, ka voahidy ho amin’ ny finoana, izay efa haseho ato aoriana. Koa ny lalàna dia mpitaiza antsika ho amin’i Kristy, mba ho­ha­ma­rinina noho ny finoana isika. Fa rehefa tonga ny finoana, dia tsy fehezin’izay mpitaiza intsony isika” (Galatina 3. 23-25).

“Fantatsika fa tsara ny lalàna, raha entin’ny olona araka izay antony, ka fantany fa tsy ny olona ma­ri­na no nanaovana ny lalàna” (1 Timoty 1. 8-9).

7.9   Inona no fitsipi-piainan’ny kristiana ?

“Izay milaza fa mitoetra ao aminy (Jesoa Kristy) izy, dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa” (1 Jaona 2. 6).

“Izao no ahafantarantsika ny fitiavana, satria Izy no nanolotra ny ainy hamonjy antsika ; ary isika kosa mba tokony hanolotra ny aintsika, hamonjy ny rahalahy” (1 Jaona 3. 16).

“Ry malala, mananatra anareo aho : satria vahiny sy mpivahiny ianareo, fadio ny filàn’ny nofo, fa mia­dy amin’ny fanahy ireny” (1 Petera 2. 11 ; jereo koa ny andininy 12-23).

“Noho izany izaho, mpifatotra noho ny amin’ny Tompo, dia mangataka aminareo mba handeha men­drika ny fiantsoana izay niantsoana anareo, amin’ny fanetrentena rehetra sy ny fa­ha­le­mem­pa­na­hy, amin’ny faharipo mifandefitra amin’ny fitiavana” (Efesiana 4. 1-2).

“Aoka hanahaka an’Andriamanitra ianareo, tahaka ny zanaka malala ; ary mandehana amin’ny fitiavana, toy ny nitiavan’i Kristy anareo, dia ny nanolorany ny tenany ho fanatitra sy ho fanavotana amin’Andriamanitra, ho hanitra ankasitrahina, hamonjy antsika” (Efesiana 5. 1-2).

“Maizina ianareo fahiny, fa efa mazava ao amin’ny Tompo kosa ankehitriny ; mandehana tahaka ny za­na­ky ny mazava” (Efesiana 5. 8).

“Tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hen­dry, ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao” (Efesiana 5. 15-16).

“Hoy izaho : Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filàn’ny nofo ianareo” (Ga­la­tia­na 5. 16).

“Fianarana no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo” (Jaona 13. 15).

“Raha mitandrina ny didiko ianareo, dia hitoetra amin’ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny di­din’ny Raiko sy ny itoerako amin’ny fitiavany” (Jaona 15. 10).

“Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo, tahaka ny nitiavako anareo” (Jaona 15. 12).

“Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia Ahy” (Jaona 14. 21).

“Na inona na inona no angatahantsika, dia raisintsika aminy, satria mitandrina ny didiny sy manao izay ankasitrahina eo imasony isika. Ary izao no didiny, dia ny hinoantsika ny anaran’i Jesoa Kristy Za­na­ny sy ny hifankatiavantsika, araka ny didy nomeny antsika” (1 Jaona 3. 22-23).

“Izao no fanekena hataoko aminy, rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah : Hataoko ao am-pony ny lalànako, sady hosoratako ao an-tsainy” (Hebreo 10. 16).

Ny fitiavan’ny reny dia ohatra tsara, anazavana io fitsipika io. Ny lalàna velona amin’ny tany rehetra dia mitaky ny hiahian’ny ray aman-dreny ny zanany, ary manasazy izay minia manao tsirambina iza­ny. Kanefa ny tany dia feno reny sambatra, izay mikarakara ny zanany am-pitiavana, na dia tsy ma­ha­fantatra ny fisian’io lalàna io akory aza. Ao am-pony ny lalàna.

Momba izany, dia tsara raha tsahivina ny toerana nomen’Andriamanitra ny takela-dalàna, izay na­tao­ny tao anaty fiara fanekena. Niaraka tamin’izany “ny vilany volamena, izay nitoeran’ny mana, sy ny tehin’i Arona izay nitsimoka” (kisarisary mampiseho, ny voalohany, an’i Kristy toy ny mofontsika any an-taniefitra, ny manaraka, ny fitsanganana amin’ny maty ; ary izy roa ireo samy miresaka ny fa­ha­soavana) ; notakonan’ny rakotra fanavotana volamena, izay nandrarahana ny ra fanonerana, izy ireo, mba tsy ho hitan’ny maso. Ny mason’Andriamanitra dia tsy afaka hijery ny lalànany nodikaina, ra­­ha tsy amin’ny alalan’ny ra izay nahafa-po tanteraka ny fahamarinany sy nampitony ny ha­te­ze­ra­ny (Hebreo 9. 4-5).

Anjaran’ireo “mpanara-dalàna” ankehitriny ny nanala ireo takelaka masina sy marina, nefa “mi­ton­dra fahafatesana”, ireo, avy eo ambanin’ny rakotra fanavotana sy avy eo ambanin’ny ra fa­no­ne­ra­na, mba hanangana izany ao amin’ireo fiangonana kristiana ho toy ny fitsipi-piainana kristiana.

7.10                   Inona no atao hoe fahasoavana ?

“Rehefa niseho ny fahamoram-panahin’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, sy ny fitiavany ny olona, dia tsy avy tamin’ny asa amin’ny fahamarinana izay nataontsika, fa araka ny famindràmpo kosa, no na­monjeny antsika” (Titosy 3. 4-5).

“Mba hasehony amin’ny andro ho avy ny haben’ny harenan’ny fahasoavany, amin’ny fahamoram-pa­nahiny amintsika ao amin’i Kristy Jesoa” (Efesiana 2. 7).

“Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy an­tsi­ka Kristy” (Romana 5. 8).

7.11                   Inona no lamin’Andriamanitra ao amin’ny fahasoavana ?

“Fahasoavana no namonjena anareo, amin’ny finoana ; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra ; tsy avy amin’ny asa, fandrao hisy hirehareha” (Efesiana 2. 8-9).

“Efa miseho ny fahasoavan’Andriamanitra, izay famonjena ny olona rehetra, mampianatra antsika han­dà izay toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra sy ny filàn’izao tontolo izao ary ho velona amin’ ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, amin’izao fiainana ankehitriny izao, miandry ny fanantenana mahafinaritra sy ny fisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra lehibe sady Mpa­monjy antsika, dia Jesoa Kristy” (Titosy 2. 11-13).

“Mba hohamarinina amin’ny fahasoavany isika, ka ho tonga mpandova araka ny fanantenana ny fiai­nana mandrakizay” (Titosy 3. 7).

Hamarinina maimaimpoana  amin’ny fahasoavany …, noho ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesoa” (Romana 3. 24).

“Tamin’ny alalany koa no efa nahazoantsika fanatonana amin’ny finoana, ho amin’izao fa­ha­soa­va­na itoerantsika izao” (Romana 5. 2).

“Ankehitriny, izaho manolotra anareo ho amin’Andriamanitra sy ho amin’ny tenin’ny fa­ha­soa­va­ny, izay mahay mampandroso sy manome lova anareo, eo amin’izay rehetra nohamasinina” (Asa 20. 32).

“Ho fiderana ny voninahitry ny fahasoavany, izay nanasoavany antsika maimaimpoana ao amin’ny Malala. Izy no ananantsika fanavotana amin’ny rany, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny harenan’ny fahasoavany” (Efesiana 1. 6-7).

“Aoka isika hanatona ny sezafiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahasahiana, mba ha­ha­zoan­tsi­ka famindràmpo sy hahitantsika fahasoavana, ho famonjena amin’izay andro mahory” (Hebreo 4. 16).

Feno tokoa ny fahasoavana, ary misy ny zavatra rehetra ! Ny fahasoavana no mamonjy, mam­pi­o­ri­na, mahatonga ho ekena, manavotra, mamela heloka ; manome lova izy, toerana tsy azo ho­zon­go­zo­nina ; mamboatra sezafiandrianana izy, izay azontsika hatonina am-pahasahiana, mba ha­ha­zoa­na fahasoavana sy famindràmpo, mampianatra antsika ny fomba tokony hiainantsika izy, ary ma­no­me antsika fanantenana mahafinaritra !

7.12                   Tsy mety afangaro ny lalàna sy ny fahasoavana

“Raha avy amin’ny fahasoavana izany, dia tsy mba avy amin’ny asa intsony ; fa raha izany, dia tsy fa­hasoavana intsony ny fahasoavana” (Romana 11. 6).

“Ho an’izay miasa, dia tsy isaina ho fahasoavana ny karama, fa ho trosa. Fa ho an’izay tsy miasa ko­sa, fa mino Izay manamarina ny ratsy fanahy, dia ny finoany no isaina ho fahamarinana” (Romana 4. 4-5. Jereo koa Galatiana 3. 16-18 ; 4. 21-31).

“Amin’izany, ry rahalahy, tsy zanak’andevovavy isika, fa zanaky ny tsy andevo” (Galatiana 4. 31).

“Ianareo tsy mby eo amin’izay tendrombohitra azo tsapaina sady mirehitra afo, dia eo amin’ny fa­ha­maintisana sy ny haizina sy ny tafio-drivotra sy ny fanenon’ny trompetra ary ny feon’ny teny, ka izay nandre izany dia nangataka mba tsy hasian-teny intsony izy ; fa tsy tohany ilay nandidiana hoe : ‘Ary raha misy biby aza, mikasika ny tendrombohitra, dia hotoraham-bato izany’ ; ary satria loza in­drin­dra ny fahitana, dia  hoy Mosesy : ‘Matahotra loatra sy mangovitra indrindra aho.’ Fa ianareo ko­sa, efa mby eo an-tendrombohitra Ziona, tanànan’Andriamanitra velona, dia Jerosalema any an-da­ni­tra, ary ho ao amin’ny anjely tsy omby alinalina, amin’ny fihaonana fifaliana sy ny fiangonan’ny la­hi­ma­toa voasoratra any an-danitra, sy amin’Andriamanitra, Mpitsara ny olona rehetra, ary amin’ny fa­na­hin’ny olona marina izay efa natao tanteraka, sy amin’i Jesoa, Mpanalalana amin’ny fanekena vao­vao, ary amin’ny ra famafazana, izay miteny tsara lavitra noho ny an’i Abela” (Hebreo 12. 18-24).

Izay nolazain’Andriamanitra avy teny an-tendrombohitra Sinay, izany, dia tsy natao velively ho­tsin­ja­rai­na ho “lalàna môraly”, an-daniny, sy “lalàna momba ny fombafomba fivavahana”, ankilany. Tsy ma­nakaiky izany tendrombohitra izany mihitsy ny mpino.

Araka ny filazan’ny zokiolona Bunyan :  “Amin’ny alalan’ny finoana ny Tompo Jesoa, ny mpino dia voa­ro eo ambanina fahamarinana tanteraka sy masina, hany ka io lalàna mirefodrefotra teo amin’ ny Tendrombohitra Sinay io, dia tsy hahita fahadisoana na tsy fahatanterahana, na dia kely akory aza, ao aminy. Izany no atao hoe NY FAHAMARINAN’ANDRIAMANITRA, TSY MISY NY LALÀNA.”

Raha toa tsy mpino no sendra mamaky izao asasoratra izao, dia ampirisihinay am-pitiavana izy, han­di­nika ny toerana misy azy, amin’ity didim-pitsarana masina sy marina nodikainy ity : “Samy efa na­no­ta izy rehetra, ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra” (Romana 3. 23). Ao amin’i Kristy no hahitany famonjena tanteraka sy mandrakizay, araka ny voasoratra hoe : “Raha manaiky an’i Jesoa ho Tompo amin’ny vavanao ianao, ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa na­nan­ga­na Azy tamin’ny maty, dia hovonjena ianao” (Romana 10. 9) ;

“Kristy no faran’ny lalàna, ho fahamarinana, ho an’izay rehetra mino” (Romana 10. 4, 8-9).

8                    Ireo toetra roa ao anatin’ny mpino

Ny Soratra Masina dia mampianatra fa ny olona tsirairay izay nohavaozina dia manana toetra roa : ny iray, izay nolovaina avy tamin’ny fahaterahana ara-boajanahary, dia tena ratsy tokoa ary tsy mi­sy fanafany ; ny iray kosa, ilay toetra vaovao, dia avy amin’ny fahateraham-baovao sy An­dria­ma­ni­tra mihitsy, ary tena tsara tanteraka.

8.1   Ilay toetra tranainy

Ireto tsongandahatsoratra ireto dia ampy anehoana izay fihevitr’Andriamanitra momba ny toetra tranainy, na ny toetra avy tamin’i Adama :

“Tamin’ny heloka no niterahana ahy, ary tamin’ny fahotana no torontoronina ahy ny reniko” (Sa­la­mo 51. 5).

“Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra, sady manana aretina tsy azo sitranina ; iza moa no mahafantatra ny aminy ?” (Jeremia 17. 9).

“Tsy misy marina, na dia iray akory aza ; tsy misy izay mahafantatra, tsy misy izay mitady an’An­dria­ma­ni­tra. Samy nania avokoa izy rehetra, samy tsy mahasoa avokoa izy rehetra ; tsy misy izay manao ny tsara, na dia iray akory aza” (Romana 3. 10-12).

Tsy milaza Andriamanitra, hoe ny olona tsy nohavaozina dia tsy miavaka na oviana na oviana,  na tsy manam-pahalalana, na tsy mahay, na tsy malemy fanahy, na tsy mahay mizara, na tsy antra olo­na, na koa aza tsy mivavaka ; fa ny lazainy dia hoe tsy misy na iray aza, olona marina, tsy misy na iray aza, manana faharanitan-tsaina raha ny amin’Andriamanitra na mitady Azy.

Anisan’ny fizahàn-toetra ny finoana faran’izay mampaharary tokoa ny fanekena ny fomba fije­rin’An­dria­manitra ny toetran’ny olombelona ; ny manaiky fa ireo namantsika, na toy inona na toy inona toe­trany tsara ara-panahy sy hajany, matetika mitandrina mafy ny hahatanteraka ny adidiny, feno fian­trana amin’ny voina manjo ny zanak’olombelona ary mira-miombona amin’ny fanirian’izy ireo, mpi­aro mafana fo ny zon’olombelona  —ireo rehetra ireo, nefa, dia manao tsinontsinona tanteraka ny zon’Andriamanitra, tsy miraika amin’ny sorona nataon’ny Zanany, mandà an-kitsirano aza ny maha-Andriamanitra Azy, ary manilika an’avonavona ny Teny. Ity ramatoa iray, izay tena miavaka sy avy amina fianakaviana mihaja, dia hihifika mahita ny toetra bontolo miahiahy ny tenin’ny olona toa azy, nefa isan’andro dia manao an’Andriamanitra ho mpandainga ! (1 Jaona 1. 10 ; 5. 10). Ary vao mainka miha-sarotra izany olana izany, satria avy eny ambony polipitra kristiana no amafazana man­drakariva dera lavareny ho an’ny zanak’olombelona.

Manaitra tokoa ny fifanoherana teo amin’ny toe-javatra hita maso ivelany sy ny tena zava-nisy, ta­lo­ha kelin’ny Safodrano ! “Ny Nefilima, nitoetra tambonin’ny tany, tamin’izany andro izany sy tao­rian’ izany koa, raha nivady tamin’ny zanakavavin’ny olona ny zanak’Andrimanitra ka niterahany ; ireo no ilay olo-mahery hatrizay ela izay, dia ny lehilahy nanan-daza” (Genesisy 6. 4). Teo imason’ny olona, dia toa nivoatra lalandava izao tontolo izao, ary ny vokatra hita maso nentin’ny fanambadiana tsy araka an’Andriamanitra nataon’ny zanany tamin’ny zanakavavin’ny olona, fanambadiana eo amin’ ny olona tia vavaka sy ny olon’izao tontolo izao, dia ny hitondra ny toetran’ny olombelona hi­son­­drotra hatrany. Teo indrindra nefa no “hitan’i Jehovah fa be ny faharatsian’ny olona tam­bo­nin’ny tany, ka izay fisainana rehetra avy amin’ny fony dia ratsy ihany, mandritra ny andro” (Genesisy 6. 5).

Jereo koa :

“Avy ao anatin’ny olona, dia avy ao am-pony, no ivoahan’ny sain-dratsy, dia ny fijangajangana, ny ha­latra, ny vonoana olona, ny fakàm-badin’olona, ny fieremana, ny lolompo, ny fitaka, ny fije­jo­je­joa­na, ny maso ratsy, ny fitenenan-dratsy, ny avonavona, ny fahadalana : izany zava-dratsy rehetra iza­ny no mivoaka avy ao anatin’ny olona ka mahaloto azy” (Marka 7. 21-23).

“Ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mandray izay an’ny Fanahin’Andriamanitra ; fa fa­ha­da­la­na aminy izany, sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany” (1 Korintiana 2. 14).

“Fandrafiana an’Andriamanitra ny fihevitry ny nofo ; fa tsy manaiky ny lalànan’Andriamanitra izy, sa­dy tsy hainy akory izany. Ary izay ao amin’ny nofo dia tsy mahay manao ny sitrapon’Andriamanitra” (Ro­mana 8. 7-8).

“Teo amin’ireo [zanaky ny tsy fanarahana ireo] no nitondrantsika rehetra tena koa, fahiny, tamin’ny fi­làn’ny nofontsika, ka nanaovantsika ny danin’ny nofo sy ny saina ; ary araka ny toetrantsika, dia za­na­ky ny fahatezerana toy ny sasany koa isika” (Efesiana 2. 3).

Ireo andinin-tSoratra Masina ireo dia ahitantsika fa ny olona tsy niova fo dia misy takaitra telo sosona. Mety ho mahay izy, manam-pahalalana, maha-te ho tia, malala-tànana, na mivavaka. Mety han­doa izay tokony haloany izy, azo itokisana, mazoto miasa, vady tsara sy ray tsara, na koa manana ireo toetra rehetra ireo miaraka ; nefa tsy afaka ny hahazo ny fihevitr’Andriamanitra izy, na hankatò Azy, na ho azony ankasitrahina.

8.2   Ilay toetra vaovao

Mifanohitra amin’izany kosa, ny mpino, na dia mbola manana ilay toetra tranainy tsy niova sady tsy hay ovaina aza, dia efa nandray “toetra vaovao, izay noforonina araka an’Andriamanitra, amin’ny fa­hi­tsiana sy ny fahamasinana, momba ny fahamarinana” (Efesiana 4. 24).

Ireto andininy manaraka ireo dia mampiseho ny fiavian’ny olom-baovao sy ny toetrany.

Ho hitantsika fa ny fanavaozana dia fahariana, fa tsy fanovàna tsotra fotsiny : fitondrana zava-bao­vao, fa tsy fanovàna zavatra tranainy. Toy ny nandraisantsika ny toetra maha olona, tamin’ny ni­te­ra­ha­na antsika, no andraisantsika ny ain’Andriamanitra, ananantsika anjara amin’ny toetran’An­dria­ma­ni­tra, amin’ny fahateraham-baovao.

“Jesoa namaly ka nanao taminy hoe : Lazaiko aminao marina dia marina tokoa : Raha tsy ateraka in­dray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakàn’Andriamanitra” (Jaona 3. 3).

“Izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny ana­ra­ny, dia ireo izay tsy nateraky ny ra, na ny sitrapon’ny nofo, na ny sitrapon’ny olona, fa na­te­rak’An­dria­manitra” (Jaona 1. 12-13).

“Ianareo rehetra dia zanak’Andriamanitra, amin’ny finoana an’i Kristy Jesoa” (Galatiana 3. 26).

Marihina ny herin’ireo andinin-tSoratra Masina ireo, manoloana ny fihevitra mamitaka sy toa ma­ha­fi­na­ri­tra erỳ (nefa mifanohitra tanteraka amin’ny Soratra Masina, na dia mahazo vahana tokoa aza ankehitriny), milaza fa “Andriamanitra no rain’izao tontolo izao, ary mpirahalahy daholo ny olom­be­lo­na rehetra”  —fiteny izay vao mainka mampidi-doza, satria ny tapany faharoa dia mifono hevitra marina amin’ny antsasany. Tsy ireo rehetra teraka, tsy akory, no zanak’Andriamanitra, fa ireo izay na­te­raka indray.

“Mba hotafinareo ny toetra vaovao, izay noforonina araka an’Andriamanitra, amin’ny fahitsiana sy ny fahamasinana, momba ny fahamarinana” (Efesiana 4. 24).

“Raha misy olona ao amin’i Kristy, dia olom-baovao izy : efa lasa ny zavatra taloha ; indreo, efa tonga vao­vao ireo” (2 Korintiana 5. 17).

Ary io “olom-baovao” io dia mifamatotra amin’i Kristy :

“Voahombo miaraka amin’i Kristy amin’ny hazofijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko ; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin’ny nofo dia ivelomako amin’ny finoa­na ny Zanak’Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy” (Galatiana 2. 20).

“Izay efa tian’Andriamanitra ho nampahafantarina ny harenan’ny voninahitr’ity zava-niafina ity, any amin’ny jentilisa, dia Kristy ao anatinareo, Izay fanantenana ny voninahitra” (Kolosiana 1. 27).

“Efa maty ianareo, ary ny fiainanareo miara-miafina amin’i Kristy, ao amin’Andriamanitra. Raha hi­se­ho Kristy fiainantsika, dia hiara-miseho aminy koa, amin’ny voninahitra, ianareo” (Kolosiana 3. 3-4).

“Izany no nahatanterahany amintsika ireo teny fikasana sady soa no lehibe indrindra, mba ho tonga mpiray amin’ny fomban’Andriamanitra amin’izany ianareo” (2 Petera 1. 4).

“Raha Kristy no mitoetra ao anatinareo, na dia maty ihany aza ny tena, noho ny ota, dia fiainana ko­sa ny fanahy, noho ny fahamarinana” (Romana 8. 10).

“Izao no fanambaràny : Fianana mandrakizay no omen’Andriamanitra antsika, ary ao amin’ny Za­na­ny izany fiainana izany. Izay manana ny Zanaka no manana ny fiainana ; izay tsy manana ny Za­nak’An­driamanitra no tsy manana ny fiainana” (1 Jaona 5. 11-12).

8.3   Ny fanafahana amin’ny herin’ny ota

8.3.1       Ny fisian’ny nofo

Io toetra vaovao avy amin’Andriamanitra io, nefa, dia miara-misy amin’ilay toetra tranainy ao amin’ ny mpino. Ilay Paoly, afaka niteny hoe : “Tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko”, no nilaza koa hoe : “Fantatro fa tsy misy zavatra tsara mitoetra ato amiko, dia ato amin’ny nofoko” (Ro­ma­na 7. 18) sy hoe :

“Koa hitako izao lalàna izao : raha ta hanao ny marina aho, dia ato amiko ihany ny ratsy” (Romana 7. 21). Joba, izay “marina sy mahitsy”, dia lasa niteny hoe : “Koa dia miaiky (…) aho” (Joba 42. 6).

8.3.2       Ady eo amin’ireo toetra roa ireo

Misy ady eo amin’ireo toetra roa ireo. Diniho tsara ny ady misy eo amin’ireo “izaho” roa ireo, ao amin’ny Romana 7. 14-25. Io zavatra iainana io dia mampikorontan-tsaina sy maha-sanganehana ireo mpino vao niova fo. Rehefa mitony ny hafaliana voalohany tamin’ny fiovàm-po, dia toa nam­pan­gatsiahina ny fanantenàny : mikorontan-tsaina ilay mpino mbola tanora fanahy, mahita ao ana­ti­ny ny nofo miaraka amin’ireo fahazarany sy faniriany, toy ny tamin’ny talohan’ny niovany fo, ary la­sa misalasala izy, hoe noraisin’Andriamanitra sa tsia. Tena zavatra mampiraviravy tanana sy loza mi­ta­tao io. Amin’izany fizahàn-toetra izany, dia mangataka amin’ny feo mahery ny fanafahana azy ny mpi­no, ary milaza fa “tenan’ity fahafatesana ity” ilay toetrany tranainy. Vao mainka mampitombo ny tebitebiny ny lalàna (na dia olona efa niova fo aza izy), ary ny ahitany ny fanafahana amin’ “ny no­fo”, amin’ny herin’ny ota, dia tsy ny fanaovany ezaka, na ny fiadiany hitandrina ny lalàna, fa ao amin’i Jesoa Kristy Tompontsika (Romana 7. 24-25).

Ny fisian’ny nofo, nefa, dia tsy fialàn-tsiny handehanana araka ny nofo. Lazaina antsika fa “ny toe­tran­tsika taloha dia niaraka nohomboana” tamin’i Kristy, ary, noho izany, dia “efa maty” isika, ka to­ko­ny haneho izany amin’ny fiainana mandrakariva ny hoe “ny tenantsika dia ataovy ho efa maty” (Ro­ma­na 6. 6, 11), amin’ny famonoana (“vonoy”) ny momba ny tenantsika etỳ an-tany (Kolosiana 3. 5-7).

8.3.3       Hery entina handresena ny nofo

Ny hery omena antsika ho amin’izany dia ny herin’ny Fanahy Masina, Izay mitoetra ao anatin’ny mpi­no tsirairay (1 Korintiana 6. 19), ary ny asany feno fitahiana dia ny handresy ny nofo.

“Hoy izaho : Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filàn’ny nofo ianareo. Fa ny no­fo, manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy, manohitra ny nofo ; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy ha­ha­zoa­nareo manao izay zavatra tianareo” (Galatina 5. 16-17).

Raha velona araka ny nofo ianareo, dia tsy maintsy maty ; fa raha ny Fanahy no amonoanareo ny asan’ny tena, dia ho velona ianareo” (Romana 8. 13).

Koa aoka tsy ho ny herin’ny sitraponao, na fanapahan-kevitra tsara, no entinao manohitra ny filàn’ ilay toetra tranainy, fa ampiasao ny Fanahin’Andriamanitra, Izay mitoetra ao anatinao.

Tantarain’ny Romana 7 ny ady eo amin’ny olona nohavaozina sy ny “izaho” tranaininy (ny toetrany ta­loha) : noho izany io toko io dia mihatra mafy amin’ny tena manokana. “Izay sitrako”, “tsy ataoko”, “tsy sitrako”, “ataoko” : izany no fiaikem-paharesena mampalahelo, mamelovelo ao am-po-na kristiana maro. Ao amin’ny toko faha-8, dia tsy misy intsony ny adin-tsaina, satria fantatr’ilay mpino ny toerany, amin’ny maha-“olona ao amin’i Kristy” azy, fantany fa tsy melohina izy ny amin’io foto-kevitra miasa ao aminy io, dia “ny nofo” ; manomboka hatreo, dia eo amin’ “ny nofo” sy ny Fanahy Masina ny ady. Ilay “olona ao amin’i Kristy” dia miadana sy mpandresy.

(Mazava ho azy fa fandresena “ny nofo” no resahina eto, fandresena ireo filàna anaty hanao ratsy, toy ny fitsiriritana, ny avonavona, ny hatezerana, sns. (Jakoba 1. 13-15) ; ny fakàm-panahy ivelany (Jakoba 1. 2 ; Hebreo 2. 18) dia resena amin’ny fitadiavana vonjy amin’i Kristy, ilay Mpisoronabe lehi­be, Mpiso­ro­na­ben­tsi­ka).

8.4   Fiainana kristiana ara-dalàna

Diniho tsara ireto andininy manaraka ireto :

“Fantatsika fa ny toetrantsika taloha dia niaraka nohomboana taminy (Kristy), hanimbana ny tenan’ ny ota, mba tsy hanompoantsika ny ota intsony” (Romana 6. 6).

“Isika no voafora, izay manompo amin’ny Fanahin’Andriamanitra ary manao an’i Kristy Jesoa ho re­ha­rehantsika, ka tsy mitoky amin’ny nofo” (Filipiana 3. 3).

“Efa maty ianareo [izany hoe efa maty ao amin’i Kristy], ary ny fiainanareo miara-miafina amin’i Kristy, ao amin’Andriamanitra” (Kolosiana 3. 3).

“Aoka ho tahaka izany koa ianareo, ka ny tenanareo dia ataovy ho efa maty ny amin’ny ota, fa ve­lo­na ho an’Andriamanitra, ao amin’i Kristy Jesoa” (Romana 6. 11).

“Itafio Jesoa Kristy Tompo, ary aza miahy ny amin’ny nofo, hahatanteraka ny filàny” (Romana 13. 14).

“Amin’izany, ry rahalahy, dia mpitrosa isika  —tsy amin’ny nofo, anefa, ka ho velona araka ny nofo” (Ro­mana 8. 12).

9                    Ny toeran’ny mpino sy ny tena toetra iainany

Fanavahana iray faran’izay mavesa-danja, tokony hatao, hahazoana tsara ny Soratra Masina, in­drin­dra ny epistily, dia ny “toerana misy ny mpino”, sy ny “tena toetra iainany”, na “ny fandehany”. Ny toerana misy azy, dia vokatry ny asan’i Kristy ; lavorary izany, ary tanteraka raha vao raisina amin’ ny finoana i Kristy. Tsy misy na inona na inona, eo amin’ny fiainan’ny mpino aorian’izany, hanampy, na inona na inona, amin’ny zony hankasitrahan’Andriamanitra azy na amin’ny fiarovana tonga la­fa­tra azony. Io toerana eo imason’Andriamanitra io, dia azo avy amin’ny finoana irery ihany ; ary eo anoloan’Andriamanitra, ny olona faran’izay osa, raha tena mino ny Tompo Jesoa Kristy, dia mitovy zo tanteraka amin’izay olo-masina malaza indrindra.

9.1   Ny toeran’ny mpino

Ireto andininy manaraka ireto dia mampiseho fohifohy hoe inona izany zo sy toerana izany :

“Izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny ana­ra­ny” (Jaona 1. 12).

“Izay rehetra mino fa Jesoa no Kristy, dia naterak’Andriamanitra” (1 Jaona 5. 1).

“Raha zanaka, dia mpandova ; eny, sady mpandova an’Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy koa” (Romana 8. 17).

“Ho amin’ny lova tsy mety simba, tsy misy loto, tsy mety levona, voatahiry any an-danitra ho anareo, izay arovan’ny herin’Andriamanitra amin’ny finoana, ho amin’ny famonjena efa vonona haseho any am-parany” (1 Petera 1. 4-5).

“Ao aminy (Kristy) koa no nanaovana antsika ho lovany” (Efesiana 1. 11).

“Ry malala, ankehitriny aza, dia zanak’Andriamanitra isika, nefa mbola tsy naseho izay toetrantsika ra­ha­trizay. Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena en­dri­ny tokoa” (1 Jaona 3. 2).

“Ianareo kosa dia taranaka voafidy, fanjakà-mpisorona, firenena masina” (1 Petera 2. 9).

“Ho an’Izay tia antsika ka namaha antsika ho afaka amin’ny fahotantsika tamin’ny rany, sady efa na­nao antsika ho fanjakana, dia mpisorona ho an’Andriamanitra Rainy” (Apokalypsy 1. 5-6).

“Ianareo dia tanteraka ao aminy, sady Izy no Lohan’ny fanapahana sy ny fahefana rehetra” (Ko­lo­sia­na 2. 10).

“Koa amin’izany, satria efa nohamarinina tamin’ny finoana isika, dia aoka isika hanana fihavanana amin’Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika. Tamin’ny alalany koa no efa na­ha­zoan­tsika fanatonana amin’ny finoana, ho amin’izao fahasoavana itoerantsika izao, ka dia aoka isika hifaly amin’ny fanantenana ny voninahitr’Andriamanitra” (Romana 5. 1-2).

 

 

“Toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” (Jaona 3. 16).

“Izany no nosoratako aminareo, izay mino ny anaran’ny Zanak’Andriamanitra, mba ho fantatrareo fa manana fiainana mandrakizay ianareo” (1 Jaona 5. 13).

“Koa amin’izany, ry rahalahy, (…) manana fatokiana hiditra ao amin’ny fitoerana masina isika, noho ny ran’i Jesoa” (Hebreo 10. 19).

“Hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, Izay nitahy antsika tao amin’i Kristy, amin’ny fitahiam-panahy  rehetra any an-danitra” (Efesiana 1. 3).

“Ho fiderana ny voninahitry ny fahasoavany, izay nanasoavany antsika maimaimpoana ao amin’ny Malala” (Efesiana 1. 6).

“Andriamanitra, Izay manankarena amin’ny famindràmpo, noho ny halehiben’ny fitiavany izay nitia­va­ny antsika, na dia fony mbola matin’ny fahadisoana aza isika, dia nahavelona antsika niaraka tamin’i Kristy (fahasoavana no namonjena anareo) ; ary niara-natsangany isika, ka niara-napetrany any an-danitra, ao amin’i Kristy Jesoa” (Efesiana 2. 4-6).

“Ankehitriny kosa, ao amin’i Kristy Jesoa, ianareo izay lavitra fahiny dia nampanakeken’ny ran’i Kristy” (Efesiana 2. 13).

“… Ao aminy koa ianareo, rehefa nino, no nasiana tombo-kase tamin’ny Fanahy Masina, araka ny teny fikasana” (Efesiana 1. 13).

“Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra, ho tena iray (= ho vatana tokana)” (1 Ko­rin­tia­na 12. 13).

Momba ny tenany isika” (Efesiana 5. 30).

“Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin’ny Fanahy Masina, Izay ao anatinareo… ?” (1 Ko­rin­tiana 6. 19).

Ny isanisany amin’ireo zavatra tsara dia tsara ireo, dia marina ho an’ny rehetra mpino ny Tompo Je­soa Kristy. Tsy misy, na iray aza, amin’ireo zavatra voatanisa ireo, azo amin’ny vavaka, na amin’ny zoto hanompo, na amin’ny fandehanana any am-piangonana, na amin’ny fiantrana mety hatao, na amin’ny fandàvana ny tena, na amin’ny fiainana masina, na amin’ny asa soa inona na inona. Ireo rehetra ireo dia fanomezan’Andriamanitra, tamin’ny alalan’i Kristy, amin’ny finoana, ary noho izany, dia samy manana izany ny mpino rehetra. Raha nino ny Tompo Jesoa Kristy ilay mpiandry ny fon­ja na­nagadrana an’i Filipo, teo no ho eo izy dia lasa zanak’Andriamanitra, mpiara-mandova amin’i Kristy, mpanjaka sy mpisorona, ary nanana anjara tamin’ny lova tsy mety simba, tsy mety le­vo­na sy tsy misy loto. Raha vao nino tao am-pony izy, ary niaiky tamin’ny vavany, fa Jesoa no Tom­po, dia no­ha­marinina tamin’ny zavatra rehetra, nanana fihavanana tamin’Andriamanitra, toeram-paha­soa­va­na sy fanantenana azo antoka, ho amin’ny voninahitra. Nandray ny fanomezam-pa­ha­soa­vana ho amin’ny fiainana mandrakizay izy ; nekena toy ny nanekena an’i Kristy ; notafiana ny Fa­na­hy Masina, nasiany tombokase, ary tamin’ny alalany koa no nanaovam-batisa azy ho isan’ny va­tan’i Kristy, izay tsy hita maso, dia ny Eglizin’Andriamanitra. Teo no ho eo ihany koa izy dia notafiana ny fa­ha­ma­ri­nan’Andriamanitra (Romana 3. 22), novelomina niaraka tamin’i Kristy, niara-natsangana ta­miny, ary niara-napetrany any an-danitra ao aminy.

9.2   Toerana sy tena toetra iainana

Zavatra hafa tanteraka ny mahafantatra hoe inona no tena toetra niainan’io mpiandry fonja io ; azo an­toka io toetra io fa ambany lavitra noho ny toerana avo misy azy eo imason’Andriamanitra. Tsy tam­potampoka teo, tsy akory, izy dia lasa mpanjaka, mpisorona sy avy any an-danitra, tamin’ny fizo­trany, toy ny nahatonga azy ho toy izany teo no ho eo, tamin’ny toerany.

Ireto andininy manaraka ireto dia mampiseho ny fomba hanavahana mandrakariva ireo zavatra roa ireo, ao amin’ny Soratra Masina (ny teny voatanisa mialoha dia mbola mahakasika ny Korintiana iha­ny, momba ny toerana misy azy, etsy andaniny, sy ny tena toetra iainany, etsy ankilany) :

Toerana eo imason’Andriamanitra

Tena toetra iainana

“Mamangy ny fiangonan'Andriamanitra any Ko­rin­to, dia izay nohamasinina ao amin’i Kristy Je­soa, olona voantso sady masina...  Misaotra an’ An­driamanitro mandrakariva ny aminareo aho, noho ny fahasoavan'Andriamanitra izay nomena anareo ao amin’i Kristy Jesoa, dia ny nampa­na­na­na harena anareo ao aminy, amin'ny zavatra re­he­tra, na ny teny rehetra, na ny fahalalana re­he­tra,  araka ny niorenan'ny filazana an’i Kristy teo aminareo,  ka dia tsy latsaka amin'ny fa­no­me­zam-pahasoavana rehetra ianareo, miandry ny fisehoan’i Jesoa Kristy Tompontsika, Izay ham­pi­orina anareo koa, hatramin'ny farany, ka dia tsy hanan-tsiny ianareo, amin'ny andron’i Jesoa Kristy Tompontsika. Mahatoky Andriamanitra, Izay nahatonga ny fiantsoana anareo, ha­na­na­na­reo firaisana amin'ny Zanany, dia Jesoa Kristy Tom­pontsika” (1 Korintiana 1. 2-9).

Efa voalazan'ny avy amin'ny ankohonan’i Kloa tamiko ny amin'ny toetranareo, ry rahalahiko, fa misy fifampiandaniana eo aminareo” (1 Ko­rin­tia­na 1. 11).

“Izaho, ry rahalahy, tsy nahazo niteny taminareo ta­haka ny amin’izay araka ny Fanahy, fa tahaka ny amin’izay mbola nofo, ... fa mbola araka ny no­fo ihany ianareo. Fa raha misy fialonana sy fi­fan­dirana eo aminareo, tsy araka ny nofo va ia­na­reo, ka mandeha araka ny fanaon'ny olo­na ?” (1 Korintiana 3. 1-3).

“Fa ny sasany mirehareha” (1 Korintiana 4. 18).

“Ianareo indray va no mirehareha, ka tsy nam­pa­la­helo anareo akory izany, mba hesorina tsy ho ao aminareo ilay nanao izany zavatra iza­ny ?” (1 Korintiana 5. 2).

Efa voasasa ianareo, efa nohamasinina ia­na­reo, efa nohamarinina ianareo, tamin'ny anaran’ i Jesoa Kristy Tompo sy tamin'ny Fanahin'An­dria­ma­ni­tsika” (1 Korintiana 6. 11).

“Tsy fantatrareo va fa momba ny tenan’i Kristy ny tenanareo ?” (1 Korintiana 6. 15).

Ankehitriny dia kilema aminareo ny ana­na­na­reo ady amin'ny namanareo” (1 Korintiana 6. 7).

“Tsy fantatrareo va fa momba ny tenan’i Kristy ny tenanareo ? Moa hanala ny momba ny te­nan’i Kristy va aho, ka hanolotra izany ho mom­ba ny tenan'ny vehivavy janga ?” (1 Korintiana 6. 15).

 

 

Namaly Jesoa ka nanao taminy hoe : Sambatra ianao, ry Simona Bar-jona ; fa tsy nofo aman-dra no naneho anao izany, fa ny Raiko Izay any an-danitra” (Matio 16. 17).

Izy nihodina ka niteny tamin’i Petera hoe : Man­ka­nesa ato ivohoko, ry Satana ; faha­ta­fin­to­hi­na­na amiko ianao, satria tsy misaina izay an'An­dria­ma­nitra ianao, fa izay an'ny olona” (Matio 16. 23).

Misaotra ny Ray, Izay nampahamendrika an­tsi­ka hanana anjara amin'ny lovan'ny olona ma­si­na eo amin'ny mazava, sady nahafaka antsika ta­min'ny fahefan'ny maizina ka namindra antsika ho amin'ny fanjakàn'ny Zanany malalany” (Ko­lo­sia­na 1. 12-13).

Ankehitriny, esory koa izao rehetra izao, dia fa­ha­te­zerana, fiafonafonana, lolompo, fitenenan-dra­tsy, teny mahamenatra avy amin'ny va­va­na­reo. Aza mifandainga ianareo, fa efa narianareo ny toetra taloha mbamin'ny asany” (Kolosiana 3. 8-9).

 

9.3   Fampirisihana ny kristiana eo amin’ny fiainany andavanandro,
mifototra amin’ny toerana misy azy

Eo ambany fahasoavana, ny lamin’Andriamanitra dia, voalohany, manome ny toerana avo in­drin­dra azo omena, ary manaraka izany, mampirisika ny mpino hihazona fizotra, toetra, mifanaraka amin’izany toerana izany. Asandratra hiala eo amin’ny zezika ny mahantra, ka ampiarahana mi­toe­tra amin’ny mpanapaka (1 Samoela 2. 8) ; avy eo izy dia ampirisihana hitondra tena toy ny an­dria­na. Jereo ireto ohatra manaraka ireto :

Toerana eo imason’Andriamanitra

Fampirisihana amin’ny fizotra

Fantatsika fa ny toetrantsika taloha dia niaraka nohomboana taminy, hanimbana ny tenan'ny ota, mba tsy hanompoantsika ny ota intsony” (Romana 6. 6).

Raha niara-maty tamin’i Kristy ianareo, ka efa afaka tamin'ny abidim-pianaran’izao tontolo izao, nahoana no toa mbola velona amin’izao ton­to­lo izao ihany ianareo, ka mety hodidiana ?” (Ko­lo­siana 2. 20).

Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao” (Matio 5. 14).

Aoka hazava eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo, ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra” (Matio 5. 16).

Izay namonjy antsika sy niantso antsika tamin'ny fiantsoana masina, tsy araka ny asantsika, fa ara­ka ny fikasàny sy ny fahasoavany, izay no­me­na antsika tao amin’i Kristy Jesoa, hatry ny fony fa­hagola” (2 Timoty 1. 9).

Koa amin’izany, ry malalako, tahaka ny na­ne­ke­nareo mandrakariva, tsy fony teo aminareo ihany aho, fa ankehitriny dia bebe kokoa aza, raha tsy eo aho, miasà amin'ny tahotra sy ny ho­vi­tra, hahatanteraka ny famonjena anareo” (Fili­piana 2. 12). (*)

Niara-natsangany isika, ka niara-napetrany any an-danitra, ao amin’i Kristy Jesoa” (Efesiana 2. 6).

Koa raha niara-natsangana tamin’i Kristy iana­reo, dia katsaho ny zavatra any ambony, any amin'ny itoeran’i Kristy, Izay mipetraka eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra” (Kolosiana 3. 1).

Raha hiseho Kristy fiainantsika, dia hiara-miseho aminy koa, amin'ny voninahitra, ianareo” (Ko­lo­sia­na 3. 4).

Vonoy ny momba ny tenanareo izay etỳ an-tany” (Kolosiana 3. 5).

Maizina ianareo fahiny, fa efa mazava ao amin' ny Tompo kosa, ankehitriny” (Efesiana 5. 8).

“Mandehana tahaka ny zanaky ny mazava” (Efesiana 5. 8).

Ianareo rehetra dia zanaky ny mazava sy za­na­ky ny andro ; tsy an'ny alina na an'ny maizina isi­ka” (1 Tesaloniana 5. 5).

Koa dia aza mba matory toy ny sasany isika, fa aoka hiambina ka hahonon-tena” (1 Te­sa­lo­nia­na 5. 6).

Andriamanitra tsy nanendry antsika ho amin'ny fahatezerana, fa mba hahazo famonjena amin' ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika, Izay maty hamonjy antsika, mba hiara-belona aminy isika, na mahatsiaro na matory” (1 Tesaloniana 5. 9-10).

Koa mifananara sy mifampahatanjaha, tahaka ny ataonareo ihany” (1 Tesaloniana 5. 11).

Amin’izany sitrapo izany no nanamasinana an­tsi­ka, tamin'ny nanaterana ny tenan’i Jesoa Kris­ty indray mandeha” (Hebreo 10. 10).

Manamasina azy amin'ny fahamarinana ; ny te­ni­nao no fahamarinana” (Jaona 17. 17).

Avy aminy no nanaovana anareo ho ao amin’i Kristy Jesoa, Izay nataon'Andriamanitra fa­hen­dre­­na sy fahamarinana sy fahamasinana ary fa­na­vo­tana ho antsika” (1 Korintiana 1. 30).

Andriamanitry ny fiadanana, anie, hahamasina anareo samy ho tanteraka” (1 Tesaloniana 5. 23).

Ny fanatitra iray ihany no efa nahatanterahany ho mandrakizay izay olona hamasinina” (Hebreo 10. 14).

Tsy toy ny efa nahazo sahady aho, na efa tan­te­raka sahady” (Filipiana 3. 12).

Koa aoka isika rehetra izay tanteraka hihevitra izany” (Filipiana 3. 15).

Koa aoka hilaozantsika ny abidim-pianarana ny amin’i Kristy, fa aoka handroso ho amin'ny tan­te­ra­ka isika” (Hebreo 6. 1).

Izany no ahatanterahana ny fitiavana amin­tsi­ka, mba hananantsika fahasahiana, amin'ny an­dro fitsarana ; fa tahaka Azy isika, eo amin’izao tontolo izao” (1 Jaona 4. 17).

Izay milaza fa mitoetra ao aminy izy, dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa” (1 Jaona 2. 6).

*Filipiana 2. 12 : Amin’io andininy izay diso nampiasaina loatra io, ny famonjena lazaina dia tsy ny fa­mon­jena ny fanahy, fa famonjena manoloana ireo fandrika sy sakana mety hanakana ny kristiana tsy hanao ny sitrapon’Andriamanitra.

Mora ny manampy maro amin’ireo andininy ireo, mampitaha ny fanavahana ataon’ny Soratra Ma­si­na mom­ba ny toerana misy ny mpino sy ny tena toetra iainany. Tsy zahàn-toetra tsy akory ny mpino, ha­ha­fantarana na mendrika izy na tsia, hahazo io toerana faran’izay avo io ; fa, rehefa manomboka mi­aiky ny tena tsy fahamendrehany tanteraka izy, dia mandray avy hatrany io toerana izay vokatry ny asan’i Kristy io. Ny toerany, indray, dia efa tanteraka “ho mandrakizay” (Hebreo 10. 14), fa rehefa mi­jery ny ao anatiny izy, izany hoe ny tena toetra iainany, dia tsy maintsy milaza fa : “Tsy toy ny efa na­hazo sahady aho, na efa tanteraka sahady” (Filipiana 3. 12).

Azo lazaina fa ny asa ataon’Andriamanitra aminy, atỳ aoriana, ny fampiharana ny Teny amin’ny fi­zo­trany sy ny eritreriny (Jaona 17. 17 ; Efesiana 5. 26), ny famaizana ataon’ny tànan’ny Ray (Hebreo 12. 10 ; 1 Korintiana 11. 32), ny asan’ny Fanahy Masina (Efesiana 4. 11-12), ny olana sy ny fitsapana re­hetra any amin’ny lalany any an-taniefitra (1 Petera 4. 12-14), ary ny fanovàna farany azy, rehefa hi­se­ho i Jesoa (1 Jaona 3. 2 ; Filipiana 3. 21), izany rehetra izany dia natao hahatonga ny toetran’ny mpi­no hifanaraka tanteraka amin’ny toerana izay ananany raha vao miova fo izy. Ny mpino, man­tsy, dia mitombo ao amin’ny fahasoavana, fa tsy ho amin’ny fahasoavana.

Ny zanak’andriana iray, raha mbola zaza, dia tsy mifankaiza amin’ny zazakely hafa rehetra, fa ma­na­na ny sitrapony sy tsy mahalala na inona na inona. Indraindray izy dia mety ho mpankatò, mora en­ti­na sy be fitiavana, ka dia sambatra sy ankasitrahina. Indraindray kosa, dia mety ho tsy azo fe­he­zi­na izy, manana di-doha sy tsy mpankatò, ka mijaly ; mety hofaizaina aza izy  —nefa amin’io an­dro io, toy ny amin’ny andro hafa rehetra, dia mitoetra ho zanak’andriana ihany. Azo antenaina fa arakaraka ny fandalovan’ny fotoana no hianarany hankatò an-tsitrapo izay lalana tsara rehetra. Amin’izany izy dia hitondra tena bebe kokoa ho toy ny zanak’andriana, nefa dia mbola tena za­nak’ andriana marina hatrany izy, na izany aza. Teraka zanak’andriana izy.

Raha ny mikasika ny tena zanak’Andriamanitra tsirairay, dia azo antoka ny tanjona farany ; amin’ny fa­ra­ny, ny toerana sy ny tena toetra iainana, toetra sy toerana, dia hitovy lenta. Fa ny toerana dia tsy valisoa noho ny toetra nihatsara, tsy akory : ny toetra no mivoatra, arakaraka ny toerana.

10               Ny famonjena sy ireo valisoa

Ny Testamenta Vaovao dia misy fampianarana momba ny famonjena ny olom-bery, ny mpanota, — sy momba ny valisoa noho ny fanompoana mahatoky nataon’ny olom-boavonjy. Mba ha­ha­zoa­na tsara ny Teny, dia zava-dehibe indrindra ny hanavahan’ny mpino tsara ireo zavatra roa ireo. Ireto za­vatra mifangarika hotanisaina ireto dia maneho tsara izany fahasamihafana izany.

10.1                   Ny famonjena dia fanomezana maimaimpoana

Jesoa namaly ka nanao taminy hoe : Raha fantatrao ny fanomezan'Andriamanitra sy Izay miteny ami­nao hoe : Omeo Aho hosotroiko, dia ianao no ho nangataka taminy, ka nomeny rano velona” (Jao­na 4. 10).

He ! ianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa amin'ny rano ! Ary ianareo izay tsy manam-bola, avia, mividia, ka homàna ! Eny, avia, mividia divay sy ronono, nefa tsy amim-bola, na amin-karena” (Isaia 55. 1).

Ny Fanahy sy ny ampakarina, manao hoe : Avia ; ary aoka izay mahare hanao hoe : Avia. Ary aoka ho avy izay mangetaheta ; ary izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin'ny ranon'aina” (Apo­kalypsy 22. 17).

Fahafatesana no tambin'ny ota ; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin' An­driamanitra, ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika” (Romana 6. 23).

“Fahasoavana no namonjena anareo, amin'ny finoana ; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin'Andriamanitra ; tsy avy amin'ny asa, fandrao hisy hirehareha” (Efesiana 2. 8-9).

10.2                   Ny asa ankasitrahin’Andriamanitra dia hahazo ireo valisoany

Fa mifanohitra amin’ny maha-maimaimpoana ny famonjena kosa, dia mijery ny asa vita An­dria­ma­ni­tra :

Na zovy na zovy no manome rano mangatsiaka, na dia eran'ny kapoaka ihany aza, hosotroin'ny anankiray amin’ireo madinika ireo, satria mpianatra izy, dia lazaiko aminareo marina tokoa, fa tsy ho very ny valim-pitiany” (Matio 10. 42).

Efa niady ny ady tsara aho ; nahatanteraka ny fihazakazahako aho ; nitahiry ny finoana aho ; ha­tri­zao dia tehirizina ho ahy ny satroboninahitry ny fahamarinana” (2 Timoty 4. 7-8).

Indro, avy faingana Aho ; ary eto amiko ny famaliako, mba hamaliako ny olona rehetra, araka ny asany” (Apokalypsy 22. 12).

Tsy fantatrareo va, fa izay mihazakazaka eo amin'ny tany fihazakazahana dia samy mihazakazaka avo­koa, nefa ny iray ihany no mahazo ny loka ? Mihazakazaha toy izany, mba hahazoanareo. Ary ny mpihazakazaka rehetra dia mahonon-tena amin'ny zavatra rehetra. Kanefa ireny dia mitady sa­tro­boninahitra mety ho lo ihany, fa isika kosa, ny tsy mety ho lo” (1 Korintiana 9. 24-25).

“Hoy izy taminy : Tsara izany, ry mpanompo tsara ; satria nahatoky tamin'ny kely indrindra ianao, dia ma­na­paha tanàna folo” (Lioka 19. 17).

“Tsy misy mahay manao fanorenana hafa afa-tsy izay natao, dia Jesoa Kristy. Ary raha misy man­dra­fi­tra volamena, na volafotsy, na vato tsara, na hazo, na bozaka, na mololo, eo ambonin'ny fa­no­re­na­na, dia haseho avokoa ny asan'ny olona rehetra ; fa ny andro no hampiseho azy, satria haseho amin'afo izany andro izany, ka dia hozahan-toetra amin'ny afo ny asan'ny olona rehetra. Raha ma­ha­ri­tra ny asan'ny olona, izay narafiny teo amboniny, dia handray valim-pitia izy. Raha ho levon'ny afo ny asan'ny olona, dia ho fatiantoka izy ; fa ny tenany kosa dia hovonjena, nefa toy ny avy ao amin'ny afo ihany izy” (1 Korintiana 3. 11-15).

“Aza matahotra izay efa hiaretanao ; indro, ny devoly efa hanao ny sasany aminareo ao an-tra­no­mai­zina, mba ho voazaha toetra ianareo, ary hanam-pahoriana hafoloana. Aoka ho mahatoky ha­tramin'ny fahafatesana ianao, dia homeko anao ny satroboninahitra fiainana” (Apokalypsy 2. 10). Tsy ny handray “ny fiainana”, tsy akory, no lazaina eto. Ireo olo-masina izay nijaly tany Smyrna dia na­na­na ny fiainana, ny fiainana mandrakizay, ary nijaly noho ny fahamarinana, fa ny am­pa­nan­te­nai­na azy ireo kosa, dia ny satroboninahitra fiainana.

Ny satroboninahitra dia mariky ny valisoa —  ny amboara azo. Mariho fa karazana satroboninahitra efa­tra no lazaina : ny an’ny fifaliana na ny firavoravoana, ny valisoa noho ny fanompoana (Filipiana 4. 1 ; 1 Tesaloniana 2. 19) ; ny an’ny fahamarinana, valisoa noho ny fahatokiana tamin’ny fijoroana ho vavolombelona (2 Timoty 4. 8) ; ny an’ny fiainana, valisoa noho ny fahatokiana tamin’ny fizahàn-toe­tra (Jakoba 1. 12 ; Apokalypsy 2. 10) ; ary ny an’ny voninahitra, valisoa noho ny fahatokiana tamin’ny fijaliana (1 Petera 5. 4 ; Hebreo 2. 9).

10.3                   Ny famonjena dia zavatra ananana amin’izao fotoana ankehitriny izao

“Izay mino ny Zanaka, manana fiainana mandrakizay” (Jaona 3.  36).

Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy, no ma­nana fiainana mandrakizay, ka tsy hohelohina ; fa tafafindra niala tamin'ny fahafatesana ho amin'ny fiainana izy” (Jaona 5. 24).

“Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : Izay mino no manana fiainana mandrakizay” (Jaona 6. 47).

“Izay namonjy antsika sy niantso antsika tamin'ny fiantsoana masina, tsy araka ny asantsika, fa araka ny fikasàny sy ny fahasoavany” (2 Timoty 1. 9).

Hoy Izy tamin-dravehivavy : Ny finoanao efa namonjy anao ; mandehana soa aman-tsara” (Lioka 7. 50).

Tsy avy tamin'ny asa, amin’ny fahamarinana izay nataontsika, fa araka ny famindràmpo kosa, no namonjeny antsika, tamin'ny fanasàn’ny fiterahana indray sy ny fanavaozan'ny Fanahy Masina” (Ti­to­sy 3. 5).

“Izao no fanambaràny : Fiainana mandrakizay no omen'Andriamanitra antsika, ary ao amin'ny Zanany izany fiainana izany” (1 Jaona 5. 11).

Kanefa :

10.4                   Ireo valisoa dia homena any aoriana

Ho avy ny Zanak'olona, amin'ny voninahitry ny Rainy, mbamin'ny anjeliny, dia hamaly ny olona rehetra araka ny nataony” (Matio 16. 27).

“Hovaliana kosa ianao, amin'ny fitsanganan'ny marina” (Lioka 14. 14).

Indro, avy faingana Aho ; ary eto amiko ny famaliako, mba hamaliako ny olona rehetra, araka ny asany” (Apokalypsy 22. 12).

Rehefa miseho ny Lohan'ny mpiandry, dia hahazo ny satroboninahitra tsy mety simba ianareo” (1 Petera 5. 4).

“Hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satroboninahitry ny fahamarinana, izay homen’ny Tompo, Mpitsara marina, ho ahy, amin’izay andro izay” (2 Timoty 4. 8).

Nony ela, dia tonga ny tompon’ireo mpanompo ireo, ka nampilaza azy ny amin'ny volany” (Matio 25. 19).

Ny tanjon’Andriamanitra, amin’ny fampanantenàny hamaly soa amina haja any an-danitra sy ho man­drakizay ny fanompoana mahatoky ataon’ireo olony masina, dia (a) ny hampiala azy ireo amin’ny fitadiavana harena sy fahafinaretana eto an-tany ; (b) ny hampahery azy ireo, raha man­da­lo ny afon’ny fanenjehana izy, ary (d) ny hampirisika azy ireo hiaina ny toetra tsara kristiana. Jereo :

Hebreo 11. 8-10, 24-27 ; Kolosiana 3. 22-24 ; Hebreo 12. 2-3 ; Matio 5. 11-12 ; Lioka 14. 12, 14 ; Jaona 4. 35, 36 ; Matio 10. 41, 42 ; Daniela 12. 3 ; Hebreo 6. 10 ; Lioka 12. 35-37 ; 2 Timoty 4. 8.

Farany, aoka isika hitandrina tsara, momba ny voalazan’ny Apokalypsy 3. 11.

11               Ny (tena) mpino sy ny mitonon-tena ho mpino

Hatramin’izay nananan’Andriamanitra vahoaka voatokana ho Azy, ireo olona anisan’izany dia nan­gi­rifiry mafy noho ireo olona teo anivony, izay nitonona ho isan’izany vahoaka izany, nefa tsy izy. Hi­to­hy izany toe-javatra izany, mandra-pahatongan’ “ny Zanak'olona haniraka ny anjeliny, ary ireny dia ha­nangona ka hamoaka amin'ny fanjakàny ny zavatra mahatafintohina rehetra mbamin’izay ma­nao meloka, ... Ary amin’izany, ny marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro, any amin'ny fan­ja­kàn'ny Rainy” (Matio 13. 41-43).

Ny Soratra Masina dia manambara amintsika mazava sy imbetsaka momba io fifangaroan’ny voam-bary sy tsimparifary io, olona mitonon-tena ho mpino, eo anivon’ireo tena mpino : Genesisy 4. 3-5 ; Ma­tio 13. 24-30, 37-43 ; Eksodosy 12. 38 ; 2 Korintiana 11. 13, 15 ; Nomery 11. 4-6 ; Galatiana 2. 4 ; Ne­he­mia 13. 1-3 ; 2 Petera 2. 1-2 ; Nehemia 7. 63-65.

Ireo izay mianatra ny Baiboly dia diso, nampihatra matetika tamin’ny tena zanak’Andriamanitra ireo fam­pi­tandremana sy fampirisihana natokana ho an’ireo mamita-tena, na ho an’ireo mpiha­tsa­ra­ve­la­tsi­hy.

Tsy ho vita, raha mamaky maimaika ny Baiboly, ny hitanisa ireo andininy rehetra manavaka ny tena kris­tiana amin’ny sarambabem-bahoaka mitonon-tena fotsiny ho izany, izay mpanaraka fom­ba­fom­ba, indraindray mihatsaravelatsihy, na mpanara-dalàna diso lalana, izay miasa mba hahazoany ny fa­monjena azy, fa tsy miasa satria efa nahazo izany noho ny fanomezana maimaimpoana. Jereo Fili­pia­na 2. 12-13 sy Efesiana 2. 8-9.

Izao manaraka izao nefa dia ampy hanoroana tsara ny fefy mampisaraka azy ireo :

11.1                   Ny mpino dia voavonjy, ny mitonon-tena ho mpino dia very

Ampitahao :

Tena mpino

Ireo izay mihambo ho mpino

Hoy Izy tamin-dravehivavy : Ny finoanao efa na­monjy anao ; mandehana soa aman-tsara” (Lio­ka 7. 50).

Simona koa, mba nino ; ary rehefa natao batisa izy, dia nanaraka an’i Filipo... Fa hoy Petera ta­mi­ny : ... Tsy manana anjara na raharaha amin’iza­ny zavatra izany ianao, satria tsy mahitsy fo eo ana­trehan'Andriamanitra” (Asa 8. 13-21).

Izy ireo naharitra tamin'ny fampianaran'ny Apos­toly sy ny fiombonana sy ny famakina ny mofo ary ny fivavahana” (Asa 2. 42).

Avy tamintsika ihany no niala ireo, nefa tsy mba na­mantsika izy ; fa raha tàhiny namantsika izy, dia ho nitoetra tamintsika ihany ; fa efa niala izy, mba haseho fa tsy isantsika izy rehetra” (1 Jaona 2. 19).

Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho ma­ha­la­la azy, ary izy manaraka Ahy, ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy man­drakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin'ny tanako. Ny Raiko Izay nanome Ahy dia le­hi­be no­ho izy rehetra ; ary tsy misy mahay man­drom­baka amin'ny tanan'ny Ray” (Jaona 10. 27-29).

“Izay rehetra omen'ny Raiko Ahy no hanatona Ahy ; ary izay manatona Ahy dia tsy mba ho­la­viko mihitsy” (Jaona 6. 37).

“Izao no sitrapon’izay naniraka Ahy, dia ny tsy ha­melako hisy very izay rehetra nomeny Ahy, fa ha­tsangako indray amin'ny andro farany izy” (Jaona 6. 39).

Misy ny sasany aminareo izay tsy mino. Fa fan­ta­tr’i Jesoa hatramin'ny voalohany izay tsy nino sy izay hamadika Azy. Ary hoy Izy : Izany no ni­la­za­ko taminareo fa tsy misy olona mahay ma­na­tona Ahy, raha tsy nomen'ny Ray azy izany. Ha­tra­min’izany dia maro tamin'ny mpianany no ni­he­motra ka tsy niara-nandeha taminy intsony” (Jao­na 6. 64-66).

Raha mbola lasa nividy izy, dia tonga ny mpampakatra, ary izay efa niomana dia niara-niditra taminy tao amin'ny fampakarambady, ary dia narindrina ny varavarana” (Matio 25. 10).

“Rehefa afaka izany, dia tonga kosa ireo virijina teo, ka nanao hoe : Tompoko, tompoko, vohay izahay. Fa izy namaly hoe : Lazaiko aminareo ma­rina tokoa : Tsy fantatro ianareo” (Matio 25. 11-12).

Ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra, amin' ny finoana an’i Jesoa Kristy* ho an’izay re­he­tra mino” (Romana 3. 22).

* Ampio hoe : (ho an'ny olona rehetra sy)

Tahaka izany koa ianareo : raha amin'ny eo ive­la­ny, dia miseho amin'ny olona ho marina, nefa ny ao anatinareo dia feno fiha­tsa­ram­be­la­tsi­hy sy tsy fankatoavan-dalàna. Ry bibilava, ta­ra­naky ny menarana, hataonareo ahoana no fan­do­si­tra ny fanamelohana ho any amin'ny helo ?” (Ma­tio 23. 28, 33).

Aoka isika hifaly sy ho ravoravo ka hanome vo­ni­nahitra Azy ; fa tonga ny fampakarambadin'ny Zanak'ondry, ka efa niomana ny vadiny. Ary na­sai­na nitafy rongony fotsy madinika sady madio no mangatsakatsaka izy ; fa izany rongony fotsy ma­di­nika izany dia ny asa marina ataon'ny olo­na masina” (Apokalypsy 19. 7-8).

Nony efa niditra ny mpanjaka, hizaha ny mpi­hi­na­na, dia nahita lehilahy anankiray izay tsy nia­kan­jo ny akanjo fitondra amin'ny fam­pa­ka­ram­ba­dy. Dia hoy izy taminy : Ry sakaiza, ahoa­na no idi­ranao eto, nefa ianao tsy miakanjo ny akanjo fitondra amin'ny fampakarambady ? Dia sina izy. Ary dia hoy ny mpanjaka tamin'ny mpa­nom­po­ny : Afatory ny tongony aman-tà­na­ny, dia ario any amin'ny maizina any ivelany izy ; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify” (Matio 22. 11-13).

Izaho no Mpiandry Tsara ; ary fantatro ny Ahy, sady fantany Aho” (Jaona 10. 14).

Ny fanorenana mafy nataon'Andriamanitra dia miorina tsara sady manana izao tombo-kase izao : ‘Ny Tompo mahalala ny azy’ ” (2 Timoty 2. 19).

Maro ny hanao amiko, amin’izany andro izany, hoe : Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany ta­min'ny anaranao va izahay ? ary tsy efa na­moa­ka demonia tamin'ny anaranao va izahay ? ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin'ny ana­ra­nao va izahay ? Ary dia hambarako aminy ma­ri­ma­ri­na hoe : Tsy mba fantatro akory ianareo, ha­tri­zay hatrizay ; mialà amiko, ianareo mpanao meloka” (Matio 7. 22-23).

Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : Izay mino no manana fiainana mandrakizay” (Jao­na 6. 47).

Inona moa no soa azo, ry rahalahiko, raha misy milaza fa manam-pinoana izy, nefa tsy manana asa ? Ny finoana va mahavonjy azy ?” (Jakoba 2. 14).

Ray ô, tiako mba ho any amiko amin’izay itoe­ra­ko ireo izay nomenao Ahy, mba hahita ny vo­ni­na­hitro nomenao Ahy izy ; fa efa tia Ahy Ianao, fony mbola tsy ary ny fanorenan’izao tontolo izao” (Jaona 17. 24).

“Matoky indrindra aho, fa Izay nanomboka asa tsara tao anatinareo no hahatanteraka izany, man­dra-piavin'ny andron’i Jesoa Kristy” (Filipiana 1. 6).

Izay efa nohazavaina indray mandeha sady efa nanandrana ny fanomezana avy any an-da­ni­tra sy efa nandray ny Fanahy Masina ary efa na­nandrana ny teny tsaran'Andriamanitra sy ny herin'ny fiainana ho avy, nefa nihemotra, dia tsy azo havaozina indray ho amin'ny fibebahana” (*) (Hebreo 6. 4-6).

Isika, tsy mba naman’izay mihemotra ho amin’ ny fahaverezana, fa naman’izay mino ho amin’ ny famonjena ny fanahy” (Hebreo 10. 39).

“ ‘Ny oloko marina dia ho velon'ny finoana ; fa raha mihemotra izy, dia tsy sitraky ny fanahiko’ ” (Hebreo 10. 38).

(*) Io andininy io, mihoatra noho ny andininy hafa rehetra ao amin’ny Baiboly, angamba, dia na­va­di­ka ho fanamelohana ny zanak’Andriamanitra, nefa dia tsy misy ifandraisana izy ireo sy ireo “mpi­tsa­pa­tsapa”. Io tsongandahatsoratra io dia milaza hoe hatraiza no azo aleha, raha toa mitonona ho kris­tiana, nefa tsy manolotra tanteraka ny fiainany ho an’i Kristy, satria izany no hany fomba tena fio­và­na fo. Ny andininy faha-9 dia tokony hiaro ny tena mpino amin’izany fanadisoana ny teny izany, sa­tria mametraka mazava fa ny “zavatra” miaraka amin’ny famonjena dia “tsara” kokoa noho ireo fa­nandramana ireo.

11.2                   Ny mpino dia omena valisoa
— Ireo izay mihambo ho mpino dia helohina

Ampitahao Matio 25. 19-23 sy Matio 25. 24-30 — Lioka 12. 42-44 sy Lioka 12. 45-47 — Kolosiana 3. 24 sy Matio 7. 22-23.

Ny tsongandahatsoratra sasany dia sarotsarotra ihany, nefa azo antoka fa ho tonga ny fahazavana raha mivavaka sy mandinika tsara izay tena lazain’ny Soratra Masina, ary miambina tsara sy am-pahamalinana, mba tsy hampiasa andininy mampisalasala na maizimaizina hoenti-manohitra an­di­ni­ny mazava tsara sy tsy isalasalana. Aza mampiasa ny “raha” hanoherana ny “marina tokoa”, na ny Hebreo 6. 6 hanoherana ny Jaona 5. 24.

Ny momba an’i Jodasy Iskariota sy Petera, dia tsy tokony hisy olana. I Jodasy dia tsy nino mihitsy, ha­tri­zay hatrizay (jereo Jaona 6. 68-71) ; i Petera kosa dia tsy nitsahatra ny nino (Lioka 22. 11, 32).

Farany, tokony hotsaroana mandrakariva fa ireo foto-kevitra ireo dia tokony hitarika antsika hizara ma­rina ny Tenin’Andriamanitra, fa tsy ampiasaina hitsarana ny toetran’ny olona velona. Tsy natao ho andraikitsika ny fitsarana ireo izay mitonona ho kristiana fotsiny ; natokana ho an’ny Zanak’An­dria­ma­nitra izany. Jereo Matio 13. 28-29 sy 1 Korintiana 4. 5.