[Page principale | Nouveautés | La Bible | Chant- Cantiques]

 

 

MAMELA  HELOKA  TOA  AN’ANDRIAMANITRA

 

Paul Fuzier

 

Fizahàn-takila

1     Fatra sy toetran’ny famelàn-keloka

2     Zavatra roa manahirana

3     Filàna fibebahana

4     Mampitsimoka ny fibebahana

4.1      Mosesy sy ny ombilahy kely volamena

4.2      Ny rahalahinao

4.3      Asan’Andriamanitra, anjaran’ny nasian-dratsy

5     Famaranana

 

 

1                    Fatra sy toetran’ny famelàn-keloka

Ampirisihina isika hamela heloka, “tahaka ny namelan’Andriamanitra ny helokareo ao amin’i Kristy”, “tahaka ny namelan’ny Tompo ny helokareo” (Efesiana 4. 32; Kolosiana 3. 13). Izany fiteny izany no mamaritra amintsika ny fatran’ny famelàn-keloka  —famelàn-keloka feno, tsy arahin’alahelo, ary tsy misy tafajanona ao am-pontsika na dia fahatsiarovana kely akory aza ny amin’izay ratsy natao tamintsika, toy ny an’Ilay nanome antoka antsika fa: “Ny fahotany sy ny helony, tsy hotsarovako intsony” (Hebreo 10. 17) — nefa tsy izany ihany, fa mampiseho amintsika koa ny toetran’ny famelàn-keloka tokony hampiharintsika.

 

2                    Zavatra roa manahirana

Tsy marina ve fa, amin’ny ankapobeny, tsy dia fantatsika loatra izay famelàn-keloka tokony homena izay mety ho nanao ratsy tamintsika? Momba izany, dia diso isika, na amin’ny toetran’izany famelàn-keloka izany, na amin’ny fatrany. Momba ny fatrany, na dia afaka miteny aza isika hoe: mamela heloka aho, moa ve isika tsy manampy matetika, na tsy an-teny aza fa an’eritreritra, hoe: “fa tsy hohadinoko mandrakizay”? Tsy izany no famelàn-keloka ampirisihina hataontsika araka ny Efesiana 4. 32 sy Kolosiana 3. 13. Fa etsy ankilany koa, dia misy fahasarotana iray hafa: mety hieritreritra isika fa tokony hanatona mandrakariva, ary eo no ho eo, an’ilay nandratra antsika, nanao ratsy tamintsika, ka hanambara aminy fa mamela heloka azy tsy misy arakaraka isika, na manao ahoana na manao ahoana ny toe-pony amin’io fotoana io . Izany koa dia tsy famelàn-keloka araka izay tokony hataontsika, ary tsy fahafantarana ny tena toetra marin’ny famelàn-keloka, mampirisika ilay olo-meloka hanamaivana ny ratsy fa tsy manampy azy.

 

3                    Filàna fibebahana

Ny ota natao dia ota natao tamin’Andriamanitra, aloha, voalohany indrindra  —zavatra hadinontsika matetika loatra izany—, ary ny andininy 4 amin’ny Salamo 51, ankoatra ireo andininy hafa,  dia mampianatra antsika izany mazava. Noho izany, ny fanomezan-toky olona iray fa efa navelantsika ny helony, nefa izy tsy nahatsapa akory ny halehiben’ny fahotana izay tamin’Andriamanitra Izy tenany mihitsy no nanaovany azy, dia tsy fitadiavana izay hahasoa azy, ary, noho izany, tsy fitiavana azy amin’ny fitiavana marina. Koa mazava amintsika ny nanomezana antsika ny andininy 14 amin’ny Kolosiana 3, aorian’ny fampirisihana ao amin’ny andininy 13: “Mifandefera, ka mifamelà heloka ianareo, raha misy manana alahelo amin’ny sasany; tahaka ny namelan’ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa. Ary aoka ho ambonin’izany rehetra izany ny fitiavana, fa fehin’ny fahatanterahana izany.” Ny fitiavana dia mitady mandrakariva ny hahasoa an’ilay olon-tiana, araka ny fihevitr’Andriamanitra fa tsy araka  ny fihevitsika manokana; izany fitiavana izany no hahay hampiseho, arakaraka ny tranga misy, ny zavatra tokony hampiasaina hikasihana ny fo, hahatrarana ny fieritreretan’ilay nanao ratsy, mba hanekeny izany am-pahitsiana, sy hiekeny ny hadisoany, ary hanetreny tena. Amin’izay vao azo ambara ny famelàn-keloka.

Ahoana ny fomba namelàn’Andriamanitra heloka antsika ao amin’i Kristy? Rehefa niaiky ny fahotantsika isika, ka naneho fibebahana marina. Vonona ny hamela heloka ny mpanota rehetra Izy, noho ny asa vita teo amin’ny hazofijaliana, satria afa-po tanteraka ny fahamarinany noho ny sorona fanonerana nataon’i Kristy; kanefa tsy afaka mampihatra io famelàn-keloka io Izy, raha tsy amin’ny mpanota mibebaka. Hisy dikany ve ny famelàn-keloka, ho an’ny olona izay tsy mahatsapa akory, aloha, fa mila an’izany?

Mitombina izany fitsipika izany, na momba ny famelàn-keloka atolotra ny mpanota mibebaka manatona an’Andriamanitra, mitodika amin’i Kristy ho famonjena ny fanahiny, na momba ny famelàn-keloka araka ny fitondran’Andriamanitra, famelàn-keloka angatahina amin’Andriamanitra, indrindra indrindra izay atao-na mpino iray latsaka tao anaty fahotana ka mizaka ny vokatry ny tsy fankatoavany eo ambany fitondrana marin’Andriamanitra. Fotoana inona, ohatra, no  nahazoan’i Davida nilaza tamin’i Jehovah hoe: “Ianao dia namela ny heloky ny fahotako”? Rehefa avy “nambarany taminy ny fahotany”, ary “tsy nafeniny ny helony”. Talohan’izany, raha mbola nangina izy, dia nahatsapa izay lazainy ao amin’ny andininy 3 sy 4 amin’io Salamo 32 io, tsy nahalala ny fahasambarana tsapa raha voavela heloka. Ny hany zavatra nahafaka an’i Davida tamin’io toetra lazalazainy ao amin’ny andininy 3 sy 4 io, hahatongavany amin’ny toetrany eo amin’ny faran’ny andininy 5, “Ianao dia namela ny heloky ny fahotako”, dia ny fiekena: “Ny fahotako nambarako taminao, ary ny heloko tsy mba nafeniko. Hoy izaho: Hiaiky ny fahadisoako amin’i Jehovah aho.”

Mbola toy izany koa ny zava-misy, raha tsy hoe mpino iray manokana no resahina, fa ny vahoakan’Andriamanitra. Aoka hovakiantsika, ohatra, ny vavaka nataon’i Solomona tamin’ny nanokanana ny tempoly, indrindra ny andininy 46 hatramin’ny 53 ao amin’ny 1 Mpanjaka 8. Ndeha koa hotanisaintsika ny ampahin’ny valinteny nomen’Andriamanitra tamin’izany vavaka izany, izay hita ao amin’ny 2 Tantara: “Indro, raha mampihantona ny andro Aho, ka tsy misy ranonorana latsaka, na asaiko mandany ny tany ny valala, na anaterako areti-mandringana ny oloko, raha ny oloko izay nantsoina amin’ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin’ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony” (7. 13-14). Na fahadisoan’olon-tokana, izany, na fahotan’ny vahoaka, dia mitovy ihany ny lalan-kizorana: fanetrentena, fiekena eo imason’Andriamanitra, ary fialàna amin’ny lalan-dratsy. Izay vao afaka mamela heloka Andriamanitra, ary tiany ny manao izany.

Izany koa no  fampianarana hitantsika ao amin’ny Testamenta Vaovao: “Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy, ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra” (1 Jaona 1. 9).

 

4                    Mampitsimoka ny fibebahana

 

4.1   Mosesy sy ny ombilahy kely volamena

Toy inona ny nanirian’i Mosesy ny mba hamelan’i Jehovah ny heloky ny vahoaka, taorian’ny raharahan’ilay ombilahy kely volamena! Toy inona ny fifonany raha nitodika tamin’i Jehovah izy, hoe: “Ankehitriny, enga anie ka hamela ny fahotany Ianao! Fa raha tsy izany, mifona aminao aho, vonoy eo amin’ny bokinao izay nosoratanao ny anarako” (Eksodosy 32. 32). Saingy tsy afaka nanatanteraka ny vavaky ny mpanompony i Jehovah: “Amin’izay andro hamaliako, dia hamaly azy noho ny fahotany Aho” (Eksodosy 32. 34). Fa nahoana àry Izy no tsy mamela heloka? Satria tsy niaiky ny fahotany ny vahoaka ary tsy nibebaka tamin’izany. Nefa, mba hitarihana azy ireo hanaiky ampahibemaso izany fahotana izany, dia mba efa nodoran’i Mosesy ihany ilay ombilahy kely volamena nataon’ny Zanak’Isiraely, efa notorotoroiny ho vovoka ary nafafiny tambonin’ny rano, rano izay nampisotroiny azy ireo. Kanefa tsy naneho fihetseham-po ho fibebahana, na dia kely akory aza, ny vahoaka; ary i Arona  —izay tsy isalasalana fa nanao ny fahadisoana lehibe indrindra, satria izy sy i Hora no niandraikitra ny vahoaka nandritra ny tsy naha-teo an’i Mosesy—  dia tsy nahatsapa velively ny andraikiny, sady nanilika ny fahadisoana tamin’ny vahoaka: “Ianao mahalala ny toetran’ny olona, fa mpanao ratsy izy”, ary nitantara zavatra tena tsy marina tamin’i Mosesy, mba hanadiovany tena. Manaitra tokoa ny fampitahana azo atao amin’ny zava-niseho sy ny nolazain’i Arona. Etsy andaniny: “Ary hoy Arona taminy: Romboty àry ny kavim-bolamena, izay eny amin’ny sofin’ny vadinareo sy ny zanakareo lahy ary ny zanakareo vavy, ka ento etỳ amiko. Ary ny olona rehetra dia nandrombotra ny kavim-bolamena izay teny amin’ny sofiny, ka nitondra azy ho eo amin’i Arona. Ary izy nandray azy tamin’ny tanan’ny olona, dia namboatra azy tamin’ny fandraka ka nanao azy ho ombilahy kely anidina” (Eksodosy 32. 2-4). Etsy an-kilany, izao no tantara nivoaka ny vavan’i Arona: “Ary hoy izaho taminy: Na zovy na zovy manam-bolamena, aoka handrombotra izany izy, ka dia nomeny ahy; ary natsipiko tao anaty afo izany, ka io ombilahy kely io no nivoaka” (and 24). Araka ny fitantaran’i Arona, dia tsy nanao na inona na inona izy, afa-tsy ny “nanipy tao anaty afo” ny volamena nentin’ny vahoaka teo aminy; ny momba ilay ombilahy kely anidina indray, raha araka ny filazany, dia tsy misy andraikiny mihitsy: “... io ombilahy kely io no nivoaka.”  —Tsy manjo antsika koa ve, toa an’i Arona, ny mitady fialan-tsiny amin’ny fahadisoantsika, fa tsy miaiky izany am-pahitsiana?—  Tsy misy fahatsiarovan-tena ho diso mihitsy, izany, tsy misy fiekena heloka, tsy misy fibebahana, na teo amin’ny vahoaka, na teo amin’i Arona, izay nanankinan’i Mosesy ny vahoaka; noho izany, dia tsy afaka mamela heloka i Jehovah.

 

4.2   Ny rahalahinao

Ireo ampahany samihafa nojerentsika tao amin’ny Teny ireo dia manambara amintsika ny toetran’ny famelàn-keloka tokony hataontsika, raha te “hanahaka an’Andriamanitra” isika (Efesiana 5. 1; 4. 32). Mbola anterin’ny Tompo io fampianarana io: “Raha manota ny rahalahinao, dia teneno mafy izy, ka raha mibebaka izy, dia mamelà ny helony. Ary raha manota aminao impito indray andro izy, ary mivalo aminao impito kosa, manao hoe: Mibebaka aho, dia mamelà ny helony” (Lioka 17. 3-4).

Marina fa tsy maintsy ao am-pontsika ny fieritreretana famindràm-po sy famelàn-keloka ho an’ilay nanao fahadisoana, raha vao misy zavatra ratsy natao tamintsika; nefa, amin’ny zavatra azontsika lazaina azy, dia miankina amin’ny fiekeny heloka sy ny fibebahany, aloha, ny famelàn-keloka.

 

4.3   Asan’Andriamanitra, anjaran’ny nasian-dratsy

Matetika dia sarotra ny miaiky heloka ary manahirana ny manatanteraka ny fibebahana. Ny tsy mpino dia tsy tia mihitsy ny hanatrika an’Andriamanitra toy izany; mihaino zavatra mahafinaritra, mihira hira tsara, mety hataony an-tsitrapo ihany, fa sarotra aminy ny hiampita avy eo amin’ny andininy 3 sy 4 amin’ny Salamo 32, mba ho any amin’ny andininy 5. Ary na ny mpino nanota aza, satria mitovy daholo ny fon’olombelona, dia matetika mananosarotra toy izany koa, amin’ny fiekena am-pahitsiana izay nahadiso azy sy ny fibebahana tanteraka. Ny ahazoana izany vokatra izany dia asa, izay Andriamanitra irery ihany no afaka manao azy ao amin’ny fisainan’olombelona.

Satria Andriamanitra irery ihany no afaka manao izany asa izany, midika ve izany fa raha tsy misy ao amin’ilay nanao ratsy ny fanetrentena, ny fiekena heloka ary ny fibebahana, dia tokony hitoetra hiandry mandrakizay ilay nasian-dratsy, ka tsy hanao na inona na inona? Tsy fitiavana izany, angamba mitovy lenta amin’ny fanambaràna famelàn-keloka feno ho an’izay nanao ratsy nefa mbola tsy niaiky heloka sy nanambara fibebahana marina. Marina fa Andriamanitra irery ihany no afaka miasa, nefa sitrany ny hampiasa fitaovana hanatanteraka izany, amina tranga maro); aoka tsy hohadinointsika, satria hoe tsy afaka manao na inona na inona isika, ny andraikitra ananantsika amin’ny asa hotanterahina. Tsy maintsy atao io asa io, tsy amin’ny fiheverana  nefa hoe isika no hiasa ao amin’ilay fo, fa amin’ny fatokiana fa Andriamanitra Izy tenany mihitsy no te hiasa, amin’ny fotoana hitany fa mety, ary amin’izany Izy dia hamaly ny finoana. Ny fitiavana izay ampirisihan’ny Kolosiana 3. 14 hotafiantsika no hitarika ilay olona efa vonona ao am-pony hamela heloka, nefa mbola tsy tokony hanambara famelàn-keloka, hanatona ilay olona izay tsy maintsy hiasàna ny eritreriny. Ary io fitiavana io, rehefa miasa am-pahamarinana, no hahay hahita ny lalana hahakasihana ny fo; hiasa hitozo izy, tsy hanaiky hosakanan’izay rehetra mety hahakivy azy, ary tsy hitsahatra amin’izany asa izany, raha tsy tonga amin’ny fibebahana sy fiekena heloka am-pahitsiana sy am-panetrentena ilay nanao fahadisoana, notorotoroin’ny fahasoavan’Andriamanitra mahery irery ihany. Hiseho ny vokany rehefa ho vita ny asan’Andriamanitra. Amin’izay fotoana izay, dia ho azo ambara ny famelàn-keloka, tsy misy fepetra na arakaraka; amin’ny fatrany sy ny toetrany, dia ho tena famelàn-keloka araka an’Andriamanitra izany.

 

5                    Famaranana

Raha azontsika tanterahina tsara kokoa ireo zavatra ireo, dia ho hitantsika ny fivoarana tsara hisy eo amin’ny fifandraisan’ny samy mpirahalahy; ho vetivety dia hisava ny rahona, ary hisava tanteraka. Indrisy anefa, fa be ny fahadisoana tokony hiekentsika momba izany! Matetika loatra isika no mamela amin’izao ny tsy fifankahazoana, ny fahadisoana goavana, ka tsy misy manao, na ny andaniny na ny ankilany, ireo fanazaran-tena sy asa asain’ny Teny tanterahina  —na  koa, tsy miandry isika fa tonga dia mamela heloka, indraindray aza tsy mitady akory izay hisian’ny fiekena heloka na fibebahana; ary mety ho lalana moramora kokoa izany, satria tsy mitaky asa lalina ao am-po na tena fitserana, nefa dia manakana ny fanarenana ilay nanao fahadisoana. Amin’ireo tranga roa ireo, dia hisy zavatra ho very, na ho an’ireo olona voakasik’izany, na ho an’ny fiangonana.