[Page principale | Nouveautés | La Bible | Chant- Cantiques]

 

HEVITRA VITSIVITSY MOMBA

NY ADY

ATREHIN’NY

KRISTIANA

André Gibert

 


Fandaharana

Ady tsy maintsy atrehina

Fanazavana fohy momba ny ady, araka ny Efesiana 6

Fifanoherana ifotony amin’izao tontolo izao sy Satana, andaniny, ary ny zanak’Andriamanitra, ankilany

Sehatr’ady roa : ny iray any an-danitra, ny iray etỳ an-tany

Ny tetik’adin’ilay Fahavalo

Ny adin’i Jesosy tetỳ an-tany : ohatra ho antsika

Manoatra noho ny ohatra : Kristy ao anatintsika, loharanom-pandresena

Tsy afaka mandresy amin’ny tenantsika samirery isika

Any ivelany ny fahavalo — Miomana mialoha isika mba hiady

Kamo hihaino, sa nampianarina sady mankatò ?

 

Isika tsy mitolona amin’ny nofo aman-dra, fa amin’ny fanapahana sy amin’ny fanjakana sy amin’ny mpanjakan’izao fahamaizinana izao, dia amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra...
Mifahara ary, ka sikino fahamarinana ny valahanareo, ary mitafia ny rariny ho fiarovan-tratra, ary kiraroy ny fahavononam-panahy avy amin’ny filazantsaran’ny fihavanana ny tongotrareo ; ary ho fanampin’izany rehetra izany dia tano ny finoana ho ampinga, izay hahazoanareo hamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra izay alefan’ilay ratsy. Ary raiso ny famonjena ho fiarovan-doha sy ny tenin’Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy ; ary mivavaha mandrakariva ao amin’ny Fanahy amin’ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka miambena amin’izany amin’ny faharetana sy ny fangatahana rehetra ho an’ny olona masina rehetra
(Efesiana 6. 12-18).

 

Ady tsy maintsy atrehina

Satria an’i Kristy isika, dia tsy afaka manala tena tsy hiatrika ny ady asainy atao amin’i Satana sy ny fanjakany ary ireo fahefana miankina aminy. Hitohy izany ady izany mandra-panorotoron’Ilay Andriamanitry ny fiadanana an’io Fahavalo io eo ambanin’ny tongotry ny olomasina (Romana 16. 20). Manohitra antsika hatrany io Fahavalo io, na any an-danitra, efa tonga fonenantsika nefa mbola misy azy koa, na etỳ an-tany, izay anjakany nefa mbola misy antsika ankehitriny.

Fanazavana fohy momba ny ady, araka ny Efesiana 6

Amin’ny maha “fanahy ratsy eny amin’ny rivotra” an’i Satana, dia tiany hosakanana ny kristiana tsy handray ny lova omen’Andriamanitra azy ireo any an-danitra, izay toerana “nitahiany antsika tao amin’i Kristy amin’ny fitahiam-panahy rehetra” (Efesiana 1. 3), sy “niara-nametrahany antsika ... ao amin’i Kristy Jesosy” (2. 6). Io lafin’ny ady io, matetika, no jerena, rehefa miresaka ny ady araka ny Efesiana 6. Toa an’ny Israely niditra tany Kanana, dia tsy maintsy miady isika mba hahazo ny lanitra, kanefa amin’ny finoana, satria mbola etỳ an-tany isika ankehitriny, eo anivon’ny zavatra hita maso, mitafy vatana malemy, nefa kosa manana ny Fanahy Masina, Izay mampiray antsika amin’i Kristy nomem-boninahitra.

Rehefa tena tafiditra any an-danitra isika, mitafy vatana feno voninahitra mitovy amin’ny Azy, dia tsy hisy resaka ady intsony ho antsika, satria Satana sy ny anjeliny dia efa roahin’ireo anjely masina avy any an-danitra (Apokalypsy 12. 9). Mandra-pahatongan’izany, dia miady amintsika i Satana mba hisitraka ny lanitra, ka tsy maintsy miady isika, mba hahazo ireo harena mbola tsy hita maso nefa sarobidy indrindra, dia ilay lova voatahiry any an-danitra ho antsika (1 Petera 1. 4).

 

Fifanoherana ifotony amin’izao tontolo izao sy Satana, andaniny, ary ny zanak’Andriamanitra, ankilany

Amin’ny maha “mpanjakan’izao fahamaizinana izao” ny fanahy ratsy baikoin’i Satana, dia mitondra tena ho toy ny mpanapaka izao tontolo izao izy ireo. Izany fahamaizinana izany dia ny fahamaizinan’izao vanimpotoana ankehitriny izao. Satana no “mpanapaka ny fanjakana eny amin’ny rivotra, dia ny fanahy izay miasa ankehitriny ao anatin’ny zanaky ny tsy fanarahana” ; izy no “andriamanitr’izao tontolo izao”, “andrianan’izao tontolo izao” (Efesiana 2. 2 ; 2 Korintiana 4. 4 ; Jaona 12. 31 ; 14. 30).“Efa voatsara” izy (Jaona 16. 11), kanefa mbola tsy nofatorana na notorotoroina. Eto amin’izao tontolo iainantsika izao izy dia manampatra fahefana norombahina kanefa tena misy, ary ohatra ny nohamafisin’ny nahafatesan’i Jesosy. Araka izay avelan’Andriamanitra ataony, dia manapaka ny manampahefana etỳ an-tany izy, na tsy tsapan’izy ireo aza izany, mba hanoheran’izy ireo an’i Kristy. Mitohy hatrany izany raha mbola tsy hita maso ihany koa Kristy, Izay mipetraka eo an-tanan-kavanan’Andriamanitra ankehitriny, mandra-panaony ny fahavalony ho fitoeran-tongony.

Isika kristiana anefa, “eto amin’izao tontolo izao” saingy tsy “naman’izao tontolo izao”, dia Kristy no ekentsika ho Loha, fa tsy ny andrianan’izao tontolo izao. Ny fisiantsika eto an-tany dia porofon’ny fahefana mandresy ananan’io Loha natao tsinontsinona io. Ary ny Fanahy Masina ao amin’ny mpino no “mampiaiky izao tontolo izao ny fahotana sy ny fahamarinana ary ny fitsarana”, “ny fitsarana, satria ny andrianan’izao tontolo izao dia efa voatsara” (Jaona 16. 8, 11). Taloha isika dia nandeha “araka izao tontolo izao” (na “araka ny fomban’izao tontolo izao”, voambolana mitovy ihany no ampiasaina), ary nosintonina hiala tamin’izany. Avela etỳ an-tany isika mba hanompo an’Andriamanitra, ary tombontsoa manokana ho antsika ny mitsaoka Azy ho toy ny Ray. Tsy laitran’i Satana izany.

Isaky ny misy fanahy nesorina tao amin’ny maizina ho amin’ny mazava, dia mifindra avy amin’ny fahefan’i Satana izy ho amin’Andriamanitra (Asan’ny Apostoly 26. 18). Isaky ny ambara ny fahafatesan’ny Tompo, dia voambara ihany koa ny faharesen’i Satana. Na aiza na aiza no mamiratra ny tena fahazavana, dia manambara fa niseho ny Zanak’Andriamanitra mba “handrava ny asan’ny devoly” (1 Jaona 3. 8). Ahoana moa no hahatantesan’i Satana izany zavatra rehetra manohintohina ny fahefany izany ? Any an-danitra i Kristy, ary etỳ an-tany ny Tenany : ahoana no hahazakan’i Satana hoe misy isan’ny Tenan’i Kristy ao amin’ny fanjakany ? Ahoana izy no tsy hanampatra ny herisetrany na ny hafetseny rehetra  —arakaraka izay trangan-javatra—, hanoherany ny ain’Andriamanitra miseho etỳ an-tany ? Tsy ny hambabo izao tontolo izao tsy akory no tadiavintsika, fa ny hampiseho ao, araka ny maha “zanaka manoa” antsika, fa ny “fomban’izao tontolo izao” dia tsy fankatoavana an’Andriamanitra, vokatry ny asan’i Satana, sady hampiseho koa fa efa voatsara ny andrianany, ary izy koa niara-voatsara taminy, hampiseho fa Andriamanitra dia hametraka ny fanjakany amin’ny fotoana tiany.

Sehatr’ady roa : ny iray any an-danitra, ny iray etỳ an-tany

Ny tena fototry ny “ady atrehintsika” dia hoe olona ho an’ny lanitra isika, mankafỳ Ilay Kristy any an-danitra sy mijoro ho vavolombelon’io Kristy io, etỳ amin’izao tany nandà Azy izao. Roa ny sehatr’ady, nefa iray ihany io ady io, ary ny fiadiantsika amin’izany dia tsy avy amin’ny nofo fa ara-panahy (2 Korintiana 10. 3-4). Ny fiadiana avy amin’ny nofo, izany hoe ny fomba sy fitaovana fampiasa eto amin’izao tontolo izao, dia ho toy ny fitaovam-piadian’i Saoly ihany, ho an’i Davida, ka nahatonga azy ho “tsy afa-mandeha” (1 Samoela 17. 38-39). Ny hoe miady, ho an’ny kristiana mbola ao anatin’izao vatana izao sy mbola eto amin’izao tontolo izao, dia miaina sahady ny fiainan-danitra, satria an’ny lanitra izy, ka noho izany, dia manjary vahiny eto an-tany.

Ny tetik’adin’ilay Fahavalo

Koa na dia maro samihafa aza ireo paik’ady ampiasain’ilay Fahavalo, dia zavatra iray ihany no katsahiny : ny hampanadino antsika ny anjarantsika any an-danitra, mba hanaisotra amintsika ny toetra maha vahoakan’ny lanitra antsika. Ny kristiana tsy miaina araka ny maha kristiana azy dia tsy mba manelingelina an’i Satana, fa ny mifanohitra amin’izany aza, ka tsy hokitikitihiny. Ny tadiaviny mantsy dia ny hahatonga ireo “mpizaka ny zo maha mponin’ny lanitra” azy hiaina toy ny olona “misaina ny amin’ny tany” ihany (Filipiana 3. 19-20). Koa tsy mitsahatra izy mitady izay handavoana antsika, ka na izy mampitahotra sy manakivy antsika, na manangoly antsika mba hahatonga antsika “hanaraka ny fanaon’izao tontolo izao”. Ary indrisy fa mora dia mora aminy ny mandresy lahatra antsika hiray amin’izao tontolo izao ! Ny hahatonga ny finoana kristiana sy ny kristiana hanaraka izao tontolo izao, izany no anjara asany. Mihelina ity fanjakany ity, nefa dia ravahany amin’ireo amboaram-pandresena azony amintsika mpiady mahantra. Raha zohina, dia miasa izy mba hanasaraka antsika amin’i Kristy. Ary vao mainka romotra izy, satria fantany fa tsy manam-potoana firy intsony izy, sady tsy afa-manao na inona na inona amin’Ilay Loha, Izay efa nandresy azy.

Ny adin’i Jesosy tetỳ an-tany : ohatra ho antsika

Nandritra ny fiainany naha olona Azy tetỳ an-tany Jesosy dia efa nandresy sahady ny fahavalo. Efa natrehiny talohantsika, amin’ny naha olona lavorary sy manankin-tena amin’Andriamanitra Azy, ny ady tsy maintsy atrehintsika, ary Izy no ohatra ho antsika. Ny tolona nataony koa, dia tsy “tamin’ny nofo aman-dra”. Marina Izy fa nanana fahefana feno tamin’ny olona, izay nofo sy ra ihany : nasehony izany tamin’ny nilazany teny indraim-bava monja, nahatonga ireo olona hisambotra Azy tao Getsemane hihemotra ka ho lavo tamin’ny tany : Jaona 18. 6. Nanana fahefana feno tamin’ny zavaboary koa Izy, ary nasehony imbetsaka izany ; ohatra, tamin’ny nampitsaharany ny tafiodrivotra. Fa ny ady nataony dia “amin’ny mpanjakan’izao fahamaizinana izao, dia amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra”. Tsy niady tamin’ny fahefan’olombelona na oviana na oviana Izy, ary tsy namela ny mpianany hanao izany koa. “Ny fanjakako, tsy avy amin’izao tontolo izao”, hoy Izy tamin’i Pilato. Tamin’ny olona dia hamoram-po, fitiavana, fiadanana hatrany no nasehony ; ny tongony dia nikiraro mandrakariva “ny fahavononam-panahy avy amin’ny filazantsaran’ny fihavanana”. Andriamanitra no tao aminy, “nampihavana izao tontolo izao taminy, ka tsy nanisa ny fahadisoany” (2 Korintiana 5. 19). Nony farany anefa dia hita fa ny sabatra no tonga nentiny tetỳ an-tany (Matio 10. 34), satria nolavin’ny olona Izy, Ilay Andrianan’ny fiadanana. Hamonjy azy ireo no nahatongavany, fa tsy hiady taminy. Satana no niadiany.

Nikatsaka ny hamono Azy ny fahavalo, taoriana kelin’ny nahaterahany, nefa tsy nahomby, ary naka fanahy Azy indray tamin’ny fotoana hanombohany ny asa fanompoany. Saingy nandresy tao amin’ny fanjakan’io olo-mahery io Jesosy, ary rehefa nandresy azy koa nony nalainy fanahy tany an’efitra, dia nandroba ny fananany, nandroaka ireo demonia, nahasitrana “ireo rehetra azon’ny herin’ny devoly, satria Andriamanitra nomba Azy” (Asan’ny Apostoly 10. 38). Ny fiadiana nampiasainy handresena, dia ireo izay omen’Andriamanitra ny olona, ireo izay asaina ampiasaintsika ankehitriny amin’ny ady.

“Ny fiadian’Andriamanitra” rehetra (Efesiana 6. 13) no nampiasainy ; nentiny mandrakariva izany nandritra ny fiainany manontolo, tsy navelany mihitsy ary nasehony ny maha lavorary izany. Hitantsika Izy (1) nampiasa ny Tenin’Andriamanitra, izay sabatry ny Fanahy, Teny azon’ny olona rehetra ampiasaina, —ary (2) nivavaka mandrakariva tao amin’io Fanahy io. Hitantsika Izy (3) nisikina hery ny valahany, tamin’ilay fahamarinan’Andriamanitra, ary ny hanambara izany fahamarinana izany no antony niaviany teto amin’izao tontolo izao (Jaona 18. 37), —(4) nitafy ny rariny ho fiarovan-tratra, Izy Izay tsy nanao na inona na inona tsy tokony nataony, —(5) nampikiraro ny tongony tamin’ny fanoloran-tena masina indrindra ho an’ny olona, raha nandeha tetsy sy teroa nanao soa, —(6) nandray ny ampingan’ny finoana mailo lalandava, Izy Izay Tompon’ny finoantsika sy Mpanefa azy, —ary farany, (7) nitraka tsara nanao ny fiarovan-doha, satria matoky ny famonjen’Andriamanitra (Isaia 50. 7). Tena mpiady tsy misy kianina, faka tahaka ! Milamina avokoa ny zavatra rehetra ao anatin’io olona io, hany ka tsy azo noresena Izy. Nijaly Izy satria nalaim-panahy, kanefa nandresy mandrakariva. Tsy niala teny aminy ny fiadiana. Tsy nitsahatra Izy ny nampiseho hatraiza hatraiza ny toetra ara-pitondrantena ananan’olona izay niaina, nizotra, niasa araka ny sitrapon’Andriamanitra irery ihany.

Ary ankehitriny, ho antsika, ny hoe mitafy ny fiadian’Andriamanitra dia maneho ny toetran’i Kristy mihitsy, hanoherana an’i Satana, ary amin’ny fiainantsika andavanandro, mampiseho fa isika dia efa “nitafy ny toetra vaovao, izay havaozina ho amin’ny fahalalana tsara, araka ny endrik’Izay nahary azy”, dia i Kristy (Kolosiana 3. 10).

Izany ihany no fomba ahafahan’ny olon’Andriamanitra manohy ny ady ho Azy, ary anjaran’izy ireo, ankehitriny, ny andraikitra, ny haja, ary ireo fijaliana noho izany ady izany.

Manoatra noho ny ohatra :
Kristy ao anatintsika, loharanom-pandresena

Hisy hilaza angamba hoe : Ka isika anie miatrika ny ady ao anaty zava-misy hafa tanteraka noho ny zava-nisy fony Kristy tetỳ an-tany e ! Marina izany, ary tena zava-dehibe indrindra ny mahatsiaro izany : arakaraka ny hahatsiarovantsika izany no hampahery antsika hiatrika ny ady, fa tsy hoe haha voavily antsika tsy hiady tsy akory.

Raha toa tokoa mantsy, raisintsika ho mpiady atao ohatra fotsiny Jesosy, dia ho sasa-poana isika hikiry hanahaka Azy. Na dia efa voavonjy aza isika, dia ao anatintsika ihany ny nofo, raha mbola eto an-tany ihany koa isika, ary Satana dia mahazo vahana amin’io toetra tranainy io. Impiry tokoa moa isika no menatra, mahatsapa fa resy raha vao ahetsiny io toetra io ! Resin’i Satana mandrakariva ny taranak’i Adama.

Koa rehefa nanohitra an’i Satana i Jesosy, dia toa an’i Davida hiady amin’i Goliata : nanohitra fahavalo tsy nisy olombelona naharesy azy. Nefa dia resin’i Jesosy i Satana, ary resiny tanteraka. Raha ho an’i Jesosy samirery ihany no nandreseny an’i Satana, ny fiainany tetỳ an-tany dia ho naneho fotsiny ihany (ary nasehony izany, ho voninahitr’Andriamanitra !) ny zavatra vitan’olona mankatò tanteraka ; ka vao mainka hiharihary ny haben’ny tsy fahaizantsika mandresy an’i Satana. Kanefa Jesosy dia nandresy an’i Satana ho antsika ihany koa, ho antsika izay tsy afaka handresy. Tamin’ny nahafatesan’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana no nandreseny an’i Satana. Jesosy dia ohatra tsy hay alain-tahaka, ary Mpamonjy mahery koa.

Ny eo anoloantsika izany, izao, dia fahavalo efa resy, tsy noho isika, nefa ho antsika. Tsy manana hery isika samirery, eo anoloany, fa izy kosa tsy manana hery manoloana an’i Kristy ao anatintsika. Jesosy, maty sy nitsangana tamin’ny maty, no manome antsika fiainana tsy hain’i Satana kasihina. Tsy afaka nanakana an’i Jesosy tsy ho olona lavorary i Satana, ary tsy afaka ihany koa nanakana Azy tsy hahatanteraka ny fanavotana antsika. Tao Getsemane i Jesosy, nihorohoro noho ny tahotra ny fahafatesana, dia tsy avy tamin’i Satana no nandraisany ny kapoaka, fa avy tamin’ny tanan’ny Rainy ; ary avy eo dia resy ny fahefan’i Satana manontolo. “Nesoriny tsy ho eo amin’ny tenany ny fanapahana sy ny fahefana, ary noho ny hazofijaliana dia nasehony miharihary ny fitondrany ireo toy ny fanaon’izay avy nandresy” (Kolosiana 2. 15). Nitsangana tamin’ny maty Jesosy, niakatra any an-danitra, eo ankavanan’Andriamanitra, ary efa nampanekena Azy ny anjely sy ny fahefana (1 Petera 3. 22 ; Efesiana 1. 20-21).

Io fiainana fitsanganan-ko velona io no fiainana omeny antsika, ary ny harivan’ny nitsanganany tamin’ny maty Izy no naniraka ny mpianany ho any amin’izao tontolo izao, niteny taminy hoe : “Tahaka ny nanirahan’ny Ray Ahy no anirahiko anareo kosa” ; ary “rehefa nilaza izany Izy, dia nanisy fofonaina, ka hoy Izy taminy : Raiso ny Fanahy Masina” (Jaona 20. 21, 22). Tsy mahatohitra ilay fahefana efa nandresy azy i Satana. Mbola tsy voaroaka avy any an-danitra i Satana, ary mbola tsy torotoro eo ambany tongotry ny olomasina, kanefa ho avy izany, ary dieny ankehitriny izy dia tsy manan-kery intsony, tsy eo anoloan’Andriamanitra ihany —toy ny efa tsy nananany izany hatrizay hatrizay— fa koa, eo anoloan’ireo olona izay afaka ankehitriny mihahery “ao amin’ny Tompo sy amin’ny herin’ny faherezany”. Io hery io no niasa, nanangana an’i Kristy tamin’ny maty. Dia nambara fa nandresy an’i Satana sy izao tontolo izao i Kristy, ka raisin’ny finoana izany fahamarinana feno voninahitra izany —dia “ny herin’ny fitsanganany tamin’ny maty”— ary izany no handresen’ny finoana. “Ary ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika. Iza moa no maharesy izao tontolo izao, afa-tsy izay mino fa Jesosy no Zanak’Andriamanitra ?” (1 Jaona 5. 4-5).

Araka izany, tsy vitan’ny hoe ny mpino dia afaka mahita hoe efa resy ny fahavalo, fa koa fantatry ny finoana ny tsiambaratelon’ny hery nahazoana io fandresena io, dia “ny herin’ny faherezan’Andriamanitra” (Efesiana 1. 19 ; 6. 10). Ary ao amin’izany hery izany ny mpino no ampirisihina hanovo hery. Any ivelan’ny tenantsika ilay tsiambaratelo ; any ivelany mandrakariva no banjinin’ny finoana. “Manoatra noho ny mpandresy isika, amin’ny alalan’Ilay tia antsika” (Romana 8. 37) : ny banjinina dia i Kristy nomem-boninahitra rehefa nahatanteraka ny zava-drehetra.

Tsy afaka mandresy amin’ny tenantsika samirery isika

Fa rehefa midera tena isika noho ny fandresena azon’olon-kafa sy azona hery hafa noho ny antsika, dia midika fa manaiky sy miaiky fa tsy afaka manao na inona na inona. Nirehareha tamin’ny fahalemeny i Paoly, “mba hitoeran’ny herin’i Kristy” ao aminy, ary izany no nahafahany milaza fa ny fahalemeny no fahatanjahany (2 Korintiana 12. 9-10).

Tokony hodinihintsika akaiky kokoa izany. Ny hoe tsy afaka ny handresy mihitsy amin’ny tenantsika samirery, dia midika fa raha avela ho irery eo isika, dia resy ary ho resy lalandava. Ny zava-marina mampalahelo dia izao : ny toetrantsika dia “nofo”, izay tsy vitan’ny hoe lavon’i Satana ihany, fa miandany amin’i Satana mihitsy. Tamin’ny nahalavo ny olona no nahatonga azy ho sady mpiombona antoka amin’ny fahavalo no iharam-boina avy aminy. “Fandrafiana an’Andriamanitra ny fihevitry ny nofo” (Romana 8. 7). Koa efa nomelohina ny nofo tamin’ny fotoana sy teo amin’ny toerana nandresena an’i Satana  —dia teo amin’ny hazofijaliana izany. Teo ny nofo no efa novonoina. Tapitra hatreo, ho an’Andriamanitra, ny maha taranak’i Adama antsika. Maty ho antsika Kristy, ary efa niara-maty taminy isika. Fahasoavana anie izany e !

Izany fahamarinana izany koa no rombahin’ny finoana. Fantatry ny finoana fa efa resy ny fahavalo ary efa voatsara, na dia mbola miasa ihany aza ary mbola any an-danitra mihitsy koa. Dia toy ny ahafantaran’ny finoana izany no andraisany ny Teny milaza amin’ny mpino hoe : “Efa maty ianareo”, na dia mbola eo ihany aza ny nofo, na dia mbola ao amin’ilay “toetra taloha” ihany aza ny “momba ny tena etỳ an-tany”, ary mbola antsoina ihany hoe “momba ny tenantsika”, dia ny filàn’ny nofo mbola mitoetra ao anatintsika.

Ny zavatra ilaintsika dia, voalohany aloha, mandray amin’ny finoana fa “efa maty isika” ; avy eo, mampihatra izany tanteraka amin’ny fiainantsika andavanandro, noho io finoana io ihany. Ary vao mainka tokony hatao izany, satria tsy lany hafetsena i Satana, ary na dia ao an-tsaintsika tsara aza fa efa resy teo amin’ny hazofijaliana ny heriny, dia mora manaiky ny hodidinin’ny hafetseny isika. Koa tokony hamono “ny momba ny tenantsika etỳ an-tany” isika (Kolosiana 3. 5-7), raha tsy izany, dia tsy ho afaka hitafy ny fiadiana, ary indrindra tsy ho afaka ny hiady ka handresy. Mamahatra amin’ilay toetra taloha i Satana, ka tokony hampitafiana ny fahafatesan’i Kristy io toetra taloha io. Tsy afaka manao na inona na inona amin’ilay olom-baovao kosa izy, satria tsy afaka manao na inona na inona amin’i Kristy. Ny zava-dehibe, ho antsika, dia ny mibanjina an’i Kristy.

Any ivelany ny fahavalo — Miomana mialoha isika mba hiady

Koa araka izany, ny tena adin’ny kristiana izay ambara ao amin’ny Efesiana 6, dia
tsy ilay ady anaty ao amin’ny olona efa nateraka indray, nefa mbola malahelo noho ny fahatsapana miverimberina fa mbola velona ao anatiny ihany ilay toetra taloha
(Romana 7) ;
tsy ilay fifanoherana misy lalandava eo amin’ny Fanahy sy ny nofo ihany koa, izay ambaran’ny Galatiana 5. 16-17. Tsy miresaka an’i Satana mihitsy, na ny Romana 7 na ny Galatiana.

Fahavalo ivelany no atrehina, amin’ilay ady ao amin’ny Efesiana 6, “ilay adintsika”. Midika izany fa efa vita ny ady ataontsika amin’ny tenantsika. Tafiana ny fiadiana, arakaraka ny filaminana anaty efa ao amin’ny fanahintsika ; izany dia toe-po sy toe-panahy vokatry ny finoana tsotra fotsiny ihany, ny fitsarana tena ary ny fiombonana amin’i Kristy, toetra mahatonga tsy ho taitra rehefa eo ny fahavalo. Araka ny voalaza matetika, tsy rehefa hikatroka vao hitafy ny fiadiana, fa alohan’izany, miandry ny ady.

Samy eo ny hery sy ny fitaovana, satria herin’ny faherezan’Andriamanitra izany, fiadian’Andriamanitra, hiatrehana ny ady ho an’Andriamanitra ; saingy tsy ao anatintsika ireo, fa tokony hotadiavintsika ao amin’i Kristy, omen’Andriamanitra ao amin’i Kristy. Matetika aoka izany anefa isika no tratran’ny tampoka, tsy ampy fitaovam-piadiana iray na tsy manana fiadiana mihitsy aza, satria variana amin’ny tenantsika, fa tsy mibanjina an’i Kristy.

Kamo hihaino, sa nampianarina sady mankatò ?

Aoka haverina ihany, ny toetra ara-pitondrantena asehon’ireo fitaovana samihafa amin’ny fiadian’Andriamanitra dia toetran’ilay olom-baovao, toetran’i Kristy. Mba ho haintsika anie ny mampiasa ireo, handresentsika an’i Satana, ilay fahavalo efa noresen’i Kristy !

Ireo fahamarinana ireo dia efa nahazatra ny mpino tamin’ireo taranaka vavolombelona, ary antsoina handimby azy ireo isika, eo am-piandrasana ny Tompo. Koa nahoana àry ireo fahamarinana ireo, matetika, no toa sarotra ankehitriny, toy ny hoe lavitra antsika ? Tsy satria ve nanjary “lalodalovana ny sofintsika” (Hebreo 5. 11), ary niha tsy fantatsika ny “tenin’ny fahamarinana” (Hebreo 5. 13) ? Manjary malain-komana rehefa reraka ny vatana satria tsy nisy sakafo, ka mihatonga haingana kokoa ny fahosana. Tsy foto-pampianarana tsy mitondra vokatra tsy akory ireo fahamarinana ireo, fa foto-pampianarana mamokatra be, ary iankinan’aina. Afaka nanambara tamin’ny kristiana tany Roma ny apostoly, hoe “ny fonareo dia efa nanaraka ny fomban’ny fampianarana izay nanolorana anareo” (Romana 6. 17). Aoka isika hamela ny fahasoavana hampianatra antsika amin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra, ary aoka isika hahay hankatò. Izany no toetran’ny tena mpiady, ary tsiambaratelon’ny fandresena.(*)

(*) Ampirisihina fatratra isika hamaky “Ny fiadiana” nosoratan’i Henri Rossier, izay tsongaina manokana amin’ireo asasoratra maro momba io lohahevitra lehibe io.