Fanatitra iray ihany

Sorona samihafa

(Levitikosy 1 hatramin’ny 7)

Georges André

Sasinteny

Ireto pejy ireto dia vokatry ny dinidinika nifanaovana tamina tanora mpino, ka mikatsaka ny hahazoan’izy ireo ny fampianarana —izay mafonja sy midadasika tokoa— omen’ny Levitikosy, momba ny sorona. Mazava ho azy fa tsy mahasahana feno izany fampianarana izany ireto pejy ireto. Koa mba tianay hapetraka ao am-pon’ireo mpamaky, ny hetaheta handalina io lohahevitra io amin’ny famakiany boky nitondra fitahiana ho ana taranaka maro nifandimby, toy ny :

C. H. Mackintosh Fanamarihina momba ny Levitikosy ;

J. N. Darby Fandinihina ny Soratra Masina
— Boky Voalohany : ny Pentateoka.

Avy amin’ireo boky roa ireo no nindramanay hevitra maromaro lazaina ato amin’ity bokikely ity


Fampidirana

Jesoa Kristy, indrindra fa Izy voahombo tamin’ny hazofijaliana

(1 Korintiana 2. 2)

Efa nojerentsika tany aloha, tamin’ilay boky atao hoe “Tanàna dimy”, ny fiainanny Tompo Jesoa: Betlehema, nahaterahany; Nazareta, naha lehibe Azy; Kapernaomy, ivon’ny fanompoany tany Galilia; Betania, nanehoany manokana ny voninahiny; Emaosy, toerana nahatonga ny fon’ireo mpianatra roa lahy “hangorakoraka”, fony Izy nitsangana tamin’ny maty. Izao indray, dia tianay ny handinika ny nahafatesanny Tompo Jesoa, “ny nanaterana ny tenan’i Jesoa Kristy indray mandeha” (Hebreo 10. 10). Io dia fotokevitra mandrakizay iorenan’ny fideràn’ireo olom-boavotra, izay iaraha-manaiky fa tsy ho haintsika fantarina tanteraka etỳ an-tany, nefa dia tian’ny Tompo mba hifantohan’ny fontsika.

Dieny tetỳ an-tany Izy dia efa “nampianatra (ny mpianany) fa ny Zanak’olona tsy maintsy hijaly mafy… dia hovonoiny” (Marka 8. 31). Ary raha namakivaky an’i Galilia Izy, dia “nampianatra ny mpianany … ka nanao taminy hoe: Ny Zanak’olona dia hatolotra eo an-tanan’ny olona ka hovonoiny” (9. 31). “… Teny an-dalana niakatra ho any Jerosalema… naka ny roa ambin’ny folo lahy indray Izy, dia nilaza taminy izay efa hanjo Azy…: ny Zanak’olona hatolotra… ary hohelohiny ho faty” (10. 32-33). “Nefa tsy azon’ny mpianatra io teny io” (Lioka 9. 45), “ary izay nanaraka Azy dia natahotra” (Marka 10. 32).

Fa nony tonga kosa ny andro nitsanganany tamin’ny maty sy niresahiny teny an-dalana mankany Emaosy, vao nangorakoraka ny fon’ireo mpianatra, rehefa “nanambara taminy ny hevitry ny teny milaza Azy ao amin’ny Soratra Masina rehetra” Izy. — “Moa tsy tokony ho niaritra izany va i Kristy?” (Lioka 24. 27, 26). Izao vao nesorina ny fisalobonana nanarona azy ireo; fa ny an’ny sarambabem-bahoaka kosa dia mbola tsy afaka (2 Korintiana 3. 14). Hitan’izy ireo tao ambadik’ireo fitantarana sy tandindona ao amin’ny Testamenta Taloha, sy tao ambadik’ireo sorona tsy hita isa nisian’ny ra latsaka nandritra ny taonjato nifandimby, ny sarin’ilay “fanatitra iray ihany ... efa nahatanterahany ho mandrakizay izay olona hamasinina” (Hebreo 10. 14).

Ho antsika koa, dia efa voaisotra ny fisalobonana, ary tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra isika ka afaka mahita ao ambadik’ireny sorona natao fahiny ireny, ny sary sy lafiny samihafan’ilay sorona lavorary tsy maintsy notanterahina teo amin’ny hazofijaliana. Matoa tian’Andriamanitra ny nihazona ho antsika ireo didy ireo, izay tsy mikasika antsika intsony sady tsy inona fa alok’ireo zava-tsara ho avy, dia satria izy ireo manampy antsika hahalala bebe kokoa sy amin’ny antsipiriany kokoa ny tena sy asan’Ilay afaka niteny hoe: “Ny fanatitra alatsa-dra sy ny fanatitra hohanina, tsy mba nilainao… ny fanatitra dorana sy ny fanatitra noho ny ota, tsy sitrakao; dia hoy Izaho: Inty Aho tonga… hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô” (Hebreo 10. 5-7).


1 Fonenana iray, mpisorona maro, sorona samihafa

Hitantsika ao amin’ny Eksodosy ny fomba tian’Andriamanitra namoahana ny vahoakany avy tany Egypta, tsy hoe hanafahany azy tamin’ny fanandevozan’ny Farao ihany, fa mba hanokanany azy koa ho Azy: “Alefaso ny zanako mba hanompo Ahy” (Eksodosy 4. 23). Mpanota nefa ilay vahoaka, hany ka nilaina isan-tokantrano ny ran’ny Paska, mba ho voaro tamin’ny anjely mpandringana izy. Nandalo ny Ranomasina Mena sy ny taniefitra izy ireo, dia nentina hatrany Sinay, ka afaka niteny taminy Andriamanitra, tao, hoe: “Ianareo efa nahita izay nataoko tamin’ny Egyptiana sy izay nitondrako anareo tamin’ny elatry ny voromahery ary ny nampankanesako anareo ho atỳ amiko” (Eksodosy 19. 4). Dia nanampy avy hatrany i Jehovah hoe: “Koa ankehitriny… dia ho fanjakà-mpisorona sy ho firenena masina ho Ahy ianareo.” Hanipika ny mpaminany, atỳ aoriana, hoe: “Izao olona noforoniko ho Ahy izao no hanambara ny fiderana Ahy” (Isaia 43. 21).

Indrisy nefa fa tsy namaly izay nokasain’i Jehovah ho azy i Israely; vetivety foana izy dia niha-lo sy niodina tamin’Andriamanitra. Nila nifona ho an’ny vahoaka i Mosesy, ao amin’ny Eksodosy 33, vao afaka nampita taminy ireo toro marika noraisiny tao an-tendrombohitr’i Sinay, hanorenana ny tabernakely: Fonenana ahazoan’Andriamanitra mitoetra eo anivon’ny vahoakany {Jereo ny famintinana ny dinidinika nataonay momba io lohahevitra io: “Fanazavana momba ny Tabernakely”.}. Ao amin’ny Eksodosy ihany koa no napetraka ny mpisorona, dia ny fianakavian’i Arona (toko 28 sy 29).

Ao amin’ny Levitikosy, Andriamanitra dia miresaka ny “tranolay fihaonana”, mba ilazana amin’ny vahoakany ny fomba ahazoan’ireo olona “any ivelany” manatona Azy ao amin’ny fitoerany masina. Ao amin’ny Nomery (1. 1) Andriamanitra dia niresaka tamin’i Mosesy “tany an’efitr’i Sinay”, momba ny fomba handehanany ho any Kanana {Jereo ny dinidinika nataonay antsoina hoe “Ny fizorana tany an’efitra”.}. Ao am-panombohan’ny Deoteronomia (1. 1) dia niteny i Jehovah “tany andafin’i Jordana”, hitsinjovana ny fidirana any amin’ny tany Kanana: ahoana no tokony hitondrantena any?

Hitantsika araka izany, eo amin’ny faran’ny Eksodosy sy ny fiantombohan’ny Levitikosy, fa misy trano izay anolorana ny sorona; fantatsika hoe iza no afaka manatona: mpisorona sy mpivavaka; ary ahoana ny fomba anatonany: mitondra sorona (Levitikosy 1 hatramin’ny 7).

Asehon’ny 1 Petera 2. 3-5 antsika ny zavatra ankehitriny izay mifanojo amin’izany aloka fahiny izany: “Ny Tompo, Izay hatoninareo toy ny vato velona… Atsangana koa ianareo tahaka ny vato velona, ho trano fanahy, ho fisoronana masina, hanatitra fanati-panahy sitrak’Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.” Mahita indray isika eto, trano, mpisorona ary fanatitra.

Trano ara-panahy nefa no lazaina eto: ny fikambanan’ireo vato velona, dia ny olona rehetra voavotry ny Tompo, ka nahita tao Aminy ny fiainana mandrakizay ary mandrafitra ny tranony, ny fiangonany {Jereo ny dinidinika nataonay momba “Ilay Anarana mampivory”.}. Na dia eo aza ny faharavana ankehitriny mahazo ny Fiangonana eto an-tany, dia mbola azontsika atao ihany ny misitraka ireo tombontsoa avy amin’io “trano fanahy” io, amin’ny fivoriantsika manodidina ny Tompo Jesoa, amin’ny maha-isan’ny fiangonan’Andriamanitra antsika.

Ankehitriny ny hoe mpisorona, “fisoronana masina”, dia tsy fianakaviana tokana toa an’i Arona sy ireo zanany, fahiny, fa ny olom-boavotra rehetra, araka ny lazain’ny Apokalypsy 1. 5: “… Izay tia antsika ka namaha antsika ho afaka amin’ny fahotantsika tamin’ny rany, sady efa nanao antsika ho… mpisorona ho an’Andriamanitra Rainy.” Ny kristiana dia sady mpivavaka no mpisorona no zanaka.

Tsy fanatitra alatsa-dra intsony no tokony haterina, fa “fanati-panahy”, “fanati-piderana, … dia ny vokatry ny molotra izay manaiky ny anarany” (Hebreo 13. 15). Io fiderana io dia tsy ny fankasitrahan’ny fontsika ihany noho ny namonjena antsika, na dia tena mitombina aza izany; mbola misy zavatra hafa mihoatra faralavitra noho izany: mankeo anoloan’ny Ray isika, tsy ny hisaotra Azy ihany, fa indrindra hanambara Aminy ny momba ny Zanany sy ny asa vitany teo amin’ny hazofijaliana. Eo anoloan’Andriamanitra dia tsahivintsika io fanatitra iray monja nanoloran’ny Zanany ny tenany io. Tsy hoe hamerina indray io sorona io, na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana; fa amin’ny vavaka, amin’ny hira ary amin’ny Fanasàn’ny Tompo, dia tsahivina ny nahafatesany, velarina am-pankasitrahana sy fitsaohana eo anatrehan’Andriamanitra ny lafiny samihafa sy mahatalanjona momba izany. “Te hitoetra eo akaikin’ny alitaranao (aho), Jehovah ô” (Salamo 26. 6).


2 Ny ilàna ny sorona

Ao amin’ny Testamenta Taloha dia maro ireo kisarisary miresaka amintsika momba ny fahafatesan’i Kristy. Zavatra iray itovizan’izy rehetra ireo dia izao: tsy hoe fitiavana sy fahafoizan-tena, aloha, no modely asehon’izy ireo, fa aina iray hasolo aina iray hafa: maty i Jesoa Kristy, tsy hoe satria nanolo-tena ihany, mba ho modelim-pitiavana sy fahafoizan-tena, fa koa: “Izay tsy nahalala ota dia efa nataony ota, hamonjy antsika” (2 Korintiana 5. 21). “Kristy nanavotra anay tamin’ny ozon’ny lalàna, satria tonga voaozona hamonjy anay Izy” (Galatiana 3. 13). “Kristy koa, aza, efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin’Andriamanitra” (1 Petera 3. 18).

Ireo kisarisary ireo dia maneho antsika lafiny samihafan’ny fahafatesan’i Kristy. Ireo akanjo hoditra (nisy biby novonoina, izany) ao amin’ny Genesisy 3. 21 dia mampahatsiahy ny fomba anaronan’Andriamanitra ny fitanjahan’ny mpanota. Ny fanatitra alatsa-dra nataon’i Abela, izay nitondra ny voalohan-teraka tamin’ny ondriny, dia mampiseho ny ilàna ny fandatsahan-dra — “Raha tsy misy ra alatsaka, dia tsy misy famelàn-keloka” (Hebreo 9. 22). Ny fanatitra nataon’i Kaina, kosa, vokatry ny asany teo amina tany voaozona, dia tsy nankasitrahina. Ao amin’ny Genesisy 22 i Abrahama dia nanolotra an’i Isaka, toy ny hanoloran’Andriamanitra ny Zanany; tsy natao sorona nefa i Isaka: osilahy no nasolo azy, ho fanatitra dorana manontolo. Nandritra ny Paska dia tsy maintsy natentina isaky ny tolanam-baravarana ny ran’ny zanak’ondry: fandraisana ho an’ny tena manokana ny sorona nataon’i Kristy. Ilay menarana varahina tany an-taniefitra (Nomery 21) dia mampahatsiahy antsika an’i Jesoa Izay natao ozona ho famonjena antsika. Mazava ny lazain’ny Isaia 53 hoe: “Isika rehetra dia samy efa nania tahaka ny ondry, samy efa nivily ho amin’ny lalantsika avy isika rehetra; ary nataon’i Jehovah nihatra taminy avokoa ny helotsika rehetra.” Manantitra lafiny efatra amin’ny hazofijaliana ny mpaminany, ao amin’ny faran’io toko io: “Naidiny ho amin’ny fahafatesana ny ainy, ary natao ho isan’ny mpanota Izy; eny, Izy no nitondra ny fahotan’ny maro, sady manao fifonana ho an’ny mpanota.”

Amin’ireo kisarisary rehetra ireo, dia misongadina ny toko 1 hatramin’ny 7 ao amin’ny Levitikosy, toy ny manome antsika ny fanorenana avy amin’Andriamanitra momba ireo sorona lehibe indrindra.

3 Ireo sorona ao amin’ny Levitikosy 1 hatramin’ny 7

Hitantsika ao amin’ireo toko ireo ny sorona lehibe efatra (araka ny Hebreo 10. 8).

Levitikosy 1: Ny fanatitra dorana manontolo

Levitikosy 2: Ny fanatitra hohanina

Levitikosy 3: Ny fanatitra noho ny fanambinana, na fanati-pihavanana

Levitikosy 4 hatramin’ny 5. 13: Ny fanatitra noho ny ota, izay mifamatotra akaiky amin’ny:

Levitikosy 5. 14-26 Ny fanati-panonerana.

Ao amin’ny toko 6 sy 7 no misy ny “lalàna”, izany hoe ny didy momba ireo fanatitra ireo.

Mizara ho toko roa ireo fanatitra ireo:

  1. Ny fanatitra atao an-tsitrapo, izay hanitra ankasitrahina eo imason’i Jehovah: ny fanatitra dorana manontolo, ny fanatitra hohanina ary ny fanati-pihavanana. Izy ireo dia nodorana manontolo na amin’ny ampahany, teo amin’ny alitara. (Amin’ny teny fototra [hebreo], ny matoanteny “mandoro”, eto, dia mitovy amin’ny matoanteny ampiasaina rehefa mandoro ditinkazo manitra.) Ireo fanatitra telo ireo dia samy manambara amintsika ny fahatsaràn’i Kristy sy ny fahafoizan-tenany, hatramin’ny fahafatesana.


  1. Ny fanatitra tsy maintsy atao: ny fanatitra noho ny ota sy ny fanati-panonerana. Raha nisy olona nanota, dia tsy maintsy nanatitra izany sorona izany izy, mba ho voavela heloka: “Tsy maintsy (asandratra) ny Zanak’olona, mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy” (Jaona 3. 14-15). Tsy natao teo ambony alitara ireo biby novonoina, ankoatra ny ra sy ny jabora, fa nodorana teny ivelan’ny toby na nohanin’ny mpisorona. (Matoanteny “mandoro” hafa no ampiasain’ny teny fototra, eto, fa tsy ilay ilazany ny fandorana fanatitra ahazoana hanitra ankasitrahina.)


4 Ny dikan’ireo sorona

Ndeha holazaina fohifohy ny votoatin’ny dikan’ireo sorona efatra ireo.

Ny fanatitra dorana manontolo dia nodorana tanteraka teo amin’ny alitara; io no Kristy nanome ny ainy ho an’ny fahafatesana, nanolo-tena ho voninahitr’Andriamanitra, sorona lavorary, nanatanteraka tamin’izany ny sitrapony rehetra: “Inty Aho tonga ... hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô” (Hebreo 10. 7).

Ny fanatitra hohanina dia tsy nisy na ra na sorona novonoina; io no halavorarin’ny toetra sy fiainan’i Jesoa Kristy Izay Olona, nijaly sy nozahan-toetra. Ampahan’ny fanatitra no nodorana teo amin’ny alitara, ho an’Andriamanitra ; ny ampahany hafa kosa dia nohanin’ny mpisorona.

Ny fanatitra noho ny fanambinana, na fanati-pihavanana, kosa, dia niavaka satria ny ampahany —ny jabora— dia natolotra an’Andriamanitra teo amin’ny alitara; ny ampahany iray —ny sorony sy ny tratrany— dia nohanin’ireo mpisorona; ny sisa dia ho an’ilay mpivavaka sy ny olona nasainy, dia “izay madio rehetra” (7. 19). Koa mampahatsiahy ny fihavanana nataon’i Jesoa “tamin’ny rany teo amin’ny hazofijaliana” izany, mba hananantsika fiombonana tanteraka amin’Andriamanitra noho ny sorona nataon’ny Zanany. Asongadina manokana io tombontsoa io ao amin’ny Fanasàn’ny Tompo: fiombonana amin’ny ran’i Kristy — fiombonana amin’ny tenan’i Kristy.

Ny fanatitra noho ny ota sy ny fanati-panonerana dia tsy maintsy natolotr’ilay diso mba hahazoany famelàn-keloka. Ankoatra izany, ny ota voafaritra dia tsy maintsy niekena (5. 5); izay nanotany dia tsy maintsy nonerana (5. 16, 24).

Ireo fanatitra samihafa ireo, izany, dia lafiny isan-karazany amin’ny asan’i Kristy. Raha ny marina, dia mifandray lalina izy ireo: toerana mitovy no namonoana ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanati-panonerana (7. 2); ny jaboran’ny fanati-pihavanana dia nodorana teo ambonin’ny fanatitra dorana manontolo (3. 5); ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra hohanina dia saika niampiarahina hatrany.


5 Ny filaharan’ireo sorona

Nahoana moa no resahina amintsika voalohany ny fanatitra dorana manontolo, nefa, raha ny tokony ho izy, dia ny fanatitra noho ny ota sy ny fanati-panonerana no ho nataontsika lohalaharana? Rehefa manambara amintsika ny heviny Andriamanitra, dia miandoha avy ao anaty ary manketỳ ivelany. Momba ny tabernakely, dia tsy ny tokotany no asehony antsika voalohany, izay vao ny toerana masina sy ny toerana masina indrindra; fa asehony eo anoloantsika, aloha, ny fiaran’ny fanekena, izay vao ireo zavatra ao amin’ny toerana masina, avy eo ny tabernakely, ary farany, ny tokotany.

Toy izany koa, amin’ny fanatitra, ny fanatitra dorana manontolo no aseho voalohany, manaraka azy ny fanatitra hohanina, ny fanati-pihavanana ary ny fanatitra noho ny ota. Ny halavorarin’ilay fanatitra sy ny fanoloran-tenany ho an’Andriamanitra no mitana ny toerana voalohany. Vokatry ny fanoloran-tenany hanao ny sitrapon’Andriamanitra, mantsy, no nanaovana Azy ho ota ho famonjena antsika. Tsy maintsy napetraka eo ambany masontsika, aloha, ny halavorarin’i Kristy eo imason’Andriamanitra, Izay hany afaka mankasitraka izany tanteraka.

Ny mpisorona dia olona ara-panahy (1 Korintiana 2. 15) izay mijery ny zavatra tokony ho an’Andriamanitra, aloha. Raha mahazo ny hasarobidin’ny sorona nataon’i Kristy isika, dia izay vao ho afaka mahatakatra ny maha-zava-doza ny ota. Amin’ny fijerintsika, ny fahotana iray dia manana lanja arakaraka izay vokany, na ho antsika manokana, na ho an’ny fianakaviantsika, na ho an’ny fiaraha-monina. Fa rehefa mibanjina ilay sorona goavana nilaina mba hanesorana ny ota isika, dia mahazo tsaratsara kokoa ny lanjan’izany ota izany. Tsy maintsy nitafy nofo Andriamanitra ka niaina tetỳ amintsika; ary rehefa avy nampamirapiratra ny halavorariny tamin’ny naha-Olona Azy tetỳ an-tany ny Zanak’Andriamanitra, dia nanolo-tena hatao sorona, satria tsy nisy fomba hafa hanesorana ny fahotana — izany rehetra izany dia mampianatra antsika tsaratsara sy lalindalina kokoa fa “ny fahotana iray dia maharikoriko an’Andriamanitra mihoatra noho ny maharikoriko antsika ny fahotana arivo, eny, ny fahotana rehetra eo amin’izao tontolo izao aza” (J. N. Darby).

Fa raha ny lalana mitondra antsika ho amin’Andriamanitra kosa no heverina, dia ny fanatitra noho ny ota no lohalaharana. Tsy misy fetrany ny lanjan’io fanatitra io, nefa tsy mety raha mianina aminy. Fiorenan’ny finoantsika ny fahafantarana fa ny ran’i Jesoa Kristy no manadio antsika amin’ny fahotana rehetra, nefa tsy ampy ny fahafantarana fa voadio; ilaina koa ny mahazo hoe vita fihavanana amin’Andriamanitra isika, ka noho izany dia vita fiombonana Aminy raha ny amin’ny Zanany no heverina. Ilaina ny miditra lalindalina kokoa ka mamantatra ny halavorarin’Ilay niaina tetỳ amin’ity tany ity sy nanolo-tena hatao sorona. Farany, zava-dehibe ny mahazo hoe Izy irery no hany nahatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra manontolo; ankehitriny, dia ao Aminy no ahitan’Andriamanitra antsika, ankasitrahiny isika, “nohasoaviny maimaimpoana ao amin’ny Malala” isika (Efesiana 1. 6).

Ao amin’ny “didy” momba ny fanatitra (6 sy 7), rehefa avy niresaka ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra hohanina ny Fanahin’Andriamanitra, dia mametraka eo anoloantsika ny fanatitra noho ny ota, alohan’ny fanatitra noho ny fanambinana (na fanati-pihavanana). Izany tokoa mantsy, fa rehefa tsy mila mihevitra ny tenantsika intsony isika, na ny ratsy nataontsika tamin’ny rahalahintsika, dia izay vao ho afaka misitraka malalaka ny fiombonana amin’Andriamanitra sy amin’ny olon-kafa. Izany no filaharana arahintsika ato amin’ity famakafakana ity.

Imbetsaka ireo pejy ao amin’ny Testamenta Taloha, indrindra ireo fanatitra ao amin’ny Levitikosy, no miresaka amintsika ny fahafatesan’i Kristy, fa tena mahalana kosa izy no mba manipy teny momba ny nitsanganany tamin’ny maty (ilay vorona faharoa amin’ny fanadiovana ny boka, Levitikosy 14; ny amboara amin’ny voaloham-bokatra, Levitikosy 23). Ankehitriny kosa, afaka mahatsiaro Ilay Mpamonjy Izay maty isika, sady mahalala koa Tompo velona: “Efa maty Aho, nefa, indro, velona mandrakizay mandrakizay” (Apokalypsy 1. 18). Ary tsy i Jesoa nitsangana tamin’ny maty ihany, fa Izy nasandratra any an-danitra koa, mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra! Tao amin’ny tabernakely dia tsy mba nisy seza: tsy nety tapitra mantsy ny fanompoan’ireo mpisorona, hany ka tsy mba afaka nipetraka izy ireo. Fa ny Tompo Jesoa kosa dia efa nahatanteraka asa lavorary, izay tsy haverina mihitsy intsony, ka afaka nipetraka ao amin’ny fitoerana masina (Hebreo 1. 3): izany no ahitantsika Azy ankehitriny; manoatra noho izany aza, andrasantsika ny hiverenany, hakany antsika ho eo Aminy —fanantenana tsy mba fantatr’ireo olona masina fahiny izany.


6 Ny saran’ny sorona

Ao amin’ny 1 Tantara 21. 24 dia milaza i Davida fa tsy te hanolotra ho an’i Jehovah “fanatitra dorana amin’izay azoko fotsiny”. Ary ny “fanati-panahy” (1 Petera 2. 5) ataontsika ankehitriny ve, mba misy sarany ho antsika?

Tsy ny hanao fanoloran-tena na fanompoana no resahina eto, na ny hanolotra ny vola —samy manana ny toerany avy ireo, saingy tsy ao amin’ny fiderana atolotra an’Andriamanitra. Koa sarany inona àry izany no avy amintsika, manolotra io “vokatry ny molotra izay manaiky ny anarany” io? ”Avy aminao ny zavatra rehetra, ary avy tamin’ny Anao ihany no nanomezanay Anao” (1 Tantara 29. 14), hoy i Davida. Nataon’i Kristy ho antsika avokoa ny zavatra rehetra, nefa arakaraka ny ankafizantsika izany, arakaraka ny andraisantsika izany amin’ny finoana, arakaraka ny idirantsika ao amin’ny haben’ny asany sy ny maha-Izy Azy, no ahafahantsika, avy eo, miresaka izany amin’Andriamanitra, amin’ny saina sy araka ny sitrapony. Tsy misy fanazarana manokana ny fo ve, tokony hatao mba ahazoana ho an’ny tena ireo zavatra ireo, na, araka ny lazain’i Petera, mba “hitomboa(na) amin’ny fahasoavana sy ny fahalalana an’i Jesoa Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy” (2 Petera 3. 18) ?

Tany Israely, dia nisy nitondra vantotr’ombilahy. Izay tsy nanana hanaovana izany kosa dia afaka nanatitra ondry na osy fotsiny. Ary ireo izay tena nahantra dia nitondra vorona. Samy nampiseho an’i Kristy ny tsirairay amin’ireo fanatitra ireo, samy nanome hanitra ankasitrahina; nefa ve Jehovah dia ho nankasitraka olona afaka nanome vantotr’ombilahy nefa nianina tamina vorona? Imbetsaka Izy no niteny hoe: “Aoka tsy hisy hiseho foana tsy mitondra fanatitra eo anatrehako” (Eksodosy 23. 15; 34. 20); ary atỳ aoriana Izy dia hampianatra ny vahoakany hameno ny harony, alohan’ny hankanesana ao amin’ny fitoerana masina (Deoteronomia 26).

Ilaina izany ny manana ny toe-po mendrika sy ny miezaka, ny maka fotoana hidirana ao amin’ireo zavatra ireo, mba handinihana azy amin’ny fanazavàn’ny Teny, eo anatrehan’Andriamanitra. Noho izany isika, indrindra rehefa ho ao amin’ny fanompoam-panahy, dia tsy hitondra fo tsy misy na inona na inona, na tsy misy afa-tsy hevitra manjavozavo vitsivitsy momba ny Tompo Jesoa, fa fo fenon’ny fitiavany, afaka manolotra fanati-panahy tena izy. Hotarihin’ny Fanahin’Andriamanitra ireo izay misolo vava ny fiangonana, hanambara ny fisaorana sy fiderana mameno ny fon’ny rehetra. Ary Andriamanitra, Izay mamaky ny ao anatin’ny fo rehetra, dia hankasitraka izay hitany ao momba ny Zanany.

Misy loza roa sosona mitatao amintsika: ny mpivavaka izay tokony hitondra vantotr’ombilahy (Hebreo 5. 12) nefa mianina amina vorona, dia mampiseho fa manamaivana ny Tompo Jesoa sy ny sorona nataony. Fa mbola meloka kokoa nefa izay tsy manana ao am-pony afa-tsy izay mifandanja amina vorona, nefa miseho ho mitondra vantotr’ombilahy, manonona teny sy mampiasa fiteny mihoatra noho ny finoany sy ny tena fitiavany.

Ary inona no holazaina momba izay olona mitondra biby jamba na mandringa, araka ny ambaran’ny Malakia 1. 8! Ohatra, eritreritra momba ny Tompo sy ny asany, izay vokatry ny fisainany samirery ihany na diso. Aoka isika hitandrina, indrindra momba izay mahakasika ny tenan’i Kristy sy ny sorona nataony, mba ho voaofana amin’ny tenin’Andriamanitra irery ihany.

Resaka toe-po izany. Ao amin’ny Jeremia 30. 21 Andriamanitra dia mametraka izao fanontaniana izao: “Iza no sahy hanao ny ainy ho antoka ka hanatona Ahy?” Rehefa misaintsaina ireny toko ireny isika dia mahatsapa halalina sy haavo mihoatra lavitra noho izay azontsika heverina, ao amin’izy ireny, nefa ve hampihemotra antsika izany? Dia tsy hiezaka ve isika? Tsy handoa izay vidiny ilaina? mba hidirana amin’ireny zavatra ireny, omban’ny fitarihan’ny Fanahin’Andriamanitra, ary mba hanana fiombonana marina kokoa amin’ny Ray, Izay nanao hoe: “Ity ny Zanako Malalako Izay sitrako; Izy no henoy” (Matio 17. 5). “Diniho izay lazaiko, fa homen’ny Tompo fahazavan-tsaina ny amin’ny zavatra rehetra ianao. Tsarovy Jesoa Kristy”(2 Timoty 2. 7-8).


1. Ny fanatitra dorana manontolo

(Levitikosy 1; 6. 1-6; 7. 8)

Araka ny efa hitantsika, dia ny fanatitra dorana manontolo, ilay fanatitra dorana tanteraka eo ambony alitara, no ambara voalohany. Misy lanjany tokoa mantsy ny maneho mialoha ny halavorarin’ilay sorona, halavorary izay Andriamanitra ihany no mahay mankasitraka azy feno. Ny Tompo Jesoa mihitsy no efa niteny izany: “Izany no itiavan’ny Raiko Ahy, satria Izaho manolotra ny aiko” (Jaona 10. 17). “Ny ivo sy fiorenan’ny fahazahoantsika manatona an’Andriamanitra dia ny fankatoavan’i Kristy sy ny sorona nataony” (J. N. Darby). Ny Israelita izay nanatona ny tranolay fihaonana dia nitondra sorona lavorary, “lahy tsy misy kilema”.

1 Kristy ho an’Andriamanitra

Tamin’ny Paska dia efa nilàna “zanak’ondry tsy misy kilema, dia lahy izay iray taona” (Eksodosy 12. 5).

Lazain’ny 1 Petera 2. 22 antsika fa ny Tompo Jesoa dia “tsy nanota akory”; ary isika dia mora diso, fa Izy kosa, na tamin’ny zavatra nataony, na tamin’ny fihetsiny, na tamin’ny eritreriny, dia tsy nanota mihitsy. Ary mbola misy mihoatra noho izany: tsipihin’ny 2 Korintiana 5. 21 hoe: Izy dia “tsy nahalala ota”. Tsy nisy mihitsy nifandraisany tamin’ny ota, na fironany ho amin’izany, tsy nisy faniriany hanota, toy ny hitantsika matetika loatra amintsika. Manoatra noho izany aza, ny 1 Jaona 3. 5 dia manampy hoe: “Tsy mba misy ota ao aminy.” Tsy vitan’ny hoe tsy nanota Izy, tsy nanao hadisoana, fa tsy nahakasika Azy mihitsy ny ota, tsy tao aminy ny toetra maha-mpanota. Nalaim-panahy toa antsika tokoa Izy tamin’ny zavatra rehetra, “kanefa tsy nanana ota”, araka ny anipihan’ny Soratra Masina azy (Hebreo 4. 15).

Ilaintsika ve ny fijoroana ho vavolombelona nataon’ireo niara-niaina taminy, nefa tsy namany? Ilay jiolahy nohomboana teo anilany dia nanambara hoe: “Ity Lehilahy ity kosa, mbola tsy nanao zavatra tsy mety, na dia kely akory aza” (Lioka 23. 41). I Jodasy, izay nanenina tanteraka nivarotra Azy, dia niverina ka nanao hoe: “Namadika ra marina [aho]” (Matio 27. 4). Ireo fahavalony, nahita Azy teo amin’ny hazofijaliana, dia nilaza hoe: “Namonjy ny sasany Izy” (Lioka 23. 35). Ary Pilato, talohan’ny hanamelohany Azy, dia namerimberina hoe: “Tsy hitako izay helok’ity Lehilahy ity.” “Afaka amin’ny ran’ity Lehilahy marina ity aho” (Lioka 23. 4; Matio 27. 24). Maro no azontsika tanisaina ireo andininy mampamirapiratra sy mampisongadina izany halavorarin’ny Tompo Jesoa izany; lohahevitra tena tsara hodinihin’ny tsirairay io.

Raha tokony tsy nisy kilema nefa ilay fanatitra, dia tsy maintsy naseho ihany koa ho mendrika ny toetra ivelany ny tao anatiny. Noho izany, dia nendahina ny hodiny ary norasarasaina izy. Afaka niteny ny Tompo Jesoa, tamin’ny alalan’ny mpanao salamo, hoe: “Ny vavako tsy hafa noho ny eritreritro” (Salamo 17. 3). Mbola samy lavorary ihany koa ireo anisan’ny Tenany rehetra. Nosasana tamin’ny rano ilay fanatitra, avy eo, ny anatiny sy ny tongony. Nosedrain’ny Teny i Kristy, tamin’ny fomba fiainany sy ny fanoloran-tenany hatramin’ny fahafatesana, tsy hoe hanalàna izay mety ho fahalotoana, fa mba hanaporofoana hoe lavorary Izy. Na tao anatiny tao, na tamin’ny eritreriny manokana, na tamin’izay zava-tiany, dia samy naseho avokoa ka hita mifanaraka tanteraka amin’ny fihevitr’Andriamanitra. Tamin’ny fandehany —ny tongotra— Izy dia nampiseho fiankinan-tena mandrakariva, fankatoavana tanteraka. “Noho ny fanasana tamin’ny rano, amin’ny endrika an-tsary ilay sorona dia tonga toa an’i Kristy, amin’ny tena maha-Izy Azy, izany hoe madio” (J. N. Darby).

Ilay sorona tsy misy kilema, rehefa avy nendahina, norasarasaina, nosasana, dia napetraka teo ambony afon’ny alitara. Nosedrain’ny fitsaràn’Andriamanitra ny toetra rehetran’i Kristy; hita ho fatratra avokoa ireo, “hanitra ankasitrahina ho an’i Jehovah” (Levitikosy 1. 9, 13, 17; 2. 2, 9; sns.).

Nanolo-tena i Jesoa, nisetra ny fitsaràn’Andriamanitra. Nandritra ireo ora maizina, ireo vehivavy vitsivitsy sy ireo mpianatra niangona teo am-pototry ny hazofijaliana, dia nihataka ary “nitsinjo teny lavitra eny” (Matio 27. 55). Andriamanitra irery ihany no afaka mankasitraka tanteraka ny hatsaran’ny Zanany, amin’ny maha-Izy Azy sy ny vidin’ny fanatitra nataony; nefa na dia tsy mahatakatra izany aza isika, dia anjara tsara tandrify antsika kosa ny mibanjina sy mitsaoka.

2 Ankasitrahina ho Azy

Ny olona izay nanatona teo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana, mahatsiaro tena ho tsy madio raha hanatrika an’Andriamanitra, dia nanomana fanatitra lavorary. Noho io fanatitra io izy dia sahy nanatona, “mba hankasitrahina eo anatrehan’i Jehovah” (Levitikosy 1. 3). Tsy famelàn-keloka na fanadiovana no resahina eto. Mahafaly ny mahalala hoe maty noho ny fahotantsika i Jesoa ary manadio tanteraka antsika ny rany, nefa amin’ny lafiny iray, dia tsy ampy izany. Ny atao eto dia ny mitondra fanatitra ankasitrahin’Andriamanitra. Ho ny famindrantsika ve izany? ny fahafoizan-tenantsika? ny vokatr’ireo ezaka ataontsika? Izany no noheverin’i Kaina, tamin’izy nanatitra ny vokatry ny asany, nefa tsy afaka nankasitraka ny fanatitra nentiny i Jehovah. I Abela kosa, nahatsiaro tena fa tsy mahavaly ny fihevitr’Andriamanitra, dia nanolotra zanak’ondry avy tamin’ny andian’ondriny: sorona alatsa-dra ahafahany mahazo fankasitrahana.

Ary hametraka ny tanany eo amin’ny lohan’ny fanatitra dorana izy” (Levitikosy 1. 4). Tsy vitan’ny hoe mitondra fanatitra lavorary, fa miombona amin’io fanatitra io, manambara, amin’izany fihetsika izany, hoe hankasitrahina ho ahy ity fanatitra ity; hanaovana fanavotana. Hoy ny 1 Jaona 4. 17: “Tahaka Azy isika.” Ao amin’i Kristy no ahitan’Andriamanitra antsika; noho ny fahasoavany Izy dia “nanasoa antsika maimaimpoana ao amin’ny Malala” (Efesiana 1. 6); raisiny toy ny fandraisany ny Zanany isika.

Misy ohatra iray maneho izany, ao amin’ny epistily ho an’i Filemona. Onesimosy, izay andevo, dia nandositra niala tao amin’i Filemona tompony; nifandray tamin’i Paoly izay voafonja izy, ka voataona ho ao amin’ny Tompo. Haverina any amin’ny tompony indray izany izao ilay andevo, kanefa ahoana no fomba handraisany azy? Ataon’i Paoly izay handraisan’i Filemona an’i Onesimosy, tahaka izay ataon’i Kristy, raha azo lazaina, handraisan’Andriamanitra antsika. Izao no nosoratany: “Nefa raha nanao izay tsy marina taminao izy, na mitrosa, dia ataovy ho ahy izany; … izaho no handoa izany” (Filemona 18-19). Ireo teny ireo dia mampahatsiahy ny sorona natao noho ny ota. Ny Tompo Jesoa no miantoka ny amin’ny fahadisoantsika rehetra; Izy no nandoa ny trosan’ny fahotantsika. Izany nefa dia tsy voatery nahatonga an’i Filemona hankasitraka an’i Onesimosy; raha be indrindra, dia ny sakana tsy handraisany azy ihany no afaka: satria handoa ny trosa i Paoly, dia tsy afaka mandà tsy handray an’i Onesimosy i Filemona. Saingy hitantsika ao amin’ny andininy faha-17 ny tambiny: “Raha ataonao ho namanao aho, dia raiso toa ahy izy.” Raha izy apostoly tenany, dia ho noraisin’i Filemona an-tanan-droa: koa tsy maintsy nandray an’i Onesimosy toy ny ho nandraisany an’i Paoly izy. Araka izany, Andriamanitra dia mandray antsika toy ny andraisany ny Zanany, “fa tahaka Azy isika” (1 Jaona 4. 17). Izany no “hananantsika fahasahiana amin’ny andro fitsarana”, ary hampiditra antsika tanteraka ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra: “Izany no ahatanterahana ny fitiavana amintsika” (1 Jaona 4. 17).

Noho izany isika dia tsy hijery intsony izay nataontsika sy izay toetrantsika, fa afaka miseho eo anatrehan’Andriamanitra, tsy tanam-polo na mitondra ny vokatry ny asantsika, fa “ao amin’i Kristy” (2 Korintiana 12. 2). Nony nametraka ny tanany teo ambony lohan’ny sorona ilay mpivavaka nanatona, dia niampita aminy ny famendrehan’ilay sorona, izany hoe nisaina ho azy: “Izy” no nankasitrahina teo amin’ny toerako.

Teo amin’ny toerako fotsiny ve? Tsia, teo amin’ny toeran’ny rahalahiko rehetra, ny olona rehetra navotan’ny Tompo, na iza izy na iza, na tsy mahalala na inona na inona aza izy, na be hadisoana koa (azo antoka fa tsy mihoatra noho izaho). Aoka isika hahay hijery mandrakariva ny zanak’Andriamanitra “ao amin’i Kristy”, izay natao tonga lavorary toy ny maha-lavorary an’i Kristy.

Rehefa avy nitondra ny fanatiny ilay Israelita ka nametraka ny tanany teo ambony lohan’ny sorona, dia nankasitrahina: koa afaka nody amin’izay ve izy? —Tsia dia tsia. Izy ihany no tsy maintsy namono ilay sorona! Ny mpivavaka tsirairay dia tsy maintsy mahatsapa lalina ao anatiny fa tena nilaina tokoa ny nahafatesan’i Kristy. Mba haha-“vita ny asa nomen’ny Ray hataony” (Jaona 17. 4), dia tsy ampy ny naha-lavorary Azy teo amin’ny fiainany, nankasitrahin’ny Ray tanteraka, fa tsy maintsy maty Izy: “Moa tsy tokony ho niaritra izany va i Kristy…?” (Lioka 24. 26). Teo amin’ny tendrombohitra niovàny tarehy, dia tsy nisy afa-tsy voninahitra sy fahazavana, nefa inona no noresahin’i Mosesy sy Elia tamin’i Jesoa? —“Nilaza ny fialàny, izay efa hoefainy any Jerosalema” izy (Lioka 9. 31).

Tsy maintsy niroso lalindalina kokoa ilay mpivavaka: nanendaka ny hoditr’ilay fanatitra, nandrasarasa azy. Tsy maintsy dinihina lalina ireo toetra lavorarin’ny Tompo Jesoa, mba ahazoana manolotra azy ireo an’Andriamanitra amin’ny fitsaohana : tsy maintsy banjinina ny maha-tonga lafatra an’i Jesoa, tsy ny ivelany ihany, fa ny fomba nanomezany voninahitra tanteraka an’Andriamanitra, na tamin’ny fiheviny, na tamin’ny maha-Izy Azy. Rehefa zarina toy izany ny fontsika, dia hotarihin’ny Fanahy mba ho afaka manolotra ho an’Andriamanitra fanati-panahy mampahatsiahy Aminy tsaratsara kokoa ny toetran’ny Zanany teo anatrehany.

Ireo raharaha nifandraika mivantana tamin’ny alitara dia natokana ho an’ny mpisorona, ireo zanak’i Arona. Ny mpisorona, araka ny efa nolazaintsika, dia olona ara-panahy (1 Korintiana 2. 15) izay miaina eo anilan’Andriamanitra, ary mahalala izay tokony ho Azy. Ireo mpisorona dia manolotra ny ra sy mamafy azy manodidina ny alitara. Izany dia mampahatsiahy ny hasarobidy tsy manam-petran’ny ran’i Kristy, Izay niditra tao amin’ny fahafatesana, mba hanatanteraka hatramin’ny farany ny sitrapon’Andriamanitra. Mbola ireo mpisorona ihany koa no mandahatra ny kitay sy mamboatra ny afo, mametraka eo ny sorona voarasarasa, ny lohany, ny jaborany, izay dorana mba “ho fofona izy rehetra, eo ambonin’ny alitara” (Levitikosy 1. 9). Tsy haintsika atao ny miditra ao amin’ny zava-miafina momba an’i Kristy niharan’ny fitsaràn’Andriamanitra, toy izay voalazan’ny Salamo 22, ohatra. Fa azontsika atao kosa ny miresaka an’izany amin’Andriamanitra, ny manome lanjany an’izany eo imasony sy mampiakatra izany ho toy ny hanitra ankasitrahina.

Manoritra tsara izany ny Efesiana 5. 2: voalohany, aloha, “Toy ny nitiavan’i Kristy anareo, dia ny nanolorany ny tenany ... hamonjy antsika” —anjarantsika io; fa avy eo, “… ho fanatitra sy ho fanavotana amin’Andriamanitra, ho hanitra ankasitrahina” —io dia anjaran’Andriamanitra, io ilay fanatitra dorana manontolo.


3 Ny fanatitra biby madinika

Tsy ny Israelita rehetra, tsy akory, no nanatitra ombilahy; ireo izay nahantra loatra dia nianina tamina zanak’ondry na zanak’osy. Antsipiriany maro ao amin’ny Levitikosy 1. 10-13 no mitovy amin’izay hita teo aloha, nefa misy ihany zavatra sasantsasany tsy hita ao.

Tsy nametraka ny tanany teo ambony lohan’ny sorona ilay mpivavaka. Tsapany tsara ny maha-lavorary ilay sorona, nefa tsy niombona tamin’izany izy. Maro ireo zanak’Andriamanitra no mahalala fa tanteraka tamin’ny zavatra rehetra i Kristy, saingy tsy mba noraisin’izy ireo, amin’ny finoana sy noho ny fahasoavan’Andriamanitra, ny hoe “tahaka Azy isika” (1 Jaona 4. 17).

Tsy nanendaka ny hoditry ny sorona ihany koa ilay Israelita; tsy misy ilay fibanjinana ny maha-lavorary ao anaty ny Tompo Jesoa.

Fa na dia tsy feno tanteraka aza ny fomba fijerena an’i Kristy, eto, somary manjavozavo kokoa, dia fahitana tena izy ihany koa; ka ny sorona dorana eo amin’ny alitara dia mitoetra ho “fanatitra dorana ..., dia fanatitra atao amin’ny afo, ho hanitra ankasitrahina ho an’i Jehovah”.


4 Ny fanatitra vorona

Ity dia fanatitra mbola ambanimbany kokoa indray. Nikatsaka ny hanatona nefa ilay mpivavaka, araka ny ananany, ka nitondra izay mba azony nentina : fanatitra tsy azo atao hoe tsy misy kilema, ary tsy maintsy esorina “ny takorobabony sy ny ao anatiny”. Tsy ilay mpivavaka intsony no mamono na manendaka ny hodiny, fa ny mpisorona no saika manao ny zavatra rehetra; tsy “tombantombanana” ny ao anatin’ilay sorona: samahina amin’ny elany fotsiny ilay vorona, fa tsy sarahina roa; tsy idirana amin’ny antsipiriany ireo fahatanterahan’i Kristy.

Na malemy aza nefa ilay mpivavaka, dia hain’ny mpisorona ny manome lanjany ilay fanatitra ary maneho izay mbola nanjavozavo ihany tao an-tsaina sy tao am-pon’ilay olona nanatona. Mandritra ny fanompoam-panahy, dia hisy rahalahy hahay mamaritra mazava ao amin’ny vavaka, izay zavatra mbola tsy voafaritra mazava sy manjavozavo ao am-pon’ireo rahalahiny sasantsasany. Rehefa mahazo hery amin’izany izy ireo, dia mety ho afaka manolotra zanak’ondry, amin’ny manaraka.

Saingy na manao ahoana na manao ahoana ny fahalemena, na ny fahantrana mihitsy aza, dia ambaran’ity toko ity mazava fa “fanatitra dorana izany, dia fanatitra atao amin’ny afo, ho hanitra ankasitrahina ho an’i Jehovah.” Mampionona tokoa izany hevitra izany, ary miaro antsika tsy ho kivy: na dia kely sy bitika aza ilay fanatitra, dia ankasitrahin’Andriamanitra ihany, satria nentina teo Aminy tamin’izany fomba izany ny Zanany.

Ny zava-dehibe dia ny mitombo ara-panahy: raha vorona ihany no entin’olona mbola zaza ao amin’i Kristy, dia hitondra zanak’ondry kosa ny tovolahy (araka ny 1 Jaona 2), ary hitondra ombilahy ny ray. Aoka nefa isika hitandrina: mety misy ny efa nandroso tao amin’ny lalam-panahy, efa afaka nanolotra ombilahy, saingy avy eo dia nivarina amina toerana tsy ahafahana mitondra afa-tsy zanak’ondry na vorona roa monja, satria tsy nisy fiombonana tamin’ny Tompo intsony ary tsy ampy fiambenana. Zava-dehibe ny mandroso amin’ny fahasoavana sy ny fahalalàna an’i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy, nefa mitovy lanja amin’izany koa ny miambina ny fomba fandehantsika sy izay zavatra rehetra mety hanakantsakana ny fiombonantsika amin’Andriamanitra.


5 Mandritra ny alina tontolo

Averimberina matetika ao amin’ny Levitikosy 6. 1-6 fa ny fanatitra dorana manontolo dia tsy maintsy teo am-patana, teo ambony alitara, mandritra ny alina tontolo mandra-pahamaraina; nirehitra mandrakariva teo ny afo, ary tsy azo navela ho faty. Indray mandeha tsy miverina i Kristy no nanolotra ny tenany, ary tsy azo averina intsony izany sorona izany; nefa kosa ny fahatsiarovana ny fanatitra nataony, ny hanitra avy amin’ilay fanatitra dorana manontolo, dia miakatra lalandava eo anoloan’Andriamanitra, mandritra ny alina tsy maha-eo Azy. Sarobidy indrindra ho an’ny fon’ny Ray ny mahita ato amin’ity tontolo rakotra haizina ity, fo mankasitraka ny asa nataon’ny Zanany ka mampiakatra tsy tapaka eo anoloany, ao amin’ny fiderana, io hanitra ankasitrahina tamin’ny nanolorany tena io. Ny Salamo 134, izay fara tampony amin’ireo Fihirana fiakarana, dia milaza hoe: “Andeha, misaora an’i Jehovah ianareo rehetra mpanompon’i Jehovah, izay mitoetra alina ao an-tranon’i Jehovah. Manandrata ny tananareo ho amin’ny fitoerana masina, ka misaora an’i Jehovah.”

Miakatra lalandava mandritra ny alina tsy maha-eo Azy, ho hanitra ankasitrahina eo anoloan’Andriamanitra, ny setroky ny fanatitra dorana manontolo ; dia toy izany koa, tsy hitsahatra ny hankasitrahana eo anoloany ny vidin’ny sorona nataony, rehefa tafangona manodidina ny sezafiandrianana ny olom-boavotra rehetra ka hihira ilay fihiram-baovao.


2. Ny fanatitra hohanina

(Levitikosy 2; 6. 7-16)

Amin’ny fanatitra hohanina, dia tsy misy resaka sorona vonoina, na ra alatsaka, na fanavotana, na fahotana. Tsy natolotra mba “hankasitrahina” ilay fanatitra. Ity toko ity izany dia tsy miresaka amintsika ny momba ny fahafatesan’ny Tompo Jesoa, fa momba ny fiainany, ny maha-Olona lavorary Azy. Io dia fahatanteraha an’i Kristy manokana, Kristy Izay itodihan’ny fitiavantsika sy sakafo ho an’ny fontsika, nefa, ambonin’ny zavatra rehetra, dia hanitra ankasitrahina miakatra eo anoloan’Andriamanitra, Izay efa afa-po tanteraka taminy. Io dia fanoloran-tena tanteraka ho an’Andriamanitra, vitan’olombelona miaina etỳ an-tany, fahafoizana ny tena manontolo ho an’Andriamanitra, mandritra fiainana izay fankatoavana ranofotsiny.

Ny fanatitra hohanina dia natolotra niaraka tamin’ny fanatitra dorana manontolo (jereo, ohatra, Nomery 28 sy 29). Mahatsapa tena ho nankasitrahina ilay mpivavaka —mifandray amin’ny fanatitra dorana manontolo io—, hany ka afaka mitondra ny fanatitra hohanina, izany hoe mampiseho an’Andriamanitra ny fiainana lavorary nianan’i Kristy, Olona tetỳ an-tany, ary mivelona Aminy. Raha mijery ny fiainan’i Kristy izay lavorary amin’ny lafiny rehetra isika, ka mampitaha izany amin’ny antsika, dia ho kivy tanteraka. Faralavitra ny elanelana… Nefa satria isika matoky fa “ankasitrahina ao Aminy” (Tenin’i Darby io, fa tsy citation biblique —fafao izao parenthèse izao sy ny espace eo anoloany.), dia “manana zo hanadino ny tenantsika, hanadino ny fahotantsika, hanadino ny zavatra rehetra ankoatra an’i Jesoa” (J. N. Darby). Ny fijerena Azy toy izany, amin’ny halavorariny rehetra hatramin’ny antsipirian’ny fiainany, dia manjary fifaliana lalina ho an’ny fanahintsika sy antony ivavahana mihavao mandrakariva, eo imason’Andriamanitra.

Isa-maraina sy isan-kariva, tany Israely, dia natolotra hatrany ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra hohanina (Nomery 28). Tsy mba azontsika atao ve, amin’ny fiandohan’ny andro sy amin’ny fiafaràny, ny misaotra an’Andriamanitra noho ny Tompo Jesoa, fa tsy noho ny fitahiana rehetra nomeny antsika niaraka taminy ihany? Saingy aoka hotsaroantsika fa ny fanatitra hohanina dia “masina dia masina avy amin’ny fanatitra atao amin’ny afo ho an’i Jehovah” (Levitikosy 2. 10), ary tsy maintsy nohanina “eo amin’izay fitoerana masina anankiray” (Levitikosy 6. 9). Izay rehetra mahakasika an’i Kristy, na amin’ny maha-Andriamanitra Azy na amin’ny maha-Olona Azy, dia tsy maintsy jerena am-panajana lalina indrindra, ary tsy afangaro amin’izay mety ho avy amin’ny fontsika manokana, na inona na inona.

Asehon’ny 1 Petera 3. 21-24 antsika io : fiombonan’ny fiainana lavorary niainan’i Kristy, Izay modely ho antsika, sy ny fahafatesany, izay nanavotana antsika. Tsy azo sarahina ireo roa ireo, tahaka izay tadiavin’ny sasany hatao, mahita hoe modely tokony harahina i Jesoa, nefa manilika ny lafiny fanavotana ao amin’ny sorona nataony. Mitsipaka tanteraka ny Tenin’Andriamanitra ny fisainana toy izany.


1 Ireo zava-misy amin’ny fanatitra hohanina


a. Ny koba tsara toto

Ny koba tsara toto dia manambara ny maha-olona an’i Kristy, lavorary amin’ny antsipiriany rehetra, araka ny naha-Izy Azy tetỳ an-tany, mba hahafaly an’Andriamanitra, tamin’ny niainany, ny nahafatesany ary ny nitsanganany tamin’ny maty. Manify, madio, fotsy, mitovy tantana avokoa ny ao amin’ny koba tsara toto. Tao amin’i Kristy Olona, ny zavatra rehetra dia mirindra, ary tsy misy amin’ireo fahamendrehany izay misongadina amin’ny hafa, toy ny miseho matetika amintsika. Sady afaka nampiasa ny fahasoavany Izy no nahay nanitsy ny faharatsiana; sady nahay nampionona Izy no nahay nanafay; hainy ny nitondra tena tao an-tranon’ilay Fariseo sy tao amin’ilay tokantrano tao Betania.

Ilaintsika ny mianatra mijery an’i Jesoa amin’ny maha-Olona Azy, toy ny nataon’i Jaona Mpanao batisa, “nijery an’i Jesosy nitsangantsangana”, ka afaka niteny hoe: “Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra” (Jaona 1. 36).

Tamin’ireo dinidinika momba “Ireo tanàna dimy” izahay dia efa niezaka nampiseho, avy tamin’ireo tantara ao amin’ny filazantsara, ny halavorarina sasantsasany tamin’ny fiainan’i Kristy tetỳ an-tany. Asainay ianareo hijery an’izany, ka tsy haverintsika eto intsony izay voalaza tany. Tsy ho ampy mandrakizay ny fandinihantsika ny fiainan’i “Jesoa avy any Nazareta, Izay nohosoran’Andriamanitra tamin’ny Fanahy Masina sy ny hery, sady nandehandeha nanao soa sy nahasitrana izay rehetra azon’ny herin’ny devoly, satria Andriamanitra nomba Azy” {Asa 10. 37-38. Ampirisihinay mafy koa isika hamaky ilay boky nosoratan’i J. G. Bellett hoe : “Ny voninahitry ny Tompo Jesoa amin’ny lafiny môraly”, izay anisan’ny boky tsara indrindra ananantsika.}.

Ao amin’ny Salamo isika dia mianatra mahalala ireo halavorarina anatin’i Jesoa, indrindra ao amin’ny Boky Voalohany (Salamo 1 hatramin’ny 41), izay mampiseho Azy olona tetỳ an-tany; ory sy malahelo, nefa mibanjina lalandava ny Tompo manoloana Azy; mifaly amin’ny olo-masina, ireo olona tsara etỳ an-tany; mitozo manao ny fanompoany; tsy manafina ny famindràmpon’Andriamanitra sy ny fahamarinany amin’ny fiangonana; miresaka ny fahatokian’Andriamanitra sy ny famonjeny. Hitantsika eo ilay olona mankatò, manankin-tena amin’Andriamanitra sy matoky feno Azy, manolo-tena tanteraka hanome voninahitra Azy.


b. Ny diloilo

Ny fanatitra dia novolavolaina tamin’ny diloilo ary/na nohosorona diloilo, tahaka ny Tompo Jesoa, Izay notorontoronina tamin’ny Fanahy Masina, avy eo nohosorana ny Fanahy Masina tamin’ny batisan’i Jaona, ary fenon’ny Fanahy Masina nony hanomboka ny fanompoany (Matio 1. 20; Lioka 3. 22; 4. 1, 14). Nidina tamin’ny mpianatra ny Fanahy, toy ny lela mitarehin’afo, tamin’ny andro Pentekosta. Raha Izy no hery tao anatin’izy ireo, herin’ny fanompoan’izy ireo sy hery nitari-dalana azy ireo ho amin’ny marina rehetra, dia Izy ihany koa no hery nitsara sy nanadio zavatra maro samihafa tao anatin’izy ireo.

Firifiry moa ireo eritreritra, na fandraisan-javatra diso, na fahazarana ao amintsika izay tokony holevonin’ny afon’ny Fanahy! Tsy mba nisy an’izany teo amin’i Kristy. Koa nidina taminy Fanahy, toy ny voromahailala, mariky ny tsy fananan-tsiny, araka izay mendrika ilay Olona lavorary.


d. Ny ditinkazo manitra

Ny ditinkazo manitra naidina teo amin’ny fanatitra hohanina dia nodorana manontolo teo ambony alitara. Manambara izany fa afa-po tanteraka Andriamanitra tamin’ny fiainan’ny Zanany tetỳ an-tany. “Menaka manitra voaidina ny anarany” (Tonon-kiran’i Solomona 1. 3; Jaona 12. 3). Ny zavatra rehetra nataony dia ho an’Andriamanitra, fa tsy hoe mba hankasitrahan’ny olona Azy. “Arakaraka ny naha-mahatoky an’i Kristy no nanevatevana Azy sy nitsipahana izay nolazainy; arakaraka ny maha-mora fo Azy no tsy nanomezan-danja Azy; izay fomba nandraisana Azy nefa dia tsy nahasimba na inona na inona tao anatiny, satria ny zavatra rehetra nataony dia ho an’Andriamanitra irery ihany. Na teo imasom-bahoaka, na niaraka tamin’ny mpianany, na nanoloana ireo mpitsara tsy marina, dia tsy nisy nahasimba ny halavorarin’ny lalany, satria na inona na inona niseho, dia ho an’Andriamanitra no nanaovany ny zavatra rehetra. Ny hanitra tamin’ny fanompoany, tao am-pony sy tamin’ireo zava-tiany, dia ho an’Andriamanitra ary niakatra lalandava teo anatrehany” (J. N. Darby).


2 Nosedraina tamin’ny afo

Sitrak’i Jehovah ny hanorotoro sy hampangirifiry Azy” (Isaia 53. 10). Inona no dikan’izany teny izany? Nahoana no sitrak’i Jehovah ny hanorotoro Azy? Ireo dia halalina tsy takatry ny saina ao amin’ny zava-miafina momba an’Andriamanitra: nomenAndriamanitra ny Zanany Lahitokana. Na izany aza nefa, tsy maintsy naseho fa lavorary koa i Kristy raha miaritra fahoriana. Raha toa Izy tsy nahita fijaliana na fanoherana nandritra ny fahazazany, nankatoavany tanteraka, na tamin’ny asa fanompoany, feno fangorahana, dia ho azo natao ny niteny hoe “mora ny ho tonga lavorary, rehefa mandeha tsara daholo ny zavatra rehetra.” Zavatra iainantsika izany: ny fiaraha-miaina amin’olona malemy fanahy sy mahafinaritra dia manamora zavatra marobe; fa ny tsy maintsy miaraka isan’andro isan’andro amin’olona manan-toetra tsy zaka dia fisedrana, na dia ho an’izay kristiana mahafoy tena indrindra aza.

Koa tsy maintsy natao teo ambony afo ny fanatitra hohanina, ary fomba telo no nanaovana izany: tao anaty lafaoro, tamin’ny takela-by ary tamin’ny lapoaly {Ao amin’ny Baiboly Dikanteny Iombonana (DIEM) no ampiasaina ireo voambolana ireo : lafaoro, takela-by, lapoaly ; fa ao amin’ny dikanteny protestanta kosa, ny lafaoro dia “fanendasa-mofo”, ny takela-by dia “lapoaly”, ary ny lapoaly dia “vilany” (Fanamarihan’ny mpandika teny).}.

Ny lafaoro dia miresaka amintsika ny amin’ireo fijaliana miafina niaretan’ny Tompo Jesoa teo amin’ny fiainany. Inona moa no tsy tsapany, nahita ny faharatsiana, ny fahafatesana! Nitomany Izy. “Natao tsinontsinona sy nolavin’ny olona Izy; lehilahy ory sady zatra ny fahoriana, ary tahaka izay tsy tian’ny olon-kojerena akory Izy; natao tsinontsinona Izy ka tsy mba nahoantsika” (Isaia 53. 3).

Mba azontsika an-tsaina ve izay zavatra tsapan’ny Tompo noho Izy nolavin’ny vahoakany? Raha mandeha mamangy marary isika, namoy zavatra hafa nahafinaritra kokoa mba hanana fotoana hamangiana azy, ary mitondra fanomezana kely ho azy, hanao ahoana re ny ao am-pontsika raha toa izy mandà tsy handray antsika ka miteny hoe: tsy te hovangian’io olona io aho! Lehibe lavitra noho izany nefa ny zavatra nilaozan’Ilay Tompon’ny voninahitra, mba hankanesany eo anivon’ny vahoakany, ary fitahiana lehibe lavitra noho izay fanomezantsika no nentiny ho azy. “Tonga tany amin’ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy” (Jaona 1. 11). Fijaliana noho ny fitiavana tsy noraharahaina: “Halany foana Aho” (Jaona 15. 25 ; Salamo 69. 4 ; 109. 3). “Ny fitiavako dia valiany fandrafiana” (Salamo 109. 4).

Ary inona no holazaina momba ny tsy fahazoan’ny mpianany Azy? Araka ny hitantsika dia “nanomboka” nilaza tamin’izy ireo (Marka 8. 31 DIEM) ny amin’ny hahafatesany Izy; avy eo, teny an-dalana, dia mbola nandramany nohazavaina tamin’izy ireo indray izany; raha niakatra ho any Jerosalema izy ireo, dia mbola niresaka farany taminy momba izay hanjo Azy Izy teny an-dalana, kanefa tsy azon’izy ireo izany. Tao Getsemane, dia nentiny ireo mpianatra telo lahy akaiky Azy indrindra —ireo izay nahita ny voninahiny, ireo izay nanatrika ny nananganany ny zanaka vavin’i Jairo tamin’ny maty—, ary nangatahiny mba hiara-miari-tory aminy ora iray, kanefa dia natory izy ireo, ka feo malahelo no tsy maintsy nilazany tamin’izy ireo hoe: “Hay! tsy mahazaka ny miara-miari-tory amiko, na dia ora iray ihany aza, ianareo!” (Matio 26. 40). Tsy nisy valiny izany teniny izany, ka nikatona tamim-pijaliana teo aminy ihany ny fony (Salamo 102). Araka ny asehon’ilay salamo, dia nahatohina Azy lalina ny namadihan’i Jodasy Azy. Ary hitantsika ao amin’ny filazantsara ny alahelony tamin’ny nandàvan’i Petera Azy: ny fijeriny azy dia sady nampahatsiahy tamin’ilay mpianatra ny fitiavana tsy mety lefy ananan’ilay Mpampianatra, no nanambara zavatra betsaka tokoa momba ny fahoriana nentiny (Lioka 22. 61).

Nangirifiry taminy tokoa, tamin’ny maha-olona Azy, ny nanapahan’ny fahafatesana ny fiainany teo antenatenany: “Nahaketraka ny heriko tany an-dalana Izy; efa nahafohy ny androko Izy. Hoy izaho: Andriamanitro ô, aza maka ahy antenatenan’ny androko!” (Salamo 102. 23-24). — “Ankehitriny, mangorohoro ny fanahiko; ary ahoana no holazaiko? Ray ô, vonjeo Aho ho afaka amin’ity ora ity” (Jaona 12. 27). Ary tao Getsemane koa, raha mbola niady mafy Izy, dia nivavaka mafimafy kokoa, ka nanjary toy ny ra mitete ny hatsembohany, sady nipotrapotraka tamin’ny tany ; ary hoy Izy nivavaka: “Raiko ô, raha sitrakao, dia esory amiko ity kapoaka ity” (Lioka 22. 42).

Ny takela-by dia miresaka amintsika momba ireo fisedrana ampahibemaso nianjady tamin’ny Tompo. Hitantsika Izy, lehilahy vizana, nipetraka teo am-pantsakana tao Sikara, na natory tao an-tsambokely na dia nisy tafiotra aza; ary raha nody tany an-trano indray Izy, dia tototra asa, hany ka tsy nanam-potoana hihinan-kanina akory Izy sy ny mpianany (Marka 6. 31), satria niangona indray ny vahoaka. Fa manoatra noho izany aza: teny amin’ny lalana rehetra nalehany Izy dia nifanena tamin’ny “fanoherana nataon’ny mpanota taminy” (Hebreo 12. 3), ny fankahalàn’ny fariseo izay tonga hatramin’ny fitenenan-dratsy Azy hoe: “Ny lohan’ny demonia no amoahany ny demonia” (Matio 9. 34). Dia tonga ny famonoana sy fandroràna, ny fikapohana ary ny hazofijaliana.

Ny fanatitra nandrahoana tamin’ny lapoaly angamba dia mifandraika amin’ny fanatitra voromahailala dorana manontolo, ary toa mampiseho fahazoana manjavozavo kokoa ireo fijalian’i Kristy, satria lafiny tsy dia mba idirana loatra, na dia misy ihany aza olona miditra lalina kokoa noho ny hafa.

Na inona na inona fanatitra naterina teo amin’ny alitara, dia nasiana setroka izany, ho fahatsiarovana, ary dia “fanatitra atao amin’ny afo, ho hanitra ankasitrahina ho an’i Jehovah” mandrakariva. Tian’Andriamanitra avokoa izay rehetra avy amin’ny Zanany; na dia kely aza ny fahatakaran’ny mpivavaka an’izany, dia mihazona ny lanjany hatrany ilay fanatitra, noho ireo zavatra rehetra miresaka momba Azy.


3 Ny anjaran’Andriamanitra amin’ny fanatitra

Eran-tanan’ila (avy amin’)ny kobany sy ny diloilony mbamin’ny ditinkazo mani-pofona rehetra” (Levitikosy 2. 2). Nandritra ny fiainany manontolo i Kristy dia fanatitra ho an’Andriamanitra. I Adama, fony mbola tao amin’ny tsy fananan-tsiny, dia nisitraka ny tombontsoa avy amin’Andriamanitra. Tamin’izany izy dia nanome Azy —na tokony ho nanome Azy— ny fankasitrahany, saingy izy tenany dia tsy fanatitra ho an’Andriamanitra. Izay indrindra no ivon’ny fiainan’i Kristy, dia ny maha-fanatitra Azy ho an’Andriamanitra, Kristy masina, misaraka tanteraka amin’izay rehetra manodidina azy, voatokana ho an’Andriamanitra, miaina ao amin’ny herin’ny Fanahy.


4 Ny anjaran’ireo mpisorona

Ny rehetra ambin’ny fanatitra dia ho azy ireo avokoa. Afaka nihinana izany fanatitra lavorary izany izy ireo, nefa tsy maintsy “eo amin’izay fitoerana masina anankiray” (Levitikosy 6. 9), mihataka amin’ny fisainana sy ny tabataban’izao tontolo izao, ary tsy maintsy nahatsiaro mandrakariva fa “masina dia masina” (Levitikosy 2. 3) izany fanatitra izany.

Ny fieritreretana an’i Kristy dia manamasina sy manova ny tena ho toa Azy. Izay hanina rehetra dia mamboatra ny ao anaty ao; rehefa levona izany, dia misy fiantraikany amin’ny maha-olona manontolo. Isika dia efa nifanena tamina lehilahy na vehivavy izay hita avy hatrany, raha vao jerena, fa miaina ao anaty fahalotoana; mivelona amin’izany izy ireo, mahita fahafinaretana ao anatiny, ary dia hita soritra tsikelikely eny amin’ny endriny mbamin’ny fihetsiny izany. Tsy afaka ny ho toy izany koa ve ny amin’ny kristiana? Satria i Kristy no ao am-pony, tsy ho fifaliana sy fiadanana ve no hisoritra eny amin’ny tavany? “Amin’ny tava tsy misarona..., mijery ny voninahitry ny Tompo..., ka ovàna hahazo izany endrika izany indrindra” (2 Korintiana 3. 18) —tsy ny voninahitry ny Tompo any an-danitra ihany, fa indrindra indrindra ny voninahitra ara-moraly namirapiratra tamin’ny fiainany tetỳ an-tany. Tsy hoe manaraka fitsipika sy didy, fa miova amin’ny fanavaozana ny saina (Romana 12. 2; Efesiana 4. 23): asa ao anaty vokatry ny sakafo ivelomantsika, noho ny asan’ny Fanahy, Izay maka avy amin’i Kristy ka mampita izany ho amintsika.

Tany an-taniefitra ny vahoaka dia nanangona ny mana isa-maraina: Kristy, mofo velona nidina avy any an-danitra, sakafon’ny olony mandritra ny dian’izy ireo etỳ an-tany, fampirisihana sy hery ho azy ireo. Tao amin’ny fitoerana masina, ny mpisorona dia nihinana ny fanatitra hohanina, dia ireo halavorarin’ny fiainan’i Kristy, mba ho afaka manatontosa ny fanompoany an’Andriamanitra.

Ny mpisoronabe mihitsy no tsy maintsy nanolotra marain-tsy hariva fanatitra hohanina manokana, izay nodorana tanteraka teo amin’ny alitara: ny fanompoany manontolo dia tahaka ny voahodidin’ny halavorarin’i Kristy, voamariky ny tombokaseny (Levitikosy 6. 12-16).


5 Ny masirasira sy ny tantely

Ireo singa roa ireo dia samy nesorina tsy hiaraka amin’ny fanatitra hohanina.

Ny masirasira dia milaza amintsika ny fibontsin’ny maha-izy azy ny tena, ny avonavona, ny fihatsarambelatsihy izay te hiseho ho toy izay tsy toetrany akory. Izany no faharatsiana mahazo ny vongana izay simbainy. Tsy mba nisy masirasira mihitsy tao amin’i Kristy, fa Izy kosa afaka nampibaribary ny an’ny fariseo sy ny sadoseo. Tsy tokony nisy masirasira mihitsy ny fanatitra aterina eo amin’ny alitara. Ary na dia izay hohanin’ny mpisorona aza dia tsy tokony nandrahoana miaraka amin’ny masirasira mihitsy (Levitikosy 6. 10). Toa ho mora tokoa ny hidiran’ny fizahozahoantsika rehefa mandinika ny fiainana lavorary niainan’i Kristy: mihevitra ho mahalala betsaka kokoa noho ny sasany isika, na tandindomin-doza hanao teny maro, hilaza izay tsy tsapa akory, hamerina teny novakiana nefa tsy nosaintsainina!

Ny tantely dia milaza ireo fironan’ny fontsika, ireo fihetseham-pon’ny olombelona, izay maha-te ho tia na dia eo amin’ny fiainana tsy misy an’Andriamanitra aza. Ny fihetseham-po toy izany, raha hamasinin’ny fahasoavana, dia zavatra tena irina tokoa, ary tena ilaina aza, eo amin’ny fifaneraserantsika, saingy tsy mba anisan’ny fanatitra; marihina manokana fa ny fiontanam-po dia tsy tokony hisy mihitsy, eo amin’ny fanompoam-panahy; ary ao amin’ny asan’ny Tompo dia tsy manan-toerana mihitsy ny antony miharoharo —ohatra, ny fitiavana hiaraka amin-dRanona na Ranona. Ny zavatra manana ny toerany ao amin’ny fiainana manokana, dia tsy misy idirany mihitsy ao amin’ny fitoerana masina.


6 Ny siran’ny fanekena

Ny sira dia mampiseho indrindra ilay hery mihazona ny zavatra avy amin’Andriamanitra, ilay hery manamasina ka mitahiry antsika ho tafasaraka amin’ny fahalovana. Tsy hita lany ny sira teo amin’ny fiainan’i Kristy. Izy rahateo dia mampirisika ny mpianany mba hanana sira ao anatin’izy ireo. Hiova tanteraka mantsy ny tontolo ifaneraserana, raha misy mpino roa na telo tsy matahotra ny haneho ny heviny ary hijoro ho amin’ny tsara sy hiady amin’ny ratsy. Tsy ho sahin’ny olona, raha mbola eo izy ireo, ny hitondra tena toy ny hoe tsy eo izy. “Aoka ny fiteninareo ho amin’ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira” (Kolosiana 4. 6).

Fa ny siran’ny fanekena dia mampahatsiahy antsika koa ny fahatokiana ilaina amin’ny fifandraisana izay naorin’Andriamanitra amin’ireo olony, ao anatin’ny vaninandro misy azy ireo. Ny fiainana iainana dia tsy maintsy atao mifanaraka amin’ny fanatitra entina. Ilaina ny haniry ho fitaratr’i Kristy, fa tsy hampandainga, amin’ny fitondràntenantsika, ny tenintsika momba Azy sy ny fideràntsika Azy. Mety ho tsapantsika mandrakariva fa lavitra ilay tena atao hoe fanatitra hohanina isika, nefa ny zava-dehibe dia ny fanapahan-kevitry ny fo. Isika ve dia hilazalaza amina teny marevaka ny momba ny fahafoizan-tenan’i Kristy hanao izay sitrapon’ny Rainy, ny fankatoavany izay iriny, ny fitserany sy ny fahamoram-pony, nefa vetivety eo dia hiseho ho masiaka sy ratsy fanahy amin’ireo rahalahintsika, ary tsy hitady afa-tsy izay mahasoasoa ny tenantsika? —“Ny siran’ny faneken’Andriamanitrao dia aza atsahatra amin’ny fanatitra hohaninao” (Levitikosy 2. 13).

Enga anie isika ka mba tena hivelona amin’izany fanatitra hohanina izany. Ampianarina ny ankizy ny tantara ao amin’ny filazantsara; tantaraina ny fahagagana nataon’ny Tompo sy ny fanoharana nolazainy; samy manana ny toerany avokoa ireo, saingy hafa mihitsy ny hoe mivelona aminy, ao amin’ny fiainany lavorary. Tsy maintsy ny mason’ny fo no mijery Azy; tsy maintsy mahatsapa kely ao amin’ny fanahy izay tsapany; raha azo lazaina, isika dia tsy maintsy miombona, na amin’ny ampahany ihany aza, amin’ireo fijalian’Ilay Olon’ny fahoriana.

Tam-panetrentena lalina
Teo amin’ny lalanao izay maizina,
Notebahin’izao tontolo izao
Ianao Izay nanolo-tanana azy;

Ianao, Ilay nanam-pitiavana hamonjy,
Miara-ory sy lavorary,
Tsy nitsahatra nanao soa
Tamin’ny olombelona meloka.

Endrey ireo harena
Omen’ny fonao feno fiantrana!
Andriamanitra tenany dia tsy mahita ao
Afa-tsy fahazavana sy fahamasinana.


3. Ny fanatitra noho ny ota
sy ny fanati-panonerana

(Levitikosy 4; 5; 6. 17 hatramin’ny 7. 7)

Tsy izay tian’ny Israelita natao tsy akory no nataony, momba ny fanatitra noho ny ota sy ny fanati-panonerana; tsy maintsy natao ireo rehefa nanao fahadisoana: “Raha misy olona manota… dia aoka hanatitra… fanatitra noho ny ota izy.” Ny tonga eo amin’ny alitara, izany, dia tsy olona hivavaka, maniry ny hankasitrahina na avy mba hisaotra, maniry ny hisitraka ny fiombonana amin’Andriamanitra sy hivelona amin’ny fanatitra; fa kosa olo-meloka izay manatona, mba ho voavela heloka.

Tsy misy fomba hafa hamafana ny ota, ankoatra ny sorona. Hoy ny Salamo 49. 7 amintsika: “Tsy misy mahavotra ny rahalahiny akory, na mahazo manome an’Andriamanitra izay avony.” Na ny ranomasontsika, na ny asa fivalozana ataontsika, na izay ataon’ireo rahalahintsika ho antsika, dia tsy misy afaka mamafa ny ota eo anatrehan’Andriamanitra. “Raha tsy misy ra alatsaka, dia tsy misy famelàn-keloka... Fa ankehitriny dia efa naseho indray mandeha… (i Kristy) mba hanafaka ny ota, tamin’ny nanaterany ny tenany” (Hebreo 9. 22, 26).

Tsy ampy ny fieken-keloka (Levitikosy 5. 5-6) sy ny fanonerana (5. 16, 23); nilaina izany tamin’ireo fahadisoana voatonona ao amin’io toko io, saingy tsy ampy velively. Ohatra, ao amin’ny andininy faha-25, ankoatra ny fanonerana ho tonga avy fahenina izay zavatra nalaina tamin’olon-kafa, dia tsy maintsy nitondra fanati-panonerana “ho an’i Jehovah”.


1 Zava-doza ny ota

[Le texte entre guillemets qui suit est la parole d’un homme (vraisem­bla­ble­ment Darby), et non pas une citation biblique. —Supprime le présent "cro­chet" et l’es­pace qui le suit.] “Tsy misy na inona na inona avelan’Andriamanitra handeha ho azy; afaka mamela sy manadio ny zavatra rehetra Izy, fa tsy misy kosa na inona na inona avelany amin’izao. Ny fahotana miafina amin’izay manao azy dia tsy miafina velively amin’Andriamanitra.” Hoy i Mosesy tamin’ireo foko roa sy tapany, raha tsy handeha hanampy hahazoana ny tany Kanana izy ireo: “Aoka ho fantatrareo fa hanody anareo ny fahotanareo” (Nomery 32. 23). Nandritra ny roapolo taona dia nino ireo rahalahin’i Josefa fa tsy ho fantatry ny rainy ny zava-doza nataony, nefa dia nabaribarin’Andriamanitra izany. Nihevitra i Akana fa nanafina tsara tao anaty lainy ilay kapôty avy any Babylona, ary tao ambaniny ny volafotsy sy ny anja-bolamena, nefa dia nanody azy ny fahotany. Hoy ny Habakoka 1. 13: “Ianao, Izay madio maso ka tsy te hitsinjo ny ratsy ary tsy mahajery fahoriana.” Tsy misy zavatra tsy fantatr’Andriamanitra, ary ny faharatsiana, na dia voafina tsara indrindra aza, ho antsika, dia faharatsiana hatrany, eo imasony. “Ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy aharihary eo imason’Izay iafaran’ny ataontsika” (Hebreo 4. 13).

Tsy mitsara ny ota araka ny fiheverantsika manokana Andriamanitra, fa araka izay mety Aminy. Mba ho tonga sambatra isika manoloana Azy, dia tsy maintsy tsarainy ny faharatsiana, ny faharatsiana rehetra araka io fanatrehany io, mba hanesorany tanteraka izany. Dia handeha hampahory olon-kafa ve Izy, tsy hamela hisy izay mety ho fifaliana masina, na dia eo anoloany aza, mba hamelàna ny ratsy hanjaka tsy hofaizina? Tsia, tsy azo heverina izany; mitsara ny zavatra rehetra Andriamanitra” (J. N. Darby). Amin’ny fitondràny, dia mety havelany ela tsy ho voasazy ny zavatra sasany, saingy amin’ny fifandraisantsika Aminy, dia tsy afaka hisy fiombonana mihitsy raha mbola tsy voatsara, iekena ary voavela ny faharatsiana.


2 Fahotana sy fahadisoana

Ny Levitikosy 4 dia miresaka amintsika momba ireo fahotana atao amina iray amin’ireo didin’i Jehovah. Mety ho ny mpisorona voahosotra no nanota (and 2 hatramin’ny 12), na ny fiangonana manontolo (and 13 hatramin’ny 21), na koa mpanapaka iray (and 22 hatramin’ny 26), na olona iray amin’ny vahoaka (and 27 hatramin’ny 35).

Amin’ireo tranga roa voalohany izay nampiato ny fanompoana an’Andriamanitra, dia ombilahy no tsy maintsy natao fanatitra, ary nentina teo amin’ny fitoerana masina ny ran’io sorona io: nafafy impito teo anatrehan’i Jehovah, teo anoloan’ny efitra lamba; dia natete ihany koa tamin’ny tandroky ny alitara volamena fandoroana ditinkazo manitra, ary ny sisa rehetra dia naidina teo ambodin’ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo. Ilay biby iray manontolo dia nodorana, tsy teo amin’ny alitara varahina, fa —rehefa avy nesorina ny jabora izay hany nodorana ho fofona eo ambonin’ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo— ny hoditr’ilay ombilahy sy ny henany rehetra mbamin’ny lohany sy ny tongony ary ny taovany sy ny taindrorohany, dia nodorana teny ivelan’ny toby. I Jesoa dia nijaly teny ivelan’ny vavahady; tsy nisy toerana ho Azy tao an-toby —Jerosalema—, na dia fanatitra noho ny ota aza Izy. Noho izany ny mpino dia tsy maintsy mivoaka manatona Azy, eny ivelan’ny toby, ivelan’izay rehetra, amin’ireo fomba fivavahana, mandà ny maha-fanatitra noho ny ota Azy.

Raha mpanapaka na olona iray tamin’ny vahoaka no nanota, dia tsy maintsy nitondra osy, lahy na vavy; ny ra dia natao teo amin’ny tandroky ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo, ary ny sorona kosa dia nohanin’ny mpisorona.

Ao amin’ny Levitikosy, dia misy karazany telo ny fanatitra noho ny ota:

Tamin’ny tranga rehetra niseho —intsivy misesy— dia voalaza mazava hatrany hoe: “Dia havela ny helony.”


3 Ny andraikitra dia mifanentana
amin’ny tombontsoa noraisina

Raha toa tokoa ka ny mpisorona no nanota, na ny fiangonana manontolo, dia tsy maintsy vantotr’ombilahy no nentina ; ny mpanapaka iray dia nitondra osilahy ; ny olona iray tamin’ny vahoaka dia nitondra osivavy ; amin’ny tranga hafa, raha toa ka tsy manana hitondrana zanak’ondry ny olona, dia vorona roa na koa aza koba ampahafolon’ny efaha no nentina. Arakaraka ny halehiben’ny andraikitra, satria nahazo bebe kokoa tamin’ny Tompo, satria nandroso bebe kokoa momba ny zavatr’Andriamanitra, no maha-lehibe ny fankasitrahana ny asan’i Kristy, rehefa narenina. Ny “mpanapaka” dia olona efa nanana tao am-po ny faniriana hitandro ny filaminana eo amin’ny vahoakan’Andriamanitra, na olona efa teo amin’ny sehatry ny fanompoana ny Tompo. Mazava ho azy fa lehibebe kokoa ny andraikiny, noho ny an’ny mpino tsotra. Na ahoana na ahoana, nefa, izany dia tsy azo-na zanak’Andriamanitra raisina ho antony hitadiavany ny vodilaharana rehefa hiahy ny an’ny Tompo, na amin’ny fanompoana, na ao amin’ny fiangonana. Rehefa ny Tompo no miantso, ny fahasoavany dia hamatsy araka izay ilaina sy hanome izay tandrify, amin’io andraikitra nitombo io.

Tsy hoe mila manenina mandritra ny fotoana maharitra, aloha : tsy lazaina hoe tokony hitomany noho ny fahotany mandritra ny enim-bolana, aloha, ny mpisorona, vao mitondra ny fanatitra, na ny mpanapaka mandritra ny telo volana, na ny olon-tsotra mandritra ny iray volana ! Tsia, fa raha vantany vao mahatsapa tena ho diso, dia tokony hanao fanatitra. Ny tena fandinihan-tena dia tsy ny fieritreretana ela ny fahadisoana natao —na dia tandrify aza izany tokony hieritreretana izany, araka ny Salamo 51. 3—, fa ny fiheverana eo imason’Andriamanitra ny halafon’ny noefain’i Kristy hitondrana io fahadisoana io sy hamafana azy. I Jaona ao amin’ny epistily nosoratany dia miresaka sokajy telo amin’ny mpino: ny ankizy, ny zatovo, ny ray. Raha manota ny ray, dia ho lalina kokoa noho ny an’ny zaza ny fahatsapany ny asan’i Kristy sy ny tena fitsaràny ny tenany, vokatr’izany fahatsapana izany.

Ho an’ny mpanapaka na ny Israelita tsotra, dia tsy nodorana ivelan’ny toby ny sorona, fa nohanin’ny mpisorona. “Amin’ny lafiny iray, izany dia azo lazaina fa maneho ny fon’i Kristy miandany amintsika, rehefa lavo isika. Mikarakara ireo ondriny Izy. Tsy ny mpisorona no nanao ilay heloka, nefa kosa niombona tanteraka tamin’izany izy. Nataon’i Kristy hoe Azy ny fahotantsika; ny sorona sy ny famafazana ra dia zavatra efa vita, ary tsy haverina intsony mandrakizay; fa ireo no fototry ny asa ataony ankehitriny : manalalana amin’ny maha-mpisolovavantsika Azy eo anilan’ny Ray” (1 Jaona 2) (J. N. Darby). Amin’ny lafiny iray koa, dia anjaran’“ny olony amin’ny maha-mpisorona azy ireo, noho ny fiombonana sy ny fifandraisam-po, ny mizaka ny heloky ny hafa, na, ny marimarina kokoa, miombona amin’ny asan’i Kristy hamafana ny ota. Tsy afaka manao izany isika, raha tsy amin’ny toetra maha-mpisorona antsika, ary amin’ny fahatsapana ny maha-zava-doza ny ota, ampifanatrehina amin’ny asa natao hamafana azy” (J. N. Darby). Lafo vidy tamin’i Kristy tokoa ny namafany ny ota. Ary mety hahazo ahy koa ny otan’ny rahalahiko, vokatry ny maha-izaho ahy ao amin’ny nofo: “Mihevera ny tenanao, fandrao ianao koa mba halaim-panahy ihany” (Galates 6. 1).


4 Fahotana hafa voafaritra

Ny Levitikosy 5. 1 dia milaza amintsika ny momba ny fahadisoana ataon’ny vavolombelona. Mety hisy faharatsiana tsy lazaina, nefa tokony habaribary. Tsy hoe hanaratsy sy hitantara ny fahadisoan’ny rahalahy, tsy akory, nefa kosa misy tranga manokana izay tsy maintsy itenenana, “satria mandre ny feon’ny fampianianana”.

Mitranga matetika lavitra noho izany ny tsy filazana ny tsara, nefa “vavolombelona nahita na nahalala” isika. Ny 1 Petera 3. 15 dia milaza hoe: “Aoka ho vonona mandrakariva ianareo, hamaly izay manontany anareo ny amin’ny anton’ny fanantenana ao anatinareo, nefa amin’ny fahalemempanahy sy ny fanajana.” Tsy matetika ve isika no tsy nihaino “feon’ny fampianianana” toy izany? Tokony ho afaka nanampy fanahy iray isika, tokony ho afaka nijoro ho vavolombelon’i Kristy, nefa dia nihemotra. Raha mazava ny tranga nisy, nefa nandà isika, tsy miantefa amintsika koa ve ny tenin’ny Levitikosy hoe: “Mahameloka azy izany”?

Ny andininy faha-2 sy 3 dia mampiseho ny fahalotoana, ny tsy fisarahana amin’ny ratsy, na any ivelany na ao an-trano. Firifiry moa ireo fifaneraserana mandoto antsika, fifaneraserana tsy ilaina akory, amin’izao tontolo izao, rehefa mandeha any amina toerana tsy misy na inona na inona tokony hataontsika isika, na mamela ny zavatr’izao tontolo izao hiditra ao an-tokantranontsika? Fisaikazana eo anivon’izao tontolo izao, fiombonana antoka amin’ny tsy mpino (2 Korintiana 6. 14-16); boky sy gazety na sary vetaveta; fisaintsainana tsy araka ny Tenin’Andriamanitra: ireny rehetra ireny dia fahalotoana amin’ny nofo sy amin’ny fanahy (2 Korintiana 7. 1) avokoa.

Rehefa fantany izany, (dia) mahameloka azy.” Izany dia mampiato ny fiombonantsika amin’Andriamanitra. Raha toa isika indraindray mahatsiaro ho tsy mazoto mivavaka na tsy mahazo fifaliana amin’ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra, moa ve tsy noho ireo fahadisoana “tsy hita” ireo, izay mampalahelo ny Fanahy Masina? Izy no mitarika antsika hahatsapa ireo, mba ho voatsara ireo, ka ho voavela.

Ny and 4 dia manameloka ny miteniteny foana. Mianiana hanao ratsy , izany hoe mandrahona nefa tsy manatanteraka. Tsy naleo ve nangina? Mitoetra koa izany, eo amin’ny fitaizany ny ankizy. Na mampanantena hanao soa nefa tsy mitana ny teny nomena, na amin’ny zanaka izany, na amin’ny rahalahy. Ny tena fahadisoana, amin’izany, dia ny fitenitenenam-poana. “Tafintohina amin’ny zavatra maro isika rehetra. Raha misy olona tsy mba tafintohina amin’ny teny, dia izy no lehilahy tanteraka” (Jakoba 3. 2).

Inona no hatao, amin’ny tranga toy ireo? “Raha meloka amin’ny anankiray amin’ireo izy, dia hiaiky izay zavatra nanotany” (Levitikosy 5. 5). Izany no fampianarana ao amin’ny 1 Jaona 1. 9: tsy hoe mifona amin’ny Tompo fotsiny satria niteny ratsy olona, na tsy nijoro ho vavolombelona ho Azy, na niombona tamin’ny fahalotoana; fa eo anoloany, miaiky izay nataontsika, mitanisa izay fahadisoantsika, eo amin’ny fahazavany, ho voatarika hahatsapa ny halehiben’izany fahadisoantsika izany. Nefa tsy tokony hijanona eo: “Ary hitondra ny saziny ho an’i Jehovah noho ny fahotana izay nataony izy.” Ny tanjona dia ny hahatsapana indray ny lanjan’ny sorona nataon’i Kristy, tamin’ny nahafatesany teo amin’ny hazofijaliana, satria raha tsy nisy izany, dia tsy ho voavela io heloka vao niekena io.

Ny Levitikosy 5. 14-16 dia miresaka ny fahadisoana ny amin’ny zava-masina. Tsy nomena an’i Jehovah izay tokony ho Azy, fa notazonina ho an’ny tena ny zava-masina. Ho an’ny Israelita, izany dia milaza indrindra ny fahafolon-karena, ny ampahafolon’ny vokatra azony, izay tsy nentiny tao amin’ny trano firaketana. Hita ao amin’ny Malakia 3. 8-12 ny vahoaka mandroba an’Andriamanitra ka miantso ny ozony ho azy; kanefa raha nitondra ny fahafolon-karena tao amin’ny trano firaketana izy ireo, dia ho nisy hanina tao an-tranon’Andriamanitra, ary ho nirotsaka mandrakariva tamin’izy ireo ny fitahian’i Jehovah. Toy inona moa ny tsy fahatanterahantsika, amin’izay lafiny izay! Omen’ny Tompo adiny efatra amby roapolo isan’andro isika. Maro amin’ireo no atokana hatoriana, hihinanan-kanina, hiasana; fa ny faniriany kosa dia ny mba hakantsika fotoana kely isan’andro, hitokanantsika ho eo an-tongony. Tsy mandroba Azy ve isika indraindray, amin’io lafiny io, ka mampiasa io fotoana tokony hatokana ho Azy io amin’ny fialàm-boly na koa aza amina asa diso tafahoatra? Ary inona no holazaina momba ny alahady, andro voalohany amin’ny herinandro, andron’ny Tompo, izay iantsoany antsika manokana hahatsiaro Azy tamin’ny nafahafatesany sy “hiara-miari-tory aminy, na dia ora iray ihany aza”? — Ny Israelita dia tsy maintsy nanome ny ampahafolon-karenany; ao amin’ny Testamenta Vaovao dia tsy iresahana didy aman-dalàna, fa ampirisihana antsika hanao io “fanatitra” io ho amin’ny asa soa sy ho an’ny mpanompon’ny Tompo (Hebreo 13). Tsy efa nisy ve fotoana nangalantsika ho antsika izay tokony ho Azy? — Ary amin’ny lafiny ara-panahy, toy inona ny harena efa noraisintsika? Haintsika ve ny mizara izany ao amin’ny tranon’Andriamanitra? ny mitondra ao amin’ny fiangonana, amin’ny alalan’ny fiderana, na amin’ny fampirisihana, na amin’ny vavaka, ny “fahafolon-karena” izay hitondra fitahiana? — Ao an-tokantranontsika, any am-piasana, omena an’Andriamanitra ve ny anjara tokony ho Azy? — Raha toa tsy mirotsaka ny fitahiana ao an-tokantrano, ao am-piangonana, amin’izay ataontsika na amin’ny fanompoantsika, tsy satria ve diso isika fa tsy nitondra ny “fahafolon-karena”?

Inona no hatao, amin’izany? “Hitondra ny fanati-panonerany ho an’i Jehovah izy.” Mamerina an-tsaina indray ny sorona nataon’ny Tompo, Izay nanolotra ny tenany ho antsika, Izay nanome ny zavatra rehetra mba hanavotana antsika; ary avy eo, “Izay efa nanotany ny amin’ny zava-masina dia honerany, ary hampiany ho tonga avy fahenina.” Tsy hoe manenina fotsiny satria tsy nahay nanokana ho an’ny Tompo ny fotoana tokony ho tamin’izany, fa manomboka hatreo dia maka izay fotoana ilaina, ary manampy izany ho tonga avy fahenina aza! Ary raha be loatra ny harena notazonina ho an’ny tena —na inona na inona haben’izany harena izany, satria nankasitrahin’ny Tompo kokoa ny farantsakelin’ilay mpitondratena noho ny ambinambiny nomen’ireo mpanana—, tsy mety ve raha averina Aminy ny tokony ho Azy, ary ampiana ho tonga avy fahenina?

Farany, ny and 20-26 dia mahakasika ny zavatra ratsy natao tamin’ny mpiara-belona, indrindra ny zavatra nangalarina na nalaina an-keriny: mihazona ho an’ny tena izay fananan’ny hafa, na izay nankinina tamintsika ho an’ny hafa. Amin’ny lafiny ara-materialy: zavatra nangalarina, na nindramina nefa tsy naverina; asa nampanaovina natao ratsy karama. Amin’ny lafiny ara-panahy isika dia nanankinan’ny Tompo fahamarina maro ao amin’ny Teny, voazava tsara, na ho an’ny olony, na hampielezana ny filazantsara, nefa noho ny fitiavan-tena dia mihazona ho an’ny tena io “zavatra tsara natolotra” (2 Timoty 1. 14) io, fa tsy manao izay hahazoan’ireo olona tokony hiantefany azy.

Tamin’ny tranga toy izany, dia tsy maintsy naverina, aloha, ilay zavatra nangalarina na nampitehirizina, dia nampiana avy fahenina amboniny, ary avy eo vao nitondra ny fanati-panonerana. Firifiry moa ny olona nampahory tena satria tsy namerina tamin’ny hafa ny zavatra nalainy ho an’ny tenany! Tsy ampy ny fiekena izany eo imason’ny Tompo, eny fa na dia tsapa tsara aza ny sorona nataony; takiana ny fanonerana.


5 Ny fanarenana

Raha misy manota…”, hoy ny ao amin’ny Levitikosy. Hita ihany koa ao amin’ny 1 Jaona 2. 1 io fehezan-teny io, arahin’ny hoe: “… dia manana Solovava ao amin’ny Ray isika, dia Jesoa Kristy, ilay Marina; ary Izy no avotra noho ny fahotantsika.” Noho izany, dia mbola azontsika entina ihany ilay “sorona”; tsy hoe miezaka ny hanitsy ny tena aloha, izay vao hanatona Azy; fa tsy maintsy manatona Azy amin’izao maha-isika antsika izao, miaraka amin’ny fahotantsika, miaiky izany, ary mamerina an-tsaina indray fa Izy no avotra noho ny fahotantsika:

Amin’izao maha-izaho ahy izao,

Tsy manana na inona na inona ahy,

Afa-tsy ny ranao nalatsaka ho ahy…

Avy aho, ry Zanak’ondrin’Andriamanitra.

Rehefa nahatsiaro ny fahotany ny Israelita, dia tsy maintsy nitondra ny fanatiny. Io dia efa naneho ny fahadisoany sy ny lanja nomeny ilay sorona. Raha nisy olon-tsotra namakivaky ny toby, ho any amin’ny tabernakely, ka nitondra osivavy, na ny mpisorona voahosotra koa aza, nitondra vantotr’ombilahy, dia fantatry ny olona rehetra fa nanota izy ireo, nefa fantatra ihany koa fa nahatsiaro tena ho nanana ny fanatitra hanarona ny fahadisoany.

Miovaova ny famaritana ny lanjan’ny asan’i Kristy ara-moraly. Araka ny efa hitantsika, dia misy mitondra osivavy, ny iray hafa vorona fotsiny, ny iray farany koba eran’ny tanana an’ila ihany. Amin’ireo tranga rehetra ireo, nefa, dia sorona lavorary izany, milaza an’i Kristy Izay hany manan-danja eo imason’Andriamanitra. Ilay jiolahy teo amin’ny hazofijaliana dia tsy ho afaka nanazava izay nataon’i Jesoa, na ny hasarobidin’ny rany. Kely dia kely ny zavatra azon’ny finoany, na dia niteny taminy aza izy hoe: “Jesoa ô, tsarovy aho, rehefa avy amin’ny fanjakànao Ianao”. Izy nefa dia nahatsapa fa mendrika ny ho eo amin’io toerana io, mandray ny valin’ny nataony. Momba an’i Kristy, dia nanambara izy hoe: “Ity Lehilahy ity kosa, tsy mba nanao zavatra tsy nety, na dia kely akory aza.” Azony antoka ny halavorarin’Ilay nijaly teo anilany —halavorary nasehon’ny “koba eran’ny tanana an’ila” mazava tsara. Ampy izany hilazan’ny Tompo hoe: “Anio no hihaonanao Amiko any Paradisa” (Lioka 23. 42, 41, 43).

Rehefa tonga teo am-baravaran’ny tabernakely ilay olo-meloka, toy ny amin’ny fanatitra dorana manontolo, dia tsy maintsy nametraka ny tanany teo amin’ny lohan’ilay sorona. Nambarany tamin’izany fihetsika izany fa raha tsy azon’Andriamanitra ekena izy, izay mpanota, ilay sorona kosa dia hekeny hisolo toerana azy. Napetrany teo ambony lohan’ilay fanatitra tsy misy kilema ny fahotany, mba ho voaonitra: “Isika rehetra dia samy efa nania tahaka ny ondry, … ary nataon’i Jehovah nihatra taminy avokoa ny helotsika rehetra” (Isaia 53. 6). Ny fametrahako ny tanako eo ambony lohan’ilay sorona, dia fahatsapako lalina fa nampitondraina an’i Kristy ny otako.

Ilay olo-meloka ihany no namono ilay biby, avy eo; tsy anjaran’ny mpisorona izany. Ilazana izany, hoe: izao no zavatra mendrika ho ahy; tsy maintsy maty ho ahy Izy: “Ny Zanak’Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy” (Galatiana 2. 20). Natao teo amin’ny tandroka teo amin’ny alitara varahina ny ra (1 Jaona 1. 7); ny jabora dia nodorana teo, ho “hanitra ankasitrahina”: na dia tamin’ny sorona nataon’i Kristy noho ny ota aza —fa tsy tao amin’ny fanatitra dorana manontolo ihany—, dia afa-po tanteraka Andriamanitra. Ireo fahotana voafaritra dia tsy maintsy niekena; ary ny ratsy vita, tsy maintsy nonerana. Aorian’izany nefa, ary miverina intsivy, dia voalaza mazava fa “Havela ny helony.” — “Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra” (1 Jaona 1. 9). Ny ilaina, dia ny mino izany. Rehefa niekena ilay fahotana, rehefa tafaverina tao an-tsaina ny vidiny noefain’i Kristy ho an’io fahotana io, dia tsy tokony hijanona ela amin’izany fahadisoana izany intsony, fa tokony handao azy. Rehefa mahatsiaro lalina ny fitiavan’i Kristy sy ny halehiben’ny sorona nataony isika, rehefa tafaverina indray tamin’ny hafaliana noho ny namonjena antsika, dia afaka manohy ny dia am-panetrentena, satria fantatsika fa io fahasoavana nanarina antsika io ihany no ho afaka hihazona antsika ho mailo sy mahatoky, raha mijanona eo anilan’i Kristy isika.

Andriamanitra dia milaza mazava tsara fa raha ny Aminy, “Ny fahotany sy ny helony, tsy hotsarovako intsony” (Hebreo 10. 17). Ary ny amintsika, dia mampahatsiahy ny Salamo 103 hoe: “Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin’ny andrefana no halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika.”

Toy izany koa ny momba ny Fanasàn’ny Tompo. Maro amin’ireo tanora no tsy manatona ny Latabatra, satria mahatsiaro ireo fahadisoany sy ny tsy fahamendrehany. Kanefa, inona moa no ambaran’ny Fanasàn’ny Tompo, raha tsy ny vatan’i Kristy nomena noho ny otantsika, ny ran’i Kristy izay manadio antsika amin’izany? Raha raisintsika amin’ny finoana fa hitan’Andriamanitra ao amin’i Kristy isika, ary tsy tsaroany intsony ny fahotantsika mbamin’ny tsy fahamarinantsika, dia afaka manatona tsy amin-tahotra ilay tsangambato fahatsiarovana ny nahafatesan’ny Tompo isika, “tsy nasian’ny fieritreretana ny amin’ny ota intsony” (Hebreo 10. 2). Tsy milaza tsy akory izahay hoe tsy am-panajana, satria zava-dehibe ny mamantatra mandrakariva ny vatan’ny Tompo sy ny rany. Tsy mendrika ny ho eo amin’ny Latabany isika, nefa mendrika Azy kosa ny hanatonantsika izany; ary azontsika hadinoina ny tsy fahamendrehantsika sy ny fahadisoantsika, amin’ny fahatsapantsika ilay fahasoavana namaly tanteraka izany. “Aoka ny olona hamantatra ny tenany, dia aoka izy hihinana” —izany hoe amin’ny fahatsapan-tena fa tsy manana na inona na inona ao anatiny, azony atolotra ho an’Andriamanitra, nefa mahafantatra fa ny fahasoavana, noho ny asan’i Kristy, dia nanome ny zavatra rehetra hamenoana izany.

Enga anie ny fahafatesanao, ry sorona masina,

Mba ho eo ambany masonay mandrakariva!

Ny ranao dia namafa ny helokay,

Ny ranao irery ihany no nanokatra ny lanitra ho anay.


4. Ny fanati-pihavanana

(Levitikosy 3; 7. 11-36)

Fahatelo ny fanati-pihavanana, ao amin’ny fanorenana ireo sorona, fa farany kosa ao amin’ireo “lalàna momba ny fanatitra”. Izy dia tsy aterina toy ny fanatitra dorana manontolo, izay entina “mba hankasitrahina”, na toy ny ataon’izay mitondra fanatitra noho ny ota, mba “havela ny helony”; fa ilay manatitra azy dia manao izany ho “fanati-pisaorana” (7. 12). Fantany amin’ny finoana fa ankasitrahina ao amin’i Kristy izy, ary efa voafafan’ny sorona nataon’i Kristy ny fahotany, ka noho izany izy dia afaka manana fiombonana amin’ny Ray, amin’i Jesoa Kristy Zanany, ary amin’ireo rahalahiny (1 Jaona 1. 3).

Io no fanatitra fihavanana {Ny dikan-teny malagasy ihany no ahitana io hoe “fihavanana” io. [Laisser telles quelles les 3 paires de doubles quotes (guillemets) de la présente note : ne pas les changer en "guillemets <cbib>". Supprimer ce "crochet" et l’espace qui le suit.] Amin’ny fiteny hafa, ny ambara dia hoe “fiadanana” : sacrifice de paix, peace-offering, Friedensopfer = fanatitra fiadanana. “Fiadanana” koa no ambaran’ireo dikanteny hafa, eo amin’ireo andinin-tSoratra Masina telo tononina manaraka ireo : Nanao fiadanana tamin’ny rany teo amin’ny hazofijaliana i Kristy, nitory ny vaovao mahafaly milaza fiadanana, ary fiadanantsika. (Fanamarihan’ny mpandika teny)}. Ny ran’i Kristy teo amin’ny hazofijaliana no nanaovany fampihavanana (Kolosiana 1. 20); tonga Izy nitory ny teny soa mahafaly milaza fihavanana (Efesiana 2. 17); Izy no fihavanantsika (Efesiana 2. 14).

Io koa dia manambara ny fiombonana. Misy anjaran’Andriamanitra: ny ra sy ny jabora; anjaran’ireo mpisorona: ny sorony sy ny tratrany; farany, anjaran’ilay mpivavaka sy ireo olona nasainy: ny ambin’ilay sorona. Araka ny 1 Korintiana 10. 18, izay nitondra fanati-pihavanana dia naniry ny hiombona tamin’ny alitara. Dia toy izany koa, amin’ny Fanasàn’ny Tompo isika dia miombona amin’Andriamanitra momba ny sorona nataon’ny Zanany; miombona amin’ny vatana sy ny ran’i Kristy nomena ho antsika; maneho ny fiombonantsika samy isika amin’ny fizaràna ny mofo iray ihany.

Fanatitra fisaorana sy fanatitra fiadanana {Jereo ny naoty etsy aloha} ary fanatitra fiombonana ny fanati-pihavanana: fanatitra an-tsitrapo manome hanitra ankasitrahina. Nidika izany fa nisy ny fandinihan-tena manokana teo anoloan’Andriamanitra: “Ny tanany ihany no hitondra …” (Levitikosy 7. 30). Ireo izay mahafantatra fa voavela ny helony noho ny asan’ny Tompo Jesoa, ary mahatsapa, na dia kely aza, fa nohasoavina maimaimpoana ao amin’ny Malala, ankasitrahina ao Aminy, ireo ihany no afaka manolotra ny fanati-pihavanana sy manatanteraka ny fiombonan’ny mpirahalahy. Tsy mba manana anjara amin’izany ireo izay tsy nandray Azy ho Mpamonjy azy manokana. Tsy ho azony atao ny mandray anjara —tsy milaza izahay hoe ny manatrika— amin’ny fanompoam-panahy anaterana fisaorana, ary indrindra indrindra amin’ny Fanasàn’ny Tompo.


1 Ny anjaran’Andriamanitra

Araka ny mahazatra, ny fanatitra dia tsy tokony hisy kilema.

Ny ra dia nafafy manodidina ny alitara. Na dia tsy momba ny famelàn-keloka na ny fanekena aza, ny ran’i Kristy dia mihazona mandrakariva ny lanjany eo anatrehan’Andriamanitra, na inona na inona lafiny ijerena ny asan’ny Zanany. Izy {i Jesoa Kristy} no fototra mandrakizay isian’ny fifandraisantsika aminy {amin’Andriamanitra}.

Ny jabora dia nodorana tanteraka teo ambony alitara. Io no manambara ny zavatra ankasitrahin’Andriamanitra ao amin’i Kristy: ny hery anaty, ny fanoloran-tena hatramin’ny fahafatesana, mba hanatanteraka ny sitrapony: “Aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.” Ambaran’ny Jaona 10. 17 ny antony: “Izany no itiavan’ny Raiko Ahy, satria Izaho manolotra ny aiko.” Andriamanitra irery ihany no afaka mandanjalanja marina io fanoloran-tenan’ny Zanany hatramin’ny fahafatesana io. Mibanjina Azy isika, mitsaoka, faly fa amin’io asa io dia misy anjara manokana ho an’Andriamanitra.

Ny Levitikosy 7. 22-27 dia manoritra fa tsy tokony hisy Israelita mihinana na ny ra na ny jabora. Tsy afaka ny hiditra amin’ny “zava-miafina ny amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra” (1 Timoty 3. 16) isika, dia Andriamanitra naseho teo amin’ny nofo, ny Tompo Jesoa Izay tonga olona mba ahazoany manolotra ny tenany (Hebreo 10. 10) ho fanatitra sy handatsaka ny rany. “Tsy misy mahalala tsara ny Zanaka, afa-tsy ny Ray” (Matio 11. 27). Ny hasarobidy tsy manam-paharoan’ny rany sy ny Tenany dia tsy ho takatry ny voary mihitsy.


2 Ny anjaran’ireo mpisorona

Ny tratrany, nentina niaraka tamin’ny jabora, dia nahevaheva teo anatrehan’i Jehovah, ary nohanin’i Arona sy ireo zanany, nony avy eo. Ny tratra dia manambara amintsika “ny fitiavan’i Kristy, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra”, araka ny vavaka ao amin’ny Efesiana 3. 19. Amin’ny maha-mpisorona antsika isika dia antsoina hivelona amin’io fitiavan’i Kristy io, “hahafantatra tsara”, miaraka amin’ny olo-masina rehetra, “ izay sakany sy lavany ary haavony sy halaliny”, ary hahalala ny fitiavan’Ilay afaka niteny hoe: “Tsy foiko ny tompoko sy ny vadiko ary ny zanako” (Eksodosy 21. 5). Fitiavan’i Kristy ny Rainy, ny vadiny —dia ny Eglizy—, ny olom-boavony tsirairay. Rehefa mivelona amin’izany fitiavana izany isika, dia ho fenon’ny fahafenoan’Andriamanitra. Tsy ho fantatsika tanteraka nefa io fitiavana io, na oviana na oviana, satria “mihoatra noho ny fahalalana rehetra”! Izany koa no ilay jabora dorana eo amin’ny alitara.

Ny sakafo dia mamboatra ny olona anaty; izay hanintsika dia manjary isan’ny tenantsika. Rehefa fenon’ny fitiavan’i Kristy ny olom-boavotra, dia tonga manahaka Azy. “Tahaka ny nitiavan’ny Ray Ahy no nitiavako anareo; tomoera amin’ny fitiavako ianareo” : izany no mifandraika amin’ny mihinana ny soroky ny fanati-pihavanana. Dia manampy ny Tompo hoe: “Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo” (Jaona 15. 9, 12). Raha mivelona amin’ny fitiavan’ny Tompo isika, mamaka sy miorina ao Aminy, mitoetra ao Aminy, dia ho afaka hifankatia.

Ireo mpisorona dia nihinana tamin’ny fanatitra hohanina koa, izay nampiarahina tamin’ny sorona (7. 12). Io dia manambara amintsika momba ny fizotran’i Kristy. Ny hoe mivelona amin’izany, araka ny efa hitantsika, dia ny mahafantatra lalina ao am-po manokana hoe nanao ahoana ny nizoran’i Kristy tetỳ an-tany. Rehefa feno Azy toy izany isika, dia ho voavoatra ao anaty mba “handeha toy izay nandehanany koa” (1 Jaona 2. 6). Mitia tahaka ny nitiavany antsika, mandeha tahaka ny nandehanany, izany no anjaran’ny “mpisorona” [<cbib> io. Supprimer le présent "crochet" et l’espace qui le suit.] : mpino tsy mianina amin’ny hoe faly satria voavonjy, manana fihavanana amin’Andriamanitra, mahatsapa ny fiahiany sy ny fitahiany, fa koa manao am-po izay rehetra tokony ho an’Andriamanitra, izay iriny, izay tadiaviny:

Inona no zava-manitra sarobidy sy tsy misy fangarony

Azon’ny olonao atolotra Anao, ho setrin’izany?

Tsy ny fitiavanao ve, Jesoa,

No hanitry ny fideranay?

Ny sorony havanana koa dia anjaran’ny mpisorona. Io soroka io, aloha, dia mampahatsiahy antsika ny hery sy ny fahefana (jereo Eksodosy 28. 12; Lioka 15. 5). Izany no vavaka ao amin’ny Efesiana 1. 17-20: “… mba ho fantatrareo … ny fihoaran’ny halehiben’ny heriny ho antsika izay mino, araka ny fiàsan’ny herin’ny faherezany, izay nataony tao amin’i Kristy tamin’ny nananganany Azy tamin’ny maty”. Toy inona ny hery tsy maintsy asehon’Andriamanitra mba hisintonana fanahy iray tsy ho azon’i Satàna sy izao tontolo izao, ka hahatonga azy ho zanany! Izany hery izany ihany koa no niasa tao amin’i Kristy mba hitsanganany avy tao amin’ny maty. Ny manonona fehezan-teny iray dia tsy manome aina, tsy akory ; fa ny mihinana ny “nofony” sy misotro ny “rany” (Jaona 6. 54), izany hoe mino tanteraka an’ilay Kristy maty, dia mila ny fiasan’ny herin’Andriamanitra manontolo, ahazoana mandray ho an’ny tena manokana, amin’ny finoana, ireo hatsaran’io sorona io.

Fa raha jerentsika amin’ny lafin’i Kristy Izy tenany ilay soroka havanana, sady ampiarahintsika amin’ny 1 Samoela 9. 24, dia ho hitantsika amin’izany ny anjaran’i Kristy manokana, ilay anjara tsara voatokana ho an’Ilay ambonin’ny zavatra rehetra. Nanome ny rany Izy ary nanolotra fanatitra lavorary (and 33); nankatò hatramin’ny fahafatesana Izy, ka nahazo anarana ambonin’ny anarana rehetra; mipetraka eo ankavanan’ny Mpanjaka Izy, any an-danitra; ho eo an-tsorony ny fanapahana; ary handohalika eo anoloany ny lohalika rehetra.


3 Ny anjaran’ilay mpitsaoka

Inona moa ny anton’ny nanoloran’ny Israelita iray fanati-pihavanana? Ho fanati-pisaorana na fanati-panalàmboady, hoy ny Levitikosy 7. 12, 16: izany hoe ho vali-na fitahiana noraisina, herin’ny fanoloram-panahy ho an’Andriamanitra. Tsy ny hahazo zavatra iray, izany: tsy hoe mba havela heloka na hankasitrahina, fa hitondra ny fankasitrahan’ny fo efa nandray ny fitahiana avy amin’Andriamanitra. Izany no tena votoatin’ny fanompoam-panahy. Mety hiorina isika, mivoaka avy amin’io fanompoam-panahy io, mety hiha-mahery, hahazo fampiononana, saingy tsy izany velively no tanjona: ny tanjona dia ny hitondra ho an’Andriamanitra izay iriny, hiresaka Aminy momba ny Zanany malalany. Ary amin’izany, dia tsy misy faneriterena, toy ny hatao-na mpanjaka tsy refesi-mandidy amin’ny olony! Andriamanitra dia tsy manery antsika haneho ny fankasitrahantsika Azy sy hidera Azy, na dia izany indrindra aza no anton’ny namonjeny antsika. Ny Ray dia mitady mpivavaka aminy {Jereo Jaona 4. 23.}, mpanota voavela heloka ka lasa zanany, ary faly mampahatsiahy eo anoloany ny asa sy ny Tenan’Ilay namonjy azy {Jereo Lioka 17. 16-18.}.

Ny fanatitra dia mety ho biby fiompy lehibe na madinika, zanak’ondry na osivavy. Tsy mitovy avokoa ny fanombanan’ny olona ny asan’i Kristy, amin’ny lafiny ara-panahy; nefa raha mbola i Kristy ihany koa no aseho, dia misy ny anjaran’Andriamanitra, ary misy ny sakafo ho an’ilay mpitsaoka sy ho an’ireo olona nasainy, na dia tsy nitondra na inona na inona aza izy ireo: “Ny amin’ny hena, dia izay madio rehetra no mahazo mihinana azy” (Levitikosy 7. 19).

Nametraka ny tanany teo ambony lohan’ny sorona ilay Israelita, ary niombona taminy. Amin’ny fanatitra dorana manontolo, izany dia anambaràny fa io sorona lavorary io irery ihany no azo ankasitrahina hisolo toerana azy; izany hoe nifindra ho amin’ilay mpitsaoka ny fahamendrehana ananan’ilay fanatitra. Ny halavorarin’ny asan’i Kristy no hitan’Andriamanitra ao amintsika. Amin’ny fanatitra noho ny ota, rehefa nametraka ny tanany teo ambony lohan’ilay biby ilay olo-meloka, dia nametraka ny fahotany ho eo ambonin’io sorona madio io: nifindra ho amin’ilay sorona ny fahadisoan’ilay mpanota.

Fa amin’ny fanati-pihavanana kosa, dia am-pankasitrahana lalina sy fahatsapana hoe efa vita fihavanana no ametrahan’ilay mpitsaoka ny tanany eo ambony lohan’ny sorona. Tsapantsika fa efa novalian’i Kristy tanteraka izay rehetra takian’Andriamanitra (fanatitra lahy) sy izay rehetra ilaintsika (fanatitra vavy), vita fihavanana amin’Andriamanitra isika; noho izany dia ifaliantsika ny asa lavorary natao teo amin’ny hazofijaliana. Araka ny efa voalaza, dia ampy ho antsika i Kristy, amin’izay maha-isika antsika sy amin’izay tsy feno eo amintsika. “Ny amin’ny Vatolampy, tanteraka ny asany” (Deoteronomia 32. 4). “Izy no fihavanantsika” (Efesiana 2. 14). Fa izay rehetra naha-Izy an’i Kristy sy izay rehetra nataony, dia nankasitrahin’Andriamanitra tsy nisy fepetra; ary ao amin’izany no ananantsika fiombonana.

Ilay mpitsaoka ihany no namono ny sorona: fihetseham-po lalina amin’ny fahatsapana fa raha toa vita ny fihavanana, dia noho ny rany teo amin’ny hazofijaliany; izany no fiombonana amin’ny ran’i Kristy (1 Korintiana 10). Rehefa nodorana ho hanitra ankasitrahina teo ambony alitara ny jabora, dia azo nohanina ilay sorona. Manolotra, aloha, vao mihinana.

Niaraka amin’ny sorona, dia nisy fanatitra hohanina (7. 12). Tsy azo sarahina amin’ny fahafatesan’i Kristy ny fiainana lavorary niainany; amin’ny fisaorantsika isika matetika dia manambara ny halavorarin’ny fiainany, mifamatotra amin’ny nanolorany ny tenany teo amin’ny hazofijaliana. Ny jaboran’ny fanati-pihavanana dia nodorana teo ambonin’ny fanatitra dorana manontolo. Amin’izany dia hitantsika miaraka ireo fanatitra telo ho hanitra ankasitrahina, mampahatsiahy amintsika fa na misy sorona samihafa aza, dia “fanatitra iray ihany” no asehon’izy rehetra.

Zavatra nahagaga, fa tsy maintsy nanao fanatitra mofo misy masirasira koa, niaraka tamin’ny fanati-pisaorana (and 13). Tsy nodorana teo amin’ny alitara ireo mofo ireo, fa ny iray tamin’izy ireo dia nohanin’ny mpisorona, ary ny sasany nohanin’ilay mpivavaka sy ireo olona nasainy. Ao amin’ny fanompoam-panahy isika dia mahatsapa ny fahalementsika, mahatsapa ny maha-izy antsika ao anatintsika ao. Mifanohitra amin’izany, ao amin’izay mampiseho an’i Kristy dia tsy misy masirasira azo nekena.

Ny hena dia tsy maintsy nohanina ny androtry ny nanolorana azy ho fanati-pisaorana ihany, ary raha ela indrindra, ny ampitso raha fanati-panalàmboady. Tsy azo sarahina amin’ny fanatitra ny fiombonantsika, raha tsy izany dia lasa maloto. Ireo vavaka tsara indrindra, ireo fihirana tsara indrindra atao ara-pahazarana, indrindra ny litorjia, dia mahatonga ny fanompoam-panahy ho manaraka fombafomba: zavatra tena ratsy eo imason’Andriamanitra izany.

Raha vao misaraka amin’ny sorona sy ny fahombiazany ny fanompoam-panahy ataontsika, raha vao misaraka amin’ny fahatsapana fa eken’ny Ray tsy misy fepetra i Jesoa, dia lasa fanompoana ara-nofo ihany, manaraka fombafomba, ary ho fahafinaretan’ny nofo. Amin’izay ny vavaka ataontsika dia mahonena indrindra, endrika ara-nofo fa tsy ilay fiombonana amin’ny Fanahy. Ratsy izany, tena faharatsiana” (J. N. Darby). Na ny fanambaràm-piderana ataontsika , na ny fiombonantsika amin’ny maha-mpirahalahy antsika, dia tsy azo sarahina na ampanalavirina amin’ny sorona: “Satria iray ihany ny mofo, dia tena iray ihany isika” (1 Korintiana 10. 17) ao amin’i Kristy. Toy inona ny mbola fanalavirantsika izany kokoa rehefa tsy fifanarahana, mba tsy hilazana hoe fifandirana, no tonga maka ny toeran’ny fahatsapana ny sorona! Tsy afaka ny hiara-mihinana amin’ny henan’ny fanati-pihavanana ny olona, raha tsy mahatsapa lalina ny sarany naloan’ny Tompo Jesoa tamin’ny nanolorany ny tenany ho an’Andriamanitra hisolo antsika, na tsy manatanteraka ny fihavanana eo amin’ny samy zanak’Andriamanitra (Matio 5. 24).

Ny amin’ny hena, dia izay madio rehetra no mahazo mihinana azy”; fa “ny olona izay misy fahalotoana” [<cbib> ireo roa ireo. Supprime ce "crochet" et l’espace qui le suit.] kosa, dia hofongorana tsy ho amin’ny fireneny. An’i Jehovah mantsy ny fanatitra. Tsy nanana anjara tamin’izany ny vahiny; izay tsy olom-boavotry ny Tompo dia tsy afaka mandray anjara amin’ny fanompoam-panahy sy mitondra fisaorana, indrindra moa ny hoe handray anjara amin’ny Fanasàn’ny Tompo. Nisy koa nefa, tena Israelita izay mety naloto. Inona no hatao? Tsy sahy nihinana tamin’ny fanati-pihavanana izy, nefa nisy ihany vahaolana natolotra: ny Levitikosy 22. 6 dia mampiseho fa tsy maintsy nandro tamin’ny rano io olona maloto io; “Rehefa milentika ny masoandro, dia hadio izy, ka vao izay no mahazo mihinana amin’ny zava-masina.” Anterin’ny 1 Korintiana 11 amintsika ny fampiharana izany fampianarana izany, ankehitriny: “Aoka ny olona hamantatra ny tenany, dia aoka izy hihinana” (and 28). Tsy hoe minia tsy mandray ny Fanasàn’ny Tompo, fa mamantatra ny tena, ary dia mihinana amin’ny maha-izy ny tena. Izay nanao fahadisoana ihany —indrindra fa fahalavoana lehibe izay nanapaka, tsy ny fiombonana manokana tamin’Andriamanitra ihany, fa koa ny fiombonana amin’ny fiangonana teo amin’ny Latabatry ny Tompo— no tsy afaka nihinana tamin’ny zava-masina, raha tsy taorian’ny filentehan’ny masoandro. Tamin’io andro io dia azo lazaina hoe voasarona ny fahazavana mamirapitra eo amin’ny tavan’Andriamanitra. Voarina ilay nanota, afaka nihinana, saingy tsy eo amin’ny fahazavana feno intsony. Aoka nefa hotsaroantsika fa aorian’ny fanarenana tanteraka, dia misy andro vaovao miposaka, tsy noho ny zava-mendrika iray ao amintsika, fa noho ny asa lavorary nataon’Ilay nanatanteraka ny zavatra rehetra.

Farany, aoka hotsahivina koa fa, araka ny Filipiana 3, dia “manompo amin’ny Fanahin’Andriamanitra” (and 3) isika. Tsy maintsy manana ny Fanahy Masina, izany, vao afaka manao fanompoana (Efesiana 1. 13). Tsy tokony hampalahelovina koa io Fanahy io, satria ahoana moa no hitarihany antsika ho amin’ny fitsaohana, raha izany? “Raha toa amin’ny alalan’ny Fanahy no anaovana fanompoana sy iombonana, ny hany afaka mandray anjara dia ireo izay manana ny Fanahin’i Kristy, ary tsy nampalahelo io Fanahy io ihany koa. Fa raha tsy izany, dia tsy hisy mihitsy ny fiombonana amin’ny Fanahy, noho ny fahalotoana entin’ny ota” (J. N. Darby).

Fehinkevitra


1 Fanati-panahy

Ny fanati-panahy ankehitriny dia “vokatry ny molotra” misaotra ny Anarany (Hebreo 13): vavaka fisaorana sy hira fiderana.

Maro ireo tonon-kira mampiseho ny iray na ny iray hafa amin’ireo fanatitra.

Ny toetran’ny fanatitra dorana manontolo, ohatra, dia voalaza amin’izao teny izao:

Nidina avy any an-danitra Ianao, hanolo-tena ho fanatitra,

Ary tamin’ny alalanao irery

No nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra:

Ny fahamasinany, ny fitiavany, ny fahamarinany,

Ny hazofijalianao, Jesoa, no nampamirapiratra izany.

(Hira fiderana sy fisaorana 14. 2).

Vitsivitsy ihany ny hira toy izany.

Ny fanatitra hohanina, ny fiainana lavorary niainan’ny Tompo Jesoa, dia aseho amina tonon-kira toy izao:

Fitiavana faratampony, fahasoavana tsy misy fetra!

Hitanay Ianao, ry Olona Izay Andriamanitra,

Nanomboka teo amin’ilay fihinanam-bilona mahantra

Ka hatramin’ny nialana aina,

Nanaraka io lalanao feno fijaliana io.

Mpivahiny Ianao, nankahalaina tetỳ an-tany,

Ary nilaozan’ny olona, na dia ireo olonao aza.

Farany dia nosotroinao ilay kapoaka mangidy

Tao Getsemane.

(Hira fiderana sy fisaorana 45. 3)

Hita matetika lavitra kokoa ny hira maneho ny fanatitra noho ny ota. Ohatra:

Endrey! Nitambesatra taminao tokoa,

Taminao irery, tamin’iny ora maizina iny,

Ny fandaozana, ny tebiteby ary ny horohoro

Noho ireo otanay tsy tambo isaina!

(Hira fiderana sy fisaorana 42. 2)

Na koa ity:

Ry Mpamonjy nosatrohan-tsilo,

Nikoriana teo amin’ny hazofijaliana ny ranao,

Ary ny fahatezeran’Andriamanitra

Nitambesatra tanteraka taminao!

(Hira fiderana sy fisaorana 136. 2)

Momba ny fanati-pihavanana, dia matetika isika no mihira tonon-kalo milaza ny fitsaharana hita ao amin’ny asan’i Kristy, ny fihavanana nataony, ny fiombonana misy eo amin’Andriamanitra sy isika:

Ry Zanak’ondry, sorona fanavotana!

Banjininay ny famindràmponao,

Ny fahafatesanao ary ny fandresenao

Ho anay, izay vahoaka navotanao.

Manodidina ny Latabatrao

No ankalazan’ny fonay ny fitiavanao.

(Hira fiderana sy fisaorana 24. 1)

Na koa ity hira hafa ity:

Ianao, Jesoa, ny fahasoavanao,

Ny hazofijalianao, ny ranao sarobidy,

Ny fijerin’ny tavanao,

No mahatonga anay ho voamarina sy sambatra!

Miadana ny fanahinay, miankina

Aminao, ry Mpamonjy malala!

Ianao no nanao, no loharano, no antony

Nahatonga izao fahasambaranay tsy manam-pahataperana izao.

(Hira fiderana sy fisaorana 40)

Aoka isika hieritreritra ny dikan’ny hira, rehefa maneho ny fiderana eo anatrehan’Andriamanitra. Ny mihira amin’ny saina dia hanampy antsika hiditra amin’ny lafiny samihafa amin’ity asa mahatalanjona ity, tsy manam-paharoa ary ho mandrakizay: ny fanolorana ny tenan’i Jesoa Kristy, natao indray mandeha tsy miverina.

Fifaliana ho an’ny olom-boavotra ary tombondahiny manokana, ny mihira. Omen’ny 2 Tantara 29 antsika ny fototr’izany: “Raha vao natomboka ny nanaterana ny fanatitra dorana (manontolo), dia natomboka koa ny fihirana ho an’i Jehovah… Ary ny fiangonana rehetra niankohoka, ary ny mpihira nihira, … mandra-pahavitan’ny fanatitra dorana (manontolo)” (and 27-28). Tsy ho nisy fihirana mihitsy, raha tsy nisy fanatitra dorana manontolo. Niaraka tamin’ny fanatitra no nanombohana ny hira fiderana. Tsy ho foana mandrakizay eo imason’Andriamanitra ny hasarobidin’ny fanatitra dorana manontolo, ary tohizana ilay hira, mandra-pahavitan’ny fanatitra dorana manontolo. Marina fa indray mandeha tsy miverina ihany i Kristy no natolotra, kanefa kosa, eo imason’Andriamanitra, ny sorona nataony dia hiakatra mandrakizay ho hanitra ankasitrahina. Ny hira fiderana dia hohiraina , tsy mandritra ny fiainantsika eto an-tany ihany, fa:

Mba hanandratana Anao, ry Zanaky ny Ray,

Ny hiran’ny lanitra sy ny tany

Dia hiakatra avy ao amin’ny fitoerana masina

Ho mandrakizay.

(Hira fiderana sy fisaorana 169. 1)


2 Ny fanjakà-mpisorona

Ireo toko ao amin’ny Levitikosy ireo dia nampiseho antsika ny fomba nanateran’ny Israelita fanatitra ho an’Andriamanitra. Azontsika fa ankehitriny isika, izay vato velona, natsangana ho trano fanahy, dia fisoronana masina hanolotra fanati-panahy ankasitrahin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy (1 Petera 2. 5). Teo ambany lalàna dia azo natao ny nanolotra ho an’Andriamanitra izay notakiany sy ny nihinana ireo sorona ; fa lehibe noho izany ny anjaran’ny kristiana. Tsy azo lavina fa ny zavatra lehibe indrindra dia ny manolotra fanati-panahy ho an’Andriamanitra : mitsaoka Azy noho ny maha-Izy Azy, misaotra Azy noho ny zavatra rehetra nataony ho antsika ; manaraka izany dia mifaly manoloana ny tavany ary mivelona amin’ny fitiavana tsy mety ritra nomen’ny Zanany.

Kanefa teo ambany lalàna, izay vanim-potoanan’ny “efitry ny fisarahana” (Efesiana 2. 14), vanim-potoanan’ny “valan’ondry” (Jaona 10. 1), dia tsy fantatr’i Israely ny atao hoe fanjakà-mpisorona. “Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, fanjakà-mpisorona, firenena masina [Cette paire de doubles quotes en rouge fait partie de la <cbib> et est donc à laisser telle quelle. Supprimer ce "crochet" et l’espace qui le précède.], olona nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany, mba hilazanareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga » (1 Petera 2. 9). Ny manolotra fanati-panahy ho an’Andriamanitra, izany, no voalohany amin’ny tombondahintsika, nefa asaina ihany koa isika hilaza amin’ny hafa ny hatsaran’Ilay niantso antsika hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga. Rehefa mivoaka avy ao amin’ny toerana masina isika, dia ho afaka hampahafantatra an’izao tontolo nakana antsika izao, hoe avy io fahasoavana sitrahintsika io, io fitiavana io, io fahazavana io.

Izany no mampiavaka io fahasoavana io, fahasoavana tsy voafetran’inona na inona, fa mivelatra hatrany am-paran’ny tany, araka ny teny fampanantenana natao tamin’ny Tompo Jesoa Izy tenany mihitsy, tamin’ny alalan’ny feo faminaniana hoe : “Mbola zavatra kely foana, raha tonga Mpanompoko hanandratra ny firenen’i Jakoba Ianao, sy hampody ny Israely sisa voaro ; fa homeko ho fanazavana ny jentilisa koa Ianao, mba ho famonjeko hatrany amin’ny faran’ny tany” (Isaia 49. 6).

Enga anie isika hahatanteraka ny fihevitr’Andriamanitra, ka hanolotra ny fanati-panahy sy hivelona amin’i Kristy, ary, etsy andaniny, hanambara amin’ny manodidina antsika ny asa mahagaga ataon’ny fahasoavany.

Dos de couverture

Ny fanatitra iray ihany no efa nahatanterahany ho mandrakizay izay olona hamasinina… tamin’ny nanaterana ny tenan’i Jesoa Kristy indray mandeha” (Hebreo 10. 14, 10).

Io “fanatitra iray ihany” io dia misy lafiny samihafa, ary ireo “sorona samihafa” ao amin’ny Levitikosy 1 hatramin’ny 7 sy Deoteronomia 16 dia mampiseho amintsika ny dikany, amin’ny fampiasana sary an’ohatra.

Ny fanatitra dorana manontolo dia natolotra tanteraka ho an’Andriamanitra teo ambony alitara: “Kristy … nanolo(tra) ny tenany ho fanatitra sy ho fanavotana amin’Andriamanitra, ho hanitra ankasitrahina” (Efesiana 5. 2). Toy ireo roa manaraka, io dia fanatitra ho“hanitra ankasitrahina”.

Ny fanatitra hohanina dia mampiseho ireo halavorarin’i Kristy teo amin’ny fiainany sy tamin’ny nahafatesany: Olona tonga lafatra manatanteraka amin’ny lafiny rehetra ny sitrapon’Andriamanitra.

Tamin’ny fanati-pihavanana, na fanatitra noho ny fitahiana, dia nisy anjara ho an’Andriamanitra, izay natolotra teo amin’ny alitara, anjara ho an’ny mpisorona, ary anjara ho an’ilay mpivavaka sy ireo olona nasainy. Ny lazainy amintsika dia momba ny fiombonan’ny mpino amin’Andriamanitra, sy ny fiaraha-miombon’ny samy mpino, amin’ny fahafantarana ny lanja sy ny zavatra raketin’io sorona io, izay hiveloman’ny fanahin’ny olom-boavotra sady fototry ny fitsaohany.

Ny fanatitra noho ny ota sy ny fanati-panonerana dia setrin’ireo fahadisoana manokana na niarahana: “Izy (Kristy) … nitondra ny fahotantsika tamin’ny tenany, teo ambonin’ny hazo” (1 Petera 2. 24). “Fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy” (Romana 5. 8).

Aorian’ny fanatitra tsirairay, dia averina hatrany fa “Havela ny helony.”