Rehefa manota ny mpino iray

Ny fahotako dia maniratsira an’Andriamanitra

Ny fahotako dia manaisotra ny fifaliana amin’ny fiombonana amin’ny Ray

Ny fahotako dia mampihataka ahy amin’ireo zanak’Andriamanitra hafa

Ny fahotako dia mahatonga ahy iharan’ny fifampifehezana ao amin’ny fiangonana

Ny fahotako dia manimba ny fijoroana ho vavolombelona ho an’ny Tompo Jesoa

Ny lalana iverenana


Maro ny mpino, na dia ireo tena mbola tanora aza, no mahalala tsara ity andinin-tSoratra Masina ity: “Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy [Andriamanitra], ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra” (1 Jaona 1. 9). Manohina ny fontsika tokoa io andininy io, satria mametraka eo anoloantsika ny famindràmpo azon’Andriamanitra arotsaka amintsika, amin’ny fanadiovany antsika noho ny “ran’i Jesoa Zanany” (1 Jaona 1. 7).

Na izany aza, nefa, dia hitantsika amin’izao andro iainantsika izao, fa miha-mahazo vahana kokoa hatrany eo anivon’ny kristiana ny fanamaivanan-javatra, raha ny momba ny fiheverana ireo fahotana sy ny tokony hatao amin’izany no jerena. Tsara ny mahatsiahy indray ny zavatra miseho rehefa manota isika.

Ny fahotako dia maniratsira an’Andriamanitra

Lafiny tena zara raha heverina io. Aoka tsy hohadinoina fa niditra teto amin’izao tontolo izao ny ota, satria naleon’ny olona nihaino ny laingan’ny devoly toy izay ny fanambaràn’ny Andriamaniny sy Mpahary azy. Araka izany, ny olona, izay noarìna tahaka ny endrik’Andriamanitra, dia nino ampahibemaso —teo anatrehan’Andriamanitra, teo anatrehan’ny devoly, ny anjely ary ny voary manontolo— fa Andriamanitra dia tsy fahazavana na fitiavana. Nanoso-kevitra tokoa mantsy ny devoly hoe nandainga Andriamanitra ary tsy nitady izay hahasoa ny olona. Koa dia nahita ny mangidy ny olona, nanandrana ny atao hoe fahalalana ny tsara sy ny ratsy (Genesisy 3. 5), ary ninia nifidy ny ratsy. Araka izany izy dia naniratsira sy nanohintohina ny voninahitr’Ilay Andriamanitra Masina indrindra, Izy “Izay madio maso, ka tsy te hitsinjo ny ratsy” (Habakoka 1. 13). Ary fahotana iray ihany no nanaovany izany; io fahotana tokana io dia ampy nahavoaroaka ny mpivady voalohany, dia Adama sy Eva, avy tao amin’ny saha Edena, tsy ho eo anatrehan’Ilay Andriamanitra Mpahary.

Inona ankehitriny no azon’io olona efa naniratsira an’Andriamanitra io atao, mba hahazoany ny fanavotana noho ny fahotany, mba hahavoafafa izany? Isika rehetra dia tsy maintsy tonga amin’ilay fahatsapana mangidy, hoe tsy misy na inona na inona ao anatintsika ao, afaka hamafa ny fahotantsika, sy hoe isika dia tsy afaka hanolotra ho an’Andriamanitra zavatra azony ankasitrahina, na inona na inona. Ny Andriamanitsika dia afo mandevona, tsy toy ny andriamanitry ny jentilisa, izay miandry sakafo aterina eo amin’ny alitarany isan-kariva, mba tsy hirehetan’ny fahatezerany amin’izy ireo. Matetika nefa isika no mandray Azy ho toy izany; ka amin’izany isika dia vao mainka maniratsira Azy. Hamaivanintsika ny asa nataon’ny Tompo Jesoa raha tonga tetỳ an-tany Izy. Natao ota [Izy] hamonjy antsika, mba hahatonga antsika ho fahamarinan’Andriamanitra ao Aminy (2 Korintiana 5. 21). Mba azontsika an-tsaina ve fa noho ny fahotana iray monja ataontsika —na dia amin’ny maha-mpino antsika aza— dia tsy maintsy nidina tetỳ an-tany ny Tompo Jesoa mba ho faty teo amin’ilay hazo mahatsiravina tao Golgota, toy ny voaozona, nafoin’Andriamanitra, notorotoroina, nokapohin’Andriamanitra sy nampahoriana? Natao ota ho ahy Izy, noho io fahotana tokana io! Raha tsapako ve izany, dia mbola ho azoko eritreretina ihany ny hoe hanota aloha aho, fa avy eo dia “hamafa izany” haingankaingana amina fialan-tsiny aloaky ny vavako, ka tsy hahatsiaro akory hoe zava-doza eo anoloan’Andriamanitra ny nataoko?

Ny fahotako dia manaisotra ny fifaliana amin’ny fiombonana amin’ny Ray

Raha tsy mankatò ahy ny zanako, dia mbola zanako ihany izy, saingy foana kosa ny fifaliana teo aminay. Izany no zava-misy eo amin’ny ray sy zanaka maneran-tany.

Any amina foko maro any Afrika, rehefa manala baraka ny rainy ny zanaka, dia tsy ampy ny miala tsiny amina fehezanteny mahafinaritra. Arakaraka izay kolontsaina, io zanaka io dia tsy maintsy mitondra sorona mba hamaly ny fitakian’ny rainy. (Izany moa nefa dia mifanohitra amin’ny finoana kristiana, satria fantatsika fa ny sorona nataon’ny Tompo Jesoa no hany azon’Andriamanitra ankasitrahina; vakio ny boky “Sorona iray ihany”, natontan’ny CPE any Abidjan.)

Ireo hevitra roa ireo dia kisarisary maivana ihany maneho kely izay mitranga eo amiko sy ny Raiko, rehefa manao fahotana —na dia iray monja aza— aho. Tsy hiverina ny fifaliana amin’ny fiombonana amin’ny Raiko raha tsy efa avy niaiky an-kitsimpo ny heloko aho. Ary io fiekena io dia tsy maintsy mampiseho toetran’ny fo mitomany satria nanao tsinontsinona ny zon’ny Andriamaniny sy ny Mpamonjiny, fa tsy hianina fotsiny amina fehezanteny fialan-tsiny tononina maivamaivana.

Talohan’ny nanoratany ilay andininy diso fantatra hoe: “Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy [Andriamanitra], ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra” (1 Jaona 1. 9), dia efa nilaza ny apostoly Jaona hoe: “Ny firaisanay dia amin’ny Ray sy amin’i Jesoa Kristy Zanany. Ary izao zavatra izao no soratanay, mba ho tanteraka ny fifaliantsika” (1 Jaona 1. 3-4).

Mitera-doza ny tsy niekeko ilay fahadisoako: hihazatra amin’ny fahotana aho, hihazatra amin’ny tsy fisian’ilay fifaliana hitako taloha tamin’ny fiombonako amin’ny Ray sy ny Zanany, hiha tsy ho tohina amin’izay manala baraka ny Tompoko sy ny Raiko aho, hihen-danja isan’andro isan’andro ny fijoroako ho vavolombelona. Farany, toa an’i Demasy, rehefa manalavitra an’Andriamanitra etỳ ivelany koa aho, dia hankany amin’izao tontolo izao.

Ny fahotako dia mampihataka ahy amin’ireo zanak’Andriamanitra hafa

Zava-dehibe iray hafa koa dia ity: “Raha hoy isika: Manana firaisana aminy isika, kanefa mandeha amin’ny maizina, dia mandainga isika, ka tsy manao ny marina. Fa raha mandeha eo amin’ny mazava isika, tahaka Azy eo amin’ny mazava, dia manana firaisana isika1” (1 Jaona 1. 6-7).

Hitantsika fa ny fandehanana amin’ny mazava dia mifamatotra lalina amin’ny fiombonan’ny samy zanak’Andriamanitra, indrindra ao amin’ireo epistily nosoratan’ny apostoly Jaona. Mora azo izany, satria ny zanak’Andriamanitra dia tsy afaka hankasitraka izay fahotana ataona rahalahiny, ka tsy maintsy hananatra azy. Fa raha tsy mihaino ity rahalahiny, dia hihataka amin’ilay fiombonana tsara ao amin’ny ankohonan’Andriamanitra, rehefa afaka fotoana fohy. Tsy fiangonana iray ihany no ho voakasik’izany, fa ireo zanak’Andriamanitra any amin’ireo anaram-piangonana koa. Tsy azontsika ekena ny fahotana ataona anabavy ao amin’ny Tompo, satria hoe tsy miray fiangonana amintsika izy. Dia toy izany koa, ny fahotana ataona rahalahy miray fiangonana amintsika dia mety handavo zanak’Andriamanitra any amin’ireo anaram-piangonana.

Koa raha misy olona te hiverina ao amin’ny Tompo rehefa avy nanota, dia tsy maintsy manarina ny vokatry ny fahotany izy eo anoloan’ireo zanak’Andriamanitra, na dia izay miangona any an-toeran-kafa aza, raha ilaina izany.

Ny fahotako dia mahatonga ahy iharan’ny fifampifehezana ao amin’ny fiangonana

Misy endrika maro, ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ny fifampifehezana ampiharin’ny fiangonana mivory amin’ny Anaran’ny Tompo Jesoa. Izany dia miantomboka amina hetsika ataon’ny mpiandry, toy ny fanarenana rahalahy tsy niambina ka azo-na fahotana tsy nahy (jereo Galatiana 6. 1). Manaraka izany, dia tsy maintsy anarina ireo izay tsy mitoetra tsara (1 Tesaloniana 5. 14); ary atao koa, raha ilaina, ny fananarana ampahibemaso (1 Timoty 5. 20). Farany, raha toa tsy nahatafaverina ilay nanota ireo hetsika rehetra nataon’ny mpiandry, dia tsy maintsy avoaka eny ivelany toy ny mpanao ratsy izy, izany hoe toy ny olona mitondra tena tahaka izay “naka tanteraka ny endriky” ny fahotana ataony.

Inona no tanjona tsy maintsy ampiharan’ny fiangonana ny fifampifehezana? Voalohany, dia satria izy tsy maintsy mitandro ny fahamasinan’ny Tompo sy ny Latabany. Tsy azo atao ny miseho eo anatrehan’ny Tompo miaraka amina fahotana, ka handray anjara amin’ny famakiana ny mofo (jereo Malakia 1. 7; 1 Korintiana 10. 20-22; 1 Korintiana 11. 27-32). Na dia tany amin’ny Testamenta Taloha aza, ny biby izay hatao sorona dia tsy maintsy nadio sy tsy nisy kilema; izany dia manambara amintsika ny fahadiovana sy ny halavorarin’ny zavatra atolotsika an’Andriamanitra. “Koa aoka isika hanatitra ny fanati-piderana amin’ny alalany ho an’Andriamanitra mandrakariva, dia ny vokatry ny molotra izay manaiky ny Anarany” (Hebreo 13. 15). Ny 2 Timoty 2. 19 sy 2. 22 dia mbola manamafy fa izay “manonona ny Anaran’ny Tompo” dia tsy maintsy miantso Azy “amin’ny fo madio”. Tsy azontsika atao ny mankeo anoloan’Ilay Mpamonjy Malalantsika, Izay sady Ilay Masina indrindra koa, miaraka amina fahalotoana sy fahotana tsy niekena. Ny mifanohitra amin’izany aza, ny fontsika manontolo dia tsy maintsy ara-dalàna eo imason’Andriamanitra —fa tsy ny vavantsika ihany.

Tanjona iray koa amin’ny fifampifehezana, dia ny hahazoana indray, raha azo atao, ilay olona iharan’izany. Noho ny fifampifehezana ampiharina, io olona io dia mety hanomboka hahatsapa fa tena eo amina lalana manala baraka ny Tompo sy mandoto ny fiangonana tokoa, hahatsapa koa fa ny vokatr’izany dia tsy hisy intsony ny fijoroany ho vavolombelona (ary ho very mihitsy aza ny fanahiny, raha olona tsy mpino izy). Raha mahazo ny haratsin’ny toerana misy azy izy, dia ho afaka miverina eo amin’ny Tompo (toy ilay mpanao ratsy tany Korinto: jereo 1 Korintiana 5 ary 2 Korintiana 2 sy 7).

Hisy fahatahorana masina an’Andriamanitra koa ao amin’ny fiangonana, aorian’ny nampiharana ny fifampifehezana, izay maneho ny fahamasinan’Andriamanitra manasazy ny ratsy (Asan’ny Apostoly 5. 11). Io fahatahorana io dia mifamatotra amin’ny fahatsapana ny fitiavan’ny Tompo sy ny zony, ka hiambina antsika tsy hanamaivana ny fahotana na hihevitra fa azo raisina ho tsy mahakasika ny fiangonana izany. Ny faharatsiana tsy notsaraina dia mandoto ny fiangonana manontolo: “ny masirasira kely dia mahazo ny vongana rehetra” (1 Korintiana 5. 6). Tsy maintsy nanaisotra “ny masirasira ela” ny Korintiana, mba ho tonga “vongana vaovao”.

Ny fahotako dia manimba ny fijoroana ho vavolombelona ho an’ny Tompo Jesoa

Ny fahotako dia ampahafantarako an’ireo rehetra mahita ahy (Andriamanitra, ny devoly sy ireo anjeliny, ny mpino, ary izao tontolo izao) fa tsy miraharaha an’Andriamanitra aho. Manjary miharihary fa mihaino ny devoly aho, ary manome azy ny tenako manontolo mihitsy aza. Asehoko fa tsy iainako ny hoe ny hazofijalian’ny Tompo Jesoa dia efa nampisaraka ahy tanteraka tamin’izao tontolo izao (Galatiana 6. 14). Araka izany aho dia mitovy amin’ilay vahoakan’Andriamanitra taloha, izay nolazain’i Paoly ao amin’ny Romana 2. 24 hoe: “Ianareo no itenenana ratsy ny anaran’Andriamanitra any amin’ny jentilisa.”

Aoka hotsarovantsika fa lainga iray ihany nataona mpivady mpino dia ampy nahafaty azy mivady (Asan’ny Apostoly 5). Tsy very ho mandrakizay tsy akory izy ireo, fa ny fijoroany ho vavolombelona kosa dia very ho mandrakizay, noho izy ireo niray endrika sy nifamatotra tamin’ny tanjona kendren’ilay mpandainga hatrany am-boalohany, dia ny devoly. Amin’ny fahotana, izany, no amotehantsika ny fijoroana ho vavolombelona ataontsika ho an’ny Tompo, mbamin’ny fijoroana ho vavolombelona vokatry ny Tenin’Andriamanitra torìna eo amin’izao tontolo izao manodidina antsika koa aza. Raha toa tsy izany no nataon’ny Fanahy tao amin’ny Asan’ny Apostoly toko faha-5, dia ho afaka nihevitra mihitsy aza ireo tsy mpino fa io fitondràntena io dia itovizan’izy ireo amin’ny kristiana, saingy tsy mitera-boka-dratsy ho an’ny zanak’Andriamanitra. Ary dia mbola toy izany koa no heverin’ny olona ankehitriny, rehefa manota tsy am-piheverana isika ka tsy mibebaka.

Ny lalana iverenana

Izany rehetra izany dia mampiseho mazava fa tsy afaka hanota tsy am-piheverana ny mpino, ary raha nanota izy, dia tsy maintsy hisy vokany. Fahotana iray ihany ataon’ny mpino dia mahatonga vokany mandoza, indrindra moa fa fiainana ao anaty fahotana (ohatra fahamamoana na fijangajangana). Ambonin’izany, mba azontsika an-tsaina ve fa fahotana tokana, amin’ny fijerin’Andriamanitra, dia ratsy arivo heny noho ny fahotana arivo, amin’ny fijerintsika ireo (J. N. Darby)? Ny Tompo Jesoa no nitondra ny vesatra tsy hay lazaina noho ny fahotantsika. Nitondra izany Izy ary tsy maintsy nifanehatra tamin’ny fitsarana hentitr’Ilay Andriamanitra antsoina hoe “Masina, masina, masina” ao amin’ny Isaia 6 —fa tsy izay fitsarana maivana sy ivelany fanaontsika tsy akory! Matetika loatra isika rehefa avy nanota dia tsy misy fihetseham-po afa-tsy fahatsapana tsotsotra hoe nanao hadisoana. Samy hafa tanteraka amin’izany ny fandresen-dahatra ataon’ny Fanahy Masina, ahatakarana izay niaretan’Ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra noho io fahotana tokana io, nandritra ireo ora telo nandaozan’Andriamanitra Azy!

Koa mazava ho azy, izany, fa tsy maintsy misy fieken-keloka tena izy, vao afaka hisy fanarenana. Amin’ny fomba ahoana nefa?

Voalohany, tsy maintsy resy lahatra tanteraka ilay mpino fa sady naniratsira Ilay Andriamanitra masina indrindra, Izay tonga Rainy noho ny fahasoavana, no naniratsira koa Ilay Mpamonjy azy, Izay nanolotra ny tenany, hanafahany azy amin’izao miara-belona ratsy fanahy izao (Galatiana 1. 4). Avy amin’io faharesen-dahatra avy amin’ny Fanahy Masina ao aminy io no hisian’ny fanahy torotoro sy fo manetry tena, toy ny nahazo an’i Davida taorian’ny nijangajangany tamin’i Batseba (vakio ny Salamo 51). Ny fananana fo torotoro sy manetry tena dia tsy porofoina amina fanehoana hetsika tafahoatra mandritra ny fivoriana na eo amin’ny fanompoana, rehefa tafarina. Indrisy nefa fa izany matetika no hita, ary izany dia tsy inona fa fihetsiky ny nofo ihany, izay te haneho fa efa voalamina tanteraka ny zavatra rehetra. Tsia, ny mifanohitra amin’izany aza, ny fo toy izany dia miseho ao amin’ny fahanginana sy ny tomany ary ao amina fanetrentena hita maso izay tsy mitady hiala tsiny na hisehoseho.

Lafiny iray tena lehibe izany: ny fanompoantsika dia tsy mahafafa ny faniratsirana natao tamin’Ilay Andriamanitra masina indrindra, na ny voka-dratsy teo amin’ny hafa noho ny niainantsika tao amin’ny ota. Fieken-keloka an-kitsimpo ihany, marina sy feno eo anatrehan’io Andriamanitra io, no ahafahany mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra (1 Jaona 1. 9). Saingy mbola mitoetra ihany nefa ny voka-dratsy nihatra tamin’olon-kafa.

Inona no lazain’ny Tenin’Andriamanitra momba izany? Izao no vakiantsika ao amin’ny Levitikosy 5. 23-26: “Satria nanota izy ka meloka, dia hanonitra izay nalainy an-keriny ... sady hanampy azy koa ho tonga avy fahenina2... Ary ny fanati-panonerana hoentiny ho an’i Jehovah dia ondry lahy tsy misy kilema ... ho fanati-panorenana ho any amin’ny mpisorona. Ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy eo anatrehan’i Jehovah, dia havela ny helony.”

Eto dia misy lohahevitra roa mafonja momba ny tokony hataon’olona izay niaiky fa nanao ratsy sy nanota:

Voalohany, tsy maintsy manonitra ny ratsy amin’ny sanda 120% izy: ny nalaina ampiana ny ampahadiminy; raha haka ohatra isika dia izao no dikan’izany: raha nangalatra vary 50 kilao ianao, dia tsy maintsy manonitra 60 kilao. Ny hevitr’izany dia hoe natao be tokoa sy tamina fomba maharesy lahatra ny fanonerana, hany ka tsy hisy intsony olona mbola ho afaka hiahiahy ny amin’ilay fibebahana. Raha ohatra ianao ka tsy nankatò ny rainao, dia tsy ampy ny hanonona maimaika hoe “azafady”, izay fiteny ivelany ihany, matetika; fa amin’ny fihetsikao, amin’ny fitondràntenanao torotoro, amin’ny fanetrentenan’ny fanahinao no hiseho ny asan’ny fibebahana izay vokatry ny Fanahy tao anatinao.

Rehefa vita izany fanonerana izany vao afaka sy tokony nanatona an’i Jehovah miaraka amin’ny sorony ny Israelita, mba ho voavela heloka. Dia toy izany koa amin’izao fotoana izao: ny famelàna heloka tanteraka, ny tena fanarenana ho amin’ny fiombonana amin’ny Ray sy amin’ny Zanany, ary ny tena fanarenana ho amin’ny fiombonana amin’ireo zanak’Andriamanitra, dia tsy hisy raha tsy niaiky marina ny fahotako teo imason’ny Tompo aho, ary miaraka amin’izany, nandamina tanteraka ny vokatry ny fahotako tamin’ireo manodidina ahy.

Ity lohahevitra farany ity dia mazava ho azy fa tsy azo atao maimaika; raha nimamo niaraka tamin’ireo tsy mpino tao an-tanàna aho nandritra ny volana maromaro, dia tsy ho tafarina ao anatin’ny herinandro vitsivitsy, rehefa niverina tany am-piangonana indray. Raha manao izany ny fiangonana, dia tsy afaka ny ho resy lahatra momba ny fahamarinan’ny fibebahako. (Ary ambonin’izany, raha manaiky ahy eo amin’ny Latabatry ny Tompo izy, dia hanao zavatra tsy am-piheverana eo imason’ny Tompo.) Ny tontolo manodidina ahy dia tsy afaka hanaiky ny fieken-keloka nataoko teo imasony, ary tsy afaka hahita raha tena nisaraka marina tamin’ny fomba fanaony aho. Noho izany ny fijoroana ho vavolombelona ho an’ny Tompo dia ho voahitsakitsaka amina “fanarenana” maimaika sy ivelany ihany!

Raha toa aho, ohatra, nanolana zazavavy iray (na atao aza hoe “navelany”, araka ny fomba fiteny atỳ amintsika), dia nanao ratsy lozan-tany tamina voarin’Andriamanitra iray, satria tsy noarìn’Andriamanitra mba hovetavetaiko izy. Tokony hiaiky heloka eo anatrehany aho izany, am-panetrentena sy an-dranomaso. Raha tsy izany aho dia lasa sakana tsy hiovàny fo, ary avy eo sakana tsy hitomboany ara-panahy. Dia mbola tsy maintsy honerako koa ny ratsy nataoko tamin’ny ray aman-dreniny, ary tamin’ireo mponina ao an-tanàna koa aza, izay nahita ny zava-dratsy nataoko. Tsy ho afaka hiala andraikitra ihany koa aho, raha toa misy zaza teraka, vokatr’io nataoko io. Amin’ny maha-mpino ahy dia tsy maintsy miaiky imasom-bahoaka ny haben’ny heloko aho, nefa tsy izany ihany fa tsy maintsy milaza koa hoe satria nanao izany dia nanala baraka ny Andriamanitro, ary tsy maintsy niaiky taminy ny fahotako. Raha tsy izany, na dia tafarina aza aho dia hoharatsiana ny fijoroana ho vavolombelona ataon’ny kristiana sy ny fiangonana, noho ny fahotako. Hoheverina ho toa ahy ihany tokoa mantsy ny fiangonana kristiana, ary ho maro ny olona tsy hahatsiaro intsony akory hoe diso raha mijery ny zavatra ataony. Amin’izany ny fahotako dia hanjary fialan-tsiny ho an’ny fahotan’izy ireo, raha tsy tena miaiky marina io fahotako io aho, sady manonitra tanteraka ny ratsy, ary miala miharihary ho an’ny rehetra amin’io faharatsiana io.

Tany Israely, raha toa nahiana ho boka ny olona iray (ny habokana dia kisarisarin’ny fahotana), dia natoka-monina mandritra ny fito andro, mba hahitan’ny mpisorona na tena tratran’ny habokana tokoa izy na tsia. Raha toa ka tsy nanala ny fisalasalana rehetra ny zavatra hita, dia tsy maintsy mbola natoka-monina ela kokoa noho izany ilay olona. Hita ao amin’ny Levitikosy 13 sy 14 ny fomba hanokana-monina io olona io (na trano koa aza).

Koa raha vao nahare “siosio” momba ny fahotana iray ny fiangonana, na nisy olona iray tonga niaiky ny fahotana nataony, dia tsy maintsy mikarakara izany ny rahalahy. Raha toa, taorian’ny fandinihana ataona rahalahy matotra, manana traikefa sy mandeha ara-panahy, ka tsy resy lahatra eo imason’ny Tompo ny fiangonana fa efa niekena ny fahotana ary nialana, dia tsy maintsy atoka-monina mandritra ny “fito andro” io olona io. Raha ara-panahy, io foto-kevitry ny Testamenta Taloha io dia tsy midika hoe fito andro ara-bakiteny, fa fotoana lavalava ihany, ampy hanehoan’ny Fanahy Masina amin’ny fiangonana ny tena toetran’ilay mpino. Arakaraka ny hamatotry ny fanefan’ny fiangonana ny adidiny eo imason’Andriamanitra no tsy hahamaimaika azy “hanarina” fanahy izay mbola tsy nampiseho akory ny tena vokatry ny fibebahana. Eny an-tsaha koa, dia tsy indray andro na herinandro vitsivitsy aza dia maniry ny voankazo...

Nony naniratsira an’Andriamanitra i Miriama, ao amin’ny Nomery 12, satria nanakiana an’i Mosesy mpanompony, dia lasa boka teo no ho eo, ary tsy afaka niditra tao amin’ny toby raha tsy fito andro “feno”. (Io tantara io dia mampiseho antsika, etsy ankilany, ny lanjan’ny fahotana vita raha miteny ratsy ireo rahalahintsika isika, nefa matetika dia hamaivanina ny fahotana toy izany.) Toe-javatra mahavariana tokoa ho an’ny vahoaka Israely manontolo ny fahitana io vehivavy lehibe io, tsy maintsy natokana andro aman’alina ivelan’ny fiombonana! Toy inona re izao ny fihetseham-pon’i Miriama nandritra ireo andro vitsivitsy ireo! Alahelo toa inona no tao amin’ny fon’Andriamanitra! Noho io famaizana io, dia tsy maintsy naato ny dian’ny vahoaka manontolo!

Tany amin’ny fiangonana tao Korinto, ilay mpijangajanga, nantsoina hoe “ilay mpanao ratsy”, dia nofaizina sy noroahina, nony farany (jereo 1 Korintiana 5). Ary vakiantsika ao amin’ny epistily faharoa ho an’ny Korintiana fa afaka nampirisika ny fiangonana ny apostoly Paoly, mba hamelany heloka sy hampifaliany azy, fandrao resin’ny fitomboan’alahelo izany olona izany (2 Korintiana 2. 5-11). Avy amin’io tsongandahatsoratra io, sy avy amin’ny toko 7, dia mivohitra mazava fa ilay olona niharan’ny fifampifehezana dia nody saina (Lioka 15. 17), ary efa niaiky ny fahotany; efa nisaona noho izany io olona io (ary ny fiangonana koa, noho ny hadisoany manokana). Feno alahelo tokoa io olona io, ary notandindomin-doza ho latsaka tao anaty alahelo diso lalina loatra. Izany no fo torotoro sy manetry tena! Angamba tsy tonga tao anaty herinandro iray izany, fa nila volana maromaro, izay ny apostoly vao afaka nanoratra tamin’ny fiangonana indray, mba hanehoan’izy ireo ny fitiavany, mba tsy ho tomany ihany no hiverenan’io olona io eo amin’ny Tompo, fa koa hiverina izy ka handray indray ny toerany eo anivon’ny rahalahiny.

Io ohatra ao amin’ny Testamenta Vaovao io dia mampivohitra mazava fa mila fotoana sy faharetana ny fiangonana vao mahita raha tena niaiky marina ny fahotany teo imason’Andriamanitra ny olona iray, raha tena nandamina ny olana vokatry ny nataony hatraiza hatraiza izy (na tamin’ny fiangonana, na tamin’ireo olon’izao tontolo izao koa aza), ary raha nisy ny vokatry ny fibebahana, izay mahafaly ny fon’ny Tompo sy ny olony rehetra. Amin’izay fotoana izay, ary amin’izay ihany ny fiangonana vao afaka manomboka manatona indray an’io olona io ka hampirisika azy handray indray ny toerany eo amin’ny Latabatry ny Tompo.

Izay fanao hafa rehetra ankoatra izany dia hitondra fahalotoana sy fahaverezan’ny fijoroana ho vavolombelona ataon’ny fiangonana mivory amin’ny Anaran’ny Tompo Jesoa, ary fahaverezan’ilay olona noraisina ho rahalahy taloha koa aza.

Ho famaranana dia tianay ny hanonona teny mampihetsi-po tokoa avy amin’ilay boky hoe “Katsaho ny fahamasinana”.

Ny atao hoe fibebahana dia ny fitsarana ny tena sy ny zava-nataon’ny tena taloha, omban’ny fanazavan’Andriamanitra. Miaiky ao am-pony ilay olo-meloka fa ratsy ny nataony, ary milaza izany ampahibemaso. Noho izany dia mifamatotra ny fibebahana sy ny fiekena heloka, ary samy ilaina ho amin’ny fanarenana ny fanahy. Raha tsy samy atao ireo, dia tsy tafaverina ny fiombonana amin’Andriamanitra. Matoky sy marina Izy ka hamela ny fahotantsika, raha miaiky izany isika. Fiekena heloka, izany, no takian’Andriamanitra, fa tsy vavaka atao ara-pomba, ary indrindra koa, tsy fampijalian-tena.

Dia hoy Davida tamin’i Natana: Efa nanota tamin’i Jehovah aho” (2 Samoela 12. 13). Avy eo izy dia niresaka mivantana tamin’Andriamanitra: “Taminao dia taminao ihany no nanotako, ary izay ratsy eo imasonao no efa nataoko” (Salamo 51. 4). Ny mampiavaka ny fibebahana dia ny fihetseham-po lalina, mahitsy ary mangirifiry, fa noho ny fahotantsika isika dia naniratsira an’Andriamanitra tenany mihitsy ary nanohintohina ny fahamasinany sy ny voninahiny. Tsy afaka ny hianina amin’ny fahatsiarovan-tena ivelany ho diso fotsiny isika. “Angamba tsy misy zavatra manamafy ny fo mihoatra noho ny fahazarana miaiky heloka nefa tsy mahatsapa ilay izy” (J. N. Darby). Tsy hanjary hanana toetra maivan-tsaina toy izany isika, raha mahatsiaro fa tsy maintsy nikapoka IIay Malalany sy nahafoy Azy teo amin’ny hazofijaliana Andriamanitra, noho ny fahotantsika. “Eo aminao no misy ny famelàn-keloka, mba hatahorana Anao” (Salamo 130. 4)

Araka an’i Erwin Luimes.

Navoaka tany Cameroun tao amin’ilay gazety boky hoe “Ianao, manarahy Ahy”, B.P. 98, Ebolowa – 2003


Ampirisihinay mafy ianao hamaky ilay boky hoe “Ny Eglizy, ny Fiangonan’Ilay Andriamanitra velona”, nosoratan’i R. K. Campbell, natontan’ny BPC any Valence (France), ary koa “Katsaho ny fahamasinana”, nosoratan’i Marc Tapernoux. Jereo manokana ireo toko momba ny fifampifehezana, ny fahalavoana ary ny fanarenana.

1 Dikanteny DIEM: “dia misy fiombonana amintsika samy isika”.

2 Dikanteny DIEM: sady hampiany ny ampahadimin-tombany.

7