Ireo fialàm-boly omen’izao tontolo izao

Ry namana mpino, maka toerana toa inona eo amin’ny fiainanao ireo fialàm-boly sy fahafinaretana atolotr’izao tontolo izao? Ahoana no tokony ho fihetsika eo anatrehan’izy ireo? Aiza no tsy maintsy anoritana ny “fefy” tsy azo ihoarana? Ahoana no ahafantarana fa mampidi-doza na tsy misy atahorana ny zavatra iray? Raha misy olona iray ao amina eglizy —na vondrona kristiana— iray, ireo rahalahiny ve afaka ny hitsara ny fomba andaniany ny fotoana fialàm-boliny? Ary raha heverina fa tsy maintsy atao io “fanaraha-maso” io, hatraiza ny fetrany? Misy “fialàm-boly” tsy maintsy afoy ve, na dia tsy amin’ny fo aza angamba?

Ny tontolo iainantsika dia mitady mandrakariva “fiontanam-po” mafimafy sy manaitaitra kokoa hatrany. Ny tanora dia mankafy izay rehetra hitany ho toa vaovao sy mahatalanjona. Toa zavatra tsy tanty ireo fanakanana , ka nahatonga ilay fiteny fanta-daza eken’ny ankamaroan’ny olona, hoe: “Raràna ny mandrara.” Ny olona, amin’ny maha-tena taranak’i Adama azy, dia te hahazo, na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana, izay efa raràn’ny Tenin’Andriamanitra (Genesisy 3. 17-19).

Maro ny mihevitra hoe tsy azo antenaina hahafoy ireo fialàm-boly rehetra fanaony ny olona vao niova fo, indrindra moa raha mbola tanora izy ireo. Tena mahadomelina, hono, ny miasa nefa tsy miala voly! Samy hafa fijery, matetika, ny “mpitantana” izay heverina hanolo-tsaina azy ireo: misy ny tena hentitra manameloka izay rehetra mety ho filalaovana, misy ny malalaka bebe kokoa. Indrisy, nefa, fa fiainana kristiana maro no potika tanteraka, satria nisy fotoana nanekeny hopaohin’onja mampidi-doza, nanipy azy teny amina “harambato”.

Isika kristiana ve, eo amin’izao tontolo izao,
afaka hitondra tena tahaka ireo tsy mpino?

Ny fitsipi-piainan’ny tena kristiana marina dia hafa tanteraka noho ny an’ny olon-kafa. Izay olona an’ny Tompo dia manana faniriana hanaraka ny diany, nitsiry tao am-pony (1 Petera 2. 21); angatahiny Andriamanitra mba hitarika ny fiainany amin’ny lafiny rehetra (Isaia 48. 17). Kanefa, ny hoe milaza fa tia ny Tompo, manome antoka fa mikatsaka ny hanompo Azy am-pankatoavana, dia mitaky fahafoizan-javatra. Antsoina ny tsirairay hanavaka eo anatrehan’Andriamanitra izay zavatra tokony hafoiny eo amin’ny fiainany, dia ireo zava-mitambesatra aminy izay mety hanakantsakana ny fandehany (Hebreo 12. 1). Voantso handeha am-pitandremana izy, miambina mba tsy ho “tahaka ny adala” sady mahatsiaro lalandava fa ratsy izao fiainana izao (Efesiana 5. 14). Ny fomba fahitàny ny zavatra rehetra dia hafa noho ny an’ny olona sasany, izay monina ambonin’ny tany” (Apokalypsy 3. 10), tsy mieritreritra akory na oviana na oviana ny any ankoatra. Kristy no antony ahaveloman’ny olom-boavotra (Filipiana 1. 21), tsy —ary tsy tokony ho— ny “izaho”-ny tia tena sy simban’ny fahalovana intsony no manan-danja.

Ry namana kristiana, angamba isika mampiseho faniriana miredareda hiaina amina fomba ankasitrahin’ny Tompo, satria mahatsiaro fa novidìna lafo (1 Korintiana 6. 20; 1 Petera 4. 1-5). Mba tiantsika ny hanao zavatra tsara eto an-tany, ho Azy sy ho an’ny olony ary ho an’ny olona rehetra (Galatiana 6. 10). Azontsika fa izao tontolo izao [...] dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa” (1 Jaona 5. 19). Fantatsika fa ny andrianan’izao tontolo izao, izay tsy afaka ny hanala ny famonjena amintsika, dia mikatsaka hatrany ny “hanafoana ny herintsika”. Mba hahatratrarany ny tanjony, dia manolotra ho antsika fakàm-panahy isan-karazany izy, mba hahatapaka ny fiombonantsika amin’ny Tompo. Koa dia mahatsapa isika fa tena mila ampiana mba hamaha ireo olana ireo, satria tena miankina aman’aina izany.

Raha vao voavela ny fahotantsika dia miorina ao amin’i Kristy ny finoantsika. Voavonjy “ho mandrakizay” isika, ka manana hafaliana anaty izay tsy mba fantatr’ireo tsy mpino. Amin’ny maha-mpandova ny Fanjakana antsika isika dia manana anjara amin’ny fahafinaretana ... eo an-tanany [tanan’Andriamanitra] ankavanana mandrakizay” (Salamo 16. 11). Fankasitrahana lehibe ny Tompo no mameno antsika, eo anatrehan’izany fahasoavana izany, ary koa faniriana hahafantatra ny sitrapony mba hanatanteraka izany! Tsy mba manana antony toy izany ny tsy mpino: voafetra ho eto an-tany ihany ny faravodilanitra, ho azy! Ny hany tadiaviny dia ny hanome fahafaham-po ny filàny amin’izay fomba rehetra eo am-pelatanany. Mifanohitra ny antom-piainan’ny olona iray navotan’ny Tompo sy “mpifanolo-bodirindrina” aminy iray, izay mbola ao anatin’ny fahotany!

Manantena indrindra izahay fa ny mpamaky tsirairay dia voafehy ao amin’ny fehin’aina (1 Samoela 25. 29), ka tsy anisan’ireo izay matin’ny fahadisoany sy ny fahotany (Efesiana 2. 1). Koa raha zanak’Andriamanitra izany isika, ahoana no tena hahatakarantsika marina izay tokony ho fitondràntenantsika, izay araka ny fihevitry ny Tompo? Tsy azo lavina fa tokony hitodika amin’ny Baiboly isika, fa io no hany fahefana mitombina, na ara-poto-pampianarana, izay oharina amin’ny karana —kisarisary maneho ny toetrany fototra sy ny ilàna azy—, na ho an’ny fandeha andavanandro. Io no hany Boky avy amin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra, ary ao no ahitana ireo fitsipika fototra lehibe tokony hiorenan’ny kristiana tsirairay. Ao dia ahitana “fitsapana” azo ampiharina isaky ny misy olana toa “mampiahiahy” na sarotra vahana.

Ny Tenin’Andriamanitra ihany, izany, no ho hany mpitarika antsika. Tsy ho ela izy dia ho lasa karazana “fitsarana tampony” ho antsika. Kanefa, mba hahitantsika ao ny valiny araka an’Andriamanitra amin’ireo rehetra olantsika, dia ilaina indrindra, rehefa hanokatra ny Tenin’Andriamanitra, ny mangataka amin’ny Tompo hampanaiky ny saintsika amin’ny Teniny sy hameno finiavana tsara ny fontsika: Raha misy olona ta hanao ny sitrapony [ny sitrapon’Ilay naniraka Ahy], dia hahalala ny amin’ny fampianarana izy, na avy amin’Andriamanitra izany, na miteny ho Ahy Aho” (Jaona 7. 17).

Ndeha aloha isika handinika tsara ireo fampirisihina maromaro
ao amin’ny Testamenta Vaovao.

Tena ilaina ny mahafantatra amin’ny ankapobeny ny fampianaran’ny Testamenta Vaovao momba io lohahevitra manahirana nojerentsika teo io. Indreo andinin-tSoratra Masina fohy maromaro, nalaina tao amin’ny epistily, misy fitovitoviana manaitra. Enga anie isika hijery azy ireo am-pitandremana, sady hitazona ny firona anaty efa voalaza teo aloha, ary Andriamanitra anie hanampy antsika hamantatra ny sitrapony. Tiany hatao zanaka manoa (1 Petera 13-16) isika —mifanohitra fatratra amin’ny fironantsika voajanahary izany!

Romana 12. 2: Aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao.”

2 Korintiana 6. 17: Koa mivoaha eo aminy ianareo, ka misaraha aminy, hoy Jehovah, ary aza manendry izay zavatra tsy madio; ary Izaho dia handray anareo.”

Galatiana 1. 3-4: Jesoa Kristy Tompontsika ... nanolotra ny tenany noho ny fahotantsika, hanafahany antsika amin’izao miara-belona ratsy fanahy izao, araka ny sitrapon’Andriamanitra Raintsika.”

Efesiana 5. 7-8, 11: Aza mety ho mpiombona aminy [amin’ny tsy mpino] ianareo. Fa maizina ianareo fahiny, fa efa mazava ao amin’ny Tompo kosa ankehitriny... Aza miray amin’ny asan’ny maizina tsy mahavoka-tsoa, fa aleo mananatra izany.”

Efesiana 6. 12: Isika tsy mitolona amin’ny nofo aman-dra, fa amin’ny fanapahana sy amin’ny fanjakana sy amin’ny mpanjakan’izao fahamaizinana izao, dia amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra.”

Filipiana 2. 15: Mba ho tsy manan-tsiny sady tsy misy fitaka ianareo, dia zanak’Andriamanitra tsy manana adidy eo amin’ny firenena meloka sy maditra, izay isehoanareo tahaka ny fanazavana eo amin’izao tontolo izao.”

Kolosiana 2. 20: Niara-maty tamin’i Kristy ianareo, ka efa afaka tamin’ny abidim-pianaran’izao tontolo izao.”

1 Tesaloniana 5. 22: Fadio ny fanao ratsy rehetra.”

2 Timoty 2. 20-21: Koa raha misy olona manadio ny tenany ho afaka amin’ireny [fanaka alaim-baraka ireny], dia ho fanaka omem-boninahitra izy, efa nohamasinina ka mahasoa ho an’ny Tompo, voavoatra ho amin’ny asa tsara rehetra.”

Titosy 2. 11-13: Efa miseho ny fahasoavan’Andriamanitra, izay famonjena ny olona rehetra, mampianatra antsika handà izay toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra sy ny filàn’izao tontolo izao ary ho velona amin’ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, amin’izao fiainana ankehitriny izao, miandry ny fanantenana mahafinaritra...”

Hebreo 13. 13-14: Koa aoka isika hivoaka hankeo Aminy eo ivelan’ny toby, mitondra ny latsa izay nentiny. Fa etỳ isika tsy manana tanàna maharitra...”

Jakoba 4. 4: Ry mpisintaka mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao?”

1 Petera 1. 14: Tahaka ny zanaka manoa, tsy mitondra tena araka ny filànareo fahiny, tamin’ny tsy fahalalanareo.”

1 Jaona 2. 15: Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin’izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao, dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray.”

1 Jaona 5. 21: Anaka, arovy ny tenanareo amin’ny sampy.”

Feo iray ihany —ny feo mazavan’ny trompetran’Andriamanitra— no re manomboka ao amin’ny epistily ho an’ny Romana ka hatrany amin’ny epistily voalohany nosoratan’i Jaona; miantefa amin’ireo zanak’Andriamanitra rehetra izany fampianarana izany. Misy hevitra iray fonosin’ ireo andininy rehetra ireo: ny tsy maintsy isarahanny mpino amin’izao tontolo tsy misy an’Andriamanitra izao, tontolo nanafahana azy tamin-kery (Galatiana 1. 4). Tsy maintsy miambina tsara ny mpino mba tsy ho voasinton’izao tontolo izao indray, na hiombon-toetra aminy. Tsy maintsy manoritra fefy mazava, manasaraka mandrakariva ny kristiana sy ny abidim-pianaran’izao tontolo izao(Kolosiana 2. 8; 1 Jaona 2. 16-17).

Hekena ho “kristiana” isika (Asa 11. 23, 26), raha toa ny manodidina antsika afaka mahita mazava, amin’ny fandehantsika, izay zavatra manana “lanja” ho an’ny fontsika. Zavatra hafa tanteraka amin’ireo filàna mibahana fatratra ao an-tsain’ireo mpankafy ny zavatra hita maso izany!

Inona no ho tsapan’ireo izay mandinika antsika? Inona no ho azony eritreretina ara-drariny raha mahita fa mihambo ho manana ilay anarana tsara hoe kristiana isika, nefa mitovitovy firehana sy fahazarana amin’ireo izay mitonona ampahibemaso ho tsy mpino? Ny iray amin’izy ireo dia afaka niteny tamina zanak’Andriamanitra iray, izay nanana “fitondràntena” tsy dia tsara loatra, hoe: “Milaza ianao fa an’ny lanitra: koa avelao ho anay ny tany, mba hahafahanay mankafỳ azy araka ny sitraponay!” Teny manetriketrika izany, mbola miteny amin’ny fieritreretana sy ny fon’ny tsirairay. Marina mantsy fa matetika dia misy mpino koa, mitady handray anjara amina fahafinaretan’izao tontolo izao. “Tsy mahatohitra” ny filàn’ny nofony izy ireny; raha mahazo antsika izany, inona no maha-hafa ny fitondràntenantsika amin’ny an’ireo olona izay mbola “andevon”’i Satàna?

Tokony hianatra isika handà, tahaka an’i Mosesy na i Daniela (Hebreo 11. 24-26; Daniela 1.8), ireo tolotra tsy miato atolotry ny tontolo fehezin’i Satàna, izay vonona ny hanome fahafaham-po ny filàn’ny nofo tsy mety ritra ao anatintsika. Kanefa isika dia manana ny fanampian’ny Fanahy, Ilay Vahiny avy any an-danitra, Izay monina ao amin’izay olo-navotan’ny Tompo (Galatiana 5. 16). Ao amin’ny kristiana tsirairay ny nofo, nefa tsy afaka ny hitroatra raha mbola hazonina ao amin’ny fahafatesana! Nampirisika ny mpino romana ny apostoly Paoly hoe: Itafio Jesoa Kristy Tompo, ary aza miahy ny amin’ny nofo hahatanteraka ny filàny” (Romana 13. 14).

Aoka isika tsy hihaino ireo soso-kevitra fetsy ataon’“ny devoly fahavalontsika”, fa raha tsy izany isika dia tsy ho anisan’ireo kristiana manana fitondràntena mifanaraka amin’ny fiantsoana ho an’ny lanitra, niantsoana azy ireo. Faritan’ny Soratra Masina ny toetra tafian’izy ireo, dia ireo toetra namirapiratra tao amin’i Kristy, Ilay Olona lavorary tetỳ an-tany (Kolosiana 3. 12; Efesiana 4. 23-24). Ny fakàntsika tahaka ny ohatra nomeny ihany no hahafahantsika hahafaly an’Andriamanitra mandritra ny fiainantsika eto an-tany.

Aoka hotsarovantsika koa ireo fampianarana omen’ireo tantara maro ao amin’ny Testamenta Taloha, mikasika ny dian’ny vahoaka Israely tany an’efitra.

Ny tantaran’i Israely dia nampiharin’ny apostoly Paoly amin’ny vanimpotoana kristiana ankehitriny, ao amin’ny 1 Korintiana 10.

Nitarika sy niaro ny zanak’i Israely ny andry rahona; nisokatra ny Ranomasina Mena mba handehanan’izy ireo, hanafahana azy ireo ho mandrakizay tamin’ny fanandevozan’ny Farao, kisarisarin’i Satàna. Tany an-taniefitra, nandritra ny efapolo taona izy rehetra dia novelomina tamin’ny mana sy nampisotroana tamin’ny rano avy amin’ny vatolampy, samy kisarisarin’i Kristy. Tsy rovitra na ny fitafiany na ny kapany (Deoteronomia 29. 4). Ny hatsaram-pon’Andriamanitra dia nanisy fefy fiarovana nanodidina azy ireo mandrakariva.

Kanefa dia tsy nankasitrahin’Andriamanitra ny ankamaroan’izy ireo! (1 Korintiana 10. 5). Ny fon’izy ireo dia tafajanona tany Egypta, kisarisarin’izao tontolo izao. Niteraka fanirian-dratsy tao amin’ny sasany izany haverezan-tsaina izany; ny hafa indray dia tafalentika tao amin’ny fanompoan-tsampy, ny fijangajangana, ny fimonomononana, ary tonga hatramin’ny fakàna fanahy an’i Kristy aza —Izy Izay nitoetra ara-panahy teo afovoan’izy ireo—! Kanefa izany zavatra izany dia tonga anatra ho antsika, mba tsy ho mpila zava-dratsy isika, toy ny nilàn’ireny” (and. 6). Mitsiriritra hatrany isika, rehefa tsy afa-po amin’izay omen’Andriamanitra antsika, ary izany no fahotana voalohany! Raha tsy feno an’i Kristy ny fo dia miverina tsikelikely eo amin’ny toerany ireo zavatra navela fony niova fo tao anatin’ny firedaredan’ny fitiavana voalohany (Filipiana 3. 7-8). Tsaroan’ny Israelita ny voatango, ny tongolo ... raha atao bango tokana dia ireo zavatra nohaniny tany Egypta. Toa “hadinony” ny memy fandrendreham-by (Deoteronomia 4. 20). Raha hadinointsika ny toerana fadiranovana nisy antsika, fony mbola maty noho ny fahadisoana sy ny fahotana isika, dia mety ho hadinontsika ny nanadiovana antsika tamin’ny fahotantsika fahiny (1 Petera 1. 14; 2 Petera 1. 9). Very ny fahaizantsika manavaka ara-panahy. Dia ireo olona hafa sy zavatra hafa no maka tsikelikely ny fontsika ary manjary sampy mahazatra antsika.

Aoka tsy ho mpanompo sampy ianareo, tahaka ny sasany tamin’ireny, araka ny voasoratra hoe: Ny olona nipetraka hihinana sy hisotro, dia nitsangana hilalao” (and. 7; Eksodosy 32. 6). Mosesy, ilay solontenan’Andriamanitra, dia tsy hitan’izy ireo, tamin’izay (Eksodosy 32. 23). Namboatra ombilahy kely volamena izy ireo; ary Arona, na dia mpisoronabe aza, dia niray tsikombakomba tamin’ny hadalan’izy ireo.

Ny fanompoan-tsampy dia vokatry ny antsirambina ara-pitondràntena. Isika dia miaina ao anaty fiarahamonina manao ny kibony ho andriamaniny (Filipiana 3. 19). Fiarahamonina manandratra avo ny haikanto, indrindra fa ireo “fahafinaretana”. Ireo fahafinaretana samihafa afangaroharo sy ireo fialàm-boly azo isafidianana dia voatonona lalandava ao amin’ny dokam-barotra mihoa-pampana fanaon’ny fampitàm-baovao. Israely fahizany dia efa niteny hoe: “Anaovy andriamanitra izahay, hitarika antsika eo aloha” (Eksodosy 32. 1). Andriamanitra azo tsapain-tananamisolo toerana Ilay Andriamanitra tsy hita maso. Ilaina angamba ny mampahatsiaro ireo fampitandremana fanao amin’ny mpino, manomboka amin’ireo zavatra mahavantana indrindra eo amin’ny fiainana. Aoka isika tsy hanao izay tafahoatra rehefa mihinana sy misotro (1 Korintiana 10. 31), aoka hitandrina mba tsy hovesaran’ny vokatry ny hatendana ny fontsika (Lioka 21. 34).

Ary aoka tsy hijangajanga isika, tahaka ny sasany tamin’ireny, ka telo arivo amby roa alina no ringana iray andro!” (and. 8; Nomery 25. 2-9). Vokatra iray avy amin’ny fanompoan-tsampy izany. Tsy tokony nataon’ny Israelita mihitsy ny fanambadiana na firaisana ara-nofo amina vahoaka manompo andriamani-kafa. Fitsipahana ny fanekena nataon’Andriamanitra tamin’izy ireo izany. Rehefa nanao izany izy ireo dia niharana fitsarana mampivarahontsana (Nomery 25. 1-9). Ny Teny dia mampirisika ny mpino handositra ny fijangajangana (1 Korintiana 6. 18), ary mampitandrina azy fa hohelohin’Andriamanitra ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin’olona (Hebreo 13. 4).

Aoka tsy haka fanahy ny Tompo isika, tahaka ny nakan’ny sasany tamin’ireny fanahy Azy, ka matin’ny menarana ireny” (and. 9; Deoteronomia 6. 16; Nomery 21. 5-6). Ny tsy finoana dia nahatonga ny vahoakan’Andriamanitra eto an-tany haniratsira (Nomery 21. 4-9). Aoka isika tsy hanao tsinontsinona na haka fanahy an’i Kristy. Izany dia ho marika fa nameno ny fontsika ny hasosorana!

Aoka tsy himonomonona ianareo, tahaka ny sasany tamin’ireny, izay matin’ny mpandringana” (and. 10; Nomery 14. 2; 17. 6-14). Ny fimonomononana dia mampiseho ny toetran’ny fo, ary indrisy fa mety haka ny toeran’ny fankasitrahana sy fiderana, izay tokony ho ao tsy an-kiato.

Voasoratra ireo rehetra ireo mba ho fampitandremana antsika. Mampalahelo ny tantaran’ny dian’i Israely, nefa dia ohatra mahamenatra mampiseho izay zavatra mety ho vitantsika, mialokaloka ao ambanin’ny kristianisma! Mampitandrina antsika amin’ny fomba manetriketrika ny Teny, milaza izay mendrika ho an’ny vokatry ny nofo —na dia miasa ho an’ny mpino aza ny fahasoavana, ankehitriny!

Aoka isika hiantehitra amin’ny fampanantenàn’Andriamanitra sy ny fahatokiany.

Efa afaka nahita isika fa ny ratsy dia mitoetra ao anatintsika ary vonona mandrakariva ny hiseho (Romana 7. 23). Mitady tsy an-kijanona ny hampipoitra azy indray ilay Mpaka fanahy —iray amin’ireo anarana mampalahelo iantsoana an’i Satàna—, amin’ny alalan’ireo fitambezoany miverimberina. Inona ny tanjona katsahany lalandava? Ny handavo ireo zanak’Andriamanitra, mba hahatapaka ny fiombonan’izy ireo amin’i Kristy. Ary indraindray ny faharesena dia tonga indrindra amin’ilay fotoana iheverantsika hoe mijoro tsara iny isika (Salamo 30. 6-7). Niantehitra tamin’ny herintsika manokana isika, nefa raha ny marina dia tsy nisy izany!

Andriamanitra nefa dia mahatoky: mankahery tokoa ny mieritreritra izany! Mahafantatra ny fahalementsika Izy ary tsy mamela an’i Satàna haka fanahy antsika mihoatra noho izay zakantsika (jereo Joba 1. 12; 2. 6), sady efa nanomana mialoha rahateo fivoahana ho mpandresy amin’ny fakàm-panahy (1 Korintiana 10. 13). Isaky ny miseho ny Fahavalo, dia tokony hotsarovantsika ireo teny fampanantenana nomen’ny Tompontsika. Ary dia afaka hiteny toy ny apostoly isika hoe: Ny fahalemeko no fahatanjahako”; ary Izy Tompo koa efa nilaza hoe: Ny heriko dia tanterahina amin’ny fahalemena” (2 Korintiana 12. 9-10).

Aoka tsy hohadinointsika ireo fampirisihina nataon’ny apostoly Petera, hoe: Aoka mba ho masina ... ianareo, amin’ny fitondràntena rehetra... Mitondrà tena amin’ny fahatahorana, mandritra ny andron’ny fivahinianareo etỳ; fa fantatrareo ... [ny] nanavotana anareo ... [dia] ny ra soan’i Kristy...” (1 Petera 1. 15, 17-19). Aza avela hivezivezy ny eritreritsika, aoka hohalavirintsika ny zavatra ratsy rehetra mety handoto ny saintsika. Aoka isika hitandrina amin’ny fahalotoana rehetra mety hoentin’ireo fampitàm-baovao, gazety-boky, horonan-tsary na fampisehoana. Ny mifanohitra amin’izany, aoka ny saintsika ho fenon’ny Tompo sy ny Teniny, mikatsaka na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha-te ho tia, na inona na inona tsara laza...” (Filipiana 4. 8). Amin’izay isika dia hanandrana io fahasambarana miaraka amin’Ilay Andriamanitry ny fiadanana” io (and. 9). Mahatoky Izy mba hahamasina antsika samy ho tanteraka sy hiaro ny fanahintsika sy ny aintsika ary ny tenantsika ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny amin’ny fiavian’i Jesoa Kristy Tompontsika (1 Tesaloniana 5. 22-23). Te hanampy antsika hiaina ho fanomezam-boninahitra Azy Izy. Aoka isika hanao ny zavatra rehetra amin’ny tsy fimonomononana sy ny tsy fisalasalana”, mba ho tsy manan-tsiny sady tsy misy fitaka ..., dia zanak’Andriamanitra tsy manana adidy eo amin’ny firenena meloka”, izay mamiratra tahaka ny fanazavana eo amin’izao tontolo izao, mitana ny tenin’ny fiainana” (Filipiana 2. 14-16).

Miambena hatrany, na aiza na aiza, isanora,

Fa ny fahavalo dia mitily anao amin’ny fotoana rehetra

Mba hitsofohany ao amin’ilay trano masina

Izay tokony hanjakàn’ny Tsitoha.

Miambena amin’ny maraina, miambena amin’ny hariva,

Miambena ary mivavaha lalandava!