Ny fitokiana amin’Andriamanitra irery ihany

Salamo 62 Ho an’ny mpiventy hira. Al-jedotona. Salamo nataon’i Davida.

Andriamanitra tokoa no iantombenan’ny fanahiko; avy Aminy ny famonjena ahy.

Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy, dia fiarovana avo ho ahy, ka tsy hangozohozo loatra aho.

Mandra-pahoviana no hirohotanareo hamely olona sy handrodananareo rehetra azy toy ny manda mirona sy ny rova mihozongozona?

Misaina hanongana azy hiala amin’ny voninahiny ireny; lainga no ifaliany, misaotra amin’ny vavany izy, fa manozona amin’ny fony. [Sela]

Miantombena amin’Andriamanitra tokoa ianao, ry fanahiko; fa Izy no antenaiko. Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy, dia fiarovana avo ho ahy, ka tsy mba hangozohozo aho.

Andriamanitra no iankinan’ny famonjena ahy sy ny voninahitro; ny vatolampiko mafy sy ny aroko dia ao amin’Andriamanitra.

Matokia Azy mandrakariva ianareo, ry olona; loary eo anatrehany ny fonareo; Andriamanitra no aro ho antsika. [Sela]

Zava-poana tokoa ny ambany, ary lainga ny ambony; raha hatao amin’ny mizana izy, dia maivana; zava-poana mihitsy izy.

Aza matoky ny fanaovana an-keriny, ary aza miantehitra amin’ny halatra; raha mitombo ny harena, dia aza anorenana ny fonareo.

Indray mandeha no nitenenan’Andriamanitra; indroa no nandrenesako hoe: An’Andriamanitra ny hery.

Ary Anao koa, ry Tompo ô, ny famindràmpo, fa Ianao no mamaly ny olona rehetra araka ny asany avy.

Andriamanitra irery no iorenan’ny fiadanan’i Davida.

Davida mpanjaka, izay lehilahy mpivavaka, dia notandindomin-doza tena lehibe: azo antoka fa nisy fahavalo mahery sy tsy azo ivalozana, nitady hanapitra ny ainy. Saingy nianatra ny hitoetra ho tony izy, hitony am-pahanginana. Mitoky amin’Andriamanitra (voatonona impito ao amin’io salamo io), miantehitra amin’Andriamanitra irery ihany (and. 1, 2, 6). Faran’izay manan-danja io hoe “irery ihany” io; ny fanantenàn’i Davida dia mitombina amin’Andriamanitra, ny maha-Izy Azy, amin’ny fampanantenana nataony, amin’izay nolazainy, dia ny Teniny, ary tsy misy na inona na inona natao hanampiana izany. Nefa dia fanao mahazatra eo amin’ny tontolo kristiana ny “fomban-drazana” mihambo hanampy zavatra betsaka amin’ny Tenin’Andriamanitra; saingy vokatry ny famoronan’ny sain’olombelona fotsiny ihany izany. Matetika izany dia mitady hanampy zavatra amin’ny asa lavorary nataon’i Kristy (Jaona 17. 4). Ho amin’izany no anosehan’i Satàna antsika.

Raha ny fijerin’ny olombelona dia tsy misy fanafany ny toerana misy io mpanao salamo io. Fa izy Davida kosa dia nanjary nahafantatra fa tsy misy na inona na inona tokony hatahorany, satria arovan’Andriamanitra izy. Mifanohitra amin’izany, ny “fiarovan”’ny olombelona dia mamitaka tanteraka (Salamo 118. 9; 146. 3). Ity salamo ity dia mampiseho ilay hadalana mateti-pitranga loatra hoe miantehitra amina fanampian’olombelona, na fanampiana inona na fanampiana inona!

Tsy misy ahiana intsony ny herisetran’ireo fahavalo, rehefa miankina amin’Andriamanitra!

Niankina tamin’ny Andriamaniny i Davida ka tsy natahotra ireo fahavalony intsony, na dia masiaka sy mahery aza izy ireo. Tokony hanahaka azy amin’izay lafiny izay ny zanak’Andriamanitra tsirairay. Matoky i Davida: tsy hangozohozo loatra izy (and. 2). Io hevitra io dia hita koa ao amin’ny Salamo 37: “Na dia lavo aza izy, tsy dia mikarapoka, fa Jehovah no mitantana azy” (and. 24).

Misy “mpikomy” sahisahy, mirohotra hamely ny mpanjakany izay toa tsy manana fiarovana ny fahitana azy; io mpanjaka io dia toa “manda mirona”, toa “rova mihozongozona” (and. 3). Ny fahavalony dia misaina “hanongana azy hiala amin’ny voninahiny” (and. 4), izay vokatry ny fiombonany amin’Andriamanitra. Satàna sy ireo miaramilany, matetika, dia mitady hanakivy ny mpanompon’Andriamanitra. Aoka isika hanohitra azy ary hiorina tsara amin’ny finoana (1 Petera 5. 9). Andriamanitra dia afaka mampitoetra ny olony ho toy ny “manda varahina” (Jeremia 1. 18). Ny heriny dia “tanterahina amin’ny fahalemena” (2 Korintiana 12. 9).

Mitoetra ny fitokisan’ny mpino, manoloana ireo teny lainga.

Mba hahatrarany ny tanjony, ny fahavalon’i Davida dia mampiasa ny fomba rehetra; mifaly amin’ny lainga izy ary mihatsaravelatsihy. “Misaotra amin’ny vavany izy, fa manozona amin’ny fony” (and. 4; Salamo 12. 3; 28. 3). Rehefa miankina amin’ny Teny ny mpino dia afaka ho voaro amin’ny fanangolen’ny Fahavalo, izay mihamateti-pitranga. Fa tsy ho ela, ho an’ireo izay tsy nandray “ny fitiavana ny fahamarinana (izay ao amin’i Jesoa) izay hamonjena azy” (2 Tesaloniana 2. 10), dia hikatona tanteraka ny varavaran’ny fahasoavana. Aorian’ny fampakarana ny Eglizy, ireo mpihemotra (ireo izay niala tamin’ny finoana kristiana) dia hahazo fiàsan’ny fahadisoan-kevitra —izay alefan’Andriamanitra— ka hino ny lainga hoentin’ilay Lehilahin’ota, ilay zanaky ny fahaverezana (2 Tesaloniana 2. 3, 9-11).

Eo anoloan’ireo teti-dratsy feno hafetsena ireo dia vao mainka miorina amin’ny finoany ny mpanao salamo. Miresaka mivantana amin’ny fanahiny aloha izy, miteny hoe: Miantombena amin’Andriamanitra tokoa ianao [...], fa Izy no antenaiko(and. 5). Raha miaina zava-mahavalaka isika dia aoka tsy hisamboaravoara, tahaka izay fahita matetika erỳ. Misaritaka isika, mitady fomba hivoahana amin’izany, sady indrisy fa atosiky ny fihetseham-po ary tsy mivavaka, matetika loatra, no manao zavatra.

Nihamahery ny finoan’i Davida.

Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy, dia fiarovana avo ho ahy, ka tsy mba hangozohozo aho(and. 6) —tsy hoe: “tsy hangozohozo loatra aho” (and. 2) intsony. Fandrosoana toa inona moa ny an’i Davida!

Eo amin’Andriamanitra no itoeran’ny famonjena azy sy ny voninahiny; ny vatolampin’ny heriny sy ny fialofany dia ao amin’Andriamanitra. Ho ana mpitazana somary maneso dia toa tsy misy valiny ny teny am-pinoana tahaka izany, indraindray; nefa vetivety fotsiny ihany izany (Isaia 58. 9).

Tena ho hafa ny zava-drehetra raha nanana anjara asa ny olombelona mba hahamendrika azy hahazo ireo fitahiana avy amin’Andriamanitra ireo, saingy fanomezan’Andriamanitra ny zava-drehetra! “Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra dia avy any ambony, ka midina avy amin’ny Rain’ny fanazavana, Izay tsy misy fiovaovana na aloka avy amin’ny fihodinana” (Jakoba 1. 17). Ho an’ny kristiana izany fahamarinana sarobidy izany. Noho izany izy dia miantehitra tanteraka amin’ny asa nataon’ny Mpamonjy ho azy, teo amin’ny hazofijaliana. Manomboka izao izy dia misitraka fahazoana antoka feno ny amin’ny famonjena azy, ary miankina tanteraka Aminy mba ho voaro ao amin’ny fiainany andavanandro sy ny ady atrehiny manokana.

Ampirisihin’Andriamanitra ny mpanao salamo ary ampahereziny, ka manasa antsika hitoky amin’Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra.

Matoky tanteraka i Davida, raha ny momba azy, ka afaka nampirisika “ny olona” hitodika any amin’Andriamanitra “mandrakariva” (and. 6-8). Tena mila fampaherezana toy izany ny mpino, ao anatin’ny zava-tsarotra diaviny. Asain’i Davida izy ireo mba handoatra ny fon’izy ireo eo anatrehan’Andriamanitra (Efesiana 3. 12). Izany no tsiambaratelon’i Hana, ilay vehivavy mpivavaka izay tsy takatr’i Ely ny nataony; tamin’ny haben’ny fitarainany sy ny alahelony no niresahany tamin’Andriamanitra (1 Samoela 1. 10, 16; Fitomaniana 2. 19).

Ireo andininy farany amin’ity salamo ity (and. 9-12) dia mampisongadina ny maha-zava-poana ny fiankinana amin’olombelona, ary mifanohitra amin’izany, mampiseho ny hery sy ny hatsaram-pon’Andriamanitra, Izay tonga hamonjy ny olony. Na ambany na ambony toerana eo amin’ny fiarahamonina ny olombelona dia mibontsina amin’ny reharehany sy ny hambony mamitaka. Rehefa lanjaina amin’ny mizànan’Andriamanitra izy ireo dia miara-miakatra, satria maivana (and. 9). Samy latsa-danja avokoa izy rehetra (and. 9; Daniela 5. 27).

Zavatra telo tsy tokony hianteherantsika

Eo, aloha, ny famoretana: io dia mifaoka ireo fomba mahery setra sy maniratsira an’Andriamanitra rehetra, izay heverin’ny olona fa hahatrarany ny tanjony, ary tsy iraharahany, na dia kely aza, ny fahamarinan’Andriamanitra sy ny fitsaràny. Manoritra lava ny momba ireo “ratsy fanahy” ireo i Asafa, milaza ny “iambozonany rehareha toy ny rojo sy itafiany fahalozana [na: herisetra] tahaka ny lamba... Manazimbazimba izy ka miresaka fampahoriana an-dolompo” (Salamo 73. 6-8). Antsoin’Andriamanitra mafy ny olony mba hiala tanteraka amin’izany lalana tena ratsy izany (Ohabolana 8. 13).

Avy eo dia resahina eto ny halatra, izay karazana asan-jiolahy. Mora fantatra izany amin’ny fitsiriritan’ny olona iray te hanankarena, te handroba ny fananan’ny hafa (1 Timoty 6. 9-10).

Farany dia tononina koa ny harena. Na dia azo “ara-drariny” aza ireo, dia mora mivadika ho “fandrika” ho an’ireo izay manana azy. Vetivety foana isika dia alaim-panahy hanorina ny fontsika amin’izy ireny sy hiraiki-po aminy! Kanefa tsy misy olona “mahay manompo an’Andriamanitra sy Mamôna” —izay maneho ny herin’ny vola (Matio 6. 24). Io andriamanitra sarotiny io moa dia mifanaraka tsara rahateo amin’ny halatra sy ny herisetra, izay matetika no samy ampiasaina mba handrobana ny fananana izay manintona antsika.

Ny “fitaky” ny harena dia mety halaky mangeja ny asan’ny Teny velona ao amina kristiana, izay manjary “tsy hamoa”, noho izany (Matio 13. 22). Raha tsy mahavokatra ho an’Andriamanitra isika, dia mihajamba ny masom-panahintsika ka tsy haintsika intsony ny manavaka ny sitrapon’Andriamanitra, ary vetivety dia hadinontsika ny nanadiovana antsika tamin’ny fahotantsika fahiny (2 Petera 1. 8-9).

An’Andriamanitra ny hery. Ary Anao koa, ry Tompo ô, ny famindràmpo” (and. 11-12).

Manana antony roa lehibe isika mba hitokiantsika tsy misy fepetra Aminy irery: tsy misy fetra ny heriny sy ny hatsaram-panahiny; noho izany Izy dia afaka mamonjy ireo izay manatona Azy amin’ny alalan’i Kristy (Hebreo 7. 25). Izy irery no afaka mampiasa ny fahasoavany, araka ny fahefana tsy refesina Azy manokana.

Mifarana amina fampitandremana ny salamo; tanisain’ny apostoly Paoly ara-bakiteny io fampitandremana io, ao amin’ny Romana 2. 6: Andriamanitra hamaly ny olona rehetra araka ny asany avy (jereo koa 2 Timoty 4. 14; Apokalypsy 20. 12-13; 22. 12).

Mandefa hafatra iray hafa koa Andriamanitra: mbola andron’ny fahasoavany izao androany izao. Ampirisihiny am-pahatsaram-panahy ny olona rehetra hibebaka —hitsara tanteraka ny “izaho” ao amin’ny fahazavan’Andriamanitra. Nihaino ny feom-pitiavany ve ianao, ry mpamaky?

Ho an’ny mpino, ny fanamelohana mendrika ho azy dia nahatra tamin’i Kristy; voaro tsy hiharan’“ny fahatezerana ho avy” izy. Davida, noho izy niankina tamin’Andriamanitra, dia afaka niatrika fizahàn-toetra mamaivay, tahaka ny nahazo azy vokatry ny fitondràntena lany henatra nataon’i Absaloma zanany taminy. Azo antoka ny tanana nihazona azy, ary fantany izany! Afaka nitoky tanteraka tsy misy fepetra tamin’Andriamanitra izy. Mba ho anjarantsika rehetra anie izany, ho voninahiny!

5