Ny Fanasàn’ny Tompo

Ny Latabatry ny Tompo
sy ny Fanasàn’ny Tompo

Adrien Ladrierre

1. Fampidirana

Ny tiako hambara amin’ity bokikely ity dia fanamarihana vitsivitsy momba io lohahevitra tena manan-danja io, izay tokony ho sarobidy indrindra ho an’ny mpino tsirairay. Marina fa tena zava-dehibe ny fanomezam-pahasoavana omen’ny Tompo ny Fiangonana, mba hampianarana sy hampiorenana: diso tokoa isika raha tsy manaiky azy ireny, na tsy manao azy ireny ho zava-tsarobidy, na koa tsy hanararaotra ny fisian’izy ireny. Matetika loatra nefa dia ireny fanomezam-pahasoavana ireny no ifikirantsika na katsahintsika, ka tsy omentsika toerana firy ao am-pontsika ny zavatra tena tian’ny Tompo. Tombontsoa omena ny mpino rehetra ny manatona ny Latabatry ny Tompo sy mandray ny Fanasàn’ny Tompo. Eo no tafavory daholo ny mpino, mba hiara-mahatsiaro ny Mpamonjy, amin’ilay hetsika nanehoany tamin’izy ireo tamina fomba lavorary ny halalin’ny fitiavany sy ny fahafoizan-tenany tsy misy fetra. Tsy hita eo intsony ny fanomezam-pahasoavana, tonga takona, fa ny hany sisa ao an-tsaina sy ao am-po dia i Jesoa irery, Ilay nanetry tena hatramin’ny fahafatesana, ho antsika. Fahasoavana manao ahoana re izany! Dia hataontsika ahoana re ny tsy hiraika amin’izany tombontsoa goavana iarahantsika mahatsiaro an’i Jesoa izany? Izay kabary tsara lahatra indrindra, ny fampianarana faran’izay lalina, ny fampirisihana manohina ny fo indrindra ve, afaka hanambara ny fitiavan’i Jesoa mihoatra noho ny Fanasàn’ny Tompo?

Ambaran’ny filazantsara telo voalohany ny nanorenana ny Fanasàn’ny Tompo; avy eo izany dia hitantsika indray ao amin’ny Korintiana Voalohany. Io farany io no tena tiako hifantohana, nefa alohan’izany aho dia hilaza zavatra kely ihany momba izay asehon’ny filazantsara.

1.1. Matio 26

Misy ao amin’ny Matio tsipiriany telo na efatra azy manokana. Voalohany amin’ireo, ireto teny ireto: “Raiso, hano.” Fanasàn’ny Tompo ny mpianany izany; toa fandidiana am-pitiavana, fampirisihana handray ny zavatra atolony ka hampiasa izany.

Faharoa manaraka izany, hoy koa Izy, nony nanolotra ny kapoaka: “Sotroinareo rehetra ity.” Tsy nisy nesorina tsy handray anjara amin’io tapany faharoa tamin’ny sakafo io. Efa nomelohin’ny Tompo mialoha tamin’izany teniny izany ny hambo hasehon’ny mpitondra fivavahana romana atỳ aoriana. Manasa ny olony handray, hihinana ary hisotro ny Tompo. Araka izany dia tsy zavatra atao ara-panahy fotsiny io, tahaka ny itadiavan’ny sasany azy, fa fihetsika tena tanterahina. Ary amin’ny lafiny iray koa io dia sariohatra atao eo anoloantsika, ka isaky ny mahita azy isika, dia tokony hahafantatra amin’ny saina sy ny fo ny dikany. Raha tsy izany ny Fanasàn’ny Tompo dia ho lasa fankalazana tsotra izao fotsiny, lasa fombafomba; ary indrisy fa matetika loatra dia izany no miseho.

Fahatelo, ao amin’ny Matio dia anterin’ny Tompo ny dikan’ny kapoaka; ary mifandraika indrindra amin’ny tanjon’ny filazantsara nosoratany izany. Jesoa no ilay Mesia. Tamin’ny fahatongavany Izy dia nanafoana ny fanekena taloha, izay mifototra amin’ny fankatoavan’ny olona, amin’ny maha-ara-nofo azy, sady manameloka ho faty izay tsy mankatò. Tonga Izy mba hametraka fanekena vaovao, mifototra amin’ny fahasoavana. Io fanekena vaovao io dia notendrena hiorina amin’ny famelàn-keloka. (Ampitovio Jeremia 31. 33-34 sy Hebreo 8. 6-13). Raha tsy misy ra alatsaka, nefa, dia tsy misy famelàn-keloka (Hebreo 9. 22). Ny divay izany dia manambara io ra halatsaka ho an’ny maro io, mba ho famelàn-keloka. Na dia tsy nandray an’i Kristy aza ny Jiosy, dia nisy ihany ny ra nalatsaka, ary io dia mitoetra ho fanorenana ilay fanekena vaovao hatao ho azy ireo, ary ao anatin’io fanekena io ny famelàna ny helok’izy ireo sy ny fahafantaran’izy ireo an’Andriamanitra ao am-pony. Tsy misy fanekena natao ho antsika, satria ny Filazantsara dia tsy fanekena, fa fanambaràna ny famonjena. Isika nefa dia misitraka ny tombontsoa entin’ny fanekena vaovao, ary ankoatra izany, misitraka koa ireo fitahiana noho ny toerana efa azontsika any an-danitra, avy tamin’ny asa lavorary nataon’i Kristy, Izay natsangana tamin’ny maty ary nasandratra eo an-tanan-kavanan’Andriamanitra. An’ny Eglizy irery ireo fitahiana ireo (Efesiana 1. 3-7).

Farany, Matio dia mampiseho antsika ny Tompo misaotra alohan’ny hamakina ny mofo, ary misaotra alohan’ny hizaràna ny kapoaka.

1.2. Marka 14

Tsipiriany iray ihany no anampin’i Marka izany, dia ny hoe nisotro tamin’ny kapoaka daholo izy rehetra, nanao izay notadiavin’ny Tompo taminy, ary amin’izany, dia manamafy izay irin’ny Tompo ho an’ny olony, momba izany.

1.3. Lioka 22

Ndeha hojerentsika kely izay lazain’i Lioka ao amin’ny filazantsara nosoratany. Ampifandraisiny —ary tena mendrika ny homarihina izany— ny fankalazàn’ny Tompo ny Paska farany niaraka tamin’ireo mpianany sy ny fanorenana ny Fanasàn’ny Tompo. Ny tena marina, dia io no fankalazana voalohany ny Fanasàn’ny Tompo, ary nanatrika teo ny tenan’ny Tompo, teo anivon’ireo olony.

Ny Paska nefa dia mampahatsiaro ny nanafahana ny vahoaka Israely. Narovana mba tsy hiharan’ny fitsarana ny vahoaka, tamin’ny namafazana ny ran’ny zanak’ondrin’ny Paska. Saingy ny fanafahana ny Israely dia momba ny eto an-tany ihany: kisarisari-na fanafahana tsara lavitra noho izany. Hifarana io sary an’ohatra io, ka ho tonga kosa ny tena izy: hatao sorona mba hamonjena antsika i Kristy, ilay Paska ho antsika. Nambaran’i Jesoa tamin’ny mpianany izany, tamin’ny nilazany hoe: “Tsy mba hihinana izany intsony Aho, ambara-pahatanteraka izany ao amin’ny fanjakàn’Andriamanitra.” Izany teniny izany ve tsy midika fa ny Paska, izay fetin’ny vahoaka etỳ an-tany, ho fahatsiarovana lalandava ho azy ny maha-vahoaka voatokana azy, dia hankalazaina indray mandritra ny fanjakana arivo taona? Izao mantsy no voasoratra ao amin’ny Ezekiela: “Amin’ny andro fahefatra ambin’ny folo amin’ny volana voalohany no hanaovanareo ny Paska, andro firavoravoana hafitoana” (45. 21). Sarobidy mandrakariva ny mahita fa tsy hadinon’Andriamanitra ilay vahoakany fahizany. Saingy mbola tsy tonga io fotoana io. Tsy maintsy nijaly aloha i Kristy, ary nanokan-tena ho Nazarena Izy. Hitantsika tokoa mantsy fa nony nandray ny kapoaka ny Tompo ka nizara izany, dia tsy mba nisotro, fa niteny kosa hoe: “Tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho, mandra-pahatongan’ny fanjakàn’Andriamanitra.” Nahemony ho amin’ny fotoanan’ny fanjakana ny fotoana hifaliany miaraka amin’ny mpianany, fa naoriny ho an’ireo olony kosa ny Fanasàn’ny Tompo, naoriny ho an’ireo vahoakan’ny lanitra, mandritra ny fotoana tsy haha-eo Azy. Izany dia mampahatsiaro antsika ny fototra iorenan’ireo fitahiana rehetra ho antsika, dia ny fitiavan’i Kristy, Izay nidina tao amin’ny fahafatesana, ho antsika.

Ao amin’ny fitantaràn’i Lioka dia misy tsipiriany tsy lazainy nefa hita ao amin’ny Matio, saingy misy kosa tsipiriany hafa izay tena sarobidy ho an’ny fo sady manana marika mampiavaka mihitsy, satria miditra lalina ao anaty ka azo lazaina hoe mampiditra antsika ao amin’ny fitiavan’Ilay niantso ny tenany hoe Zanak’olona, izay endrika anehoan’ny filazantsara araka an’i Lioka Azy manokana. Tsy tsapantsika ve izany, amin’ireo teny mampihetsi-po iantombohan’ny fitantarana teo: “Naniry koa raha naniry Aho hiara-mihinana ity Paska ity aminareo, dieny mbola tsy mijaly” (22. 15)? Dia mbola miampy hoe: “Ity no tenako, izay omena ho anareo.” Omena: izany ve tsy fanehoana ny fitiavana feno fahafoizan-tena, manaiky hatao sorona, mitolo-tena, ka noho izany, mitaky ny hitiavantsika Azy? “Ho anareo”, fitenenana mivantana natao hahakasika ny fo! “Ianareo”, mila ny tenako omena ianareo; inona no ho nanjo anareo raha tsy izany? Raha tsy teo “ianareo”, dia tsy ho nilaina ny nahatongavako etỳ an-tany mba hijaly; nefa tia anareo Aho, ka nanolo-tena ho anareo. Ny eo ambany masontsika dia tsangambatom-pahatsiarovana izany fitiavana mamy sy feno fandavan-tena izany, koa afaka miteny ny tsirairay hoe: “Ny Zanak’Andriamanitra ... tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy.”

Hoy i Jesoa manampy izany: “Izao no ataovinareo, ho fahatsiarovana Ahy”: teny manohina ny fo, tsy hita na ao amin’ny Matio na ao amin’ny Marka, ary raha ampifandraisina amin’ny hoe “omena ho anareo”, dia mampiseho antsika ny zavatra takian’ilay fo be fitiavan’ny Mpamonjy amin’ny olony. Ho tambin’ny fitiavany nanolo-tena hatramin’ny fahafatesana, dia angatahiny ny fahatsiarovan’ny fontsika. Afaka nangataka latsak’izany ve Izy? Izaho dia nanolo-tena ho anareo; ianareo kosa, tsarovy Aho. Fotoana inona eo amin’ny fainantsika no tsy tokony ho feno Azy? Indrindra moa fa amin’io fotoana ahitantsika eo ambany maso io ilay fanasana naorin’Izy tenany ho antsika, mba hampahatsiahy antsika ny fitiavany! Ilay vahoaka sisa tavela, babo tany Babylona, dia nilaza hoe: “Raha manadino anao aho, ry Jerosalema ô! aoka kosa ny tanako ankavanana mba hanadino! Raha tsy mahatsiaro anao aho, aoka ny lelako hiraikitra amin’ny lanilaniko, raha tsy Jerosalema no ataoko ambony indrindra amin’ny fifaliako rehetra!” I Jerosalema, ilay toerana nofidin’Andriamanitra ampitoerana ny anarany, no nahatonga izany fitiavana miredareda izany tao am-pon’ity vahoaka babo. Ary isika kosa, mba inona no natao eo anoloantsika? Ilay mameno ny rehetra amin’ny voninahiny, Ilay nanetry tena hatramin’ny fahafatesana, ho antsika. Ahoana no hahafahantsika manadino izany? Ahoana no tsy hiredareda ao anatintsika ao ny fontsika, eo am-pahatsiarovana Azy?

Dia toy izany koa, raha momba ny kapoaka, i Lioka dia mampahatsiaro fa ny ran’i Kristy nalatsaka no nanorenana ny fanekena vaovao; tsy niteny nefa izy hoe: “alatsaka ho an’ny maro, ho famelàn-keloka”, fa nanampy hoe: “aidina ho anareo”. Miantefa mivantana amin’ny isambatanolona izany; mitsatoka ao am-pon’ny tsirairay. Nitia anao ny Mpamonjy, dia io ianao io; ho anao no nanomezany ny tenany, ho anao no nandatsahana ny rany sarobidy. Mahasarika hanatona Azy ireo teniny ireo! Enga anie isika rehefa mandre izany, mba hamaly ao am-po hoe: “Ho an’Ilay tia antsika ka nanasa {na: namaha (Fanamarihan’ny mpandika)} antsika ho afaka amin’ny fahotantsika tamin’ny rany… ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana!”

Mbola teo anivon’ny mpianany i Jesoa fony nanorina io fanasana io, izay tsangambatom-pahatsiarovana ny hahafatesany. Tena nilain’ny mpianatra ny hahatakarany fa ny fitiavan’ny Tompo no nitondra Azy ho amin’ny fijaliana sy ny fahafatesana. Raha tsy azony teo no ho eo izany, nony nasandratra Ilay Mpampianatra malalany, dia tonga ny Mpampionona, nampahatsiahy azy ireo ny zavatra rehetra nolazain’i Jesoa. Nampianarin’izy ireo an’izay nino noho ny fitorian’izy ireo izany, ary hitantsika ao amin’ny Asan’ny Apostoly 2 ireo kristiana voalohany, naharitra tamin’“ny famakiana ny mofo”, sy tamin’ny foto-pampianarana sy ny fiombonan’ny apostoly, ary tamin’ny vavaka. Mampiseho izany fa nanomboka teo “ny famakiana ny mofo” dia tafiditra tanteraka tao anatin’ny fiainam-piangonan’ny kristiana. Takatr’izy ireo tsara ny vidiny nomen’ny Tompo Jesoa an’io tsangambatom-pahatsiarovana ny fitiavany azy ireo io.

Ireo mpino voalohany ireo nefa dia Jiosy niova fo. Mbola tsy voambara ireo fahamarinana lehibe milaza ny Fiangonana ho Tenan’i Kristy, izay tsy manavaka ny Jiosy na ny Grika. I Paoly, apostolin’ny jentilisa, no nampahafantarin’Andriamanitra izany zava-miafina izany, ka mba nasehony antsika koa ny fifandraisan’ireo fahamarinana ireo amin’ny Fanasàn’ny Tompo.

1.4. 1 Korintiana 10 sy 11

Ao amin’ny taratasy voalohany ho an’ny Korintiana no voalaza ny amin’ny Fanasàn’ny Tompo. Ireo andinin-tSoratra ireo sy ny Asa 20. 7 dia manambara fa teo amin’izay toerana nananganana fiangonana tany amin’ny jentilisa, dia natao ny famakiana ny mofo: tany Korinto sy tany Troasy, toy ny tany Jerosalema. Izany no antony nivoriana. Nampianarin’ny apostoly, ary azon’ny mpino, fa izany no ivon’ny fanompoam-pivavahana kristiana; ary raha vao miangona amin’ny anaran’ny Tompo Jesoa (satria izany no maha-fiangonana ny fiangonana), manodidina Azy, Izay tompointsika sy manatrika eo afovoany, araka ny teny fampanantenàny, dia tokony hahatsiaro Azy tamin’ny nahafatesany: “ambara ny fahafatesany”, mandra-piaviny.

Toerana roa ao amin’ny taratasy voalohany ho an’ny Korintiana no iresahan’i Paoly io fandaminana io. Ao amin’ny toko faha-10, dia ny Latabatry ny Tompo; ao amin’ny toko faha-11, dia ny Fanasàn’ny Tompo. Ny voalohany dia miresaka indrindra ny fiombonana, ny faharoa dia ny tsangambatom-pahatsiarovana. Ndeha hojerentsika misesy ireo.

1.4.1. 1 Korintiana 10. 14-22

Tsy maintsy nampitandrina ny Korintiana ny apostoly, momba ny fanompoan-tsampy sy ny fikambanana amin’ny ratsy. Anisan’ny anaovany izany ao amin’ny toko faha-10: “Koa amin’izany, ry malala, mandosira ny fanompoan-tsampy” (and 14). Ny foto-kevitra napetrany tamin’izany, nefa, dia azo ampiharina mandrakariva, ary afaka hanoro lalana antsika koa, na dia tsy miaina ao anaty kolontsaina feno fanompoan-tsampy aza isika, fa ao amin’ny tontolo kristiana. Ilaina natao io fanamarihana io, sao isika diso fandray ny hevitra raketi-na fiteny toy “ny latabatra” na “ny kapoaky ny demonia”, ohatra, izay tsy azo raisina ara-bakiteny raha tsy ao amina tontolo anjakan’ny tena fanompoan-tsampy.

Tamin’ny andron’i Paoly, tamina toerana sasantsasany dia nisy vondrona telo samy hafa resahiny antsika: ny Fiangonana, izay zava-baovao; Israely, ilay tempolin’Andriamanitra fahiny; ary ny jentilisa, izay niaina tao anaty fanompoan-tsampy. Ny hoe mihinana, na hoe manatona latabatra, dia midika hoe mirotsaka hiombona sy mikambana amin’ireo izay manatona izany latabatra izany ary miara-mihinana aminy. Midika koa hoe maka toerana mitovy amin’izay toerana misy azy ireo. Ny zavatra hanina sy sotroina dia manambara koa hoe amin’inona no iombonana. Ny jentilisa dia nanao sorona ho an’ny demonia; ny miara-mihinana aminy amin’ireo hena nateriny ho an’ny sampy, ny misotro amin’ireo zavatra sotroiny, dia midika fiombonana amin’ny demonia. Ny Korintiana dia tonga hatramin’izany hoe mipetraka ao amina tempolin-tsampy ka mihinana zavatra natao sorona; nataony fialàna olana amin’izany ny hoe fahafahana —nefa raha zohina dia filibana, fanaovana izay sitrapo ary fahaleovantena—, fahalalahan-tsaina, fahalalana. Tandremo, hoy ny apostoly, fa raha manao izany ianareo dia miombona amin’ny demonia, miray latabatra aminy, misotro amin’ny kapoakany. Mety ve izany ho ana kristiana, manana fiombonana amin’i Kristy? (Jereo 2 Korintiana 6. 14-16). Ny tena fahafahana dia ny fahalalahan’ny Fanahy, izay tsy azo ampiharina afa-tsy amin’ny zavatra mendrika ny fiainan’Andriamanitra, fa raha tsy izany dia fanaranan’ny nofo ihany. “Na mihinana ianareo na misotro, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra”; “Aoka ny zavatra rehetra hatao ho fampandrosoana” (1 Korintiana 10. 31; 14. 26). Ny voninahitr’Andriamanitra, ny fampandrosoana ny hafa: izany no fitsipika mifehy ny fahalalahan’ny Fanahy, ary sambatra ny fo miaina amin’izany, araka ny fahamarinana, ao anatin’ny fitiavana.

Tao amin’ny Israely ara-nofo, ireo izay nihinana zavatra atao fanatitra dia niombona tamin’ny alitara, ilay alitaran’Andriamanitra nanaterana ireny sorona ireny. Ireny no “hanin’Andriamaniny” (Levitikosy 21. 6, 17, 21-22). Toy izany no fomba nananana fiombonana tamin’Andriamanitra. Tonga nefa i Kristy, ka nifarana ireny sorona nasain'Andriamanitra natao ireny, izay aloka-na sorona iray tsara lavitra; ary ny kristiana dia “manana alitara izay tsy ananan’ny mpanompo ny tabernakely fahefana hihinanana” (Hebreo 13. 10). Nefa ny foto-kevitra najoron’i Paoly ho an’ny kristiana dia hamafisin’ny zava-nisy tany Israely.

Araka izany dia nasehon’i Paoly tamin’i Korintiana hoe miaraka amin’ny inona ary sehatra aiza no iorenan’ny fiombonany; ary izany dia mahatonga azy ireo hiavaka tanteraka.

1- An’ny Tompo

Voalohany indrindra, Latabatry ny Tompo io, kapoaky ny Tompo. Ny anarana omena an’i Jesoa eto, hoe Tompo, dia manambara amintsika fa manana fahefana amin’io latabatra sy amin’io kapoaka io Izy. Raha mba sitrany ihany ny hanaiky antsika ho eo, hanasa antsika, dia tombontsoa manokana ho antsika izany: aoka tsy hisy hihevitra hoe zo. Izy no nanorina io fahatsiarovana ny nahafatesany io; Izy no mamelatra ny latabatra, Azy io, fa tsy antsika velively. Tsy misy manam-pahefana eo, ankoatra Azy irery; Izy ihany no manondro izay olona tokony ho eo. Tsy maintsy ekena eo ny fahefany amin’ny maha-Tompo azy, ary tokony hitandrina isika sao hihevitra hoe antsika ny Latabany, ka hanomana izany ho toy ny sehatr’olombelona, ary noho izany dia ho tonga manavakavaka. “Miteny toy ny amin’ny olo-manan-tsaina” ny apostoly, miteny amintsika, mba hanavahantsika ny zavatra sy hahalalantsika izay ataontsika sy izay sehatra itoerantsika.

2- Ny kapoaka : fiombonana amin’ny ra

Izany no anton’ny amoaboasany amintsika, avy eo, ny toetran’ny fiombonana, na hoe ny toetran’ny sehatra ivelaran’ny Latabatry ny Tompo. Voalohany aloha, ilay kapoaka atolotra antsika ao amin’izany famoaboasana izany, ny kapoaky ny fitahiana, izay isaorantsika, dia ny fiombonana amin’ny ran’i Kristy. Kapoaky ny fitahiana io, na hoe kapoaky ny fisaorana. Inona tokoa moa no tsy ampahatsahivin’izany antsika? Io ilay ra sarobidin’i Kristy, dia ny ran’ilay Zanak’ondry tsy misy kilema sy tsy misy pentimpentina, izay ahazoantsika fanavotana, manasa antsika amin’ny fahotantsika, ananantsika fihavanana, ary manokatra ho antsika ny lalana mankeo amin’Andriamanitra, izay fidirana feno sy malalaka mankao amin’ny fitoerana masina. Io no fahafatesan’i Kristy, fahatanterahan’ny fanonerana, fanesorana ny fahamelohana. Koa rehefa misotro amin’ny kapoaka isika, dia afaka misaotra sy miteny hoe: Isaorana anie Andriamanitra, noho ny fanomezany tsy hay visavisaina!

Fa ny kapoaka dia fiombonana amin’ny ran’i Kristy. Raha mahazo sy mandray am-pinoana ny dikan’izany isika, dia tafiditra ao amin’ny fihevitry ny Tompo, Izay nalatsa-dra sy nanolotra izany sorona izany ho famonjena antsika. Manana anjara ao izany isika, misitraka izay novidiny ho antsika tamin’ny nahafatesany. Noho izany dia ny olo-navotana ihany no manana tombontsoa manokana hisotro amin’io kapoaka io, satria miombona amin’ny Tompo ao amin’ny fahafatesany. Izy ireo no mandrafitra ny Fiangonana, izay novidin’ny ran’ny Zanak’Andriamanitra.

Io izany ny toetra voalohany ananan’ireo izay manatona ny Latabatry ny Tompo. Navotana tamin’ny ra sarobidin’i Kristy izy, fantany izany, misitraka izany izy ary misaotra. Mba toy izany ve isika, ry havana malala? Azontsika an-tsaina ve, rehefa eo amin’ny Latabany isika, io zava-dehibe io, hoe eo anoloantsika anie ilay fitiavan’i Jesoa tsy hay refesina, azontsika an-tsaina ve fa ny kapoaka izay isaorantsika anie ka manambara “ny fiombonana amin’ny ran’i Kristy”?

3- Ny mofo izay vakìntsika

Manaraka izany, dia misy ny mofo eo ambony latabatra, ilay mofo tokana izay vakìntsika; zaraina ho an’ny maro, nefa iray ihany. Tsy azo ihambahambana fa ny mofo dia maneho ny tenan’ny Tompo fony Izy mbola tetỳ an-tany; ho hitantsika izany ao amin’ny toko faha-11, tahaka ny efa nahitantsika azy tao amin’ny filazantsara:

Ity no tenako, izay omena ho anareo” (Lioka 22. 19). Eto nefa dia tsy izany ihany no asehon’ny mofo, raha ny Latabatra no resahina. Io koa no Tenan’i Kristy etỳ an-tany amin’izao fotoana ankehitriny izao, Tena izay arafitr’ireo olona anisan’io Tena io etỳ, satria io dia isika, isika izay mofo iray ihany, izay Tena iray ihany, na dia maro aza. “Iray ny Tena”, hoy ny apostoly tamin’ny Efesiana (4. 4). Iza no mandrafitra azy, ary ahoana no fomba andrafetana azy? Voarafitr’ireo rehetra navotana tamin’ny ran’i Kristy: ny Fiangonana no Tenany (Efesiana 1. 22-23). Ny Fanahy Masina Izay nidina avy any an-danitra no namorona azy, fa iray ihany ny Fanahy nanaovana batisa antsika rehetra, mba ho Tena iray ihany (1 Korintiana 12. 13). Ny mpino tsirairay dia manana ny Fanahy Masina: tombontsoany manokana izany (Efesiana 1. 13; 1 Korintiana 6. 19; Romana 8. 15-16); io Fanahy io no mampiray azy amin’i Kristy any an-danitra (1 Korintiana 6. 17). Ny mpino rehetra, miara-miray araka izany amin’i Kristy, Ilay Loha nasandratra, no mandrafitra io vatana io, vatana velona: Tenan’i Kristy. Isika no momba io Tenany io.

Ny mamaky ny mofo eo amin’ny Latabatry ny Tompo, izany, dia midika fa miray amin’i Kristy isika, amin’ny maha-momba ny Tenany antsika; amin’ny fomba fijery faharoa izany dia mbola fiombonana koa, ary io no toetra faharoa ananan’ireo mandray anjara amin’ny Latabatra. Miray amin’i Kristy izy ireo, satria momba ny Tenany, ary miombona koa amin’izy samy izy, satria mifampiankina toy ny ifampiankina-na zavatra anisan’ny Tena iray ihany (Romana 12. 5). Ny fepetra mba ho tonga ho anisan’ny Tenan’i Kristy sy vita batisa amin’ny Fanahy Masina, nefa, dia hoe tsy maintsy olo-boavotra, voasasa tamin’ny fahotana noho ny ran’i Kristy; hitantsika amin’izany ny anton’ny anolorana ny kapoaka alohan’ny mofo, ao amin’io ampahan-tSoratra io. Zava-dehibe ny mahita ny filaharan’ny zavatra izay an’Andriamanitra. Marihina koa fa io lafin-javatra asehon’ny mofo eo ambony Latabatry ny Tompo io (fiombonana noho ny maha-momba ny Tenan’i Kristy) dia tsy azo nomena talohan’ny nanandratana an’i Kristy, Ilay Lohan’ny Tena, amin’ny voninahiny, tsy azo nomena koa talohan’ny nanambaràna ny zava-miafina ny amin’ny maha-tokana ny Tena. Izany no tsy ahitana an’io lafin-javatra asehon’ny mofo io afa-tsy any amin’ny lahatsoratr’i Paoly, izay nanankinana ny fanazavana io zava-miafina io (Efesiana 3. 3-9).

4- Fiombonana eo amin’ny Latabatra

Mba ao an-tsaintsika ve io fahamarinana lehibe sy sarobidy io, ry havana malala, rehefa manatona ny Latabatry ny Tompo isika? Maro amintsika angamba hatramin’izao no mandray anjara, amin’ny fahatsapana ny maha-olom-boavotra azy, faly mahatsiaro an’i Jesoa tamin’ny nahafatesany, porofon’ny fitiavany antsika, fitiavana lehibe indrindra. Sarobidy izany, ry havana malala, faran’izay sarobidy indrindra, ary izany marina no tokony hameno ny fontsika. Nefa ny Tompo tsy manasa antsika ho eo amin’ny Latabany mba hiolonolona, tonga fotsiny mba hihinana ny mofo sy hisotro amin’ny kapoaka, ary misitraka samirery ny fahatsiarovana ny fitiavany. Mbola misy ankoatra izany, zavatra hafa ho antsika eo amin’ny Latabany, dia izao: isika rehetra no miaraka Aminy eo, ary faly ny fony mampiangona antsika manodidina Azy, miray saina, miray fitiavana. Mbola tsy nisaina mihitsy angamba ianao hoe tonga eo amin’ny Latabatry ny Tompo amin’ny ny maha-isan’ny Tenan’i Kristy anao, ary eo koa ireo olona sasany momba io Tena io, miara-miray amin’ilay Loha be voninahitra? Rehefa misotro amin’ny kapoaka iray sy mamaky mofo iray isika dia manambara zavatra roa loha: olom-boavotra isika sady momba ny Tenan’i Kristy. Miombona isika, ary miara-misaotra ilay Mpamonjintsika sarobidy. Akory moa ny hafalian’ny fony, mahita antsika miangona manodidina Azy! Akory ny hafalian’ny fontsika mahita fa momba ny Tena iray isika, ary manana Loha iray! Miara-mibanjina Azy isika, ka hameno ny fontsika ny fitiavany antsika, ary hiara-misaotra Azy isika. Ny Latabatry ny Tompo dia toeran’ny fiombonana, toerana iaraha-mandray anjara amin’izay rehetra maha-Izy azy sy amin’izay rehetra nataony ho antsika, toerana iaraha-misitraka ny fitiavany —ary ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra, ny fiombonana dia mampitombo fatratra ny fisitrahana. Tsy ho manirery isika any an-danitra. Rehefa tafangona manodidina ny Zanak’ondrin’Andriamanitra isika dia hiaraka hitsaoka sy hanome voninahitra Azy. Izao dia efa iainantsika izany.

Ireto toetra roa ireto, izany, no ananan’ireo mandray anjara amin’ny Latabatry ny Tompo: navotan’ny ran’i Kristy sady isan’ny Tenany. Tsy tafiditra ao, izany, izao tontolo izao sy ireo tsy niova fo. Mazava toraka izany koa ny sehatra amelarana ny Latabatra: tsy inona izany fa ny maha-iray ny Tena. Izay latabatra tsy velarina araka io foto-kevitra io, tsy ara-pisainana ihany fa tena ampiharina, dia tsy Latabatry ny Tompo. Ny latabatra rehetra velarina araka io foto-kevitra io dia milaza Latabatra iray ihany, satria tsy misy afa-tsy Tena iray ihany, na dia samihafa aza ny fisehony any amina toerana samihafa; koa misy ny fiombonana eo amin’ireo latabatra rehetra ireo. Koa raha handray anjara amina latabatra isika dia tsy maintsy manadihady, aloha, hoe inona no foto-kevitra namelarana azy, mandinika raha voahaja marina ny foto-kevitra lazain’ny Soratra Masina, mandinika koa raha ekena tanteraka ny fahefan’ny Tompo.

1.4.2. 1 Korintiana 11. 20-34

Andeha indray hojerentsika izay lazain’ny toko faha-11, dia ny tsangambatom-pahatsiarovana, resahina bebe kokoa noho ny fiombonana.

Fanasàna (sakafo hariva) nataon’ny Tompo io, sakafo anasany antsika, noho ny fahasoavany. Azy io, fa tsy antsika, toy ny maha-Azy koa ny Latabatra. Tsy tokony hihinana na hisotro amin’izany, raha tsy mahalala akory izay atao. Tsy sakafo toy ny andavanandro io, fa sakafo ao amin’ny fiangonana, “raha miangona ianareo”. Tsy zavatra azo atao ivelan’ny fiangonana io, tsy sakafo atao araka ny sitrapon’ny tena, toy izay anaovana sakafo hafa. Tsy maintsy fantarina izay atao, sy ny sehatra anaovana izany. Ny mivory fotsiny mba hiara-misakafo dia tsy Fanasàn’ny Tompo; ary koa, raha eo amin’ny Fanasàn’ny Tompo ianao, dia tsy ho anao samirery, fa miaraka amin’ny sasany (and 20-22). Tsy misy fandraisana ny Fanasàn’ny Tompo samirery.

Fomba matotra no tian’ny apostoly hijerentsika ny Fanasàn’ny Tompo, apetrany ho zavatra tena miavaka ao amin’ny fivoriana, na ny marimarina kokoa, apetrany ho ny voalohan-tanjon’ny fivoriana. Azo antoka fa namela tamintsika io tsangambatom-pahatsiarovana io ny Tompo, satria te hamoha ny fitiavantsika; nefa miaraka amin’izany koa, izay apetraka eo anoloantsika dia mahatonga ny zavatra rehetra hanetriketrika. Manjary tompon’andraikitra isika eo, tsy hoe mba tsy handray anjara, fa mba hiaina marina ny zavatra asehon’ny Fanasàn’ny Tompo, ka hisitraka izany bebe kokoa.

Nanarin’ny apostoly ny Korintiana mba hampitsahatra ireo korontana tafiditra teo amin’izy ireo rehefa mandray ny Fanasàn’ny Tompo, ary izany dia andraisantsika koa torolalana sarobidy mampiseho amintsika ny hasin’ny Fanasàn’ny Tompo eo imason’Izy Tompo, sy ny tokony ho hasiny ao am-pontsika koa. Na dia ho afaka nianatra tamin’ireo apostoly hafa aza i Paoly, ary angamba efa nahita ny fankalazana ny Fanasàn’ny Tompo teo amin’ireo mpianatra tao Damaskosy sy tao Jerosalema, dia ny Tompo mihitsy no nanome azy ny fampianarana ampitainy momba io: “Izao no hafatra noraisiko tamin’ny Tompo ary nampitaiko taminareo.” Araka izany, ny Fanasàn’ny Tompo dia anisan’ireo fahamarinana noraisin’i Paoly mivantana avy tamin’ny Tompo, ary asehon’izany antsika koa ny hasarobidiny eo imason’ny Tompo. Koa ahoana àry no misy kristiana tsy dia miraharaha loatra io fanorenana io, ka manao azy ho toa zavatra azon’izy ireo ampiasaina araka izay tiany, ary ilazan’ny sasany aza hoe: “raha toa moa io ka mety hanampy ny finoany”?

1- Natolotra Izy

Tsy hadinon’i Paoly ny mampahatsiahy ireo toe-javatra nanodidina ny nanorenan’ny Tompo ny Fanasana, ary izany dia tokony haha-sarobidy azy kokoa ao am-pon’ny tsirairay voavotra: “Jesoa Tompo, tamin’iny alina iny izay namadihana Azy, dia nandray mofo.” Tamin’io alina io no niseho feno sy hioko Aminy ny haratsiam-panahin’ny olombelona sy Satana; io ilay alina namadihan’ny mpianany iray Azy, ilay alina nanolorana Azy ho amin’ny fahafatesana: natolotra teo am-pelatanan’ny ratsy fanahy Izy, natolotra ho antsika. Lohahevitra toa inona moa izany, natao eo anoloan’ny feon’ny fieritreretantsika sy ny fontsika: ny Tompo natolotra! Hasiahana lozabe ao am-pon’ny olombelona no asehon’izany, fa koa fahasoavana lehibe indrindra tao amin’Ilay nanaiky hatolotra. Tsy nisy afaka nikasi-tanana na nisambotra Azy, raha tsy sitrapony (Jaona 18. 5-6), fa nanolo-tena Izy, natolotr’Andriamanitra, ary ho antsika izany!

2- Tamin’iny alina iny

Ary io alina io ve dia tsy mba mampahatsiahy na inona na inona antsika? Taiza Izy tamin’ny fotoana nanolorana Azy? Nanao inona Izy talohan’ny hanolorana Azy? Tao Getsemane Izy, niaina ny tebiteby alohan’ny ady; nanjary ra ny hatsembohana nikoriana avy tamin’ny handriny; nandifotra ny fanahiny ilay alahelo lalina mialoha ny hahafatesany sy ny handaozana Azy hiatrika samirery ny fitsaràn’Andriamanitra. Izany alina izany no apetraka eo anoloantsika; alina nikotrehan’ny zanak’olombelona ny heloka bevava indrindra hataony, alina nanekena ny sorona lehibe indrindra, alina nandraisan’ny fitiavana ny kapoaka avy amin’ny Ray ho fankatoavana Azy, noho ny fahafoizan-tenany ho antsika.

Dia tamin’izany alina izany i Jesoa, talohan’ny hijaliany sy ny hanatanterahany ny sorona, no nieritreritra ny mpianany, ny voka-tsoa feno voninahitra hateraky ny asa hotontosainy ho azy ireo, ny zavatra hahazoany mandray azy ireo eo anilany any amin’ny voninahiny. Ary naoriny izay tokony hahatsiarovana Azy ao am-pon’ireo olon-tiany, mandritra ny tsy haha-eo Azy. “Efa notiavin’i Jesoa ireo Azy teo amin’izao tontolo izao, ary dia notiaviny hatramin’ny farany” ka nomaniny hanana io tsangambatom-pahatsiarovana ny fitiavany io, mandra-pialantsika etỳ an-tany. Enga anie isika rehefa manatona ny Latabatra ka hanana ao am-pontsika ny fahatsiarovana iny alina namadihana Azy iny, ary hisitraka ny maha-zava-misy ilay fitiavana feno hamoram-po sy hery izay itiavany antsika hatramin’ny farany!

3- Nisaotra Izy

Fa na dia mampivarahontsana aza ny toe-javatra nitranga tamin’iny alina iny, toe-javatra izay ampahatsahivina antsika ka manohina mafy indrindra ny fontsika, ary na dia fahatsiarovana ny nahafatesan’ny Tompo aza izany, dia fanafahana antsika, ho voninahitr’Andriamanitra, ka noho izany ny Fanasàn’ny Tompo dia fanompoana anehoana fankasitrahana an’Andriamanitra. Nandray mofo i Jesoa, ary “rehefa nisaotra Izy, dia novakìny”. Nisaotra Izy, toy ny mahazatra Azy tamina fotoana hafa (Matio 15. 36; Jaona 11. 41). Nahoana no misaotra Izy eto? Satria efa iainany mialoha ny hahavitan’ilay asa anton’ny nahatongavany; tsy misy nahita na nahalanjajana tahaka Azy ireo vokatra goavana entin’izay asa izany, ho voninahitr’Andriamanitra sy ho famonjena ny olony (Jaona 17), ary dia manao fiderana mialoha Izy eo anivon’ny Fiangonana, izay soloin’ireo olom-bitsy ireo tena, tamin’io fotoana io. Omeny toromarika harahina isika amin’izao fotoana efa nahavitan’ilay asa izao, ka isitrahantsika ny vokatra rehetra azontsika avy aminy. Fisaorana toa inona tokoa moa no tokony hipololotra avy ao am-pontsika rehefa mahatsiaro Azy, mahatsiaro ny fitiavany sy ny fitiavan’ny Ray Izay nanome ny Zanany ho antsika! Efa nomarihintsika fa nisaotra {Ny “misaotra” (bénir), eto, dia tsy midika hoe manamasina (consacrer), fa mitovy amin’ny hoe manolotra fankasitrahana (rendre grâces : ampitovio 1 Korintiana 11. 24; Matio 26. 26-27; Marka 14. 22; Lioka 22. 19.) Misaotra an’Andriamanitra, mankasitraka Azy (Marka 8. 7) no dikany.} ny Tompo talohan’ny hanolorany ny kapoaka. Tsy misy fitsipika hentitra mamaritra fomba tsy maintsy ankalazantsika ny Fanasàn’ny Tompo; tsy voarakitra an-tsoratra ny teny nolazain’ny Tompo momba izany tamin’io fotoana io, nefa toy ny mahazatra dia ny Fanahy no mampianatra antsika, amin’ny famelarany ny zava-drehetra ho eo anoloantsika araka ny fo sy fihevitr'Andriamanitra, mba hitondrantsika tena tsy araka ny soratra maty na litorjia tsy misy aim-panahy, fa araka ny fiainana sy ny fiasan’ny Fanahy ao anatintsika.

4- Novakìny ny mofo

Ny famakiana ny mofo dia maneho hoe Kristy novonoina no tsarovana. Izy tenany no namaky ny mofo. Nilaina ny fahafatesany, ary Izy no nanolotra ny tenany. Araka ny efa hitantsika dia tsy nisy olona afaka nikasi-tanana Azy. Izy tenany ihany no manolotra ny ainy, ary izany no itiavan’Andriamanitra azy (Galatiana 1. 4; Jaona 10. 18). Mamaky ny mofo isika ankehitriny, mba hampahatsahivana ny zava-nitranga; afaka manao izany isika, satria efa nanolotra ny tenany Izy. Mandray anjara amin’izany isika tsirairay, satria ho antsika tsirairay no nanolorany tena. Rehefa mamaky ny mofo aho, maka silany ary mihinana izany, dia mahatsiaro fa ho ahy no nijalian’ilay Zanak’Andriamanitra tonga olona, mahatsiaro fa izaho no notiaviny (Galatiana 2. 20).

5- Ity no tenako

Ity no tenako”, hoy ny Tompo. Fantatsika fa ny dikan’izany dia hoe: ity no maneho ny tenako. Amin’izao fotoana izao dia efa any an-danitra ny tenan’ny Tompo izay nasandratra (Lioka 24. 51; Asan’ny Apostoly 3. 21; Hebreo 1. 3). Fa ny mofo apetraka eo anoloantsika dia natao hampahatsahivana antsika ny tenany, fony Izy tetỳ an-tany, ilay vatana namboarin’Andriamanitra (Hebreo 10. 5), vatana nampiasainy hanomezam-boninahitra ny Rainy fony Izy nandalo teto amin’izao tontolo izao, vatana nifandraisany tamintsika (1 Jaona 1. 1-3), niaretany hanoanana, hetaheta, hasasarana (Lioka 4. 2; Jaona 4. 6; 19. 28), nitondrany ny rofintsika (Matio 8. 17), vatana nitondrany ny fahotantsika teo amin’ny hazofijaliana ary natao tao am-pasana.

6- Ho anareo

Ary hoy ny Tompo manampy izany: “Ho anareo”. Eny, ho antsika izany; azo lazaina fa isika no tompony. Fitiavan-dehibe re izany, avy aminy! Ary dia mitaky fitiavana avy amintsika koa! Ilay vatana masina sy madio, tempolin’Andriamanitra tetỳ an-tany, dia natao ho antsika. Izay rehetra nanjo azy tamin’ny fiainany, tamin’ny nijaliany sy tamin’ny nahafatesany, dia ho antsika… Tonga olona Izy, nitafy nofo, nefa ho antsika izany, mba hahafahany manolo-tena ho antsika, mijaly sy maty ho antsika. Akony lehibe toy inona moa no tokony mba hananan’io fiteny hoe “ho anareo” io, ao am-pontsika! Fanehoana ny fitiavana mamy indrindra izany. Raha tsy nisy isika, tsy nila nidina avy tany an-danitra Izy, tsy nila naka io vatana niaretany ny fanoherana sy fankahalana avy amin’ny olombelona io, io vatana notevatevaina sy nalàm-baraka io, nosatrohana tsilo, nokapohina, ary nohomboana tamin’ny hazofijaliana. Saingy nila famonjena isika, ka tonga Izy ho antsika. Mbola misy hevitra hafa koa, fonosin’ny fanolorany tena. Nofoanany ny tenany, naka ny endriky ny mpanompo Izy, nanoa hatramin’ny fahafatesana teo amin’ny hazofijaliana, mba hankalazany an’Andriamanitra Rainy, araka ny nolazainy hoe: “Ray ô! ... Izaho efa nankalaza Anao” (Jaona 17: 1-5); tsy azo hadinoina izany; saingy eto i Jesoa dia mampiseho amintsika izay mikasika antsika, mba hampiraiketany ny fontsika Aminy, ary izany no anampiany hoe:

7- Ataovy izao

Izao no ataovy, ho fahatsiarovana Ahy.” Aoka ho i Jesoa, ilay Persona sarobidy nanolo-tena ho antsika, no jeren’ny mason’ny fontsika rehefa mamaky ny mofo isika. Izany no takiany amintsika. Afaka hangataka latsak’izany ve Izy? “Izao no ataovy”: tsy hoe raha tianareo, na hoe araka izay metimety aminareo, fa hoe: “ataovy.” “Ho fahatsiarovana Ahy”, Izy Ilay nomen’Andriamanitra haseho ny fanahintsika. Ary izany dia mandrindrina ny varavarana amin’izay eritreritra hafa rehetra, mba hisitrahantsika Azy irery ihany. Izany ve tsy manala ny fikarohana ny eritreritsika manokana anaty, ny eritreritra poaka aty itarainantsika matetika, iheverantsika ny olona manodidina antsika? Izy irery, i Jesoa, no tsarovantsika. Olona mendrika hotiavina ohatra izany ve, tsy hanakona ny zavatra hafa rehetra? Zary bitika sy fadiranovana avokoa ny zava-drehetra, miohatra amin’ilay fitiavan-dehibe nitiavany antsika. Rehefa mahatsiaro Azy isika, akory ny hazavana feno fahasoavana miditra ao am-pontsika, akory ny hamanitry ny fitiavany masina, akory ny fiadanan-tsaina mandrakotra antsika! Izy no tokony hobanjinintsika ka hataontsika eo amin’ny masom-panahintsika, dia hanjavona toy ny haizim-pito eo anoloan'ny famirapiratan’ny masoandro ny zava-drehetra. Ny naha-Izy azy, ny zava-nataony ho antsika tetỳ an-tany araka ny halemem-panahiny: izany no iriny hotsarovantsika. Tsahivintsika ao amin’ny Fanasàn’ny Tompo izany, ka manjary haintsika atao sy isitrahana, satria miray Aminy isika, ao amin’izay misy Azy ankehitriny, ary miombona aina Aminy.

Izay ny amin’ny famakiana ny mofo: tapany voalohany amin’io fanompoana anehoana fankasitrahana an’Andriamanitra io.

8- Ny kapoaka

Ny tapany faharoa indray dia mikasika ny kapoaka. “Ity kapoaka ity no ilay fanekena vaovao amin’ny rako”, hoy Izy. Ny kapoaka, izany, no ilay fanekena vaovao, maneho ilay atao hoe fanekena vaovao. Araka ny efa hitantsika, ilay fanekena taloha (Eksodosy 24. 8) dia naorina tamin’ny fankatoavana, ka ny fahafatesana no tambin’ny fandikàna azy. Ny fanekena vaovao kosa, izay miorina amin’ny ran’i Kristy, dia mifototra amin’ny famelàn-keloka. Noho izany ny vahoaka Israely, izay hampiharana io fanekena vaovao io, dia tsy hailika tsy hisitraka ny tombontsoa vokatry ny nahafatesan’i Kristy. Ho avy ny andro izay hitodihany amin’Ilay efa nolefoniny. Fa eto dia isika no misitraka ny tombontsoa manokana raketin’ny fanekena vaovao, na dia manana betsaka lavitra noho izany aza isika, tombontsoa mihoatra faralavitra ny an’ny Israely (Efesiana 1. 3-7). Nahazo ny fanavotana isika noho ny ran’i Kristy, ary nahazo ny famelàn-keloka araka ny harenan’ny fahasoavany. Koa dia tsy tsarovan’Andriamanitra intsony ny fahotantsika sy ny helotsika, ary izany tombontsoa izany dia omena ny firenena jiosy koa, ao amin'ny fanekena vaovao. Natokan’ny Fanahy Masina isika, ka mahazo anjara amin'ny famafazana io ra sarobidin’i Kristy io, ran’ilay Zanak’ondry tsy misy kilema sy tsy misy pentimpentina (1 Petera 1. 2, 19). Manonitra ny fahotana io ra io, ary fototra iorenan’ny fitahiana antsika: mampahatsiahy izany amintsika ny kapoaka.

9- Ho fahatsiarovana Ahy

Eto koa izany isika dia mbola mahita indray ny tsangambatom-pahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy. Ny kapoaka, tahaka ny mofo novakìna, dia mampahatsiahy antsika an’i Jesoa tao amin’ny nahafatesany, satria nalatsaka ny ra, navahana taminy ny vatana; koa samy sariohatra maneho fahafatesana izy roa ireo. I Jesoa izany, tao amin’ny nahafatesany, no ampahatsahivina antsika “na oviana na oviana” isika no misotro amin’ny kapoaka —Izy, Ilay tia antsika amina fitiavana mahery noho ny fahafatesana, nidina ho antsika ho any amin’ny fahafatesana. Koa aoka àry isika, “na oviana na oviana”, tsy hisotro amin’ny kapoaka mihitsy, raha mbola variana amin-javatra hafa ivelany ny fontsika: “Ho fahatsiarovana Ahy, na oviana na oviana”, izany no lazain’i Jesoa antsika. Ny fahatsiarovana Azy tao amin’ny nahafatesany ho antsika dia mifamatotra amin’ny mofo, isaky ny mamaky izany isika ka mihinana, sy amin’ny kapoaka, isaky ny misotro amin’izany isika.

10- Ny nahafatesan’ny Tompo

Fa tsy ny lasa ihany nefa no tsarovana, rehefa mandray ny Fanasàn’ny Tompo. Mankalaza izany isika ankehitriny, eto anivon’izao “miara-belona ratsy fanahy” izao. Eto no anambaràntsika ny nahafatesany, amin’ny alalan’ny Fanasàn’ny Tompo. Isaky ny mihinana ny mofo sy misotro amin’ny kapoaka isika dia manambara amin’izao tontolo izao ity zava-mahatalanjona indrindra ity: ny nahafatesan’ny Tompo. Fampifandraisan-teny manao ahoana moa izany! Efa maty ny Tompo. Mahatsiaro izany isika sady mitsaoka Azy, manao fanati-pisaorana sy fiderana, ary miondrika ny fontsika manoloana fitiavana lehibe tahaka izany, satria fantatsika fa maty ho antsika Izy, ary fantatsika ny fahasoavana azony ho antsika sy ny toerana manjary misy antsika, noho izany nahafatesany izany. Nefa ambarantsika ny nahafatesan’ny Tompo. Aiza? ary amin’iza? Eo anivon’ity tontolo ity, izay nankahala sy nandà ary nanombo an’i Kristy, ilay Tompo. Mitory amintsika ny fitiavany sy manambara fiadanana ny nahafatesany, fa ho an’izao tontolo izao kosa dia mitory fitsarana sy fanamelohana (Jaona 12. 31; 15. 18; 16. 8). Ary inona no vokatr’izany fahafatesana izany ho antsika, manoloana izao tontolo izao? Manasaraka antsika aminy izany, nanisy hantsana eo anelanelantsika sy izao tontolo izao. Tsy nanolo-tena ve i Jesoa mba hisarihany antsika ho tafala amin’izao “miara-belona ratsy fanahy” izao (Galatiana 1. 4)? Tsy naman’izao tontolo izao isika, tahaka Azy tsy naman’izao tontolo izao; avy amin’Andriamanitra isika, fa izao tontolo izao kosa dia midaboka ao amin’ilay ratsy avokoa (Jaona 17. 14-16; 1 Jaona 5. 19). Ny Latabatra mivelatra dia manambara mandritra ny taonjato mifandimbidimby fa ny Tompo, Izay tonga tetỳ an-tany, dia novonoina tetỳ. Koa inona no fifanekena mety hataontsika amin’izany tontolo izany, inona no hevitra sy saina ary tombontsoa mety hiarahantsika manana aminy? Nefa marina koa fa eo anivon’io tontolo io isika dia manambara amin’ny mpanota fa amin’ny alalan’io nahafatesan’ny Tompo io no ahazoany mihavana amin’Andriamanitra, mba ho afaka amin’ny fitsarana izay hihatra amin’izao tontolo izao. Toe-javatra feno fitahiana, asa sarobidy, hafa-pitiavana!

11- Mandra-piaviny

Fa akamban’ny apostoly amin’ny fijerena ny lasa sy ny ankehitriny ny fibanjinana ny ho avy. “Na oviana na oviana … dia manambara ny fahafatesan’ny Tompo ianareo, mandra-piaviny.” Fanorenana maharitra, izany, io. Mitoetra hatrany io, raha mbola etỳ an-tany ihany koa ny Eglizy. Nefa miandry ny Eglizy; manana fanantenana izy; fantany fa Kristy, Izay tia azy sy nanolo-tena hamonjy azy, dia manamasina azy, manadio azy amin’ny rano fanasana amin’ny teny, mamelona sy mitaiza azy; ary io Kristy io, indray andro any, no handray azy ho an’ny tenany, ho Fiangonana malaza tsy misy pentimpentina, na fiketronana, na izay toy izany (Efesiana 5. 25-29). Fantany fa hankalazaina any an-danitra ny fampakarambadin’ny Zanak’ondry, ary andrasany io fotoana hiaviany io. Fantany fa efa akaiky io fotoana io, satria hoy Izy hoe: “Ho avy tsy ho ela Aho”; ary “mandra-piaviny”, rehefa mibanjina Azy eny ambony eny izy dia mahatsiaro Ilay nolavin’izao tontolo izao ka maka ny toerana nisy ny Tompony teto amin’izao tontolo izao, dia toerana fanalàm-baraka. Inona no mety hifandraisan’ny Ampakarina amin’izao tontolo nanombo an’i Kristy izao? Misaraka amin’io tontolo io izy, miandry ny fotoana hahitany Azy, ary mahatsiaro ny fitiavany.

Toy izany ve ry havana malala no amakiantsika ny mofo sy isotroantsika ny kapoaka? Ao am-pontsika ve, amin’izay fotoana izay, ireo fahamarinana masina ireo? Azontsika tsara ve hatraiza no maha-sarobidy ao am-pon’i Jesoa ny fahatsiarovantsika Azy? Manao ahoana isika rehefa manatona ny Latabatry ny Tompo? Tena tafasaraka marina amin’izao tontolo izao ve? Amin’ny andro voalohany amin’ny herinandro, rehefa manatona izany latabatra izany isika, entintsika eo ve ny fanahiantsika, ny zava-manahirana antsika, ny fahambanian-tsaintsika, sa kosa feno Azy ny fontsika, feno Azy Izay eo afovoantsika ary ampahatsahivin’ny latabatra amintsika? Tonga mba handray fitahiana ve isika, sa feno fisaorana ny fanahintsika? Marina fa tsy afaka ny hieritreritra an’i Jesoa sy hahatsiaro Azy isika, ka tsy hiredareda ao am-pontsika ny fitiavana Azy, ary amin’izany isika dia mandray avy Aminy, satria mandrotsaka ny avy ao am-pony Izy ary manolotra izany ho antsika. Fa ny fontsika koa no tokony hampiloatra fiderana, dia hisy fitia masina mifamaly, ary zava-tsarobidy ho an’i Jesoa izany fandrotsahantsika ny avy ao am-pontsika izany:

Fanompoan’ilay fo tia Anao

Hanitra mameno ny lanitra

Voatahiry ho amin’ilay fotoana faratampony

Nahatanteraka ny sorona nataonao.

Enga anie isika, rehefa tafavory isaky ny andro voalohany amin’ny herinandro mba hamaky ny mofo, ka hankafy izay nomen’ny fitiavany ho antsika, eo am-piandrasana ny fiaviany, ary hiteny manodidina ilay Zanak’ondry efa voavono, hoe: “Mendrika ianao”, sy hoe: “Ho an’Ilay tia antsika ka nanasa ... ny fahotantsika tamin’ny rany … ho Azy anie ny voninahitra! Amen.”

1.5. Asan’ny Apostoly 2 sy 20

Misy, ao amin’ny Asan’ny Apostoly, lahatsoratra roa miresaka ny famakiana ny mofo: ny iray ao amin’ny toko faha-2, ny iray ao amin’ny toko faha-20. Hitantsika ao amin’ireo toko ireo, fa tao amin’ireo fiangonan’ny olo-masina, raha vao niforona izy ireny, na teo amin’ny Jiosy na teo amin’ny jentilisa, dia nitana ny toerana misongadina izay tokony nananany ny famakiana ny mofo, ny fahatsiarovana ny nahafatesan’ny Tompo. Azon’ireo olo-masina ireo tsara ny fisainan’ny Tompo, ny hetahetan’ny fony. Ny mba hamaky ny mofo no niangonan’ireo mpianatra (20. 7). Tany Jerosalema izy ireo dia naharitra tamin’izany, ary naharitra koa tamin’ny foto-pampianarana sy ny fiombonan’ny apostoly ary tamin’ny vavaka. Ary mety ho azo tsoahina avy amin’ny andininy 2. 46, aza, fa namaky ny mofo isan’andro izy ireo.

Fa mbola misy zavatra hafa koa, entin’ny lahatsoratra faharoa (20. 7) ho antsika. Hitantsika ao, hoe andro inona no nofidina teo amin’ireo kristiana avy amin’ny jentilisa, mba hivoriana hamakiana ny mofo; ary tsy mihambahamba aho milaza fa torohevitry ny Fanahin’Andriamanitra io. Tsy misy fitsipika hentitra nomena antsika; tsy hifanaraka rahateo amin’ny fitantanan’ny Fanahy ny asany izany. Nefa maro ireo andinin-tSoratra Masina no mampiseho amintsika fa manana toerana manokana ny andro voalohany amin’ny herinandro (Ampitahao 1 Korintiana 16. 1-2; Jaona 20. 19, 26; Apokalypsy 1. 10). Mahaliana sady mitondra fampianarana ho antsika ny manamarika ny fifandraisana misy eo amin’ny fankalazana ny Fanasàn’ny Tompo sy io andro voalohany io. Ny Fanasàn’ny Tompo dia mampahatsiahy antsika ny nahafatesan’i Jesoa, tamina andro zoma. Mety ho nihevitra ny olona hoe io andro io no tsara hahatsiarovana izany nahafatesany izany. Saingy ny fihevitr’Andriamanitra, tsy mba fihevitr’olombelona. Ny zoma dia andron’ny olombelona, andro toa nandresen’ny herin’ny maizina, izay nanaisotra teto amin’izao tontolo izao Ilay fahazavàn’izao tontolo izao. Ny alahady, andro voalohany amin’ny herinandro, dia andron’ny Tompo. Andro mampahatsiahy ny fahefany nitsanganany tamin’ny maty. Io no andro nandreseny an’i Satana sy ny fahafatesana, fiantombohan’ny andron’ny mandrakizay. Io no andro voalohany nahatongavany teo afovoan’ny mpianany izay niangona nony naharay ny hafatra nentin’i Maria Magdalena, rehefa nitsangana tamin’ny maty Izy. Koa tsy nety ve ny nifidianana io andro io hanolorana ho an’ireo izay tiany ny sakafony, ny Fanasàn’ny Tompo? Miaraka isika mahatsiaro an’i Kristy Izay maty fahizany, nefa ankehitriny efa velona mandrakizay mandrakizay, Kristy Izay nanavotra antsika tamin’ny fahafatesany ka nitondra antsika hiaraka Aminy eo amin’ny sehatry ny fahariana vaovao, eo amin’ny fiainany nandresy ny fahafatesana. Ny Fanasàn’ny Tompo dia mampahatsiahy ny nahafatesany; ary ny andro ankalazana izany, mampahatsiahy ny maha-velona Azy.

Ireo fanamarihana farany ireo dia tsy natao velively hanomezan-tsiny ireo rahalahy izay mamaky ny mofo amina andro hafa noho ny andro voalohany, raha sendra tafavory; heverinay nefa fa zavatra tokony hodinihina eo anatrehan’ny Tompo izany.

2. Fanamarihana momba ny 1 Korintiana 11. 26-34 :
Ny andraikitry ny mpino

Nohazavaina teo amin’ireo pejy teo aloha ireo ny momba ny Latabatry ny Tompo sy ny Fanasàn’ny Tompo. Noresahina teo ny fanorenana ny Fanasàn’ny Tompo, ny dikany ary ny fampianarana omen’ny Latabatra sy ny Fanasana; ny tombontsoan’ireo voavotra ka isan’ny Tenan’i Kristy, manana ny toerany ao sy afaka mandray anjara. Ny lafiny fahasoavana, izany, no tena naseho ny mpamaky teo.

Fa misy koa lohahevitra iray hafa, dia ny andraikitra mifamatotra amin’ny fisitrahana izany tombontsoa sarobidy izany. Ilaina ny manisy teny kely momba io, anazavana ny sain’ireo izay mbola mety hanana hevi-diso, sady ampaherezana izay fo matahotahotra, ary ampirisihana sy ananarana ireo izay manao an-tsirambina na tsy dia manome lanjany loatra ny Fanasàn’ny Tompo.

2.1. Manao fanahy iniana tsy mandray

Ny Fiangonan’Andriamanitra any Korinto, dia izay nohamasinina ao amin’i Kristy Jesoa”, no anoratan’ny apostoly Paoly. Naorina ny Fanasàn’ny Tompo, novelarina ny Latabatra, tao amin’ny Fiangonan’Andriamanitra, ho an’ireo navotan’i Kristy, ireo izay momba ny Tenany. Fahasoavana izany, tombontsoa manokana ho an’ny tsirairay amin’izy ireo, ary tokony hotandrovany satria Izy Tompo mihitsy no manome lanjany izany. Fanehoany ny fitiavany io, ary tsy misy fo mahalala Azy ka tsy ho tohina na tsy haniry ny hamaly izany isaky ny misy ahazoana manao izany, dia isaky ny andro voalohany amin'ny herinandro, rehefa manatona ny Latabatry ny Tompo mba hahatsiaro Azy sy hanambara “ny fahafatesany, mandra-piaviny”. Mety hisy fotoana tsy ahafahana miara-manatanteraka izany amin’ireo mivory amin’ny anaran’ny Tompo mba handray, na dia maniry izany aza sy mahatsapa ny fahabangana noho ny tsy fahafahana: mahafantatra ireny tsy fahafahana manokana ireny ny Tompo, Izy Izay mamela ireny hiseho. Fa raha ohatra kosa tsy mitombina ny antony, tsy misy zavatra tena manakana, nefa tsy manatona ny Latabatry ny Tompo, dia mampalahelo ny fony, tsy manaja ny anarany ary maneho tsy fahampian’ny fiainam-panahy. Teo amin’ny vahoakan’Andriamanitra fahiny dia tsy maintsy nankalaza ny Paska ny olona rehetra: “ny fiangonana, dia ny Israely rehetra, hitandrina izany” (Eksodosy 12. 47). Ary raha nisy tsy nanao izany, dia nofaizina (Nomery 9. 13). Tsy mitovy amin’izany angamba ny sazy hihatra amin’ny olo-masina ankehitriny, nefa tsy efa famaizana ve ny fahavoazan’ny fanahy nanome alahelo ny Tompo ?

2.1.1. Fanaovana an-tsirambina

Mampalahelo tokoa fa maro ireo olona manamaivana sy tsy dia manome lanja loatra ny fandraisana anjara eo amin’ny Latabatry ny Tompo, ary mampiseho izany fa tsy ankasitrahina araka ny tokony ho izy io Fanasana io. Indraindray dia mora manaiky hosakanana tsy hiara-mivory amin’ny olo-masina, noho ny zavatra tsy dia misy dikany loatra, raha ny marina; fa raha mba nisy hafanana kokoa ho an’i Jesoa tao am-po, dia ho nahita fa tsy misy lanjany akory ireny zavatra ireny. Toa inona moa ny tokony ho hafaliantsika hihaona aminy, amin’io fotoana omeny antsika eo amin’ny Latabany io! Nefa misy raharahan-tokantrano, fitiavana tsy avy hisahirana, andro ratsy, sns., ka dia mijanona ao an-trano. Fa raha mikasika tombontsoa etỳ an-tany, ry havana malala, hanaiky ny ho voasakana mora foana toy izany ve ianao? Tsy ho hainao ve ny hitady fotoana hafa hikarakarana ny ao an-tokantranonao, ny handresy ny hakamoanao, ny hisedra ny haratsin’ny andro, sao very ilay tombontsoa maharitra iray andro? Nefa dia tsy hatahoranao ny hanisy ratsy ny fanahinao amin’ny tsy firaharahanao an’i Kristy?

2.1.2. Fanahiana tafahoatra

Amina olona hafa indray dia tsy misy izany fanamaivanana izany; ny mifanohitra amin’izany aza no hita. Manana fo tena te hanao izay mahafaly ny Tompo izy, saingy ao ny tsy fahalalana, misy koa hevi-diso momba ny Fanasàn’ny Tompo, na indraindray geja mihazona azy lavitry ny Latabatry ny Tompo. Izany Fanasana izany dia heveriny ho zavatra mampatahotra, misy zava-miafina mampangovitra tsy dia fantany hoe inona; fa tsy hitany hoe io Fanasàn’ny Tompo io dia maneho ny fitiavana feno ananan’i Kristy, Izay nanome ny tenany noho isika sy ho antsika. Ny tenany ihany no banjininy, ka hitany ny tsy fahamendrehany, tsaroany ny fahotana nataony, tsapany ny haratsin’ny toetrany, ary heveriny fa tokony ho tsaratsara kokoa noho izay ahatsapany ny tenany izy, alohan’ny hanatonany ny Latabatra, ka dia tsy manatona. Te ho tsara toe-panahy izy vao handray anjara amin’ny famakiana ny mofo sy ny fisotroana ny kapoaka. Ny tenany no jereny, fa tsy i Kristy. Mendri-piderana ny fitsaràny tena, nefa na dia mino an’i Kristy ho Mpamonjiny aza izy, dia atahorana tsy hahafantatra ny toeram-pahasoavana nametrahan’Andriamanitra azy noho ny asan’i Kristy, toerana tonga lafatra misy ny mpino eo imason’Andriamanitra ao amin’Ilay Malalany, ny fahafatesan’izy ireo sy ny fitsanganany niaraka tamin’i Kristy, ka noho izany, vita ny amin’ilay olona taloha, izay efa voatsara sy nifarana teo amin’ny hazofijalian’i Kristy. Marina fa tokony handini-tena isika, araka ny ho hitantsika erỳ ambanimbany, saingy tsy hoe mba hanalavitra ny Latabatry ny Tompo, izay anasan’Izy tenany antsika, ampahatsahivany antsika ny nijaliany sy ny nataony ho antsika, mba hanadiovana antsika amin’ny tsy fahamarinantsika ka mba hanokatra malalaka ny lalana mankany amin’Andriamanitra; ary noho izany ny Fanasàn’ny Tompo dia manambara amintsika hoe: voafafa ny helokao; manatòna ka misitraha ny Mpamonjy anao.

2.1.3. Fomba ahazoam-pahasoavana ve ?

Tsy milaza nefa izany, hoe tokony horaisintsika ho fomba ahazoam-pahasoavana —araka ny fiteny mahazatra— ny Fanasàn’ny Tompo. Misy mandray azy ho toy ny lalana mampanatona antsika kokoa an’Andriamanitra, fa ny marina dia izao: ny ran’i Jesoa no nampanakaiky antsika an’Andriamanitra, ka tonga akaiky Azy isika, mba ho avy handray anjara amin’ny zavatra mampahatsiaro antsika ny sorona nataony. Misy koa mitady ao ny antoka hoe voavela tokoa ny helony, mitady ao ny fiadanana sy ny fitsaharana; nefa raha tena navotan’ny Tompo tokoa izy, dia efa manana fihavanana amin’ny alalan’i Jesoa; efa navelan’Andriamanitra ny helony. Tsy ao amin’ny Fanasàn’ny Tompo no ahitana famelàn-keloka, fihavanana sy fiainana, fa ao amin’i Kristy, ary satria manana ireo, dia manatona ny Latabatra mba hisaotra.

2.1.4. Fanompoam-pivavahana iombonana

Misy koa milaza hoe: “Tsy misy fampiorenana manokana azoko rehefa mivory handray ny Fanasàn’ny Tompo. Faly koa aho mamaky Baiboly any an-trano, ary eo aho dia ao anaty fiombonana amin’ny Tompo.” Na aleony koa mamonjy fivoriana hafa, toy izay ny fivoriana hamakiana ny mofo, toy ny nataon’ny mpianatra tany Troasy. Izany rehetra izany dia fanaovana ambanin-javatra ny tadiavin’ny Tompo, Izay nanambara hoe: “Izao no ataovy, ho fahatsiarovana Ahy.” Marina fa tokony hahatsiaro Azy mandrakariva isika; tsy tokony hiala tao am-pontsika na oviana na oviana ny fieritreretana Azy. Fa dia tsinontsinona ve ny fiarahantsika mivory ankehitriny manodidina ny Latabany, eo anoloan’ireo marika manambara ny tenany notorotoroina, ny rany nalatsaka ho antsika, mitsaoka Azy ary manandratra any Aminy ny fiderana sy ny fisaorantsika? Izany no hataontsika rahatrizay manodidina ny seza fiandrianan’Ilay Zanak’ondry novonoina. Aiza, ry havana malala, no misy ny fanompoam-panahy, ny tena fanompoam-panahy, raha tsy manodidina ny Latabatry ny Tompo?

2.1.5. Tsy manatona noho ny ataon’ny hafa ?

Fa misy koa olona tsy manatona ny Latabatry ny Tompo satria mahita, na mieritreritra hoe nahita eo amin’ny sasany, hadisoana tsy niekena na, matetika, zava-dratsy nataon’ireo taminy. Tsy mampianatra antsika izay tokony hatao eo anoloan’izany toe-javatra izany ve ny Soratra Masina? Fa tsy ny mandà tsy handray ny tombontsoa sarobidy ahatsiarovana ny nahafatesan’ny Tompo no ampianariny. Voalohany aloha, raha mbola mitandro ny voninahitry ny Tompo sy ny fahamasinan’ny Latabany ihany koa ny fiangonana, nefa mbola tsy voatery nandroaka olona iray, dia tsy maintsy zakaiko izy io mbamin’ny hadalany rehetra sy ny hadisoany amiko, na nisy tokoa izany na tsia. Miombona amin’ny fiangonana aho. Aoka hotsarovana ny tenin’ny Tompo hoe: “Aza mitsara, mba tsy hotsaraina”, sy ny nolazain’ny apostoly hoe: “Iza moa ianao izay mitsara ny mpanompon’ny hafa? Amin’ny tompony ihany no ijoroany na ahalavoany.” Manaraka izany, inona no tokony hatao raha tena mahita hadisoana mivandravandra isika? Hoy i Paoly nanoratra ho an’ny Galatiana: “Ry rahalahy, raha misy olona azon’ny ota tsy nahy aza, dia atsanganonareo izay manana ny Fanahy amin’ny fahamorana izy, ka mihevera ny tenanao, fandrao ianao koa mba halaim-panahy ihany” (Galatiana 6. 1). Hoy ny Tompo: “Raha Izaho, Tompo sy Mpampianatra aza, no nanasa ny tongotrareo, ianareo koa mba tokony hifanasa tongotra” (Jaona 13. 14). Manome ohatra tsara ho antsika i Paoly, nilaza hoe: “Mananatra an’i Eodia aho, ary mananatra an’i Syntyke, mba hiray saina ao amin’ny Tompo izy” (Filipiana 4. 2). Nisy teo amin’izy roa vavy, tsy fifanarahana izay mety ho nitera-dratsy; am-panetrentena sy am-pahamorana i Paoly nampitodika azy ireo tamin’ny Tompo, satria voafafa avokoa, eo Aminy, ny tsy fifanarahana, ary mifamela heloka koa, eo Aminy, tahaka ny namelany ny helotsika (Kolosiana 3. 13). Ary farany, raha heverinao fa nanota taminao ny rahalahinao na ny anabavinao, dia inona no lazain’i Jesoa? “Raha manota aminao ny rahalahinao, dia mankanesa any aminy, ka rehefa mitokana ianareo roa lahy, dia asehoy azy ny fahadisoany. Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao; fa raha tsy mihaino anao kosa izy, dia ento miaraka aminao ny olona iray na roa, mba ho voaorina mafy avokoa ny teny rehetra, amin’ny tenin’ny vavolombelona roa na telo. Ary raha tsy mety mihaino ireo izy, dia ambarao amin’ny fiangonana” (Matio 18. 15-17). Izany no fampianaran’ny Teny izay tokony harahintsika, fa tsy hoe hihataka tsy handray ny Fanasàn’ny Tompo, izay iombonantsika amin’ny fiangonana. Ny fiangonana no tsaraina, na ny tena, raha toa tsy mandray ny Fanasàn’ny Tompo. Mba irina fatratra ny tsy hitondra eo amin’ny Latabatry ny Tompo lonilony, lolompo, sain-dratsy amin’ny sasany, satria manelingelina ao amin’ny fiangonana izany, fa kosa tsy hitafy afa-tsy famindràmpo, hatsaram-panahy ary fahamorana.

2.2. Andraikitry ny tsirairay:
tsy mandray amin’ny fanahy tsy mendrika

Izay ny mikasika ireo izay mandà —noho ny antony samihafa— ny fisitrahana sy ny tombontsoa manokana ahafahana manambara ny nahafatesan’ny Tompo: tompon’andraikitra amin’izany izy ireo. Izao dia ndeha hodinihintsika ny 1 Korintiana 11. 26-34 nolazaina terỳ am-piandohana. Nilaza ny apostoly hoe: “Na oviana na oviana ianareo no mihinana itony mofo itony sy misotro amin’ny kapoaka, dia manambara ny fahafatesan’ny Tompo ianareo, mandra-piaviny.” Ary nanampy hoe: “Na zovy na zovy no mihinana ny mofo sy misotro amin’ny kapoaky ny Tompo amin’ny fanahy tsy mendrika, dia ho meloka ny amin’ny tena sy ny ran’ny Tompo.” Efa hitantsika fa ao amin’ny Fanasàn’ny Tompo, ny kapoaky ny fitahiana izay isaorantsika dia fiombonana amin’ny ran’i Kristy, ary ny mofo izay vakìntsika dia fiombonana amin’ny tenany; efa hitantsika koa fa isika, izay maro, mandray anjara amin’izany Fanasana izany, dia mofo iray, Tena iray. Anjaran’ireo olona rehetra navotan’ny ran’i Kristy sy isan’ny tenany, izany, ny mipetraka eo amin’ny Latabatry ny Tompo, ary anjaran’izy ireo irery ihany. Ahoana tokoa moa eo no hisy toerana ho an’ny tsy mino, ho an’ny mino andriamani-kafa, ho an’ny arianina, ho an’ny olon’izao tontolo izao? Rehefa manatona io Latabatra io aho, mamaky ny mofo sy misotro amin’ny kapoaka, dia manambara ny fahafatesan’ny Tompo, ambara-piaviny. Manambara aho, izany, fa voavonjy noho ny rany, tamin’ny nahafatesany; ary manambara, ambonin’izany, fa isan’ny tenany. Manambara aho fa mino io nahafatesan’ny Tompo io sy tafaray Aminy ao amin’ny fahafatesana, ka noho izany, tafasaraka amin’izao tontolo izao izay nanombo Azy. Raha toa tsy zava-misy sy velona izany rehetra izany, amiko, nefa aho mihambo hanana toerana eo amin’ny Latabatry ny Tompo, inona moa aho, raha tsy mpandainga sy mpihatsaravelatsihy? Izany no atao hoe mihinana sy misotro amin’ny fanahy tsy mendrika, mihinana sy misotro fanamelohana ho an’ny Tena, satria tsy mahalala akory ny Tenan’ny Tompo, tsy manaja ny zavatra masina indrindra, mametaveta azy; izany no hoe manjary meloka ny amin’ny tena sy ny ran’ny Tompo. Andraikitra mampivarahontsana indrindra!

Izay nolazaintsika teo dia tsy tokony hampitebiteby fanahy saro-tahotra, izay mieritreritra fa tsy ampy fahatakarana ny fahamarinan’Andriamanitra ampahatsahivin’ny Fanasàn’ny Tompo, na tsy ampy fahatsapana ny toe-po tokony ho vokatr’ireo fahamarinana ireo ao anatiny. Tsy fahalalan’ny saina no resahina eto, na fihetseham-po, fa i Kristy. Hitanao hoe Mpamonjy anao ve Izy? Ianteheranao am-patokiana ve ny rany nalatsaka ho famelàna ny helokao, ny sorona lavorary nataony ka nahafa-po tanteraka an’Andriamanitra? Inoanao ve io fitiavan’i Kristy mihoatra noho ny fahalalana io, fitiavany tonga hitady sy hamonjy anao, ary miantefa lalandava aminao ankehitriny? Banjinanao amin’ny fo feno fahasambarana ve ny Tompo, Izay maty ho anao, ary te hahalala Azy tsara kokoa hatrany ve ianao, mba hahaizanao manompo Azy tsara kokoa? Raha izany, na dia fantatrao sy tsapanao ho malemy sy tsy mendrika aza ny tenanao, dia avia; raiso ny toeranao miaraka amin’ireo izay manambara ny fahafatesan’ny Tompo, mandra-piaviny; manatòna, ary aoka isika hiaraka hisaotra Azy, hidera Azy, ary hitsaoka Azy. Marina fa tokony handini-tena isika, tokony hitsara tena, fa raha efa izany, tsy hoe hanalavitra ny Latabatra isika, fa hanaraka ny fampirisihana tsara nataon’ny apostoly hoe: “Dia aoka izy hihinana ny mofo sy hisotro amin’ny kapoaka.”

2.3. Andraikitry ny fiangonana:
manaisotra ilay mpanao ratsy

Faharoa manaraka izany —ary eto aho dia miresaka an’ireo izay mitonon-tena ho kristiana, ary angamba tena izy mihitsy—, mazava ho azy fa tsy afaka hanana toerana eo amin’ny Latabatry ny Tompo raha mpanota mitondra fahatafintohinana, olona tafalatsaka ao anaty fahotana na miaina fiainam-pahotana. Raha fantatra ny fahotany na ny toeram-pahotana misy azy —ary tsy maintsy ho fantatra izany, na ho ela na ho haingana—, dia manome vahaolana ny baikon’ny Tompo: “Esory aminareo ilay mpanao ratsy” (1 Korintiana 5. 13). Ny maha-eo azy dia handoto ny Latabatry ny Tompo, hampikambana azy amin’ny fahotana, hanameloka sy hanala baraka ny anaran’i Kristy. Raha afaka manafina amin’ny fiangonana ny momba azy ve izy, mandritra ny fotoana voafetra, dia mihevitra fa afaka tsy ho hitan’Ilay manana maso toy ny lelafo? Aoka ho fantany fa mandra-pahatratra azy dia mizaka andraikitra faran’izay mampatahotra izy: mihinana sy misotro amin’ny fanahy tsy mendrika; meloka izy —ary tena meloka!— ny amin’ny tena sy ny ran’ny Tompo, mihinana sy misotro fanamelohana ho an’ny tenany; ary hampivarahontsana io fanamelohana io, raha tsy mitsara ny tenany sy mibebaka izy!

2.4. Tsy fahamendrehana teo amin’ny Korintiana.
Fampiharana ho an’ny ankehitriny

Ndeha hodinihintsika kely ny Soratra ao amin’ny Korintiana nitondra antsika ho amin’ireo filazalazana ireo. Fiangonana kristiana iray sy ny zava-nitranga nandritra ny fandraisana ny Fanasàn’ny Tompo no resahiny. Nandritra ny fotoana lava nipetrahany tany Korinto, ny apostoly Paoly dia nampita tamin’ireo kristiana tany, fahalalana noraisin’izy tenany mihitsy tamin’ny Tompo, mikasika io tsangambatom-pahatsiarovana ny nahafatesany io. Toa nohadinoin’ny Korintiana ny zavatra nolazainy tamin’izy ireo, hany ka nanjary nisy fanararaotana mamohehatra tafiditra tao amin’ny fankalazana ny Fanasàn’ny Tompo ary nahatonga azy tsy hanana ny toetrany intsony. Izany no nampisy ireo fampianarana sy fananarana ary fampirisihana nataon’ny apostoly momba izany. Any amin’ny fiangonana hafa, indrindra amin’izao vaninandro iainantsika izao, mety ho samihafa ny tranga miseho, nefa mitoetra hatrany ny foto-kevitra; koa manana ny lanjany ho antsika, izany, ny fananarana sy ny fampirisihana ao amin’io ampahan-tSoratra io. Mivohitra ao amin’ny teny ampiasain’ny apostoly amin’ny fananarany ny laza sy lanjan’io hetsika io, izay ahatsiarovantsika ny nahafatesan’ny Tompo, ny fahafoizan-tenany ho voninahitr’Andriamanitra sy ho famonjena antsika, ny fitiavany ny olony. Afaka mihinana ny mofo sy misotro amin’ny kapoaka “amin’ny fanahy tsy mendrika” isika. Amin’izany isika dia “meloka ny amin’ny tena sy ny ran’ny Tompo”, izay tsy nofantarintsika sy nataontsika tsinontsinona. “Mihinana sy misotro fanamelohana ho an’ny tena” isika. Tokony hampieritreritra fatratra antsika izany. Ankoatra izany, ny fandraisana ny Fanasàn’ny Tompo amin’ny fanahy tsy mendrika dia misy vokany mahafaty, ary nihatra tamin’ny Korintiana izany.

2.4.1. Tsy mamantatra ny tenan’ny Tompo

Very tsy tsinjon’izy ireo intsony izay nampianarin’i Paoly azy ireo, ary angamba noho ireo fanao nahazatra azy fahiny tao amin’ny fanompoan-tsampy, dia nanjary nataony ho fiaraha-misakafo tsotra izao ny Fanasàn’ny Tompo rehefa nivory ho fiangonana izy ireo. Toa lasa fihinanam-be izany fanasana izany, nanehoany fitiavan-tena sy ny fieboeboana, tsy mba nitsinjovany —na kely aza— ireo mahantra. Tsy mba nifampiandry izy ireo, mba hanehoany ny fiombonany, fa izay tonga aloha dia maika ny hihinana, ary tsy mba niraharaha ireo izay noana. Ankoatra izany, nanaram-po tamin’ny fisotroana izy ireo, ary nisy aza ny mamo, ka amin’izany dia nanao tsinontsinona sy nanala baraka ny fahamasinana sy fahadiovan’ny fiangonan’Andriamanitra. Izany fihetsika izany no atao hoe mihinana sy misotro amin’ny fanahy tsy mendrika, satria manambany ny zava-masina natao hisarika ny fanahy tsy ho amin’ny zavatry ny tany fa hibanjina ny Tompo, manambany azy hitovy amin’izay mahatanteraka ny filàn’ny vatana ara-boa-janahary, na ny fitsiriritany mihitsy aza. Araka izany izy ireo dia tsy namantatra ny Tena, izany hoe tsy nahita izay maha-samy hafa ny fanehoana ny tenan’ny Tompo sy ny sakafo andavanandro. Tsy hitany ny votoaty sy toetran’ny Fanasàn’ny Tompo —ny nahafatesan’ny Tompo—, ary vokatr’izany izy ireo dia “meloka” ny amin’ny tena sy ny ran’ny Tompo, ka niharan’ny fitsaràn’Andriamanitra, izay niantraika tamin’ny vatan’izy ireo. Fanamelohana etỳ an-tany izany: maro ny marofy sy marary, ary ny sasany efa nodimandry. Nofaizin’ny Tompo toy izany izy ireo, mba tsy hohelohina miaraka amin’izao tontolo izao. “Izany no asan’ny fitondràn’Andriamanitra, Izay mametraka ny fahefany eo am-pelatanan’ny Tompo Izay mitsara ny ankohonan’Izy tenany.”

Ho an’ireo izay niharan’izany fitsarana izany, dia fatiantoka miharihary izany: voailika satria naneho fizotra mifanohitra amin’ny fahamasinana takian’ny Tompo ho an’ny Latabany sy manamavo izay nampahatsiaro Azy ao am-po.

2.4.2. Fahazarana sy Fahamaivanana

Ndeha izany fampianaran’ny apostoly izany hampiharintsika amin’izao vaninandro iainantsika izao. Ho antsika, ny Fanasàn’ny Tompo dia tsy raisina aoriana fisakafoana tsotra. Io Fanasana io dia ankalazaintsika amin’ny fomba tena tsotra takiany, raha jerena ivelany. Tsy hoe natao hahavoky io na himamoana, nefa azontsika raisina amina toe-tsaina sy toe-po hahatonga azy hitovy amina fisakafoana tsotra, eo imason’ny Tompo. Matetika dia manatona am-pahazarana fotsiny, tsy mahatsapa ny lanja sy ny haja tokony homena an’io fotoana io, tsy nandini-tena; fihetsika maneho fahamaivanana izany, ka meloka. Eto izahay dia mindrana tenin’olona iray : “Ny fahafatesan’Ilay Kristy Izay natolotra no tsarovantsika. Ilay tena nomena dia azo lazaina hoe teo anoloan’ny mason’izy ireo. Ny ran’ny Mpamonjy nalatsaka dia nitaky ny fitiavana avy ao am-pon’izy ireo. Raha mandray anjara amin’ny Fanasàn’ny Tompo amin’ny fanahy tsy mendrika izy ireo, dia meloka noho ny fanaovana tsinontsinona ireo zava-tsarobidy ireo. Tamin’io didy io dia ny Tompo mihitsy, tamin’ny fomba mampihetsi-po indrindra, ary tamin’ilay fotoana namadihana Azy, no nisarika ny saintsika hifantoka amin’ny tenany izay natolony sy ny rany izay nalatsaka ho antsika. Na dia ny fo aza, nefa, no nampitodihan’i Kristy tamin’izany zavatra izany, ny fifehezana dia nihatra tamina fomba manetriketrika mifandraika amin’io didy io. Niharan’ny famaizana ireo izay nanao tsinontsinona ny tena novakìna sy ny ran’ny Tompo, satria nandray anjara tamin’izany tsy am-piheverana. Noho izany dia maro tamin’izy ireo no farofy sy narary, ary ny sasany efa nodimandry, izany hoe maty.”

2.4.3. Mendrika sa tsia ? Mandini-tena.
Ny fitondràn’Andriamanitra

Tsy ilaina ny manontany tena hoe mendrika ny handray anjara amin’ny Fanasàn’ny Tompo ve? Izao no voalaza: “Aoka ny olona hamantatra ny tenany, dia aoka izy hihinana ny mofo sy hisotro amin’ny kapoaka”; ny ahazoana tsiny dia ny mandray anjara amin’ny fanahy tsy mendrika. Ny kristiana tsirairay, raha tsy hoe misy fahotana manakana azy, dia mendrika ny handray anjara amin’ny Fanasàn’ny Tompo, satria kristiana. Nefa mety misy kristiana manatona fotsiny am-pahazarana, satria efa izay no izy, toy ny hanaovany ny raharahany andavanandro —ny fisakafoany, ohatra. “Mety misy kristiana manatona ny Latabatra, nefa tsy namantatra ny tenany, na tsy mankasitraka araka ny tokony ho izy izay ampahatsahivin’ny Fanasàn’ny Tompo aminy, sy izay ambaran’ny Tompo miaraka amin’io. Tsy namantatra ny tenan’ny Tompo izy; tsy namantatra sady tsy nitsara ny ratsy ao anatiny. Tsy afaka mamela antsika hitoetra ao amin’izany tsy firaharahana izany Andriamanitra. Raha mitsara tena ny mpino, tsy hitsara azy ny Tompo; raha tsy mitsara tena isika, dia tsarain’ny Tompo; nefa rehefa tsaraina ny kristiana dia faizin’ny Tompo, mba tsy ho voaheloka miaraka amin’izao tontolo izao.”

Matotra indrindra anie izany zavatra rehetra izany e! Tafalatsaka tsara ao anatintsika ve izany? Arakaraka ny hasarobidin’ireo zavatra ireo no mahalehibe ny tombontsoa azo rehefa mandray anjara, arakaraka izany no mahalatsaka lalina ao am-po ny fankafizana azy, ary arakaraka izany koa no mahalehibe ny andraikitra raisin’ireo izay mandray anjara. Ary raha toa amin’ny fanahy tsy mendrika no anaovana izany, ahoana moa ny fitondràn’Andriamanitra no tsy hanafay ireo izay manao tsinontsinona sy manamaivana ny zavatra manome voninahitra Azy indrindra ao amin’i Jesoa, izany hoe sarobidy Aminy?

Mbola misy teny vitsivitsy koa ireto: “Ny fitondràn’Andriamanitra dia eo am-pelatanan’ny Tompo, Izay mitsara ny ankohonan’Izy tenany: fahamarinana lehibe nefa hadino matetika loatra io. Tsy isalasalana fa ny vokatr’izany dia araka ny fihevitr’Andriamanitra, Izay mampiseho feno antsika amin’io fitondràny io ny fahendreny, ny fahari-pony ary ny fahamarinan’ny lalany; fa io fitondrana io dia zavatra tena misy. Mitady ny hahasoa ny vahoakany Andriamanitra, any am-parany, nefa koa mitaky fahamasinana aminy, mitaky fo mifanaraka amin’ny zavatra nambarany (efa nanambara ny tenany Izy) sy fizotra maneho izany. Ny toetra voa-janahary, ho an’ny kristiana, dia ny fiombonana amin’Andriamanitra, araka ny hery nasehony tamin’ny zavatra nambarany. Raha tsy io toetra io, izany hoe raha very io fiombonana io, dia miara-very aminy ny hery hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra, hery izay tsy hita any an-kafa, na aiza na aiza.” Tsy mazava ve fa raha toa mandray ny Fanasàn’ny Tompo tsy am-piheverana, am-pahamaivanana, tsy nandini-tena, am-pahazarana fotsiny, tsy mamantatra sy tsy misitraka ny zavatra ampahatsahiviny eo, dia midika hoe tonga eo nefa tsy manana fiombonana amin’Andriamanitra Izay mifaly ao amin’ny Zanany, Ilay Zanany hadinontsika, raha toetra toy izany no anatonantsika ny Fanasàny? Herim-panahy inona no mba hoentitsika mandeha amin’ny fahamasinana, hanomezantsika voninahitra an’Andriamanitra, Izay miantso antsika ho ao amin’ny fanjakàny sy ho ao amin’ny voninahiny? Ara-panahy isika dia harofy, harary, ary mety ho maty mihitsy aza, tsy manana hery hijoroana ho vavolombelon’i Kristy eto amin’izao tontolo izao, satria tsy manambara ny fahafatesan’ny Tompo.” “Nefa”, hoy ihany ilay olona tanisaintsika, “raha mitsara tena isika, dia misy fanarenana, satria efa nodiovina tamin’ny ratsy ny fontsika rehefa nitsara io ratsy io; voaverina ny fiombonana”, ary miaraka aminy, ny hery mba hizorana araka an’Andriamanitra sy ny fahafahana misitraka izay asehony antsika ao amin’i Kristy. “Raha tsy mandini-tena isika, tsy maintsy miditra an-tsehatra Andriamanitra, manitsy sy manadio antsika amin’ny fifehezana —fifehezana izay mety ho tonga hatramin’ny fahafatesana.” (Jereo Joba 33 sy 34; 1 Jaona 5. 16; Jakoba 5. 14-15.)

Anampintsika izany koa ireto eritreritra vitsivitsy ireto:

Ny tokony hataontsika rehefa handray ny Fanasàn’ny Tompo, dia tsy hoe mianina fotsiny amin’ny fitsarana ny ratsy natao, fa mamantatra koa ny toetrantsika rehefa tarafin’ny hazavana —satria Andriamanitra dia eo amin’ny mazava— sy mizotra eo amin’ny mazava. Izany dia miaro antsika tsy ho tafalatsaka ao amin’ny ratsy, na amin’ny zavatra atao, na amin’ny eritreritra. Nefa raha lavo isika, tsy ampy ny mitsara ny ratsy natao, fa tsy maintsy tsaraintsika koa ny tenantsika, tsaraina ny toetran’ny fo sy ny firehankevitra ary ny tsirambina nahatonga izany fahalavoana izany, izany hoe raha fintinina, dia tsaraina daholo izay rehetra tsy fiombonana amin’Andriamanitra na manakana izany.”

Aoka hotandremantsika koa ireto fanamarihana manaraka ireto: “Ny fototra sy ny ivon’izany rehetra izany dia ny toerana misy antsika manoloana an’i Kristy, rehefa mandray ny Fanasàn’ny Tompo: io Fanasana io no ivo hita maso isian’ny fiombonana, io no fanehoana ny nahafatesany izay efa nitsarana ny ota, ny ota rehetra. Mifandray amin’io fitsarana masina io isika: anjarantsika io. Tsy azo afangaro amin’ny ota ny fahafatesan’i Kristy. Io fahafatesany io no fanafoanana tanteraka ny ota: izany no toetrany sy nilàna azy, ary mbola ho hita any am-parany ny vokany feno. Io fahafatesan’i Kristy io no fandàvan’Andriamanitra ny ota. “Maty ny amin’ny ota” i Kristy, noho ny fitiavany antsika. Io fahafatesany io no manambara ny fahamasinan’Andriamanitra, fahamasinana feno natao ho tsapantsika ary nambara tamin’ny nanesorana ny ota. Amin’io lafiny io ny fahafatesan’i Kristy dia manambara fahafoizantena tanteraka ho an’Andriamanitra, mba ho voninahiny. Raha mitondra ny ota na ny tsirambina eo amin’izay maneho ny nahafatesan’i Kristy isika, dia mametaveta izany. Kristy, nefa, nanaiky ny ho faty, toy izay hamela ny ota hitoetra eo imason’Andriamanitra. Tsy azo melohina miaraka amin’izao tontolo izao isika, satria maty i Kristy ary nanafoana ny ota, ho antsika. Nefa tsy azo leferina mihitsy ny fitondrana ny ota eo amin’ny fahatsiarovana io nahafatesan’i Kristy io. Takìn’Andriamanitra izay anjara tokony ho an’ny fahamasinan’i Kristy sy ny fitiavany, Izy Kristy Izay namoy ny ainy hanesorana ny fahotana. Tsy azo atao ny milaza hoe: “Tsy hanatona ny Latabatra aho.” Fanekena ny ota izany, ary fandàvana tsy hanaiky ny hasarobidin’io fahafatesana io. Mamantatra ny tenantsika isika, dia manatona. Averintsika ao an-tsaina ny zo mifamatotra amin’ny nahafatesany, satria voavela sy efa nonerana daholo ny fahotana rehetra, ka tonga isika hisitraka izany zo izany, ho porofon’ilay fahasoavana tsy mety ritra.

Voaheloka izao tontolo izao. Efa notsaraina ny fahotana ao amin’ny kristiana; tsy hoe miafina amin’ny mason’Andriamanitra na amin’ny fitsaràny izy, tsy akory. Tsy manaiky ny fahotana na oviana na oviana Andriamanitra; dioviny ho afaka amin’izany ny mpino, amin’ny famaizany azy, na tsy melohiny aza, satria i Kristy nitondra ny fahotany.

Araka izany, ny fahafatesan’i Kristy no ivon’ny fiombonana ao amin’ny Fiangonana, sady mari-pitsarana ny fieritreretana; ary raha ny mikasika ny Fiangonana, dia ao amin’ny Fanasàn’ny Tompo no ampiharana io fahamarinana io.”

Enga anie ny tsirairay amin’ireo izay mivory amin’ny anaran’i Jesoa, isaky ny andro voalohany amin’ny herinandro, manana tombontsoa manokana hampahatsiaro ny fahafatesan’ny Tompo, ka mba ho heniky ny halehiben’ny fitiavany, mba hankasitraka bebe kokoa hatrany ny maha-Izy Azy sy ny asa vitany, ary amin’izay fotoana izay, mba hahatsiaro fa eo amin’ny Latabatr’Ilay Masina sy Marina ka hisitraka feno ny fiombonana Aminy.