NY BAIBOLY sy ny toaka

Fampidirana


Iza moa iny lehilahy mivazavaza amin’ny zanany sy ny vadiny sady mivembena fandeha iny ?

Andevo iny !

Andevo hoe e ?

Eny, andevo iny. Mihevi-tena ho afa-manao izay tiany hatao izy, nefa andevozin’ny toaka, izay manapotika ny finiavany sy manimba azy.

Fa dia nahoana loatra, re, no maro ny olona manaiky ho voafandrika tahaka izany ? Matetika mihitsy izy ireny no olona faraidiny ka mitady hanadino ny fahoriany amin’ny alalan’ny fisotro mahamamo ; nefa tsy maharitra toy inona akory izany fanadinoana izany. Vao mainka koa mangidy lavitra noho ny teo ny fahadisoam-panantenana, rehefa avy eo ! Mitombo ny fahoriany, ary dia toy ny hoe tsy ho afaka ny ho sambatra intsony izy !

Misy koa ireo mahita fahafinaretana amin’ny fisotroana zava-mahamamo miaraka amin’ireo namany. Amin’ny nahim-pony izao izy ireo dia manaiky horohizina tsikelikely eo, dia mizatra miaina ao anatina toetra varimbariny, izay manaporofo ny fanandevozana manjo azy ireo.

Na amin’iry voalohany hoe misotro noho ny adim-piainana, na amin’ity faharoa hoe misotro noho ny haitraitra, dia samy mizatra toaka avokoa ny vatana. Manjary filàna tsy maintsy omena fahafaham-po ny fisotroana toaka, amin’ny alalan’ny fisotroana bebe kokoa hatrany. Indrisy, izany toerana mampivarahontsana mahatafalatsaka ny olona izay noarìn’Andriamanitra ho tahaka ny endriny !



Vokany vitsivitsy


« Andriamanitra tsy azo vazivaziana, fa izay afafin’ny olona no hojinjainy » (Galatiana 6. 7).

Ny mpisotro toaka dia hijinja fahantrana, fahoriana sy faharavan’ny fianakaviany. Tsy ho ampy ny vola ilaina amin’ny sakafo sy ny fitafiana, ary ho lasa an-tsirambina ny asa fivelomana. Korontana, fahasiahana, fankahalana no hanjaka ao an-tokantrano. Dia iny ilay lehilahy fa hiteny ratsy ny vadiny, ary hikapoka azy mihitsy aza. Io toetra ratsy tafiditra ao an-trano io dia manokatra varavarana ho ana toetra ratsy hafa koa, toy ny halatra sy ny fijangajangana, izay hitarika ny olona babony mbola hivarimbarina lalina kokoa.

Ny vatana sy ny saina dia hihara-na voka-dratsy mampivarahontsana voaporofon’ny siansa : fahamombana, aretin’aty be, haverezan-tsaina, ary ho an’ny ankizy : hasamponana hatrany am-bohoka, fanintontsintona.

Hiseho ho matoky tena ireo andevon’ny toaka, miteny hoe : « Olona afaka izahay, ary hijanona rehefa te hijanona ! Tsy hahavoa anay na oviana na oviana ireo voka-dratsy ireo ! » Lainga tafiditry ny devoly tao an-tsain’izy ireo fotsiny nefa izany. Ny marina dia lasa hazan’ny devoly izy ireo.

Fehezin’ny Baiboly amina fiteny fohy ireo vokatry ny fahamamoana : « fanaranam-po amin’ny ratsy » (Efesiana 5. 18). Ny fanaranam-po amin’ny ratsy dia toetra mitory fivahavahana sy fahasimban’ny talenta ara-toe-panahy aman-tsain’ny olona. Voary manan-tsaina natao hifandray amin’Andriamanitra izy, nefa dia very izany fahamendrehany izany. Tsy vitany intsony ny manatontosa ny andraikiny amin’Andriamanitra, amin’ny namany, amin’ny fianakaviany ary eo amin’ny asany. Tsy ananany intsony koa ny hery sy tanja-tsaina ilaina hoenti-miady amin’ny fironana ho amin’ny ratsy sy ny toetra ratsy. Vokatr’izany dia mitombo mora foana ireo haratsiana ireo, satria tsy ao intsony ilay hery fiarovana nomen’Andriamanitra ny olona.
Dia manjary kilalaon’ny devoly ilay olona !



Ny kristiana sy ny toaka


Ny olona tsy mino, ka mbola andevon’ny devoly, dia mety ho ao anatin’izany toetra izany ; fa raha ny marina, ny mpino dia tsy tokony ho toy izany mihitsy. Indrisy nefa fa hitantsika eo amin’ny fiainana andavanandro sy ambaran’ny Baiboly koa, fa ny devoly dia mahavoafitaka kristiana sasantsasany izay mitady fahafinaretana ao amin’ny fisotroana zava-mahamamo. Ireo voka-dratsin’ny fimamoana dia tena mandoza ny mpino, satria manimba ny fiainam-panahiny. Mahory ny mahita mpino mimamo, nefa dia efa nantsoina izao tsy hanolotra ny « momba ny tenany » ho an’ny fahotana, fa ho an’Andriamanitra ho amin’ny fahamasinana (Vakio Romana 6). Ny momba ny tena voalaza eto dia ny rantsam-batana mbamin’ireo fahaizana ara-tsaina sy ara-pihetseham-po. Raha atolotrao ho an’io fahotana io ireo, dia potehinao ny fahaiza-manao voajanahary (eo amin’ny lafiny vatana, saina, fihetseham-po) sy ara-panahy nomen’Andriamanitra anao sy tian’ny Fanahy Masina hampiasaina hanompoana ny Tompo. Koa na dia tokony hiaina amin’ny fomba azo tsapain-tanana ny maha-tempolin’ny Fanahy Masina ny tenanao aza ianao, tempoly izay tokony hanomezanao voninahitra an’Andriamanitra, dia manjary ampanaovinao fanompoana ny fahotana ny tenanao. Ary na dia tokony ho vavolombelon’ny Tompo aza ianao, dia ianao indray no manokatra lalana hitenenana ratsy ny finoana kristiana.



Inona no ambaran’ny tenin’Andriamanitra momba izany ?


Ndeha isika hitanisa andinin-tSoratra Masina vitsivitsy izay anehoan’Andriamanitra amintsika ny vokatry ny fisotro mahamamo :

« Aza mijery ny divay noho ny hamenany sy ny fanganohanony eo anaty gilasy (kapoaka) ary ny fikoriany mahafinaritra ; fa amin’ny farany dia hanaikitra toy ny bibilava izy ary hanindrona toy ny menarana. Koa ny masonao dia hijery vehivavy jejo (vehivavy mpivaro-tena), ary ny fonao hieritreri-dratsy. Eny, ho sahala amin’izay mandry ao amin’ny ranomasina ianao, sady ho tahaka izay mandry eo an-tendron’ny andrin-tsambo. Nokapohiny aho, hoy ianao, fa tsy reko naharary ahy, nandalasiny aho, fa tsy tsaroako ; rahoviana ange aho no hifoha mba hitadiavako azy indray ? » (Ohabolana 23. 31-35).

« Lozan’izay mifoha marainakoa ka mitady toaka ! Izay miboboka mandra-paharivan’ny andro ka ampirehetin’ny divay ! » (Isaia 5. 11).

« Mpaniratsira ny divay, ary mpitabataba ny toaka, koa izay miraikiraiky azon’izany dia tsy hendry » (Ohabolana 20. 1).

« Fijangajangana sy divay ary ranom-boaloboka no mahalasa ny saina » (Hosea 4. 11).



Ahoana no hahafahana amin’io fanandevozana io ?


Inona no hatao mba hahafahana amin’io fanandevozana io ka hivoahana hiala amin’izany fahoriana izany ? Ry sakaiza kristiana izay nivarilavo indray, tsy ireo fiezahanao samirery tsy akory no hahafaka anao. Maka fanapahan-kevitra tsara izay tsy hainao tanterahina ianao. Koa isanandro isanandro ianao dia manala baraka ny Tompo sy miatrika ny mety handaozanao izao tany izao —raha mba efa tena navotan’ny Tompo tokoa— amin’ny nenina mampahonena hoe nanolotra ho an’ny filàn-dratsinao ny momba ny tenanao, izay an’ny Tompontsika. Tsy manana ny herin’Andriamanitra ao aminao intsony ianao, satria notapahin’io fahotana io ny fiombonanao amin’Andriamanitra.

Ahoana àry no ahazoana mamerina indray amin’ny laoniny io fiombonana io ? Hoy ny avalin’ny Tenin’Andriamanitra : « Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra » (1 Jaona 1. 9). Rehefa avy niaiky toy izany ianao, dia mametraha ny fitokisanao eo amin’Ilay nampitoetra anao —noho ny asa nataony— ao amin’ny fahafaha-na zanak’Andriamanitra sy mifona mandrakariva ho anao (Vakio ny Jaona 8. 31-36 sy ny Hebreo 7. 25).

Hoy i Paoly apostoly : « Mahay ny zavatra rehetra aho, ao amin’Ilay mampahery ahy » (Filipiana 4. 13). Dia tsy ho hay tanterahina aminao ve izany ? Te hanafaka anao Andriamanitra, nefa mitaky —toy ny tamin’ny andro vao niovanao fo— finoana sy fankatoavana.



Ny lalan’ny fankatoavana


Ny harenan’Andriamanitra, ireo fampanantenàny ary ny heriny dia avelany ho azon’ny tsirairay anaranam-po sy ho azon’ny rehetra raisina. Mba hahazoana izany dia ilaina ny fankatoavana sy ny finoana. Ahoana marina nefa moa izany lalam-pankatoavana izany ?

Tsy izy mihitsy ny fanapahan-kevitra tapatapany, fa hoy kosa ny Teny : « Aza mijery ny divay » (Ohabolana 23. 31). Ario lavitra anao tanteraka mihitsy izany, mba tsy ho hitanao intsony. Mety ho mafy aminao izany, nefa ao amin’izany fankatoavana izany ny herin’ny Tompo sy ny fitahiany. Marina fa hentitra ny Baiboly manameloka ny fahamamoana, nefa tsy mandrara tsy hisotro divay kely. I Paoly apostoly aza dia nanoro hevitra an’i Timoty mihitsy hisotro divay kely, mba hanamora ny fandevonany hanina (1 Timoty 5. 23). Fa rehefa nanomboka ny fanaranam-po tafahoatra amin’ny fisotro mahamamo ka nanjary tsapa ny fahamamoana aterak’izany, dia tsy atao hoe fisotro voafetra sy tsindraindray fotsiny intsony izany. Amin’izay dia mila hentitra, manokatra ny maso amin’izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra antsika momba ny loza ateraky ny divay sy ny toaka, ka mifady izany tanteraka : « Aza mijery ny divay » ! Tsy afaka mihitsy hiantehitra amin’ny fahefan’ny Tompo hanafaka, raha tsy mandeha amin’ny lalan’ny fankatoavana.

Na iza na iza mahatsiaro tena ho voasariky ny toaka, na dia kely monja aza, dia ampirisihinay mafy eo anatrehan’Andriamanitra mba hisoroka izay rehetra mety hampitombo izany firona izany. Ampianarin’Andriamanitra ao amin’ny Teniny isika, hoe manoloana ireo fakàm-panahy dia ny mandositra no famonjena :

« Mandosira ny fijangajangana » (1 Korintiana 6. 18).

« Mandosira ny fanompoan-tsampy » (1 Korintiana 10. 14).

« Fa ianao kosa, ry lehilahin’Andriamanitra, mandosira izany zavatra izany » (1 Timoty 6. 11).

« Mialà amin’ny fibedibedena foana sy ny fanoherana avy amin’izay atao hoe fahalalana, kanjo tsy izy » (1 Timoty 6. 20).

« Mandosira ny filàn’ny tanora fanahy » (2 Timoty 2. 22).

Tsy milaza Andriamanitra hoe : tohero, fa hoe : andosiro izay zavatra maharikoriko. « Mankahalà ny ratsy » (Romana 12. 9).

Tsy maintsy andosirana amin’ny fomba rehetra, toy ny fandositra bibilava, izay anton-javatra rehetra mety hitarika ny tena hisotro. Tsy isangiana ny bibilava. Tsy lalovana eo akaiky eo ka hoe tsy atao haharototra akory. Tsy raisina amin’ny rambony akory, hoe ahataka teo amin’ny lalan’ny tena. Tsy aleha manandrify azy eo anoloany mba hojerena : mahafaty ny kaikitry ny bibilava. Noho izany dia tsy maintsy lavina izay rehetra mety ho fanasana ny tena hisotro, ary indrindra, tsy tokony hanasa ny hafa hisotro. Tsy tokony hitahiry divay ao an-trano ihany koa, fa indrindra moa, tsy tokony hamboatra divay. Rehefa mampiantrano vahiny —satria ampirisihin’Andriamanitra isika hanao izany— dia mora toy ny mandroso divay na labiera ihany ny mandroso fisotro tsy mahamamo.



Fanandevozana hafa mitily ny kristiana : ny sigara, ny zava-mahadomelina...


Tatỳ aoriana kokoa ireo vao niseho, ka tsy voalaza ao amin’ny Baiboly. Toy ny toaka ihany, nefa, ny sigara na ny zava-mahadomelina dia mety hanandevo izay manarana aminy, mety handrava ny fahasalamany na ny fiainany manontolo.

Mety hoheverina ho tsy mampaninona izay sigara vitsivitsy fohana voalohany, nefa firifiry moa ireo izay nanjary voatarika hifoka tsy mijanona intsony sy bebe kokoa hatrany ! Voatery izy ireo hiaiky fa nanjary nihazatra miandalana tamin’izany ny tenan’izy ireo ka tsy afaka ny tsy hisian’izany intsony ao anatiny. Tena faran’izay mandoza io fihazaran’ny vatana io, indrindra amina zava-mahadomelina samihafa, ka izay nanaiky ho voafandrik’ireo dia tafalatsaka ao anatina fanandevozana mitovy amin’izay ateraky ny toaka ihany. Misokatra ho an’ireo izay nanjary nandevozin’ny sigara na ny zava-mahadomelina koa ny lalana soritan’ny Tenin’Andriamanitra ho antsika, hanafahana amin’ny fanandevozan’ny toaka, araka izay nandinihantsika azy teo.

Rehefa nanaiky ny hanolotra ny tenany ho sorona ny Tompo, hisolo toerana antsika, dia nanome ho an’ireo rehetra mino Azy, tsy ny famelàna ny helok’izy ireo ihany, fa ny fanafahana azy ireo koa amin’ny fanandevozan’ny ota. Io fanafahana io dia manan-kery amin’ny karazam-pahotana rehetra, na dia ireo toa tsy ho hay resena aza. « Hoy i Jesoa tamin’ny Jiosy izay nino Azy : Raha maharitra amin’ny teniko ianareo, dia ho mpianatro tokoa ; ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo... Izay rehetra manota dia andevon’ny ota... Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo » (Jaona 8. 31-36). Ny faniriana hanaiky ny sitrapon’Andriamanitra, na dia toa mifanohitra tanteraka amin’izay tsapa na irin’ny tena aza izany sitrapony izany, dia mahatonga Azy hiditra amin-kery an-tsehatra, Izy Izay te hanafaka ireo izay mitady ny fanampiany.



Fehiny : Fanapahan-kevitry ny fo


Taominay mihitsy ireo rehetra izay te ho afaka amina fanandevozana tahaka izany, mba hihevitra ny fitiavan’i Kristy. Nihatra taminy, tamin’ny nakany ny toeranao, ny fitsarana mandrakizay mendrika anao. Tsy antony ampy ve izany mba hankatoavanao io Mpamonjy sy Tompo mahatalanjona io ? Miandry izay havalin’ny fonao Izy.

I Daniela mpaminany dia ninia tao am-pony tsy handoto ny tenany tamin’ny hanim-py sy ny divain’ny mpanjaka. Izany fanapahan-kevitra hentitra tao am-pony izany dia nateraky ny fifandraisany amin’Ilay Andriamanitra velona sy masina fotsiny ihany. Ary mandraka ankehitriny dia fo niroso hisaraka amin’ny ratsy sy hankatò an’Andriamanitra no afaka mahita ny herin’ny fanafahany sy ny fitahiany.

Ry kristiana, aoka isika ho mailo kokoa sy ho vonona kokoa mba handeha ho voninahitr’i Kristy, Izay nitia antsika hatramin’ny fahafatesana, sy niaritra ny hazofijaliana mba hanaisotra ny fahotantsika. Tiany mba ho efa maty ny amin’ny ota isika « mba tsy handaniantsika ny andro sisa iainantsika amin’ny nofo araka ny filàn’ny olona intsony, fa araka ny sitrapon’Andriamanitra » (1 Petera 4. 2).


---------------------------------------------------------------------------------------------


Tsy mandrara tsy hisotro divay kely ny Baiboly (1 Timoty 5. 23), saingy hentitra kosa manameloka ny fahamamoana (Efesiana 5. 18). Ampitandremany ireo mpino izay mety hanaiky ho voatarika hivarilavo ao amin’ny fisotro mahamamo fa tokony hifady izany tanteraka izy ireo : « Aza mijery ny divay » (Ohabolana 23. 31) !

Ity bokikely ity dia mampitandrina amin’ireo loza ateraky ny toaka sady mampiseho amintsika ireo fomba ampianarin’ny Baiboly hanafahana amin’izany fahandevozana izany.