[Page principale | Nouveautés | La Bible | Chant- Cantiques]

 

Inona no atao hoe KRISTIANA ?

Topimaso

NY OLOMBELONA MANOLOANA AN’ANDRIAMANITRA

ADAMA

FIZAHAN-TOETRA

FAHALAVOAN’I ADAMA SY EVA

VOKA-DRATSY MAHATSIRAVINA

NY TARANAK’I ADAMA, TRATRAN’NY OTA, ILAY ARETINA TSY MISY FANAFANY

MELOKA NY ZANAK’OLOMBELONA REHETRA : MIZOTRA HO AMIN’NY FITSARAN’ANDRIAMANITRA IZY, MIZOTRA ANY AMIN’NY HELO, ILAY AFO TSY METY MATY

NY DRAFITR’ANDRIAMANITRA HAMONJENY NY OLOMBELONA TSY HO ANY AMIN’ILAY AFO TSY METY MATY, ANTSOINA HOE : NY HELO

MPANALALANA IRAY

MOMBA AN’ANDRIAMANITRA

ISRAELY, ILAY VAHOAKA NATOKAN’ANDRIAMANITRA MBA HANDRAY NY ZANAK’ANDRIAMANITRA, NY MPANALALANA, NY MPAMONJY IZAO TONTOLO IZAO

NY ZANAK’ANDRIAMANITRA TETO AN-TANY

·   Efa nambaran’ny mpaminany ny fomba mahagaga hahaterahany

·   Efa nambara ihany koa ny toerana hahaterahany

·   Efa nambara ny anarana hoentiny, amin’ny maha Olona Azy

·   Efa nambara ny anton’ny hahatongavany

NY ASA FANOMPOAN’I JESOSY, ILAY KRISTY

TSY NEKEN’NY ISRAELY HOE JESOSY NO ILAY ZANAK’ANDRIAMANITRA, ILAY MESIANY, ILAY MPANJAKANY

MATY JESOSY, NITSANGANA TAMIN’NY MATY JESOSY

NOMEN’ANDRIAMANITRA VONINAHITRA JESOSY, NASANDRANY HO AMBONIN’NY ZAVA-DREHETRA

NIRAHIN’ANDRIAMANITRA HO ETỲ AN-TANY NY FANAHY MASINA

AMBARA AMIN’NY OLONA REHETRA NY HAFATRA MANAMBARA FAMONJENA

·   Meloka avokoa ny olona rehetra, eo anatrehan’Andriamanitra

·   Te hamonjy ny olona rehetra Andriamanitra

NY FAMONJENA DIA AZO NOHO NY FINOANA

NY OLONA TSIRAIRAY MANAIKY FA JESOSY NO KRISTY, MATY NOHO NY FAHOTAN’IO OLONA IO ARY NITSANGANA TAMIN’NY MATY, DIA VOAVONJY : NATERAKA INDRAY IZY, MANANA NY FIAINANA MANDRAKIZAY, ARY HO ANY AM-PARADISA

IREO IZAY MANAIKY NY VAOVAO MAHAFALY MANAMBARA NY FAMONJENA NOHO NY FINOANA DIA VOAVONJY : TSY HO ANY AMIN’ILAY AFO TSY METY MATY IZY

MAIMAIMPOANA NY FAMONJENA : OMENA NOHO NY FAHASOAVANA

FIHAVANANA AMIN’ANDRIAMANITRA, FANKASITRAHANY, FANANTENANA BE VONINAHITRA, FIAINANA MANDRAKIZAY MIARAKA AMIN’ANDRIAMANITRA : IZANY NO AZON’IZAY MINO AN’I JESOSY KRISTY

MBOLA MANAN-KERY MANDRAKA ANKEHITRINY IO TENY MILAZA FAHASOAVANA IO

IREO IZAY MANAIKY NY VAOVAO MAHAFALY MANAMBARA NY FAMONJENA DIA ANTSOINA HOE KRISTIANA ; VAHOAKA VAOVAO IZY IREO, VAHOAKAN’ANDRIAMANITRA

DIA AHOANA IZANY ISRAELY, ILAY VAHOAKA TSY NANAIKY, TAMIN’NY NAHA VAHOAKA AZY, HANDRAY NY MESIA ?

NY KRISTIANA, IREO IZAY MANAIKY AN’I KRISTY, DIA MPONIN’NY LANITRA, NA DIA MBOLA ETO AN-TANY AZA

INONA NO MAHA SAMY HAFA NY ISRAELY SY NY EGLIZY ?

·   Israely, ilay vahoakan’Andriamanitra eto an-tany, dia nailika vetivety aloha, satria nandà tsy hanaiky an’i Jesosy ho Ilay Mesia, ho Ilay Zanak’Andriamanitra

·   Ny Eglizy, ilay vahoakan’Andriamanitra ho an’ny lanitra, dia voarafitr’ireo olona rehetra manaiky an’i Jesosy ho Ilay Kristy, ho Ilay Zanak’Andriamanitra

NY TENA ANDRASAN’NY KRISTIANA, ILAY VAHOAKAN’ANDRIAMANITRA HO AN’NY LANITRA

NY HIVERENAN’NY TOMPO JESOSY, HAKA IREO TENA KRISTIANA MARINA

JESOSY MIHITSY NO EFA NILAZA MIALOHA IO HIVERENANY IO

EFA NAMBARA IREO TANJON’IO HIVERENAN’NY TOMPO JESOSY IO

EFA NAMBARAN’NY APOSTOLY PAOLY NY FOMBA HIVERENAN’NY TOMPO JESOSY

EFA NAMBARA IHANY KOA NY ZAVATRA HISEHO AMIN’IO FIVERENANA IO

·   Ireo maty ao amin’i Kristy dia handre ny feony ka hitsangana

·   Ireo maty tsy kristiana, izany hoe ireo izay tsy tena nanaiky an’i Kristy tao am-pony, dia tsy mba hitsangana amin’io fotoana io

·   Ireo kristiana mbola velona amin’ny fotoana iverenan’ny Tompo dia hovaina : hitafy vatana vaovao  —araka ny fombam-panahy sy be voninahitra—  izy ireo

·   Ireo maty ao amin’i Kristy ka natsangana sy ireo kristiana mbola velona, dia hiaraka hakarina hitsena ny Tompo eny amin’ny rahon’ny lanitra, mba hiaraka Aminy ho mandrakizay

·   Hitafy ny tsy fahafatesana ny kristiana : tsy hanan-kery amin’izy ireo ny fahafatesana faharoa

ANY AN-DANITRA

NY KRISTIANA REHETRA DIA TSY MAINTSY HISEHO EO AMIN’NY TRIBONALIN’I KRISTY

HANDRAY VALISOA NY KRISTIANA

HAKAMBANA AMIN’I KRISTY NY FITAMBARAN’NY KRISTIANA REHETRA : IZAY NO HO FANAKAMBANANA AN’I KRISTY SY NY EGLIZY, FANTATRA AMIN’NY HANTSOINA HOE “NY FAMPAKARAMBADIN’NY ZANAK’ONDRY”

NY HISEHO AORIANAN’NY FAMPIAKARANA NY EGLIZY

FITSARANA FARAN’IZAY MAMPIVARAHONTSANA, ETO AN-TANY

FIVERENAN’I KRISTY AM-BONINAHITRA ETỲ AN-TANY, MBA HAMETRAKA NY FANJAKANY ARIVO TAONA

NY FANJAKANA ARIVO TAONA

·   tsy avela hanao ratsy intsony ny devoly

·   fandriampahalemana eo amin’ny samy olombelona

·   fiovana eo amin’ny biby sy ny zavamaniry

·   ny olona rehetra hahalala an’Andriamanitra

·   fiafaran’ny fanjakana arivo taona, sy ny zava-misongadina amin’izany

o fizahan-toetra farany ho an’ny olombelona

o hatsipy any amin’ny helo i Satana

o ho levon’ny afo ny lanitra sy ny tany

FITSARANA FARANY

HATOLOTRY NY TOMPO JESOSY HO AN’NY RAINY NY FANJAKANA

FAMORONANA LANITRA VAOVAO SY TANY VAOVAO

HO ANY AN-DANITRA AVOKOA VE IREO IZAY MITONDRA NY ANARANA HOE KRISTIANA ?

IZA MARINA MOA IREO IZAY HO ANY AN-DANITRA ?

NY KRISTIANA 

INONA NO MAHA SAMY HAFA AZY AMIN’NY TSY KRISTIANA

·   Manana ao anatiny ny ain’Andriamanitra ny kristiana, manana ny fiainana mandrakizay

·   Nasiana tombo-kase tamin’ny Fanahy Masina ny kristiana

·   Zanak’Andriamanitra ny kristiana

·   Fahariana vaovao ny kristiana

NY TOMBONTSOAN’NY KRISTIANA

·   Antson’ny lanitra : Andriamanitra niantso ny kristiana ho amina famonjena lehibe

·    Anarana voasoratra ao amin’ny bokin’ny fiainana

·    Ny kristiana dia tian’Andriamanitra

·    Eo anatrehan’Andriamanitra ny kristiana ; ao amin’i Kristy izy

o ampirisihina ny kristiana mba hitondra tena amin’ny fomba mendrika ny Tompo

o ampirisihina ny kristiana mba hiaina ho an’i Kristy

o ampirisihina ny kristiana mba haka tahaka an’i Kristy : izany hoe hitovy amin’ny endrik’i Kristy ary azo itarafana Azy eo amin’ny fiainany andavanandro

o voaaro ny kristiana, eo am-pelatanan’i Kristy

o manana antoka ny kristiana fa ho any an-danitra : matoky izy fa voavonjy

·   Zo nomena ny kristiana : atsangan’Andriamanitra ho zanany ny kristiana, zanak’Andriamanitra izy, mpandova an’Andriamanitra izy

·   Ny kristiana dia miombona amin’Andriamanitra sy amin’i Kristy

·   Ny kristiana dia manana fitahiana be ao amin’i Kristy : fitahiana ara-panahy

·   Ny kristiana dia manjary afaka manana anjara amin’ny lovan’ny olona masina any an-danitra

·   Ny kristiana dia tsy eo ambanin’ny Lalàna

o Inona no atao hoe Lalàna ?

o Ny tanjon’ny Lalàna

o Ny ataon’ny Lalàna

o Ny Lalàna, mpitaiza mitondra ho eo amin’i Kristy

o Tsy terena hanaraka ny lalànan’i Mosesy intsony ny kristiana

o Apetraka ao anaty fahafahana ny kristiana

o Koa inona izany no miseho, rehefa mametraka ny tenany ho eo ambanin’ny lalànan’i Mosesy (na lalàna hafa) ny kristiana, mba hiainany ny fiainana maha kristiana, fiainam-pahamasinana ?

ü Tsy afaka hanampy azy hiaina fiainam-pahamasinana ny lalàna

ü Mifoha ny ota, ka mitarika ady eo amin’ilay toetra taloha sy ny toetra vaovao

ü Tsy mahatratra ny tanjony ny kristiana, rehefa mametraka ny tenany ho eo ambany lalàna, mba hananany fiainam-pahamasinana, na inona na inona izany lalàna izany

o Mandeha amin’ny fahamasinana ny kristiana

ü Ahoana no hahavitan’ny kristiana miaina fiainam-pahamasinana, mba hahafaly an’Andriamanitra ?

ü Iza moa ilay olona taloha ?

ü Iza moa ilay olona vaovao ?

ü Ilay olona taloha dia efa niara-nohomboana tamin’i Kristy teo amin’ny hazofijaliana, mba tsy hanam-pahefana intsony ny ota

o Nafahana tamin’ny fahefan’ny ota ny kristiana

ü Ny kristiana dia maty, satria nampiraisina tamin’i Kristy tamin’ny nahafatesany : maty ny amin’ny fiainany taloha izy

ü Ny kristiana dia velona, satria nampiraisina tamin’i Kristy tamin’ny nitsanganany tamin’ny maty : velona ho an’Andriamanitra izy

ü Momba ny dikan’ny batisa

o Miaina fiainam-baovao ny kristiana, fiainana ho an’i Kristy

ü Ny hoe miaina fiainam-baovao dia miaina ho an’i Kristy ; ny hoe miaina ho an’i Kristy dia miaina ao anaty fahamasinana

ü Ny kristiana dia tsy manana hery ao aminy samirery mba hiainany fiainam-pahamasinana : mila ny fanampian’ny Fanahy Masina izy

ü Ny Fanahy Masina no mamelona ny fiainan’ny kristiana, mba handehanany araka ny fahamasinana

ü Fanontaniana iray : nahoana moa no manota ny kristiana ?

ü Fanamarihana : rehefa manota ny kristiana...

·   Ny kristiana dia afaka amin’ny fahefan’ny devoly, afaka amin’ny tahotra ny mpanao ody, afaka amin’ny finoanoam-poana isan-karazany

·   Ny kristiana dia afaka amin’ny tahotra ny fahafatesana

NY FIAINANA KRISTIANA : Loharanon-kery sasantsasany hahafahana miaina izany

·   Ny Fanahy Masina 

·   Ny Baiboly, izay Tenin’Andriamanitra

·   Ny fanatrehan’ny Tompo mandrakariva

·   Tsy mitsahatra ny mifona ho antsika ny Tompo Jesosy

·   Ny vavaka

o Inona no atao hoe vavaka

o Ahoana no fivavaka

o Nahoana ny kristiana no tokony hivavaka tsy mitsahatra

·   Ny tsy fiovaovan’i Kristy sy ny fahasoavany

·   Ny fanantenana ny fiainana mandrakizay

·   Ny fiadian’ny kristiana

NY ANDRAIKITRY NY KRISTIANA

·   Ny kristiana dia nantsoina hitondra tena araka ilay toetra vaovao

·   Ny kristiana dia tsy mandeha toy ny jentilisa ; tsy miaina ao anaty fahotana izy, fa ao amin’ny fahamasinana

·   Ny kristiana dia mandeha araka ny Fanahy

·   Ny kristiana dia manolo-tena ho an’Andriamanitra

·   Ny kristiana dia mitondra tena mendrika ny Tompo Jesosy

·   Ny kristiana dia tsy miasa mba ho hitan’ny olona

·   Ny kristiana dia mampiasa fiadiana ara-panahy hiadiany ho an’i Kristy

NY TENA FIAINANA KRISTIANA MARINA

FIAINANA FIAINAM-BAOVAO : FIAINANA MAKA AN’I KRISTY HO MÔDELY

FAMPIRISIHANA SASANTSASANY HIAINANA FIAINANA KRISTIANA MENDRIKA NY TOMPO

·   Ny kristiana dia manaraka ny dian’i Jesosy, Ilay Ohatra lavorary ho azy

·   Ny kristiana dia mandeha mba hahafaly an’Andriamanitra

·   Mahitsy fitondrantena ny kristiana eo amin’izao tontolo izao, ary mitady izay hanaovan-tsoa manodidina azy

TOROHEVITRA VITSIVITSY

·   Momba ny trosa

·   Momba ny fampiantranoam-bahiny

·   Momba izay asa atao

REHEFA SENDRA IZAO FAKAM-PANAHY IZAO NY KRISTIANA : ANDRIAMANITRA SA IZAO TONTOLO IZAO ?

·   Ny fandraisan’izao tontolo izao ireo izay mino an’i Kristy Jesosy

·   Ny fitondrantenan’ny kristiana eo amin’izao tontolo izao

REHEFA SENDRA IZAO SAFIDY IZAO NY KRISTIANA : HIARAKA AMINA TSY MPINO SA TSIA

REHEFA TOJO FIZAHAN-TOETRA SY FAKAM-PANAHY NY KRISTIANA

·   Nahoana no misy fizahan-toetra ?

·   Fizahan-toetra ivelany

·   Fakam-panahy anaty : vokatry ny nofo ao anatintsika izany

·   Ny kristiana dia mandalo fizahan-toetra, toy ireo mpino tamin’ny Testamenta Taloha

·   Rehefa anarin’ny Tompo ny kristiana, dia tsy tokony hanao tsinontsinona izany famaizana izany na ho kivy

·   Valisoa

REHEFA MIJALY NY KRISTIANA...

REHEFA SENDRA IZAO FANONTANIANA IZAO NY KRISTIANA :  HIHINANA HENA NATERINA HO AN’NY SAMPY SA TSIA ?

REHEFA SENDRA IZAO FANONTANIANA IZAO NY KRISTIANA :  AFAKA MIHINANA NY SAKAFO REHETRA VE ?

NY FIFANDRAISAN’NY KRISTIANA AMIN’NY MPANAPAKA SY NY MANAMPAHEFANA

NY TOKANTRANON’NY KRISTIANA SY NY FIFANDRAISAN’NY MPIANAKAVY

·   Ny mpivady

·   Ho an’ny mpitondratena

·   Zanaka sy ray aman-dreny

NY FITONDRANTENAN’NY KRISTIANA EO ANIVON’NY ASA

·   Ny ambaran’ny Tenin’Andriamanitra ho an’ny mpiasa

·   Ny ambaran’ny Tenin’Andriamanitra ho an’ny mpiasa an-trano (mpanampy, mpanao zaridaina, mpiambina, ...)

·   Ny ambaran’ny Tenin’Andriamanitra ho an’ny mpampiasa

NY FIFANDRAISAN’NY SAMY KRISTIANA

·   Ny fitiavana

·   Miray saina

·   Tsy mitsara

·   Manalavitra ny rahalahy tsy manao araka ny fampianaran’i Kristy, nefa mitady hatrany izay hamerenana azy ireny

·   Miaiky ny fahotan’ny tena

·   Rehefa manana ady amin’ny rahalahiny ao amin’ny Tompo ny kristiana...

·   Ny fifamelan-keloka

·   Ny kristiana dia mandefitra amin’ireo malemy finoana : tokony hataony izay hahazoany ny rahalahiny ao amin’i Kristy

REHEFA MITENY NY KRISTIANA, MAMPIASA NY FANOMEZAM-PAHASOAVANA AZONY

REHEFA MIRESAKA AMAN’OLONA NY KRISTIANA

HO AN’IREO TENA MPANOMPON’ANDRIAMANITRA

·   Torohevitra : dieny izao mbola misy fotoana izao, dia tsara ny miasa ho an’ny Tompo

·   Ny andrasan’Andriamanitra amin’ny mpanompony

·   Ho an’ireo loholona

·   Ho an’ireo rehetra mahita ny fiainan’ny mpanompon’Andriamanitra

NY FITOMBOANA ARA-PANAHY

·   Ny fanoitra mba hitomboana ara-panahy

·   Ambaratonga telo amin’ny fahamatorana am-panahy, eo amin’ny ankohonan’Andriamanitra : ankizy madinika,  zatovo, ray

·   Ny sitrapon’Andriamanitra : tsy hijanona ho ankizy madinika ao amin’ny finoana, fa hitombo ka ho tonga amin’ny fahamatorana

NY TOE-TSAINA TOKONY HANANAN’NY KRISTIANA MANDRAKARIVA

REHEFA ITATAOVAN-DOZA NY KRISTIANA

FAMPITANDREMANA SASANTSASANY

·   Tandremo ny mpampianatra sandoka sy ny mpaminany sandoka

o Ny eboebo sy ny fitiavam-bola no tena antony manosika ny mpampianatra sandoka

o Ny mpampianatra sandoka dia mitarika mpianatra hanaraka azy, fa tsy misarika azy ho eo amin’i Kristy

o Ny mpampianatra sandoka dia mamitaka ireo izay tsy miorina tsara, mba hahazoany zava-tsoa

o Misy aza mpampianatra sandoka antsoina hoe “antikristy”, izay dingana ambony kokoa eo amin’ny faharatsiana

·   Tandremo ny foto-pampianarana diso !

·   Koa ampitandremana ny kristiana mba tsy ho lavo, toy ny nahalavo ny Israely

NY HAZAKAZAKA KRISTIANA

NY EGLIZY. ZAVA-BAOVAO, VATANA FANAHY : NY TENAN’I KRISTY, NY TRANON’ANDRIAMANITRA

TALOHAN’NY EGLIZY...

·   Ny tabernakely, tranon’Andriamanitra, trano azo bataina, tany an-taniefitra : toerana hitsaohana ho an’ny vahoaka jiosy nandeha ho any amin’ny tany nampanantenaina

·   Ny tempoly tao Jerosalema, tranon’Andriamanitra, trano raikitra tao amin’ny tany nampanantenaina : trano fanaovana sorona, toerana fitsaohan’ny vahoaka jiosy

NAHOANA NO MISY NY EGLIZY, ANKEHITRINY ?

NY FITAMBARAN’IREO REHETRA MINO AN’I JESOSY NO MANDRAFITRA NY EGLIZY, NY FIANGONAN’I KRISTY MANERAN-TANY, NY TENAN’I KRISTY (NY VATAN’I KRISTY)

AHOANA NY FAHITAN’ANDRIAMANITRA NY ZANANY, IREO OLOM-BOAVIDIN’I KRISTY, IREO TENA KRISTIANA, IREO RANTSAMBATAN’NY TENAN’I KRISTY ?

HITAN’ANDRIAMANITRA HO IRAY NY ZANANY :

·   ny kristiana tsirairay dia miray amin’i Kristy

·   ny kristiana rehetra miaraka dia vatana iray miray amin’i Kristy, ny tenan’i Kristy (ny vatan’i Kristy)

·   ny kristiana rehetra dia iray, samy momba ny tenan’ny namany : samy rantsambatan’ny tenan’ny namany  

·   ny kristiana rehetra dia ankohonana iray, ilay ankohonan’Andriamanitra, ankohonana miray hina  

NY EGLIZY DIA MITOVY AMIN’I KRISTY

NY EGLIZY DIA ZAVAMANANA AINA

NY EGLIZY AORIN’I KRISTY

TOETOETRA SASANTSASANY MAMARITRA NY EGLIZY AORIN’I KRISTY

·   Nahoana no lazaina hoe : “Ny Eglizy aorin’i Kristy”, fa tsy hoe “naorin’i Kristy” ?

·   Ny Eglizy aorin’i Kristy dia zavatra misaraka amin’izao tontolo izao

·   Ny Eglizy aorin’i Kristy no ilay tranon’Andriamanitra, trano fanahy

·   Ny Eglizy aorin’i Kristy dia Tempoly, tempolin’Andriamanitra, fonenan’Andriamanitra amin’ny Fanahy

·   Ny Eglizy aorin’i Kristy dia iray tsy mivaky

·   Ny Eglizy aorin’i Kristy dia ho Vadin’i Kristy

MIANDANY AMIN’ANDRIAMANITRA NY OLONA ARAKA NY FANAHY, TAKANY SY HITANY ...

·   ... fa Kristy dia manorina EGLIZY tokana, iray ihany, iray tsy mivaky

·   ... ny fikarakaran’i Kristy ny EGLIZINY

·   ... ny maha maneran-tany ny EGLIZY aorin’i Kristy

·   ... ny fidadasiky ny drafitr’Andriamanitra momba ny EGLIZY aorin’i Kristy

AHOANA NO AHAFAHAN’NY KRISTIANA MANEHO HO HITA MASO, EO AMIN’NY TOERANA IRAY, NY EGLIZY AORIN’I KRISTY,  NY EGLIZY MANERAN-TANY ?

NY FIANGONANA EO AMIN’NY TOERANA IRAY MISOLO TENA, EO AMIN’NY TOERANA IRAY, NY EGLIZY AORIN’I KRISTY, EGLIZY MANERAN-TANY VOARAFITR’IREO TENA KRISTIANA MARINA

NY FITONDRANTENA AO AMIN’NY FIANGONANA, NY TRANON’ANDRIAMANITRA EO AMIN’NY TOERANA IRAY

NY ANDRASAN’I KRISTY AMIN’NY FIANGONANA EO AMIN’NY TOERANA IRAY

IREO FIVORIAN’NY FIANGONANA

·   Ny fivoriana fampiorenana (fivoriana fampandrosoana)

·   Ny fivoriana fitsaohana

o Momba ny fanompoam-pivavahana nataon’ny Israely ho an’Andriamanitra

o Ny fetran’ny fanompoam-pivavahana jiosy

o Ny maha zava-dehibe ny sorona nataon’i Kristy, ho an’ny fanompoam-pivavahana

o Ny fanompoam-panahy kristiana : fanompoam-pivavahana ho an’Andriamanitra, amin’ny fanahy sy ny fahamarinana

o Ka ahoana no fampiharana izany ?

üNy fitsaohana : mahakasika ny maha Izy Azy an’Andriamanitra, Ray sy Zanaka

üNy fiderana : manambara izay nataon’Andriamanitra, Ray sy Zanaka

üNy Fanasan’ny Tompo : ny fanasana naorin’ny Tompo tamin’ilay alina namadihana Azy

Ø Ny mofo

Ø Ny kapoaka

Andraikitry ny kristiana momba ny Fanasan’ny Tompo

·   Ny fivoriam-bavaka

NY FIAINAN’NY FIANGONANA ISAN-TOERANA

·   Fampiasana ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy

·   Fikolokoloan’ny mpiandry

·   Fifanampiana

·   Ny “agape”

KOA INONA ÀRY IZANY NO ATAO HOE KRISTIANA ?

MITORY NY FILAZANTSARA : FANOMPOAN’NY KRISTIANA HO AN’IZAO TONTOLO IZAO


NY OLOMBELONA MANOLOANA AN’ANDRIAMANITRA

ADAMA

Rehefa vitan’Andriamanitra ny lanitra sy ny tany, ny zava-maniry rehetra, ny trondro sy ny biby, dia tamin’ny fomba manetriketrika no nilazany hoe : “Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika … Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny ; tahaka ny endrik’Andriamanitra no namoronany azy ; lahy sy vavy no namoronany azy” (Genesisy 1. 26-27). “Ary vovotany no namoronan’i Jehovah Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony ; dia tonga olombelona izy” (Genesisy 2. 7). Noforonin’Andriamanitra ny olombelona, ilay hany zavamanana aina sady misy ampahany azo tsapain-tanana (ny vatana) no misy ampahany tsy azo tsapain-tanana (saina sy fanahy). Ankoatra izany, tsy toy ireo zavamanana aina sasany noarìna ny olombelona, fa izy irery no nomena ny fofonain’Andriamanitra, tao amin’ny vavorony. Koa dia fantany fa nisy Mpahary izy ; afaka mifandray amin’io Mpahary io izy, afaka miresaka aminy, mandre ny feony ary mahalala izay notadiaviny. Tsy voagejan’ny fahafatesana izy, manana ny maha izy azy, afaka mieritreritra, afaka manapa-kevitra samirery... Koa dia tena tsy nitovy mihitsy tamin’ireo zavamanana aina vao noforonin’Andriamanitra ny olombelona.

Noforonina tahaka ny endrik’Andriamanitra ary araka ny tarehin’Andriamanitra ny olombelona, napetraka mba hanapaka, ho ambony lavitra noho ny zavamanana aina hafa rehetra. Ankoatra izany dia nanana fahaizana manokana nomen’Andriamanitra izy, toy ny faharanitan-tsaina. Momba izany indrindra, dia izao no voasoratra : “Ary tany no namoronan’i Jehovah Andriamanitra ny bibidia rehetra sy ny voromanidina rehetra ; dia nentiny tany amin-dralehilahy ireny, hahitany izay hanononany azy avy ; ary izay rehetra nanononan-dralehilahy ny zava-manana aina rehetra, dia izany no anarany. Dia nomen-dralehilahy anarana ny biby fiompy rehetra sy ny voromanidina mbamin’ny bibidia rehetra” (Genesisy 2. 19-20). Ny olona dia nanana faharanitan-tsaina manokana mihitsy, ary mazava ho azy fa izy no faratampon’ny voary.

Adama, ilay Lehilahy voalohany, no solontenan’Andriamanitra teto an-tany.  Saingy “tsy hita izay vady sahaza ho an-dralehilahy. Ary Jehovah Andriamanitra nahasondrian-tory an-dralehilahy, ka dia natory izy ; dia naka ny taolan-tehezany anankiray Izy ka nanakombona nofo ho solony. Ary ny taolan-tehezana izay nalain’i Jehovah Andriamanitra tamin-dralehilahy dia nataony vehivavy ka nentiny tany amin-dralehilahy. Ary hoy ralehilahy : Ankehitriny dia taolana avy amin’ny taolako sy nofo avy amin’ny nofoko ity ; ity dia hatao hoe ‘vehivavy’ (Isha), satria lehilahy (Ish) no nanalana azy” (Genesisy 2. 20-23). Toy izany no namoronana ny Vehivavy voalohany, nalaina avy tamin’ny vatan’i Adama (taolana avy amin’ny taolany sy nofo avy amin’ny nofony), olombelona mifameno amin-dralehilahy, mpanampy tandrify azy. “Ary ralehilahy nanao ny anaran’ny vadiny hoe Eva, satria izy no renin’ny olombelona rehetra” (Genesisy 3. 20).

Adama sy Eva dia noarìna araka ny fihevitr’Andriamanitra, nanana toetra tsy nirona ho amin’ny ratsy, tsy nahalala na ny tsara na ny ratsy. Tsy nanan-tsiny izy ireo, tso-po : izay no toerana nisy azy ireo, tsy nanan-tsiny.

Ny tian’Andriamanitra dia ny hahasambatra ny olombelona, izay voariny tsy manan-tsahala. Ary Jehovah Andriamanitra nanao saha tao Edena tany atsinanana... Ary Jehovah Andriamanitra nitondra an-dralehilahy ka namponina azy tao amin’ny saha Edena hiasa sy hitandrina azy” (Genesisy 2. 8, 15). Tao amin’ny saha Edena i Adama sy Eva, olona tsy nanan-tsiny, dia akaiky an’Andriamanitra, niankina taminy, nahatsapa ny fanatrehany. Sambatra izy ireo, sambatra niaraka tamin’Andriamanitra, nanana fihavanana taminy, nifanaraka taminy, ary niombona taminy. Tao anaty fahasambarana i Adama sy Eva. Fahasambarana : izay no notadiavin’Andriamanitra ho azy ireo.

Ary hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony, ary indro, tsara indrindra izany” (Genesisy 1. 31).

Araka ny fandaminana nataon’Andriamanitra, dia tokony nisy Filoha. Koa  

Ø satria tahaka ny endrik’Andriamanitra no nahariana ny olombelona, dia nantsoina ho solontenan’Andriamanitra teto an-tany izy. Koa nomena azy ny fiandrianana hanjaka amin’ny voary manontolo : izy no filohan’izany. “Ary Andriamanitra nitsodrano azy hoe : maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy ; ary manjakà amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina sy ny voromanidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin’ny tany” (Genesisy 1. 28).

Ny Salamo 8 dia mampiseho tsara ny olombelona manjaka amin’ny voarin’Andriamanitra : “Raha jereko ny lanitrao, izay asan’ny rantsantànanao, sy ny volana aman-kintana, izay noforoninao, inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy ? Ary ny zanak’olombelona, no amangianao azy ? Fa efa nataonao ambany kely noho Andriamanitra izy, ary efa nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana. Efa nampanjakainao amin’ny asan’ny tànanao izy ; ny zavatra rehetra dia efa nataonao eo ambanin’ny tongony, dia ny ondry aman’osy sy ny omby rehetra, ary ny bibidia koa mbamin’ny voromanidina sy ny hazandrano any an-dranomasina, izay mandeha amin’ny làlan-dranomasina” (3-8) ;

Ø satria araka ny tarehin’Andriamanitra  —fanahafana ara-toetra—  no nahariana an’i Adama, dia nanana toetra sasantsasany manahaka an’Andriamanitra izy. Koa afaka nifandray tamin’Andriamanitra izy, ary tokony nanao zavatra toa an’Andriamanitra, na dia am-pahalemena ihany aza : tokony nitantana ny tany am-pahendrena, am-pahamarinana, am-pahitsiana, am-pahatokiana (toetra sasantsasany hita ao amin’Andriamanitra). 

Satria noarìna ny olombelona  —na dia solontenan’Andriamanitra teto an-tany aza izy—, dia tokony nankatò an’Andriamanitra aloha, voalohany indrindra. Ny fankatoavana : izay no nandrasan’Andriamanitra tamin’ny olombelona. Ankoatra izany dia tokony  nampiseho sombintsombiny amin’ny toetran’Andriamanitra izy (toy ny fitiavana, ny fahamoram-po, ...) ; izany hoe tokony ho lavorary izy, amin’ny fizotrany :

o ny fiainany dia tokony hiankina amin’Andriamanitra ;

o ny fitondrantenany dia tokony hobaikoin’ny fihevitr’Andriamanitra.

Koa Andriamanitra izany no tokony ho hita tao amin’ny fiainan’i Adama.

Nahoana moa Andriamanitra no namorona izao tontolo izao sy ny olombelona ?

Tian’Andriamanitra ny hampahalala ny tenany amina voary noforonina tahaka ny endriny, araka ny tarehiny, izany hoe voary manan-tsaina maranitra. Tiany ny hampahalala NY MAHA IZY AZY manontolo,  indrindra ny hoe IZY dia fahazavana, fahamarinana, fahamasinana ary fitiavana... Tiany ny ho akaikin’io voariny io, ka hiara-hipetraka aminy mihitsy aza, indray andro any, araka izay voatatitra ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy : “Indro, ny tabernakelin’Andriamanitra dia eo amin’ny olona, ary Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny” (Apokalypsy 21. 3). Koa noforonina izany izao tontolo izao, satria Andriamanitra dia te hanana toerana hafa ankoatra ny lanitra, izay hanatanterahany ny tanjony : honina miaraka amin’ny olombelona.

Nisy antony hafa koa namoronany izao tontolo izao :

·   mba hanehoan’Ilay Andriamanitra Avo indrindra, Jehovah, Ilay Andriamanitra tsy hita maso, amin’ny olombelona rehetra ny voninahiny, ny fiandrianany, ny heriny : “Ny lanitra mitory ny voninahitr’Andriamanitra ; ary ny habakabaka manambara ny asan’ny tànany” (Salamo 19. 1) ;

·   mba hahatalanjona ny olona noho ny fiandrianan’Andriamanitra sy ny halehibeazany  —rehefa mahita ny fidadasiky ny tontolo izy, ny hatsarany, ny firindrany sy ny filaminana ao anatiny—  ka hankalazany sy hanomezany voninahitra Azy : “Ny mpanjaka amin’ny tany sy ny vahoaka rehetra, ny mpanapaka sy ny mpitsara rehetra amin’ny tany, na ny zatovolahy, na ny zatovovavy, na ny antitra, na ny tanora  —samia midera ny anaran’i Jehovah avokoa, fa ny anarany ihany no misandratra ; ambonin’ny tany sy ny lanitra ny voninahiny” (Salamo 148. 11-13).

Fa indrindra, nahary izao tontolo izao Andriamanitra satria nanana tanjona iray lehibe noho ny hafa rehetra, dia ny momba ny Zanany, Izay haka endrik’olombelona. Tiany io Zanany io, Ilay “endrik’Andriamanitra tsy hita” (Kolosiana 1. 15), mba homem-boninahitra eto an-tany sy hanana Vady. Koa “izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy” (Salamo 24. 1) dia noarìna ho an’Ilay Zanak’Andriamanitra. Izao no vakiantsika : “Fa tao aminy (tao amin’ny Zanak’Andriamanitra) no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy etỳ ambonin’ny tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana, na fanjakana, na fanapahana, na fahefana, Izy no nahariana ny zavatra rehetra, sady ho Azy izany ; ary Izy no talohan’ny zavatra rehetra, sady ao aminy no aharetan’ny zavatra rehetra” (Kolosiana 1. 16-17).

Niantomboka teo ny drafitr’Andriamanitra ho an’ny olombelona :

·   namorona ny olombelona Andriamanitra ary nametraka azy ho solontenany, ho filohan’ny voary manontolo eto an-tany ;

·   naneho ny tenany taminy Andriamanitra ary nanome ho azy mpanampy tandrify, dia Eva vadiny ;

·   nirindra ny fifandraisan’i Adama sy Eva tamin’Andriamanitra, sambatra izy ireo, nilamina ny fiainany teto an-tany...

Saingy hohajain’i Adama sy Eva ve sa tsia io fifandraisana hafakely amin’Andriamanitra io ? Hiantehitra mandrakariva amin’Andriamanitra ve izy ireo ? Hatoky an’Andriamanitra ve izy ireo, ho tia Azy lalandava, hankatò izay rehetra lazainy ?

FIZAHAN-TOETRA

Ary Jehovah Andriamanitra nandidy an-dralehilahy ka nanao hoe : Ny hazo rehetra eo amin’ny saha dia azonao ihinanana ihany ; fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana ; fa amin’ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa ianao” (Genesisy 2. 16-17).

Satana, ilay fahavalon’Andriamanitra, dia tonga tao amin’ny saha, nanatona an’i Eva ary naka fanahy azy toy izao : “Hanky ! efa nataon’Andriamanitra hoe : Aza ihinananareo ny hazo rehetra eo amin’ny saha ? Tsy ho faty tsy akory ianareo ; fa fantatr’Andriamanitra fa amin’izay andro hihinananareo azy dia hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka an’Andriamanitra ianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy” (Genesisy 3. 1, 4-5).

·   Rehefa niteny i Satana hoe : “Hanky ! efa nataon’Andriamanitra hoe : Aza ihinananareo ny hazo rehetra eo amin’ny saha ?”, ny tanjony dia ny hamafy fisalasalana ka hanozongozona ny fahatokian’i Eva ny teny mazava tsara nataon’Andriamanitra tamin-dralehilahy hoe : “Ny hazo rehetra eo amin’ny saha dia azonao ihinanana ihany” ;

·   Rehefa niteny i Satana hoe : “Tsy ho faty tsy akory ianareo”, dia niampanga an’Andriamanitra ho mpandainga, satria mazava ny tenin’Andriamanitra tamin-dralehilahy hoe : “Amin’ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa ianao” ;

·   Farany, rehefa niteny i Satana hoe : “Fantatr’Andriamanitra fa amin’izay andro hihinananareo azy dia hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka an’Andriamanitra ianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy”, dia ampahana fahamarinana no nolazainy (“Hahiratra ny masonareo”), ampiana lainga mifangaro dokadoka (“Ho tahaka an’Andriamanitra ianareo”).

Rehefa naka fanahy an’i Adama sy Eva i Satana, ny tanjony dia ny hanaratsy an’Andriamanitra (toy ny hoe mpandainga Andriamanitra), handiso izay nolazainy (toy ny hoe diso ny zavatra nolazain’Andriamanitra tamin’i Adama). Koa ny nokatsahin’i Satana tamin’izany dia ny hanosika azy ireo tsy hanaiky ny teny nolazain’Andriamanitra ; tian’i Satana hihodina amin’Andriamanitra i Adama sy Eva ka hiaina eto an-tany tsy misy an’Andriamanitra, mba hahatonga azy ireo  tsy hiraharaha an’Andriamanitra sy ny sitrapony. Raha fintinina, ny nokatsahin’i Satana dia ny tsy hankatoavan’i Adama sy Eva ka hanotan’izy ireo amin’Andriamanitra : ny hahavery azy ireo no notadiavin’i Satana.

FAHALAVOAN’I ADAMA SY EVA

Nihaino ireo torohevitra ratsy naroson’i Satana i Adama sy Eva, ary nanaiky horebireben’ilay petra-kevitra mamoa-doza hoe : “Ho tahaka an’Andriamanitra ianareo”. Tamin’izany dia tsy niraharaha ilay Mpahary sy ny didiny izy ireo : nisalasala izy ireo, tsy natoky an’Andriamanitra intsony, tsy nahatsiaro intsony fa voary anie izy ireo (voary natao hankatò). Tsy nankatò izy ireo, ka naniratsira an’Andriamanitra. Nanota tamin’Andriamanitra izy ireo ka nampiditra ny faharatsiana tao anatin’ny fahariana, izay lavorary no nivoaka avy teo am-pelatanan’Andriamanitra. Io fahotana io, fahotana voalohany, fahotan’i Adama sy Eva, no atao hoe : ny fahotana tany am-piandohana.

VOKA-DRATSY MAHATSIRAVINA

Efa nanota i Adama sy Eva, koa izao izy dia mahalala ny tsara sy ny ratsy. Ary satria nanana izany fahalalana izany izy, dia tsy tso-po intsony fa nanjary tonga saina, tonga saina amin’ny lanjan’ny zavatra nataony ; izay indray ny toerana misy azy ireo : fahatsiarovan-tena. Izany fahatsiarovan-tena izany dia nitarika azy ireo hatahotra an’Andriamanitra.  Noho izany izy ireo dia “niery ny tavan’i Jehovah Andriamanitra tao anaty hazo tao amin’ny saha” (Genesisy 3. 8).

Loza lehibe mihitsy ny tsy fankatoavan’i Adama sy Eva :  

·   Ny toetran’ny olombelona mihitsy, izay nadio sy tsy nisy pentimpentina teo aloha, no tratran’ny ota, ka niova ary nanjary simba sady fahavalon’Andriamanitra ;

·   Adama sy Eva, izay tsy nanan-tsiny, olona afaka sy sambatra teo aloha, dia nanjary mpanota, voageja tsy afaka manao ny tsara sady tsy mahatohitra ny fanaovan-dratsy ;

·   Nipoitra ny fahafatesana ara-panahy, ary ny fiafaran’izany dia ny fahafatesan’ny vatana : “Fa vovoka ianao, ary hiverina ho amin’ny vovoka indray ianao” (Genesisy 3. 19) ;

·   Adama, izay noarìna mba hanjaka amin’ny tany manontolo, dia niongana.

Koa ny niandohan’ny fahalavoan’ny olombelona, izany, dia ny tsy fahatokiany an’Andriamanitra, noho ny fitaka nasisik’i Satana, hoe tsy nomen’Andriamanitra ny olona ny zavatra afaka hahatonga azy hitovy amin’Andriamanitra : Fantatr’Andriamanitra fa amin’izay andro hihinananareo azy dia hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka an’Andriamanitra ianareo (Genesisy 3. 5). Raha vao tsy natoky an’Andriamanitra intsony i Adama, dia nitady izay hahasambatra ny tenany, amin’ny fanaovana ny sitrapony samirery. Ny vokatr’izany dia ny fitsiriritana, ny ota, ny tsy fankatoavana.
Fa ny mbola zava-doza noho izany dia ity : ny ota, izay tafiditra tao amin’ny toetran’i Adama mihitsy, dia hanjary holovain’ny taranany, izany hoe ny zanak’olombelona rehetra.

NY TARANAK’I ADAMA, TRATRAN’NY OTA, ILAY ARETINA TSY MISY FANAFANY

Ny olona rehetra dia taranak’i Adama, ilay olona voalohany, lohan’ny taranak’olombelona. Nampitain’i Adama tamin’ny taranany ny ota, koa nandova toetra tratran’ny ota io taranaka io, ilay toetra mpanota. Nandova io toetra io tokoa isika tsirairay, raha vao teraka, araka ny hazavain’ny Baiboly hoe : … tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray (Adama) ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra” (Romana  5. 12). Koa noho ny fahotan’i Adama  —ilay fahotana tany am-piandohana—, dia manana toetra mpanota avokoa ny zanak’olombelona, raha vao teraka. Ankoatra izany, ny taranak’olombelona rehetra dia

mandova zavatra roa loha :

·   fahafantarana (mazava na manjavozavo) ny tsara sy ny ratsy ;

·   fironana amin’ny ratsy, izay mahatonga ny zanak’olombelona tsy hahay “handà ny ratsy sy hifidy ny tsara” (Isaia 7. 15) : izany no lalànan’ny ota izay tsy azo ialàna.

Niorim-paka tao anatintsika tsirairay ny ota, nanjary anisan’ny toetrantsika mihitsy, hany ka manjary tsy mahay manao izay ankasitrahin’Andriamanitra intsony isika. Izany no tian’ny apostoly Paoly nolazaina, raha nanoratra izy hoe : “Ny ota … mitoetra ato anatiko” (Romana 7. 17). Mety hanaitra ny voambolana hoe “mitoetra ; nefa manoritra izy io hoe nifidy ahy ho tranony ny ota, nampiantrano azy aho. Tsy afaka mandroaka azy aho. Koa satria aho anisan’ny taranak’i Adama, dia manana toetra mpanota : noho izany, tsy manankin-tena tanteraka amin’Andriamanitra aho, ary ny fitondrantenako dia baikoin’ny fanirian’io toetrako efa simban’ny ota io.

Izany, noho ny tsy fankatoavan’i Adama, no fomba nitarihany ny olombelona rehetra hiaina ao anaty ota. Koa ny olona rehetra tsy ankanavaka dia ambara fa mpanota, teraka mpanota : izany no tena toetran’ny olona rehetra, eo imason’Andriamanitra.

Niseho tamin’ny tantaram-piainany ny toetran’ny olombelona

Taorianan’i Adama dia navelan’Andriamanitra ny olombelona hanohy ny fiaina nahazatra azy teto an-tany. Saingy nipoitra ny vokatry ny maha mpanota azy. Nisy an’i Kaina aloha, izay nanjary mpamono olona sy niaina tsy niraharaha an’Andriamanitra. Dia nitombo ny ota, hany ka “be ny faharatsian’ny olona tambonin’ny tany, ka izay fisainana rehetra avy amin’ny fony dia ratsy ihany mandritra ny andro” (Genesisy 6. 5). Koa nofongorana tamina safodrano ny zanak’olombelona ; i Noa sy ny fianakaviany ihany no notsimbinina, “izy valo mianaka” (1 Petera 3. 20). Taorianan’ny safodrano dia nitombo hatrany ny faharatsian’ny olombelona, ka tonga hatramin’ny fanompoan-tsampy : “Nanompo andriamani-kafa izy” (Josoa 24. 2), sampy izay naka tao am-pon’ny olona ny toeran’Ilay hany Andriamanitra. Dia nisy olona iray, Abrahama, natokan’Andriamanitra, olona nihaino sy nankatò Azy. Nentin’Andriamanitra tany amin’ny tany Kanana izy. Dia natokan’Andriamanitra ny taranany, ny vahoaka Israely, mba ho vahoaka hitsaoka Azy, ho firenena masina : “Ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra ianareo ; fa Ahy ny tany rehetra. Dia ho fanjakà-mpisorona sy ho firenena masina ho Ahy ianareo” (Eksodosy 19. 5-6). Lava ny tantaran’io firenena io, nefa niseho tamin’izany fa tsy ilay “firenena masina” nantsoin’Andriamanitra mihitsy izy. Mifanohitra amin’izany aza, nanohy nampiseho ny faharatsiam-panahiny hatrany izy, ka nanombo an’i Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, teo amin’ny hazofijaliana. Nohamafisin’ny tantara, araka izany, fa ratsy dia ratsy ny fon’olombelona.

MELOKA NY ZANAK’OLOMBELONA REHETRA : MIZOTRA HO AMIN’NY FITSARAN’ANDRIAMANITRA IZY, MIZOTRA ANY AMIN’NY HELO, ILAY AFO TSY METY MATY

Satria taranak’i Adama ny olona rehetra tsy an-kanavaka, dia samy manana ny ota ao anatiny, samy teraka mpanota avokoa. Hamarinin’i Davida izany toejavatra mampalahelo izany : “Indro, tamin’ny heloka no niterahana ahy, ary tamin’ny fahotana no torontoronina ahy ny reniko” (Salamo 51. 5). Tsy vitan’ny hoe teraka tao anatin’ny ota ny olombelona ary manana ny ota ao anatiny, fa mbola loza kokoa noho izany, manota izy, dia mihazatra amin’izany, hany ka mihamafy ny fony ary manjary matory ny feon’ny fieritreretany : “Efa tonga maizin-tsaina sy olon-ko azy amin’ny fiainan’Andriamanitra ireny, noho ny tsy fahalalana ny anatiny, noho ny hamafin’ny fony, dia olona tsy mahalala henatra intsony ka nanolo-tena ho amin’ny fijejojejoana, hanao izay fahalotoana rehetra amin’ny fieremana (fitiavam-bola tafahoatra) (Efesiana 4. 18-19).

Tsy manana ny ain’Andriamanitra ao anatiny ny olombelona, ka maty ara-panahy

·   tsy misy ifandraisany amin’Andriamanitra izy ;

·   anjakan’i Satana ;

·   andevon’ny ota : “adala…, tsy nanaiky, voafitaka, dia andevon’ny filana sy ny fahafinaretana maro, ary velona teo amin’ny lolompo sy ny fialonana, sady hala no nifankahala” (Titosy 3. 3) ;

·   mandoto tena, satria minia miaina ao anaty ota ;

·   koa maha meloka ny tenany eo imason’Andriamanitra ;

·   voaheloka noho ny ota, satria Andriamanitra dia marina, ary ny fahamarinany dia manameloka ny mpanota.

Mizotra tsy afa-miala ho amin’ny fanamelohan’Andriamanitra ny olombelona : mizotra any amin’ny helo, ilay afo tsy mety maty

Satria  masina sy madio Andriamanitra, dia tsy afaka handray mpanota hifanatrika aminy, any an-danitra. Tsy afaka Izy, satria :

·   Andriamanitra dia mazava, ary tsy misy maizina akory ao aminy” (1 Jaona 1. 5) ;

·   Andriamanitra dia “madio maso ka tsy te hitsinjo ny ratsy” (Habakoka 1. 13).

Satria ao anatin’ny olombelona ny ota ka manota izy, dia meloka izy eo imason’Ilay Mpamorona ny olombelona, Ilay Andriamanitra Tsitoha. Koa mizotra ho amin’ny fanamelohan’Andriamanitra ny olombelona, ary tsy afa-miala amin’izany, araka ny voasoratra hoe : “… tahaka ny nanendrena ny olona ny ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana” (Hebreo 9. 27).

Ary iza moa no ho afaka hijoro manoloana ny fitsaran’Andriamanitra, nefa ny Soratra Masina mihitsy no mampiseho fa “mpanota avokoa na ny Jiosy na ny jentilisa ; araka ny voasoratra hoe : Tsy misy marina na dia iray akory aza ... fa tsy misy hafa, fa samy efa nanota izy rehetra” (Romana 3. 9-10, 22-23) ? Iza no afaka hiala amin’ny famaizana atokan’Andriamanitra ho an’ny olo-meloka?

Tsy misy !

Tapi-dalan-kaleha ve ? …

Saingy tsy tampoka tamin’Andriamanitra izany ! Lehibe Izy ary mahalala ny zavatra rehetra. Mba hialan’ny olombelona amin’ny fitsarana sy ny fahaverezana mandrakizay, dia efa nanomana drafitra lehibe Andriamanitra, ny drafitra hamonjeny ny fanahy : amin’izay dia haseho ho hitan’ny olombelona ny fahamasinany, ny fahasoavany, ny fitiavany... Hatreto Andriamanitra dia nampiseho ny fahefany maharitra mandrakizay, ny maha Andriamanitra Azy, ny hatsaram-pony. Fa izao Izy dia hanorina indray, amina fomba hafa, fifandraisana am-pitiavana amin’ny olombelona, mba hiverenany indray ho akaikin’ilay olona mpanota. Ary mba tsy hahavery ho mandrakizay ilay voariny, dia hamonjy azy Izy, kanefa tsy hampandefitra ny fahamarinany sy ny fahamasinany tsy akory  —satria ny fahamarinana sy fahamasinana dia toetra maha Andriamanitra Azy mihitsy.

Koa inona àry izany no hataon’Andriamanitra hamonjeny io voariny very io ?

NY DRAFITR’ANDRIAMANITRA HAMONJENY NY OLOMBELONA TSY HO ANY AMIN’ILAY AFO TSY METY MATY, ANTSOINA HOE : NY HELO

Andriamanitra, Mpamonjy antsika, Izay tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin’ny fahalalana ny marina” (1 Timoty 2. 3-4).

MPANALALANA IRAY

Tsara Andriamanitra : tsy sitrapony mihitsy ny hoe hisy  —na iray monja aza—  amin’ny voariny, hijalijaly mandrakizay “any amin’ny helo, dia any amin’ny afo tsy azo vonoina” ( Marka 9. 44). Noho izany Andriamanitra dia namolavola drafitra manomana Mpanalalana —na Mpanelanelana—, izany hoe olona afaka mamitrana indray ny fifandraisana tapaka teo amin’Andriamanitra sy ny olona, ary manolotra ihany koa fomba hampihavanana ny olona amin’Andriamanitra. Io Mpanalalana io dia ho afaka miteny amin’Andriamanitra, rehefa tonga amin’ny faratampon’ny faharatsiana sy ny ota ny olona, hoe : “Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony” (Lioka 23. 34). Mila famonjena ny olona, ka mba hahatanteraka izany, dia tsy maintsy nisy Mpanalalana nankasitrahin’Andriamanitra aloha, Mpanalalana maka ny toerantsika ka mizaka ny sazy atokan’Andriamanitra ho an’ny olo-meloka. Koa tsy maintsy maty misolo toerana antsika izany io Mpanalalana io, satria ny fahamarinan’Andriamanitra dia mitaky ny fahafatesan’ny olo-meloka. Izy io dia tsy maintsy “nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra” (1 Timoty 2. 6). Saingy olona iza moa no afaka hanao izany, nefa hoy ny Tenin’Andriamanitra hoe : “Tsy misy mahavotra (mahaloa onitra hanavotana) ny rahalahiny akory, na mahazo manome an’Andriamanitra izay avony (fa sarotra avotra ny ainy, ka tsy azo atao mandrakizay)” (Salamo 49. 7-8) ?

Iza re no mety ho io Mpanalalana io e ?

Iza no afaka hitondra eo amin’ny tenany ny sazy sahaza ny fahotana, mba tsy hihatra amin’ny olombelona ny fitsaran’Andriamanitra ? Iza no afaka hiaina eo anivon’ny olombelona toy ny “endrik’Andriamanitra tsy hita” (Kolosiana 1. 15) ? Iza no afaka hampiseho ny hatsaram-pon’Andriamanitra tsy hita lany, ny fitiavany, ny fangorahany noho ny fahoriantsika, ny faniriany hanasitrana antsika amin’ny ota ? Iza no afaka hankalaza an’Andriamanitra eto an-tany, amin’ny famahana tanteraka ny olana momba ny ota sy fanadiovana ny mpanota amin’ny otany ? Iza no afaka hijoro eo anoloan’Andriamanitra mba hisolo vava antsika, satria tsy manana fahotana hifonana eo anoloany ? Iza no afaka hilaza fa handoa ny saran’ny fanamelohana ka hiharan’izany, satria manaiky ho toy ny azy ny fahotan’ny zanak’olombelona ?

Raha fintinina, iza no hahatonga ny olona ho afaka hijoro indray eo anoloan’Andriamanitra ?

Ny olona voalohany (Adama) avy amin’ny tany, dia tany ; ny olona faharoa dia avy any an-danitra” (1 Korintiana 15. 47). Io olona faharoa io irery no afaka ho Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olona (1 Timoty 2. 5). Avy any an-danitra Izy, hamerina indray ny tantaran’ilay olona voalohany, i Adama, mba hahafa-po an’Andriamanitra. Koa dia nirahin’Andriamanitra ny Zanany mba ho tonga olombelona (Jaona 1. 14), mba hitady sy hamonjy ny voariny, izay very. Ary dia tonga tokoa Jesosy, ilay “Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olona, nitondra “ny fahasoavana sy ny fahamarinana” (Jaona 1. 17) : fahasoavan’Ilay Andriamanitra fitiavana, sy fahamarinan’Ilay Andriamanitra fahazavana.

MOMBA AN’ANDRIAMANITRA

Fa iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona” (1 Timoty 2. 5).

IRAY ANDRIAMANITRA : “Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany” (Deoteronomia 6. 4), nefa io Andriamanitra tokana io ihany koa no naneho ny tenany hoe manana endrika telo samihafa sady tsy azo sarahina : ny RAY, ny ZANAKA ary ny FANAHY MASINA ; izay no antsoina hoe TELO IZAY IRAY, mba hanatsorana ny fiteny.
Niharihary izany fanambarana an’Andriamanitra izany  —Ray, Zanaka, Fanahy Masina—  nandritra ny nanaovana batisa an’i Jesosy : “Ary raha vao natao batisa Jesosy, dia niakatra avy teo amin’ny rano niaraka tamin’izay Izy ; ary indro, nisokatra taminy ny lanitra, ary hitany ny Fanahin’Andriamanitra nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny. Ary, injao ! nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe : Ity no Zanako malalako Izay sitrako”
(Matio 3. 16-17).

Nanapa-kevitra Andriamanitra Ray haniraka an’Andriamanitra Zanaka ho etỳ amin’ny olombelona  —Andriamanitra Zanaka, Izay efa teo hatrizay hatrizay, mitovy amin’ny Ray, ary efa nisy hatrizay, amin’ny maha Andriamanitra Azy. Tamin’ny fotoanany, tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina, dia hoy Andriamanitra Zanaka : “Ary ankehitriny, Jehovah Tompo no naniraka Ahy sy ny Fanahiny” (Isaia 48. 16). Rehefa tonga ny fotoana dia nivoaka avy tamin’ny Ray” (Jaona 16. 28) Andriamanitra Zanaka, tonga nofo  —izany hoe nitafy vatan’olombelona—  mba handray an-tanana ny hoavin’ny zanak’olombelona very, ka hamonjy azy ireo amin’ny fijaliana mandrakizay. Nefa mba hanatanterahany izany drafitra feno fitiavana izany, rehefa ho avy eto an-tany Izy, dia tsy maintsy nisy vahoaka handray Ilay Andriamanitra sady Olona...

ISRAELY, ILAY VAHOAKA NATOKAN’ANDRIAMANITRA MBA HANDRAY NY ZANAK’ANDRIAMANITRA, NY MPANALALANA, NY MPAMONJY IZAO TONTOLO IZAO

Ao amin’ny Baiboly, tamin’ny tantara fahagola, dia natokan’Andriamanitra aloha i Abrahama sy ny taranany, natokany hiala amin’ireo vahoaka marobe mpanompo sampy. Avy eo Izy dia nifidy vahoaka iray, Israely  —izay vahoaka kely dia kely tamin’ny voalohany, tsy nanan-kery, saingy nanana razambe, Abrahama, izay nanompo an’Andriamanitra ary tsy nivadika taminy mihitsy. Dia nampanantena an’io vahoaka hebreo io (ny Jiosy) Andriamanitra, hoe amin’ny alalany no hametrahany, indray andro any, fanjakana feno fahamarinana sy fiadanana : “Fa Abrahama ho tonga firenena lehibe sy mahery tokoa, ary aminy no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany” (Genesisy 18. 18). Koa ny nokendren’Andriamanitra, izany, dia ny hahasoa ny zanak’olombelona rehetra, tamin’ny nifidianany vahoaka hanomanany fanjakana feno fitahiana. Io fanjakana io dia tokony hapetraky ny irak’Andriamanitra iray, antsoina hoe “ny Mesia” (na “ny Kristy”, amin’ny teny grika, izany hoe “Ilay Voahosotra”). Io iraka io dia olona efa nomanina hatrizay hatrizay mba hanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao sy hamerina indray ny zon’Andriamanitra eto an-tany, satria simban’ny ota ny tany ka nivarina eo ambany fahefan’i Satana. Hanjaka izy io, sady hamerina indray ny fihavanana eo amin’Andriamanitra sy ny olona, ary eo amin’ny samy olona : “Fa Zaza no teraka ho antsika, zazalahy no omena antsika ; ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolotsaina, Andriamanitra Mahery, Rain’ny mandrakizay, Andrianan’ny fiadanana. Ny handrosoan’ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin’ny rariny sy ny hitsiny, hatramin’izao ka ho mandrakizay” (Isaia 9. 5-6). Nolazaina tamin’ny Israely, izay handray ny Mesia, hoe : “Izao no lazain’i Jehovah, Mpanavotra anao, dia ny Iray Masin’ny Israely : Izaho, Jehovah Andriamanitrao, no nampianatra anao hahita soa sady mitarika anao amin’ny làlana tokony halehanao” (Isaia 48. 17). Saingy hihaino an’Andriamanitra ve ny Israely, ary handray ny Mesiany, Ilay famonjen’Andriamanitra, mba hahatonga ny Fanjakan’Andriamanitra hiorina eto an-tany ?

NY ZANAK’ANDRIAMANITRA TETO AN-TANY

·   Efa nambaran’ny mpaminany ny fomba mahagaga hahaterahany

Ary noho izany dia ny Tompo no hanome famantarana ho anareo : Indro, hanana anaka ny virijina ka hiteraka zazalahy ; ary ny anarany hataony hoe Imanoela” (Isaia 7. 14). Maria, virijiny iray nahita sitraka teo imason’Andriamanitra, dia nilazan’ny anjely hoe : “Ary, indro, hitoe-jaza ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany dia hataonao hoe Jesosy. Izy ho lehibe ka hatao hoe Zanaky ny Avo Indrindra ; ary Jehovah Andriamanitra hanome Azy ny sezafiandrianan’i Davida rainy ; ary hanjaka amin’ny taranak’i Jakoba mandrakizay Izy ; ary ny fanjakany tsy hanam-pahataperana. Ary hoy Maria tamin’ilay anjely : Hanao ahoana re no hahatanteraka izany, fa tsy mahalala lahy aho ? Ary ilay anjely namaly ka nanao taminy hoe : Ny Fanahy Masina ho tonga ao aminao, ary hisy herin’ny Avo Indrindra hanaloka anao ; koa ny Masina Izay hateraka dia hatao hoe Zanak’Andriamanitra” (Lioka 1. 31- 35). Taorianan’ny nahaterahan’i Jesosy dia nahita Azy i Simeona, “dia nitrotro Azy izy ka nidera an’Andriamanitra nanao hoe : Tompo ô, ankehitriny ny mpanomponao dia alefanao amin’ny fiadanana, araka ny teninao ; fa ny masoko efa nahita ny famonjenao, izay namboarinao teo anatrehan’ny firenena rehetra, dia fahazavana hahazava ny firenena sady voninahitry ny Israely olonao” (Lioka 2. 28-32).

·   Efa nambara ihany koa ny toerana hahaterahany

Fa ianao, ry Betlehema Efrata, izay kely tsy tokony ho isan’ny arivon’i Joda akory, dia avy ao aminao no hivoahan’Izay anankiray ho Mpanapaka ho Ahy ao amin’ny Israely ; hatry ny fahagola no efa nivoahany, dia hatrizay hatrizay” (Mika 5. 1). Na dia efa hatrizay hatrizay aza no nisian’Ilay Zanak’Andriamanitra  —Imanoela, anarana midika hoe “Amintsika Andriamanitra”—, dia olona toa antsika Izy, saingy tsy nisy ota : Olona fenon’ny Fanahy Masina Izy, ary Andriamanitra ihany koa.

·   Efa nambara ny anarana hoentiny, amin’ny maha Olona Azy

Ny anarany hataonao hoe Jesosy ; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany” (Matio 1. 21). JESOSY dia midika hoe “Jehovah no Mpamonjy”.

·   Efa nambara ny anton’ny hahatongavany 

Koa nony niditra tamin’izao fiainana izao Izy, dia nanao hoe : ‘Ny fanatitra alatsa-dra sy ny fanatitra hohanina tsy mba nilainao, fa tena no namboarinao ho Ahy ; ny fanatitra dorana sy ny fanatitra noho ny ota tsy sitrakao ; dia hoy Izaho : Inty Aho tonga  —ao amin’ny horonam-boky no nanoratana Ahy—  hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô  (Hebreo 10. 5-7).

Rehefa mamaky ny Filazantsara, indrindra fa ny vavaka fisoronana nataon’i Jesosy, ao amin’ny Jaona 17, dia mahita ny sitrapon’Andriamanitra, dia izao :

o Hanolotra lalam-pamonjena ho an’ny olona, izany hoe hitondra Mpamonjy ;

o Hampahafantatra fa Andriamanitra no Ray ;

o Haneho ny voninahitr’Andriamanitra amin’ny olombelona, satria voasarona io voninahitra io noho ny nidiran’ny ota teto an-tany, tamin’ny alalan’i Adama  ;

o Hijoro ho vavolombelon’Andriamanitra eto amin’izao tontolo izao ;

o Hampahafantatra an’Andriamanitra amin’ny olona, satria noho ny ota dia nivadika tamin’Andriamanitra ny olona ka nitodika tany amin’ireo sampy, tany amin’i Satana ;

o Hampita ny tenin’Andriamanitra amin’ny olombelona, mba haneken’izy ireo fa Jesosy dia nivoaka avy tamin’Andriamanitra, Zanak’Andriamanitra, fa Izy no Kristy, Ilay irak’Andriamanitra, Ilay Mpamonjy izao tontolo izao, Ilay hany lalana mitondra mankany amin’Andriamanitra, Ilay manokatra ho antsika ny varavaran’ny lanitra, ny paradisa.

Raha fintinina, ny Zanak’Andriamanitra dia tonga teto an-tany mba hanome ny fiainana mandrakizay ho an’izay rehetra mino Azy, ary “izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao” (Jaona 17. 3).

NY ASA FANOMPOAN’I JESOSY, ILAY KRISTY

Dia tonga teto an-tany tokoa Jesosy, Ilay Andriamanitra sady Olona. Tena ratsy dia ratsy, amin’ny lafiny ara-panahy, ny toerana nahitany ny olombelona : lavitra an’Andriamanitra, tsy afaka mihaino ny feony na mahatakatra ny fanatrehany, voagejan’ny ota, very, teo ambany fahefana sy herin’i Satana. Na nampalahelo toy izany aza anefa ny zava-nisy, dia tsy maintsy nanatanteraka ny asa nanirahana Azy Jesosy, Ilay Kristy :

·   Ny vahoaka jiosy, izay nampanantenaina fanjakana eto an-tany, dia nilazany izany toy izao : “Ny Fanahin’i Jehovah no ato amiko, satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy ; naniraka Ahy hitory fandefasana amin’ny mpifatotra Izy, sy fampahiratana amin’ny jamba, hanafaka izay nampahorina, hitory ny taona ankasitrahin’i Jehovah” (Lioka 4. 18-19). Ny nambaran’i Jesosy tamin’izany dia ny fametrahana ny fanjakan’Andriamanitra teto an-tany. Saingy tsy azo napetraka io fanjakana io raha tsy nibebaka ny Israely ka nanaiky Azy ho Ilay Mesia, Ilay Zanak’Andriamanitra velona, ilay Mpanjakan’ny Israely.

·   Izao tontolo izao dia nilazany hoe : “Ny Zanak’olona [tonga] hitady sy hamonjy ny very” (Lioka 19. 10).

Notorin’i Kristy ny Filazantsara, izany hoe ny vaovao mahafaly manambara fiadanana, manambara fa eo Andriamanitra, mampiasa ny fahasoavany, mba hamonjeny ny olombelona very. Tonga teto an-tany ilay Olona sady Andriamanitra mba handrava ireo asan’ny devoly, hanafaka ny olona amin’ny fanamelohan’ny ota, ary hiaro azy ireo tsy hiharan’ny famaizana vokatr’izany. Izany no nilazany hoe : “Andeha isika hiala hankany amin’ny tanàna akaiky, mba hitoriako teny any koa ; fa izay no nahatongavako” (Marka 1. 38). “Jesosy avy any Nazareta, Izay nohosoran’Andriamanitra tamin’ny Fanahy Masina sy ny hery ... [dia] nandehandeha nanao soa sy nahasitrana izay rehetra azon’ny herin’ny devoly, satria Andriamanitra nomba Azy” (Asan’ny Apostoly 10. 37-38).

Nitory ny fibebahana ilay Olona sady Andriamanitra, satria ny Filazantsara dia manomboka mandrakariva amin’ny tsy maintsy ilàna ny fibebahana. Ny mibebaka dia tsy hoe manenina fotsiny satria nanota, miaiky fa nanao ratsy, toy ny mpangalatra tratra am-body omby ka miaiky izany. Ny hoe mibebaka dia mahatsapa aloha fa Andriamanitra mihitsy no nozimbazimbaina  —natao tsinontsinona—, manenina mafy mihitsy  —ary amin’ny fo tena ory tanteraka—  noho ny ota natao, mahatsapa fa mila famelan-keloka, maniry mafy ny hiala amin’ny ratsy, mikatsaka famelan-keloka avy amin’Andriamanitra. Raha tsy mibebaka ny olombelona, dia mizotra mahitsy mankany amin’ny fitsaran’Andriamanitra. Izany no anamafisan’i Jesosy hatrany hatrany ny tsy maintsy ibebahana. Mandraka androany Andriamanitra dia mbola mandidy ny olona mba hibebaka : “Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron’ny tsy fahalalana ; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin’izao tontolo izao hibebaka” (Asan’ny Apostoly 17. 30).

Tamin’ny asa fanompoany, ny Zanak’Andriamanitra dia nanolo-tena tanteraka ho an’Andriamanitra Rainy. Izany no nilazany hoe : “Izaho manao izay sitrany (sitraky ny Ray) mandrakariva” (Jaona 8. 29). Dia nanambara avy any an-danitra ny Ray hoe : “Ity no Zanako malalako, Izay sitrako” (Matio 17. 5). Tanterak’ilay Olona sady Andriamanitra ny asa nankinin’ny Ray taminy. Koa dia afaka niteny Izy, tamin’ny vavaka nataony tamin’ny Rainy, hoe : “Izaho efa nankalaza Anao tetỳ ambonin’ny tany ; vitako ny asa nomenao Ahy hataoko” (Jaona 17. 4). Koa tonga teto an-tany ny Zanak’Andriamanitra, teo anivon’ny vahoaka Israely, ilay vahoaka natokan’Andriamanitra mba hitsena sy handray tsara ny Kristy, Ilay Mesia Mpamonjy.

TSY NEKEN’NY ISRAELY HOE JESOSY NO ZANAK’ANDRIAMANITRA, ILAY MESIANY, ILAY MPANJAKANY

Tonga tany amin’ny Azy Izy (Jesosy), fa ny Azy tsy nandray Azy” (Jaona 1. 11). Faratampon’izany fandàvana izany, dia nanambara ireo mpitondra fivavahana jiosy hoe : “Tsy manaiky hanjakan’iny lehilahy iny izahay” (Lioka 19. 14), ary nomelohiny ho faty Jesosy : “Izahay manana lalàna, ary araka izany lalàna izany dia tokony ho faty Izy, satria nanao ny tenany ho Zanak’Andriamanitra” (Jaona 19. 7).

Ankoatra ireo mpitondra fivavahana, dia ny vahoaka Israely manontolo mihitsy no nitady ny fahafatesan’i Kristy. Io no ambara mazava amin’izao tantara izao : “Ary ny lohan’ny mpisorana mbamin’ny loholona nitaona ny vahoaka mba hangataka an’i Barabasy ary hamono an’i Jesosy. Fa ny governora namaly ka nanao taminy hoe : Iza moa amin’izy roa lahy no tianareo halefako ho anareo ? Dia hoy izy : Barabasy. Hoy Pilato taminy : Ka ahoana kosa ary no hataoko amin’i Jesosy, Izay atao hoe Kristy ? Dia hoy izy rehetra : Aoka hohomboana amin’ny hazofijaliana Izy. Fa hoy ny governora : Inona ary no ratsy nataony ? Fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe : Aoka hohomboana amin’ny hazofijaliana Izy !

Ary raha hitan’i Pilato fa tsy nahaleo ditra azy izy, fa vao mainka nandroso ihany aza ny tabataba, dia naka rano izy ka nanasa tànana teo anatrehan’ny vahoaka ary nanao hoe : Afaka amin’ny ran’ity Lehilahy marina ity aho, fa asa anareo. Ary ny olona rehetra dia namaly ka nanao hoe : Aoka ny rany ho aminay mbamin’ny zanakay” (Matio 27. 20-25).

Araka izany, dia ny fiarahamonina manontolo  —Jiosy sy tsy Jiosy, mpitondra fivavahana sy mpitondra ara-politika, miaramila romana sy ny vahoaka—  no nandà Azy sy nanombo Azy teo amin’ny hazofijaliana : “Teo no nanomboana Azy tamin’ny hazofijaliana, ary nisy roa lahy koa niaraka taminy, iray avy teo an-daniny roa, ary Jesosy teo afovoany” (Jaona 19. 18).

Fa naninona moa Israely no tsy nahalala ny Mesiany ?

Ny antony lehibe indrindra dia ny fandàvana Mesia tonga tao anaty fietrena, fanetrentena, fahantrana ; Mesia miresaka ota, fibebahana, fahamarinana, fitsarana, fahateraham-baovao ; Mesia mankatò an’Andriamanitra sy manome ho Azy ny voninahitra manontolo... raha fintinina, Mesia tsy manintona ary tsy tiana hiaraha-miaina. Efa nambaran’ny mpaminany Isaia ny tsy fitokisan’ny vahoaka ny Mesia, azo lazaina mihitsy aza hoe ny tsy firaharahany Azy : “Tsy nanana endrika na fahatsaran-tarehy Izy ; ary raha nijery Azy isika, dia tsy nisy hatsaran-tarehy haniriantsika Azy. Natao tsinontsinona sy nolavin’ny olona Izy ; lehilahy ory sady zatra ny fahoriana, ary tahaka izay tsy tian’ny olon-kojerena akory Izy ; natao tsinontsinona Izy ka tsy mba nahoantsika” (Isaia 53. 2-3).

Ny Jiosy dia nanana toe-panahy ratsy : tsy nety niaiky ireo fahotany izy ireo, ary nandà tsy hibebaka. Ny nilainy dia Mesia hanafaka azy ireo amin’ny Romana mpanjanaka azy ireo. Fa raha momba ny zavatra hafa kosa, ny Jiosy dia afa-po sy nirehareha tamin’ny fivavahany, ny tempoliny sy ireo fombafomba fanao ao. Koa noheveriny fa tsy nilaina izany fibebahana izany. Ary na nigagany aza ireo fahagagana nataon’i Jesosy, dia ny hafatra nentiny, aloha, no nolaviny  —satria mampirisika mafy hibebaka—  ary avy eo dia Jesosy tenany mihitsy.

MATY JESOSY, NITSANGANA TAMIN’NY MATY JESOSY

Jesosy mihitsy no efa nilaza tamin’ny mpianany hoe : “Ny  Zanak’olona tsy maintsy hijaly mafy ka holavin’ny loholona sy ny lohan’ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, dia hovonoiny, ary rehefa afaka hateloana, dia hitsangana indray Izy” (Marka 8. 31). Nanaiky an-tsitrapo ny fahafatesana Jesosy, nefa nanana fahefana haka ny ainy ihany koa : “Izaho manolotra ny aiko mba handraisako azy indray. Tsy misy manaisotra ny aiko amiko... Manana fahefana hanolotra azy Aho, ary manana fahefana haka azy indray” (Jaona 10. 17-18).

Teo amin’ny hazofijaliana dia niaiky tamin’Andriamanitra Jesosy fa ny otantsika dia otany : “Nahazo ahy ny heloko, ka tsy mahay mijery aho ; maro noho ny volon-dohako ireny, ka reraka ny foko” (Salamo 40. 12). Neken’i Jesosy ho Azy ny fanamelohana sahaza ny fahotantsika : “Ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy (namelezana an’i Jesosy nohomboana teo amin’ny hazofijaliana)… ary nataon’i Jehovah nihatra taminy avokoa ny helotsika rehetra” (Isaia 53. 5-6).

Rehefa avy niteny Jesosy hoe “Vita” (Jaona 19. 30), dia niditra an-tsitrapo sy am-pandresena tao amin’ny fahafatesana : “Raiko ô, eo an-tànanao no atolotro ny fanahiko” (Lioka 23. 46). Dia maty Jesosy, sorona masina sy madio :

·   natolotra indray mandeha hitondra ny otan’ny maro” (Hebreo 9. 28) ;

·   nahazo fanavotana mandrakizay” ho an’ny rehetra (Hebreo 9. 12). “Izy no ananantsika fanavotana amin’ny rany, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny harenan’ny fahasoavany” (Efesiana 1. 7).

Afa-po tanteraka tamin’ny asan’ny Zanany Andriamanitra, ka nanangana Azy ny andro fahatelo : “Fa ny Tompon’ny aina kosa no novonoinareo ; fa Izy natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty” (Asan’ny Apostoly 3. 15).

NOMEN’ANDRIAMANITRA VONINAHITRA JESOSY, NASANDRANY HO AMBONIN’NY ZAVA-DREHETRA

Jehovah nilaza tamin’ny Tompoko (Jesosy) hoe : ‘Mipetraha eo an-tànako ankavanana, ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao’. Koa aoka ho fantatry ny taranak’Israely rehetra marimarina fa iny Jesosy nohomboanareo tamin’ny hazofijaliana iny dia efa nataon’Andriamanitra ho Tompo sy Kristy (Asan’ny Apostoly 2. 34-36). Tompo sy Kristy : ireo indrindra no anaram-boninahitra tena tsy tian’ny vahoaka jiosy nekena fa an’i Jesosy ! Ary ireo mpitondra fivavahana mihitsy no nitarika ny vahoaka ho amin’izany fandavana izany.

NIRAHIN’ANDRIAMANITRA HO ETỲ AN-TANY NY FANAHY MASINA

Ary satria efa nomem-boninahitra toy izany Jesosy, dia nirahin’Andriamanitra ny Fanahy Masina, “fa ny Fanahy tsy mbola nomena, satria Jesosy tsy mbola niditra tamin’ny voninahiny” (Jaona 7. 39). “Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin’ny fitoerana iray izy rehetra… Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra” (Asan’ny Apostoly 2. 1, 4). Izany koa dia efa nambaran’i Jesosy mialoha : “Ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako, Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo” (Jaona 14. 26).

AMBARA AMIN’NY OLONA REHETRA NY HAFATRA MANAMBARA FAMONJENA

Fenon’ny Fanahy Masina ny apostoly, ka nanjary vavolombelona mahery ho an’Ilay Kristy nitsangana tamin’ny maty sy nomem-boninahitra. Natoky tena izy ireo, nanomboka nanambara fa :

·   meloka avokoa ny olona rehetra, eo anatrehan’Andriamanitra

o Ny olona rehetra dia samy “mpanota avokoa … araka ny voasoratra hoe : ‘Tsy misy marina na dia iray akory aza’  (Romana 3. 9-10) ;

o Fa tsy misy hafa, fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra” (Romana 3. 22-23) ;

o Samy meloka avokoa, eo anatrehan’Andriamanitra, ka “tsy misy nofo hohamarinina amin’ny asan’ny lalàna eo anatrehany” (Romana 3. 20).

o Tsy misy afa-tsy ny fanamelohana ara-drariny ampiharin’Andriamanitra, dia ny fahaverezana mandrakizay, no sahaza ny tsirairay, tsy ankanavaka : “Fa fahafatesana no tambin’ny ota” (Romana 6. 23) ;

·   te hamonjy ny olona rehetra Andriamanitra

o Mahatoky ka tokony hekena amin’ny fankasitrahana rehetra izao teny izao : tonga tetỳ ambonin’ny tany Kristy Jesosy hamonjy ny mpanota” (1 Timoty 1. 15).

Fanamarihana :

Tamin’ny andron’ny Testamenta Taloha, mba hahazoana manarona ny fahotana sy mamela izany, ny Jiosy nanao fahotana dia nanolotra ho an’Andriamanitra  —araka ny làlanan’i Mosesy—  biby tsy misy kilema, biby novonoina hisolo toerana azy. Saingy tsy nahafa-po an’Andriamanitra izany fombafomba rehetra izany, satria “tsy mahaisotra ny ota ny ran’ombilahy sy ny ran’osilahy. Koa nony niditra tamin’izao fiainana izao Izy (Kristy), dia nanao (tamin’Andriamanitra) hoe : “Ny fanatitra alatsa-dra sy ny fanatitra hohanina tsy mba nilainao, fa tena no namboarinao ho Ahy ; ny fanatitra dorana sy ny fanatitra noho ny ota tsy sitrakao ; dia hoy Izaho : Inty Aho tonga—ao amin’ny horonam-boky no nanoratana Ahy— hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô”. Rehefa nolazainy teo hoe : “Ny fanatitra alatsa-dra sy ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra dorana ary ny fanatitra noho ny ota” (dia ireny aterina araka ny lalàna) “no tsy ilainao ary tsy sitrakao”,  dia hoy indray Izy : “Inty Aho tonga hanao ny sitraponao.” Manaisotra ny voalohany Izy mba hampitoerany ny faharoa. Amin’izany sitrapo izany no nanamasinana antsika tamin’ny nanaterana ny tenan’i Jesosy Kristy indray mandeha” (Hebreo 10. 4-10). Koa tonga teto an-tany Jesosy, “tsy mba nitondra ran’osilahy sy ran-janak’omby ... fa ny ran’ny tenany” (Hebreo 9. 12). Maty Izy, natao sorona noho ny ota, nisolo toerana nitondra ny fahotan’ireo rehetra mino Azy. Ary ambonin’izany, “Izy no ambaran’ny mpaminany rehetra, fa amin’ny anarany no hahazoan’izay rehetra mino Azy famelan-keloka (Asan’ny Apostoly 10. 43).

Mba hahatakarana bebe kokoa :

Fa ny lalàna, izay misy aloky ny zava-tsoa ho avy, fa tsy ny tena endrik’izany zavatra izany, dia tsy mba mahatanteraka ny olona manatona amin’izay fanatitra ateriny mandrakariva isan-taona.” (Hebreo 10. 1). Koa ireo sorona rehetra natolotra tao amin’ny Testamenta Taloha (fanatitra, fanatitra dorana, fanatitra noho ny ota...) dia tsy inona fa aloka (kisarisary) manambara an’Ilay Kristy Izay ho avy, satria io Kristy io no Ilay tena Izy. Izao no tanjona, tamin’ny nanolorana ireo sorona ireo : mba hanjary lavorary ilay olona manolotra, mba hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra, ny fahasambarana any ankoatra, izany hoe ny paradisa, antsoin’ny Jiosy ihany koa hoe “ao an-tratran’i Abrahama”.

Satria tonga ny Kristy  —ary Jesosy izany—, dia tanteraka tao aminy avokoa ny sorona rehetra. Koa voasoratra hoe :

·   Kristy… natolotra indray mandeha hitondra ny otan’ny maro” (Hebreo 9. 28) ; “Maty hamonjy antsika Kristy” (Romana 5. 8)  —fahafatesana nisy ra latsaka, satria “raha tsy misy ra alatsaka, dia tsy misy famelan-keloka” (Hebreo 9. 22)— ; ary “Ny ran’i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra” (1 Jaona 1. 7).

·   Kristy … nanatitra ny tenany tsy manan-tsiny ho an’Andriamanitra” (Hebreo 9. 14), “ka nahazo fanavotana mandrakizay” (Hebreo 9.12)  —zavatra izay tsy vitan’ireo fombafomba nasaina notanterahina tao amin’ny Testamenta Taloha !

·   Fa ny fanatitra iray ihany no efa nahatanterahany (nahatanterahan’i Kristy) ho mandrakizay izay olona hamasinina” (Hebreo 10. 14).

·   Jesosy Kristy “dia efa naseho indray mandeha … mba hanafaka ny ota tamin’ny nanaterany ny tenany” (Hebreo 9. 26), “mba hahazoan’izay voantso ny teny fikasana, dia ny lova mandrakizay” (Hebreo 9. 15).

NY FAMONJENA DIA AZO NOHO NY FINOANA

NY OLONA TSIRAIRAY MANAIKY FA JESOSY NO KRISTY, MATY NOHO NY FAHOTAN’IO OLONA IO ARY NITSANGANA TAMIN’NY MATY, DIA VOAVONJY : NATERAKA INDRAY IZY, MANANA NY FIAINANA MANDRAKIZAY, ARY HO ANY AM-PARADISA

Mba hahavoavonjy, dia tsy mila manao asa andidian’ny làlanan’i Mosesy, na asa hafa, satria “efa naharihary ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra, tsy amin’ny lalàna anefa, fa ambaran’ny lalàna sy ny mpaminany, dia ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra, amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy, ho an’izay rehetra mino ; fa tsy misy hafa, fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra” (Romana 3. 21-23). Ampy izany ny mino an’i Jesosy Kristy, izany hoe matoky tanteraka ny asa fanoneram-pahotana nataony. Saingy ny hoe mino an’i Jesosy aho, dia midika fa manaiky Azy ho Ilay Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra maty noho ny fahotako, ary tsy izany ihany, fa mino ny lazainy hoe mpanota aho, tsy maintsy mibebaka, ary ny rany no hany manadio ahy amin’ny fahotako rehetra.  Noho izany, ireo rehetra mino ny sorona nataon’ny Tompo Jesosy dia “hamarinina maimaimpoana amin’ny fahasoavanynoho ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesosy, Izay nasehon’Andriamanitra tamin’ny rany ho fanavotana amin’ny finoana, hanehoana ny fahamarinany amin’ny tsy namalian’Andriamanitra ny fahotana lasa tamin’ny nandeferany, mba hanehoana ny fahamarinany ankehitriny, mba ho marina Izy sady hanamarina izay manana finoana an’i Jesosy” (Romana 3. 24-26).

Mba hahatakarana bebe kokoa :

Tamin’ny andron’ny Testamenta Taloha (ary na dia fony efa teto an-tany koa aza ny Tompo Jesosy), ny tanjon’ny fivavahan’ny Israelita, misy ireo fombafomba sy fankalazana isan-karazany, dia ny hanatanterahana ireo fitakian’Andriamanitra  —zavatra takian’Andriamanitra (antsoina hoe “asan’ny lalàna”) noraketina tao amin’ny bokin’ny Lalàna, boky antsoina ihany koa hoe lalànan’i Mosesy. Rehefa manao izay andidian’ny Lalàna ny Israelita, dia manatanteraka asan’ny lalàna, asa antsoina ihany koa hoe asan’ny fahamarinana (satria nihevitra izy fa marina rehefa manao izany). Raha vitany an-tsakany sy an-davany izay rehetra voasoratra tao amin’ny lalànan’i Mosesy, dia ho nohamarinina noho ny asan’ny lalàna izy, izany hoe no nambaran’Andriamanitra fa marina sy masina, satria nahatanteraka izay rehetra nolazain’ny Lalàna. Koa ho nahazo famelan-keloka izy, ho voavonjy, ho nandova ny fiainana mandrakizay. Iza anefa no afaka manatanteraka an-tsakany sy an-davany izay rehetra andidian’ny Lalàna? Iza ? nefa fantatra fa ny olombelona, noho ny ota ao anatiny, dia mirona hatrany hanao ny ratsy, ary tsy izany ihany, fa manao ny ratsy mihitsy, raha vao mahita lalana hanaovana izany.

Raha ny marina, tsy nisy afaka nifikitra nanao izay rehetra voasoratra ao amin’ny bokin’ny Lalàna ; noho izany, tsy nisy olona azo nohamarinina noho ny asan’ny lalàna nataony, satria eo imason’Andriamanitra, “tsy misy marina na dia iray akory aza... fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra” (Romana 3. 10, 23).

Ny fanamarinana dia tsy avy amin’ny fanatanterahana ny asan’ny lalàna, fa noho ny fahasoavan’Andriamanitra irery ihany

Ny hoe ambaran’Andriamanitra fa marina sy masina  —ny fanamarinana—  dia tsy afaka mifototra, na amin’ny fanatanterahana ny asa andidian’ny lalànan’i Mosesy (satria tsy nisy, ary tsy hisy, olona afaka manao izany), na amin’ny fanatanterahana lalàna hafa napetraka ho an’ny tena, na amin’ny fanaovana asa soa ; satria “tsy hamarinina amin’ny asan’ny lalàna ny olona, fa amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy” (Galatiana 2. 16).

Koa ny finoana an’i Jesosy Kristy irery ihany no mahatonga ho voavonjy. Araka izany, na iza na iza mino, dia toloran’Andriamanitra ny fahamarinany : fahasoavana re izany ! Tsy iadian-kevitra ny maha tena Vaovao Mahafaly tokoa ny Filazantsara, satria “amin’izany no anehoana fahamarinana avy amin’Andriamanitra, avy amin’ny finoana sy ho amin’ny finoana” (Romana 1.17)  —finoana ny Zanak’Andriamanitra, finoana manokatra ny lalana ho amin’ny famelan-keloka. Raha vao nanomboka ny asa fanompoany ny apostoly Paoly, dia efa nanambara io vaovao mahafaly io toy izao : “Izany Lehilahy izany (Jesosy Kristy) no itoriana famelan-keloka aminareo ; ary ao aminy no anamarinana izay rehetra mino, ho afaka amin’ny heloka rehetra izay tsy azo nanamarinana anareo tamin’ny lalànan’i Mosesy” (Asan’ny Apostoly 13. 38-39). Tatỳ aoriana dia io apostoly io ihany no nanoratra tamin’i Titosy hoe : “Fa rehefa niseho ny fahamoram-panahin’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, sy ny fitiavany ny olona, dia tsy avy tamin’ny asa amin’ny fahamarinana izay nataontsika, fa araka ny famindrampo kosa no namonjeny antsika, tamin’ny fanasan’ny fiterahana indray sy ny fanavaozan’ny Fanahy Masina, Izay naidiny betsaka tamintsika tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy, Mpamonjy antsika, mba hohamarinina amin’ny fahasoavany isika ka ho tonga mpandova araka ny fanantenana ny fiainana mandrakizay” (Titosy 3. 4-7).

Dia nino an’i Kristy Jesosy koa isika (izay tena kristiana) mba hohamarinina amin’ny finoana an’i Kristy, fa tsy amin’ny asan’ny lalàna” (Galatiana 2. 16).

Famintinana :

Ny zanak’olombelona rehetra no hita fa meloka eo anatrehan’Andriamanitra sady voaporofo fa tsy afaka hahatakatra ny fahamarinana takian’Andriamanitra. Koa ny fanamarinana noho ny finoana irery ihany  —ny finoana Ilay Zanak’Andriamanitra nasandratra teo amin’ny hazofijaliana mba hitondra “ny fahotantsika tamin’ny tenany teo ambonin’ny hazo” ( 1 Petera 2. 24)— ny fanamarinana noho ny finoana irery ihany no mamaly ny filàn’ny olona famonjena. Koa rehefa mino ny olona iray fa Jesosy no Ilay Kristy nisolo toerana azy, nandray ny fahotany rehetra ho toy ny Azy Kristy, maty hamonjy azy satria nizaka ny famaizana sahaza ny fahotan’ny olombelona rehetra, ary rehefa raisin’io olona io ho azy ny tombontsoa avy amin’izany sorona nataon’i Kristy izany, ka miaiky ny fahadisoany izy, mibebaka ny amin’izany ary miaiky izany eo anatrehan’Andriamanitra, dia manadio azy ho afaka amin’ny fahotana rehetra ny ran’i Jesosy nalatsaka teo amin’ny hazofijaliana : voavela ny helok’io olona io, ka atolotr’Andriamanitra azy ny fahamarinany. Io olona nino ny Zanak’Andriamanitra io dia ambaran’Andriamanitra fa marina sy masina, ary voavonjy tsy ho any amin’ilay afo tsy mety maty (ny helo), mandova ny fiainana mandrakizay : hiditra any am-paradisa izy.

Koa mba hahazoana ny famonjena, izany hoe ny fiainana mandrakizay eo anilan’Andriamanitra any an-danitra, dia tsy maintsy mametraka ny fitokisana  —ny finoana—  amin’ny Zanak’Andriamanitra, izany hoe Jesosy, satria :

·   Jesosy “Izay tsy nahalala ota dia efa nataony ota hamonjy antsika, mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao aminy kosa isika” (2 Korintiana 5. 21) ;

·   ary “tsy misy famonjena amin’ny hafa ; fa tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona, izay hahazoantsika famonjena” (Asan’ny Apostoly 4. 12).

Noho izany, zava-poana ny hitadiavan’ny olona “hanamarina ny tenany” (Romana 10. 3) amin’ny fanaovana ny asan’ny lalàna (na asa hafa, na dia mendri-piderana aza izany, na dia feno fahamoram-po sy hitsimpo aza), mba ho voavonjy, satria “tsy misy nofo hohamarinina amin’ny asan’ny lalàna” (Galatiana 2. 16).  “Koa amin’izany dia ataontsika fa finoana no anamarinana ny olona, fa tsy ny asan’ny lalàna” (Romana 3. 28).

IREO IZAY MANAIKY NY VAOVAO MAHAFALY MANAMBARA NY FAMONJENA NOHO NY FINOANA DIA VOAVONJY : TSY HO ANY AMIN’ILAY AFO TSY METY MATY IZY

·   voadio ny ao anatin’izy ireo, noho ny “rano fanasana amin’ny teny”, dia ny Tenin’Andriamanitra : ny fony, ny fitiavany, ny sainy, ny fiheviny... Voasasa avokoa ireo fahalotoana rehetra tao anatiny, voadio ;

·   mandray ny aina omen’Andriamanitra izy ireo : ain’Andriamanitra, aina vaovao, toetra vaovao  —ary izany no atao hoe “ateraka indray”— : “Izay mino (an’i Jesosy) no manana fiainana mandrakizay” (Jaona 6. 47) ;

·   manjary zanak’Andriamanitra izy ireo : “Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany, dia ireo izay tsy nateraky ny ra, na ny sitrapon’ny nofo, na ny sitrapon’ny olona, fa naterak’Andriamanitra” (Jaona 1. 12-13).

Ireo olona ireo, izay naterak’Andriamanitra, nateraka indray, dia afaka miteny ankehitriny hoe : “Endrey ! manao ahoana ny fitiavana nasehon’ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak’Andriamanitra, sady izany tokoa isika ! … Ry malala, ankehitriny aza dia zanak’Andriamanitra isika (1 Jaona 3. 1, 2).

MAIMAIMPOANA NY FAMONJENA : OMENA NOHO NY FAHASOAVANA

·   Izay rehetra mino fa Jesosy no Kristy dia naterak’Andriamanitra” (1 Jaona 5. 1) : mandray ny fiainana mandrakizay izy, satria “fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra, ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika” (Romana 6. 23) ;

·   Fa fahasoavana no namonjena anareo amin’ny finoana ; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra ; tsy avy amin’ny asa, fandrao hisy hirehareha” (Efesiana 2. 8-9).

FIHAVANANA AMIN’ANDRIAMANITRA, FANKASITRAHANY, FANANTENANA BE VONINAHITRA, FIAINANA MANDRAKIZAY MIARAKA AMIN’ANDRIAMANITRA : IZANY NO AZON’IZAY MINO AN’I JESOSY KRISTY

·   Jesosy Tompontsika … [dia] natolotra noho ny fahadisoantsika ka natsangana indray ho fanamarinana antsika” (Romana 4. 24, 25). Afa-po tanteraka Andriamanitra tamin’ny asa nataon’ny Zanany teo amin’ny hazofijaliana  —porofon’izany ny nananganany Azy tamin’ny maty. Koa nesorina izay rindrina rehetra nanelanelana antsika tamin’Andriamanitra, noho ny fahotantsika : tsy misy rahona intsony manelanelana antsika amin’Andriamanitra. 

·   Koa amin’izany, satria efa nohamarinina tamin’ny finoana isika, dia aoka isika hanana fihavanana amin’Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika. Tamin’ny alalany koa no efa nahazoantsika fanatonana amin’ny finoana ho amin’izao fahasoavana itoerantsika izao, ka dia aoka isika hifaly amin’ny fanantenana ny voninahitr’Andriamanitra” (Romana 5. 1-2).

MBOLA MANAN-KERY MANDRAKA ANKEHITRINY IO TENY MILAZA FAHASOAVANA IO

Izay mino ny asa fanonerana nataon’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana dia ambaran’Andriamanitra fa marina eo anatrehany, tsy hoe satria izy nanao asa nahafa-po an’Andriamanitra tsy akory, fa satria izy afaka miteny amin’Andriamanitra hoe : « Miaiky aho fa mpanota, very aho, tsy mendrika ny hiseho eo anatrehanao. Fantatro fa ny fahaverezana mandrakizay ihany no sahaza ahy. Tsy afaka ny ho mendrika ny lanitra aho, noho ireo asa soa na ireo ezaka nataoko ; kanefa fantatro ary ekeko fa ny Tompo Jesosy dia nanolotra ny tenany hamonjy ahy : nisolo toerana ahy Izy, nitondra ireo fahotako rehetra, koa nataonao nihatra taminy ny famaizana tokony ho nihatra tamiko. Nanaiky ny sorona nataony Ianao, ka nanangana Azy tamin’ny maty, koa nanapa-kevitra aho ny hametraka tanteraka ny fitokisako  —ny finoako—  ao amin’Ilay Zanak’Andriamanitra, dia Jesosy Kristy, Ilay Mpamonjy izao tontolo izao, Izay maty teo amin’ny hazofijaliana, mba hamonjy ahy. Satria aho ankehitriny mahazo tombontsoa amin’io sorona nataon’i Jesosy io, dia voafafa avokoa ny fahotako rehetra, tsy eo anatrehanao intsony, Andriamanitra ô ! Fantatro fa navelanao ny heloko. Mino izany aho, satria Ianao no nilaza izany sy nampanoratra ao amin’ny Teninao hoe : “Ny ran’i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra” (1 Jaona 1. 7). Koa dia mahazo antoka aho fa voavonjy : manana ny ain’Andriamanitra ato anatiko aho, ny fiainana mandrakizay ; nateraka indray aho, matoky aho fa ho avy ny andro izay hiainako ho mandrakizay eo anilanao any an-danitra, any am-paradisa. Tsy ho very any amin’ny helo aho. »

IREO IZAY MANAIKY NY VAOVAO MAHAFALY MANAMBARA NY FAMONJENA DIA ANTSOINA HOE KRISTIANA ; VAHOAKA VAOVAO IZY IREO, VAHOAKAN’ANDRIAMANITRA

Ny olona tsirairay mino an’i Jesosy, maty hamonjy azy, dia antsoina hoe kristiana : olona hampiseho fa tena kristiana tokoa izy ireo, satria azo itarafana an’i Kristy eo amin’ny fiainany, eo amin’ny fitondrantenany, eo amin’ny teny lazainy, ... eo amin’ny fandehany andavanandro. Ary tany Antiokia no voalohany nanaovana ny anaran’ny mpianatra hoe Kristiana” (Asan’ny Apostoly 11. 26) : nantsoina toy izany izy ireo, satria niaina tahaka an’i Kristy.

Ny fitambaran’ireo kristiana rehetra ireo dia mandrafitra vahoaka iray voatokana ho an’Andriamanitra, vahoaka novidin’Andriamanitra tamin’ny “ra soan’i Kristy” (1 Petera 1. 19). Mandraka ankehitriny isika dia mbola ao anatin’ny vanimpotoana itaoman’ny fahamoram-panahin’Andriamanitra antsika handray ny famotsoran-keloka atolony. Mandraka ankehitriny Andriamanitra dia mbola manampy ireo izay mino an’i Jesosy Zanany  —na Jiosy izy na jentilisa—  ho anisan’ilay vahoakany vaovao, dia “olona avy tamin’ny fokom-pirenena rehetra sy ny samihafa fiteny sy ny olona ary ny firenena rehetra” (Apokalypsy 5. 9).

DIA AHOANA IZANY ISRAELY, ILAY VAHOAKA TSY NANAIKY, TAMIN’NY NAHA VAHOAKA AZY, HANDRAY NY MESIA ?

Najanon’Andriamanitra aloha ny fifandraisany amin’ny Israely, satria nandà tsy handray ny Mesiany izy. Nahariharin’ny Tompo Jesosy ny tena antony nanilihana Azy :

·   ny toe-panahy ratsy teo amin’ny vahoaka ; ary efa nolazainy tamin’izy ireo izany : “Fa tonga amin’izao tontolo izao ny mazava, nefa aleon’ny olona ny maizina toy izay ny mazava, satria ratsy ny asany” (Jaona 3. 19) ;

·   ny fankahalan’ny Israely Azy, fankahalana asehony amin’ity fanoharana ity : “Fa ny vahoakany nankahala azy, dia nampitondra teny nanaraka azy nanao hoe : Tsy manaiky hanjakan’iny lehilahy iny izahay” (Lioka 19. 14).

Nisy fotoana nitenenan’Andriamanitra tamin’ny Israely hoe :

·   Mpaminany no hatsangako ho azy avy amin’ny rahalahiny, tahaka anao (an’i Mosesy), ka hataoko ao am-bavany ny teniko, ary holazainy aminy izay rehetra handidiako azy” (Deoteronomia 18. 18) ;

·   Raha hihaino ny feoko tokoa ianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra ianareo ; fa Ahy ny tany rehetra. Dia ho fanjakà-mpisorona sy ho firenena masina ho Ahy ianareo” (Eksodosy 19. 5-6).

Indrisy, fa tsy nihaino ny feon’Andriamanitra ny Israely, tsy nihaino ny feon’i Jesosy, Ilay Kristy, ilay Mpaminany nampanantenain’Andriamanitra azy ireo : tsy nino ny vahoaka. Koa noho “ny tsy finoany” (Romana 11. 20), tsy finoana izay nitarika ny fandavana an’i Jesosy, Ilay Kristy, dia very ho an’ny Israely ny zava-dehibe, dia ny famelana ny helony, ny famonjena, ny fihavanana amin’Andriamanitra, ny fahazoana manatona an’Andriamanitra, ny tena fivavahana marina... Raha atao bango tokana, very ho an’ny Israely, amin’ny maha firenena azy, ireo fitahiana lehibe nananany. Mampalahelo tokoa ! satria, marina fa an’Andriamanitra avokoa ny firenena rehetra eto an-tany, saingy nanana andraikitra manokana kosa ny Israely, dia ny ho mpanalalana hampahafantatra an’Andriamanitra amin’ny hafa, ary koa ny hanao fanompoam-panahy ho an’Andriamanitra. Tsy tanteraky ny vahoaka Israely ireo tanjona roa ireo :

·   notadiaviny hanindrahindra ny firenena Israely irery Andriamanitra ;

·   ny fivavahana jiosy dia nataony mifototra amina fombafomba sy asa, fivavahana tsy misy aina, fivavahana tsy misy an’i Kristy.

Very ho an’ny Israely koa ny zo maha vahoakan’Andriamanitra azy, maha firenena masina azy. Izao dia vahoaka vaovao  —ny kristiana—  no nahazo ny fitahiana ara-panahy, ary tsy izany ihany, fa naka ny toerana feno tombontsoa maha vahoakan’Andriamanitra. Nefa na dia vahoaka vaovaon’Andriamanitra aza ny kristiana, dia tsy misolo toerana ny Israely eto an-tany tsy akory izy. Izao no lazaina amin’ny kristiana : “Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, “fanjakà-mpisorona, firenena masina” olona nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany, mba hilazanareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga ; dia ianareo izay tsy firenena akory fahiny, fa ankehitriny efa olon’Andriamanitra ; izay tsy namindrana fo, fa ankehitriny efa namindrana fo” (1 Petera 2. 9-10).

Tandremo anefa ! na tsy vahoakan’Andriamanitra intsony aza ny Israely, amin’ny maha firenena azy, ny olona tsirairay any Israely kosa dia mitovy zo amin’ny olon-drehetra (tsy Jiosy), satria “Andriamanitra nanidy azy rehetra tamin’ny tsy fanekena, mba hamindrany fo amin’izy rehetra” (Romana 11. 32). Ka raha misy Jiosy mino fa Jesosy no Ilay Zanak’Andriamanitra, ary manaiky hahazo tombontsoa amin’ny sorona nataon’i Jesosy, dia voavonjy koa izy, ka noho izany dia anisan’ilay vahoaka vaovao sady mponin’ny lanitra, dia ny Tenan’i Kristy, fitambaran’ireo olona rehetra navotan’Andriamanitra, vahoaka ara-panahy. Ny olom-boavidy voalohany dia ireo apostoly, izay Jiosy ; ary maro, taorianan’izy ireo, ny nanaiky an’i Jesosy ho Mpamonjiny. Ao amin’i Kristy izy ireo dia tafakambana amin’ny vahoaka kristiana, satria ao amin’i Jesosy dia “tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy ; fa iray ihany ianareo rehetra, ao amin’i Kristy Jesosy” (Galatiana 3. 28). Mitovy izany ny olona rehetra, eo anoloan’Andriamanitra !

Noho ireo antony ireo dia nailika mandritra ny fotoana voafetra aloha Israely, amin’ny maha firenena azy. Fa na izany aza, ireo olona tsirairay ao amin’ny vahoaka Israely dia afaka mahazo ny famonjena maimaimpoana ao amin’i Jesosy Kristy.

Fanamarihana :

Na dia nanilika an’i Kristy aza ny Israely, dia tsy narian’Andriamanitra ho mandrakizay tsy akory. Manamafy izany ny apostoly Paoly hoe : “Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo izany zava-miafina izany, ry rahalahy (fandrao mihevitra ny tenanareo ho hendry ianareo), fa efa misy fahamafiam-po manjo ny Israely sasany (nanjary mafy fo ny Israely sasany) mandra-piditry ny hafenoan’ny jentilisa ; ary amin’izany dia hovonjena avokoa ny Israely rehetra, araka ny voasoratra hoe : “Hivoaka avy any Ziona ny Mpanafaka, ary hampiala ny haratsiam-panahy amin’i Jakoba Izy ; ary izao no fanekeko aminy, raha manaisotra ny fahotany Aho”. Raha ny amin’ny filazantsara dia fahavalo izy, noho ny aminareo ; fa raha ny amin’ny fifidianana kosa dia malala izy, noho ny amin’ny razana. Fa ny fanomezam-pahasoavana sy ny fiantsoan’Andriamanitra dia tsy misy hanenenany” (Romana 11. 25-29).

NY KRISTIANA, IREO IZAY MANAIKY AN’I KRISTY, DIA MPONIN’NY LANITRA, NA DIA MBOLA ETO AN-TANY AZA

Ireo olona rehetra voavidin’i Kristy dia vahoaka iray mihataka amin’izao tontolo izao. Izy ireo dia manana fifandraisana amin’ny Mpamonjiny, Izay any an-danitra, dia “Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nanolotra ny tenany noho ny fahotantsika, hanafahany antsika amin’izao miara-belona ratsy fanahy izao” (Galatiana 1. 3-4). Vokatr’izany, tsy takatr’izao tontolo izao ny fiainan’ny kristiana, amin’ny lafiny ara-panahy. Marina fa miaina etỳ an-tany izy ireo, ara-batana ; fa ireo fiheviny kosa dia mifanohitra amin’ny fisainan’izao tontolo izao. Vahiny izy ireo etỳ : “Tsy naman’izao tontolo izao” (Jaona 17. 16). Ara-toe-panahy izy ireo dia any ivelan’ity tontolo ratsy fanahy ity, satria “niara-maty tamin’i Kristy … ka efa afaka tamin’ny abidim-pianaran’izao tontolo izao” (Kolosiana 2. 20), ary dia miaina tahaka ny vahiny etỳ. Izany no antony ampirisihana ny kristiana hoe : “Ry malala, mananatra anareo aho, satria vahiny sy mpivahiny ianareo, fadio ny filan’ny nofo, fa miady amin’ny fanahy ireny ; ary aoka ho tsara ny fitondrantenanareo eo amin’ny jentilisa (1 Petera 2. 11-12). Nefa satria vahiny izy ireo, dia ambasadaoro ihany koa, izany hoe manana andraikitra hampahafantatra amin’izao tontolo izao ny taniny (dia ny lanitra) sy ny mpanjakany (dia Jesosy). Io vahoaka vaovao io, ny Eglizy, ankohonana vaovao an’Andriamanitra, voarafitr’ireo izay tena kristiana irery ihany, dia hafa noho ny vahoaka Israely.

INONA NO MAHA SAMY HAFA NY ISRAELY SY NY EGLIZY ?

·   Israely, ilay vahoakan’Andriamanitra eto an-tany, dia nailika vetivety aloha, satria nandà tsy hanaiky an’i Jesosy ho Ilay Mesia, ho Ilay Zanak’Andriamanitra

Nafoin’ny olombelona ilay hany Andriamanitra marina, Ilay Mpahary, mba tsy hanaovany afa-tsy fanompoan-tsampy  —izay tsy inona, raha ny marina, fa fanompoana fanahy hafa, izay andriamanitra sandoka, demonia. Koa nifidy vahoaka iray Andriamanitra, mba tsy ho fongana ny fijoroana ho vavolombelony eto an-tany. Vahoaka iray avy tamin’ny firenena rehetra no nofidiny, mba hahafantatra ny sitrapony, hanatanteraka izany, satria nampianarina ny Lalàna, izay sitrapon’Andriamanitra naseho tamin’ny olona. Ny tanjon’Andriamanitra dia ny hahatonga io vahoaka io “ho mpitarika ny jamba, fanazavana ny ao amin’ny maizina” (Romana 2. 19). Koa dia nofidin’Andriamanitra ho Azy ny Israely, mba “ho firenena rakitra soa ho Azy, mihoatra noho ny firenena rehetra ambonin’ny tany” (Deoteronomia 7. 6).

Mba hanatanterahany ny fikasany, dia nomen’Andriamanitra fitahiana teto an-tany izy ireo :

-   tany ho fonenana : Ny taranakao efa nomeko ity tany ity hatrany amin’ny onin’i Egypta ka hatrany amin’ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata” (Genesisy 15. 18).

-   fanambinana be ara-karena : “Hotahina ianao ao an-tanàna, ary hotahina ianao any an-tsaha. Hotahina ny ateraky ny kibonao sy ny vokatry ny taninao ary ny ateraky ny biby fiompinao, dia ny ateraky ny ombinao sy ny ateraky ny ondry aman’osinao. Hotahina ny haronao sy ny vilia fanaova-mofonao… Handidy ny fitahiany ho aminao Jehovah amin’ny fitoeram-barinao sy izay rehetra ataon’ny tànanao, ka hitahy anao Izy any amin’ny tany izay omen’i Jehovah Andriamanitrao anao” (Deoteronomia 28. 3-5, 8).

Ankoatra izany fitahiana rehetra eto an-tany izany, dia nirin’Andriamanitra ihany koa ny handraisan’ny Israely ho eo anivony ny Mesia, Izay avy mba hampiseho amin’ny zanak’olombelona very Ilay hany Andriamanitra marina, sy mba ho fitaovana hamitra-pihavanana amin’Andriamanitra. Tonga ny Mesia, saingy indrisy, tsy noraisin’ny Israely ho izany : “Tonga tany amin’ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy” (Jaona 1. 11).

·   Ny Eglizy, ilay vahoakan’Andriamanitra ho an’ny lanitra, dia voarafitr’ireo olona rehetra manaiky an’i Jesosy ho Ilay Kristy, ho Ilay Zanak’Andriamanitra

Mifanohitra amin’ny vahoaka Israely kosa, misy lehilahy sy vehivavy, “olona avy tamin’ny fokom-pirenena rehetra sy ny samihafa fiteny sy ny olona ary ny firenena rehetra(Apokalypsy 5. 9), izay nanaiky an’i Jesosy ho Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra. Koa na Jiosy izy ireo na tsia, ireo rehetra manaiky an’i Kristy ho Tompo dia anisan’ny Eglizy, vahoaka manana hoavy tsy eto an-tany, fa any an-danitra, toerana misy an’i Kristy ankehitriny. Noho izany, dia mifamatotra amin’ny lanitra izay rehetra mahakasika ny Eglizy :

o ny fiantsoana azy dia “fiantsoana avy any an-danitra” (Hebreo 3. 1) ;

o ny fitahiana azy dia fitahiam-panahy : Andriamanitra dia “nitahy antsika (kristiana) tao amin’i Kristy amin’ny fitahiam-panahy rehetra any an-danitra” (Efesiana 1. 3) ;

o ny lovany dia “tsy mety simba, tsy misy loto, tsy mety levona, voatahiry any an-danitra” (1 Petera 1. 4);

o ny fonenany dia ny lanitra : “Fa ny fanjakantsika dia any an-danitra, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia Jesosy Kristy Tompo” (Filipiana 3. 20).

Fanamarihana manan-danja :

Tsy misolo toerana ny Israely eto an-tany tsy akory ny Eglizy. Tsy mitovy amin’ny an’ny Israely ny fifamatorany amin’Andriamanitra, na amin’izao fotoana izao, na amin’ny hoavy.

Koa mifanohitra amin’ny Israely (vahoakan’Andriamanitra eto an-tany, nailik’Andriamanitra ankehitriny satria nandà Ilay Mesia) ny Eglizy (fitambaran’ireo tena kristiana marina) : mponin’ny lanitra, vahoaka manana hoavy eo anilan’i Kristy, Ilay Tompony izay any an-danitra.

NY TENA ANDRASAN’NY KRISTIANA, ILAY VAHOAKAN’ANDRIAMANITRA HO AN’NY LANITRA

Ny kristiana dia miandry ny fiavian’i Jesosy avy any an-danitra, “miandry ny fanantenana mahafinaritra sy ny fisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika, dia Jesosy Kristy, Izay nanolotra ny tenany hamonjy antsika, mba hanavotany antsika ho afaka amin’ny ota rehetra, sy hanadiovany izay olona ho an’ny tenany, sady ho mazoto indrindra amin’ny asa tsara izany” (Titosy 2. 13-14)

NY HIVERENAN’NY TOMPO JESOSY, HAKA IREO TENA KRISTIANA MARINA

JESOSY MIHITSY NO EFA NILAZA MIALOHA IO HIVERENANY IO

Nampanantenain’i Jesosy ireo izay mino Azy hoe : “Ao an-tranon’ny Raiko misy fitoerana maro ; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho ; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa” (Jaona 14. 2-3).

Ho avy tsy ho ela Jesosy, ary fahavoazana lehibe izany, ho an’ireo izay tsy mino Azy ! Satria, momba azy ireo dia voasoratra fa “amin’ny andro farany dia hisy mpaniratsira avy haniratsira, mandeha araka ny filany ka manao hoe : Aiza ny teny fikasana ny amin’ny fiaviany ? Fa hatrizay nodian’ny razana mandry dia maharitra tsy miova ny zavatra rehetra ; eny, hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao aza” (2 Petera 3. 3-4). Nefa “ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon’ny sasany ho fahelany ; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra” (2 Petera 3. 9).

EFA NAMBARA IREO TANJON’IO HIVERENAN’NY TOMPO JESOSY IO

·   Ny voalohany aloha, dia ny hananan’i Kristy ny Eglizy ho eo akaikiny, any an-danitra  —ny Eglizy, izay Vadiny, fikambanan’ireo olom-boavidy rehetra— : “Ho avy indray [Aho] ka handray anareo ho any amiko” (Jaona 14. 3) ;

·   Ny tanjona faharoa dia ny hiaro ny kristiana amin’ny fitsarana hihatra amin’izao tontolo izao. Izany no nilazan’i Jesosy tamin’ny tena Eglizy hoe : “Satria efa nitandrina ny teniko ny amin’ny faharetana ianao, Izaho kosa hiaro anao ho voavonjy amin’ny andro fakam-panahy izay efa hihatra amin’izao tontolo izao ho fizahan-toetra izay monina ambonin’ny tany. Ho avy faingana Aho” (Apokalypsy 3. 10-11). Koa ho avy Jesosy hanala ny kristiana, ilay vahoaka novidiny, hanala azy teto amin’ity tany efa simban’ny ota ity ka hiharan’ny fitsaran’Andriamanitra. Ho avy Izy haka ho eo aminy ireo izay efa nifidy Azy ho Tompo sy Mpampianatra, fony Izy nailika teto an-tany. Ireo olona mino rehetra ireo dia hiaraka aminy any an-danitra. Koa hakarina izany ny kristiana, mba hiarovana azy ireo tsy ho tratran’ny fitsarana hihatra amin’ny eto an-tany.

·   Ho avy koa ny Tompo Jesosy haka ny kristiana, mba hahitan’izy ireo ny voninahiny sy ny fikarakarana ny fanjakany arivo taona eto an-tany. Izany no nilazan’i Jesosy hoe : “Ray ô, tiako mba ho any amiko amin’izay itoerako ireo izay nomenao Ahy, mba hahita ny voninahitro nomenao Ahy izy ; fa efa tia Ahy Ianao, fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao” (Jaona 17. 24).

EFA NAMBARAN’NY APOSTOLY PAOLY NY FOMBA HIVERENAN’NY TOMPO JESOSY

Fa ny tenan’ny Tompo

no hidina avy any an-danitra

- amin’ny fiantsoana

- sy ny feon’ny arikanjely

- ary ny trompetran’Andriamanitra”

(1 Tesaloniana 4. 16).

Tsy hisy fambara manokana mialoha ny hiverenan’ny Tompo Jesosy haka ny kristiana. Noho izany, dia tsy hampoizina mihitsy ny fotoana handrenesana ny “fiantsoana”, hiaka manambara ny fahatongavan’ny Tompo haka ireo tena kristiana, izany hoe ireo efa nateraka indray.

EFA NAMBARA IHANY KOA NY ZAVATRA HISEHO AMIN’IO FIVERENANA IO

·   Ireo maty ao amin’i Kristy dia handre ny feony ka hitsangana

Rehefa maty ny olona, na kristiana izy na tsia, dia mody vovoka ny tenany, satria avy ao no nakàna ny olombelona tsirairay. Ny fanahiny kosa, raha kristiana izy, dia mankany am-paradisa, toeram-pahasambarana miaraka amin’i Jesosy ; fa raha tsy kristiana izy, dia mankany amin’ny toerana ijalijaliana, lavitra an’Andriamanitra.

Rehefa hiverina ny Tompo, dia handre ny feony ireo maty ao amin’i Kristy. Hain’Andriamanitra ny hahita ny vovoky ny tenan’izy ireo, na aiza na aiza : na any am-pasana, na anaty ranomasina, na efa lasa lavenona aza… ; dia hitsangana ho velona avokoa izy ireo. “Aza gaga amin’izany ; fa avy ny andro izay handrenesan’ny olona rehetra any am-pasana ny feony ; dia hivoaka izy : izay nanao tsara dia ho any amin’ny fitsanganana ho fiainana” (Jaona 5. 28-29).

Hitsangana izany ireo maty ao amin’i Kristy, araka izay voasoratra momba azy ireo, hoe : “Ary raha ny Fanahin’Izay nanangana an’i Jesosy tamin’ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia Izay nanangana an’i Kristy Jesosy tamin’ny maty no hamelona ny tenanareo mety maty amin’ny Fanahiny, Izay mitoetra ao anatinareo” (Romana 8. 11). “Koa dia mifampionòna ianareo amin’izany teny izany” (1 Tesaloniana 4. 18)

·   Ireo maty tsy kristiana, izany hoe ireo izay tsy tena nanaiky an’i Kristy tao am-pony, dia tsy mba hitsangana amin’io fotoana io

Amin’io fiavian’ny Tompo haka ny kristiana io, dia ho tavela any am-pasana kosa ny vatan’ireo tsy kristiana, mandra-pahatonga ny andron’ny fitsarana farany. “Aza gaga amin’izany ; fa avy ny andro izay handrenesan’ny olona rehetra any am-pasana ny feony ; dia hivoaka izy : ... fa izay nanao ratsy kosa dia ho any amin’ny fitsanganana ho fahamelohana (Jaona 5. 28-29).

Ary hitako fa, indro, nisy sezafiandrianana fotsy lehibe sy Ilay mipetraka eo amboniny ; ny tany sy ny lanitra nandositra ny tavany, ka tsy nisy hitoerany intsony. Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo anoloan’ny sezafiandrianana ; ary novelarina ny boky ; ary nisy boky iray koa novelarina, dia ny bokin’ny fiainana izany ; ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin’ny boky, araka ny asany. Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny ; ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsy hita namoaka ny maty tao aminy ; dia samy notsaraina araka ny asany izy. Ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsy hita dia natsipy tany amin’ny farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo. Ary raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin’ny bokin’ny fiainana, dia natsipy tany amin’ny farihy afo izy” (Apokalypsy 20. 11-15).

·   Ireo kristiana mbola velona amin’ny fotoana iverenan’ny Tompo dia hovaina : hitafy vatana vaovao  —araka ny fombam-panahy sy be voninahitra—  izy ireo

Fa ny fanjakantsika dia any an-danitra, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia Jesosy Kristy Tompo, Izay hanova ny tenan’ny fietren-tenantsika ka hitovy endrika amin’ny tenan’ny voninahiny, araka ny fiàsan’ny heriny, izay ahaizany hampanaiky ny zavatra rehetra ho Azy” (Filipiana 3. 20-21).

Fantatsika fa raha hiseho Izy (Jesosy), dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa” (1 Jaona 3. 2).

… ary isika hovana” (1 Korintiana 15. 52).

Izay amin’ny tany dia tahaka ilay amin’ny tany ; ary izay any an-danitra dia tahaka Ilay any an-danitra. Ary toy ny nitondrantsika ny endriky ny amin’ny tany (Adama) no hitondrantsika ny endrik’Ilay any an-danitra koa (Jesosy) (1 Korintiana 15. 48-49).

Ny olombelona dia taranak’i Adama, ilay avy amin’ny tany, ka nandova ny toetra mampiavaka azy ara-batana sy ara-panahy. Dia toy izany koa, ny kristiana kosa dia hitovy endrika amin’i Kristy, Ilay Olona avy any an-danitra : hanjary mponin’ny lanitra izy ireo, manana vatana sahaza ny lanitra, vatana araka ny fombam-panahy. Ny tenan’ny mpino dia hovaina ho vatana mitovy amin’ny an’i Jesosy ankehitriny, Jesosy Izay efa nomem-boninahitra. Araka izany ny kristiana dia hitovy endrika amin’i Kristy, Ilay any an-danitra, amin’ny fiaviany. Hovaina izy ireo, mba hitovy amin’i Kristy, Ilay Tompony : izany no fanavotana ny vatana, hanjary vatana omem-boninahitra, vatana mitovy amin’ny an’Ilay Zanak’Andriamanitra.

·   Ireo maty ao amin’i Kristy ka natsangana sy ireo kristiana mbola velona, dia hiaraka hakarina hitsena ny Tompo eny amin’ny rahon’ny lanitra, mba hiaraka Aminy ho mandrakizay

Izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana aloha ; ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin’ny rahona hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka ; dia ho any amin’ny Tompo mandrakariva isika” (1 Tesaloniana 4. 16-17). Koa ireo natsangana tamin’ny maty dia tsy hiaina eto an-tany intsony, fa tonga dia hiakatra any an-danitra ; ny vatan’izy ireo dia hakambana ho mandrakizay amin’ny fanahiny, izay efa teo akaikin’ny Tompo tamin’ny nahafatesan’izy ireo teto an-tany. Ny fanahiny tokoa mantsy no niala tamin’ny vatany, ka nahatonga ny fahafatesan’ilay kristiana. Fa io fanahy io dia hakambana amin’ny vatany indray. Io vatana natsangana tamin’ny maty io dia toy ny voa miteraka zavamaniry. Ho tonga vatana vaovao izy io, vatana araka ny fombam-panahy sy be voninahitra : izay no vatana hananan’ny kristiana rehetra (na mbola velona izy na natsangana tamin’ny maty, amin’ny fiverenan’ny Tompo). Ireo izay efa maty dia hivoaka avy ao am-pasana, ary hiaraka amin’ireo izay mbola velona, hitsena ny Tompo eny amin’ny habakabaka. 

·   Hitafy ny tsy fahafatesana ny kristiana : tsy hanan-kery amin’izy ireo ny fahafatesana faharoa

Fa fantatsika fa raha ravana ny tranolaintsika etỳ an-tany, dia manana izay voarafitr’Andriamanitra isika, dia trano tsy nataon-tànana izay maharitra mandrakizay any an-danitra. Ary misento ao anatin’ity isika ka maniry indrindra hitafy ny tranontsika izay avy any an-danitra koa ; fa ho hita mitafy isika, fa tsy mba mitanjaka. Fa isika izay amin’izao lay izao dia misento noho ny mahavesatra antsika, satria tsy tiantsika ny hendahana, fa ny mba hotafina koa, mba hatelin’ny fiainana ny mety maty” (2 Korintiana 5. 1-4).

Fa rehefa mitafy ny tsy fahalovana ity mety lo ity (ny vatantsika), ary mitafy ny tsy fahafatesana ity mety maty  ity, dia ho tanteraka ny teny voasoratra hoe :
‘Ny fahafatesana noresena ka levona’.

‘Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao ?

Ry fahafatesana ô, aiza ny fanindronanao ?’ (1 Korintiana 15. 54-55).

Ny asa farany hataon’Andriamanitra amin’ny kristiana etỳ an-tany, izany, dia ny fanovàna ny tenan’izy ireo hitovy amin’ny tenam-boninahitr’i Kristy. Io fanovana io no lazain’ny epistily ho an’ny Romana ho “ny fanavotana ny tenantsika” (Romana 8. 23). Koa voasoratra hoe : “Ary izay nantsoiny (nantsoin’Andriamanitra) no nohamarininy koa ; ary izay nohamarininy no nomeny voninahitra koa.” (Romana 8. 30).

Mampionona sy mampifaly sahady ny kristiana tsirairay ny fanantenana mahafinaritra hoe hiaraka amin’ny Tompo, indray andro any, ao amin’ny fitsaharana sy ny tena fahasambarana, ny fahasambarana ao an-danitra ; tsy hisy ranomaso na fahoriana intsony ao, ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana (Apokalypsy 21. 4).

ANY AN-DANITRA

NY KRISTIANA REHETRA DIA TSY MAINTSY HISEHO EO AMIN’NY TRIBONALIN’I KRISTY

Haseho avokoa ny asan’ny olona rehetra ; fa ny andro no hampiseho azy, satria haseho amin’afo izany andro izany, ka dia hozahan-toetra amin’ny afo ny asan’ny olona rehetra. Raha maharitra ny asan’ny olona, izay narafiny teo amboniny (ambonin’ny fanorenana, dia Jesosy Kristy), dia handray valim-pitia izy. Raha ho levon’ny afo ny asan’ny olona, dia ho fatiantoka izy ; fa ny tenany kosa dia hovonjena, nefa toy ny avy ao amin’ny afo ihany izy” (1 Korintiana 3. 13-15). Amin’izay fotoana izay ny Tompo dia hampiharihary ny zavatra takona ao amin’ny maizina ka hampiseho ny fikasan’ny fo ; dia samy hahazo izay derany avy amin’Andriamanitra izy rehetra” (1 Korintiana 4. 5). “Koa samy hampamoahin’Andriamanitra ny amin’ny tenany avy isika rehetra” (Romana 14. 12).

Tsara ho fantatra fa ny tribonalin’i Kristy dia tsy natao hanamelohana ny kristiana tsy akory, satria voasoratra hoe : Ary amin’izany dia tsy misy fanamelohana ho an’izay ao amin’i Kristy Jesosy” (Romana 8. 1). Ny tribonalin’i Kristy no ho toerana hampisehoana ny asan’ny tsirairay : ny asa, mantsy, izay zavatra natao, no hotsaraina, fa tsy ny olona tsy akory, “mba handraisan’ny olona rehetra izay zavatra nataon’ny tenany, dia araka izay nataony, na tsara na ratsy” (2 Korintiana 5.10).

“Ary raha Ilay tsy mizaha tavan’olona, fa mitsara araka ny asan’izy rehetra, no antsoinareo hoe Ray, dia mitondrà tena amin’ny fahatahorana mandritra ny andron’ny fivahinianareo etỳ ; fa fantatrareo fa tsy zavatra mety ho simba, tahaka ny volafotsy sy ny volamena, no nanavotana anareo tamin’ny fitondrantena adala, izay azonareo tamin’ny nentin-drazana, fa ny ra soan’i Kristy, toy ny ran’ny zanak’ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina ; Izay fantatra rahateo, fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao, fa efa naseho tamin’izao andro farany izao noho ny aminareo, izay mino an’Andriamanitra amin’ny alalany, dia Ilay nanangana Azy tamin’ny maty ka nanome voninahitra Azy  —mba hiorenan’ny finoanareo sy ny fanantenanareo amin’Andriamanitra” (1 Petera 1. 17-21).

HANDRAY VALISOA NY KRISTIANA

Aorianan’ny tribonalin’i Kristy dia homena valisoa ny mpino tsirairay, arakaraka ny tsy fivadihany tamin’ny Tenin’Andriamanitra. Ohatra, homen’ny Tompo satroboninahitra ny mpino izay namela ny Tenin’Andriamanitra sy ny Fanahy Masina hiasa ao anatiny. Ny fahaveloman’ny Fanahy ao anatin’ny mpino, ny vokatry ny Fanahy hitan’ny olona rehetra, fandeha sy fanompoana an’i Kristy ao anaty fanankinan-tena amin’Andriamanitra sy fankatoavana Azy, izany rehetra izany dia hankasitrahina sy homena valisoa. Amin’izany andro izany, ny Tompo Jesosy no ho Ilay Mpitsara marina.

Sambatra ianareo, raha haratsin’ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko. Mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra ; fa toy izany ihany no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo” (Matio 5. 11-12).

Sambatra izay olona maharitra fakam-panahy ; fa rehefa voazaha toetra izy, dia handray ny satroboninahitra fiainana, izay nolazain’ny Tompo homena izay tia Azy” (Jakoba 1. 12).

Koa amin’izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo” (1 Korintiana 15. 58), satria “izany no ikelezanay aina sy iezahanay, satria izahay manantena an’Andriamanitra velona, Izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa izay mino.” (1 Timoty 4. 10).

Fanamarihana :

Amin’io andro io dia ho hitan’ny kristiana fa ny vokatra tsara rehetra, ireo asa soa natao ho fifalian’ny Tompo Jesosy sy ho voninahiny, dia vokatry ny asan’ny fahasoavana tao amin’ny mpino tsirairay.
Nefa hisy koa zavatra tsy nanome voninahitra ny Tompo, fa vokatry ny fisehoan’ny maha nofo teo amin’ny fiainan’ny mpino. Dia ho hitantsika eo hoe ahoana ny fomba nanadiovan’ny ran’i Kristy antsika, ho afaka amin’ny ota rehetra, ho hitantsika eo ny haben’ny fahasoavany tamintsika.
Araka izany dia hampiharihariana eo imason’Andriamanitra ny tena naha isika antsika, nefa tsy hoe mba hanamelohana antsika tsy akory, fa mba hahatonga ny fontsika hitsaoka sy hankalaza ny Tompo, noho ny fidadasiky ny fahasoavany. Koa rehefa hitan’ny kristiana ny haben’ny fahasoavana narotsaka taminy, dia hipololotra avy ao anatiny ny fiderana : “Ny Zanak’ondry, Izay novonoina, dia mendrika handray hery sy harena sy fahendrena sy faherezana sy haja sy voninahitra ary saotra” (
Apokalypsy 5. 12).

HAKAMBANA AMIN’I KRISTY NY FITAMBARAN’NY KRISTIANA REHETRA : IZAY NO HO FANAKAMBANANA AN’I KRISTY SY NY EGLIZY, FANTATRA AMIN’NY HANTSOINA HOE “NY FAMPAKARAMBADIN’NY ZANAK’ONDRY”

Aoka isika hifaly sy ho ravoravo ka hanome voninahitra Azy ; fa tonga ny fampakarambadin’ny Zanak’ondry, ka efa niomana ny vadiny. Ary nasaina nitafy rongony fotsy madinika sady madio no mangatsakatsaka izy ; fa izany rongony fotsy madinika izany dia ny asa marina ataon’ny olona masina” (Apokalypsy 19. 7-8). Aoka homarihina eto fa ny hatsaran’ilay akanjo dia vokatry ny asan’i Kristy : “nasaina”. Kristy no miasa ao am-pon’ireo olo-masina, mba hamokaran’izy ireo ireny asa marina ireny. Izay rehetra nosedraina teo aloha  —teo amin’ny tribonalin’i Kristy—  ka tafajanona no ho hita amin’io akanjo io. Ny sisa rehetra dia ho fatiantoka. Izay no maha zava-dehibe ny miaina dieny ankehitriny amin’ny fitsinjovana io fampakarambady io !

Ary hoy koa izy tamiko : Soraty : Sambatra izay nantsoina ho amin’ny fanasana fampakarambadin’ny Zanak’ondry.” (Apokalypsy 19. 9). Ireo “nantsoina ho amin’ny fanasana” ireo dia ny sakaizan’i Kristy, Ilay Mpampakatra, toa an’i Jaona mpanao batisa sy ireo mpino talohan’ny hazofijaliana. Niteny i Jaona mpanao batisa hoe : “Izay manana ny ampakarina no mpampakatra ; fa ny sakaizan’ny mpampakatra, izay mitsangana sy mihaino azy, dia mifaly indrindra noho ny feon’ny mpampakatra ; ary efa tanteraka izany fifaliako izany” (Jaona 3. 29).

NY HISEHO AORIANAN’NY FAMPIAKARANA NY EGLIZY

FITSARANA FARAN’IZAY MAMPIVARAHONTSANA, ETO AN-TANY

Rehefa vita ny fankalazana ny fampakarambadin’ny Zanak’ondry, dia ho tafaray Kristy sy ny Fiangonana, ary tsy ho hay sarahina intsony, ho mandrakizay. Dia hiverina ny Tompo Jesosy, hanjaka mandritra ny arivo taona. Nefa alohan’ny haha tafapetraka izany fanjakana izany, dia mbola hirehitra amin’ireo rehetra tsy nibebaka tamin’ny fahotany, aloha, ny fahatezeran’Andriamanitra. Amin’izay dia hisy fitsarana mampivarahontsana hihatra eto an-tany. Fa ny kristiana kosa tsy mba hiharan’izany fahoriana izany, satria efa any an-danitra izy ireo, efa miaraka amin’i Kristy. Izany no nampanantenain’ny Tompo Jesosy hoe : “Izaho kosa hiaro anao ho voavonjy amin’ny andro fakam-panahy izay efa hihatra amin’izao tontolo izao, ho fizahan-toetra izay monina ambonin’ny tany” (Apokalypsy 3. 10).

FIVERENAN’I KRISTY AM-BONINAHITRA ETỲ AN-TANY, MBA HAMETRAKA NY FANJAKANY ARIVO TAONA

Aorianan’ireo andro fizahan-toetra ireo dia hiseho eny amin’ny lanitra Kristy. Hiaraka amin’ireo anjeliny rehetra Izy amin’izay, ary ho tonga mba hanjaka. Ny Fiangonana, izay efa tafaray amin’i Kristy satria efa Vadiny, dia ho eo anilany, “raha tonga Izy mba hankalazaina eo amin’ny olony masina sy higagana eo amin’izay rehetra mino, amin’izany andro izany” (2 Tesaloniana 1. 10).

NY FANJAKANA ARIVO TAONA

Eto an-tany ny Tompo Jesosy Kristy dia hametraka fanjakana feno fahamarinana sy fiadanana mbola tsy nisy toy izany. Haharitra arivo taona io fanjakana io : “Ny fanjakana amin’izao tontolo izao dia efa lasan’ny Tompontsika sy ny Kristiny... Sambatra sy masina izay manana anjara amin’ny fitsanganana voalohany ; ireo tsy mba ananan’ny fahafatesana faharoa fahefana, fa ho mpisoron’Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona” (Apokalypsy 11. 15; 20. 6). Ho fotoam-pahasambarana tsy misy toa azy io fanjakana io, ary anisan’ny hampiavaka izany fotoana izany ireto zavatra ireto :

Ø tsy avela hanao ratsy intsony ny devoly

Ary hitako fa, indro, nisy anjely nidina avy tany an-danitra, nanana ny fanalahidin’ny lavaka tsy hita noanoa (lalina dia lalina) sy gadra lehibe eny an-tànany ; dia nisambotra ilay dragona izy (dia ilay menarana ela, ny devoly sy Satana izany) ka namatotra azy arivo taona, dia nanipy azy ho amin’ny lavaka tsy hita noanoa ka nanidy izany, dia nanisy tombo-kase teo amboniny, mba tsy hamitahany ny firenena maro intsony mandra-pahatapitry ny arivo taona” (Apokalypsy 20. 1-3).

Ø fandriampahalemana eo amin’ny samy olombelona

Dia hanefy ny sabany ho fangady ireny, ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka ; ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely na hianatra ady intsony” (Isaia 2. 4) ;

Ny marina hitrebona (hiroborobo) amin’ny androny, ary ho be ny fiadanana” (Salamo 72. 7).

Ø fiovàna eo amin’ny biby sy ny zavamaniry

Hampiboika renirano ao amin’ny tendrombohitra mangadihady Aho ary loharano ao amin’ny lohasaha ; hanao ny efitra ho farihy Aho ary ny tany karankaina ho loharano miboiboika. Hampaniry hazo sedera sy akasia sy rotra ary oliva any an’efitra Aho ary kypreso sy pina sy bokso eny an-tanihay” (Isaia 41. 18-19) ;

Ary ny amboadia hiara-mitoetra amin’ny zanak’ondry ; ny leoparda hiara-mandry amin’ny zanak’osy ; ary ny zanak’omby sy ny liona tanora sy ny ombikely mifahy hiray toerana, ary ny zazakely no hiroaka (hiambina) azy. Ary ny ombivavy sy ny bera hiara-komana ; ny zanany hiara-mandry ; ary ny liona hihina-mololo tahaka ny omby” (Isaia 11. 6-7) ;

Ø ny olona rehetra hahalala an’Andriamanitra

Notadiavin’izay tsy naniry Aho sy hitan’izay tsy nitady ; hoy Izaho tamin’ny firenena izay tsy nantsoina tamin’ny anarako : Inty Aho ! Inty Aho !” (Isaia 65. 1) ;

Fa ny tany ho heniky ny fahalalana an’i Jehovah, tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.  Ary amin’izany andro izany ny Solofon’i Jese, Izay hitsangana ho fanevan’ny firenena, dia Izy no hotadiavin’ny jentilisa ; ary ny fitoerany dia ho voninahitra” (Isaia 11. 9-10).

Ny fanjakana arivo taona, izany, dia ho vanimpotoana feno voninahitra ; koa izao no voasoratra momba izany : “Fa izao zavatra ary rehetra izao dia samy maniry fatratra ka miandry ny fampisehoana ireo zanak’Andriamanitra ; fa izao zavatra ary rehetra izao dia nampanekena ho zava-poana, nefa tsy noho ny sitrapony, fa noho Izay nampanaiky azy, sady nahazo fanantenana koa fa izao zavatra ary rehetra izao aza dia hovotsorana amin’ny fahandevozana, dia ny fahalovana, ho amin’ny fahafahana izay momba ny voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra” (Romana 8. 19-21).

Ø fiafaran’ny fanjakana arivo taona, sy ny zava-misongadina amin’izany

o fizahan-toetra farany ho an’ny olombelona

Amin’ny fiafaran’ny fanjakana arivo taona Andriamanitra dia hizaha toetra farany ny olombelona, ireo izay nahazo tombony tamin’ny fandriampahalemana sy ny fahombiazana ara-karena, nandritra io fanjakana arivo taona io. Hovahana i Satana, izay nafatotra nandritra ny arivo taona. Dia mbola hamitaka ny olombelona ihany izy, mba hihatahan’izy ireo amin’Andriamanitra ka hikomiany aminy.

Ary indrisy fa marobe amin’ireo izay eto an-tany amin’izay fotoana izay, teraka nandritra ny fanjakana arivo taona ka tsy mba tojo fizahan-toetra mihitsy, no hanaiky hofitahin’ny devoly ary hikomy : ireo mpanohitra rehetra ireo dia hampiseho miharihary fa tsy nino an’Andriamanitra hatrizay hatrizay izy ireo. Holevonin’ny afo eo no ho eo izy ireo : ho fitsaran’Andriamanitra izany. “Ary rehefa tapitra ny arivo taona, dia hovahana Satana ho afaka ao amin’ny tranomaizina nitoerany ka hivoaka hamitaka ny firenena eny amin’ny vazan-tany efatra, dia Goga sy Magoga, mba hanangona azy ho any amin’ny ady ; tahaka ny fasiky ny ranomasina ny isany. Ary niakatra namaky ny tany izy, dia nanodidina ny tobin’ny olona masina sy ny tanàna malala ; ary nisy afo nidina avy tany an-danitra ka nandany azy” (Apokalypsy 20. 7-9).

o hatsipy any amin’ny helo i Satana

Ary ny devoly izay namitaka azy dia natsipy tany amin’ny farihy afo sy solifara, izay misy ilay bibidia sy ilay mpaminany sandoka koa, ary hampijalina andro aman’alina mandrakizay mandrakizay ireo” (Apokalypsy 20. 10). Araka izany, Satana dia ho resin’ny Tompo Jesosy Kristy tanteraka ; tsy afaka hamitaka an’iza na iza intsony izy.

o ho levon’ny afo ny lanitra sy ny tany

Izao tontolo rehetra izao  —izany hoe izao tany onenantsika izao, mbamin’ny lanitra sy ny kintana hitantsika ankehitriny—  dia holevonina tanteraka amin’ny afo, araka ny voasoratra hoe : “Ary amin’izany ny lanitra dia ho lasa amin’ny firimorimoana mafy, ary ho levon’ny afo ny tenan’ny zavatra rehetra, ka hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy” (2 Petera 3. 10). Dia izay no ho farany, izay no tena faran’izao tontolo izao.

FITSARANA FARANY

Aorianan’ireo loza lehibe ireo dia ho avy ny fara fitsarana, fantatra amin’ny anarana hoe “Fitsarana farany. Hitsangana ireo maty rehetra tsy nino, niaina tamin’ny vanimpotoana rehetra, ary hotsaraina eo anoloan’ny “sezafiandrianana fotsy lehibe” :  “Ary hitako fa, indro, nisy sezafiandrianana fotsy lehibe sy Ilay mipetraka eo amboniny ; ny tany sy ny lanitra nandositra ny tavany, ka tsy nisy hitoerany intsony. Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo anoloan’ny sezafiandrianana ; ary novelarina ny boky ; ary nisy boky iray koa novelarina, dia ny bokin’ny fiainana izany ; ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin’ny boky, araka ny asany. Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny ; ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsy hita namoaka ny maty tao aminy ; dia samy notsaraina araka ny asany izy” (Apokalypsy 20. 11-13). Io fitsanganan’ny tsy mino amin’ny maty io mba hotsaraina no fitsanganana amin’ny maty faharoa, antsoina koa hoe “fitsanganana ho fahamelohana” : “Aza gaga amin’izany ; fa avy ny andro izay handrenesan’ny olona rehetra any am-pasana ny feony (ny feon’ny Zanak’olona) ; dia hivoaka izy : … izay nanao ratsy ... dia ho any amin’ny fitsanganana ho fahamelohana” (Jaona 5. 28-29).

Koa “maro amin’izay matory ao amin’ny vovoky ny tany no hifoha … ho amin’ny henatra sy ny latsa mandrakizay” (Daniela 12. 2). Hiseho eo anoloan’Ilay Andriamanitra masina izy ireo. Ho marina tanteraka ny fitsaràny, ka tsy ho azo iadian-kevitra ny didim-pitsarana : ny fampijaliana mandrakizay, ny helo, ho an’ireo rehetra tsy nino, na inona na inona vanimpotoana nahavelomany. “Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin’ny farihy mirehitra afo sy solifara ; izany no fahafatesana faharoa” (Apokalypsy 21. 8). “Ary ireo dia hiala ho any amin’ny fampijaliana mandrakizay” (Matio 25. 46) ; “any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify” (Matio 13. 42). Marihina fa ny antony farany nanamelohana azy ireo dia ny anarany tsy mba voasoratra ao amin’ny bokin’ny fiainana, satria fahavelony izy ireo dia nandà ny Tompo Jesosy, ilay Mpamonjy, nefa ny rany no manadio ho afaka amin’ny ota rehetra.

Ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsy hita dia natsipy tany amin’ny farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo. Ary raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin’ny bokin’ny fiainana, dia natsipy tany amin’ny farihy afo izy” (Apokalypsy 20. 14-15).

HATOLOTRY NY TOMPO JESOSY HO AN’NY RAINY NY FANJAKANA

Ary rehefa afaka izany, dia avy ny farany, ka amin’izay dia hatolony ho an’Andriamanitra Ray ny fanjakana, rehefa nofoanany ny fanapahana rehetra sy ny fahefana rehetra ary ny hery rehetra. Fa tsy maintsy manjaka Izy, mandra-panaony ny fahavalony rehetra ho eo ambanin’ny tongony. Ny fahafatesana no fahavalo farany horesena. Fa ‘ny zavatra rehetra efa nampanekeny ho eo ambanin’ny tongony’. Fa na dia hataony hoe aza : ‘Ny zavatra rehetra no nampanekena’, dia fantatra marina fa tsy mba isan’izany Izay nampanaiky ny zavatra rehetra Azy. Ary rehefa nampanekena Azy ny zavatra rehetra, dia ny tenan’ny Zanaka koa aza no hanaiky Izay nampanaiky ny zavatra rehetra Azy, mba tsy hisy fototra sy antony afa-tsy Andriamanitra ihany.” (1 Korintiana 15. 24-28).

FAMORONANA LANITRA VAOVAO SY TANY VAOVAO

Amin’ity ampahan’ny tantaran’ny zanak’olombelona ity, dia mametraka antsika any ivelan’ny fotoana ny fanambaran’Andriamanitra. Tsara marihina fa ny mpanota tamin’ny vanimpotoana rehetra  —na ny olona, na ny demonia, na i Satana—  dia samy efa ao anaty farihy mirehitra afo avokoa. Efa nolevonina izao tontolo rehetra izao.

Mamorona tontolo vaovao Andriamanitra ; ary efa nilaza izany, na dia ireo mpaminany tany amin’ny Testamenta Taloha aza :

·   Fa, indro, Izaho mahary lanitra vaovao sy tany vaovao, ka dia tsy hotsarovana intsony ny taloha, na ho mby ao an-tsaina akory aza” (Isaia 65. 17) ;

·   Ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao, izay hataoko, no haharitra eo anatrehako, hoy Jehovah” (Isaia 66. 22).

Milaza izany koa ny bokin’ny Apokalypsy :

·   Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho ; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony” (Apokalypsy 21. 1).

Ireo rehetra nanaiky an’i Jesosy ho Tompony sy Mpamonjiny nandritra ny fanjakana arivo taona dia honina ao amin’io tany vaovao io, toerana feno fahasambarana tsy misy fetra, toerana honenan’ny fahamarinana. Hiaraka amin’Andriamanitra izy ireo, araka ny voasoratra hoe : “Indro, ny tabernakelin’Andriamanitra (ny fitoera-masin’Andriamanitra) dia eo amin’ny olona, ary Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony ; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana ; fa efa lasa ny zavatra taloha” (Apokalypsy 21. 3-4).

Ny Eglizy kosa dia hihazona hatrany ilay toerany manokana : efa tafaray amin’i Kristy, satria Vadin’i Kristy.

Koa amin’izany, ry malala, satria manantena izany zavatra izany ianareo, dia mazotoa mba ho hita tsy manan-tsiny amam-pondro eo anatrehan’ny Tompo amin’ny fihavanana… Koa, satria fantatrareo rahateo izany, ry malala, dia tandremo fandrao ho voataonan’ny fahadisoan’ny ratsy fanahy ianareo ka ho lavo hiala amin’izay iorenanareo ; fa mitomboa amin’ny fahasoavana sy ny fahalalana an’i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy. Ho Azy anie ny voninahitra ankehitriny sy mandrakizay” (2 Petera 3. 14, 17-18).

TOKONY HOTADIDIANA :

Ry malala, “ianareo dia manana fananana tsara lavitra sady maharitra” (Hebreo 10. 34). Ary satria mandray “fanjakana tsy azo ampihorohoroina isika, dia aoka isika hanana fahasoavana hoentintsika manao izay fanompoana sitrak’Andriamanitra, amin’ny fanajana sy ny fahatahorana” (Hebreo 12. 28). Ary na mandalo fijaliana aza isika indraindray, eto amin’izao tany izao, dia aoka hahatsiaro ny lazain’ny apostoly Paoly hoe : “Fa ataoko fa ny fahoriana amin’izao andro ankehitriny izao dia tsy tokony hoharina amin’ny voninahitra izay haseho amintsika” (Romana 8. 18). Miaina amin’izao vanimpotoana ankehitriny izao isika, nefa miandry ilay voninahitra ho avy ; “koa aoka isika hivoaka hankeo aminy (hankeo amin’i Jesosy) eo ivelan’ny toby, mitondra ny latsa izay nentiny. Fa etỳ isika tsy manana tanàna maharitra, fa mitady ny ho avy” (Hebreo 13. 13-14).

Farany, mandra-piandry ny hidirana ao amin’ilay tanàna maharitra  —ny lanitra—, dia “aoka hohazonintsika mafy ny fanekena ny fanantenana mba tsy hihozongozonany (fa mahatoky Ilay efa nanao ny teny fikasana) ; ary aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara” (Hebreo 10. 23-24).

Ny kristiana, izany, dia miandry ny hahatongavan’i Jesosy avy any an-danitra, mba haka hiaraka aminy ny fitambaran’ireo rehetra mino Azy : izany no zavatra tena andrasan’izy ireo. Koa mandra-pahatonga izany, dia ampirisihina ny kristiana rehetra hitandro ny fahadiovana, araka ny teny hoe : “Ary ankehitriny, anaka, tomoera ao aminy, mba hananantsika fahasahiana, raha hiseho Izy, ka tsy ho menatra eo anatrehany amin’ny fiaviany. Raha fantatrareo fa marina Izy, dia fantaro fa izay rehetra manao ny marina no zanany naterany… Ry malala, ankehitriny aza dia zanak’Andriamanitra isika, nefa tsy mbola naseho izay ho toetrantsika rahatrizay. Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa. Ary izay rehetra manana izany fanantenana miorina aminy izany dia manadio ny tenany mba hadio tahaka Azy” (1 Jaona 2. 28-29; 3. 2-3).

Ho avy tsy ho ela, izany, ny Tompo Jesosy. Saingy...

HO ANY AN-DANITRA AVOKOA VE IREO IZAY MITONDRA NY ANARANA HOE KRISTIANA ?

IZA MARINA MOA IREO IZAY HO ANY AN-DANITRA ?

Maro ankehitriny ireo izay natao batisa, mandeha any am-piangonana sy mihira fihirana ho an’ny Tompo, no milaza ny tenany ho kristiana ary mitaky ny hantsoina ho izany. Kanefa hoy Jesosy hoe : “Tsy izay rehetra manao amiko hoe : Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko Izay any an-danitra. Maro no hanao amiko amin’izany andro izany hoe : Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin’ny anaranao va izahay ? ary tsy efa namoaka demonia tamin’ny anaranao va izahay ? ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin’ny anaranao va izahay ? Ary dia hambarako aminy marimarina hoe : Tsy mba fantatro akory ianareo hatrizay hatrizay ; mialà amiko, ianareo mpanao meloka” (Matio 7. 21-23). Araka izany, tsy ny fitenenana hoe “Tompoko, Tompoko, na ny fitondrana ny anarana hoe kristiana, na koa ny fandehanana any am-piangonana tsy akory no ahafahana mankany an-danitra. Tsy ny fanaovana asa soa ihany koa, satria ireny tsy mahafafa ny fahotana ary tsy manatsara ny toetra maha mpanota ny olona eo anatrehan’Andriamanitra. “Fa fahasoavana no namonjena anareo amin’ny finoana ; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra ; tsy avy amin’ny asa, fandrao hisy hirehareha” (Efesiana 2. 8-9).

KOA IZA ÀRY NO HO ANY AN-DANITRA ?

Hoy Jesosy : “Fa izao no sitrapon’ny Raiko, dia ny hahazoan’izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay ; ary Izaho hanangana azy amin’ny andro farany(Jaona 6. 40). Ny mahatakatra fa Jesosy no Kristy —Jesosy no Ilay Mesia—  ary mino fa Izy no Ilay Zanak’Andriamanitra, dia vokatry ny finoana  —finoan’ny fo fa tsy fanambarana eo am-bava fotsiny, satria voasoratra fa “ny teny ny amin’ny finoana, izay torinay dia hoe : Raha manaiky an’i Jesosy ho Tompo amin’ny vavanao ianao ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty, dia hovonjena ianao. Fa amin’ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin’ny vava no anekena hahazoana famonjena (Romana 10. 8-10). Araka  izany, ireo izay mino an’i Jesosy, Ilay nirahin’Andriamanitra (Jaona 6. 29), no hany ho any an-danitra. Ho any an-danitra izy ireo satria niaiky fa meloka noho ny fahotany, very sy tafasaraka ho mandrakizay tamin’Andriamanitra ; tam-panetrentena sy tahotra no niekeny ny fahotany rehetra teo anatrehan’Ilay Andriamanitra Mpamonjy, Andriamanitry ny fahasoavana, araka izay voasoratra hoe : “Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy (Andriamanitra) ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra” (1 Jaona 1. 9). Dia mitodika any amin’i Jesosy izy ireo, Jesosy “Izay tsy nahalala ota ... efa nataony (nataon’Andriamanitra) ota… mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao aminy kosa isika (2 Korintiana 5. 21). Manomboka mahalala an’i Jesosy izy ireo, dia manaiky fa Izy tokoa no Ilay “Zanak’ondrin’Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao (Jaona 1. 29), maty teo amin’ny hazofijaliana hamonjy azy ireo. Ary fantany fa “efa nanome vavolombelona hampino ny olona rehetra izany Izy (Andriamanitra) tamin’ny nananganany Azy tamin’ny maty (Asan’ny Apostoly 17. 31). Satria natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty Izy, dia porofo izany fa nankasitrahin’Andriamanitra tanteraka ny sorona nataony. Koa manomboka hatreo dia mahazo tombony amin’ny sorona  nataon’i Jesosy Kristy ireo rehetra mino:

·   voafafa ny fahotany,

·   mandray ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra izy ireo,

·   hamarinina,

·   manana ny fiainana mandrakizay.

Izany no nataon’izy ireo, satria Andriamanitra mihitsy no manambara ao amin’ny Baiboly, izay Teniny, hoe :

·   “… Jesosy Kristy, Ilay Marina... Izy no avotra noho ny fahotantsika, ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an’izao tontolo izao koa” (1 Jaona 2. 1-2) ;
Ny ran’i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra (1 Jaona 1. 7) ;

·   Navelany (Navelan’Andriamanitra) ny fahadisoantsika rehetra” (Kolosiana 2. 13) ;

·   Hamarinina maimaimpoana amin’ny fahasoavany izy (izay rehetra mino) noho ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesosy” (Romana 3. 24) ;

·   Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay ka tsy hohelohina ; fa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana izy” (Jaona 5. 24) ;

·   Izany no nosoratako aminareo, izay mino ny anaran’ny Zanak’Andriamanitra, mba ho fantatrareo fa manana fiainana mandrakizay ianareo (1 Jaona 5. 13).

Manana antoka tokoa ireo olona voavonjy noho ny fahasoavana ireo, fa navelan’Andriamanitra ny helony. Nateraka indray izy ireo, ary nanjary zanak’Andriamanitra ; ho any an-danitra hiaraka amin’i Jesosy izy ireo, ho sambatra mandrakizay. 

Fa ireo izay tsy nanana afa-tsy fitondrantena ivelany fotsiny izay mitovitovy amin’ny an’ireo tena kristiana kosa, saingy tsy nino tamin’ny fony ny sorona notanterahin’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana, dia tsy manana ny ain’Andriamanitra ao anatiny. Noho izany, ireo izay tsy mino ny Tompo Jesosy, na dia milaza ny tenany ho kristiana aza, dia tsy mba ho any an-danitra.

Ianao koa, afaka mihavana amin’Andriamanitra ianao anio,

ho voavonjy sy hanana antoka fa ho any an-danitra, any am-paradisa

Ahoana no hahatanteraka izany ?

·   Mibebaha, satria nateraka mpanota ianao, ary noho ilay ota mitoetra ao anatinao, dia tafasaraka amin’Andriamanitra, ary maty ara-panahy. Ampahatsahivin’ny apostoly Paoly amina kristiana ny toerana nisy azy ireo talohan’ny niovan’izy ireo fo : “Matin’ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo [ianareo fahiny] (Efesiana 2. 1). Izany no toerana misy anao, tahaka azy ireo, koa meloka ianao eo anatrehan’Andriamanitra. Mibebaha àry, izany hoe :

o mitodiha an-kitsimpo amin’Andriamanitra : “Mijere Ahy, dia ho voavonjy ianareo, ry vazan-tany rehetra ! Fa Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy hafa” (Isaia 45. 22) ;

o ekeo fa noho ny fahotanao rehetra  —tsy fankatoavana, halatra, lainga, fanompoan-tsampy, ary koa fisainan-dratsy, fitsiriritana, fialonana, avonavona …—, dia rariny raha ho tafasaraka ho mandrakizay amin’Andriamanitra ianao ;

o ekeo eo anatrehan’Andriamanitra ny fahotanao rehetra, ary maniria marina ny tsy hamerina intsony.

 Koa mibebaha noho ireo fahotanao, satria ...

Andriamanitra … mandidy ny olona rehetra amin’izao tontolo izao hibebaka, satria Izy efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin’ny fahamarinana amin’ny alalan’ny Lehilahy iray voatendriny, koa efa nanome vavolombelona hampino ny olona rehetra izany Izy tamin’ny nananganany Azy tamin’ny maty” (Asan’ny Apostoly 17. 30-31). Mibebaha, tsy hoe hialàna amin’ny fanamelohana fotsiny, fa mibebaha noho ny fahamoram-pon’Andriamanitra : “Sa hamavoinao ny harenan’ny fahamoram-panahiny sy ny fandeferany ary ny fahari-pony, satria tsy fantatrao fa ny fahamoram-panahin’Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka ? Fa ny ditranao sy ny fonao tsy mibebaka no iraketanao fahatezerana ho anao amin’ny andro fahatezerana sy fampisehoana ny fitsarana marin’Andriamanitra, Izay hamaly ny olona rehetra araka ny asany avy : ho an’izay maharitra manao soa mandrakariva ka mitady voninahitra sy laza ary tsy fahafatesana, dia fiainana mandrakizay ; fa ho an’izay mitady ny ho an’ny tenany ihany kosa sady tsy manaraka ny marina, fa manaraka ny tsy marina, dia fahavinirana sy fahatezerana, eny, fahoriana sy fahantrana ho an’ny fanahin’ny olona rehetra izay manao ratsy” (Romana 2. 4-9).

Mibebaha ianareo ka minoa ny filazantsara” (Marka 1. 15) ;

·   Ekeo ao am-ponao Jesosy ho Tomponao, izany hoe manana ny fahefana rehetra aminao

Satria raha manaiky an’i Jesosy ho Tompo amin’ny vavanao ianao ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty, dia hovonjena ianao. Fa amin’ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin’ny vava no anekena hahazoana famonjena” (Romana 10. 9-10).

·   Minoa an’i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao (Asan’ny Apostoly 16. 31), hovonjena tsy hiharan’ny fijalijaliana ho mandrakizay

Raha mino an’i Jesosy ianao, dia handray ny ain’Andriamanitra, araka ny voasoratra hoe : “Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay ; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no mitoetra eo aminy” (Jaona 3. 36). Eny tokoa, “izay tsy mino … dia efa voaheloka rahateo, satria tsy nino ny anaran’ny Zanaka Lahitokan’Andriamanitra izy” (Jaona 3. 18).

o Izay manana an’i Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, dia mahazo antoka fa manana ny fiainana mandrakizay
Izay mino ny anaran’ny Zanak’Andriamanitra... manana fiainana mandrakizay” (1 Jaona 5. 13) : izany no faharesen-dahatr’izay mametraka ny finoany ao amin’i Jesosy, dia ilay finoana mahavonjy. Voavonjy izy, noho ny fahasoavan’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny finoana (Efesiana 2. 8). Raha resy lahatra toy izany ianao, dia manana antoka fa ho any an-danitra, any am-paradisa, any amin’izay misy an’i Jesosy, Tompo sy Mpamonjinao. Hiaraka aminy ho mandrakizay any ianao.

o Izay tsy manana ny Zanak’Andriamanitra (Jesosy) no tsy manana ny fiainana (1 Jaona 5. 12)
Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin’izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao”
(Jaona 3. 17). Kanefa ny azo antoka dia izao : izay tsy manana ny Zanak’Andriamanitra dia tsy ho tafiditra any an-danitra. Aorianan’ny fahafatesany izy dia hitovy anjara ho mandrakizay amin’ireo lazaina hoe : “Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin’ny farihy mirehitra afo sy solifara ; izany no fahafatesana faharoa” (Apokalypsy 21. 8).

Ianao àry, aza faly fotsiny miteny hoe « Tompoko, Tompoko », na mitondra ny anarana hoe kristiana, na mandeha any am-piangonana. Fa ankino amin’i Jesosy, dieny anio, ny hoavin’ny fanahinao ho mandrakizay. Dia horaisinao avy amin’Andriamanitra ny famelan-keloka sy ny fiainana mandrakizay. Ho fantatrao ny tena fanafahana marina sy tanteraka : “ny famonjena ny fanahy” (1 Petera 1. 9). Ary hiditra any am-paradisa ianao.

NY KRISTIANA

INONA NO MAHA SAMY HAFA AZY AMIN’NY TSY KRISTIANA ?

·   Manana ao anatiny ny ain’Andriamanitra ny kristiana, manana ny fiainana mandrakizay

Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay (Jaona 3. 16). Ny tsy mpino dia tsy mino an’i Jesosy Kristy ; fa mifanohitra amin’izany kosa ny kristiana, mino ny Zanak’Andriamanitra izy : ao anatiny ny aina tsy mety maty, ny ain’Andriamanitra, ny fiainana mandrakizay. Tsy mitovy amin’ny tsy mpino ny kristiana, izy dia tsy ho very any amin’ny helo, tsy ho lavitra an’Andriamanitra.

·   Nasiana tombo-kase tamin’ny Fanahy Masina ny kristiana

Talohan’ny handehanany dia nampahery ny mpianany toy izao ny Tompo Jesosy : “Ary Izaho hangataka amin’ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, dia ny Fanahin’ny fahamarinana, Izay tsy azon’izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany ; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo. Tsy hamela anareo ho kamboty Aho ; hankatỳ aminareo Aho (Jaona 14. 16-18).

Nony vita ny asan’i Kristy, dia voavela heloka isika, voavonjy, ary nanjary zanak’Andriamanitra. Nesorina avokoa izay rindrina manasaraka antsika amin’Andriamanitra, koa afaka manorim-ponenana ao anatintsika ny Fanahy Masina  —Andriamanitra Fanahy Masina—  ary mitondra ho ao am-pontsika ny maha Andriamanitra an’Andriamanitra. Araka izany dia nasiana tombo-kase tamin’ny Fanahy Masina isika, araka ny voasoratra hoe : ianareo dia “nasiana tombo-kase tamin’ny Fanahy Masina araka ny teny fikasana. Izany Fanahy izany no santatry ny lovantsika ho amin’ny fanavotana ny olona izay nalainy ho an’ny tenany, ho fiderana ny voninahiny. (Efesiana 1. 13-14).

Ny tombo-kasen’ny Fanahy Masina dia tsy zavatra azo tsapain-tànana, fa marika tsy hita maso anamarinan’Andriamanitra fa Azy ilay kristiana, zanak’Andriamanitra, ary tena ho any an-danitra. Ianareo kristiana, “aza mampalahelo ny Fanahy Masin’Andriamanitra, Izay nanisiana tombo-kase anareo ho amin’ny andro fanavotana (izany hoe amin’ny andro hanafahana ny vatana, rehefa tonga i Kristy) (Efesiana 4. 30) ; “tsy tompon’ny tenanareo ianareo. Fa olom-boavidy ianareo, koa dia mankalazà an’Andriamanitra amin’ny tenanareo” satria “tempolin’Andriamanitra ianareo, ary ny Fanahin’Andriamanitra mitoetra ao anatinareo” (1 Korintiana 6. 19-20 ; 3. 16).

Koa tsy tahaka ny tsy mpino ny kristiana, fa manana ao anatiny ny Fanahin’Andriamanitra, mifaly amin’ny tombontsoa ananany noho ny fanatrehan’Andriamanitra.

·   Zanak’Andriamanitra ny kristiana

Fa izay rehetra nandray Azy  (Jesosy) dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany, dia ireo izay tsy nateraky ny ra, na ny sitrapon’ny nofo, na ny sitrapon’ny olona, fa naterak’Andriamanitra (Jaona 1. 12-13).

Ny Fanahy dia miara-milaza amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika (Romana 8. 16).

Ry malala, ankehitriny aza dia zanak’Andriamanitra isika (1 Jaona 3. 2).

·   Fahariana vaovao ny kristiana

Talohan’ny nahafantaran’ny kristiana an’i Kristy, dia tsy nahalala an’Andriamanitra ny fanahiny : maty ara-panahy izy, voagejan’ny herin’ny ota, ary niroso ho amin’ny fanamelohan’Andriamanitra. Saingy “rehefa niseho ny fahamoram-panahin’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, sy ny fitiavany ny olona, dia tsy avy tamin’ny asa amin’ny fahamarinana izay nataontsika, fa araka ny famindrampo kosa no namonjeny antsika, tamin’ny fanasan’ny fiterahana indray sy ny fanavaozan’ny Fanahy Masina, Izay naidiny betsaka tamintsika tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy, Mpamonjy antsika, mba hohamarinina amin’ny fahasoavany isika ka ho tonga mpandova araka ny fanantenana ny fiainana mandrakizay (Titosy 3. 4-7). Nateraka indray izy izao, koa dia mifandray amin’Andriamanitra, noho Kristy, ary tsy maty ara-panahy intsony : ao anatiny ny ain’Andriamanitra, ny fiainana mandrakizay.

Koa tsy mitovy amin’ny tsy mpino ny kristiana, fa olona nohavaozina, olona manana fanahy velona ny amin’Andriamanitra, izany hoe mahalala an’Andriamanitra ny fanahiny, olona “nateraka indrayizy. Koa voasoratra hoe : “Fa Andriamanitra, Izay manankarena amin’ny famindrampo, noho ny halehiben’ny fitiavany izay nitiavany antsika, na dia fony mbola matin’ny fahadisoana aza isika, dia nahavelona antsika niaraka tamin’i Kristy (Efesiana 2. 4-5). Ary satria nohavaozina ny kristiana, dia “olona ao amin’i Kristy, … olom-baovao (fahariana vaovao) izy ; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo (2 Korintiana 5. 17). Ny zavatra manan-danja dia “ny ho olom-baovao (ny ho fahariana vaovao) (Galatiana 6. 15).

Ny fiainam-baovao ananan’ny kristiana no porofo fa olona tena vaovao izy, nanjary manana anjara amin’ny toetran’Andriamanitra sy ny ain’Andriamanitra :

o Efa maty ianareo, ary ny fiainanareo miara-miafina amin’i Kristy ao amin’Andriamanitra” (Kolosiana 3. 3) ;

o Ary izany no nahatanterahany (nahatanterahan’Andriamanitra) amintsika ireo teny fikasana sady soa no lehibe indrindra, mba ho tonga mpiray amin’ny fomban’Andriamanitra amin’izany ianareo, rehefa afa-nandositra ny fahalotoana izay eo amin’izao tontolo izao noho ny filana” (2 Petera 1. 4).

Koa satria fahariana vaovao ny kristiana, dia nesorina taminy ilay olona taloha, ary notafiana ilay olom-baovao izy  —ary ilay olom-baovao dia ilay kristiana iforonan’i Kristy ao anatiny : “Kristy ao anatinareo, Izay fanantenana ny voninahitra” (Kolosiana 1. 27).

Nifarana teo ny fiainana taloha niainan’ilay kristiana, ankehitriny dia ny lanitra no laharam-pahamehana ho azy : miaina ho an’i Kristy izy, mitady izay hahafaly an’Andriamanitra, mandeha eto an-tany toy ny zanaky ny mazava :

o Ny toetrantsika taloha dia niaraka nohomboana taminy (tamin’i Jesosy) hanimbana ny tenan’ny ota, mba tsy hanompoantsika ny ota intsony (Romana 6. 6).

o ... Izy tokoa no renareo ka tao aminy no nampianarana anareo, araka ny fahamarinana izay ao amin’i Jesosy, mba hialanareo ny toetranareo taloha araka ny fitondrantenanareo fahiny, izay mihasimba araka ny filan’ny fitaka ; fa mba hohavaozina kosa ianareo amin’ny fanahin’ny sainareo, ary mba hotafinareo ny toetra vaovao, izay noforonina araka an’Andriamanitra amin’ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana” (Efesiana 4. 21-24).

NY TOMBONTSOAN’NY KRISTIANA

Lafiny sasantsasany

v nandray antson’ny lanitra izy ;

v voasoratra any an-danitra ny anarany, ao amin’ny bokin’ny fiainana ;

v tian’Andriamanitra izy ;

v eo anatrehan’Andriamanitra izy, dia ao amin’i Kristy ;

v natsangana ho zanaka izy, miantso an’Andriamanitra hoe “Aba, Ray ;

v manana fiombonana amin’Andriamanitra sy amin’i Kristy izy ;

v manana fitahiam-panahy be izy ao amin’i Kristy ;

v manana lova any an-danitra izy ;

v tsy terena hanaraka lalàna (toy ny lalànan’i Mosesy) intsony izy, mba hankasitrahan’Andriamanitra azy ;

v afaka amin’ny fahefan’i Satana izy ;

v afaka amin’ny fahatahorana ny fahafatesana izy.

·   ANTSON’NY LANITRA : Andriamanitra niantso ny kristiana ho amina famonjena lehibe

Andriamanitra “namonjy antsika sy niantso antsika tamin’ny fiantsoana masina, tsy araka ny asantsika, fa araka ny fikasany sy ny fahasoavany izay nomena antsika tao amin’i Kristy Jesosy hatry ny fony fahagola ; fa naharihary ankehitriny tamin’ny nisehoan’i Kristy Jesosy, Mpamonjy antsika, Izay nahafoana ny herin’ny fahafatesana, ka ny filazantsara no nampisehoany mazava ny fiainana sy ny tsy fahalovana mandrakizay” (2 Timoty 1. 9-10).

Anisan’ireo izay mahazo anjara amin’ny antson’ny lanitra ny kristiana, izany hoe nantsoina mba ho any an-danitra. “Ary amin’izany dia mazotoa kokoa, ry rahalahy, hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo ; fa raha manao izany zavatra izany ianareo, dia tsy ho tafintohina akory mandrakizay ; fa toy izany no hanomezana malalaka ho anareo ny fidirana ho any amin’ny fanjakana mandrakizay, izay an’i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy antsika” (2 Petera 1. 10-11).

·   ANARANA VOASORATRA AO AMIN’NY BOKIN’NY FIAINANA

Hoy Jesosy : “Mifalia, satria voasoratra any an-danitra ny anaranareo (Lioka 10. 20).

Ary hoy ny apostoly Paoly : “Mananatra an’i Eodia aho, ary mananatra an’i Syntyke, mba hiray saina ao amin’ny Tompo izy.  Eny, mangataka aminao koa aho, ry ilay tena mpiara-miasa amiko, manampia azy roa vavy, fa niara-niasa fatratra tamiko teo amin’ny filazantsara izy, mbamin’i Klementa koa sy ny mpiara-miasa amiko sisa, izay voasoratra ao amin’ny bokin’ny fiainana” (Filipiana 4. 2-3).

Marihina fa amin’ny andro fitsarana farany, “raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin’ny bokin’ny fiainana, dia natsipy tany amin’ny farihy afo izy” (Apokalypsy 20. 15).

·   NY KRISTIANA DIA TIAN’ANDRIAMANITRA

Hoy Jesosy :

o Ny Ray dia tia anareo satria ianareo efa tia Ahy, ary efa nino fa nivoaka avy tamin’ny Ray Aho. Eny, nivoaka avy tamin’ny Ray Aho ka tonga amin’izao tontolo izao” (Jaona 16. 27-28) ;

o Tsy hamela anareo ho kamboty Aho ; hankatỳ aminareo Aho... fa ianareo no hahita Ahy ; satria velona Aho dia ho velona koa ianareo... Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia Ahy ; ary izay tia Ahy no ho tian’ny Raiko, ary Izaho ho tia azy ka hiseho aminy” (Jaona 14. 18-19, 21).

Ny fitiavan’Andriamanitra antsika no fototry ny tombontsoa rehetra ananantsika.

·   EO ANATREHAN’ANDRIAMANITRA NY KRISTIANA ; AO AMIN’I KRISTY IZY

 Eo anatrehan’Andriamanitra ... ao amin’i Kristy (2 Korintiana 12. 19) ; “Isaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nitahy antsika tao amin’i Kristy amin’ny fitahiam-panahy rehetra any an-danitra, araka ny nifidianany antsika tao aminy, fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao, mba ho masina sady tsy misy tsiny eo anatrehany isika (Efesiana 1. 3-4).

Fa Andriamanitra, Izay manankarena amin’ny famindrampo, noho ny halehiben’ny fitiavany izay nitiavany antsika, na dia fony mbola matin’ny fahadisoana aza isika, dia nahavelona antsika niaraka tamin’i Kristy (fahasoavana no namonjena anareo) ; ary niara-natsangany isika ka niara-napetrany any an-danitra ao amin’i Kristy Jesosy (Efesiana 2. 4-6).

Koa ao amin’i Kristy no ahitan’Andriamanitra ny kristiana : efa eo anatrehany sahady, any an-danitra, ary hitany  toy ny ahitany an’i Kristy. Toerana tsy hay hozongozonina io nametrahan’Andriamanitra azy ireo io. Raha ny zava-misy anefa, dia mbola etỳ an-tany ny kristiana. Ahoana àry no hahafahan’izy ireo miaina etỳ an-tany ny maha mponin’ny lanitra azy ireo, ao amin’i Kristy ?

Miaina marina ny toerany ao an-danitra ny kristiana, rehefa mahatakatra fa olon’ny lanitra izy ao amin’i Kristy : “masina sady tsy misy tsiny” eo anatrehan’Andriamanitra, amin’ny fitiavana, ary “napetrany any an-danitra ao amin’i Kristy Jesosy”.

Rehefa mahatakatra izany ny kristiana, dia mikatsaka haneho an’i Kristy, mikatsaka hampiharihary ny fitiavany, ny fahama­si­nany ary ny fahazavany :

o Fa araka ny fahamasinan’Ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masina koa ianareo amin’ny fitondrantena rehetra, satria voasoratra hoe : ‘Ho masina ianareo, satria masina Aho’. Ary raha Ilay tsy mizaha tavan’olona, fa mitsara araka ny asan’izy rehetra, no antsoinareo hoe Ray, dia mitondrà tena amin’ny fahatahorana mandritra ny andron’ny fivahinianareo etỳ (1 Petera 1. 15-17) ;

o Efa mazava ao amin’ny Tompo kosa [ianareo] ankehitriny ; mandehana tahaka ny zanaky ny mazava” (Efesiana 5. 8).

Noho ny maha mponin’ny lanitra azy, ao amin’i Kristy, dia :

o ampirisihina ny kristiana mba hitondra tena amin’ny fomba mendrika ny Tompo

Mahafantatra feno ny sitrapon’Andriamanitra ny kristiana rehetra, amin’ny alalan’ny Teny, ka ampirisihina mba handeha amin’ny fomba “mendrika ny Tompo, hanaovana ny sitrapony amin’ny zavatra rehetra” (Kolosiana 1. 10). Nosarahin’Andriamanitra tamin’izao tontolo izao tokoa mantsy ireo zanany izay navotany, ka nomeny faniriana hiaina ho an’i Kristy. Koa eto an-tany ny kristiana dia tokony handeha toy ny zanaky ny mazava : “Fa samy fantatra amin’ny voany avy ny hazo rehetra” (Lioka 6. 44).

o ampirisihina ny kristiana mba hiaina ho an’i Kristy

Manjary zava-misy iainan’ny kristiana ny hoe velona ho an’i Kristy, rehefa takany ny haben’ny fitiavan’i Kristy azy : “Fa ny fitiavan’i Kristy no manery anay, satria izao no hevitray : maty ny Anankiray hamonjy ny olona rehetra, ka dia maty koa izy rehetra ; ary maty hamonjy ny olona rehetra Izy, mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona, fa ho an’Izay efa maty sy nitsangana hamonjy azy (2 Korintiana 5. 14-15). Izay rehetra ataon’ny kristiana dia tokony hampiseho ny firaiketam-pony amin’i Kristy, andaniny, ary haneho an’i Kristy amin’ireo manodidina azy, ankilany. Raha manao izany etỳ an-tany ny kristiana, dia “aseho ho epistilin’i Kristy… tsy nosoratana tamin’ny ranomainty anefa, fa tamin’ny Fanahin’Andriamanitra velona, tsy teo amin’izay tena vato fisaka, fa teo amin’izay vato fisaka nofo, dia ny fo” (2 Korintiana 3. 3).

o ampirisihina ny kristiana mba haka tahaka an’i Kristy : izany hoe hitovy amin’ny endrik’i Kristy ary azo itarafana Azy eo amin’ny fiainany andavanandro

Ny hitovy amin’i Kristy, izay no antom-pisian’ny kristiana, sady tanjon’ny fiainany, satria : “Izay fantany (fantatr’Andriamanitra) rahateo no notendreny koa hitovy endrika amin’ny Zanany” (Romana 8. 29). Koa ny olona rehetra mijery ny kristiana dia tokony hahita, eo amin’ny fiainan’izy ireo, ny fiainan’i Kristy mihitsy.

Ohatra, ny kristiana izay mitovy amin’ny Tompo Jesosy dia hanao amin’ny hafa toy izay ho nataon’i Jesosy. Hazavain’ny fanoharana momba ilay Samaritana tsara fanahy izany : “Nisy lehilahy anankiray nidina avy tany Jerosalema hankany Jeriko ka azon’ny jiolahy, dia nendahany ny lambany, sady nokapohiny izy, dia nilaozany, rehefa saiky maty. Ary sendra nisy mpisorona anankiray nidina tamin’izany làlana izany ; ary raha nahita an-dralehilahy izy, dia nandalo azy. Ary toy izany koa ny Levita anankiray, izay tonga teo, dia nahita azy, nefa nandalo koa. Fa nisy kosa Samaritana anankiray nandeha tamin’ny nalehany ka tonga teo aminy, ary nony nahita azy, dia onena. Dia nanatona izy, ka nofeheziny ny feriny, sady nasiany diloilo sy divay ; dia nampitaingeniny tamin’ny bibiny izy, ka nentiny ho any amin’ny tranom-bahiny, dia notsaboiny. Ary nony ampitson’iny, dia naka denaria roa izy, ka nomeny ny tompon’ny tranom-bahiny, sady nanao taminy hoe : Tsaboy izy ; ary na ohatrinona na ohatrinona no laninao mihoatra noho ireto dia honerako, rehefa miverina aho. Iza moa amin’izy telo lahy no ataonao ho naman’ilay azon’ny jiolahy ? Ary hoy izy : Ilay niantra azy. Dia hoy Jesosy taminy : Mandehana ianao, ka mba manaova toy izany koa (Lioka 10. 30-37).

o voaaro ny kristiana, eo am-pelatanan’i Kristy

Hoy Jesosy : “Izay rehetra omen’ny Raiko Ahy no hanatona Ahy ; ary izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy. Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon’Izay naniraka Ahy. Ary izao no sitrapon’Izay naniraka Ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy, fa hatsangako indray amin’ny andro farany izy” (Jaona 6. 37-39).

Ary hoy koa Izy, momba ireo olony, ireo izay ondriny : “Izaho mahalala azy, ... ary tsy hisy handrombaka azy amin’ny tànako. Ny Raiko Izay nanome Ahy dia lehibe noho izy rehetra ; ary tsy misy mahay mandrombaka amin’ny tànan’ny Ray” (Jaona 10. 27-29).

Ankehitriny dia efa vita ny zavatra rehetra, ary tontosa ny fepetra takian’ny fahamarinan’Andriamanitra ; ka noho izany dia voavonjy tanteraka izay mino an’i Jesosy. Koa “Iza no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy ? Fahoriana va, sa fahantrana, sa fanenjehana, sa mosary, sa fitanjahana (tsy fanaovana akanjo), sa loza, sa sabatra ? Araka ny voasoratra hoe : “Fa noho ny aminao no namonoana anay mandrakariva ; toy ny ondry hovonoina no fijery anay”. Kanefa amin’izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika, amin’ny alalan’Ilay tia antsika. Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika” (Romana 8. 35-39).

Koa na inona na inona mitranga, dia afaka miteny ny kristiana hoe : “Fantatro Izay inoako, ary matoky aho fa Izy dia mahatahiry ilay zavatra natolotro Azy, mandra-piavin’izay andro izay” (2 Timoty 1. 12).

Jesosy Kristy Tompontsika … hampiorina anareo koa hatramin’ny farany, ka dia tsy hanan-tsiny ianareo amin’ny andron’i Jesosy Kristy Tompontsika. Mahatoky Andriamanitra, Izay nahatonga ny fiantsoana anareo hanananareo firaisana amin’ny Zanany, dia Jesosy Kristy Tompontsika” (1 Korintiana 1. 7-9).

Fantatsika fa izay rehetra naterak’Andriamanitra dia tsy manota ; fa izay naterak’Andriamanitra dia miaro ny tenany, ka tsy mikasika azy akory ilay ratsy (1 Jaona 5. 18).

o manana antoka ny kristiana fa ho any an-danitra : matoky izy fa voavonjy

Izany no nosoratako aminareo, izay mino ny anaran’ny Zanak’Andriamanitra, mba ho fantatrareo fa manana fiainana mandrakizay ianareo” (1 Jaona 5. 13).

Ny tena kristiana dia mahazo antoka tanteraka fa ny famonjen’Andriamanitra  —famonjena nomena azy maimaimpoana, noho ny fahasoavana, noho ny finoana, “finoana ny Zanak’Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy” (Galatiana 2. 20)  dia hohazonina ho azy mandrakizay. Io antoka io dia miorina amin’ny fampanantenan’ny Soratra Masina irery ihany, ho an’izay rehetra mino :

ü Hoy Jesosy : “Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy mandrakizay (Jaona 10. 28) ;

ü Hoy Joda : “... olona voantso, malala ao amin’Andriamanitra Ray sy voatahiry ho an’i Jesosy Kristy ; hampitomboina ho anareo anie ny famindrampo sy ny fiadanana ary ny fitiavana” (Joda 1-2) ;

ü Hoy ny apostoly Petera : “Isaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay niteraka antsika indray araka ny haben’ny famindrampony, ho amin’ny fanantenana velona tamin’ny nitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty, ho amin’ny lova tsy mety simba, tsy misy loto, tsy mety levona, voatahiry any an-danitra ho anareo, izay arovan’ny herin’Andriamanitra amin’ny finoana, ho amin’ny famonjena efa vonona haseho any am-parany” (1 Petera 1. 3-5) ;

ü Fa Andriamanitra tsy nanendry antsika ho amin’ny fahatezerana, fa mba hahazo famonjena amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay maty hamonjy antsika, mba hiara-belona aminy isika, na mahatsiaro na matory” (1 Tesaloniana 5. 9-10).

Koa raha manome antsika fiainana mandrakizay Andriamanitra, dia tsy ho amina fotoana voafetra izany, fa tena ho mandrakizay tokoa. Afaka manana toky ny tena kristiana, satria ny herin’Andriamanitra tsy misy fahataperany no miaro azy. Hoy ny Tompo Jesosy momba izany : “Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin’ny tànako. Ny Raiko Izay nanome Ahy dia lehibe noho izy rehetra ; ary tsy misy mahay mandrombaka amin’ny tànan’ny Ray” (Jaona 10. 28-29).

·   ZO NOMENA NY KRISTIANA : atsangan’Andriamanitra ho zanany ny kristiana, zanak’Andriamanitra izy, mpandova an’Andriamanitra izy

Nofidin’Andriamanitra “tao aminy [isika], fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao, mba ho masina sady tsy misy tsiny eo anatrehany isika, rehefa notendreny rahateo amin’ny fitiavana isika mba ho Azy, amin’ny fananganana anaka amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, araka izay ankasitrahin’ny  fony (Efesiana 1. 4, 5).

Tsy vitan’ny hoe raisin’Andriamanitra ho zanany isika, fa omeny antsika ihany koa ny ainy, dia ny ain’Andriamanitra ; ary izay ain’Andriamanitra nomeny izay no mampiavaka ny fananganana anaka ataon’Andriamanitra amin’ny fananganana anaka ataon’ny olombelona. Anisan’ny ankohonan’Andriamanitra ny kristiana, izany hoe natsangan’Andriamanitra ho zanaka, ka afaka miantso Azy hoe : “Aba, Ray ô” (Galatiana 4. 6), na hoe Dada.

Rehefa tonga ny fotoanandro, dia nirahin’Andriamanitra ny Zanany, nateraky ny vehivavy, nateraka tao ambanin’ny lalàna, hanavotany izay ambanin’ny lalàna, mba handraisantsika ny fananganana anaka. Ary satria zanaka ianareo, dia nirahin’Andriamanitra ho ato am-pontsika ny Fanahin’ny Zanany, miantso hoe : Aba, Ray ô. Ka dia tsy mpanompo intsony ianao, fa zanaka : ary raha zanaka, dia mpandova koa noho ny ataon’Andriamanitra (Galatiana 4. 4-7). “Ary raha zanaka, dia mpandova ; eny, sady mpandova an’Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy koa, raha miara-miaritra aminy isika mba hiara-manam-boninahitra aminy koa (Romana 8. 17).

Endrey ! manao ahoana ny fitiavana nasehon’ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak’Andriamanitra, sady izany tokoa isika ! Koa noho izany dia tsy mahalala antsika izao tontolo izao, satria tsy nahalala Azy izy. Ry malala, ankehitriny aza dia zanak’Andriamanitra isika, nefa tsy mbola naseho izay ho toetrantsika rahatrizay. Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa. Ary izay rehetra manana izany fanantenana miorina aminy izany dia manadio ny tenany mba hadio tahaka Azy (1 Jaona 3. 1-3).

·   NY KRISTIANA DIA MIOMBONA AMIN’ANDRIAMANITRA SY AMIN’I KRISTY

Momba an’i Jesosy, dia hoy ny apostoly Jaona : “Izay efa hitanay sy renay no ambaranay aminareo, mba hahazoanareo firaisana aminay koa ; ary ny firaisanay dia amin’ny Ray sy amin’i Jesosy Kristy Zanany… Raha hoy isika : Manana firaisana aminy isika, kanefa mandeha amin’ny maizina, dia mandainga isika ka tsy manao ny marina. Fa raha mandeha eo amin’ny mazava isika, tahaka Azy eo amin’ny mazava, dia manana firaisana isika” (1 Jaona 1. 3, 6-7).

Izao no nosoratan’ny apostoly Paoly : “Mahatoky Andriamanitra, Izay nahatonga ny fiantsoana anareo hanananareo firaisana amin’ny Zanany, dia Jesosy Kristy Tompontsika” (1 Korintiana 1. 9).

·   NY KRISTIANA DIA MANANA FITAHIANA BE AO AMIN’I KRISTY : FITAHIANA ARA-PANAHY

Isaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nitahy antsika tao amin’i Kristy amin’ny fitahiam-panahy rehetra any an-danitra” (Efesiana 1. 3).

Anisan’izany fitahiana izany ny fananan’ny kristiana toetra vaovao ao anatiny, ny toetran’Andriamanitra (ny toetra maha mpiray amin’ny fomban’Andriamanitra) : “Efa nomen’ny herin’Andriamanitra ho antsika ny zavatra rehetra momba ny fiainana sy ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, amin’ny fahalalana Ilay niantso antsika tamin’ny voninahiny sy ny fahatsarany ; ary izany no nahatanterahany amintsika ireo teny fikasana sady soa no lehibe indrindra, mba ho tonga mpiray amin’ny fomban’Andriamanitra amin’izany ianareo, rehefa afa-nandositra ny fahalotoana izay eo amin’izao tontolo izao noho ny filana (2 Petera 1. 3-4).

·   NY KRISTIANA DIA MANJARY AFAKA MANANA ANJARA AMIN’NY LOVAN’NY OLONA MASINA ANY AN-DANITRA

Ny Ray [dia] nampahamendrika antsika hanana anjara amin’ny lovan’ny olona masina eo amin’ny mazava, sady nahafaka antsika tamin’ny fahefan’ny maizina ka namindra antsika ho amin’ny fanjakan’ny Zanany malalany, Izay ananantsika fanavotana, dia ny famelana ny helotsika” (Kolosiana 1. 12-14).

TANDREMO, ireo tombontsoa rehetra ireo dia mifamatotra amin’ny andraikitra ampianarin’ny fahasoavana antsika, satria “ny fahasoavan’Andriamanitra, izay famonjena ny olona rehetra, mampianatra antsika handà izay toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra sy ny filan’izao tontolo izao, ary ho velona amin’ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’izao fiainana ankehitriny izao, miandry ny fanantenana mahafinaritra sy ny fisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika, dia Jesosy Kristy, Izay nanolotra ny tenany hamonjy antsika, mba hanavotany antsika ho afaka amin’ny ota rehetra, sy hanadiovany izay olona ho an’ny tenany, sady ho mazoto indrindra amin’ny asa tsara izany (Titosy 2. 11-14). Ny votoatin’ny fampianaran’ny fahasoavana dia ny mampiseho amintsika ny tombontsoa ananantsika, sy milaza amintsika mba hiaina araka izany : “Ary noho izany izaho … dia mangataka aminareo mba handeha mendrika ny fiantsoana izay niantsoana anareo” (Efesiana 4. 1), izany hoe handray an’i Kristy ho môdely.  “Koa amin’izany dia aoka hanahaka an’Andriamanitra ianareo, tahaka ny zanaka malala ; ary mandehana amin’ny fitiavana, toy ny nitiavan’i Kristy anareo” (Efesiana 5. 1-2).

·   NY KRISTIANA DIA TSY EO AMBANIN’NY LALÀNA

o Inona no atao hoe Lalàna ?

Ny Lalàna dia ny fitambaran’ireo fitsipika nomen’Andriamanitra fahiny ho an’ny Israely, ilay vahoaka nofidiny “ho firenena rakitra soa ho Azy, mihoatra noho ny firenena rehetra ambonin’ny tany” (Deoteronomia 7. 6). Ny notadiavin’Andriamanitra dia ny ahafantaran’ny Israely ny sitrapony, tamin’ny alalan’ireo didy sy fitsipika nomena azy ireo, ka iainany araka ny maha vahoaka masina sy voatokana azy. Ny notadiavin’Andrimanitra dia ny iainan’ny Israely tsy toy ireo firenena hafa, izay mpanompo sampy sy tsy manana an’Andriamanitra eto amin’izao tontolo izao, ka nanana fombafomba mahatsiravina, tsy nisy lalàna na faneriterena.

Ankoatra ireo didy izay nanazava ny tsara sy ny ratsy ny ankamaroany (lalàna momba ny fitondrantena), ny Lalàna dia naneho ihany koa fitsipika momba ireo sorona samihafa (lalàna momba ny fombafomba), anisan’ireny ireo fitsipika momba ny fanompoam-pivavahana (izany hoe izay takiana mba hahafahana manatona an’Andriamanitra, rehefa hitsaoka), na koa momba ireo sorona tsy maintsy atolotra rehefa “nanota tsy nahy” ny Israelita. Ny Lalàna dia nomena mba hilazana ny toetra tokony hasehon’ny olona manoloana an’Andriamanitra. Raha tsorina, dia ny Lalàna no mampiseho hoe ahoana no tokony ho fitondrantenan’ny olona manoloana an’Andriamanitra, sy manoloana ny hafa. Avy amin’Andriamanitra ny Lalàna, “ka dia masina tokoa ny lalàna, ary masina ny didy sady marina no tsara” (Romana 7. 12).

Ireo didy, fitsipika, sata, ... izany rehetra izany dia voarakitra tao anatin’ny bokin’ny Lalàna avokoa, boky antsoina hoe “lalànan’i Mosesy”. Ary nandidy ny Israely Andriamanitra, hoe : “Koa dia tandremo izay asaiko tandremana, mba tsy hisy hataonareo akory izany fanao vetaveta izany, izay nataon’ny olona talohanareo, ka aza mandoto ny tenanareo amin’izany : Izaho no Jehovah Andriamanitrareo” (Levitikosy 18. 30). Izany no sitrapon’Andriamanitra ho an’ny Israely, ilay vahoakany tet an-tany : ny Israelita tsirairay dia tokony hitandrina ireo didy sy hampihatra azy ireo eo amin’ny fiainany. Ny fanatanterahana izany dia noheverina fa mitondra ho amin’ny fiainana (ohatra, ho amin’ny fihavanana amin’Andriamanitra, ny firoboroboana ara-karena, ...). “Fa Mosesy nanoratra milaza fa izay olona manao ny fahamarinana avy amin’ny lalàna no ho velona amin’izany” (Romana 10. 5). Koa ny mitandrina ireo didin’Andriamanitra sy mampihatra azy ireo eo amin’ny fiainana no manavaka ny Israely amin’ny firenena hafa.

o Ny tanjon’ny Lalàna

Raha nisy olona nahatanteraka an-tsakany sy an-davany izay rehetra voasoratra ao amin’ny lalànan’i Mosesy, dia ho nahatratra ny fahamarinan’Andriamanitra izy. Ka ho niteny taminy Andriamanitra hoe : « Satria ianao nanatanteraka an-tsakany sy an-davany izay rehetra notakiako, dia marina ianao, masina ianao ». Dia ho nohamarinina io olona io, izany hoe ho nambaran’Andriamanitra fa marina sy masina : ho navelan’Andriamanitra ireo fahotany, ho niaina eto an-tany araka ny sitrapon’Andriamanitra izy, ho nahazo ny fiainana, ho voavonjy. Koa dia ny miaina araka ny sitrapon’Andriamanitra, mba ho tonga amin’ny fahamarinana ka hambara fa marina sy masina, no tanjona naroson’ny Lalàna mba hataon’ireo izay ho nahatanteraka an-tsakany sy an-davany izay rehetra voasoratra tao amin’ny lalànan’i Mosesy.

Marihina fa tao amin’ny Lalàna dia tsy nisy fanafana nomanina raha « minia manota », hany ka izao no voasoratra : “Fa raha misy maninona kosa, dia hanome aina solon’ny aina ianao, maso solon’ny maso, nify solon’ny nify, tànana solon’ny tànana, tongotra solon’ny tongotra, may solon’ny may, ratra solon’ny ratra, mivatra solon’ny mivatra.” (Eksodosy 21. 23-25). Tao amin’ny Lalàna dia tsy nisy fahasoavana na famindrampo :

-    Izay manohitra ny lalànan’i Mosesy dia maty amin’ny tenin’ny vavolombelona roa na telo ka tsy asiana famindrampo” (Hebreo 10. 28) ;

-    Hozonina izay tsy mankatò ny tenin’ity lalàna ity” (Deoteronomia 27. 26) ;

-    Voaozona izay rehetra tsy maharitra mankatò ny zavatra rehetra voasoratra ao amin’ny bokin’ny lalàna” (Galatiana 3. 10).

o Ny ataon’ny Lalàna

Ny Lalàna dia nampiseho  —ary mbola mampiseho—  ny tokony ho toetran’ny olona eo anatrehan’Andriamanitra ; ary raha tsy izany ny toetrany, dia voaozona izy ! Koa nipetraka àry ny fanontaniana hoe : iza no afaka miala amin’ny ozona, satria mahatanteraka an-tsakany sy an-davany izay voasoratra ao amin’ny bokin’ny Lalàna ? Tsy nisy, ankoatra an’i Jesosy Kristy : Jesosy Kristy, satria Andriamanitra Izy, nefa tonga olona. Tsy nanana ota Izy ao anatiny, ka tsy afaka ny hanota ; koa Izy no afaka nanatanteraka tamin’ny fomba lavorary izay notakian’ny Lalàna. Ireo izay nihevitra fa tonga hanafoana ny Lalàna Izy, dia azony nil azana hoe : “Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany ; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka” (Matio 5. 17). Koa ny Kristy Jesosy dia mifanohitra tanteraka amin’ny olona ara-nofo  —izay tsy manana ny ain’Andriamanitra, izay misy ota ao anatiny ary manana toetra mpanota, izay tsy manan-kery ary tsy afaka manao ny sitrapon’Andriamanitra. Ny Kristy Jesosy no afaka manatanteraka an-tsakany sy an-davany izay rehetra takian’ny Lalàna.

Nilaina ihany koa ny Lalàna, hanaporofo izao fahamarinana izao, eo amin’ny zavatra iainana : ny fototry ny faharatsiana mihitsy, dia ny ota, no ao anatin’ny olona tsirairay ; ary tsy ny ota ihany, fa ny fironana mandrakariva hanao ny ratsy. Indrisy fa eo ny tantaran’ny zanak’olombelona hampiseho fa ao anatin’ny olona ny ota ; ary manao ny ratsy izy raha vao misy hirika kely ahafahany manao izany.  Koa zava-dehibe io fahafantarana ny ota amin’ny alalan’ny Lalàna io, mba hanampenana ny vavan’ireo izay mihambo ho tsy manana ota ao anatiny ary tsy nanota. “Ary fantatsika fa izay zavatra lazain’ny lalàna dia lazainy amin’izay manana ny lalàna, mba ho voatampina avokoa ny vava rehetra, ka hiharan’ny fitsaran’Andriamanitra izao tontolo izao, satria tsy misy nofo hohamarinina amin’ny asan’ny lalàna eo anatrehany ; fa ny lalàna no ahazoana ny fahalalana marina ny amin’ny ota (Romana 3. 19-20).

Nahoana àry no nisy ny Lalàna ? “Inona ary ny lalàna ? Nanampy noho ny fahadisoana izy (Galatiana 3. 19). Nomen’Andriamanitra mantsy ny Lalàna, mba hampisehoany ny tena toetran’ny olona : teraka tao anatin’ny ota, mpanota raha ny toetrany, marefo ary tsy manan-kery hanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra, meloka ary tsy mahavonjy ny tenany. Meloka sy very ny olona, na dia miezaka mafy aza hanao asa tsara mba ho voavela heloka sy mba hahazoany ny fiainana. Koa ny tena tanjon’ny Lalàna, izany, dia ny hampisehoana fa ao anatin’ny olona mihitsy ny fototry ny faharatsiana, ny ota  —ary “ny ota no nahafaty ahy, mba hiseho ho ota” (Romana 7. 13)—, andaniny, ary koa ny hanekena fa ny olona rehetra dia mpanota, meloka eo anatrehan’Andriamanitra, ankilany. Izany no ilazan’ny apostoly Paoly amintsika hoe “ny lalàna dia niditra koa hahabe ny fahadisoana (Romana 5. 20), mba tsy ho azo iadian-kevitra fa mpanota ny olona, ary “mba ho tonga ota indrindra ny ota, noho ny nataon’ny lalàna” (Romana 7. 13) : izay no asan’ny lalàna, hanaporofo fa mpanota ny olombelona.

Ankehitriny dia mbola manana io anjara asa io ihany ny Lalàna, nefa tsy ho an’ireo izay efa manana ny ain’Andriamanitra ao anatiny tsy akory  —ny tena kristiana, ireo izay niaiky fa mpanota ary nanaiky ny Tompo Jesosy—, fa ho an’ireo tsy mino —ireo izay mandà tsy hanaiky ny maha mpanota azy ary mandà tsy hanaiky ny Tompo Jesosy mba ho voavonjy. Koa izany no ilazana hoe : “Nefa fantatsika fa tsara ny lalàna, raha entin’ny olona araka izay antony, ka fantany fa tsy ny olona marina no nanaovana ny lalàna, fa ny mpandika lalàna sy ny maditra, dia ny tsy matahotra an’Andriamanitra sy ny mpanota, ny olona tsy manaja izay masina sy ny olona vetaveta, ny mpamono ray sy ny mpamono reny, ny mpamono olona, ny mpijangajanga, ny sodomita, ny mpangalatra olona, ny mpandainga, ny mpianian-tsy to, ary na inona na inona manohitra ny fampianarana tsy misy kilema, araka ny filazantsaran’ny voninahitr’Andriamanitra finaritra, izay natolotra ho adidiko” (1 Timoty 1. 8-11). Koa ny Lalàna izany dia ho an’ny olona ara-nofo, izany hoe ny tsy kristiana, ary ny tanjona dia andaniny, hifehezana ny nahim-pony manokana sy ny fisehon’ny nofo, ankilany, hampisehoana izao fahamarinana izao : ao anatin’ny olona tsirairay ny fototry ny faharatsiana, ny ota, izay mahatonga ny olona hanota ka ho meloka eo anatrehan’Andriamanitra.

Raha fintinina izany, ny ataon’ny Lalàna dia ny hahatonga antsika hahafantatra sy hahatakatra lalina ireo fihevitr’Andriamanitra. Tsy afaka nanatanteraka izay notakian’ny Lalàna anefa ny olona, noho ny ota ao anatiny, noho ny fahalemen’ny nofo, ary koa satria tsy manan-kery ny olona ka tsy afaka manatanteraka izay sitrapon’Andriamanitra. Koa na dia mahafantatra ny sitrapon’Andriamanitra aza izany ny olona, dia very ihany.   

o Ny Lalàna, mpitaiza mitondra ho eo amin’i Kristy

Manoloana izany toerana mampalahelo misy ny olona izany  —mpanota be, tsy mahavonjy tena—, ny tanjon’ny Lalàna dia ny hampiseho fa tsy maintsy mila Mpamonjy ny olona, tsy hoe hamonjy azy fotsiny ihany, mba hahazoany fiainana mandrakizay sy hanafaka azy amin’ny herin’ny ota, fa mba hanampy azy koa handeha amin’ny fomba manome voninahitra an’Andriamanitra, izany hoe amin’ny fahamasinana. Koa ny Lalàna izany dia mpitari-dàlana hahatongavana eo amin’io Mpamonjy io, dia Jesosy Kristy, araka ny voasoratra hoe : “Fa fony tsy mbola tonga ny finoana, dia voambina tao ambanin’ny lalàna isika ka voahidy ho amin’ny finoana izay efa haseho ato aoriana. Koa ny lalàna dia mpitaiza antsika ho amin’i Kristy, mba hohamarinina noho ny finoana isika. Fa rehefa tonga ny finoana, dia tsy fehezin’izay mpitaiza intsony isika. Fa ianareo rehetra dia zanak’Andriamanitra amin’ny finoana an’i Kristy Jesosy (Galatiana 3. 23-26). Noho izany, ny angatahina amin’ny olona dia ny hibebahany noho ireo ratsy nataony sy ny hitodihany amin’i Jesosy Kristy, Izy Izay voaheloka noho ny fahotan’izao tontolo izao ary nanonitra ny fahotan’izay mino, hany ka izay rehetra mino ny asa fanonerana nataony dia voavela heloka ary mandova ny fiainana mandrakizay. Koa ny tanjon’ny Lalàna izany dia ny hanosika ny olona hibebaka amin’Andriamanitra, ary rehefa tafaverina eo amin’Andriamanitra, dia hihavana aminy satria nohamarinana  —tsy noho ny asa nataony, fa tena noho ny finoana, ny finoana ny Zanak’Andriamanitra.

Ho an’ireo Jiosy, izay nifikitra fatratra tamin’ny lalànan’i Mosesy, ary nitady hahazo  —nefa tsy nahita—  famelan-keloka tamin’ny fanajana ara-bakiteny izay voasoratra ao amin’ny Lalàna, dia hoy ny apostoly Paoly : “Ary aoka ho fantatrareo, ry rahalahy, fa izany Lehilahy izany (Jesosy Ilay Kristy) no itoriana famelan-keloka aminareo ; ary ao aminy no anamarinana izay rehetra mino ho afaka amin’ny heloka rehetra izay tsy azo nanamarinana anareo tamin’ny lalànan’i Mosesy” (Asan’ny Apostoly 13. 38-39).

Ho an’ny rehetra, na Jiosy na tsia, dia hoy ny apostoly Paoly : “Kristy no faran’ny lalàna ho fahamarinana ho an’izay rehetra mino... Raha manaiky an’i Jesosy ho Tompo amin’ny vavanao ianao, ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty, dia hovonjena ianao. Fa amin’ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin’ny vava no anekena hahazoana famonjena. Fa hoy ny Soratra Masina : ‘Tsy ho menatra izay rehetra mino Azy’. Fa tsy misy hafa, na Jiosy na jentilisa, fa iray ihany no Tompon’izy rehetra, sady manan-karena homeny izay rehetra miantso Azy Izy. Fa ‘izay rehetra miantso ny anaran’ny Tompo no hovonjena’  (Romana 10. 4, 9-13).

Noho izany, izay rehetra mino dia “hamarinina maimaimpoana amin’ny fahasoavany... noho ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesosy, Izay nasehon’Andriamanitra tamin’ny rany ho fanavotana amin’ny finoana, hanehoana ny fahamarinany amin’ny tsy namalian’Andriamanitra ny fahotana lasa tamin’ny nandeferany, mba hanehoana ny fahamarinany ankehitriny, mba ho marina Izy sady hanamarina izay manana finoana an’i Jesosy (Romana 3.24-26). Koa “fony mbola tsy nanan-kery isika, dia maty Kristy tamin’ny fotoanandro hamonjy ny ratsy fanahy” (Romana 5. 6).

o Tsy terena hanaraka ny lalànan’i Mosesy intsony ny kristiana

Sarotra dia sarotra tokoa ny manaraka amin’ny antsipiriany ny didy rehetra ao amin’ny Lalàna, hany ka nahatonga ny apostoly Petera hiteny fa ny Lalàna dia zioga tsy nisy afaka nitondra. Izany no nolazainy nandritra ny konsily (fivoriana) tany Jerosalema, nandinihana ny fanontaniana hoe : “Tokony hanaraka ny lalànan’i Mosesy ve ireo kristiana avy amin’ny firenena tsy jiosy, vao ho afaka miaina ny fiainana kristiana ?”. Nanontaniany ireo mpivory, izay kristiana avy tamin’ny firenena jiosy, hoe : “Koa nahoana ianareo no maka fanahy an’Andriamanitra amin’ny fametrahanareo zioga amin’ny vozon’ny mpianatra, izay tsy zakan’ny razantsika na isika hoentina ?” (Asan’ny Apostoly 15. 10). Tsara homarihina fa “zioga no teny nampiasain’ny apostoly Petera, ilazana ny havesatry ny Lalàna eo amin’ny vahoaka Israely  —“Zioga, kisarisary tena tandrify, mampiseho zava-mavesatra tsy maintsy zakaina, tsy azo ialàna, toy ny mahazo ny omby milanja eo am-bozony zavatra mavesatra tokoa, manery azy handeha amin’ny làlana iray hitarihany sarety.

o Apetraka ao anaty fahafahana ny kristiana

Ho amin’ny fahafahana no nanafahan’i Kristy antsika ; ka tomoera tsara, fa aza mety hohazonin’ny zioga fanandevozana intsony” (Galatiana 5. 1). Koa tsy voatery ho eo ambany ziogan’ny Lalàna intsony ny kristiana mba hankasitrahan’Andriamanitra azy, na koa, mba hiaina ny fiainana maha kristiana azy ireo, fiainam-pahamasinana. Tandremo anefa : “Efa nantsoina ho amin’ny fahafahana ianareo, ry rahalahy ; kanefa aoka tsy hoentinareo hanaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa mifampanompoa amin’ny fitiavana. Fa tanteraka amin’ny teny iray ihany ny lalàna rehetra, dia izao : ‘Tiava ny namanao tahaka ny tenanao’  (Galatiana 5. 13-14).

o Koa inona izany no miseho, rehefa mametraka ny tenany ho eo ambanin’ny lalànan’i Mosesy (na lalàna hafa) ny kristiana, mba hiainany ny fiainana maha kristiana, fiainam-pahamasinana ?

Ø Tsy afaka hanampy azy hiaina fiainam-pahamasinana ny lalàna

Rehefa mametraka ny tenany ho eo ambany lalàna ny kristiana  —na lalàna inona na lalàna inona : ny lalànan’i Mosesy na lalàna hafa napetraky ny fombam-pivavahana samihafa noforonin’ny olona—  mba hananany fiainam-pahamasinana, (ary fakam-panahy tena lehibe izany ho ana kristiana marobe!), dia io lalàna io ihany no manjary sakana ho azy, satria tsy afaka hanatanteraka an’io izy, noho ny fahalemen’ny toetrany, ny toetra maha nofo. Ny nofo tokoa mantsy  —izay mbola ao amin’ny kristiana ihany, na dia efa nateraka indray aza izy—  dia tsy afaka hankatò ny lalànan’Andriamanitra, araka ny voasoratra hoe : “Fandrafiana an’Andriamanitra ny fihevitry ny nofo ; fa tsy manaiky ny lalànan’Andriamanitra izy, sady tsy hainy akory izany. Ary izay ao amin’ny nofo dia tsy mahay manao ny sitrapon’Andriamanitra” (Romana 8. 7-8).

Koa rehefa mametraka ny tenany ho eo ambany lalàna ny kristiana, dia mahita fa raha vao misy lalàna tokony harahina, dia dikainy izany, satria tsy manana hery izy hanarahana izany ! Hitany ihany koa fa “ny lalàna no herin’ny ota” (1 Korintiana 15. 56), izany hoe ny lalàna no mahatonga ny ota ao anatiny hanan-kery. Mihoatra noho izany aza, hitany fa manjary sakana ho azy ny Lalàna, satria nametra-tena ho eo ambanin’ny Lalàna izy, mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra, nefa ny mifanohitra amin’izay lazain’ny Lalàna no ataony : ny sitrapon’ny nofo no tanterahiny. Rehefa ilazana tokoa mantsy ny olona (na ankizy na lehibe) hoe aza manao ity zavatra ity, dia te hanao an’io izy, na fara faharatsiny te hanandrana ny hanao izay mifanohitra amin’izay nandraràna azy. Izany no tena toetran’ny nofo : mikomy amin’Andriamanitra ary manao ny mifanohitra tanteraka amin’izay tadiavin’Andriamanitra.

Ø Mifoha ny ota, ka mitarika ady eo amin’ilay toetra taloha sy ny toetra vaovao

Rehefa mametraka ny tenany ho eo ambany lalàna ny kristiana  —na lalàna inona na lalàna inona—  mba hananany fiainam-pahamasinana, dia io lalàna io ihany no mitarika azy hanana fiainana tsy milamina, fa tsy mitondra azy any amin’ilay fiainam-pahamasinana tadiaviny. Ny lalàna tokoa mantsy dia manaitra ilay ota ao anatiny, mampisongadina izany, mba ho hitan’ilay nametra-tena ho eo ambany lalàna fa manana toetra mpanota izy, toetra antsoina ihany koa hoe toetra taloha, na nofo. Io toetra taloha io dia hiady amin’ilay toetra vaovao (antsoina ihany koa hoe toetra avy amin’Andriamanitra), izay noraisiny avy amin’Andriamanitra rehefa niova fo izy. Ny ady eo amin’ny toetra taloha sy ny toetra vaovao dia mitarika ny kristiana ho kivy  —raha tena te hanao ny sitrapon’Andriamanitra tokoa izy—, satria tsy afaka miaina ilay fahamasinana nantenainy izy, noho izy nametraka ny tenany ho eo ambany ziogan’ny Lalàna.

Izany no zavatra niainana ambaran’ny apostoly Paoly  —toy ny hoe izy mihitsy no niaina azy. Rehefa navotan’i Kristy mantsy ny olona, nefa mbola mafana fo ihany manaraka izay andidian’ny lalàna, dia hahita fa ny nofo dia mbola nofo hatrany, satria tsy afaka hankatò izay andidian’ny Lalàna izy. Angamba mbola tsy tena tonga saina ilay olona fa ny vokatry ny asan’i Kristy teo amin’ny hazofijaliana dia ny fanafahana azy amin’ny ota.

Izy anefa dia efa maty ny amin’ny ota, satria natao ho iray amin’i Kristy tamin’ny fahafatesany. Ary “tahaka ny nananganana an’i Kristy tamin’ny maty tamin’ny voninahitry ny Ray” (Romana 6. 4), dia nantsoina handeha amin’ny fiainam-baovao ny kristiana. Ny fanahiny dia mifamatotra amin’Ilay Kristy nitsangana tamin’ny maty. Koa tsy ilay toetra taloha intsony no ahavelomany. Noho izany, tsy manam-pahefana aminy intsony ny Lalàna, ka tsy mila mametra-tena ho eo ambanin’ny Lalàna izy vao hiaina ho voninahitr’Andriamanitra.

Ny kristiana mametra-tena ho eo ambanin’ny ziogan’ny Lalàna mba hiaina fiainam-pahamasinana dia hahatsapa ny herin’ny ota, ny fahalemen’ny nofo, ny ady eo amin’ny toetra taloha sy ny toetra vaovao. Hiaina toe-javatra ara-panahy toy izao lazain’ny apostoly Paoly izao izy : Tsy fantatrareo va, ry rahalahy (fa miteny amin’izay mahalala ny lalàna aho), fa ny lalàna dia manapaka ny olona, raha mbola velona izy ? Fa ny vehivavy izay manambady dia fehezin’ny lalàna ho an’ny lahy, raha mbola velona ny lahy ; fa raha maty kosa ny lahy, dia afaka amin’ny lalànan’ny lahy izy. Koa raha mbola velona ny lahy, ka manambady olon-kafa ravehivavy, dia hatao hoe mpijangajanga izy ; fa raha maty kosa ny lahy, dia afaka amin’izany lalàna izany izy ka tsy mba mpijangajanga, na dia manambady olon-kafa aza. Ary amin’izany ianareo koa, ry rahalahiko, dia efa natao maty ny amin’ny lalàna noho ny tenan’i Kristy, mba ho vadìn’ny hafa ianareo, dia Izay natsangana tamin’ny maty, mba hahavokarantsika ho an’Andriamanitra. Fa fony tao amin’ny nofo isika, dia ny filan’ny ota, izay nohetsehin’ny lalàna, no niasa tao amin’ny momba ny tenantsika (tao amin’ny rantsambatantsika), hahavokatra ho amin’ny fahafatesana. Fa ankehitriny dia efa afaka tamin’ny lalàna isika, satria maty ny amin’izay nihazonana antsika, ka dia manompo amin’ny havaozam-panahy isika, fa tsy amin’ny hahelan-tsoratra...

Kanefa tsy nahalala ny ota aho, raha tsy tamin’ny lalàna, satria tsy fantatro akory ny fitsiriritana, raha tsy ny lalàna no nanao hoe : “Aza mitsiriritra”. Fa io didy io dia nentin’ny ota nampihetsika ny fitsiriritana rehetra tato anatiko ; fa maty ny ota, raha tsy misy lalàna. Ary izaho dia velona tsy manan-dalàna fahiny ; fa rehefa tonga kosa ny didy, dia velona indray ny ota, ka dia maty aho. Ary ny didy izay natao hahazoana fiainana, dia hitako fa nahatonga fahafatesana tamiko kosa. Fa io didy io dia nentin’ny ota namitaka sy nahafaty ahy.

Ka dia masina tokoa ny lalàna, ary masina ny didy sady marina no tsara. Koa ny tsara va no nahafaty ahy ? Sanatria izany ! Fa ny ota no nahafaty ahy, mba hiseho ho ota ; fa ny tsara no nentiny nahafaty ahy, mba ho tonga ota indrindra ny ota noho ny nataon’ny lalàna.

Fa fantatsika fa araka ny fanahy ny lalàna ; fa izaho kosa nofo, namidy ho andevon’ny ota. Fa izay ataoko dia tsy fantatro ; fa tsy izay sitrako no ataoko ; fa izay halako no nataoko. Fa raha manao ny tsy sitrako aho, dia manaiky fa tsara ny lalàna. Ary amin’izany tsy izaho intsony no manao izany, fa ny ota izay mitoetra ato anatiko.

 Fa fantatro fa tsy misy zavatra tsara mitoetra ato amiko, dia ato amin’ny nofoko ; fa ato anatiko ihany ny fikasana, saingy ny hahatanteraka ny tsara no tsy ato. Fa tsy ny tsara izay sitrako no ataoko ; fa ny ratsy izay tsy sitrako no ataoko. Fa raha ny tsy sitrako no ataoko, dia tsy izaho intsony no manao izany, fa ny ota izay mitoetra ato amiko. Koa hitako izao lalàna izao : raha ta hanao ny marina aho, dia ato amiko ihany ny ratsy. Fa mankasitraka ny lalànan’Andriamanitra aho, araka ny toetra anaty ; nefa mahita lalàna hafa amin’ny momba ny tenako (amin’ny rantsambatako) aho, miady amin’ny lalànan’ny saiko ka mamabo ahy ho an’ny lalànan’ny ota izay ao amin’ny momba ny tenako. Indrisy ! olo-mahantra aho ! Iza no hanafaka ahy amin’ny tenan’ity fahafatesana ity ? Misaotra an’Andriamanitra aho amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika” (Romana 7. 1-25).

Ø Tsy mahatratra ny tanjony ny kristiana, rehefa mametraka ny tenany ho eo ambany lalàna, mba hananany fiainam-pahamasinana, na inona na inona izany lalàna izany

Nambaran’ny apostoly Paoly ny zavatra niainan’ilay olona nametraka ny tenany ho eo ambany ziogan’ny lalàna, mba hananany fiainam-pahamasinana, nefa tsy nahavita izany. Koa afaka milaza isika fa rehefa mametra-tena ho eo ambany lalàna, na lalàna inona na inona, nefa efa nahalala ny fahasoavana sy ny famindrampo, dia mametra-tena ho eo amin’ny antsoin’ny apostoly Paoly hoe “fanompoana nitondra ny fanamelohana”, “fanompoana nitondra fahafatesana ..., dia ilay voasoratra teo amin’ny vato” (2 Korintiana 3. 9, 7). Koa tsy fitsipi-pitondrantena ho an’ny kristiana ny lalàna : ny kristiana izany dia tsy tokony hametra-tena ho eo ambany lalàna, na lalàna inona na inona, mba hiainany ny fiainana maha kristiana azy, fiainam-pahamasinana.

MANDEHA AMIN’NY FAHAMASINANA NY KRISTIANA

Marina fa izay nateraka indray dia nambara hoe masina ; ary Andriamanitra, noho ny fahasoavany, dia efa nanome toeram-pahamasinana an’io olona io : “Fa avy aminy (avy amin’Andriamanitra) no nanaovana anareo ho ao amin’i Kristy Jesosy, Izay nataon’Andriamanitra fahendrena sy fahamarinana sy fahamasinana ary fanavotana ho antsika” (1 Korintiana 1. 30). Nefa, raha ny momba ny fiainany andavanandro, dia tokony hasehon’ny kristiana fa tena misy tokoa io toeram-pahamasinana nametrahan’Andriamanitra azy io, satria “izao no sitrapon’Andriamanitra, dia ny hanamasinana anareo... Fa Andriamanitra tsy niantso antsika ho amin’ny fahalotoana, fa amin’ny fahamasinana” (1 Tesaloniana 4. 3, 7). Ny apostoly Petera ihany koa dia mampirisika ny kristiana hoe : “Tahaka ny zanaka manoa, tsy mitondra tena araka ny filanareo fahiny tamin’ny tsy fahalalanareo ; fa araka ny fahamasinan’Ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masina koa ianareo amin’ny fitondrantena rehetra, satria voasoratra hoe : “Ho masina ianareo, satria masina Aho. Ary raha Ilay tsy mizaha tavan’olona, fa mitsara araka ny asan’izy rehetra, no antsoinareo hoe Ray, dia mitondrà tena amin’ny fahatahorana mandritra ny andron’ny fivahinianareo etỳ” (1 Petera 1. 14-17).

Ø Ahoana no hahavitan’ny kristiana miaina fianam-pahamasinana, mba hahafaly an’Andriamanitra ?

Ny miaina mba hankasitrahin’Andriamanitra dia midika hoe miaina ao anaty fahamasinana, satria efa nialàna ny ota. Mba hahatongavana amin’io fahamasinana irina fatratra io, dia tsy maintsy takatry ny kristiana, aloha, hoe iza izy taloha  —talohan’ny nanekeny an’i Jesosy : “ilay olona taloha—, ary iza izy ankehitriny  —ankehitriny, rehefa nateraka indray : “ilay olona vaovao.

Ø Iza moa ilay olona taloha ?

Ny olombelona rehetra tonga eto an-tany dia teraka mpanota, satria taranak’i Adama. Ary noho ny tsy fankatoavan’i Adama no naha tafiditra ny ota teto amin’izao tontolo izao. Ny atao hoe “olona taloha dia ilay olona manana toetra mpanota  —toetra efa lo tanteraka, ka mampiseho ny tena maharatsy azy, rehefa avela hahazo vahana : toetra mpamitaka, lomorina... izany hoe ilay faharatsiana ao amin’ny zanak’olombelona efa lavo, niongana, very hasina. Ny hoe “olona taloha izany dia izay rehetra mampiavaka ny olona ara-nofo, olona mibaribary fa andevon’ny ota  ary tsy afa-manao afa-tsy ny manota ; izany dia satria “ny toetranareo taloha...[dia] mihasimba araka ny filan’ny fitaka” (Efesiana 4. 22).

Ø Iza moa ilay olona vaovao ?

Rehefa manaiky ny Tompo Jesosy ho Mpamonjiny manokana ny olona iray, dia mandray ny aina omen’Andriamanitra ;  “naterak’Andriamanitra” (1 Jaona 3. 9) izy, nateraka indray : koa mandray toetra vaovao izy, “tonga mpiray amin’ny fomban’Andriamanitra” (2 Petera 1. 4). Mihoatra noho izany aza, mamorona “olona vaovao” (na : “toetra vaovao” (Efesiana 4:24 ; Kolosiana 3. 10)) Andriamanitra, ary tafiany amin’io “toetra” io (amin’io olona io) ny olona nanaiky ny Tompo, mba hiaina ao anaty fahamasinana. Koa ilay “olona vaovao izany dia ilay efa “nateraka indray”, ilay mahalala ny dikan’ny hoe :  “hohavaozina kosa ianareo amin’ny fanahin’ny sainareo, ary mba hotafinareo ny toetra vaovao, izay noforonina araka an’Andriamanitra amin’ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana (Efesiana 4.23-24).

Ø Ilay olona taloha dia efa niara-nohomboana tamin’i Kristy teo amin’ny hazofijaliana, mba tsy hanam-pahefana intsony ny ota

Rehefa takatry ny kristiana hoe iza izy taloha (ilay olona taloha) ary iza izy ankehitriny rehefa nino (ilay olona vaovao), dia hitany ao amin’ny Baiboly fa teo amin’ny hazofijaliana i Kristy dia tsy vitan’ny hoe namonjy azy tamin’ny nanonerany ny fahotany, fa koa nanombo ilay olona taloha (izany hoe ilay toetrany taloha voamariky ny ota). Ary izany dia mba “hanimbana ny tenan’ny ota”, izany hoe mba hatao tsy manan-kery intsony ny ota  —tsy manan-kery intsony, satria tsy hoe foana tsy akory ny herin’ny ota, fa tsy afaka miasa amin’ny kristiana intsony ny ota, satria efa niara-maty tamin’i Kristy ny kristiana. Satria tokoa mantsy “raha nampiraisina taminy tamin’ny endriky ny fahafatesany isika, dia ho tahaka izany koa amin’ny fitsanganany ; fa fantatsika fa ny toetrantsika taloha dia niaraka nohomboana taminy, mba tsy hanompoantsika ny ota intsony (Romana 6. 5-6). (Indrisy anefa fa ny ota, ilay fototry ny faharatsiana, dia mbola mitoetra ao amin’ny kristiana ihany, ary hitoetra ao aminy mandritra ny fiainany eto an-tany.)

NAFAHANA TAMIN’NY FAHEFAN’NY OTA NY KRISTIANA

Ø Ny kristiana dia maty, satria nampiraisina tamin’i Kristy tamin’ny nahafatesany : maty ny amin’ny fiainany taloha izy

Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin’i Kristy Jesosy, dia natao batisa ho amin’ny fahafatesany ?” (Romana 6. 3). Noho izany dia maty ny kristiana, maty ny amin’ny ota. Tsy manana fahefana aminy intsony ny ota, satria “izay efa maty dia afaka amin’ny ota” (Romana 6. 7).

Ø Ny kristiana dia velona, satria nampiraisina tamin’i Kristy tamin’ny nitsanganany tamin’ny maty : velona ho an’Andriamanitra izy

Koa niara-nalevina taminy tamin’ny batisa ho amin’ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an’i Kristy tamin’ny maty tamin’ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin’ny fiainam-baovao. Fa raha nampiraisina taminy tamin’ny endriky ny fahafatesany isika, dia ho tahaka izany koa amin’ny fitsanganany” (Romana 6. 4-5).

Araka izany, ny kristiana dia toy ny olona nivoaka avy tao amin’ny fahafatesana, ka velona ; olom-baovao izy. Miaina fiainam-baovao izy, miaina mba hankasitrahin’Andriamanitra :

-    maty ny amin’ny fiainany taloha izy (ny fiainany talohan’ny ninoany ny Tompo Jesosy), ary vokatr’izany dia tsy manan-kery intsony ilay olona taloha, mba tsy hanjaka aminy intsony ny ota  —fahamarinana ekena amin’ny finoana izany ;

-    satria nampiraisina tamin’i Kristy tamin’ny nitsanganany tamin’ny maty izy, dia mifamatotra amin’i Kristy nitsangana tamin’ny maty ny fanahiny : manjary fiainany izany i Kristy.

Nandray ireo fahamarinana ireo ny apostoly Paoly, ka afaka niteny hoe : “Voahombo miaraka amin’i Kristy amin’ny hazofijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko” (Galatiana 2. 20) ; ary matoa ny kristiana atao batisa, dia ny mba hanehoana ampahibemaso fa marina aminy izany zavatra rehetra izany.

Ø Momba ny dikan’ny batisa

Ny kristiana tokoa mantsy dia atao batisa mba hilazany amin’izao tontolo izao fa :

-    nino ny Tompo Jesosy izy ;

-    voavonjy izy ;

-    satria nampiraisina tamin’i Kristy tamin’ny nahafatesany izy, dia maty (maty ny amin’ny fiainany taloha) ;

-    satria nampiraisina tamin’i Kristy tamin’ny nitsanganany tamin’ny maty izy, dia velona (velona ho an’Andriamanitra) ;

-    raha velona izy, dia ho an’i Kristy ;

-    an’i Kristy izy ;

-    mpianatr’i Kristy izy, manaraka ny fampianarany.

Izany no nandidian’ny Tompo Jesosy ireo olona izay hino Azy : “Koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo (Matio 28. 19-20).

Noho izany, ny olona nino dia hatao batisa, izany hoe atsoboka tanteraka ao anaty rano :

-    atsoboka tanteraka ao anaty rano izy, ary manambara amin’izany fa maty ny amin’ny fiainany taloha, ka noho izany, maty ny amin’ny ota ;

-    mivoaka avy ao anaty rano izy, dia manambara fa manomboka izao dia mandeha amin’ny fiainam-baovao izy, satria efa nanjary mpianatry ny Tompo Jesosy, Izay nanolorany ny fiainany manontolo.

Koa hetsika tena manan-danja tokoa izany ny batisa, ary atao am-pahatongavan-tsaina tanteraka :

-    hetsika mampiseho amin’ny fomba hita maso fa tena misy tokoa ny famonjena noraisina tamin’Andriamanitra ;

-    hetsika mampiseho fa nisafidy fiainam-baovao, fiainana ho an’i Kristy ;

-    hetsika mampiseho fa mpianatr’i Kristy, manaraka ny fampianarany.

Noho izany, atao batisa ianao SATRIA voavonjy, fa tsy hoe voavonjy satria natao batisa (tsy hoe atao batisa mba ho voavonjy).

MIAINA FIAINAM-BAOVAO NY KRISTIANA, FIAINANA HO AN’I KRISTY

Ny kristiana dia niara-maty tamin’i Kristy, mba hiaina fiainam-baovao, fiainana ho an’i Kristy : nateraka indray izy mba hiaina fiainam-baovao. “Ary raha niara-maty tamin’i Kristy isika, dia mino fa hiara-belona aminy koa isika ; ary fantatsika fa rehefa nitsangana tamin’ny maty Kristy, dia tsy maty intsony Izy ; tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana. Fa ny amin’ny nahafatesany, dia maty ny amin’ny ota indray mandeha Izy ; fa ny amin’ny ahavelomany kosa, dia velona ho an’Andriamanitra Izy. Ary aoka ho tahaka izany koa ianareo, ka ny tenanareo dia ataovy ho efa maty ny amin’ny ota, fa velona ho an’Andriamanitra, ao amin’i Kristy Jesosy” (Romana 6. 8-11). Noho izany ny kristiana, toy ny efa maty fa velona indray, dia miaina ho an’i Kristy.

Ø Ny hoe miaina fiainam-baovao dia miaina ho an’i Kristy ; ny hoe miaina ho an’i Kristy dia miaina ao anaty fahamasinana

Ny kristiana dia tokony hampiseho ny toetra maha olona vaovao azy, ka hiaina ao anaty fahamasinana. Toy izao ny ampirisihan’ny Soratra Masina azy ho amin’izany :

Koa aza avela ny ota hanjaka amin’ny tenanareo mety maty, hanarahanareo ny filany ; ary aza manolotra ny momba ny tenanareo ho amin’ny ota, ho fiadian’ny tsy fahamarinana ; fa atolory ny tenanareo ho an’Andriamanitra, toy ny efa maty nefa velona, ary ny momba ny tenanareo (ary ireo rantsambatanareo) ho fiadian’ny fahamarinana ho an’Andriamanitra” (Romana 6. 12-13) ;

Koa izao no lazaiko sady ambarako ao amin’ny Tompo : ny tsy mba handehananareo intsony tahaka ny fandehan’ny jentilisa amin’ny fahafoanan’ny sainy ; fa efa tonga maizin-tsaina sy olon-ko azy amin’ny fiainan’Andriamanitra ireny, noho ny tsy fahalalana ny anatiny, noho ny hamafin’ny fony, dia olona tsy mahalala henatra intsony ka nanolo-tena ho amin’ny fijejojejoana hanao izay fahalotoana rehetra amin’ny fieremana. Fa ianareo kosa, dia tsy mba toy izany no nianaranareo an’i Kristy, raha Izy tokoa no renareo ka tao aminy no nampianarana anareo, araka ny fahamarinana izay ao amin’i Jesosy, mba hialanareo ny toetranareo taloha, araka ny fitondrantenanareo fahiny, izay mihasimba araka ny filan’ny fitaka ; fa mba hohavaozina kosa ianareo amin’ny fanahin’ny sainareo, ary mba hotafinareo ny toetra vaovao, izay noforonina araka an’Andriamanitra amin’ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana” (Efesiana 4. 17-24) ;

Fa ny ota tsy hanan-kery aminareo ; fa tsy mba ambanin’ny lalàna ianareo, fa ambanin’ny fahasoavana... Na dia efa mpanompon’ny ota aza ianareo, ny fonareo dia efa nanaraka ny fomban’ny fampianarana izay nanolorana anareo ; ary rehefa natao afaka tamin’ny ota ianareo, dia tonga mpanompon’ny fahamarinana” (Romana 6. 14, 17-18).

Ø Ny kristiana dia tsy manana hery ao aminy samirery mba hiainany fiainam-pahamasinana : mila ny fanampian’ny Fanahy Masina izy

Ary amin’izany dia tsy misy fanamelohana ho an’izay ao amin’i Kristy Jesosy. Fa ao amin’i Kristy Jesosy ny lalànan’ny Fanahin’aina no nahafaka ahy tamin’ny lalànan’ny fahotana sy ny fahafatesana. Fa izay tsy hain’ny lalàna, satria ny nofo no nahalemy azy, dia vitan’Andriamanitra tamin’Izy naniraka ny Zanany, naka ny endriky ny nofo ota sy ny amin’ny ota, ka nanameloka ny ota tao amin’ny nofo,  mba hahatanteraka ny fahamarinana ilain’ny lalàna amintsika, izay tsy mandeha araka ny nofo, fa araka ny Fanahy (Romana 8. 1-4).

Koa ny Fanahy Masina izany no manampy ny kristiana, mba hahafahany miaina fiainam-pahamasinana. Ilay Andriamanitra Fanahy Masina tokoa mantsy no manampy antsika, satria tsy manana hery isika, ao amin’ny tenantsika manokana, mba hanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra. Noho izany dia ampirisihina ny kristiana hamela ny Fanahy Masina hitarika azy, satria ny Fanahy Masina no mamelona ny fiainan’ny kristiana.

Ø Ny Fanahy Masina no mamelona ny fiainan’ny kristiana, mba handehanany araka ny fahamasinana

Fa ianareo tsy ao amin’ny nofo, fa ao amin’ny Fanahy, raha ny Fanahin’Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo. Fa raha misy kosa tsy manana ny Fanahin’i Kristy, dia tsy Azy izy. Fa raha Kristy no mitoetra ao anatinareo, na dia maty ihany aza ny tena noho ny ota, dia fiainana kosa ny fanahy noho ny fahamarinana. Ary raha ny Fanahin’Izay nanangana an’i Jesosy tamin’ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia Izay nanangana an’i Kristy Jesosy tamin’ny maty no hamelona ny tenanareo mety maty amin’ny Fanahiny, Izay mitoetra ao anatinareo.

Ary amin’izany, ry rahalahy, dia mpitrosa isika  —tsy amin’ny nofo anefa, ka ho velona araka ny nofo. Fa raha velona araka ny nofo ianareo, dia tsy maintsy maty ; fa raha ny Fanahy no amonoanareo ny asan’ny tena, dia ho velona ianareo” (Romana 8. 9-13).

Hoy ny apostoly Paoly mampirisika antsika : “Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan’ny nofo ianareo. Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo ; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanareo manao izay zavatra tianareo. Fa raha tarihin’ny Fanahy ianareo, dia tsy mba ambanin’ny lalàna (Galatiana 5. 16-18).

Marina fa efa fantatsika hoe tsy eo ambany lalàna isika, satria “tsy ny olona marina no nanaovana ny lalàna, fa ny mpandika lalàna sy ny maditra, dia ny tsy matahotra an’Andriamanitra sy ny mpanota, ny olona tsy manaja izay masina sy ny olona vetaveta, ny mpamono ray sy ny mpamono reny, ny mpamono olona, ny mpijangajanga, ny sodomita, ny mpangalatra olona, ny mpandainga, ny mpianian-tsy to, ary na inona na inona manohitra ny fampianarana tsy misy kilema (1 Timoty 1. 8-10). Nefa izay andidian’ny Lalàna dia tanteraka ao amin’ny fiainan’ny kristiana, satria miaina araka ny Fanahy izy. Ary hainy tanterahina mihitsy aza “ilay didy ambony indrindra ..., araka ny Soratra Masina hoe : ‘Tiava ny namanao tahaka ny tenanao’  (Jakoba 2. 8). Koa afaka mitia ny namany ny kristiana, noho ny fanampian’ny Fanahy Masina.

Tsy maintsy mandeha araka ny Fanahy ny kristiana, mba hiainany ny fahamasinana. Koa tsy rehefa mametraka ny tenany ho eo ambany lalàna tsy akory izy, na rehefa manao ezaka tsy hisy vokany, no ho afaka mandeha araka ny fahamasinana, fa tena rehefa mamela mihitsy ny Fanahy Masina hiasa ao anatiny. Tsara ny mampahatsiahy eto fa satria ao amin’i Kristy isika, dia andevon’Andriamanitra, raha ny marina ; miaina ho Azy isika, miaina ho an’Ilay Zanany, araka ny voasoratra hoe : “Andriamanitra naniraka ny Zanany Lahitokana tamin’izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin’ny alalany” (1 Jaona 4. 9). Enga anie mba ho Kristy no ho faka tahaka sy tanjona tratrarintsika !

Ø Fanontaniana iray : nahoana no manota ny kristiana ?

Hataontsika izay efa maty ny amin’ny ota ahoana no ho velona aminy ihany ? (Romana 6. 2).

Ny kristiana dia mbola velona ao amin’ny ota ihany, noho ny nofo izay mbola ao anatintsika, izay miasa raha tsy hazonina ho faty. Izany no ampirisihin’ny apostoly Paoly hoe : “Ny tenanareo dia ataovy ho efa maty ny amin’ny ota, fa velona ho an’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy” (Romana 6. 11).

Ø Fanamarihana : rehefa manota ny kristiana...

Ny fahotana dia asan’ny nofo. Fa miharihary ny asan’ny nofo, dia izao : Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adilahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana, fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany” (Galatiana 5. 19-21). Rehefa miseho toy izany ny nofo, dia manota ny kristiana : maniratsira an’Andriamanitra izy ; manapaka ny fiombonana amin’Andriamanitra izany, ary manimba ny fizotra amin’ny maha kristiana. Ny kristiana mamela ny nofony hanjaka toy izany dia atao hoe « kristiana araka ny nofo ».

Rehefa nanota ny kristiana, dia tokony hiaiky izany eo no ho eo amin’Andriamanitra, mba hahazoany famelan-keloka, araka ny voasoratra hoe : “Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky (tsy mivadika amin’ny Teniny) sy marina (amin’i Jesosy Kristy) Izy (Andriamanitra) ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra” (1 Jaona 1. 9) ; ary tsy izany ihany, fa mba ho tafaverina ihany koa ny fiombonany amin’Andriamanitra.

Araka ny toerana misy azy, dia masina ny kristiana, eo anatrehan’Andriamanitra : “Fa avy aminy (avy amin’Andriamanitra) no nanaovana anareo ho ao amin’i Kristy Jesosy, Izay nataon’Andriamanitra fahendrena sy fahamarinana sy fahamasinana ary fanavotana ho antsika” (1 Korintiana 1. 30). Saingy mandritra ny fiainany eto an-tany, dia tsy maintsy miaiky eo anatrehan’ny Rainy izay fahotana nataony izy, mba tsy hahatapaka ny fiombonany amin’Andriamanitra sy amin’i Jesosy Kristy Zanany. Nohazavain’ny Tompo rahateo izany fahamarinana izany tamin’ny nanasany ny tongotry ny mpianany. Hoy Izy tamin’i Petera, izay nitady ho sasana tanteraka, hoe : “Izay efa nandro tsy mila hosasana, afa-tsy ny tongotra ihany, fa efa madio avokoa ; ary ianareo dia madio” (Jaona 13. 10). Petera tokoa mantsy dia efa “madio, izany hoe efa voavonjy, saingy tsy maintsy manana fiombonana tsy tapaka amin’Andriamanitra izy, momba ny fandehany eto an-tany, koa izany no atao kisarisary amin’ny fanasana ny tongony.

Andriamanitra dia mamela tokoa ny helok’ireo zanany manota, toy ny namelany heloka an’i Davida mpanjaka, rehefa niaiky izy hoe : “Ny fahotako nambarako taminao, ary ny heloko tsy mba nafeniko. Hoy izaho : Hiaiky ny fahadisoako amin’i Jehovah aho ; ary Ianao dia namela ny heloky ny fahotako” (Salamo 32. 5). Navelany heloka i Davida, satria “Izay manafina ny fahotany tsy hambinina ; fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindrampo” (Ohabolana 28. 13). “Anaka, izany zavatra izany no soratako aminareo mba tsy hanotanareo” (1 Jaona 2. 1).

Ø Torohevitra mba tsy hanotana

Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan’ny nofo ianareo” (Galatiana 5. 16).

o Ny hoe mandeha araka ny Fanahy dia midika hoe mihevitra mandrakariva ireo zavatra momba an’Andriamanitra : “Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha-te ho tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia hevero izany” (Filipiana 4. 8).

o Ny hoe mandeha araka ny Fanahy dia midika ihany koa hoe mamela ny Fanahy Masina hamokatra vokatra ara-panahy ao anatintsika ; ary “ny vokatry ny Fanahy ... dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po” (Galatiana 5. 22-23). Izay kristiana mandeha araka ny Fanahy toy izany no atao hoe « kristiana ara-panahy ».

Fanamarihana :

Ny kristiana ara-panahy dia mitandrina ny didin’ny Tompo : “Ary izao no ahafantarantsika fa mahalala Azy isika, dia ny fitandremana ny didiny. Izay manao hoe : Fantatro Izy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary ny marina tsy ao anatiny. Fa na iza na iza mitandrina ny teniny, dia tanteraka ao aminy marina tokoa ny fitiavana an’Andriamanitra ; izany no ahafantarantsika fa ao aminy isika. Izay milaza fa mitoetra ao aminy izy, dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa” (1 Jaona 2. 3-6).

Tandremo : ny didy omen’i Kristy ny kristiana dia tsy lalàna tsy maintsy arahina mba hahazoana fiainana : efa manana ny ain’Andriamanitra ny kristiana, ao anatiny. Ny didy omen’i Kristy dia fanehoana ny sitrapon’ny Ray ho an’ny zanany  —izay manana ilay toetra vaovao, dia ny toetran’Andriamanitra, ary manana ny Fanahy Masina ho mpanampy azy. Ny didy omen’i Kristy dia mampianatra ny kristiana hiaina amin’ny fomba ankasitrahin’Andriamanitra.

·   NY KRISTIANA DIA AFAKA AMIN’NY FAHEFAN’NY DEVOLY, AFAKA AMIN’NY TAHOTRA NY MPANAO ODY, AFAKA AMIN’NY FINOANOAM-POANA ISAN-KARAZANY

Fantatry ny kristiana fa misy ny devoly ary manana fahefana hanao ratsy, saingy fantany koa fa “lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, sady mahatahotra, fa ambonin’ny andriamanitra rehetra. Fa ny andriamanitry ny firenena dia tsinontsinona ; fa Jehovah no nanao ny lanitra” (Salamo 96. 4-5). Koa dia fantatry ny kristiana ao am-pony ao fa Andriamanitra dia ambony sady lehibe noho ny devoly sy ny demonia, resy lahatra izy fa “izay naterak’Andriamanitra, dia miaro ny tenany ka tsy mikasika azy akory ilay ratsy (1 Jaona 5. 18). Io fahazoana antoka io dia miorina amin’izay lazain’ny Soratra Masina sy ireo fanomezan-toky omeny izay olona nateraka indray :

o Izao no nisehoan’ny Zanak’Andriamanitra, dia ny handrava ny asan’ny devoly” (1 Jaona 3. 8) ; Andriamanitra dia “nahafaka antsika tamin’ny fahefan’ny maizina ka namindra antsika ho amin’ny fanjakan’ny Zanany malalany” (Kolosiana 1. 13) ;

o Anaka, ianareo dia avy amin’Andriamanitra ary efa naharesy ireny, satria lehibe Izay ao aminareo noho izay ao amin’izao tontolo izao” (1 Jaona 4. 4) ;

o Ilay “Andriamanitry ny fiadanana hanorotoro an’i Satana faingana eo ambanin’ny tongotrareo” (Romana 16. 20).

·   NY KRISTIANA DIA AFAKA AMIN’NY TAHOTRA NY FAHAFATESANA

Koa satria manana nofo aman-dra ny zaza, dia mba nandray izany koa Izy (Jesosy), mba handringanany amin’ny fahafatesana ilay manana ny herin’ny fahafatesana, dia ny devoly, ary mba hanafahany izay rehetra nandany ny fiainany rehetra tamin’ny fahandevozana noho ny tahotra ny fahafatesana” (Hebreo 2. 14-15).

Koa afaka miara-manambara amin’ny apostoly Paoly ny kristiana hoe : “Fa Kristy no anton’ny ahavelomako, ary ny fahafatesana no hahazoako tombony… Maniry hiala [aho] ka ho ao amin’i Kristy, satria tsara lavitra izany” (Filipiana 1. 21, 23). Afaka amin’ny fahatahorana ny fahafatesana ny kristiana, satria azony antoka fa ny fahafatesana dia dingana mitondra azy any amin’i Kristy, Ilay Tompony Izay miandry azy any am-paradisa. Ankoatra izany, fantany fa raha maty izy, dia mbola hitsangana amin’ny maty ; ary raha mbola velona izy rehefa hiverina ny Tompo, dia hakarina hitsena azy. Ho an’ny kristiana, io fanafahana amin’ny tahotra ny fahafatesana io dia mifamatotra amin’ny fahazoana antoka fa hitsangana amin’ny maty, ary mifamatotra koa amin’ny fiandrasana ny fiverenan’ny Tompo Jesosy.

NY FIAINANA KRISTIANA :

LOHARANON-KERY SASANTSASANY HAHAFAHANA MIAINA IZANY

Voavonjy tsy ho any amin’ilay afo tsy mety maty  —ny helo—  ny kristiana, ary anisan’ireo nantsoina ho any an-danitra : Andriamanitra “namonjy antsika sy niantso antsika tamin’ny fiantsoana masina, tsy araka ny asantsika, fa araka ny fikasany sy ny fahasoavany, izay nomena antsika tao amin’i Kristy Jesosy hatry ny fony fahagola (2 Timoty 1. 9). Nefa tsy manana hery mihitsy ny kristiana, ao anatiny ao, mba hiainany izany antson’ny lanitra izany. Koa ilainy ireo loharanon-kery omen’Andriamanitra. “Noho ny famindrampon’Andriamanitra” (Romana 12. 1), dia nomeny azy ireo loharanon-kery ireo, hahafahany manana fiainana voatokana ho an’Andriamanitra sy manolo-tena tanteraka hanompo ny Tompo, izany hoe hahafahany manana fiainana mitovy amin’ny fiainan’i Kristy teto an-tany.

·   NY FANAHY MASINA 

ü Mitoetra ao anatin’ny kristiana ny Fanahy Masina

Ao aminy koa ianareo, rehefa nino, no nasiana tombo-kase tamin’ny Fanahy Masina (Efesiana 1. 13) ;

Ny tenanareo dia tempolin’ny Fanahy Masina, Izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin’Andriamanitra (1 Korintiana 6. 19) ;

Tempolin’Andriamanitra ianareo, ary ny Fanahin’Andriamanitra mitoetra ao anatinareo (1 Korintiana 3. 16).

Izay nanangana an’i Kristy Jesosy tamin’ny maty no hamelona ny tenanareo mety maty amin’ny Fanahiny, Izay mitoetra ao anatinareo (Romana 8. 11).

ü Manampy ny kristiana hitandro ny fiombonana amin’Andriamanitra ny Fanahy Masina

Marina fa tsy olona lavorary tsy akory ilay olona navotan’i Kristy, ka hoe tsy hanota mihitsy. Kanefa, raha nanota izy (izay zavatra tsy tokony hisy matetika, araka ny apostoly Jaona), dia miasa ao am-pony ny Fanahy Masina, Izay mitoetra ao anatiny, ka mitarika azy hanaiky fa tena ratsy ny fahadisoany ary hiaiky azy ireo amin’Andriamanitra, mba hahazoany famelan-keloka sy hahitany indray ny fiombonany amin’Andriamanitra, satria “Andriamanitra dia mazava, ary tsy misy maizina akory ao aminy. Raha hoy isika : Manana firaisana aminy isika, kanefa mandeha amin’ny maizina, dia mandainga isika ka tsy manao ny marina. Fa raha mandeha eo amin’ny mazava isika, tahaka Azy eo amin’ny mazava, dia manana firaisana isika, ary ny ran’i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra. Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy (Andriamanitra) ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra (1 Jaona 1. 5-7, 9). Ny asan’ny Fanahy Masina ao anatin’ny zanak’Andriamanitra, izany, no ahafahany mihazona ny fiombonana amin’ny Rainy. Noho izany ny mpino dia tsy tokony hampisy alahelo ny Fanahy Masina : “Ary aza mampalahelo ny Fanahy Masin’Andriamanitra, Izay nanisiana tombo-kase anareo ho amin’ny andro fanavotana (Efesiana 4. 30).

ü Mifona ho an’ny kristiana ny Fanahy Masina

Rehefa feno fanahiana ny kristiana, na mitebiteby, na mitaintaina, na manana olana..., dia mifona (mivavaka) ho azy ny Fanahy Masina, mifona amina hafanam-po feno araka ny maha Andriamanitra azy, “amin’ny fitarainana tsy azo tononina (amina fitarainana tsy hay ambara), mba hampita ny filan’io kristiana io amin’Andriamanitra : Ny Fanahy no mamonjy ny fahalementsika : fa tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika ; fa ny Fanahy no mifona amin’ny fitarainana tsy azo tononina. Ary Izay mandinika ny fo no mahalala izay hevitry ny Fanahy, satria araka an’Andriamanitra ny fifonany ho an’ny olona masina” (Romana 8. 26-27).

ü Mitarika antsika hibanjina an’i Kristy ny Fanahy Masina, mijoro ho vavolombelon’i Kristy, mahatonga antsika hankafy ny zavatry ny lanitra

Hoy Jesosy : ny Ray “hanome anareo Mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, dia ny Fanahin’ny fahamarinana, Izay tsy azon’izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany ; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo…

Ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako, Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo…

Fa raha tonga ny Fanahin’ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dàlana anareo ho amin’ny marina rehetra ; fa tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa ; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo. Izy hankalaza Ahy ; fa handray avy amin’ny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo. Izay rehetra ananan’ny Ray dia Ahy avokoa, koa izany no nilazako fa mandray avy amin’ny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo (Jaona 14. 16-17, 26; 16. 13-15).

Tonga teto an-tany tokoa ny Fanahy Masina. Ambarany amin’ny kristiana ny maha Izy Azy ny Tompo Jesosy, ny toetrany, ary ny asany. Lazainy antsika ny momba ny fitiavan’i Kristy, ary fahafinaretana ho Azy ny mameno ny fontsika amin’i Kristy, mba hahaizantsika miaina ho an’i Kristy.

Tonga ihany koa ny Fanahy Masina mba ho vitantsika kristiana ny mijoro ho vavolombelon’i Kristy. Izany indrindra no nahatonga ny apostoly Paoly nampirisika an’i Timoty hoe : “Ary noho izany dia mampahatsiaro anao aho mba hamelomanao ny fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra, izay ao anatinao tamin’ny fametrahako ny tànako. Fa tsy nomen’Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena (2 Timoty 1. 6-7).

·   NY BAIBOLY, izay Tenin’Andriamanitra

Ny kristiana dia manaiky izao fahamarinana izao : ny Baiboly dia Tenin’Andriamanitra, Teny tsy mety diso, miantefa amin’ny olombelona.

Andriamanitra no nanoratra ny Baiboly, na dia nampiasa olona samy manana ny toetra mampiavaka azy avy aza. Mahagaga tokoa ny fomba nitarihan’Andriamanitra ireo olona hanoratra ny Baiboly : ny voambolana tsirairay ao amin’ny Soratra Masina dia nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra ; koa voasoratra hoe :

o Fa tsy nisy faminaniana avy tamin’ny sitrapon’ny olona, tany aloha rehetra ; fa avy tamin’Andriamanitra no nitenenan’ny olona, araka izay nitondran’ny Fanahy Masina azy” (2 Petera 1. 21);

o Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon’Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra” (2 Timoty 3. 16-17)

Ho antsika kristiana, ny Baiboly dia Tenin’Andriamanitra “velona sy mahery” ary “maharitra mandrakizay” (Hebreo 4.  12 ; 1 Petera 1. 23, 25). “...  rehefa nandray ny tenin’Andriamanitra izay notorinay ianareo, dia tsy noraisinareo ho tenin’olona, fa araka izay marina, dia ny tenin’Andriamanitra” (1 Tesaloniana 2. 13).

ü Ny Tenin’Andriamanitra, sakafom-panahy ho an’ny kristiana

Tahaka ny zaza vao teraka, dia maniria ny rononom-panahy tsy misy fitaka, mba hitomboanareo amin’izany ho amin’ny famonjena” (1 Petera 2. 2-3).

Rehefa mamaky ny Baiboly ny zanak’Andriamanitra, dia mahita ny Tompony, ny fitiavany, ny fiheviny ary ny sitrapony. Fa hitany koa ny fony  —izay ratsy hatrany am-boalohany—, satria “velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin’ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo” (Hebreo 4. 12).

Ny famakiana ny Baiboly dia manampy ny zanak’Andriamanitra hiala amin’ireo fampianaran-diso, ireo fombafomba ara-pivavahana, ireo hevitra noforonin’ny saina na nekena, nefa tsy misy fototra ara-Baiboly... Afaka amin’ireny fanandevozana rehetra ireny ny kristiana, araka ny toky nomen’i Jesosy hoe : “Raha maharitra amin’ny teniko ianareo, dia ho mpianatro tokoa ; ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo (Jaona 8. 31-32).

Io famakiana ny Baiboly io koa no manampy ny kristiana hahatakatra ny sitrapon’Andriamanitra ; izany no mahatonga ny apostoly Paoly hiteny amin’i Timoty hoe : “Mandra-piaviko, tandremo ny famakian-teny” (1 Timoty 4. 13). Rehefa mifikitra amin’ny famakiana ny Teny isanandro ny mpino, dia manampy azy izany hiaina ny fisarahana amin’izao tontolo izao : “Aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao ; fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahina no marina” (Romana 12. 2).

 “Aoka ny tenin’i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo (Kolosiana 3. 16), satria ny tenin’i Kristy no “tenin’ny fiainana mandrakizay (Jaona 6. 68). Izany no mamelona ny fanahy, tarihiny hieritreritra zavatra tsara sy avo dia avo, ary handinika ny fikasan’Andriamanitra sy ny fiheviny.

·   NY FANATREHAN’NY TOMPO MANDRAKARIVA

o Hoy Jesosy : “Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao” (Matio 28. 20).

o Andriamanitra mihitsy no miteny hoe : “ ‘Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory’. Ka dia sahy manao hoe isika : ‘Jehovah no Mpamonjy ahy, ka tsy hatahotra aho ; inona no azon’ny olona atao amiko ?’  (Hebreo 13. 5-6).

Tena zava-dehibe, izany, ny hahatakaran’ny kristiana fa eo tokoa ny Tompo, eo anilany, amin’ny isanandrom-piainany. Ary izany fanatrehan’ny Tompo izany no mampirisika sy mankahery azy mandritra ny diany : tsy irery ny kristiana, fa miara-mandeha amin’ny Tompony.

·   TSY MITSAHATRA NY MIFONA HO ANTSIKA NY TOMPO JESOSY

Ny Tompo Jesosy dia mifona ho antsika (manalalana antsika) amin’Andriamanitra, mba tsy ho tapaka ny fiombonantsika amin’Andriamanitra.

Manalalana Izy mba hahazoantsika famindrampo sy famotsoran-keloka. Manalalana Izy mba hokarakarain’Andriamanitra sy hanehoany ny fahamorampony isika, na amin’ny andro mahafaly na amin’ny andro mahory. Manalalana ihany koa Izy mba tsy hanota isika ; ary raha sanatria aza ka misy izany, dia mifona ho antsika ny Tompo Jesosy mba hametrahan’ny Fanahy Masina ny Tenin’Andriamanitra ao am-pontsika, ka hahatonga antsika hanetry tena, ho resy lahatra fa nanota, hibebaka amin’Andriamanitra, ary hanosika antsika hiaiky ny fahadisoantsika amin’Andriamanitra mba ho voavela heloka.

Raha fintinina, dia mifona ho antsika ny Tompo Jesosy mba hanarenany antsika. Io fanarenana io dia hita amina fiovana tanteraka eo amin’ny fisainana sy ny fitondrantena, hany ka voahazona eo amin’ny fiainantsika ny hajan’Andriamanitra, ary mahita indray ny fiombonana amin’Andriamanitra isika.

Voahazona io fiombonana io noho ny fifonan’i Kristy, Ilay Mpisolovava antsika : Izy dia “manana fisoronana tsy dimbiasina, satria maharitra mandrakizay Izy ; koa amin’izany dia mahavonjy tokoa izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany Izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy (Hebreo 7. 24-25). “Anaka, izany zavatra izany no soratako aminareo mba tsy hanotanareo. Ary raha misy manota, dia manana Solovava ao amin’ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay Marina (1 Jaona 2. 1). Koa Mpisolovava no asan’ny Tompo ho an’ny kristiana nanota. Nefa koa Mpisoronabe Izy, noho ny fahalementsika ; hany ka rehefa tojo olana isika, dia mifona amin’Andriamanitra ho antsika Izy.

·   NY VAVAKA

Aza manahy na inona na inona ; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy” (Filipiana 4. 6-7).

Mivavaha mandrakariva ao amin’ny Fanahy, amin’ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka miambena amin’izany amin’ny faharetana sy ny fangatahana rehetra ho an’ny olona masina rehetra (Efesiana 6. 18). “Ary raha mivavaka ianareo, aza mba ho tahaka ny mpihatsaravelatsihy ; fa izy tia ny mivavaka mitsangana eo amin’ny synagoga sy eo an-joron-dàlana, hahitan’ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany. Fa ianao kosa, raha mivavaka, dia midira ao amin’ny efitranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin’ny Rainao, Izay ao amin’ny mangingina ; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin’ny mangingina, no hamaly anao.

 Ary raha mivavaka ianareo, dia aza mba manao teny maro foana tahaka ny jentilisa ; fa ataony ho ny hamaroan’ny teniny no hihainoana azy. Koa aza manahaka azy ianareo ; fa fantatry ny Rainareo izay tokony ho anareo, raha tsy mbola mangataka aminy aza ianareo (Matio 6. 5-8). “Apetraho aminy ny fanahianareo rehetra ; fa Izy no miahy anareo (1 Petera 5. 7).

o Inona no atao hoe vavaka ?

Ny vavaka dia fanehoana ny filana lalina any anaty any, entina eo anatrehan’Andriamanitra an-kalalahana sy am-pahatokiana : ry kristiana, “aoka isika hanatona ny sezafiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin’izay andro mahory (Hebreo 4. 16).

o Ahoana no fivavaka ?

Ny vavaka dia tsy famerimberenana teny atao tsianjery, fa fangatahana voafaritra mazava tsara amin’Andriamanitra, toy ny ohatra omen’i Jesosy : “Ry sakaiza, ampisambory mofo telo aho (Lioka 11. 5). Koa tokony hazava izany ny zavatra lazaina amin’Andriamanitra, ary manao fangatahana araka ny hahatsapana azy.

o Nahoana ny kristiana no tokony hivavaka tsy mitsahatra ?

Tian’Andriamanitra hitohy tsy tapaka mihitsy ny fiombonantsika aminy. Anisan’ny fomba hitandrovana izany fifandraisana izany ny vavaka  —izay firesahana amin’Andriamanitra. Ny vavaka anefa dia mety haka endrika fanelanelanana, izany hoe fivavahana ho an’olon-kafa. Jesosy, ohatra, dia nivavaka ho an’ny mpianany, hoe : “Izaho mangataka ho azy ; tsy mangataka ho an’izao tontolo izao Aho, fa ho an’izay nomenao Ahy, satria Anao izy (Jaona 17. 9). Ny apostoly Paoly koa dia nangataka matetika mba hivavaka ho azy ny kristiana, satria tiany mba hahomby ny asa nataony ho an’Andriamanitra. Ka hoy izy :

– tamin’ny Korintiana : “Ary Izy (Andriamanitra) no nahafaka… Izy no antenainay fa mbola hanafaka anay koa, satria ianareo koa miara-miasa ho anay amin’ny fivavahanareo, mba hisaoran’ny maro ny aminay noho ny fahasoavana azonay tamin’ny nataon’ny maro (2 Korintiana 1. 10-11) ;

– tamin’ny Romana : “Ary mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny amin’i Jesosy Kristy Tompontsika sy ny fitiavana avy amin’ny Fanahy, mba hiarahanareo miezaka amiko amin’ny fivavahanareo amin’Andriamanitra ho ahy, mba ho voavonjy amin’ny tsy mino any Jodia aho, ary mba hankasitrahan’ny olona masina izay fanompoana hataoko any Jerosalema, mba hankanesako any aminareo amin’ny fifaliana, raha sitrapon’Andriamanitra, ka samy ho velombelona ny fontsika (Romana 15. 30-32).

Ampirisihina hivavaka ny kristiana rehetra, mba hananganan’Andriamanitra mpanompo hanao ny asany, satria “be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy ; koa amin’izany, mangataha amin’ny Tompon’ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra (Matio 9. 38).

Izao no lazain’i Jesosy amin’ny kristiana : “Ary na inona na inona no hangatahinareo amin’ny anarako, dia hataoko izany, mba hankalazana ny Ray eo amin’ny Zanaka. Raha mangataka zavatra amiko amin’ny anarako ianareo, dia hataoko izany (Jaona 14. 13-14). Koa “mangataha, dia hahazo ianareo, mba ho tanteraka ny fifalianareo (Jaona 16. 24). Saingy mangataha araka ny sitrapon’Andriamanitra, satria voasoratra hoe : “Raha mangataka zavatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy ; ary raha fantatsika fa mihaino antsika Izy, na inona na inona no angatahintsika, dia fantatsika fa azontsika izay angatahintsika aminy (1 Jaona 5. 14-15).

·   NY TSY FIOVAOVAN’I KRISTY SY NY FAHASOAVANY

Andriamanitra tsy mba olona ka handainga, na zanak’olombelona ka hanenina ; moa efa nilaza va Izy, ka tsy hefainy ? na efa niteny va Izy, ka tsy hotòviny ? (Nomery 23. 19). “Fa na dia tsy matoky Azy aza isika, dia mbola mahatoky ihany Izy, fa tsy mahazo mandà ny tenany (2 Timoty 2. 13). “Aoka hohazonintsika mafy ny fanekena ny fanantenana mba tsy hihozongozonany (fa mahatoky Ilay efa nanao ny teny fikasana) (Hebreo 10. 23).

Koa ianao, anaka, dia aoka hihahery amin’ny fahasoavana izay ao amin’i Kristy Jesosy (2 Timoty 2. 1).

·   NY FANANTENANA NY FIAINANA MANDRAKIZAY

Mahazo antoka ny kristiana fa tsy ho ela dia ho tafaraka amin’ny Tompony ao an-danitra

o Ny fanantenana izay tehirizina any an-danitra ho anareo, dia ilay efa renareo fahiny tamin’ny tenin’ny fahamarinan’ny filazantsara… Kristy ao anatinareo, Izay fanantenana ny voninahitra (Kolosiana 1. 5, 27).

o Satria manana izany fanantenana izany izahay, dia sahy tokoaFa isika rehetra kosa amin’ny tava tsy misarona dia mijery ny voninahitry ny Tompo toy ny amin’ny fitaratra, ka ovana hahazo izany endrika izany indrindra avy amin’ny voninahitra ka ho amin’ny voninahitra, toy ny avy amin’ny Tompo, dia ny Fanahy” (2 Korintiana 3. 12, 18). “Mifalia amin’ny fanantenana ; miareta amin’ny fahoriana ; mahareta amin’ny fivavahana (Romana 12. 12).

o Fa raha tàhiny mitondra fahoriana noho ny fahamarinana ianareo, dia sambatra ; ary aza matahotra tahaka azy, ary aza mangorohoro ianareo ; fa manamasìna an’i Kristy ho Tompo ao am-ponareo ; ary aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly izay manontany anareo ny amin’ny anton’ny fanantenana ao anatinareo, nefa amin’ny fahalemem-panahy sy ny fanajana” (1 Petera 3. 14-15).

Koa ny fanantenana kristiana dia tsy hoe fanantenana manjavozavo irina ho tanteraka. Ny fanantenana kristiana dia fahazoana antoka feno : ho any an-danitra marina tokoa ireo tena kristiana (fa tsy ireo izay mitondra fotsiny io anarana io tsy akory, nefa tsy tena izy).

·   NY FIADIAN’NY KRISTIANA

Mahonòna tena, miambena : fa ny devoly fahavalonareo, mandehandeha tahaka ny liona mierona, mitady izay harapany ; tohero izy, ka miorena tsara amin’ny finoana ianareo (1 Petera 5. 8-9).

Ny kristiana dia tokony hahalala fa miatrika ady, ady hanoherany an’i Satana sy ireo demoniany. Saingy tsy basy aman-tafondro no entin’ny kristiana miady amin’ny devoly, ilay fahavalo mampahatahotra ! Kiraroany “ny fahavononam-panahy avy amin’ny filazantsaran’ny fihavanana ny tongony, fiadiana ara-panahy no entiny. Ny fiadiana rehetra entin’ny kristiana tokoa mantsy dia ara-panahy, ny ankamaroany ho fiarovan-tena, afa-tsy ny Tenin’Andriamanitra sy ny vavaka, izay fiadiana fanafihana. Io ady io dia lazaina hoe adin’ny finoana. Izany no ilazan’ny apostoly Paoly an’i Timoty hoe : “Izao didy izao no omeko anao, ry Timoty zanako, araka ireo faminaniana natao fahiny ny aminao ireo, mba hoentinao miady ny ady tsara ireo, amin’ny itananao ny finoana sy ny fieritreretana tsara… Miadia ny ady tsaran’ny finoana (1 Timoty 1. 18-19; 6. 12).

Koa izao no lazaina amin’ireo kristiana rehetra mirotsaka ao amin’io tena ady ara-panahy io, ady amin’ny herin’ny ratsy : “Mahereza ao amin’ny Tompo sy amin’ny herin’ny faherezany. Tafio avokoa ny fiadian’Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin’ny fanangolen’ny devoly...
Raiso avokoa ny fiadian’Andriamanitra, mba hahazoanareo hanohitra amin’ny andro mahory ; ary rehefa vitanareo avokoa, dia hahafahatra
(tsy hihozongozona amin’ny finoana) ianareo. Mifahara ary, ka sikino fahamarinana ny valahanareo, ary mitafia ny rariny ho fiarovan-tratra, ary kiraroy ny fahavononam-panahy avy amin’ny filazantsaran’ny fihavanana ny tongotrareo ; ary ho fanampin’izany rehetra izany dia tano ny finoana ho ampinga, izay hahazoanareo hamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra izay alefan’ilay ratsy. Ary raiso ny famonjena ho fiarovan-doha sy ny tenin’Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy” (Efesiana 6. 10-11, 13-17).

Fanamarihana :

Ny fiafaràn’io ady io dia ny fandresen’ny kristiana, satria efa azon’i Kristy ny fandresena, tamin’ny nanomboana Azy teo amin’ny hazofijaliana sy ny nitsanganany tamin’ny maty : “Ary nesoriny tsy ho eo amin’ny tenany ny fanapahana sy ny fahefana, ary noho ny hazofijaliana dia nasehony miharihary ny fitòndrany ireo toy ny fanaon’izay avy nandresy (Kolosiana 2. 15). Noho izany dia efa voatorotoro ny fahefan’i Satana amin’ny kristiana.

NY ANDRAIKITRY NY KRISTIANA

LAFINY VITSIVITSY

Ny andrasan’Andriamanitra amin’ny zanany, dia ny handehanan’izy ireo eo anatrehany toy ny nandehanan’i Kristy : “Izay milaza fa mitoetra ao aminy (ao amin’Andriamanitra) izy, dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany (nandehanan’i Kristy) koa” (1 Jaona 2. 6). Ny andraikitry ny kristiana dia ny manao izay hahitana eo amin’ny fiainany andavanandro ny fiainana madio sy tsy misy pentina niainan’i Kristy, mba ho fijoroany ho vavolombelona eo amin’izao tontolo izao. Amin’ny fomba ahoana moa ? Amin’ny fiombonany tsy tapaka amin’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny vavaka, ny famakiana ny Baiboly, ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, ny fisarahana marina amin’izao tontolo izao sy ny fitarihany, amin’ny  fitoerana ao amin’Andriamanitra. Ny hoe “mitoetra ao amin’Andriamanitra dia midika hoe : mikolokolo fifandraisana manokana sy lalina amin’Andriamanitra, miaina mba hanao izay tiany, mandeha tahaka ny nandehanan’i Kristy, miombona mandrakariva amin’Andriamanitra  —ary “ny firaisanay (ny fiombonanay) dia amin’ny Ray sy amin’i Jesosy Kristy Zanany” (1 Jaona 1. 3).

·   Ny kristiana dia nantsoina hitondra tena araka ilay toetra vaovao

Fa ny fitiavan’i Kristy no manery anay, satria izao no hevitray : maty ny Anankiray hamonjy ny olona rehetra, ka dia maty koa izy rehetra ; ary maty hamonjy ny olona rehetra Izy, mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona, fa ho an’Izay efa maty sy nitsangana hamonjy azy” (2 Korintiana 5. 14-15). Ny nahafatesan’i Kristy dia nanafoana ny toerana nisy antsika taloha  —toeran’ota—  ary nampiditra antsika amina toerana vaovao  —toeran’ny natsangana tamin’ny maty, “ao amin’i Kristy. Koa satria “ao amin’i Kristy isika, dia tokony hampiseho ny toetran’Andriamanitra, ary Kristy no môdely lavorary nampiseho io toetra io, fony Izy olona tetỳ an-tany. Ny hampiseho io toetra io no andrasan’Andriamanitra amintsika, ka tsy maintsy “mianatra mahalala an’i Kristy ny zanak’Andriamanitra, mba ho afaka mampiseho ny toetran’Andriamanitra. Alohan’ny hahafahan’ny kristiana “mianatra mahalala an’i Kristy dia tsy maintsy takany sy iainany ny hoe niara-maty tamin’i Kristy izy, tsy velona ho an’ny tenany intsony fa ho an’i Kristy nitsangana tamin’ny maty, ary efa an’i Kristy tanteraka sady mankatò Azy.

Rehefa tonga amin’izany toerana izany ny kristiana, dia vita hatreo ny momba ny fiainany teo aloha (ilay olona taloha). Koa dia mitafy “ny toetra vaovao” izy, hiainany ilay fiainany vaovao ao amin’i Kristy, mba hampiseho ny fiainan’i Kristy eo amin’ny manodidina azy. Ny kristiana izany dia tsy tokony hitondra tena toy ireo tsy kristiana ; ka hoy ny apostoly Paoly amin’ireo kristiana mbola te hiaina ilay fiainany taloha ihany (ao anaty fahotana, ao anaty fahavetavetana) : “Koa izao no lazaiko sady ambarako ao amin’ny Tompo : ny tsy mba handehananareo intsony tahaka ny fandehan’ny jentilisa, amin’ny fahafoanan’ny sainy ; fa efa tonga maizin-tsaina sy olon-ko azy amin’ny fiainan’Andriamanitra ireny, noho ny tsy fahalalana ny anatiny, noho ny hamafin’ny fony, dia olona tsy mahalala henatra intsony ka nanolo-tena ho amin’ny fijejojejoana, hanao izay fahalotoana rehetra amin’ny fieremana.

Fa ianareo kosa, dia tsy mba toy izany no nianaranareo an’i Kristy, raha Izy tokoa no renareo ka tao aminy no nampianarana anareo, araka ny fahamarinana izay ao amin’i Jesosy, mba hialanareo ny toetranareo taloha araka ny fitondrantenanareo fahiny, izay mihasimba araka ny filan’ny fitaka ; fa mba hohavaozina kosa ianareo amin’ny fanahin’ny sainareo, ary mba hotafinareo ny toetra vaovao, izay noforonina araka an’Andriamanitra amin’ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana” (Efesiana 4. 17-24).

Ary “efa narianareo ny toetra taloha mbamin’ny asany ; ary efa notafinareo ny toetra vaovao, izay havaozina ho amin’ny fahalalana tsara araka ny endrik’Izay nahary azy. Fa amin’izany dia tsy misy jentilisa sy Jiosy, na voafora sy tsy voafora, na barbariana sy Skytiana, na andevo sy tsy andevo, fa Kristy no zavatra rehetra sady amin’ny rehetra.

Koa mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana, araka ny olom-boafidin’Andriamanitra sady masina no malala. Mifandefera, ka mifamelà heloka ianareo, raha misy manana alahelo amin’ny sasany ; tahaka ny namelan’ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa. Ary aoka ho ambonin’izany rehetra izany ny fitiavana, fa fehin’ny fahatanterahana izany. Ary aoka hanapaka ao am-ponareo ny fiadanan’i Kristy, fa ho amin’izany no niantsoana anareo ho tena iray ; ary aoka ho feno fisaorana ianareo” (Kolosiana 3. 9-15).

Izany no fiainana ara-dalàna tokony hananan’ny kristiana, niara-maty tamin’i Kristy sy niara-natsangana tamin’ny maty taminy.

“… niara-natsangana tamin’i Kristy ianareo,

[koa] katsaho ny zavatra any ambony, any amin’ny itoeran’i Kristy, Izay mipetraka eo an-tànana ankavanan’Andriamanitra.

Saino ny zavatra any ambony, fa tsy ny zavatra etỳ an-tany.

Fa efa maty ianareo, ary ny fiainanareo miara-miafina amin’i Kristy, ao amin’Andriamanitra. Raha hiseho Kristy fiainantsika, dia hiara-miseho aminy koa amin’ny voninahitra ianareo.

Koa vonoy ny momba ny tenanareo izay etỳ an-tany, dia fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy ary fieremana, dia fanompoan-tsampy izany…

Esory koa izao rehetra izao, dia fahatezerana, fiafonafonana (misafoaka noho ny hatezerana), lolompo, fitenenan-dratsy, teny mahamenatra avy amin’ny vavanareo.

Aza mifandainga ianareo, fa efa narianareo ny toetra taloha mbamin’ny asany ; ary efa notafinareo ny toetra vaovao, izay havaozina ho amin’ny fahalalana tsara araka ny endrik’Izay nahary azy” (Kolosiana 3. 1-10).

Ary farany, ry rahalahy, mangataka aminareo sy mananatra anareo ao amin’i Jesosy Tompo izahay, mba ho araka ny nandraisanareo taminay izay mety handehananareo sy hanaovanareo ny sitrapon’Andriamanitra  —dia araka ny andehananareo ihany—  no hitomboanareo bebe kokoa. Fa fantatrareo ny didy nomenay anareo avy tamin’i Jesosy Tompo.

Fa izao no sitrapon’Andriamanitra, dia ny hanamasinana anareo, hifadianareo ny fijangajangana, mba samy hahafantatra izay hahazoanareo ny fanaky ny tenanareo avy, amin’ny fahamasinana sy ny voninahitra, tsy amin’ny filana fotsiny, tahaka ny jentilisa izay tsy mahalala an’Andriamanitra, mba tsy hisy hanao saina hifetsy ny rahalahiny amin’izany ; fa ny Tompo no mpamaly ny amin’izany zavatra rehetra izany, toy ny nolazainay sy nambaranay taminareo rahateo. Fa Andriamanitra tsy niantso antsika ho amin’ny fahalotoana, fa amin’ny fahamasinana. Koa izay mandà, dia tsy olona no laviny, fa Andriamanitra, Izay manome anareo ny Fanahiny Masina” (1 Tesaloniana 4. 1-8).

·   Ny kristiana dia tsy mandeha toy ny jentilisa ; tsy miaina ao anaty fahotana izy, fa ao amin’ny fahamasinana

Koa izao no lazaiko sady ambarako ao amin’ny Tompo : ny tsy mba handehananareo intsony tahaka ny fandehan’ny jentilisa amin’ny fahafoanan’ny sainy ; fa efa tonga maizin-tsaina sy olon-ko azy amin’ny fiainan’Andriamanitra ireny noho ny tsy fahalalana ny anatiny, noho ny hamafin’ny fony, dia olona tsy mahalala henatra intsony ka nanolo-tena ho amin’ny fijejojejoana hanao izay fahalotoana rehetra amin’ny fieremana. Fa ianareo kosa, dia tsy mba toy izany no nianaranareo an’i Kristy, raha Izy tokoa no renareo ka tao aminy no nampianarana anareo, araka ny fahamarinana izay ao amin’i Jesosy, mba hialanareo ny toetranareo taloha araka ny fitondrantenanareo fahiny, izay mihasimba araka ny filan’ny fitaka ; fa mba hohavaozina kosa ianareo amin’ny fanahin’ny sainareo, ary mba hotafinareo ny toetra vaovao, izay noforonina araka an’Andriamanitra amin’ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana.

Koa esory ny lainga, ka samia milaza ny marina amin’ny namany avy ianareo rehetra ; fa samy isan’ny momba ny tenan’ny namantsika avokoa isika (isika rehetra dia samy rantsambatan’ny tena iray, ka mifampiankina). Tezera, fa aza manota ; ary aoka tsy ho tratran’ny masoandro milentika ny fahatezeranareo. Aza manome fitoerana ho an’ny devoly. Aoka izay nangalatra tsy hangalatra intsony ; fa aleo hikely aina ka hiasa izay tsara amin’ny tànany, mba hisy homeny izay tsy manana. Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto, fa izay tsara ho fampandrosoana, araka izay tokony hanaovana, mba hahazoan’ny mihaino fahasoavana. Ary aza mampalahelo ny Fanahy Masin’Andriamanitra, Izay nanisiana tombo-kase anareo ho amin’ny andro fanavotana.

Esory aminareo ny fo lentika rehetra sy ny fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy ary ny lolompo rehetra ; ary aoka samy halemy fanahy amin’ny namany avy ianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan’Andriamanitra ny helokareo ao amin’i Kristy” (Efesiana 4. 17-32).

·   Ny kristiana dia mandeha araka ny Fanahy

Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan’ny nofo ianareo. Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo ; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanareo manao izay zavatra tianareo. Fa raha tarihin’ny Fanahy ianareo, dia tsy mba ambanin’ny lalàna.

Fa miharihary ny asan’ny nofo, dia izao : Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adilahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana, fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany, izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra.

Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po ; tsy misy lalàna manohitra izany.

Fa izay an’i Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin’ny faniriany sy ny filany tamin’ny hazofijaliana.

Raha velon’ny Fanahy isika, dia aoka handeha araka ny Fanahy. Aoka isika tsy handrani-tena foana ka hifampihaika sy hifampialona (Galatiana 5. 16-26).

·   Ny kristiana dia manolo-tena ho an’Andriamanitra

Koa amin’izany, mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindrampon’Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak’Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany. Ary aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao ; fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahina no marina. Fa noho ny fahasoavana nomena ahy dia izao no lazaiko amin’ny olona rehetra izay eo aminareo : Aza miavonavon-kevitra ka mihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina ; fa mihevera izay onony araka ny ohatry ny finoana izay nozarain’Andriamanitra ho anareo avy. Fa toy ny ananantsika zavatra maro momba ny tena iray, nefa tsy mitovy asa izay rehetra momba ny tena, dia toy izany koa isika, na dia maro aza, dia tena iray ihany ao amin’i Kristy, ary samy miara-momba ny tena isika rehetra.

Ary satria samy manana fanomezam-pahasoavana samy hafa isika, araka ny fahasoavana izay nomena antsika : raha faminaniana, dia aoka hatao araka ny ohatry ny finoana ; raha fanompoana amin’ny fiangonana, dia aoka ho amin’ny fanompoana ; raha mampianatra, dia aoka ho amin’ny fampianarana ; raha mananatra, dia aoka ho amin’ny fananarana ; izay manome, dia aoka ho amin’ny fahatsoram-po ; izay manapaka, dia aoka ho amin’ny fahazotoana ; izay mamindra fo, dia aoka ho amin’ny fifaliana” (Romana 12. 1-8).

·   Ny kristiana dia mitondra tena mendrika ny Tompo Jesosy

Aoka ny fitondrantenanareo ho mendrika ny filazantsaran’i Kristy, … miray fo hiara-miezaka hampandroso ny finoana ny filazantsara, ka tsy ho azon’ny fahavalo ampitahorina ianareo na amin’inona na amin’inona ; fa amin’ireo dia mariky ny fahaverezana izany, nefa mariky ny famonjena anareo kosa, sady avy amin’Andriamanitra. Fa ianareo efa nomena noho ny an’i Kristy, tsy ny hino Azy ihany, fa ny hiharam-pahoriana koa noho ny aminy, dia manana izany ady izany ianareo (Filipiana 1. 27-30).

Fa tokony hanana faharetana ianareo, mba hahazoanareo izay lazain’ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon’Andriamanitra (Hebreo 10. 36).

Fantatsika ny andro, fa ankehitriny izao dia ora tokony hifohazanareo amin’ny fatoriana ; fa ankehitriny ny famonjena antsika dia akaiky noho ny tamin’ny andro vao ninoantsika. Efa ho lasa ny alina, ka efa mby akaiky kokoa ny andro, koa aoka hariantsika ny asan’ny maizina ka hitafiantsika ny fiadian’ny mazava.

Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin’ny andro ; tsy amin’ny filalaovan-dratsy, na amin’ny fahamamoana, tsy amin’ny fijangajangana, na amin’ny fijejojejoana, tsy amin’ny fifandirana, na amin’ny fialonana. Fa itafio Jesosy Kristy Tompo, ary aza miahy ny amin’ny nofo hahatanteraka ny filany. (Romana 13. 11-14).

Ary aza miray amin’ny asan’ny maizina tsy mahavoka-tsoa, fa aleo mananatra izany. Fa izay ataony ao amin’ny miafina, dia mahamenatra na dia ny milaza izany aza. Fa ny zavatra rehetra, raha anarina, dia asehon’ny mazava ; fa na inona na inona aseho dia mazava. Koa izany no ilazany hoe :

Mifohaza ianao izay matory,

Ary mitsangàna amin’ny maty,

Dia hampahazava anao Kristy.

Koa tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry, ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao.

Ary noho izany dia aza manao adaladala, fa aoka ho fantatrareo izay sitrapon’ny Tompo. Ary aza ho mamon-divay ianareo, fa amin’izany dia misy fanaranam-po amin’ny ratsy, fa aoka hofenoina ny Fanahy, ka mifampilazà amin’ny salamo sy ny fihirana ary ny tononkiram-panahy, dia mihira sy mikalo ao am-ponareo ho an’ny Tompo, misaotra an’Andriamanitra Ray mandrakariva noho ny zavatra rehetra, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika, sady mifanaiky amin’ny fahatahorana an’i Kristy. (Efesiana 5. 11-21).

Mba hofenoina fahalalana tsara ny sitrapony ianareo, amin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina rehetra avy amin’ny Fanahy, mba handehananareo mendrika ny Tompo, hanaovana ny sitrapony amin’ny zavatra rehetra, dia mahavokatra amin’ny asa tsara rehetra sady mitombo amin’ny fahalalana tsara an’Andriamanitra, ary ampahatanjahina amin’ny hery rehetra araka ny herin’ny voninahiny ho amin’ny faharetana rehetra sy ny fandeferana amin’ny hafaliana (Kolosiana 1. 9-11).

Tahaka ny ray amin’ny zanaka no nampirisihanay sy nampiononanay anareo isam-batana sy nananaranay mafy anareo, mba handehananareo mendrika an’Andriamanitra, Izay miantso anareo ho amin’ny fanjakany sy ny voninahiny (1 Tesaloniana 2. 11-12).

·   Ny kristiana dia tsy miasa mba ho hitan’ny olona

Tandremo mba tsy hanao ny asan’ny fahamarinanareo eo imason’ny olona, hahitany izany ; fa raha tsy izany, dia tsy manana valim-pitia amin’ny Rainareo Izay any an-danitra ianareo.

Koa amin’izany, raha manao fiantrana ianao, aza mba mitsoka trompetra eo alohanao tahaka ny fanaon’ny mpihatsaravelatsihy eo amin’ny synagoga sy eny an-dàlambe, mba hankalazan’ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany. Fa ianao kosa, raha manao fiantrana, dia aoka tsy ho fantatry ny tànanao ankavia izay ataon’ny tànanao ankavanana, mba hatao ao amin’ny mangingina ny fiantranao ; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin’ny mangingina, no hamaly anao” (Matio 6. 1-4).

·   Ny kristiana dia mampiasa fiadiana ara-panahy hiadiany ho an’i Kristy

Isika dia miaramilan’Andriamanitra, miady amin’ny “mpanapaka ny fanjakana eny amin’ny rivotra, dia ny fanahy izay miasa ankehitriny ao anatin’ny zanaky ny tsy fanarahana” (Efesiana 2. 2) ; ary miankina lalandava amin’Andriamanitra, ka mila ny fiadiana rehetra omen’Andriamanitra, hanoherana ireo fanahy ratsy.

Fa na dia velona amin’ny nofo aza izahay, dia tsy mba miady araka ny nofo (fa tsy avy amin’ny nofo ny fiadian’ny tafikay, fa mahery amin’Andriamanitra handrava fiarovana mafy) ; fa mandrava ny fisainana sy ny zavatra avo rehetra izay atsangana hanohitra ny fahalalana an’Andriamanitra izahay ka mamabo ny hevitra rehetra hanaiky an’i Kristy, ary vonona hamaly ny tsy fanarahana rehetra izahay, rehefa tanteraka ny fanarahanareo” (2 Korintiana 10. 3-5).

Ry kristiana, Kristy mihitsy no miantoka ny fandresentsika. Tamin’ny nahafatesany teo amin’ny hazofijaliana, dia :

o nandresy an’i Satana Izy : “Ary nesoriny tsy ho eo amin’ny tenany ny fanapahana sy ny fahefana, ary noho ny hazofijaliana dia nasehony miharihary ny fitòndrany ireo, toy ny fanaon’izay avy nandresy” (Kolosiana 2. 15) ;

o nafahany tamin’ny fanandevozan’i Satana isika : “nahafaka antsika tamin’ny fahefan’ny maizina” Izy (Kolosiana 1. 13).

Tsy mijery fotsiny izany ady izany Andriamanitra. Izany no anomezany antsika fahasoavana mba ho tony sy hatoky Azy, na dia tsy voafehintsika aza indraindray ny zava-miseho, ka mampahatahotra antsika. Fahiny Josafata mpanjaka dia nilaza hoe : “Fa izahay dia tsy manan-kery hanohitra ireo olona betsaka ireo, izay avy hamely anay, koa tsy hitanay izay hataonay ; fa Ianao no andrandrain’ny masonay”, ary izao no navalin’Andriamanitra azy : “Aza matahotra na mivadi-po ny amin’ireo olona betsaka ireo, fa tsy anareo ny ady, fa an’Andriamanitra... Tsy ianareo anefa no hiady amin’ity ; mijanòna tsara, fa ho hitanareo ny hamonjen’i Jehovah anareo... fa Jehovah no momba anareo” (2 Tantara 20. 12, 15, 17). Izany ihany koa no toky mbola omen’Andriamanitra antsika.

Ny ady atrehin’ny kristiana dia tsy ara-batana, “isika tsy mitolona amin’ny nofo aman-dra, fa amin’ny fanapahana sy amin’ny fanjakana sy amin’ny mpanjakan’izao fahamaizinana izao, dia amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra” (Efesiana 6. 12).

Ry kristiana :

o Miadia ny ady tsaran’ny finoana, hazòny ny fiainana mandrakizay ; fa ho amin’izany no niantsoana anao” (1 Timoty 6. 12) ;

o Miadia ny ady tsaran’ny finoana” mba hahafahanao miteny toy ny apostoly Paoly, any aoriana any, hoe :  “Efa niady ny ady tsara aho ; nahatanteraka ny fihazakazahako aho ; nitahiry ny finoana aho ; hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satroboninahitry ny fahamarinana, izay homen’ny Tompo, Mpitsara marina, ho ahy amin’izay andro izay ; ary tsy ho ahy ihany, fa ho an’izay rehetra tia ny fisehoany koa” (2 Timoty 4. 7-8) ;

o Aza mety hofitahina tsy hahazoanareo ny loka” (Kolosiana 2. 18).

Koa amin’io ady ara-panahy amin’ny ratsy io, dia miandany amin’Andriamanitra ny kristiana : miandany amin’ny mpandresy, izany, izy ireo.

Izany no ilazan’ny Tompo Jesosy hoe : “Izay maharesy dia havelako hihinana ny avy amin’ny hazon’aina, izay eo amin’ny Paradisan’Andriamanitra... homeko mana miafina sady homeko vato fotsy, ary eo amin’ny vato dia misy anaram-baovao voasoratra, izay tsy fantatr’olona afa-tsy izay mandray azy ihany... havelako hiara-mipetraka amiko eo ambonin’ny sezafiandrianako, dia tahaka ny nandreseko kosa sy ny niarahako nipetraka amin’ny Raiko eo ambonin’ny sezafiandrianany” (Apokalypsy 2. 7, 17; 3. 21).

NY TENA FIAINANA KRISTIANA MARINA

FIAINANA FIAINAM-BAOVAO : FIAINANA MAKA AN’I KRISTY HO MÔDELY

...  ny nialanareo tamin’ny sampy, hiverenana amin’Andriamanitra, mba hanompo an’Andriamanitra velona sy marina” (1 Tesaloniana 1. 9). Ireo kristiana tao Tesalonika dia nampiseho miharihary fa niala tamin’ny sampy izy ireo ka niverina ho any amin’Ilay hany Andriamanitra : fiovana any amin’ny fotony mihitsy izany, ary izay koa ny tena finoany, finoana velona sy miasa ! Ambonin’izany, noho ny fitiavana no nanompoany Ilay “Andriamanitra velona sy marina” ; ary ny nandrasany dia “ny Zanany avy any an-danitra, Izay natsangany tamin’ny maty, dia Jesosy, Izay Mpanafaka antsika amin’ny fahatezerana ho avy” (1 Tesaloniana 1. 10). Ny Tesaloniana dia niandry io fiverenan’i Kristy io, haka ireo olom-boavidin’Andriamanitra rehetra : izany no fanantenany tsy voahozongozona, “ny hanangonana antsika ho eo aminy” (2 Tesaloniana 2. 1), izay no nanosika azy ireo hiaina mendrika an’Andriamanitra.

Ampirisihina ho toy ny Tesaloniana ny kristiana tsirairay, mba hiaina ny tena fiainana kristiana niantsoan’Andriamanitra azy. Ary mba hahazoan’ny kristiana miaina izany, dia tsy maintsy avelany ho velona ao anatiny Kristy. Dia hiasa mahery ny Tompo Jesosy ka hahatonga fanoloran-tena marina ho an’Andriamanitra, fiovan’ny fitondrantena, fiainana fiainam-baovao, fiainana feno fahamasinana... raha fintinina, fiainana kristiana tena izy, fiainana ankasitrahin’Andriamanitra.

FAMPIRISIHANA SASANTSASANY HIAINANA FIAINANA KRISTIANA MENDRIKA NY TOMPO

·   Ny kristiana dia manaraka ny dian’i Jesosy, Ilay Ohatra lavorary ho azy

o Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany (1 Petera 2. 21).

o Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha-te ho tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia hevero izany” (Filipiana 4. 8).

o Aoka hanahaka an’Andriamanitra ianareo, tahaka ny zanaka malala ; ary mandehana amin’ny fitiavana, toy ny nitiavan’i Kristy anareo, dia ny nanolorany ny tenany ho fanatitra sy ho fanavotana amin’Andriamanitra, ho hanitra ankasitrahina, hamonjy antsika. Fa ny fijangajangana sy ny fahalotoana rehetra, na ny fieremana, dia aza avela hotononina eo aminareo akory aza, fa tsy mahamendrika ny olona masina izany, na fahavetavetana, na resaka fahadalana, na voso-dratsy (vazivazy ratsy), izay tsy tokony hatao, fa aleo misaotra” (Efesiana 5. 1-4).

·   Ny kristiana dia mandeha mba hahafaly an’Andriamanitra

“... mba ho tahaka ny nananganana an’i Kristy tamin’ny maty tamin’ny voninahitry ny Ray, no handehanantsika kosa amin’ny fiainam-baovao” (Romana 6. 4).

Ny kristiana dia tsy miaina ho an’ny tenany intsony, fa ho an’i Kristy, Ilay Tompony : “... mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona, fa ho an’Izay efa maty sy nitsangana hamonjy azy” (2 Korintiana 5. 15).

Koa io fiainam-baovao io, ny fiainan’i Kristy ao anatintsika, dia tokony ho hita taratra eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainantsika. “Ary izao no ahafantarantsika fa mahalala Azy isika, dia ny fitandremana ny didiny.

Izay manao hoe : Fantatro Izy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary ny marina tsy ao anatiny. Fa na iza na iza mitandrina ny teniny, dia tanteraka ao aminy marina tokoa ny fitiavana an’Andriamanitra ; izany no ahafantarantsika fa ao aminy isika. Izay milaza fa mitoetra ao aminy izy, dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa” (1 Jaona 2. 3-6).

Ary raha misy ianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mandatsa ; ary dia homena azy izany. Nefa aoka hangataka amin’ny finoana izy ka tsy hiahanahana akory ; fa izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina entin’ny rivotra ka atopatopany. Fa aoka tsy hanampo handray zavatra amin’ny Tompo izany olona izany : olona miroa saina izy, miovaova amin’ny alehany rehetra” (Jakoba 1. 5-8).

mba hofenoina fahalalana tsara ny sitrapony ianareo, amin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina rehetra avy amin’ny Fanahy, mba handehananareo mendrika ny Tompo, hanaovana ny sitrapony amin’ny zavatra rehetra, dia mahavokatra amin’ny asa tsara rehetra sady mitombo amin’ny fahalalana tsara an’Andriamanitra” (Kolosiana 1. 9-10).

·      Mahitsy fitondrantena ny kristiana, eo amin’izao tontolo izao, ary mitady izay hanaovan-tsoa manodidina azy

o Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin’ny andro ; tsy amin’ny filalaovan-dratsy, na amin’ny fahamamoana, tsy amin’ny fijangajangana, na amin’ny fijejojejoana, tsy amin’ny fifandirana, na amin’ny fialonana. Fa itafio Jesosy Kristy Tompo, ary aza miahy ny amin’ny nofo hahatanteraka ny filany (Romana 13. 13-14).

o Aoka tsy ho amin’ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianìna (mifalia) amin’izay anananareo (Hebreo 13. 5).

o Tezera, fa aza manota; ary aoka tsy ho tratran’ny masoandro milentika ny fahatezeranareo. Aza manome fitoerana ho an’ny devoly. Aoka izay nangalatra tsy hangalatra intsony ; fa aleo hikely aina ka hiasa izay tsara amin’ny tànany, mba hisy homeny izay tsy manana(Efesiana 4. 26-28).

o Aoka ny fitiavana ho amin’ny tsy fihatsarambelatsihy ; mankahalà ny ratsy ; mifikira amin’ny tsara. Mifankatiava araka ny fifankatiavan’ny mpirahalahy ; mitariha làlana amin’ny fifanomezam-boninahitra. Mazotoa, fa aza malaina, ary aoka hafana fo amin’ny fanompoana ny Tompo. Mifalia amin’ny fanantenana ; miareta amin’ny fahoriana ; mahareta amin’ny fivavahana. Miantrà ny olona masina araka izay ilainy ; mazotoa mampiantrano vahiny.

Misaora izay manenjika anareo ; misaora, fa aza manozona. Miaraha mifaly amin’izay mifaly, ary miaraha mitomany amin’izay mitomany. Miraisa saina. Aza mihevitra izay hiavonavonana, fa aoka mba ho zatra amin’ny fietrena (fanaovana ny tena ho ambany) ianareo.

Aza manao ny tenanareo ho hendry.

Aza mamaly ratsy na amin’iza na amin’iza. Miomàna hanao izay mahamendrika eo imason’ny olona rehetra. Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin’ny olona rehetra. Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo làlana ny fahatezerana ; fa voasoratra hoe : ‘Ahy ny famaliana ; Izaho no hamaly, hoy Jehovah.’ Fa ‘raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy ; raha mangetaheta izy, omeo hosotroiny ; fa raha manao izany ianao, dia hanambatra vainafo ho eo an-dohany’.

Aza mety ho resin’ny ratsy ianao, fa reseo amin’ny soa ny ratsy (Romana 12. 9-21).

o  Ary izao no teny renay taminy ka ambaranay aminareo : Andriamanitra dia mazava, ary tsy misy maizina akory ao aminy. Raha hoy isika : Manana firaisana aminy isika, kanefa mandeha amin’ny maizina, dia mandainga isika ka tsy manao ny marina. Fa raha mandeha eo amin’ny mazava isika, tahaka Azy eo amin’ny mazava, dia manana firaisana isika, ary ny ran’i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra. 

Raha hoy isika : Tsy manana ota isika, dia mamita-tena, ary ny marina tsy ato anatintsika.

Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra.

Raha hoy isika : Tsy nanota isika, dia mampandainga Azy, ary ny teniny tsy ato anatintsika” (1 Jaona 1. 5-10).

TOROHEVITRA VITSIVITSY

Fa na iza na iza maniry fiainana sy ta hahita andro soa, aoka izy hiaro ny lelany amin’ny ratsy ary ny molony mba tsy hiteny fitaka. Ary aoka izy hiala amin’ny ratsy ka hanao soa ; aoka izy hitady fihavanana sy hanaraka azy. Fa ny mason’ny Tompo dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany, fa ny tavan’ny Tompo dia tezitra amin’ny mpanao ratsy. Ary iza no hanisy ratsy anareo, raha mazoto amin’izay tsara ianareo ? (1 Petera 3. 10-13).

·   Momba ny trosa
Aza avela hisy tsy voaloa na amin’iza na amin’iza, afa-tsy ny fifankatiavanareo ihany (Romana 13. 8).

·   Momba ny fampiantranoam-bahiny
Aza manadino ny fampiantranoam-bahiny ; fa tamin’izany dia nampiantrano anjely ny sasany, nefa tsy fantany. Tsarovy izay mifatotra, ho toy ny miara-mifatotra aminy ianareo, ary izay ampahorina, satria mbola eo amin’ny tena koa ianareo... Aoka tsy ho amin’ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo (Hebreo 13. 2-3, 5).

·   Momba izay asa atao
Ary na inona na inona ataonareo, na amin’ny teny, na amin’ny asa, dia ataovy amin’ny anaran’i Jesosy Tompo izany rehetra izany, ka misaora an’Andriamanitra Ray amin’ny alalany” (Kolosiana 3. 17).

Mahatoky izany teny izany, ary izany zavatra izany dia tiako hitompoanao mafy, mba hotandreman’izay efa mino an’Andriamanitra ny hanao asa tsara. Sady tsara no mahasoa ny olona izany zavatra izany” (Titosy 3. 8).

REHEFA SENDRA IZAO FAKAM-PANAHY IZAO NY KRISTIANA : ANDRIAMANITRA SA IZAO TONTOLO IZAO ?

Tokony ho fantatry ny kristiana fa mankahala azy izao tontolo izao. Noho izany Jesosy, rehefa nivavaka tamin’ny Ray ho an’ny mpianatra, dia niteny hoe : “Ary tsy ho eto amin’izao tontolo izao intsony Aho, fa izy ireto no ho eto amin’izao tontolo izao, ary Izaho mankany aminao. Ray masina ô, tehirizo ireo amin’ny anaranao izay nomenao Ahy, mba ho iray ihany izy, tahaka ny maha-iray Antsika... Efa nomeko azy ny teninao ; ary halan’izao tontolo izao izy, satria tsy naman’izao tontolo izao, tahaka Ahy tsy naman’izao tontolo izao. Izaho tsy mangataka aminao mba hampiala azy amin’izao tontolo izao, fa ny mba hiaro azy amin’ny ratsy. Tsy naman’izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy naman’izao tontolo izao” (Jaona 17. 11, 14-16). Nanao izany vavaka izany Jesosy, satria nahafantatra fa hankahala ireo olona mino Azy izao tontolo izao.

·   Ny fandraisan’izao tontolo izao ireo izay mino an’i Kristy Jesosy

Hoy Jesosy : “Raha halan’izao tontolo izao ianareo, dia aoka ho fantatrareo fa Izaho efa hàlany talohanareo. Raha naman’izao tontolo izao ianareo, dia ho tia ny azy izao tontolo izao ; fa satria tsy naman’izao tontolo izao ianareo, fa Izaho efa nifidy anareo tamin’izao tontolo izao, dia halan’izao tontolo izao ianareo. Tsarovy ny teny izay nolazaiko taminareo hoe : Ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony. Raha nanenjika Ahy izy, dia hanenjika anareo koa ; ary raha nitandrina ny teniko izy, dia hitandrina ny anareo koa. Fa izany rehetra izany no hataony aminareo noho ny anarako, satria tsy mahalala Izay naniraka Ahy izy” (Jaona 15. 18-21).

Mbola milaza koa Izy hoe : “Eny, ho avy ny andro, ka hataon’izay rehetra mamono anareo fa manatitra fanompoam-pivavahana ho an’Andriamanitra izy. Ary izany no hataony, satria tsy fantany ny Ray na Izaho (Jaona 16. 2-3).

·   Ny fitondrantenan’ny kristiana eo amin’izao tontolo izao

Mazava tsara fa ao amin’izao tontolo izao ny kristiana, saingy raha ny marina, dia tsy anisan’izao tontolo izao izy : ny zavatra any an-danitra no ifikirany, ary ny zava-dehibe aminy dia ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Takatry ny kristiana fa satria izy miandany amin’Andriamanitra, dia tsy afaka ny ho tia izao tontolo izao, tsy afaka ny hiombona amina tontolo nanombo ny Tompo Jesosy teo amin’ny hazofijaliana, tontolo fehezin’ny devoly : tsy mifamatotra amin’izao tontolo izao ny kristiana, misaraka amin’izao tontolo izao izy.

Koa “avy aiza ny ady, ary avy aiza ny fifandirana eo aminareo ? Tsy izao va no iaviany, dia ny filanareo izay miady ao anatin’ny momba ny tenanareo (ao anatin’ny rantsambatanareo) ? Mila ianareo, nefa tsy manana ihany ; mamono sy mitsiriritra ianareo, nefa tsy mahazo ihany ; mifanditra sy miady ianareo ; tsy manana ianareo, satria tsy mangataka. Mangataka ianareo, nefa tsy mahazo ihany, satria diso fangataka, mba holaninareo amin’ny filanareo.

Ry mpisintaka mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao ? Koa na iza na iza te ho sakaizan’izao tontolo izao, dia fahavalon’Andriamanitra izy. Ary ataonareo va fa miteny foana ny Soratra Masina ? Ny fanahy, izay nampitoeriny ato anatintsika, dia iriny amin’ny fahasaro-piaro. Nefa manome fahasoavana bebe kokoa Izy. Koa hoy izy : “Andriamanitra manohitra ny mpiavonavona, fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena”. Ka dia maneke an’Andriamanitra ianareo ; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy.  Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy. Diovy ny tànanareo, ry mpanota ; ary ataovy madio ny fonareo, ry mpiroa saina. Oria, sy mitomania, ary midradradradrà ; aoka hody fitomaniana ny fihomehezanareo, ary hody fanjoretana ny fifalianareo. Manetre tena eo anatrehan’ny Tompo, dia hanandratra anareo Izy” (Jakoba 4. 1-10).

Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin’izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray. Fa ny zavatra rehetra eo amin’izao tontolo izao, dia ny filan’ny nofo sy ny filan’ny maso ary ny rehaka (ny eboebo) momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray, fa avy amin’izao tontolo izao ihany. Ary mandalo izao fiainana izao sy ny filany ; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay” (1 Jaona 2. 15-17).

Fantatsika fa avy amin’Andriamanitra isika, ary izao tontolo izao kosa dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa. Ary fantatsika fa tonga ny Zanak’Andriamanitra ka efa nanome antsika ny fahazavan-tsaina, mba ho fantatsika Ilay marina ; ary isika ao amin’Ilay marina, dia ao amin’i Jesosy Kristy Zanany. Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay” (1 Jaona 5. 19-20).

Aza gaga, ry rahalahy, raha hàlan’izao tontolo izao ianareo. Fantatsika fa efa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana isika, satria tia ny rahalahy. Izay tsy tia dia mitoetra ao amin’ny fahafatesana ihany. Izay rehetra mankahala ny rahalahiny dia mpamono olona ; ary fantatrareo fa tsy mba misy mpamono olona manana fiainana mandrakizay mitoetra ao anatiny.

Izao no ahafantarantsika ny fitiavana, satria Izy no nanolotra ny ainy hamonjy antsika ; ary isika kosa mba tokony hanolotra ny aintsika hamonjy ny rahalahy” (1 Jaona 3. 13-16).

REHEFA SENDRA IZAO SAFIDY IZAO NY KRISTIANA : HIARAKA AMINA TSY MPINO SA TSIA

Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo, hikambanana amin’ny tsy mino. Fa inona no iraisan’ny fahamarinana sy ny fahotana ? Ary inona no iombonan’ny mazava sy ny maizina ? Ary inona no ifanarahan’i Kristy sy Beliala ? Ary inona no iraisan’ny anjaran’ny mino sy ny tsy mino ? Ary inona no ikambanan’ny tempolin’Andriamanitra amin’ny sampy ? Fa isika no tempolin’Andriamanitra velona, araka ny nataon’Andriamanitra hoe : “Honina eo aminy Aho sy handeha eo aminy ; ary ho Andriamaniny Aho, ary izy ho oloko”.

“Koa mivoaha eo aminy ianareo, ka misaraha aminy, hoy Jehovah, ary aza manendry izay zavatra tsy madio ; ary Izaho dia handray anareo. Ary ho Rainareo Aho, ary ianareo ho zanako lahy sy ho zanako vavy, hoy Jehovah Tsitoha”« (2 Korintiana 6. 14-18).

Fa sanatria raha mba misy hataoko rehareha afa-tsy ny hazofijalian’i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay naha-voahombo izao tontolo izao tamin’ny hazofijaliana, raha ny amiko, ary izaho kosa, raha ny amin’izao tontolo izao (Galatiana 6. 14).

REHEFA TOJO FIZAHAN-TOETRA SY FAKAM-PANAHY NY KRISTIANA

·   Nahoana no misy fizahan-toetra ?

Avelan’Andriamanitra hisy ny fizahan-toetra, mba hanofanany ireo zanany : ny tanjony dia ny hanamafy ny finoantsika, ny hanarina antsika sy hanitsy ny fandehantsika, rehefa nanalavitra an’Andriamanitra isika ; ary izany dia ny mba hianarantsika miaina akaikikaikin’ny Tompo kokoa hatrany. Koa dia tena ilaina ny fizahan-toetra, mba hahafantaran’ny kristiana izay ao am-pony, aloha, ary avy eo, mba hahafantarany izay ao am-pon’Andriamanitra.

·   Fizahan-toetra ivelany

Ry rahalahiko, ataovy ho fifaliana avokoa, raha iharan’ny fakam-panahy samy hafa ianareo, satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana. Ary aoka ny faharetana hisy asa tanteraka, mba ho tanteraka sy tonga ohatra ianareo, ka tsy hisy tsy ampy na inona na inona” (Jakoba 1. 2-4).

Izany no iravoravoanareo, na dia ampalahelovina vetivety ankehitriny amin’ny fakam-panahy maro samihafa aza ianareo, raha tsy maintsy hisy izany, mba ho hita ho fiderana sy voninahitra ary fankalazana ny fizahan-toetra ny finoanareo (izay tsara lavitra noho ny volamena mety ho simba, na dia voazaha toetra tamin’ny afo aza), dia amin’ny hisehoan’i Jesosy Kristy, Izay, na dia tsy mbola hitanareo aza, dia tianareo, ary na dia tsy hitanareo ankehitriny aza, nefa, satria inoanareo, dia iravoravoanareo amin’ny fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra, mandray ny anton’ny finoanareo, dia ny famonjena ny fanahy” (1 Petera 1. 6-9).

·   Fakam-panahy anaty : vokatry ny nofo ao anatintsika izany

Raha misy alaim-panahy, aoka izy tsy hanao hoe : Andriamanitra no maka fanahy ahy ; fa Andriamanitra tsy azon’ny ratsy alaim-panahy, sady tsy mba maka fanahy olona Izy ; fa samy alaim-panahy ny olona, raha tarihin’ny filany sy fitahiny izy. Ary ny filana, rehefa torontoronina, dia miteraka ota ; ary ny ota, rehefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana” (Jakoba 1. 13-15).

Fanamarihana : indraindray ny fizahan-toetra dia fiarovana tsy hanaovan-dratsy

Hitantsika izany amin’ny ohatra nomen’ny apostoly Paoly : “Ary fandrao hirehareha noho ny habetsaky ny fanambarana aho, dia nasiana tsilo tamin’ny nofo, dia irak’i Satana hamely ahy, fandrao hirehareha aho. Izany no nangatahako intelo tamin’ny Tompo, mba hialan’izany amiko. Nefa hoy Izy tamiko : Ampy ho anao ny fahasoavako ; fa ny heriko dia tanterahina amin’ny fahalemena. Koa mainka sitrako ny hirehareha amin’ny fahalemeko, mba hitoeran’ny herin’i Kristy amiko. Koa dia finaritra aho amin’ny fahalemena, amin’ny fampahoriana, amin’ny fahaterena, amin’ny fanenjehana, amin’ny fahantrana, noho ny amin’i Kristy ; fa ny fahalemeko no fahatanjahako” (2 Korintiana 12. 7-10).

Ry kristiana, andao isika rehetra hiara-maka tahaka ny fiainana kristiana nananan’ny apostoly Paoly, ary aoka isika hanjary ohatra ho an’ny hafa. Hoy izy : “Tsy ny hahamenatra anareo anefa no anoratako izany zavatra izany, fa mananatra anareo toy ny zanako malalako aho. Fa na dia manana mpampianatra iray alina ao amin’i Kristy aza ianareo, dia tsy maro ray ianareo ; fa izaho no niteraka anareo ao amin’i Kristy Jesosy, tamin’ny filazantsara. Koa mananatra anareo aho : manahafa ahy ianareo... Aoka hanahaka ahy ianareo, dia tahaka ny anahafako an’i Kristy” (1 Korintiana 4. 14-16; 11. 1).

Ry rahalahy, aoka samy hanahaka ahy ianareo, ka diniho izay mandeha tahaka ny anananareo anay ho marika. Fa maro no mandeha, izay efa nolazaiko taminareo matetika, sady mbola lazaiko aminareo amin’ny fitomaniana koa ankehitriny, fa fahavalon’ny hazofijalian’i Kristy ireny ; fahaverezana no hiafarany, ny kibony no andriamaniny, ny fahamenarany no voninahiny, fa misaina ny amin’ny tany izy” (Filipiana 3. 17-19).

·   Ny kristiana dia mandalo fizahan-toetra, toy ireo mpino tamin’ny Testamenta Taloha

o Ohatra : Israely : “Ary tsarovy ny làlana rehetra izay nitondran’i Jehovah Andriamanitrao anao tany an’efitra izao efapolo taona izao, hampanetry tena anao sy hizaha toetra anao ary hahalala izay ao am-ponao, na hitandrina ny didiny ianao, na tsia. Dia nampanetry tena anao Izy ka namela anao ho noana, dia nanome anao ny mana hohaninao, izay tsy fantatrao na ny razanao, hampahafantarany anao fa tsy mofo ihany no iveloman’ny olona ; fa izay rehetra aloaky ny vavan’i Jehovah no iveloman’ny olona. Ny fitafianao teny aminao tsy rovitra, ary ny tongotrao tsy nivonto izao efapolo taona izao. Koa aoka ho fantatrao amin’ny fonao, fa tahaka ny fananaran’ny olona ny zanany no fananaran’i Jehovah Andriamanitrao anao. Ary tandremo ny didin’i Jehovah Andriamanitrao, mba handehananao amin’ny làlany sy hatahoranao Azy.  Fa Jehovah Andriamanitrao efa hampiditra anao any amin’ny tany soa, dia tany misy renirano sy loharano ary rano lalina eny amin’ny lohasaha sy ny tendrombohitra” (Deoteronomia 8. 2-7).

o Fa ho lany ny andro, raha milaza an’i Gideona sy Baraka sy Samsona ary Jefta aho, Davida koa sy Samoela ary ny mpaminany, izay nandresy fanjakana tamin’ny finoana, niasa fahamarinana, nahazo teny fikasana, nanakombona ny vavan’ny liona, namono ny fidedadedan’afo, afaka tamin’ny lelan-tsabatra, raha nalemy dia nampahatanjahina, tonga nahery tamin’ny ady, dia nampandositra ny miaramilan’ny firenena hafa. Ny vehivavy nandray ny azy efa maty, fa natsangana ho velona indray ; ary ny sasany nampijalijalina ho faty, nefa tsy nety nanao izay hahafahany, mba hahazoany fitsanganana tsara lavitra ; ary ny sasany niaritra fanesoana sy kapoka mafy ary fatorana sy tranomaizina koa ; notoraham-bato izy, notsofana, nalaim-panahy, novonoina tamin’ny sabatra, dia nirenireny nitafy hoditr’ondry sy hoditr’osy ; efa lao, ory, fadiranovana (nefa izao tontolo izao tsy mendrika ho nitoerany akory) ; dia nirenireny tany an’efitra sy tany an-tendrombohitra sy tany an-johy ary tao an-dava-tany izy. Ary ireo rehetra ireo, na dia efa nahazo laza tsara noho ny finoana aza, dia tsy mba nandray ny teny fikasana ; fa Andriamanitra efa namboatra izay tsara lavitra ho antsika, mba tsy hatao tanteraka ireo, raha tsy efa mby eo kosa isika.

Koa amin’izany, satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona, dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin’ny ota izay malaky mahazo antsika, ary aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana amin’izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao, mijery an’i Jesosy, Tompon’ny finoantsika sy Mpanefa azy, Izay naharitra ny hazofijaliana, fa tsy nitandro henatra, mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany, ka dia efa mipetraka eo amin’ny ankavanan’ny sezafiandrianan’Andriamanitra Izy. Fa hevero tsara ilay naharitra ny fanoherana nataon’ny mpanota taminy, fandrao ho ketraka ianareo, ka ho reraka ny fanahinareo (Hebreo 11. 32 — 12. 3).

·   Rehefa anarin’ny Tompo ny kristiana, dia tsy tokony hanao tsinontsinona izany famaizana izany na ho kivy

“Ianareo tsy mbola nanohitra niady tamin’ny ota hatramin’ny fahalatsahan-dra. Ary hadinonareo ny fananarana izay milaza aminareo toy ny amin’ny zanaka hoe :

Anaka, aza atao ho zavatra kely ny famaizana ataon’i Jehovah, ary aza reraka, raha resy lahatry ny anatra ataony ianao ; fa izay tian’i Jehovah no faiziny, ary izay zanaka rehetra raisiny no kapohiny”. Famaizana no anton’ny iaretanareo ; Andriamanitra mitondra anareo tahaka ny zanaka ; fa aiza moa izay zanaka tsy faizin-drainy ?

 Fa raha tsy faizina tahaka ny itondrana azy rehetra ianareo, dia zazasary (zaza tsy nateraka), fa tsy zanaka. Ary koa, isika dia nanana ny rain’ny nofontsika ho mpanafay antsika ka efa nanaja azy ; tsy mainka va ny hanekentsika ny Rain’ny fanahy, ka ho velona isika ? Fa ireny dia nanao izay hahafay antsika tamin’ny andro vitsy araka izay sitrapony, fa Izy kosa dia ny hahasoa, mba handraisantsika ny fahamasinany. Fa ny famaizana rehetra dia tsy mba atao ho mahafaly andro anaovana, fa mampahory ; fa rehefa afaka izany, dia vao mitondra ny vokatry ny fahamarinana hiadanana ho an’izay nanaovana azy izy.

Koa hatanjaho ny tànana miraviravy sy ny lohalika malemy ; ary manaova làla-mahitsy halehan’ny tongotrareo, mba tsy hampipitsoka ny tongotry ny mandringa, fa ny mba hahasitrana azy kosa. Miezaha mitady fihavanana amin’ny olona rehetra ary fahamasinana ; fa izay tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo. Ary mitandrema tsara, fandrao hisy hiala amin’ny fahasoavan’Andriamanitra ; fandrao hisy faka mangidy mitsimoka hampikorontana, ka ho voaloto ny maro ; fandrao hisy mpijangajanga na olona tsy manaja ny masina, dia tahaka an’i Esao, izay nivarotra ny fizokiany hahazoany hanina indraim-bava. Fa fantatrareo fa rehefa afaka izany, raha ta handova ny fitahiana izy, dia nolavina ; fa tsy nahita izay hibebahana izy, na dia nitady fatratra tamin’ny ranomaso aza” (Hebreo 12. 4-17).

·   Valisoa

Sambatra izay olona maharitra fakam-panahy ; fa rehefa voazaha toetra izy, dia handray ny satroboninahitra fiainana, izay nolazain’ny Tompo homena izay tia Azy” (Jakoba 1. 12).

REHEFA MIJALY NY KRISTIANA...

Fa ataoko fa ny fahoriana amin’izao andro ankehitriny izao dia tsy tokony hoharina amin’ny voninahitra izay haseho amintsika. Fa izao zavatra ary rehetra izao dia samy maniry fatratra ka miandry ny fampisehoana ireo zanak’Andriamanitra ; fa izao zavatra ary rehetra izao dia nampanekena ho zava-poana, nefa tsy noho ny sitrapony, fa noho Izay nampanaiky azy, sady nahazo fanantenana koa fa izao zavatra ary rehetra izao aza dia hovotsorana amin’ny fahandevozana, dia ny fahalovana, ho amin’ny fahafahana izay momba ny voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra. Fa fantatsika fa izao zavatra ary rehetra izao dia miara-misento sy miara-marary toy izay efa hiteraka, mandraka ankehitriny ; ary tsy izany ihany, fa isika koa, na dia manana ny voaloham-bokatry ny Fanahy aza, eny, isika aza dia misento ato anatintsika, miandry ny fananganana anaka, dia ny fanavotana ny tenantsika. Fa ny fanantenana no namonjena antsika ; nefa ny fanantenana hita dia tsy mba fanantenana intsony ; fa ahoana no mbola anantenan’ny olona izay efa hitany ? Fa raha isika manantena izay tsy mbola hitantsika, dia miandry amin’ny faharetana” (Romana 8. 18-25).

Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, Izay efa niantso anareo ho any amin’ny voninahiny mandrakizay ao amin’i Kristy, rehefa niaritra fahoriana vetivety ianareo, dia Izy no hahatanteraka sy hampiorina ary hampitoetra anareo. Ho Azy anie ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena” (1 Petera 5. 10-11).

Ny Tompo Jesosy koa dia nijaly, ary mety hijaly toa Azy isika, na hijaly noho ny fanarahana Azy aza

Fa Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany ; ‘Izay tsy nanota akory, sady tsy nisy fitaka teo am-bavany’; raha notevatevaina Izy, dia tsy mba nanevateva ; raha nijaly, dia tsy nandrahona, fa nanolotra ny adiny ho amin’ny Mpitsara marina ; ary Izy nitondra ny fahotantsika tamin’ny tenany teo ambonin’ny hazo, mba ho faty ny amin’ny ota isika, fa ho velona ny amin’ny fahamarinana ; ary ‘ny dian-kapoka taminy no nahasitranana anareo’. Fa efa nania toy ny ondry ianareo, nefa ankehitriny dia efa niverina ho amin’ny Mpiandry sy Mpitandrina ny fanahinareo” (1 Petera 2. 21-25). Eto dia marihina fa ny fijalian’i Kristy, izay fijaliana ho môdely ho antsika, dia ireo fijaliany nandritra ny fiainany teto an-tany. Fa ireo fijaliany nandritra ny nanonerany ny fahotantsika kosa, dia Izy irery ihany no niaritra azy ireny, mba tsy hihatra amintsika mihitsy izy ireny, satria efa nozakainy.

Koa satria niaritra tamin’ny nofo Kristy, dia alao mba ho fiadianareo koa izany saina izany ; fa izay niaritra tamin’ny nofo dia efa afaka amin’ny ota ; mba tsy handanianareo ny andro sisa iainanareo amin’ny nofo araka ny filan’ny olona intsony, fa araka ny sitrapon’Andriamanitra. Fa ampy izay ny andro lasa ho nanaovana ny fanaon’ny jentilisa tamin’ny nandehanana tamin’ny fijejojejoana sy ny fanirian-dratsy sy ny fimamoana sy ny filalaovan-dratsy sy ny fisotroan-toaka ary ny fanompoan-tsampy, izay fady indrindra ; ary amin’izany dia gaga izy ireo, satria tsy miara-mihazakazaka aminy ianareo amin’izany fanaranam-po amin’ny ratsy izany, ka dia teneniny ratsy ; nefa hampamoahin’Ilay efa vonona hitsara ny velona sy ny maty izy. Fa noho izao no nitoriana ny filazantsara tamin’izay maty aza (maty ara-panahy) : mba hotsaraina araka ny olona amin’ny nofo izy, fa ho velona araka an’Andriamanitra amin’ny fanahy…

Ry malala, aza gaga noho ny fizahan-toetra mahamay izay mahazo anareo ho fitsapan-toetra, ary aza atao ho zavatra mahagaga manjo anareo izany ; fa araka ny iombonanareo fijaliana amin’i Kristy dia mifalia, mba hiravoravoanareo indrindra amin’ny fisehoan’ny voninahiny koa. Sambatra ianareo, raha haratsina noho ny anaran’i Kristy ; fa ny Fanahin’ny voninahitra, dia ny Fanahin’Andriamanitra, mipetraka ao aminareo. Fa aoka tsy hisy eo aminareo hijaly satria mpamono olona, na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpiraharaha ny an’olona. Fa raha misy mijaly satria Kristiana, dia aoka tsy ho menatra izy ; fa aoka hankalaza an’Andriamanitra amin’izany anarana izany izy.

Fa tonga ny andro hiantombohan’ny fitsarana hatrao amin’ny ankohonan’Andriamanitra ; ary raha miantomboka amintsika izany, dia hanao ahoana kosa no hiafaran’izay tsy manaiky ny filazantsaran’Andriamanitra ? Ary “raha saiky tsy voavonjy ny marina, aiza no hisehoan’ny ratsy fanahy sy ny mpanota ?”. Koa izay mitondra fahoriana araka ny sitrapon’Andriamanitra, dia aoka ny fanaovan-tsoa no hanolorany ny fanahiny ho an’Ilay mahatoky, dia ny Mpanao azy” (1 Petera 4. 1-6, 12-19).

Ary tsy ketraka izahay ; fa na dia mihalevona aza ny toetranay ivelany, dia havaozina isanandro isanandro kosa ny toetranay anatiny. Fa ny fahorianay maivana, izay vetivety foana, dia mainka miasa fatratra indrindra ka mahatanteraka voninahitra mavesatra maharitra mandrakizay ho anay, raha tsy mijery ny hita izahay, fa ny tsy hita ; fa ny hita dia ho vetivety foana, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay.

Fa fantatsika fa raha ravana ny tranolaintsika etỳ an-tany, dia manana izay voarafitr’Andriamanitra isika, dia trano tsy nataon-tànana izay maharitra mandrakizay any an-danitra. Ary misento ao anatin’ity isika ka maniry indrindra hitafy ny tranontsika izay avy any an-danitra koa ; fa ho hita mitafy isika, fa tsy mba mitanjaka. Fa isika izay amin’izao lay izao dia misento noho ny mahavesatra antsika, satria tsy tiantsika ny hendahana, fa ny mba hotafina koa, mba hatelin’ny fiainana ny mety maty. Ary Izay efa namboatra antsika ho amin’izany indrindra dia Andriamanitra, Izay efa nanome antsika ny santatry ny Fanahy. Koa matoky mandrakariva isika, ka fantatsika fa raha mitoetra eo amin’ny tena, dia tsy mitoetra any amin’ny Tompo (fa finoana no andehanantsika, fa tsy fahitana)” (2 Korintiana 4. 16 — 5. 7).

Tsara hotadidiana :

Na eo aza ny fizahan-toetra, na eo aza ny fijaliana, dia antsoina ny kristiana  hifikitra mafy amin’ny finoana, ka hanantena an’i Kristy nitsangana tamin’ny maty, mahatsiaro lalandava fa “fantatry ny Tompo izay hamonjeny ny tsara fanahy amin’ny fakam-panahy sy ny hitehirizany ny olona tsy marina amin’ny fijaliana ho amin’ny andro fitsarana  —indrindra fa izay mandeha araka ny fitarihan’ny nofo, hila zava-mahaloto ka manamavo ny manana fahalehibeazana.” (2 Petera 2. 9-10).

REHEFA SENDRA IZAO FANONTANIANA IZAO NY KRISTIANA :  HIHINANA HENA NATERINA HO AN’NY SAMPY SA TSIA ?

Ary ny amin’ny mihinana ny hena aterina amin’ny sampy, dia fantatsika fa tsinontsinona akory ny sampy amin’izao tontolo izao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy iray ihany. Fa na dia misy aza atao hoe andriamanitra, na any an-danitra, na etỳ an-tany (toy ny misy andriamanitra maro sy tompo maro) ; nefa amintsika kosa dia Andriamanitra iray ihany, dia ny Ray, Izay niavian’ny zavatra rehetra, ary ho Azy isika ; ary iray ihany ny Tompo, dia Jesosy Kristy, Izay nahariana ny zavatra rehetra sady nahariana antsika koa” (1 Korintiana 8. 4-6).

Ka na dia mahalala izany aza isika, dia didian’Andriamanitra isika tsy hihinana izay naterina ho an’ny sampy. Satria tokoa mantsy, ho an’ireo jentilisa izay nino ka nanjary kristiana, dia nanoratra ny apostoly sy ny loholona hoe : “Fa sitraky ny Fanahy Masina sy izahay ny tsy hampitondra enta-mavesatra anareo afa-tsy izao zavatra tsy maintsy hotandremana izao ihany : dia ny hifadianareo ny hena aterina amin’ny sampy sy ny ra sy ny zavatra kendaina ary ny fijangajangana ; raha mahatandrin-tena hifady izany ianareo, dia ho soa” (Asan’ny Apostoly 15. 28-29).

Ho an’ireo fiangonan’Andriamanitra tany Pergamosy sy Tyatira, dia izao no nokianin’ny Tompo Jesosy : “Kanefa manan-teny kely aminao Aho, fa misy eo aminao izay mitana ny fampianaran’i Balama, ilay nanome fo an’i Balaka hanisy fahatafintohinana teo anoloan’ny Zanak’Israely, hihinana hena naterina tamin’ny sampy sy hijangajanga...

Kanefa manan-teny aminao Aho, satria ianao mandefitra amin’ilay vehivavy Jezebela, izay milaza ny tenany ho mpaminanivavy ka mampianatra sady manoloky (mamitaka) ny mpanompoko hijangajanga sy hihinana hena naterina tamin’ny sampy” (Apokalypsy 2. 14, 20).

REHEFA SENDRA IZAO FANONTANIANA IZAO NY KRISTIANA :  AFAKA MIHINANA NY SAKAFO REHETRA VE?

 Fa ny Fanahy milaza marina fa amin’ny andro aoriana dia hihemotra amin’ny finoana ny sasany, manaiky fanahy mamitaka sy fampianaran’ny demonia, amin’ny fihatsarambelatsihin’ny mpilaza lainga, ka voapetaky ny vy mahamay ny fieritreretany, izay mandrara tsy hanambady, ary mampifady hanina, izay nataon’Andriamanitra ho an’izay mino sady mahalala ny marina, mba horaisiny amin’ny fisaorana. Fa ny zavatra rehetra nataon’Andriamanitra dia tsara avokoa, ka tsy misy tokony holavina, raha raisina amin’ny fisaorana, satria hamasinin’ny tenin’Andriamanitra sy ny fivavahana izany” (1 Timoty 4. 1-5).

Ny zavatra rehetra azo atao, nefa tsy ny zavatra rehetra no mahasoa ; ny zavatra rehetra azo atao, nefa tsy ny zavatra rehetra no mampandroso. Aoka tsy hisy olona hitady ny hahasoa ny tenany, fa ny hahasoa ny namany. Izay hena rehetra amidy eny an-tsena dia hano, fa aza manontany akory noho ny fieritreretana ; fa an’i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy. Ary raha misy amin’ny tsy mino manasa anareo, ka ta handeha ianareo, dia hano izay arosony eo anoloanareo, fa aza manontany akory noho ny fieritreretana. Fa raha misy manao aminareo hoe : Hena naterina tamin’ny sampy io, dia aza homana, noho ny amin’ilay nilaza sy ny fieritreretana. Fieritreretana, hoy izaho, tsy ny an’ny tenanao, fa ny an’ny olon-kafa ; fa nahoana ny fahafahako no dia tsarain’ny fieritreretan’ny olon-kafa ? Fa raha amin’ny fisaorana no andraisako izany, nahoana aho no tenenina ratsy amin’izay anaovako fisaorana ?

Koa amin’izany, na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany. Aza manao izay hahatafintohina ny Jiosy na ny jentilisa na ny fiangonan’Andriamanitra, dia tahaka ahy koa manao izay hahafinaritra ny olona rehetra amin’ny zavatra rehetra ka tsy mitady ny mahasoa ahy ihany, fa ny mahasoa ny maro mba hovonjena izy” (1 Korintiana 10. 23-33).

Ny tokony hotadidiana

Fantatry ny kristiana fa ny sampy dia tsinontsinona, nefa fantany koa fa “izay zavatra aterin’ny jentilisa (ireo tsy Jiosy) ho fanatitra, dia ateriny amin’ny demonia, fa tsy amin’Andriamanitra” (1 Korintiana 10. 20). Satria demonia no miafina ao ambadik’ireo sampy ireo, dia hoy ny apostoly Paoly : “Koa tsy tiako ho mpiombona amin’ny demonia ianareo” (1 Korintiana 10. 20) ; izany hoe raha nampitandremana mazava isika fa hena naterina ho an’ny demonia io, dia fahendrena ny tsy mihinana izany.

Koa :

·   Anaka, arovy ny tenanareo amin’ny sampy” (1 Jaona 5. 21) ;

·   Koa amin’izany, ry malala, mandosira ny fanompoan-tsampy” (1 Korintiana 10. 14).

Ary satria sampy ihany koa izay rehetra maka ny toeran’i Kristy ao am-pontsika, dia aoka mba ho “Izy (ny Tompo Jesosy) no voalohany, ... mba ho Lohany amin’ny zavatra rehetra Izy” (Kolosiana 1. 18).

NY FIFANDRAISAN’NY KRISTIANA AMIN’NY MPANAPAKA SY NY MANAMPAHEFANA

Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny fahefana lehibe. Fa tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin’Andriamanitra ; fa izay misy dia voatendrin’Andriamanitra. Koa izay manohitra ny fahefana dia manohitra ny voatendrin’Andriamanitra ; ary izay manohitra dia hahazo fahamelohana. Fa ny mpanapaka dia tsy mba tahotry ny manao tsara, fa ny manao ratsy ihany. Ary ny tsy hatahotra ny fahefana va no tianao ? Ataovy ary izay tsara, dia hahazo dera avy aminy ianao ; fa mpanompon’Andriamanitra izy hahatsara anao. Fa raha ratsy kosa no nataonao, dia matahora, fa tsy entiny foana tsy akory ny sabatra ; fa mpanompon’Andriamanitra izy, dia mpamaly handatsaka fahatezerana amin’izay manao ratsy. Koa tsy maintsy manaiky ny olona, nefa tsy noho ny fahatezerana ihany, fa noho ny fieritreretana koa.

Fa noho izany no andoavanareo vola hetra ; fa mpanompon’Andriamanitra mitandrina izany zavatra izany indrindra ireny.

Mandoava amin’izy rehetra izay tokony ho azy avy : vola hetra ho an’izay tokony handoavan-ketra, fadin-tseranana ho an’izay tokony handoavana fadin-tseranana, tahotra ho an’izay tokony hatahorana, haja ho an’izay tokony hohajaina” (Romana 13. 1-7).

Mampahatsiarova azy hanaiky izay manapaka sy manam-pahefana, hanoa tsara, ho vonona ho amin’ny asa tsara rehetra, tsy hiteny ratsy olona, tsy ho mpila ady, fa ho mpandefitra, maneho ny halemem-panahy rehetra amin’ny olona rehetra (Titosy 3. 1-2).

Ary noho ny Tompo dia maneke izay rehetra voatendrin’ny olona, na ny mpanjaka, satria ambony izy, na ny mpanapaka, satria nirahiny hamaly izay manao ratsy izy, fa ho mpidera izay manao tsara. Fa toy izany no sitrapon’Andriamanitra, hampanginanareo ny tsy fahalalan’ny olona adala, amin’ny fanaovan-tsoa ; fa olona afaka ianareo, nefa aza mitondra ny fahafahanareo ho fanaronana ny ratsy, fa ho toy ny mpanompon’Andriamanitra.

Manajà ny olona rehetra. Tiava ny rahalahy. Matahora an’Andriamanitra. Manajà ny mpanjaka (1 Petera 2. 13-17).

Hatraiza no hanekena ny manam-pahefana ?

Asehon’ny Tenin’Andriamanitra antsika fa misy fetrany ihany ny fanekena ny manam-pahefana. Ny fetran’izany, dia rehefa voatohintohina ny fanekena an’Andriamanitra. Nitranga izany, rehefa nosamborina ny apostoly satria nitory ny Teny, ka maro ny fahagagana vita tamin’ny alalan’izy ireo : “Ary nitsangana ny mpisoronabe mbamin’ny namany rehetra (izay antokon’ny Sadoseo), fa feno fialonana izy, dia nisambotra ny Apostoly izy ka nanao azy tao an-tranomaizina.

Fa nisy anjelin’ny Tompo namoha ny varavaran’ny tranomaizina nony alina, dia nitondra azy nivoaka ka nanao hoe : Mandehana, ka mitsangàna, ary mitoria amin’ny vahoaka eo an-kianjan’ny tempoly ny teny rehetra milaza izany fiainana izany…

Ary rehefa nentiny, dia napetrany teo anatrehan’ny Synedriona ireo, ary ny mpisoronabe nanontany azy ka nanao hoe : Efa noraranay mafy dia mafy ianareo tsy hampianatra amin’izany anarana izany ; kanjo, indro, efa nofenoinareo ny fampianaranareo Jerosalema, ka tianareo hankinina aminay ny ran’izany Lehilahy izany.

Fa Petera sy ny Apostoly namaly ka nanao hoe : Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona (Asan’ny Apostoly 5. 17-20, 27-29).

NY TOKANTRANON’NY KRISTIANA SY NY FIFANDRAISAN’NY MPIANAKAVY

Ny kristiana dia afaka manambady izay tiany, saingy “ao amin’ny Tompo ihany” (1 Korintiana 7. 39), izany hoe kristiana mankatò ny Tompo. Ny hoe manambady ao amin’ny Tompo dia midika ihany koa fa efa nitady izay sitrapon’Andriamanitra, aloha, amin’ny vavaka miredareda, momba ny fisafidianana izay ho vady, ary mahalala fa Andriamanitra no mampifanena ireo olon-droa ireo.

·   Ny mpivady

Aoka hanan-kaja amin’ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandriana ; fa ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin’olona dia hohelohin’Andriamanitra (Hebreo 13. 4).

Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo tahaka ny anekena ny Tompo. Fa ny lahy no lohan’ny vavy, dia tahaka an’i Kristy koa no Lohan’ny fiangonana ; ary Izy no mpamonjy ny tena. Fa tahaka ny aneken’ny fiangonana an’i Kristy no haneken’ny vavy ny lahy koa, amin’ny zavatra rehetra.

Ianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana ka nanolorany ny tenany hamonjy azy, mba hahamasina azy amin’ny anadiovany azy amin’ny rano fanasana amin’ny teny ; mba horaisiny ho an’ny tenany izany, ho fiangonana malaza tsy misy pentimpentina, na fiketronana, na izay toy izany, fa mba ho masina sady tsy misy tsiny izy. Dia tahaka izany koa, ny lehilahy tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany. Izay tia ny vadiny dia tia ny tenany. Fa tsy mba nisy olona tsy tia ny nofony, fa mamelona sy mitaiza azy, dia tahaka an’i Kristy amin’ny fiangonana ; fa momba ny tenany isika. “Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hiray amin’ny vadiny, ary dia ho nofo iray ihany izy roroa”. Zava-miafina lehibe izany ; fa milaza ny amin’i Kristy sy ny fiangonana aho. Na dia izany aza, samia tia ny vadiny tahaka ny tenany ianareo lehilahy rehetra, ary aoka kosa ny vavy hanaja ny lahy (Efesiana 5. 22-33).

Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo araka izay mety hatao ao amin’ny Tompo.

Ianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, ary aza sosotra aminy (Kolosiana 3. 18-19).

Ary toy izany koa, ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, mba ho voataonan’ny fitondrantenan’ny vavy izy, na dia tsy amin’ny teny aza (raha tàhiny misy tsy manaiky ny teny), rehefa hitany ny fahadiovan’ny fitondrantenanareo amin’ny fahatahorana
Ary toy izany koa, ianareo lehilahy, miaraha mitoetra aminy araka ny marina, manaja ny vavy, tahaka ny mety hatao amin’ny fanaka malemilemy kokoa sady mpiara-mandova ny fahasoavan’ny fiainana  —mba tsy ho voasakana ny fivavahanareo
(1 Petera 3. 1-2, 7).

Izay tsy manambady dia miahy ny an’ny Tompo mba hahafaly ny Tompo. Fa izay manambady kosa miahy ny an’izao fiainana izao mba hahafaly ny vavy. Ary tsy mitovy koa ny vehivavy manambady sy ny virijina. Ny vehivavy tsy manambady mitandrina ny an’ny Tompo, mba ho samy masina avokoa ny tenany sy ny fanahiny ; fa izay manambady kosa dia mitandrina ny an’izao fiainana izao mba hahafaly ny lahy. Ary miteny izany aho mba hahasoa anareo, fa tsy haningotra anareo amin’ny tadivavarana (tady avòna), fa mba hanaovanareo izay mendrika sy hitoeranareo tsara amin’ny Tompo, ka tsy hivezivezen’ny sainareo” (1 Korintiana 7. 32-35).

·   Ho an’ny mpitondratena

Koa tiako ny mpitondratena tanora fanahy hanambady sy hanana zanaka sy hanapaka ny tranony ka tsy hanome vava ny fahavalo hiteny ratsy” (1 Timoty 5. 14).

·   Zanaka sy ray aman-dreny

“Anaka, maneke ny ray sy ny reninareo ao amin'ny Tompo, fa marina izany. ‘Manajà ny ray sy ny reninao’ (fa izany no didy voalohany misy teny fikasana), ‘mba hahita soa ianao sy ho maro andro ambonin’ny tany’  (Efesiana 6. 1-3).

Ianareo zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo amin’ny zavatra rehetra ; fa ankasitrahina ao amin’ny Tompo izany” (Kolosiana 3. 20).

Aoka ho “zanaka mino izay tsy mba ampangaina ho mpanaram-po amin’ny ratsy na ho maditra” (Titosy 1. 6).

Ianareo ray, aza mampahasosotra ny zanakareo, fandrao mamoy fo izy (Kolosiana 3. 21).

Ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin’ny famaizana sy ny fananaran’ny Tompo izy (Efesiana 6. 4).

NY FITONDRANTENAN’NY KRISTIANA EO ANIVON’NY ASA

Raha misy tsy mety miasa, dia aoka tsy hihinana izy. Fa renay fa misy ny sasany eo aminareo tsy mitoetra tsara, ka tsy miasa akory, fa mivezivezy foana miraharaha ny an’olona. Ary izay manao toy izany no didianay sy anarinay ao amin’i Jesosy Kristy Tompo, mba hiasa tsara amin’ny fiadanana ka hihinana izay azy ihany” (2 Tesaloniana 3. 10-12).

Tsahivina fa ny asa dia nomen’Andriamanitra ny olombelona talohan’ny fahalavoan’i Adama. Avy eo vao nanjary nampahory izany : “Ny fahatsembohan’ny tavanao no hahazoanao hanina, mandra-piverinao any amin’ny tany (Genesisy 3. 19). Na dia mampahory aza ny miasa, tsy manohitra ny fampirisihana hiasa am-pilaminana tsy akory izany.

·   Ny ambaran’ny Tenin’Andriamanitra ho an’ny mpiasa

Ianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo amin’ny zavatra rehetra, tsy amin’ny fanompoana eo imaso, tahaka ny mpila sitraka amin’olona, fa amin’ny fahatsoram-po, matahotra ny Tompo ; ary na inona na inona ataonareo, dia ataovy amin’ny fo, tahaka ny ho an’ny Tompo, fa tsy ho an’olona, satria fantatrareo fa ny Tompo no handraisanareo ny lova ho valiny ; fa manompo an’i Kristy Tompo ianareo. Fa izay manao ny tsy marina dia handray araka ny tsy marina nataony ; fa tsy misy fizahan-tavan’olona (Kolosiana 3. 22-25).

Ianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo amin’ny fahatahorana sy ny fangovitana, amin’ny fahatsoran’ny fonareo, toy ny fanekena an’i Kristy ihany, tsy amin’ny fanompoana eo imaso, tahaka ny mpila sitraka amin’olona, fa tahaka ny mpanompon’i Kristy manao izay sitrapon’Andriamanitra amin’ny fo, amin’ny sitrapo manao fanompoana toy ny amin’ny Tompo, fa tsy amin’olona, satria fantatrareo fa izay soa ataon’ny olona rehetra no horaisiny amin’ny Tompo, na andevo na tsy andevo izy. (Efesiana 6. 5-8).

Ny mpanompo koa dia anaro hanaiky ny tompony ka hanao izay sitrapony amin’ny zavatra rehetra, fa tsy hamalivaly, tsy hangala-tety (hangalatra amin’ny zavatra efa voafatra, vola, entana, sns.), fa haneho izay toe-panahy mahatoky indrindra, mba hampahamendrika ny fampianaran’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, amin’ny zavatra rehetra (Titosy 2. 9-10).

·   Ny ambaran’ny Tenin’Andriamanitra ho an’ny mpiasa an-trano (mpanampy, mpanao zaridaina, mpiambina, ...)

Ianareo mpanompo, maneke ny tomponareo amin’ny fahatahorana rehetra, tsy ny tsara sy ny malemy fanahy ihany, fa ny saro-po koa. Fa izao no ankasitrahina : raha misy olona mitondra alahelo ka mandefitra ny tsy marina noho ny fieritreretana ny amin’Andriamanitra” (1 Petera 2. 18-19).

·   Ny ambaran’ny Tenin’Andriamanitra ho an’ny mpampiasa

Ianareo tompo, ataovy amin’ny mpanomponareo izay marina sy izay mety, satria fantatrareo fa ianareo koa mba manana Tompo any an-danitra (Kolosiana 4. 1).

Ary ianareo tompo, manaova toy izany aminy kosa, ka atsaharo ny fandrahonana, satria fantatrareo fa ny Tompony sady Tomponareo koa dia any an-danitra ; ary tsy misy fizahan-tavan’olona aminy (Efesiana 6. 9).

NY FIFANDRAISAN’NY SAMY KRISTIANA

·   Ny fitiavana

Fa ny amin’ny fifankatiavan’ny mpirahalahy, dia tsy misy tokony hosoratako aminareo, satria ny tenanareo dia ampianarin’Andriamanitra hifankatia... Nefa mananatra anareo ihany izahay, ry rahalahy, mba hitombo bebe kokoa, ary mba hokendrenareo ny ho tafatoetra tsara sy hitandrina ny raharahanareo ary hiasa amin’ny tànanareo, araka ny nandidianay anareo, mba handehananareo amin’izay fitondrantena mahamendrika amin’ny eo ivelany, ary mba tsy hanan-java-mahory ianareo” (1 Tesaloniana 4. 9-12).

Ry malala, tsy didy vaovao no soratako aminareo, fa didy ela, izay nanananareo hatramin’ny voalohany. Ny didy ela dia ilay teny efa renareo. Ary koa, didy vaovao no soratako aminareo, dia zavatra marina eo aminy sy eo aminareo, satria miala ny maizina, ary ny mazava marina no mahazava ankehitriny.

 Izay milaza fa ao amin’ny mazava izy, kanefa mankahala ny rahalahiny, dia mbola ao amin’ny maizina ihany. Izay tia ny rahalahiny no mitoetra ao amin’ny mazava, ka tsy misy fahatafintohinana ao aminy. Fa izay mankahala ny rahalahiny dia ao amin’ny maizina ary mandeha ao amin’ny maizina, ka tsy mahalala izay alehany, satria ny maizina no efa nahajamba ny masony” (1 Jaona 2. 7-11).

Satria efa nodiovinareo ny fanahinareo tamin’ny fanarahana ny fahamarinana ho amin’ny fitiavan-drahalahy tsy miangatra, dia mifankatiava fatratra amin’ny fo ; fa efa teraka indray ianareo, tsy tamin’ny voa mety ho lo, fa tamin’ny tsy mety ho lo, dia ny tenin’Andriamanitra, izay velona sady maharitra” (1 Petera 1. 22-23).

Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo ; eny, aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia (Jaona 13. 34-35).

Anaka, aoka tsy ho tia amin’ny teny na amin’ny lela isika, fa amin’ny asa sy amin’ny marina. Izany no hahafantarantsika fa avy amin’ny marina isika sy hampatokiantsika ny fontsika eo anatrehany, na amin’inona na amin’inona no anamelohan’ny fontsika antsika, satria Andriamanitra lehibe noho ny fontsika ka mahalala ny zavatra rehetra. Ry malala, raha tsy mba manameloka antsika ny fontsika, dia manana fahasahiana eo anatrehan’Andriamanitra isika. Ary na inona na inona no angatahintsika dia raisintsika aminy, satria mitandrina ny didiny sy manao izay ankasitrahina eo imasony isika. Ary izao no didiny, dia ny hinoantsika ny anaran’i Jesosy Kristy Zanany sy ny hifankatiavantsika araka ny didy nomeny antsika. Ary izay mitandrina ny didiny no mitoetra ao aminy, ary Izy kosa ao aminy. Ary izao no ahafantarantsika fa mitoetra ao amintsika Izy, dia ny Fanahy Izay nomeny antsika (1 Jaona 3. 18-24).

Fa ianareo kosa, ry malala, dia ataovy izay handrosoanareo amin’ny finoanareo masina indrindra, ka mivavaha ao amin’ny Fanahy Masina ; ary tehirizo ny tenanareo ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra, miandry ny famindrampon’i Jesosy Kristy Tompontsika ho fiainana mandrakizay (Joda 20-21).

·   Miray saina

Miraisa saina ianareo rehetra, ka miaraha ory, mifankatiava tahaka ny mpirahalahy, mifamindrà fo, manetre tena, tsy mamaly ratsy ny ratsy, na fanaratsiana ny fanaratsiana ; fa aoka hisaotra kosa, satria ho amin’izany no niantsoana anareo mba handova fitahiana” (1 Petera 3. 8-9).

Fa Andriamanitry ny faharetana sy ny fiononana anie hampiray hevitra anareo araka an’i Kristy Jesosy, mba ho saina iray sy vava iray no hiarahanareo mankalaza an’Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika. Koa mifandraisa ianareo tahaka ny nandraisan’i Kristy anareo koa, ho voninahitr’Andriamanitra” (Romana 15. 5-7).

Miraisa saina, mihavàna (2 Korintiana 13. 11) ; na izany aza anefa, tsy tokony hohadinoina ny fampitandremana lehibe hoe tsy miray saina amin’izay manohitra ny sitrapon’ny Tompo : “Koa aoka isika rehetra izay tanteraka hihevitra izany ; fa hasehon’Andriamanitra aminareo izany, raha sendra manana sain-kafa ianareo. Kanefa aoka ho amin’ilay efa azontsika sahady no mbola hizorantsika” (Filipiana 3. 15-16).

·   Tsy mitsara

Iza moa ianao izay mitsara ny mpanompon’ny hafa ? Amin’ny tompony ihany no ijoroany na ahalavoany. Nefa hampitoerina ihany izy ; fa mahay mampitoetra azy ny Tompo…

Fa nahoana ianao no mitsara ny rahalahinao ? Ary nahoana kosa ianao no manao tsinontsinona ny rahalahinao ? Fa samy hiseho eo anoloan’ny fitsaran’Andriamanitra isika rehetra. Fa voasoratra hoe : ‘Raha velona koa Aho, hoy Jehovah, ny lohalika rehetra handohalika amiko, ary ny lela rehetra hidera an’Andriamanitra’. Koa samy hampamoahin’Andriamanitra ny amin’ny tenany avy isika rehetra. Koa aza mifampitsara intsony isika ; fa aleo mihevitra izao, dia ny tsy hanisy fandavoana na fanafintohinana eo anoloan’ny rahalahy

Koa dia aoka isika hiezaka hitady ny momba ny fiadanana sy ny momba ny fifampandrosoana” (Romana 14. 4, 10-13, 19).

Iray ihany no Mpanome lalàna sy Mpitsara, dia Ilay mahavonjy sy mahavery ; fa iza moa ianao, no mitsara ny namanao ?(Jakoba 4. 12).

Tandremo : marina fa tsy anjarantsika ny mitsara ny antony anaovan’olona zavatra, na ny tao an-tsainy, saingy ny asa ratsy kosa dia tokony hotsaraina, toy ity zava-niseho tamin’ny andron’ny apostoly Paoly ity : “Efa re marina fa misy fijangajangana atỳ aminareo, eny, dia fijangajangana izay tsy misy tahaka azy na dia amin’ny jentilisa aza, fa misy anankiray manambady ny vadin-drainy. Ary ianareo indray va no mirehareha, ka tsy nampalahelo anareo akory izany, mba hesorina tsy ho ao aminareo ilay nanao izany zavatra izany ?

Fa izaho, na dia tsy teo aza ny tenako, nefa teo ihany ny fanahiko, dia efa nitsara sahady an’ilay nanao toy izany, tahaka ny teo ihany aho… Fa ahoako ny hitsara ny any ivelany ? Tsy ny ao anatiny va no tsarainareo ? Fa ny any ivelany dia tsarain’Andriamanitra… Fa raha mba mamantatra ny tenantsika isika, dia tsy mba hotsaraina” (1 Korintiana 5. 1-4, 12-13 ; 11. 31).

·   Manalavitra ny rahalahy tsy manao araka ny fampianaran’i Kristy, nefa mitady hatrany izay hamerenana azy ireny

Izay mpanao hevi-diso, rehefa nanarinao indray maka na indroa, dia ialao, satria fantatrao fa voavadika (niala tamin’ny lalana marina) izay manao izany, ka sady manota no manamelo-tena koa” (Titosy 3. 10-11).

Ary mandidy anareo izahay, ry rahalahy, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hialanareo amin’ny rahalahy rehetra izay tsy mitoetra tsara, ka tsy manaraka ny fampianarana natolotra izay noraisiny taminay. Fa ny tenanareo mahalala izay tokony hianaranareo anay ; fa nitoetra tsara teo aminareo izahay, ary tsy nihinana foana izay hanin’olona, fa niasa andro aman’alina tamin’ny fikelezana aina sy ny fisasarana, mba tsy hahavaky tratra na dia iray akory aminareo aza ; tsy noho ny tsy anananay fahefana anefa, fa mba hatolotray aminareo ho fianaranareo ny tenanay…

Ary raha misy olona tsy manaiky ny teninay amin’ity epistily ity, mariho izany olona izany, ka aza mikambana aminy, mba hahamenatra azy. Anefa aza dia atao fahavalo izy, fa anaro toy ny rahalahy” (2 Tesaloniana 3. 6-9, 14-15).

Ary amindrao fo ny sasany izay miahanahana ; ary ny sasany kosa sariho avy amin’ny afo no famonjy azy ; ary ny sasany indray amindrao fo amin-tahotra, ka mankahalà na dia ny akanjo voapentimpentin’ny nofo aza (ny fandeha ara-nofo fa tsy ara-panahy) (Joda 22-23).

Ry rahalahiko, raha misy eo aminareo miala amin’ny fahamarinana, ary misy anankiray mampibebaka azy, aoka ho fantany fa izay mampibebaka ny mpanota hiala amin’ny làlan’ny fahadisoany dia hamonjy fanahy tsy ho faty sady hanarona heloka be” (Jakoba 5. 19-20).

·   Miaiky ny fahotan’ny tena

Koa mifaneke heloka ianareo” (Jakoba 5. 16).

·   Rehefa manana ady amin’ny rahalahiny ao amin’ny Tompo ny kristiana...

Misy aminareo va, raha manana ady amin’ny namany, sahy handeha hotsarain’ny olona tsy marina, fa tsy eo anatrehan’ny olona masina ? Sa tsy fantatrareo fa ny olona masina dia hitsara izao tontolo izao ? Ary raha hitsara izao tontolo izao ianareo, moa tsy mendrika hitsara izay zavatra madinika indrindra va ianareo ? Tsy fantatrareo va fa hitsara anjely isika ? mainka fa izay zavatra momba izao fiainana izao.

Koa raha misy hotsarainareo ny amin’ny momba izao fiainana izao, moa izay ataon’ny fiangonana ho tsinontsinona va no tendrenareo ho mpitsara ? Hampahamenatra anareo no itenenako izany. Hay ! dia tsy misy olon-kendry aminareo, na dia iray akory aza, izay mahay manamboatra ny adin’ny rahalahiny ? Fa ny rahalahy mandeha hiady amin’ny rahalahiny, na dia hotsarain’ny tsy mino aza. Ary ankehitriny dia kilema aminareo ny anananareo ady amin’ny namanareo. Nahoana no tsy aleo mandefitra ny tsy rariny aza ianareo ? Nahoana no tsy aleo maharitra hambakaina aza ianareo ? Kanjo ianareo indray no manao izay tsy marina ka manambaka na dia ny rahalahinareo aza” (1 Korintiana 6. 1-8).

Koa mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana, araka ny olom-boafidin’Andriamanitra sady masina no malala. Mifandefera, ka mifamelà heloka ianareo, raha misy manana alahelo amin’ny sasany ; tahaka ny namelan’ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa. Ary aoka ho ambonin’izany rehetra izany ny fitiavana, fa fehin’ny fahatanterahana izany. Ary aoka hanapaka ao am-ponareo ny fiadanan’i Kristy, fa ho amin’izany no niantsoana anareo ho tena iray ; ary aoka ho feno fisaorana ianareo (Kolosiana 3. 12-15).

“...tsy manao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana, na mandrani-tena foana, fa amin’ny fanetren-tena dia aoka samy hanao ny namany ho mihoatra noho ny tenany. Aza samy mihevitra ny azy ihany, fa samy ny an’ny namany koa” (Filipiana 2. 3-4).

Aza mifanaratsy, ry rahalahy. Izay manaratsy rahalahy na mitsara ny rahalahiny dia manaratsy ny lalàna sy mitsara ny lalàna ; fa raha mitsara ny lalàna ianao, dia tsy mpankatò ny lalàna, fa mpitsara” (Jakoba 4. 11).

Ary raha manota aminao ny rahalahinao, dia mankanesa any aminy, ka rehefa mitokana ianareo roa lahy, dia asehoy azy ny fahadisoany. Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao ; fa raha tsy mihaino anao kosa izy, dia ento miaraka aminao ny olona iray na roa, mba ho voaorina mafy avokoa ny teny rehetra amin’ny tenin’ny vavolombelona roa na telo. Ary raha tsy mety mihaino ireo izy, dia ambarao amin’ny fiangonana ; ary raha tsy mety mihaino ny fiangonana koa izy, dia aoka hataonao ho tahaka ny jentilisa sy ny mpamory hetra izy” (Matio 18. 15-17).

·   Ny fifamelan-keloka

Dia nanatona Petera ka nanao taminy hoe : Tompoko, impiry moa no hanotan’ny rahalahiko amiko, ka havelako izy ? Hatramin’ny impito va ?

Fa hoy Jesosy taminy : Tsy lazaiko aminao hoe : Hatramin’ny impito, fa hatramin’ny impito amby fitopolo. Koa amin’izany, ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka anankiray, izay te hidinika amin’ny mpanompony ny amin’ny volany. Ary raha vao nidinika izy, dia nisy anankiray nentina teo aminy, izay nitrosa talenta iray alina. Ary satria tsy nanan-kaloa izy, dia nasain’ny tompony hamidy izy sy ny vadiny aman-janany mbamin’ny fananany rehetra, handoavana ny trosa. Dia niankohoka teo anatrehany ilay mpanompo ka nanao hoe : Tompoko, omeo andro aho, fa haloako ny anao rehetra. Ary ny tompon’izany mpanompo izany dia onena azy ka nandefa azy sady namoy ny trosa taminy.

Nefa nony nivoaka izany mpanompo izany, dia nahita mpanompo namany anankiray, izay nitrosa denaria zato taminy ; dia nosamboriny izy ka notraohiny (noraisiny tamin’ny vozon’akanjo) sady nataony hoe : Aloavy izay trosako aminao. Fa niankohoka ilay mpanompo namany ka nifona taminy nanao hoe : Omeo andro aho, fa haloako ny anao. Nefa tsy nety izy, fa lasa nampanao azy tao an-tranomaizina, mandra-pandoany ny trosa. Ary nony hitan’ireo mpanompo namany izay efa natao, dia nalahelo indrindra izy ka nandeha nanambara tsara tamin’ny tompony izany rehetra natao izany. Dia nampanalain’ny tompony ralehilahy, ka noteneniny hoe : Ry mpanompo ratsy fanahy, efa nafoiko ilay trosa rehetra taminao, satria nifona tamiko ianao ; moa tsy tokony mba ho namindra fo tamin’ny mpanompo namanao koa va ianao, tahaka ny namindrako fo taminao ? Dia tezitra ny tompony ka nanolotra azy ho amin’ny mpampijaly, mandra-pandoany ny trosa rehetra. Ary tahaka izany koa no hataon’ny Raiko Izay any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin’ny fonareo avy ianareo” (Matio 18. 21-35).

Esory aminareo ny fo lentika rehetra sy ny fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy ary ny lolompo rehetra ; ary aoka samy halemy fanahy amin’ny namany avy ianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan’Andriamanitra ny helokareo ao amin’i Kristy” (Efesiana 4. 31-32).

Ny mpino, izany, dia tokony hamela ny heloky ny namany, toy ny namelana heloka azy noho ny trosam-pahotany.

·   Ny kristiana dia mandefitra amin’ireo malemy finoana : tokony hataony izay hahazoany ny rahalahiny ao amin’i Kristy

Ary raiso ny malemy finoana, nefa aza mandray azy hitsaranareo ny eritreriny. Ny anankiray mino fa mahazo mihinana ny zavatra rehetra izy, fa ny anankiray kosa malemy finoana, ka dia mihinana zavamaniry ihany. Aoka ny mihinana tsy hanamavo ny tsy mihinana ; ary aoka kosa ny tsy mihinana tsy hitsara ny mihinana ; fa Andriamanitra no efa nandray azy. Iza moa ianao izay mitsara ny mpanompon’ny hafa ? Amin’ny tompony ihany no ijoroany na ahalavoany. Nefa hampitoerina ihany izy ; fa mahay mampitoetra azy ny Tompo. Ny anankiray manao ny andro anankiray ho mihoatra noho ny andro sasany ; ary ny anankiray kosa manao ny andro rehetra hitovy. Aoka samy hatoky tsara ao amin’ny sainy avy izy. Ny mitandrina ny andro dia mitandrina izany ho an’ny Tompo. Ary ny mihinana dia mihinana ho an’ny Tompo, satria misaotra an’Andriamanitra izy ; ary ny tsy mihinana kosa dia tsy mihinana ho an’ny Tompo, sady misaotra an’Andriamanitra koa izy.

Fa tsy misy velon-ko an’ny tenany isika, ary tsy misy maty ho an’ny tenany.

Fa raha velona isika, dia velona ho an’ny Tompo ; ary raha maty isika, dia maty ho an’ny Tompo ; koa amin’izany, na velona na maty isika, dia an’ny Tompo ihany. Fa izany no nahafatesan’i Kristy sy nahavelomany indray, mba ho Tompon’ny maty sy ny velona Izy...

Mahalala sady matoky ao amin’i Jesosy Tompo aho fa tsy misy zavatra maloto ho azy ; fa raha misy manao zavatra ho maloto, dia aminy ihany no maloto izany. Fa raha mampalahelo ny rahalahinao ny fihinanao, dia tsy mba manaraka ny fitiavana intsony ianao. Aza ny fihinanao no animbanao azy, fa efa maty Kristy hamonjy azy. Aoka ary tsy mba hotenenina ratsy ny fahasoavana azonareo. Fa ny fanjakan’Andriamanitra dia tsy amin’ny fihinanana sy ny fisotroana, fa fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina. Fa izay manompo an’i Kristy amin’izany zavatra izany no sitrak’Andriamanitra sy eken’ny olona fa tsara.

Koa dia aoka isika hiezaka hitady ny momba ny fiadanana sy ny momba ny fifampandrosoana. Aza izay hanina no andravanao ny asan’Andriamanitra. Madio avokoa ny zavatra rehetra, nefa ratsy ho an’ny olona izay mihinana amin’ny fahatafintohinana. Fa tsara ny tsy mihinana hena, na misotro divay, na manao izay hahatafintohina ny rahalahinao. Ny finoana izay anananao dia hazòny ho anao eo anatrehan’Andriamanitra. Sambatra izay tsy manameloka ny tenany amin’izay zavatra ekeny. Fa izay miahanahana dia meloka raha homana, satria tsy avy amin’ny finoana izany ; fa ota izay rehetra tsy avy amin’ny finoana” (Romana 14. 1-9, 14-23).

Fa isika izay matanjaka dia tokony hitondra ny fahalemen’ny malemy, ka tsy hitady izay hahafaly ny tenantsika ihany. Aoka isika rehetra samy hitady izay hahafaly ny namantsika, amin’izay hahasoa sy hampandroso azy. Fa Kristy aza tsy nitady izay hahafaly ny tenany ; fa araka ny voasoratra hoe : ‘Ny latsa nataon’izay nandatsa Anao dia nihatra tamiko’ (Romana 15. 1-3).

REHEFA MITENY NY KRISTIANA, MAMPIASA NY FANOMEZAM-PAHASOAVANA AZONY

Raha misy olona miteny, dia aoka izy hiteny toy ny milaza tenin’Andriamanitra” (1 Petera 4. 11).

REHEFA MIRESAKA AMAN’OLONA NY KRISTIANA

Fa aoka ny teninareo ho Eny, eny ; Tsia, tsia ; fa izay mihoatra noho izany dia avy amin’ny ratsy (Matio 5. 37).

Aoka ny fiteninareo ho amin’ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra (Kolosiana 4. 6).

Koa esory ny lainga, ka samia milaza ny marina amin’ny namany avy ianareo rehetra ; fa samy isan’ny momba ny tenan’ny namantsika avokoa isika

Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto, fa izay tsara ho fampandrosoana, araka izay tokony hanaovana, mba hahazoan’ny mihaino fahasoavana (Efesiana 4. 25, 29).

Aoka ny olona rehetra halady hihaino, ho malai-miteny, ho malain-ko tezitra ; fa ny fahatezeran’ny olona tsy ahefana izay marina eo imason’Andriamanitra (Jakoba 1. 19-20).

Fa mihoatra noho ny zavatra rehetra, ry rahalahiko, aza mianiana, na amin’ny lanitra, na amin’ny tany, na amin’izay fianianana hafa akory aza ; fa aoka ny fanaikinareo ho ‘Eny’, ary ny fandànareo ho ‘Tsia’, fandrao hiharan’ny fitsarana ianareo” (Jakoba 5. 12).

·   Zava-marina : “Fa tafintohina amin’ny zavatra maro isika rehetra. Raha misy olona tsy mba tafintohina amin’ny teny, dia izy no lehilahy tanteraka ka mahafehy ny tenany rehetra koa” (Jakoba 3. 2).

HO AN’IREO TENA MPANOMPON’ANDRIAMANITRA

Andriamanitry ny lanitra, Izy no hanambina anay, ka dia hitsangana handrafitra izahay mpanompony”

(Nehemia 2. 20).

Alohan’ny zavatra rehetra, dia tokony ho fantatry ny mpanompon’Andriamanitra fa andevon’i Kristy izy, Kristy Ilay Tompony, ary matoa izy manompo an’Andriamanitra, dia satria voantso  —ary fahasoavana omen’Andriamanitra fotsiny ihany izany. Nahatakatra izany ny apostoly Paoly, ka tsy nisalasala nanambara ny tenany hoe : “Paoly, mpanompon’i Jesosy Kristy (ny dikan’ny teny fototra, ny teny grika : andevon’i Jesosy Kristy), voantso ho Apostoly, voatokana ho amin’ny filazantsaran’Andriamanitra” (Romana 1. 1). Araka izany dia ny Tompo, noho ny fahasoavany, no miantso olona iray, manankina asa hotontosainy, maniraka azy. Tsy misy na inona na inona, amin’ny fanompoana an’i Kristy, avela amin’ny fanapahan-kevitr’olombelona. Na dia ny apostoly aza dia tsy nanana fahafahana hifidy ny toerana hiasany : “Ary rehefa noraran’ny Fanahy Masina tsy hitory ny teny tany Azia izy, dia nandeha namaky ny tany Frygia sy Galatia  ka efa tonga tany an-tsisin’i Mysia, dia nitady hankany Bitynia izy, fa tsy navelan’ny Fanahin’i Jesosy” (Asan’ny Apostoly 16. 6-7). Andriamanitra irery ihany, izany, no mandefa ny mpanompony any amin’izay toerana tiany.

Koa izao no voalaza momba an’i Barnabasy sy Saoly : “Ary teo amin’ny fiangonana tany Antiokia nisy mpaminany sy mpampianatra : Barnabasy sy Simeona, izay atao hoe Nigera, sy Losio Kyreniana sy Menahema (izay niolonono  —niara-nampinonoina—  tamin’i Heroda mpanapaka) ary Saoly. Ary raha nanao fanompoam-pivavahana ho an’ny Tompo sy nifady hanina ireo, dia hoy ny Fanahy Masina : Atokàny ho Ahy Barnabasy sy Saoly hanao ny asa izay efa niantsoako azy. Ary rehefa nifady hanina sy nivavaka ary nametra-tànana taminy izy, dia nandefa azy. Ary rehefa nirahin’ny Fanahy Masina izy roa lahy, dia nidina nankany Seleokia izy ka niondrana an-tsambo teo, hankany Kyprosy. Ary nony tonga tany Salamisy izy, dia nitory ny tenin’Andriamanitra” (Asan’ny Apostoly 13. 1-5).

Koa dia “tsy izay midera tena no ankasitrahina, fa izay derain’ny Tompo” (2 Korintiana 10. 18).

Izao koa no soratan’ny apostoly Paoly : “Fa mpiara-miasa amin’Andriamanitra izahay ; ary sahan’Andriamanitra sy trano arafitr’Andriamanitra ianareo. Araka ny fahasoavan’Andriamanitra nomena ahy, tahaka ny fanaon’ny mpità-marika mahay no nanaovako ny fanorenana, ary ny hafa mandrafitra eo amboniny ; nefa aoka ny olona rehetra hitandrina izay arafiny eo amboniny. Fa tsy misy mahay manao fanorenana hafa afa-tsy izay natao, dia Jesosy Kristy. Ary raha misy mandrafitra volamena, na volafotsy, na vato tsara, na hazo, na bozaka, na mololo, eo ambonin’ny fanorenana, dia haseho avokoa ny asan’ny olona rehetra ; fa ny andro no hampiseho azy, satria haseho amin’afo izany andro izany, ka dia hozahan-toetra amin’ny afo ny asan’ny olona rehetra. Raha maharitra ny asan’ny olona, izay narafiny teo amboniny, dia handray valim-pitia izy. Raha ho levon’ny afo ny asan’ny olona, dia ho fatiantoka izy ; fa ny tenany kosa dia hovonjena, nefa toy ny avy ao amin’ny afo ihany izy” (1 Korintiana 3. 9-15).

Raha misy olona manompo, dia aoka izy hanao izany araka ny hery izay omen’Andriamanitra azy ; mba hankalazana an’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy ; fa Azy ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena” (1 Petera 4. 11).

 Mahatoky izao teny izao : Raha misy olona maniry ny asan’ny mpitandrina, dia maniry asa tsara izy. Koa ny mpitandrina dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, manam-bady tokana, mahonon-tena, hendry, tia filaminana, mampiantrano vahiny, mahay mampianatra, tsy mpimamo liana ady, tsy mpikapoka, fa mandefitra, tsy mpila ady, tsy mpitia vola, manapaka tsara ny ankohonany, mampanaiky ny zanany amin’ny fahamaotinana tsara (fa raha misy olona tsy mahay mitondra ny ankohonany, hataony ahoana no fitandrina ny fiangonan’Andriamanitra ?), tsy izay zazavao amin’ny fivavahana, fandrao hieboebo foana izy ka ho latsaka amin’ny fahamelohan’ny devoly.

Ary tsy maintsy ho tsara laza koa amin’izay eny ivelany izy, fandrao ho lavo amin’ny fananan-tsiny sy ny fandriky ny devoly.

Ny diakona koa toy izany ihany, ho maotona, tsy miroa teny, tsy tia divay be, tsy tia harena maloto, mitandrina tsara ny zava-miafina ny amin’ny finoana amin’ny fieritreretana madio. Ary aoka hozahan-toetra ireo aloha, dia vao hanao ny asan’ny diakona izy, raha tsy manan-tsiny.

Ny vehivavy koa ho toy izany ihany : maotona, tsy mpanendrikendrika, mahonon-tena, mahatoky amin’ny zavatra rehetra. Aoka ny diakona samy hanam-bady tokana sady hanapaka tsara ny zanany sy ny ankohonany. Fa izay efa mahavatra tsara ny asan’ny diakona dia mahazo toerana tsara ho an’ny tenany sy fahasahiana be amin’ny finoana izay ao amin’i Kristy Jesosy” (1 Timoty 3. 1-13).

Fa ianao kosa, ry lehilahin’Andriamanitra, mandosira izany zavatra izany, ka miezaha mitady fahamarinana, toe-panahy araka an’Andriamanitra, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy. Miadia ny ady tsaran’ny finoana, hazòny ny fiainana mandrakizay ; fa ho amin’izany no niantsoana anao koa... Izaho mananatra anao eo anatrehan’Andriamanitra, Izay mamelona ny zavatra rehetra, ary eo anatrehan’i Kristy Jesosy, Izay nanao ilay fanekena tsara teo anatrehan’i Pontio Pilato, mba hotehirizinao tsy hanan-tsiny amam-pondro hatramin’ny fisehoan’i Jesosy Kristy Tompontsika izany didy izany ; ny Andriana finaritra sady tokana, Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo, no haneho izany amin’ny fotoanany ; Izy ihany no manana ny tsy fahafatesana, mitoetra eo amin’ny mazava tsy azo hatonina, Izay tsy hitan’olona sady tsy hainy jerena ; ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay. Amen” (1 Timoty 6. 11-16).

·   Torohevitra : dieny izao mbola misy fotoana izao, dia tsara ny miasa ho an’ny Tompo

Izay rehetra azon’ny tànanao atao dia ataovy amin’ny herinao ; fa tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin’ny fiainan-tsy hita izay alehanao…

Atsipazo eny ambonin’ny rano ny haninao, fa ho hitanao ihany izy rehefa ela.

Izay fatra-pihevitra ny rivotra tsy hamafy, ary izay manahy ny rahona tsy hijinja.

Amin’ny maraina dia afafazo ny voanao, ary amin’ny hariva dia aza atsahatra ny tànanao ; fa tsy fantatrao izay ho vanona, na ny teo aloha, na ny teo aoriana, na angamba samy ho vanona avokoa izy roa tonta” (Mpitoriteny 9. 10 ; 11. 1, 4, 6).

·   Ny andrasan’Andriamanitra amin’ny mpanompony

Ny mpitandrina dia tokony ho olona mahatoky” (1 Korintiana 4. 2). Koa andraikitry ny mpanompo, izany, ny ho mahatoky amin’ny fanompoana, mahatsiahy lalandava fa ny Tompo aloha ny tompoiny, nefa koa ireo olom-boavidin’i Kristy, ny ondrin’ny Tompo. “Hoy ny tompony taminy : Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky ; nahatoky tamin’ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be ; midira amin’ny fifalian’ny tomponao” (Matio 25. 21).

Ry mpanompon’Andriamanitra, aoka ianao ho faka tahaka, ho mpanompo mahafoy tena sy  tsy mivadika amin’ny Tompo ; koa “mazotoa manolotra ny tenanao amin’Andriamanitra ho olona voazaha toetra, dia mpiasa tsy mahazo henatra, mizara tsara ny teny fahamarinana. Fa halaviro ny fibedibedena foana ; fa mbola handroso amin’ny haratsiam-panahy ihany izy ireny, ary ny teniny dia handany tahaka ny aretina mihady ; isan’ireny Hymeneo sy Fileto, izay nania tamin’ny marina ka milaza fa efa lasa sahady ny fitsanganan’ny maty, dia mamadika ny finoan’ny sasany.

Kanefa ny fanorenana mafy nataon’Andriamanitra dia miorina tsara sady manana izao tombo-kase izao : “Ny Tompo mahalala ny azy”, ary koa : “Aoka ny olona rehetra izay manonona ny anaran’ny Tompo hiala amin’ny ratsy.” Fa ao an-trano lehibe, tsy dia fanaka volamena sy volafotsy ihany no ao, fa fanaka hazo sy tany koa, ny sasany homem-boninahitra, ary ny sasany halàm-baraka. Koa raha misy olona manadio ny tenany ho afaka amin’ireny, dia ho fanaka homem-boninahitra izy, efa nohamasinina ka mahasoa ho an’ny Tompo, voavoatra ho amin’ny asa tsara rehetra” (2 Timoty 2. 15-21).

Mitoria ny teny, mazotoa, na amin’ny fotoana, na tsy amin’ny fotoana, mandrese lahatra, mampirisiha, mananara mafy amin’ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra. Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan’ny olona ny fampianarana tsy misy kilema ; fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany ; ary hampiala ny sofiny amin’ny teny marina tokoa izy ka hivily ho amin’ny anganongano” (2 Timoty 4. 2-4).

Aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino ianao amin’ny fiteny, amin’ny fitondrantena, amin’ny fitiavana, amin’ny finoana, amin’ny fahadiovana.

Mandra-piaviko, tandremo ny famakian-teny, ny fananarana, ny fampianarana...

Mikeleza aina fatratra amin’izany, mba hiseho amin’ny olona rehetra ny fandrosoanao. Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao, ka mahareta amin’izany ; fa raha manao izany ianao, dia hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.

Aza mamely mafy loatra ny anti-panahy, fa anaro toy ny ray izy, ny tanora fanahy toy ny rahalahy, ny vehivavy anti-panahy toy ny reny, ny tanora fanahy toy ny anabavy, amin’ny fahadiovana rehetra.

Omeo voninahitra ny mpitondratena izay efa mpitondratena tokoa” (1 Timoty 4. 12-13, 15-16, 5. 1-3).

Fa ianao kosa dia milazà izay mendrika ny fampianarana tsy misy kilema. 

Ny lehilahy anti-panahy anaro hahonon-tena, ho maotona, ho hendry, hatanjaka amin’ny finoana, amin’ny fitiavana, amin’ny faharetana.

Ny vehivavy anti-panahy koa anaro hitondra tena toy izay mendrika ny olona masina, tsy ho mpanendrikendrika, tsy ho andevozin’ny divay be, ho mpampianatra ny zavatra tsara, mba hampianarany ny vehivavy tanora fanahy ho tia ny vadiny, ho tia ny zanany, hahonon-tena, ho madio toe-panahy, hiasa ao an-tranony, ho tsara fanahy, hanaiky ny vadiny, mba tsy hitenenana ratsy ny tenin’Andriamanitra.

Ny lehilahy tanora fanahy koa anaro hahonon-tena ; ka amin’ny zavatra rehetra dia asehoy ny tenanao ho fianarana ny asa tsara, amin’ny fampianaranao maneho ny tsy faharatsiana, ny fahamaotinana, ny teny tsy misy kilema, izay tsy azo tsinina, mba ho menatra izay manohitra, satria tsy hisy ratsy hitenenany anareo.

Ny mpanompo koa dia anaro hanaiky ny tompony ka hanao izay sitrapony amin’ny zavatra rehetra, fa tsy hamalivaly, tsy hangala-tety (hangalatra amin’ny zavatra efa voafatra, vola, entana, sns.), fa haneho izay toe-panahy mahatoky indrindra, mba hampahamendrika ny fampianaran’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, amin’ny zavatra rehetra.

Fa efa miseho ny fahasoavan’Andriamanitra, izay famonjena ny olona rehetra, mampianatra antsika handà izay toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra sy ny filan’izao tontolo izao ary ho velona amin’ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’izao fiainana ankehitriny izao, miandry ny fanantenana mahafinaritra sy ny fisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika, dia Jesosy Kristy, Izay nanolotra ny tenany hamonjy antsika, mba hanavotany antsika ho afaka amin’ny ota rehetra, sy hanadiovany izay olona ho an’ny tenany, sady ho mazoto indrindra amin’ny asa tsara izany.

Izany no lazao sy ananaro ary andrarao amin’ny fahefana rehetra. Aza avela hisy hanao tsinontsinona anao (Titosy 2).

Anaro ny mpanankarena amin’izao fiainana ankehitriny izao mba tsy hiavonavona, na hatoky ny harena miovaova, fa Andriamanitra, Izay manome antsika malalaka ny zavatra rehetra mba hifaliantsika, mba hanao soa, mba hanankarena amin’ny asa tsara, hazoto manome sy miantra, ka dia hihary fanorenana tsara ho an’ny tenany ho amin’ny andro ho avy, mba hihazonany ny tena fiainana.

Tehirizo ilay natolotra anao, ka mialà amin’ny fibedibedena foana sy ny fanoherana avy amin’izay atao hoe fahalalana, kanjo tsy izy, izay neken’ny sasany, ka nania tamin’ny finoana izy.

Ho aminareo anie ny fahasoavana” (1 Timoty 6. 17-21).

Raha manoro hevitra ny rahalahy ny amin’izany zavatra izany ianao, dia ho mpanompo tsara an’i Kristy Jesosy, tezaina amin’ny tenin’ny finoana sy ny fampianarana tsara izay efa narahinao. Fa ny anganongano ratsy fanaom-bavy antitra dia lavo (Aoka ianao handà ny anganongano ratsy ...), ka mampiasà ny tenanao ho amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra. Fa mahasoa kely ihany ny fampiasana ny tena ; fa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra no mahasoa amin’ny zavatra rehetra, ka manana ny teny fikasana ny amin’ny fiainana ankehitriny sy ny ho avy koa. Mahatoky izao teny izao ka tokony hekena amin’ny fankasitrahana rehetra. Fa izany no ikelezanay aina sy iezahanay, satria izahay manantena an’Andriamanitra velona, Izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa izay mino.

Izany zavatra izany no andidio sy ampianaro” (1 Timoty 4. 6-11).

·   Ho an’ireo loholona

Ny loholona dia tokony ho “tsy manan-tsiny, … lehilahy manana vady tokana, manana zanaka mino izay tsy mba ampangaina ho mpanaram-po amin’ny ratsy na ho maditra. Fa ny mpitandrina dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, fa mpitandrina ny an’Andriamanitra, tsy mitompo teny fantatra, tsy mora tezitra, tsy mpimamo liana ady, tsy mpikapoka, tsy tia harena maloto fa mampiantrano vahiny, tia ny tsara, mahonon-tena, marina, masina, mahonom-po, mitana mafy ny teny marina araka ny efa nampianarina, mba hahaizany hananatra amin’ny fampianarana tsy misy kilema sady handresy lahatra ny mpanohitra (Titosy 1. 6-9).

Koa ny amin’ny loholona izay eo aminareo, izaho, izay naman’ny loholona sy vavolombelon’ny fijalian’i Kristy ary mpiombona ny voninahitra efa haseho koa, dia mananatra azy hoe : Andraso ny ondrin’Andriamanitra izay eo aminareo, mitandrina azy tsy an-tery, fa amin’ny sitrapo [araka an’Andriamanitra] ; tsy amin’ny fitiavana harena maloto, fa amin’ny zotom-panahy ; tsy ho mpanjakazaka amin’ny anjara fiandrasana, fa ho fianaran’ny ondry. Ary rehefa miseho ny Lohan’ny mpiandry, dia hahazo ny satroboninahitra tsy mety simba ianareo.

Ary ianareo izay mbola tanora fanahy kosa, dia maneke ny loholona. Eny, samia misikina fanetren-tena ianareo ka mifanompoa ; fa ‘Andriamanitra manohitra ny miavonavona, fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena’. Koa amin’izany, manetre tena ambanin’ny tàna-maherin’Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin’ny fotoanandro ; ary apetraho aminy ny fanahianareo rehetra ; fa Izy no miahy anareo (1 Petera 1. 5-7).

Ary mangataka aminareo izahay, ry rahalahy, mba hekenareo izay mikely aina eo aminareo sy mitondra anareo amin’ny Tompo ary mananatra anareo, ary mba hohajainareo indrindra amin’ny fitiavana izy noho ny asany. Mihavàna tsara.

Ary mananatra anareo izahay, ry rahalahy ; anaro izay tsy mitoetra tsara ; omeo toky ny malemy saina ; ampaherezo ny reraka ; mandefera amin’ny olona rehetra. Tandremo mba tsy hisy hamaly ratsy olona ; fa miezaha mandrakariva hitady izay tsara, na amin’ny namanareo na amin’ny olona rehetra (1 Tesaloniana 5. 12-15).

Aoka ny loholona izay mitondra tsara, hatao tokony hahazo fanajana roa heny, indrindra fa izay mikely aina amin’ny teny sy ny fampianarana. Fa hoy ny Soratra Masina : “Aza manakombona ny vavan’ny omby mively vary ianao”. Ary koa : “Ny mpiasa mendrika hahazo ny karamany”.

Aza mandray teny hiampangana loholona, raha tsy misy vavolombelona roa na telo. Izay manota dia anaro eo anatrehan’ny olona rehetra, mba hatahotra koa ny sasany.

Mananatra anao mafy aho eo anatrehan’Andriamanitra sy Kristy Jesosy ary ny anjely voafidy, mba hotandremanao izany zavatra izany, tsy manao olon-tiana, na manao na inona na inona amin’ny fiangarana (1 Timoty 5. 17-21).

·   Ho an’ireo rehetra mahita ny fiainan’ny mpanompon’Andriamanitra

Aoka hataon’ny olona ho mpanompon’i Kristy sy mpitandrina ny zava-miafina izay an’Andriamanitra izahay...

Aza mitsara na inona na inona alohan’ny fotoana, dia ny fiavian’ny Tompo, Izay hampiharihary ny zavatra takona ao amin’ny maizina ka hampiseho ny fikasan’ny fo ; dia samy hahazo izay derany avy amin’Andriamanitra izy rehetra (1 Korintiana 4. 1, 5).

NY FITOMBOANA ARA-PANAHY

Ireo rehetra mino ny Tompo Jesosy, sady nateraka indray, dia efa lavorary : izay no toerana misy azy ireo eo anatrehan’Andriamanitra, satria “ny fanatitra iray ihany no efa nahatanterahany (nahatanterahan’Andriamanitra) ho mandrakizay izay olona hamasinina” (Hebreo 10. 14).  Koa “isika rehetra izay tanteraka” (Filipiana 3. 15)  —tanteraka no toerana misy antsika—  dia antsoina hitombo ara-panahy, “mandra-pahatongantsika rehetra ho amin’ny firaisan’ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak’Andriamanitra, ka ho lehilahy lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehiben’ny fahafenoan’i Kristy (Efesiana 4. 13). “Ny firaisan’ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak’Andriamanitra, ka ho lehilahy lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehiben’ny fahafenoan’i Kristy”, izay no tokony ho tanjon’ny kristiana tsirairay : fitoviana amin’i Kristy, fahamatorana ara-panahy.

Mba hahatratrarana izany fahamatorana ara-panahy izany, dia tsy maintsy mahalala ny sitrapon’Andriamanitra ny kristiana, ary mankatò izany. Amin’izay izy dia hitoetra ho “marina, ka hatoky tsara amin’izay rehetra mety ho sitrapon’Andriamanitra”. Ary satria sarotra ho an’ny ankamaroantsika, indraindray, ny mitoetra ao amin’ny sitrapon’Andriamanitra, dia ilaina ny mifampivavaka. Izay no nataon’ireo kristiana tany am-boalohany : “Manao veloma anareo Epafra, ilay anankiray avy aminareo sady mpanompon’i Kristy Jesosy ary mikely aina mandrakariva amin’ny fangatahana ho anareo, mba hitoeranareo marina, ka hatoky tsara amin’izay rehetra mety ho sitrapon’Andriamanitra” (Kolosiana 4.12).

Ny tsiambaratelon’ny fahatratrarana ny fitoviana amin’i Kristy dia ny fanoloran-tena tanteraka ho an’Andriamanitra. Izany no nataon’ny apostoly Paoly, ka afaka niteny izy hoe : “Nefa tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko, mba hahavita ny alehako, dia ny fanompoana izay noraisiko tamin’i Jesosy Tompo, hanambara ny filazantsaran’ny fahasoavan’Andriamanitra” (Asan’ny Apostoly 20. 24). Ny fanoloran-tena toy izany dia mahatonga ny kristiana ho olona ara-panahy, matotra, olona lavorary amin’ny lafiny rehetra.

Ny tanjon’ny kristiana izany dia ny hahatratrarana ny fahalavorarian’Andriamanitra eo amin’ny fitondrantenany : “Fa araka ny fahamasinan’Ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masina koa ianareo amin’ny fitondrantena rehetra, satria voasoratra hoe : ‘Ho masina ianareo, satria masina Aho’  (1 Petera 1. 15-16).

·   Ny fanoitra mba hitomboana ara-panahy (fanoitra = zavatra mampirisika hanao zavatra sarotra)

Efa nomen’ny herin’Andriamanitra ho antsika ny zavatra rehetra momba ny fiainana sy ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, amin’ny fahalalana Ilay niantso antsika tamin’ny voninahiny sy ny fahatsarany ; ary izany no nahatanterahany amintsika ireo teny fikasana sady soa no lehibe indrindra, mba ho tonga mpiray amin’ny fomban’Andriamanitra amin’izany ianareo, rehefa afa-nandositra ny fahalotoana izay eo amin’izao tontolo izao noho ny filana ;

koa noho izany dia manaova izay zotom-po rehetra kosa ianareo, ka amin’ny finoanareo dia manehoa fahatanjahan-tsaina, ary amin’ny fahatanjahan-tsainareo dia fahalalana, ary amin’ny fahalalanareo dia fahononam-po, ary amin’ny fahononam-ponareo dia faharetana, ary amin’ny faharetanareo dia toe-panahy araka an’Andriamanitra, ary amin’ny toe-panahinareo araka an’Andriamanitra dia fitiavana ny rahalahy, ary amin’ny fitiavanareo ny rahalahy dia fitiavana ny olona rehetra.

Fa raha anananareo izany zavatra izany, sady anananareo betsaka, dia tsy avelan’izany ho malaina na tsy hahavokatra ianareo, amin’ny fahalalana tsara an’i Jesosy Kristy Tompontsika. Fa izay tsy manana izany zavatra izany kosa dia toa jamba ka tsy mahajery lavitra, sady nanadino ny nanadiovana azy tamin’ny fahotany fahiny izy. Ary amin’izany dia mazotoa kokoa, ry rahalahy, hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo ; fa raha manao izany zavatra izany ianareo, dia tsy ho tafintohina akory mandrakizay ; fa toy izany no hanomezana malalaka ho anareo ny fidirana ho any amin’ny fanjakana mandrakizay, izay an’i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy antsika.” (2 Petera 1. 3-11).

Ny fitomboana ara-panahy dia hita eo amin’ny fiainan’ny kristiana, rehefa mampiseho ireto toetra ireto izy :

o fitiavana : “Izany no ahatanterahana ny fitiavana amintsika, mba hananantsika fahasahiana amin’ny andro fitsarana ; fa tahaka Azy isika eo amin’izao tontolo izao. Tsy manan-tahotra ny fitiavana ; fa ny fitiavana tanteraka mandroaka ny tahotra ; fa mampahory ny tahotra. Fa izay matahotra dia tsy mbola tanteraka amin’ny fitiavana” (1 Jaona 4. 17-18) ;

o fahamasinana : “Koa raha manana ireo teny fikasana ireo isika, ry malala, dia aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra, na amin’ny nofo na amin’ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra” (2 Korintiana 7. 1) ;

o faharetana : “Ary aoka ny faharetana hisy asa tanteraka, mba ho tanteraka sy tonga ohatra ianareo, ka tsy hisy tsy ampy na inona na inona” (Jakoba 1. 4) ;

o fanaovana asa soa isan-karazany : “Ary Andriamanitry ny fiadanana, Izay nitondra an’i Jesosy Tompontsika, Mpiandry ondry lehibe, hiala amin’ny maty, mitondra ny ran’ny fanekena mandrakizay, Izy anie hahatanteraka anareo amin’ny tsara rehetra hanao ny sitrapony, ka hiasa ao anatinareo izay ankasitrahina eo imasony amin’ny alalan’i Jesosy Kristy ; ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena” (Hebreo 13. 20-21).

Ankoatra izany dia aoka homarihina fa ilaina ny fitomboana ara-panahy, etsy andaniny mba tsy hijanonana ao amin’ny tsy fahalalana na inona na inona momba ny zavatra mikasika an’Andriamanitra, etsy ankilany “mba tsy ho zaza intsony isika, ka ahilangilana sy ampitambolimbolenin’ny rivotry ny fampianarana samihafa rehetra, amin’ny saim-petsy ataon’ny olona sy ny fihendreny hahatanteraka ny hevitry ny famitahana (Efesiana 4. 14).

Ary satria “ny mpianatra tsy mihoatra noho ny mpampianatra ; fa izay rehetra tanteraka dia ho tahaka ny mpampianatra azy ihany (Lioka 6. 40), dia zava-dehibe ho an’ny kristiana ny mitady izay hampitomboany sy handalinany ny fahafantarany an’Andriamanitra sy ny Tompo Jesosy, amin’ny vavaka, amin’ny fandinihana ny Tenin’Andriamanitra, ary amin’ny fampiharana ny fampianaran’ny Baiboly.

o Amin’izay izy dia hitombo ara-panahy : “Mitomboa amin’ny fahasoavana sy ny fahalalana an’i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy” (2 Petera 3. 18) ;

o Amin’izay koa izy dia hanahaka bebe kokoa ny Tompo Jesosy : “Fa isika rehetra kosa, amin’ny tava tsy misarona, dia mijery ny voninahitry ny Tompo toy ny amin’ny fitaratra, ka ovana hahazo izany endrika izany indrindra avy amin’ny voninahitra ka ho amin’ny voninahitra, toy ny avy amin’ny Tompo, dia ny Fanahy” (2 Korintiana 3. 18).

Amin’izay isika dia “mba hanaraka ny marina amin’ny fitiavana, ka hitombo amin’ny zavatra rehetra ho amin’Izay Loha, dia Kristy (Efesiana 4. 15).

·   Ambaratonga telo amin’ny fahamatorana am-panahy, eo amin’ny ankohonan’Andriamanitra : ankizy madinika, zatovo, ray

Ny ankohonan’Andriamanitra dia ireo izay nandray ny Tompo Jesosy ho Mpamonjy azy, ireo izay voavela heloka, nateraka indray, ka nanjary zanak’Andriamanitra. Izy ireo no anoratan’ny apostoly Jaona hoe : “Manoratra aminareo zanaka aho, satria voavela ny helokareo noho ny anarany” (1 Jaona 2. 12).

Toy ny ao amin’ny ankohonana rehetra, dia misy ambaratonga samihafa koa ao amin’ny ankohonan’Andriamanitra, amin’ny fahamatorana ara-panahy :  ankizy madinika, zatovo, ray.

“Manoratra aminareo ray aho, satria efa mahalala Ilay hatramin’ny voalohany ianareo.

Manoratra aminareo zatovo aho, satria efa naharesy ilay ratsy ianareo.

Nanoratra taminareo ankizy madinika aho, satria efa mahalala ny Ray ianareo.

Nanoratra taminareo ray aho, satria efa nahalala Ilay hatramin’ny voalohany ianareo.

Nanoratra taminareo zatovo aho, satria mahery ianareo, ary mitoetra ao anatinareo ny tenin’Andriamanitra, sady efa naharesy ilay ratsy ianareo” (1 Jaona 2. 13-14).

Mba hahatakarana bebe kokoa :

o Ny ray dia ireo izay nianatra hahalala ny Tompo Jesosy, manana fiombonana aminy (ary izany rahateo no manova azy ireo hitovy endrika amin’i Kristy mihitsy), ireo izay matotra indrindra ara-panahy, mahafantatra an’Andriamanitra ao amin’ny fahafenoany tanteraka.

o Ny zatovo dia ireo izay nianatra hahafantatra ny sitrapon’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny Baiboly, saingy mbola tsy nahatratra ny fahamatorana feno amin’ny fahalalana an’Andriamanitra. Izy ireo anefa dia nianatra handresy ny fakam-panahy, ary nahazo fandresena mihitsy aza : mahery izy ireo, efa naharesy ilay ratsy, tsy noho ny herin’ny tenany anefa, fa satria niantehitra tamin’ny Tompo Jesosy izy ireo ary mitoetra ao anatiny ny Tenin’Andriamanitra. Na izany aza, dia ampitandremana izy ireo tsy ho voatarik’izao tontolo izao.

o Ny ankizy madinika dia ireo izay tsy manana afa-tsy fahalalana fototra an’Andriamanitra, ka mila mitombo kokoa. Saingy manana fifandraisana amin’Andriamanitra Ray izy ireo : mahafantatra ny Ray, ary tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra ho amin’ny fahamarinana. Na izany aza, dia ampitandremana izy ireo amin’ny mpaminany sandoka, mpampianatra sandoka, izany hoe ireo izay tsy mampianatra araka ny Baiboly.

·   Ny sitrapon’Andriamanitra : tsy hijanona ho ankizy madinika ao amin’ny finoana, fa hitombo ka ho tonga amin’ny fahamatorana

Nahazo tsiny tamin’ny mpanoratra ny epistily ho an’ny Hebreo ny kristiana, satria tsy nahatakatra na inona na inona momba an’i Melkizedeka. Koa hoy izy : “Ny amin’izany dia manana teny maro izahay, sady sarotra ambara, satria lalodalovana ny sofinareo. Fa na dia tokony ho efa mpampianatra aza ianareo, noho ny fahelan’ny andro, dia mbola mila izay hampianatra anareo ny abidim-pianaran’ny tenin’Andriamanitra indray ; ary efa toy izay tokony homen-dronono ianareo, fa tsy ventin-kanina. Fa izay rehetra mivelona amin’ny ronono dia tsy zatra amin’ny tenin’ny fahamarinana, satria mbola zaza bodo. Fa ho an’izay efa lehibe ny ventin-kanina, dia ho an’izay manana ny saina efa zatra nampiasaina tsara ka mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy…

Koa aoka hilaozantsika ny abidim-pianarana ny amin’i Kristy, fa aoka handroso ho amin’ny tanteraka isika, ka tsy hanao fanorenana indray, dia fibebahana hahafahana amin’ny asa maty, sy finoana an’Andriamanitra, ary fampianarana ny amin’ny fisasana maro sy ny fametrahan-tànana, ary ny fitsanganan’ny maty sy ny fitsarana mandrakizay. Ary izany no hataontsika, raha avelan’Andriamanitra…

Ary mbola irinay ianareo rehetra samy haneho izany fahazotoana izany mba hahazo ny fahatokiana be ny amin’ny fanantenana hatramin’ny farany ; mba tsy hiketraka ianareo, fa hanahaka ireo mandova araka ny teny fikasana amin’ny finoana sy ny faharetana” (Hebreo 5. 11-14 ; 6. 1-3, 11-12).

Ary izaho, ry rahalahy, tsy nahazo niteny taminareo tahaka ny amin’izay araka ny Fanahy, fa tahaka ny amin’izay mbola nofo, dia tahaka izay mbola zaza ihany ao amin’i Kristy. Ronono no nomeko anareo, fa tsy ventin-kanina, satria tsy mbola natanjaka ianareo ; eny, mbola tsy matanjaka mandraka ankehitriny aza, fa mbola araka ny nofo ihany ianareo” (1 Korintiana 3. 1-3).

NY TOE-TSAINA TOKONY HANANAN’NY KRISTIANA MANDRAKARIVA

Mifalia mandrakariva amin’ny Tompo ; hoy izaho indray : Mifalia. Aoka ho fantatry ny olona rehetra ny fandeferanareo. Efa mby akaiky ny Tompo” (Filipiana 4. 4-5).

Mifalia mandrakariva. Mivavaha, ka aza mitsahatra. Misaora amin’ny zavatra rehetra ; fa izany no sitrapon’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy ho anareo. Aza mamono ny Fanahy. Aza manao tsinontsinona ny faminaniana. Fantaro ny zavatra rehetra ; hazòny mafy izay tsara. Fadio ny fanao ratsy rehetra.

 Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hahamasina anareo samy ho tanteraka, ka aoka harovana avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo, ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny amin’ny fiavian’i Jesosy Kristy Tompontsika. Mahatoky Izay miantso anareo, sady Izy ihany no hanefa izany (1 Tesaloniana 5. 16-24).

Mahareta amin’ny fivavahana, ka miambena amin’izany amin’ny fisaorana, ary mangataha koa ho anay, mba hamohan’Andriamanitra varavarana ho an’ny teny, hilazanay ny zava-niafina izay an’i Kristy (Kolosiana 4. 2-3).

Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana, hahatanteraka ny sitrapony. Ataovy ny zavatra rehetra amin’ny tsy fimonomononana sy ny tsy fisalasalana, mba ho tsy manan-tsiny sady tsy misy fitaka ianareo, dia zanak’Andriamanitra tsy manana adidy eo amin’ny firenena meloka sy maditra, izay isehoanareo tahaka ny fanazavana eo amin’izao tontolo izao, mitana ny tenin’ny fiainana (Filipiana 2. 12-16).

Ilay zavatra tsara natolotra anao dia tehirizo amin’ny fampaherezan’ny Fanahy Masina, Izay mitoetra ao anatintsika (2 Timoty 1. 14).

Ary amin’izany dia mahareta tsara, ry rahalahy, mandra-piavin’ny Tompo. Indro, ny mpiasa tany miandry ny voka-tsoa amin’ny tany ka maharitra amin’izany, mandra-pahazony ny ranonorana aloha sy aoriana. Mahareta koa ianareo, mampahereza ny fonareo, fa efa mby akaiky ny fiavian’ny Tompo. Aza mifampimonomonona, ry rahalahy, fandrao hohelohina ianareo ; indro, ny Mpitsara efa mitsangana eo anoloan’ny varavarana.

Ry rahalahiko, aoka ny mpaminany izay niteny tamin’ny anaran’ny Tompo no halainareo ho fianarana ny fandeferam-pahoriana sy ny faharetana. Indro, ataontsika fa sambatra izay efa naharitra. Efa renareo ny faharetan’i Joba, ary efa hitanareo ny faran’ny nataon’ny Tompo taminy, fa miantra indrindra ny Tompo sady be famindrampo…

Misy azom-pahoriana va eo aminareo ? Aoka izy hivavaka. Misy faly va ? Aoka izy hihira fiderana. Misy marary va eo aminareo ? Aoka izy hampaka ny loholon’ny fiangonana ; ary aoka hanosotra diloilo azy amin’ny anaran’ny Tompo ireo sady hivavaka eo aminy ; ary ny fivavaky ny finoana dia hamonjy ilay marary, fa ny Tompo hanangana azy ; ary raha nanota izy, dia havela ny helony (Jakoba 5. 7-11, 13-15).

Ary aoka ny antsika koa hianatra hanao asa tsara hahazoany izay ilainy, fandrao tsy hisy vokatra izy (Titosy 3. 14).

·  Ho an’ny tanora
“Fa mandosira ny filan’ny tanora fanahy ; ary miezaha mitady fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana amin’izay miantso ny Tompo amin’ny fo madio. Fa mandava ny fanontaniana adaladala tsy misy antony, satria fantatrao fa mahatonga ady izany. Ary tsy mety raha miady ny mpanompon’ny Tompo, fa ho malemy fanahy amin’ny olona rehetra, mahay mampianatra, mahalefitra, mananatra ny mpanohitra amin’ny fahamoram-panahy ; fa angamba Andriamanitra hanome azy fibebahana hahalalany tsara ny marina, ka hody ny sainy ho afaka amin’ny fandriky ny devoly, izay nanao azy sambo-belona hanao ny sitrapony” (2 Timoty 2. 22-26).

·  He ! ianareo izay manao hoe : Anio na ampitso dia hankany Ananona izahay ary hitoetra any herintaona ka hividy sy hivarotra ary hahazo tombom-barotra, kanefa tsy mahalala ny ho ampitso ianareo. Inona moa ny ainareo ? Fa zavona ihany ianareo, izay miseho vetivety, dia levona. Fa aleo manao izao : Raha sitrapon’ny Tompo, ka velona izahay, dia hataonay izao na izany. Fa izao dia mirehareha amin’ny fahasahianareo ianareo ; ratsy ny fireharehana rehetra toy izany. Koa izay mahalala hanao soa, nefa tsy manao, dia heloka ho azy izany” (Jakoba 4. 13-17).

·  Ho an’ny rehetra : “Fa antomotra ny faran’ny zavatra rehetra ; koa hendre ka mahonona tena ho amin’ny fivavahana. Ary mihoatra noho ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara : fa ‘ny fitiavana manarona fahotana maro’. Mifampiantranoa, ka aza mimonomonona.
 Samia mifanompo araka ny fanomezam-pahasoavana izay noraisinareo, dia tahaka ny mpitandrina tsara ny    fahasoavana maro samihafa izay an’Andriamanitra.
Raha misy olona miteny, dia aoka izy hiteny toy ny milaza tenin’Andriamanitra ; raha misy olona manompo, dia aoka izy hanao izany araka ny hery izay omen’Andriamanitra azy ; mba hankalazana an’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy ; fa Azy ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena” (1 Petera 4. 7-11).

REHEFA ITATAOVAN-DOZA NY KRISTIANA

Eny, izay rehetra te ho velona amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, izay ao amin’i Kristy Jesosy, dia henjehina. Fa ny ratsy fanahy sy ny mpanoloky kosa dia handroso hiharatsiratsy kokoa, sady mamitaka no fitahina.

Fa ianao kosa dia mahareta amin’izay zavatra nianaranao sy nampinoana anao, satria fantatrao izay nampianatra anao izany ; fa hatry ny fony vao zaza ianao dia efa nahalala ny Soratra Masina, izay mampahahendry anao ho amin’ny famonjena amin’ny finoana izay ao amin’i Kristy Jesosy. Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon’Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra” (2 Timoty 3. 12-17).

Fa mahatoky ny Tompo, Izay hampahery sy hiaro anareo tsy ho azon’ny ratsy. Fa izahay matoky anareo ao amin’ny Tompo, fa izay zavatra andidianay dia efa ataonareo sady mbola hataonareo ihany koa. Ary ny Tompo anie hanitsy làlana ny fonareo ho amin’ny fitiavana an’Andriamanitra sy ho amin’ny faharetan’i Kristy” (2 Tesaloniana 3. 3-5).

FAMPITANDREMANA SASANTSASANY

amin’ny mpaminany sandoka, ny fampianaran-diso, ny mpampianatra sandoka, ny foto-pampianarana diso, ny misandoka ho mpanompon’Andriamanitra

·   Tandremo ny mpampianatra sandoka sy ny mpaminany sandoka

Fa nisy mpaminany sandoka teo amin’ny olona Israely, ary hisy koa mpampianatra sandoka tahaka izany eo aminareo, izay hahatonga mangingina sain-diso mahavery ary handà ny Tompo Izay nividy azy aza, ka hahatonga fahaverezana tampoka ho amin’ny tenany. Ary maro no hanaraka ny fijejojejoany ; ka ireny no hitenenan-dratsy ny làlan’ny fahamarinana. Ary amin’ny hafatratry ny fitiavany harena no hanaovany varotra anareo amin’ny teny mamitaka ; efa ela izay no tsy nijanonjanona ny fitsarana ireny, ary tsy rendremana ny fahaverezany… ireo … izay miteny ratsy ny zavatra tsy fantany (tahaka ny biby tsy manan-tsaina, fa zava-manana aina fotsiny ihany, izay teraka ho fisambotra sy ho famono) dia haringana tokoa amin’ny fahalotoany, ary hiharan’ny ratsy ho valin’ny faharatsiany izy. Ataony ho zava-mahafinaritra ny velona vetivety amin’ny fy, ka be pentimpentina sy tsiny izy sady velona amin’ny fy eo amin’ny fanasam-pifankatiavany, raha miara-mihinana aminareo, manana maso feno fijangajangana, izay tsy mety mitsahatra amin’ny fahotana : dia mamitaka ny tsy miorina tsara izy ; ary mampahazatra ny fony amin’ny hafatratry ny fitiavany harena, dia zanaky ny fanozonana izy ; efa niala tamin’ny làlana mahitsy izy ka nivily nanaraka ny làlan’i Balama, zanak’i Beora, izay tia ny tambin’ny tsy fahamarinana, nefa voanatra izy noho ny fahotany : ny boriky moana dia nanao feon’olona ka nisakana ny hadalan’ilay mpaminany.

Ireo dia loharano ritra, zavona entin’ny tafio-drivotra, ka efa tehirizina ho azy ny fahamaintisan’ny maizina. Fa mandoka fatratra ny zava-poana ireo, ka ny filan’ny nofo, dia ny fijejojejoana, no entiny mamitaka ny olona izay saiky afaka tsy ho naman’ny velona eo amin’ny fahadisoana intsony ; fahafahana no ampanantenainy ireny, kanjo ny tenany aza dia andevon’ny fahalotoana ; fa izay maharesy ny olona dia mahandevo azy.

Fa raha misy efa afaka amin’ny fahalotoan’izao tontolo izao noho ny fahalalana tsara an’i Jesosy Kristy, Tompo sy Mpamonjy, nefa voasingotr’izany indray ka resy, ny farany dia ratsy noho ny voalohany. Fa tsara aminy raha tsy nahalala ny làlan’ny fahamarinana, toy izay hiala amin’ny didy masina natolotra azy, rehefa nahalala izany izy. Efa mihatra aminy ny ohabolana marina hoe : ‘Ny amboa miverina indray amin’ny loany’, ary : Ny kisoavavy efa nisasa dia mihosim-potaka indray” (2 Petera 2. 1-3, 12-22).

Mitandrema ianareo, fandrao ho voafitaky ny mpaminany sandoka, izay mankao aminareo amin’ny fitafian’ny ondry, fa ao anatiny dia amboadia mitoha (mitady haza, mitady remby) izy. Ny voany no hahafantaranareo azy. Manoty voaloboka amin’ny tsilo va ny olona, na aviavy amin’ny songosongo ? Dia toy izany, ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara ; fa ny hazo ratsy rehetra dia mamoa voa ratsy. Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy, ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara. Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo. Ka dia ny voany no hahafantaranareo azy” (Matio 7. 15-20).

Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin’Andriamanitra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin’izao tontolo izao. Izao no ahafantaranareo ny Fanahin’Andriamanitra : Ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga tamin’ny nofo Jesosy Kristy no avy amin’Andriamanitra ; ary ny fanahy rehetra izay tsy manaiky an’i Jesosy dia tsy mba avy amin’Andriamanitra ; ary izany no fanahin’ny antikristy, izay efa renareo fa ho avy, sady efa eo amin’izao tontolo izao sahady izy.

Anaka, ianareo dia avy amin’Andriamanitra ary efa naharesy ireny, satria lehibe Izay ao aminareo noho izay ao amin’izao tontolo izao. Isan’izao tontolo izao ireny, ka dia miteny araka ny an’izao tontolo izao izy, ary mihaino azy izao tontolo izao. Avy amin’Andriamanitra izahay ; izay mahalala an’Andriamanitra no mihaino anay ; izay tsy avy amin’Andriamanitra tsy mba mihaino anay. Izany no ahafantarantsika ny fanahin’ny fahamarinana sy ny fanahin’ny fampiviliana” (1 Jaona 4. 1-6).

o  Ny eboebo sy ny fitiavam-bola no tena antony manosika ny mpampianatra sandoka

Raha misy olona manao fampianarana hafa noho izany ka tsy manaiky ny teny tsy misy kilema, dia ny an’i Jesosy Kristy Tompontsika, sy ny fampianarana izay mahatonga ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, dia mieboebo foana izy ka tsy mahalala na inona na inona, fa adala amin’ny fiadian-kevitra sy ny fiadian-teny izay mahatonga fialonana, fifandirana, fanaratsiana, fiahiahian-dratsy, fifandirana lalandava, fanaon’ny olona vetaveta saina sady efa nialan’ny fahamarinana, manao ny toe-panahy araka an’Andriamanitra ho fahazoan-javatra. Fa misy tombony lehibe tokoa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra omban’ny fianinana (mifaly amin’izay ananana). Fa tsy nitondra na inona na inona ho amin’izao tontolo izao isika, sady hita fa tsy hahatondra na inona na inona hiala. Fa raha manan-kanina sy fitafiana isika, dia aoka hianina (hifaly) amin’izany. Ary izay ta hanankarena dia latsaka amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filana maro tsy misy antony sady mandratra, izay mandentika ny olona ao amin’ny fandringanana sy ny fahaverezana. Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin’ny finoana, ka nanindrona ny tenany tamin’ny alahelo be” (1 Timoty 6. 3-10).

o Ny mpampianatra sandoka dia mitarika mpianatra hanaraka azy, fa tsy misarika azy ho eo amin’i Kristy

Hoy ny apostoly Paoly : “Fantatro fa rehefa lasa aho dia hisy amboadia masiaka hiditra eo aminareo, izay tsy hiantra ny ondry. Ary avy aminareo no hiposahan’ny olona sasany mitory teny tsy marina hitaona ny mpianatra hanaraka azy” (Asan’ny Apostoly 20. 29-30).

o Ny mpampianatra sandoka dia mamitaka ireo izay tsy miorina tsara, mba hahazoany zava-tsoa

Fa izaho mananatra anareo, ry rahalahy, mba hitandrina ny amin’izay mahatonga ny fisarahana sy ny fahatafintohinana tsy araka ny fampianarana efa nianaranareo ; mialà amin’ireny olona ireny. Fa izy ireny tsy mba manompo an’i Kristy Tompontsika, fa ny kibony ihany ; ary teny malefaka sady tsara lahatra no amitahany ny fon’ny tsy ary saina” (Romana 16. 17-18).

o Misy aza mpampianatra sandoka antsoina hoe “antikristy, izay dingana ambony kokoa eo amin’ny faharatsiana

Fa maro ny mpamitaka efa lasa any amin’izao tontolo izao, dia ireny tsy manaiky fa efa tonga tamin’ny nofo Jesosy Kristy. Izy no mpamitaka sy antikristy.

Mitandrema ianareo, fandrao mahavery izay namonoanay tena, fa mba handraisanareo valim-pitia tanteraka. Izay rehetra mitarika nefa tsy mitoetra ao amin’ny fampianaran’i Kristy, dia tsy manana an’Andriamanitra. Izay mitoetra ao amin’ny fampianarana, dia izy no manana ny Ray sy ny Zanaka. Raha misy olona mankeo aminareo ka tsy mitondra izao fampianarana izao, aza mampiantrano azy na miarahaba azy akory ; fa izay miarahaba azy dia miombona amin’ny ratsy ataony” (2 Jaona 7-11).

Rankizy, izao no ora farany, ary tahaka ny efa renareo fa ho avy ny antikristy, sady maro no antikristy efa tonga sahady ; koa izany no ahafantarantsika fa izao no ora farany. Avy tamintsika ihany no niala ireo, nefa tsy mba namantsika izy ; fa raha tàhiny namantsika izy, dia ho nitoetra tamintsika ihany ; fa efa niala izy, mba haseho fa tsy isantsika izy rehetra.

Fa ianareo kosa manana hosotra avy amin’Ilay Masina ka mahalala ny zavatra rehetra. Tsy noho ny tsy ahafantaranareo ny marina no nanoratako taminareo, fa noho ny ahafantaranareo izany sy noho ny tsy fisiana lainga avy amin’ny marina. Iza no mpandainga, afa-tsy ilay mandà an’i Jesosy tsy ho Kristy ? Izy no antikristy, dia izay mandà ny Ray sy ny Zanaka. Izay rehetra mandà ny Zanaka no tsy manana ny Ray koa ; izay manaiky ny Zanaka no manana ny Ray koa.

Ary ny aminareo, dia izay efa renareo hatramin’ny voalohany no aoka hitoetra ao anatinareo. Raha mitoetra ao anatinareo izay efa renareo hatramin’ny voalohany, dia hitoetra ao amin’ny Zanaka sy ny Ray kosa ianareo. Ary izao no teny fikasana izay nataony tamintsika, dia ny fiainana mandrakizay.

Izany zavatra izany no voasoratro taminareo ny amin’ny mamitaka anareo. Ary ny aminareo, dia ilay hosotra noraisinareo taminy no mitoetra ao aminareo, ka tsy mila hampianarin’olona ianareo ; fa satria ny hosotra avy aminy no mampianatra anareo ny zavatra rehetra, sady marina, fa tsy lainga izany, dia tomoera ao aminy ianareo, araka ny nampianarany anareo.

Ary ankehitriny, anaka, tomoera ao aminy, mba hananantsika fahasahiana, raha hiseho Izy, ka tsy ho menatra eo anatrehany amin’ny fiaviany.

Raha fantatrareo fa marina Izy, dia fantaro fa izay rehetra manao ny marina no zanany naterany” (1 Jaona 2. 18-29).

Fanamarihana :

Ny kristiana dia tsy tokony hino izay olona rehetra milaza ny tenany ho apostoly, mpaminany, evanjelista, mpiandry, mpampianatra, na olona milaza fa nandray fanomezam-pahasoavana hanasitrana, hanao fahagagana... Tsy tokony hino izay rehetra mitondra karazana foto-pampianarana iray izy. Tokony havahany raha mifanaraka amin’ny Baiboly na tsia izay lazaina, satria fantany fa Andriamanitra dia tsy miova, ary ny Teniny koa. Ny kristiana dia tsy tokony hiantehitra afa-tsy amin’ny fampianaran’ny Baiboly : izay no hiaro azy tsy ho voafitaky ny fampianaran-diso.

·   Tandremo ny foto-pampianarana diso !

Ary izany no lazaiko, fandrao hisy hampahadiso hevitra anareo amin’ny teny toa marina. Fa na dia tsy manatrika anareo amin’ny nofo aza aho, dia manatrika anareo ihany amin’ny fanahy ka mifaly sy mijery ny filaminanareo sy ny tsy fiovan’ny finoanareo an’i Kristy.

Koa tahaka ny nandraisanareo an’i Kristy Jesosy Tompo, dia mandehana ao aminy araka izany koa, ka mamaka tsara sy miorina mafy ao aminy ary tafatoetra amin’ny finoana, toy ny efa nampianarana anareo, ka mazoto amin’ny fisaorana.

Tandremo fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin’ny filozofia sy ny famitahana foana, araka ny fampianarana voatolotry ny razana, araka ny abidim-pianaran’izao tontolo izao, fa tsy araka an’i Kristy. Fa ao amin’ny tenany no itoeran’ny fahafenoan’ny fomban’Andriamanitra rehetra ; ary ianareo dia tanteraka ao aminy, sady Izy no Lohan’ny fanapahana sy ny fahefana rehetra, ary tao aminy koa no namorana anareo tamin’ny famorana tsy nataon-tànana, tamin’ny fanesorana ny tenan’ny nofo, dia tamin’ny famoran’i Kristy ; fa niara-nilevina taminy ianareo tamin’ny batisa, izay niarahanareo natsangana taminy koa noho ny finoana ny asan’Andriamanitra, izay nanangana Azy tamin’ny maty. Ary ianareo, izay efa matin’ny fahadisoana sy ny tsy fiforan’ny nofonareo, dia novelominy niaraka tamin’i Kristy, rehefa navelany ny fahadisoantsika rehetra ; ary novonoiny ny sora-tànan’ny didy izay niampanga antsika ; dia nesoriny tsy ho eo mihitsy izany ka nohomboany tamin’ny hazofijaliana, ary nesoriny tsy ho eo amin’ny tenany ny fanapahana sy ny fahefana, ary noho ny hazofijaliana dia nasehony miharihary ny fitòndrany ireo toy ny fanaon’izay avy nandresy.

Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin’ny fihinana, na ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny Sabata ; aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia an’i Kristy. Aza mety hofitahina tsy hahazoanareo ny loka noho ny fanetren-tena haitraitra sy ny fivavahana amin’ny anjely, ka mitompo amin’ny zavatra efa hitany sady feno fiavonavonana noho ny fisainan’ny nofony ka tsy mihazona ny Loha ; Izy no itomboan’ny tena rehetra, izay velomina sy ampiraisina tsara amin’ny famavany (tonon’ny taolana) sy ny ozatra, araka ny fampitomboan’Andriamanitra.

Ary raha niara-maty tamin’i Kristy ianareo ka efa afaka tamin’ny abidim-pianaran’izao tontolo izao, nahoana no toa mbola velona amin’izao tontolo izao ihany ianareo ka mety hodidiana hoe : Aza mandray, aza manandrana, aza manendry  —levona amin’ny fanaovana ihany izany rehetra izany—  araka ny didy sy ny fampianaran’olona ? Izany rehetra izany dia ankalazaina ho fahendrena, amin’ny fivavahana haitraitra sy ny fanetren-tena ary ny fampahoriana ny tena, nefa tsy manan-kery akory hahasakana ny fampanaranana ny nofo” (Kolosiana 2. 4-23).

Toy ny nangatahako anao hitoetra any Efesosy, rehefa hankany Makedonia aho, mba handidianao ny sasany tsy hanao fampianarana hafahafa, na hitandrina ny anganongano sy ny tantaram-pirazanana tsy hita lany, izay mahatonga ady hevitra, fa tsy mampandroso ny fitondrana araka an’Andriamanitra amin’ny finoana, dia toy izany koa no ataoko ankehitriny.

Fa ny anton’ny didy dia fitiavana avy amin’ny fo madio sy ny fieritreretana tsara ary ny finoana tsy mihatsaravelatsihy, izay nivilian’ny sasany, ka nania ho amin’ny taria foana (resaka tsy misy ventiny) izy, dia olona izay te ho mpampiana-dalàna, kanefa tsy fantany akory izay lazainy na izay itompoany” (1 Timoty 1. 3-7).

Aza mety havilin’izay fampianarana maro hafahafa ianareo. Fa tsara raha ampiorenina amin’ny fahasoavana ny fo” (Hebreo 13. 9).

·   Koa ampitandremana ny kristiana mba tsy ho lavo, toy ny nahalavo ny Israely

Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, fa ny razantsika rehetra dia tambanin’ny rahona, ary izy rehetra namaky ny ranomasina, ary izy rehetra dia natao batisa ho amin’i Mosesy tao amin’ny rahona sy ny ranomasina, ary izy rehetra nihinana ny fihinam-panahy iray ihany, ary izy rehetra nisotro ny fisotrom-panahy iray ihany ; fa nisotro tamin’ny vatolampy fanahy izay nanaraka azy izy, ary Kristy izany vatolampy izany. Nefa ny ankabeazany dia tsy sitrak’Andriamanitra, fa naringana tany an’efitra. Ary izany zavatra izany dia tonga anatra ho antsika, mba tsy ho mpila zava-dratsy isika, toy ny nilan’ireny. Ary aoka tsy ho mpanompo sampy ianareo, tahaka ny sasany tamin’ireny, araka ny voasoratra hoe : “Ny olona nipetraka hihinana sy hisotro, dia nitsangana hilalao”. Ary aoka tsy hijangajanga isika, tahaka ny sasany tamin’ireny, ka telo arivo amby roa alina no ringana indray andro. Ary aoka tsy haka fanahy ny Tompo isika, tahaka ny nakan’ny sasany tamin’ireny fanahy Azy, ka matin’ny menarana ireny. Ary aoka tsy himonomonona ianareo, tahaka ny sasany tamin’ireny, izay matin’ny mpandringana.

Ary izany dia nanjo azy mba ho anatra, sady voasoratra izany ho fananarana antsika izay niharan’ny faran’izao tontolo izao. Koa izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavo. Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan’ny olombelona ; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo ; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany làlana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany.

Koa amin’izany, ry malala, mandosira ny fanompoan-tsampy” (1 Korintiana 10. 1-14).

NY HAZAKAZAKA KRISTIANA

Torohevitra vitsivitsy hahazoana ny lokan’ny fiantsoan’Andriamanitra ho amin’ny lanitra

Ny Tenin’Andriamanitra dia mampitaha ny fiainana kristiana amina fifaninanana ara-panatanjahantena, toy ny hazakaza-davitra, ary mihazakazaka ny mpifaninana mba hahazo loka. Izay kristiana te hahazo io “lokan’ny fiantsoan’Andriamanitra” io, dia tokony ho tahaka ny mpanao fanatanjahantena tsy manao kitoatoa, mahomby, ary manaja ny fitsipiky ny fifaninanana.

·   Ny torohevitry ny apostoly Paoly hahazoana ny lokan’ny fiantsoan’Andriamanitra

Tsy fantatrareo va fa izay mihazakazaka eo amin’ny tany fihazakazahana dia samy mihazakazaka avokoa, nefa ny iray ihany no mahazo ny loka ? Mihazakazaha toy izany, mba hahazoanareo. Ary ny mpihazakazaka rehetra dia mahonon-tena amin’ny zavatra rehetra. Kanefa ireny dia mitady satroboninahitra mety ho lo ihany, fa isika kosa ny tsy mety ho lo. Raha izaho ary, dia mihazakazaka, nefa tsy toy ny manao kitoatoa ; ary mamely totohondry aho, nefa tsy toy ny mamely ny rivotra ; fa asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko, fandrao, na dia efa nitory tamin’ny sasany aza aho, dia holavina kosa ny tenako” (1 Korintiana 9. 24-27). “Ary raha misy manezaka amin’ny filalaovana, dia tsy satrohana satroboninahitra izy, raha tsy manezaka araka ny lalàna. Ny mpiasa tany izay misasatra no tokony ho voalohany handray ny vokatra” (2 Timoty 2. 5-6).

·   Ary izao no voasoratra ao amin’ny epistily ho an’ny Hebreo :

Aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin’ny ota izay malaky mahazo antsika, ary aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana amin’izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao, mijery an’i Jesosy, Tompon’ny finoantsika sy Mpanefa azy, Izay naharitra ny hazofijaliana, fa tsy nitandro henatra, mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany, ka dia efa mipetraka eo amin’ny ankavanan’ny sezafiandrianan’Andriamanitra Izy” (Hebreo 12. 1-2).

·   Izao koa no ambaran’ny apostoly Paoly, miresaka ny tenany :

Nefa izay azoko ho tombony dia nataoko fatiantoka kosa, noho ny amin’i Kristy. Eny tokoa, fa ataoko ho fatiantoka avokoa ny zavatra rehetra, noho ny fihoaran’ny hatsaran’ny fahalalana an’i Kristy Jesosy Tompoko, Izay niaretako ny fatiantoka ny zavatra rehetra, ka ataoko ho taimboraka ireny mba hahazoako an’i Kristy ; ary mba ho hita ao aminy aho tsy manana ny fahamarinako, izay avy amin’ny lalàna, fa izay avy amin’ny finoana an’i Kristy, dia ny fahamarinan’Andriamanitra amin’ny finoana ; eny, mba ho fantatro Izy sy ny herin’ny fitsanganany tamin’ny maty ary ny fiombonana amin’ny fijaliany ka hampitovina amin’ny endriky ny fahafatesany, raha mba misy hahatratrarako ny fitsanganana amin’ny maty.

Tsy toy ny efa nahazo sahady aho, na efa tanteraka sahady ; fa miezaka aho hihazona izay nihazonan’i Kristy Jesosy ahy. Ry rahalahy, tsy mbola ataoko fa efa nahazo ny tenako ; fa zavatra iray loha no ataoko ; manadino izay zavatra ao aoriana ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha, eny, miezaka hanatratra ny marika aho hahazoako ny lokan’ny fiantsoan’Andriamanitra any ambony ao amin’i Kristy Jesosy” (Filipiana 3. 7-14).

NY EGLIZY

ZAVA-BAOVAO, VATANA FANAHY : NY TENAN’I KRISTY, NY TRANON’ANDRIAMANITRA

TALOHAN’NY EGLIZY...

·   Ny tabernakely, tranon’Andriamanitra, trano azo bataina, tany an-taniefitra : toerana hitsaohana ho an’ny vahoaka jiosy nandeha ho any amin’ny tany nampanantenaina

Tamin’ny fotoanandrony Jehovah Andriamanitra dia nifidy vahoaka iray : Israely. Io vahoaka io dia nantsoina mba hisaraka amin’ny firenena hafa, hatokana ho an’Andriamanitra, mba ho vavolombelon’Andriamanitra eto an-tany : “Indro, firenena mitoka-monina izy, ary tsy hatao ho isan’ny jentilisa” (Nomery 23. 9), satria “firenena masina ho an’i Jehovah Andriamanitrao ianao ; fa ianao efa nofidin’i Jehovah Andriamanitrao ho firenena rakitra soa ho Azy, mihoatra noho ny firenena rehetra ambonin’ny tany” (Deoteronomia 7. 6). Nampanantenain’Andriamanitra tamin’io vahoaka io ny fanatrehany eo afovoan’izy ireo —satria hatrizay hatrizay, ny fihevitr’Andriamanitra dia ny hiara-mitoetra amin’ny olombelona, hifandray akaiky sady tsy misy raorao amin’izy ireo. Koa io fanatrehan’i Jehovah eo afovoan’ny vahoaka Israely io dia naseho tamin’ny tabernakely, izay karazana trano lay nanaovan’ny Israely fanompoam-pivavahana. Hoy Jehovah tamin’i Mosesy : “Asaivo manao fitoerana masina ho Ahy izy, dia honina eo aminy Aho. Araka izay rehetra asehoko aminao, dia ny endriky ny tabernakely sy ny endriky ny fanaka rehetra momba azy, dia araka izany no hanaovanao azy” (Eksodosy 25. 8-9). “Ary ny tabernakeliko dia hataoko eo aminareo… Ary handeha eo aminareo Aho ka ho Andriamanitrareo ; ary ianareo ho oloko. Izaho no Jehovah Andriamanitrareo” (Levitikosy 26. 11-13).

Koa namboarina ny tabernakely, araka ny môdely nasehon’Andriamanitra an’i Mosesy, ary natao ho azo afindrafindra, nandritra ny fotoana rehetra nampirenireny ny vahoaka Israely tany an-taniefitra. Io no tranon’Andriamanitra tetỳ an-tany ; io irery no toerana neken’Andriamanitra ho azo anaovana fanompoam-pivavahana ho Azy, toerana fanaovana fitsaohana.

Nisy hatrany ny tabernakely, mandra-pahatonga ny vahoaka Israely tany Kanana, ilay tany nampanantenain’Andriamanitra homena azy ireo. Dia naniry hanao trano ho an’Andriamanitra i Davida mpanjaka, hanao tempoly, ny tranon’Andriamanitra. Saingy Andriamanitra tenany mihitsy no nifidy ny olona hanorina io tempoly io, dia i Solomona mpanjaka ; ary Izy ihany koa no namaritra mazava tsara ny toerana hanorenana azy, dia eo amin’ny tendrombohitra Ziona, ao Jerosalema. Toy izany no nanorenana toerana hafa ho fanaovana fanompoam-pivavahana, toerana tsy azo afindrafindra : ny Tempoly, narafitra tamina vato voapaika lehibe nalahadahatra.

·   Ny tempoly tao Jerosalema, tranon’Andriamanitra, trano raikitra tao amin’ny tany nampanantenaina : trano fanaovana sorona, toerana fitsaohan’ny vahoaka jiosy

Io Tempoly io dia namboarina tamin’ny andron’i Solomona mpanjaka. “Ary nony afaka ny roapolo taona nanaovan’i Solomona ny tranon’i Jehovah” (2 Tantara 8. 1), dia “niseho tamin’i Solomona [Jehovah] nony alina ka nanao taminy hoe : Efa reko ny vavakao, ary efa nofidiko ho Ahy ity fitoerana ity ho trano fanateram-panatitra… fa efa nofidiko sy nohamasiniko ity trano ity mba hitoeran’ny anarako mandrakizay, ary ny masoko sy ny foko ho ao mandrakariva (2 Tantara 7. 12, 16).

Tamin’ny andro nanokanana ny Tempoly dia nanatrika teo Jehovah, ary “tsy nahajanona hanao fanompoam-pivavahana ny mpisorona noho ny rahona, satria ny voninahitr’i Jehovah nameno ny tranon’i Jehovah” (1 Mpanjaka 8. 11). Ny tempoly tao Jerosalema tokoa no tranon’Andriamanitra teto an-tany : “trano fivavahana io. Noho izany, rehefa niomana hiady tamin’ny Israely ny Moabita sy ny Amonita ary ny Edomita, ohatra, “dia niangona ny Joda hangataka famonjena amin’i Jehovah ; eny, avy tamin’ny tanànan’ny Joda rehetra hitady an’i Jehovah izy. Ary Josafata nitsangana teo amin’ny fiangonan’ny Joda sy Jerosalema, tao amin’ny tranon’i Jehovah, teo anoloan’ny kianja vaovao, ka nanao hoe : … Raha manjo anay ny loza, na sabatra, na famaliana, na areti-mandringana, na mosary, ary hitsangana manatrika ity trano ity sy eto anatrehanao izahay (fa ny anaranao no amin’ity trano ity) ka hitaraina aminao amin’ny fahorianay, dia hihaino Ianao ka hamonjy (2 Tantara 20. 4-6, 9).

Nohenoin’Andriamanitra ny vahoaka nivavaka taminy tao amin’ny fitoerana masina : nomeny fandresena izy ireo, “ary ny fahatahorana an’Andriamanitra nahazo ny fanjakana rehetra manodidina, nony efa reny fa Jehovah no niady tamin’ny fahavalon’ny Israely” (2 Tantara 20. 29).

Koa ho an’ny firenena Israely manontolo izany, dia toerana iray ihany no neken’Andriamanitra ho toerana fitsaohana : ny tempoly tao Jerosalema, hany ka na dia lavitra ny taniny aza ny Israelita iray, dia nitodika tany Jerosalema izy, tany amin’ny Tempoly, rehefa hivavaka. Izany ohatra no nataon’i Daniela, izay babo tany Babylona : novohainy ny varavarankeliny ary nivavaka nanandrify an’i Jerosalema izy, nanandrify ny Tempoly. “Nony fantatr’i Daniela fa efa voaisy sonia ny didy, dia nankao an-tranony izy ; ary ny varavarankelin’ny tranony ambony nanandrify an’i Jerosalema dia nivoha. Koa intelo isanandro no nandohalika ka nivavaka sy nisaotra teo anatrehan’Andriamaniny izy, satria fanaony hatramin’ny taloha izany” (Daniela 6. 11).

Indrisy anefa ! Ny fikomian’ny vahoaka Israely sy ny fandavany tsy hihaino ireo antso nataon’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny mpaminany dia nahatonga fitsarana, hany ka nandao ny Tempoly ny voninahitr’Jehovah, ary potika mihitsy ny Tempoly, tatỳ aoriana. Na izany aza, tsy hadinon’Andriamanitra ny teny fampanantenany, ary anisan’ireny ity : “Ny masoko sy ny foko ho ao mandrakariva”.

NAHOANA NO MISY NY EGLIZY, ANKEHITRINY ?

Nahafoy an’i Jehovah ny vahoaka Israely, koa tamin’ny fotoana nofidin’Andriamanitra dia nirahiny ho etỳ an-tany Jesosy Zanany : “Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina (amin’ny teny fototra, dia hoe : nitoetra an-day, izany hoe : nanorina ny tabernakeliny) tamintsika (Jaona 1. 14). Ary na dia nanalavitra an’Andriamanitra aza ny vahoaka Israely, tsy mba niova mihitsy kosa ny fanirian’Andriamanitra honina eo anivon’io vahoakany io. Saingy nandà tsy handray ny Zanak’Andriamanitra ny vahoaka Israely, ary nasehony tamin’izany fa Andriamanitra mihitsy no nolaviny. Ny Tompo Jesosy mihitsy no nampiharihary izany fandavana izany, tamin’ny teniny hoe : “Izay mandà Ahy dia mandà Izay naniraka Ahy” (Lioka 10. 16).

Koa nanomboka teo dia sitrak’Andriamanitra ny hametraka zavatra tena vaovao tanteraka, vatana fanahy, ny tenan’i Kristy,  izay hisy ireo rehetra mino an’i Kristy, io Jesosy nolavina io, na Jiosy izy na tsia. Zavatra tena lehibe izany, satria na tamin’ny andron’ny tabernakely na tamin’ny fotoanan’ny Tempoly tao Jerosalema, ireo vahoaka tsy Jiosy (antsoina hoe ny firenena, ny jentilisa) dia tsy nanana anjara tamin’ireo fampanantenan’Andriamanitra, ary tsy nanana Ilay tena Andriamanitra marina, araka ny voasoratra hoe : “Koa tsarovy fa fahiny ianareo izay jentilisa araka ny nofo, ka nolazain’ny voaforan-tànana, teo amin’ny nofo hoe ‘tsy voafora’—eny, tsarovy fa tamin’izany andro izany dia tsy nanana an’i Kristy ianareo, fa olon-ko azy tamin’ny fanjakan’ny Israely ary vahiny tamin’ireo faneken’ny teny fikasana, dia tsy nanana fanantenana sady tsy nanana an’Andriamanitra teo amin’izao tontolo izao (Efesiana 2. 11-12).

Noho ny Filazantsara dia nahafantatra Ilay hany Andriamanitra marina ireo firenena hafa, ka anisan’io zava-baovao hoe “ny Eglizy io

Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” (Jaona 3. 16). Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, Ilay Kristy, Ilay Mpamonjy izao tontolo izao, dia nanolotra ny tenany ho an’Andriamanitra, ho sorona noho ireo fahotana. Teo amin’ny hazofijaliana dia nentiny tamin’ny tenany ny fahotantsika rehetra, hany ka nihatra taminy ny famaizan’Andriamanitra tokony nianjera tamintsika. Nanolotra ny ainy i Kristy, hanonerany ireo fahotantsika, maty Izy noho ireo fahadisoantsika. Tamin’io fahafatesan’ny Tompo Jesosy nanao sorona ny tenany io no namonjeny antsika tsy ho any amin’ny afo tsy mety maty, ny helo, izay miandry ireo tsy mino, aorianan’ny fahafatesany. Tontosa an-tsakany sy an-davany ny asa fanavotana —ny asa famonjena antsika—, ka feno tanteraka ny fepetra takian’ny fahamarinan’Andriamanitra. Nankasitrahin’Andriamanitra ny sorona nataon’i Kristy, natsangany tamin’ny maty Izy, nomeny voninahitra ary nasainy nipetraka eo ankavanany, any an-danitra.

Araka ny nampanantenain’ny Tompo Jesosy, nony efa nomem-boninahitra Izy dia nandefa avy any an-danitra ny Fanahy Masina, ilay Mpampionona. Tonga io Fanahy io tamin’ny andro Pentekosta. Tamin’io andro io ny apostoly Petera, izay fenon’ny Fanahy Masina, dia nitory ny Filazantsara : “Ry lehilahy Israely, mihainoa izao teny izao : Jesosy avy any Nazareta, lehilahy nasehon’Andriamanitra teo aminareo tamin’ny asa lehibe sy ny fahagagana ary ny famantarana izay nampanaovin’Andriamanitra Azy teo aminareo, tahaka ny fantatrareo ihany, Izy efa natolotra araka ny saina niniana sy ny fahalalan’Andriamanitra rahateo, dia nohomboanareo sy novonoinareo tamin’ny tànan’ny olona tsy tan-dalàna ; fa Andriamanitra nanangana Azy, rehefa nahafaka ny fanaintainan’ny fahafatesana, satria tsy laitran’izany hohazonina Izy...

Koa aoka ho fantatry ny taranak’Israely rehetra marimarina fa iny Jesosy nohomboanareo tamin’ny hazofijaliana iny dia efa nataon’Andriamanitra ho Tompo sy Kristy.

Ary raha nandre izany ny olona, dia voatsindrona tam-pony ka nanao tamin’i Petera sy ny Apostoly namany hoe : Ry rahalahy, inona no hataonay ? Ary hoy Petera taminy : Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo ; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina...

Ary izay nandray tsara ny teniny dia natao batisa : ary tokony ho telo arivo no olona vao nanampy ho isany tamin’izany andro izany” (Asan’ny Apostoly 2. 22-24, 36-38, 41).

Dia ireo mpino vaovao ireo no nandrafitra ny Eglizy. Tamin’ny voalohany dia Jiosy avokoa izy ireo, fa tatỳ aoriana dia nisy tsy Jiosy nanampy azy ireo koa, ary Kornelio no voalohany tamin’ireny : “Ary nisy lehilahy anankiray tany Kaisaria, atao hoe Kornelio, kapiteny tamin’ny antokon’ny miaramila atao hoe Italiana ; ary mpivavaka tsara sady natahotra an’Andriamanitra izy mbamin’ny ankohonany rehetra ka nanao fiantrana be tamin’ny olona sady nivavaka tamin’Andriamanitra mandrakariva. Ary izy nahita miharihary tamin’ny fahitana, rehefa tokony ho tamin’ny ora fahasivy antoandro, fa, indro, nisy anjelin’Andriamanitra niditra tao aminy ka nanao taminy hoe : Ry Kornelio. Ary nony nibanjina azy izy, dia raiki-tahotra ka nanao hoe : Ahoana, Tompoko ? Ary izy nanao taminy hoe : Ny fivavakao sy ny fiantranao dia efa tafakatra ho fampahatsiarovana eo anatrehan’Andriamanitra. Koa ankehitriny maniraha olona hankany Jopa, ka ampanalao Simona anankiray, izay atao hoe koa Petera...

Ary Petera niloa-bava ka nanao hoe : Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra ; fa amin’ny firenena rehetra, izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahiny. Ianareo mahalala ny teny izay nampitondrainy ho amin’ny Zanak’Israely, mitory teny soa milaza fiadanana amin’ny alalan’i Jesosy Kristy (Izy no Tompon’izao rehetra izao), dia ilay teny natomboka hatrany Galilia ka notorina tany Jodia rehetra taorianan’ny batisa izay notorin’i Jaona, dia ny amin’i Jesosy avy any Nazareta, Izay nohosoran’Andriamanitra tamin’ny Fanahy Masina sy ny hery sady nandehandeha nanao soa sy nahasitrana izay rehetra azon’ny herin’ny devoly, satria Andriamanitra nomba Azy. Ary izahay no vavolombelon’ny zavatra rehetra izay nataony tany amin’ny tanin’ny Jiosy sy tany Jerosalema ; Izy dia novonoiny nahantony teo amin’ny hazo ; nefa natsangan’Andriamanitra kosa Izy tamin’ny andro fahatelo ka nasehony marimarina, tsy tamin’ny olona rehetra, fa tamin’ny vavolombelona izay notendren’Andriamanitra rahateo, dia taminay izay niara-nihinana sy nisotro taminy, rehefa nitsangana tamin’ny maty Izy. Ary Izy nandidy anay hitory amin’ny olona ka hanambara fa Izy no voatendrin’Andriamanitra ho Mpitsara ny velona sy ny maty. Izy no ambaran’ny mpaminany rehetra, fa amin’ny anarany no hahazoan’izay rehetra mino Azy famelan-keloka (Asan’ny Apostoly 10. 1-5, 34-43).

Nino ireo teny ireo Kornelio, ka nahazo famelan-keloka. Dia izy no kristiana voalohany tsy Jiosy. Ary ankehitriny koa, voafafa ny fahotan’izay mino an’i Jesosy Kristy  —na Jiosy izy na tsy Jiosy—; voavela ny helony, eken’Andriamanitra izy, mihavana amin’Andriamanitra, voavonjy tsy ho any amin’ilay afo tsy mety maty, ambaran’Andriamanitra fa marina sy lavorary, satria “fanatitra iray ihany no efa nahatanterahany ho mandrakizay izay olona hamasinina” (Hebreo 10. 14) ; ary hoy Andriamanitra amin’izay rehetra mino : “Ny fahotany sy ny helony tsy hotsarovako intsony” (Hebreo 10. 17). Ireo izay mino dia hiditra any am-paradisa, hanana ny voninahitra niantsoana azy ireo.

Koa amin’ny alalan’ny Filazantsara izany, ny firenena rehetra —anisan’izany ny vahoaka jiosy— dia afaka mahalala Ilay hany Andriamanitra marina, ka hiditra any an-danitra, any am-paradisa. Noho izany, ny Filazantsara dia nitondra ny famonjena ho an’ny olona rehetra tsy ankanavaka, ary koa nahatanterahana ny teny fampanantenan’ny Tompo Jesosy hoe : “Haoriko ny fiangonako ; ary ny vavahadin’ny fiainan-tsy hita (ny fitoeran’ny maty) tsy haharesy azy” (Matio 16. 18).

NY FITAMBARAN’IREO REHETRA MINO AN’I JESOSY NO MANDRAFITRA NY EGLIZY, NY FIANGONAN’I KRISTY MANERAN-TANY, NY TENAN’I KRISTY (NY VATAN’I KRISTY)

Ny vatan’i Kristy dia zava-niafina tanteraka, talohan’ny niforonan’ny Eglizy, araka ny filazalazana izany ao amin’ny Asan’ny Apostoly,  “... zava-niafina ny amin’i Kristy, izay tsy mbola nampahafantarina ny zanak’olombelona tamin’ny taranaka lasa, tahaka ny fanambaran’ny Fanahy ankehitriny amin’ny Apostoly masina sy ny mpaminany, dia ny ahatongavan’ny jentilisa ho mpiray lova sy ho tena iray ary ho mpiombona ny teny fikasana ao amin’i Kristy Jesosy, noho ny filazantsara” (Efesiana 3. 5-6). Koa tamin’ny Filazantsara no nanambaràna ny fikasan’Andriamanitra : ny notadiaviny dia hoe ny olona rehetra  —na Jiosy na jentilisa, na olona afaka na andevo, na manankarena na mahantra, na fotsy na mainty na mavo…—  no ho anisan’ny Fiangonan’Andriamanitra : zavatra vaovao, vatana iray, ny vatan’i Kristy, ny tenan’i Kristy. Ny Eglizy (ny Fiangonan’Andriamanitra), izany, dia :

·   ny fitambaran’ireo zanak’Andriamanitra rehetra, noforonina ho vatana iray, dia ny vatan’i Kristy —vatana voadio ho afaka amin’izay rehetra mety ho petra-kevitra ara-pirazanana, ara-piarahamonina, ara-panahy ;

·   ny fitambaran’ireo zanak’Andriamanitra rehetra miray amin’i Kristy Jesosy nomem-boninahitra, noho ny herin’ny Fanahy Masina.

AHOANA NY FAHITAN’ANDRIAMANITRA NY ZANANY, IREO OLOM-BOAVIDIN’I KRISTY, IREO TENA KRISTIANA, IREO RANTSAMBATAN’NY TENAN’I KRISTY ?

HITAN’ANDRIAMANITRA HO IRAY NY ZANANY :

v  ny tsirairay miray amin’i Kristy ;

v  izy rehetra miaraka, vatana iray miray amin’i Kristy ;

v  izy rehetra mifandray, samy momba ny tenan’ny namany, samy rantsambatan’ny tenan’ny namany ;

v  Izy rehetra, ankohonana iray, ilay ankohonan’Andriamanitra, ankohonana miray hina.

·   ny kristiana tsirairay dia miray amin’i Kristy

Hoy ny Tompo Jesosy tamin’ireo mpianatra mbola tokony handray ny Fanahy Masina nirahina avy any an-danitra : “Amin’izany andro izany dia ho fantatrareo fa Izaho ao amin’ny Raiko, ary ianareo ato amiko, ary Izaho ao aminareo” (Jaona 14. 20). Io andro io dia ny andron’ny Pentekosta ; koa ny tena kristiana marina, izany hoe nateraka indray, efa nandray ny Fanahy Masina  —satria “raha misy ... tsy manana ny Fanahin’i Kristy, dia tsy Azy izy” (Romana 8. 9)—, ny tena kristiana dia ao amin’i Kristy, ary Kristy ao aminy : izy manokana dia iray amin’i Kristy, Ilay Tompony nomem-boninahitra ao an-danitra. Manjary rantsambatan’ny tenan’i Kristy izy : Fa momba ny tenany isika” (Efesiana 5. 30). “Fa Andriamanitra efa nametraka izay rehetra momba ny tena, samy ho eo amin’ny tena araka ny sitrapony” (1 Korintiana 12. 18) : “Momba ny tenan’i Kristy ny tenanareo” (1 Korintiana 6. 15). Ny kristiana izany dia rantsambatan’ny tenan’i Kristy ary miray amin’i Kristy, “fanahy iray aminy”, satria “izay miray amin’ny Tompo kosa dia fanahy iray aminy” (1 Korintiana 6. 17). Toy izany ny kristiana : iray amin’i Kristy izy, ary toy izany no fahitan’Andriamanitra azy.

·   ny kristiana rehetra miaraka dia vatana iray miray amin’i Kristy, ny tenan’i Kristy (ny vatan’i Kristy)

Iray ny tenan’i Kristy, voarafitra toy izao :

— ny momba ny tena, ny rantsambatan’ny tena, dia ny kristiana : “Ianareo no tenan’i Kristy, ka samy momba ny tenany avokoa araka ny anjaranareo avy” (1 Korintiana 12. 27), samy rantsambatan’ny tenan’i Kristy ;

— ny Loha : “Kristy koa no Lohan’ny fiangonana ; ary Izy no mpamonjy ny tena” (Efesiana 5. 23).

Koa dia tena zava-misy izany ny maha iray ny kristiana, satria, noho ny Fanahy Masina, dia miray amin’i Kristy ny kristiana tsirairay, nefa tsy izany ihany, fa ireo kristiana rehetra koa, toy ny vatana iray ihany, dia miray amin’i Kristy : “Fa Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray” (1 Korintiana 12. 13).

Isika rehetra izay mino an’i Jesosy ka mandrafitra ny tenan’i Kristy, dia mifamatotra mafy noho ny tonony, ary antsoina mba hitombo, “mba tsy ho zaza intsony isika, ka ahilangilana sy ampitambolimbolenin’ny rivotry ny fampianarana samihafa rehetra amin’ny saim-petsy ataon’ny olona sy ny fihendreny hahatanteraka ny hevitry ny famitahana ; fa mba hanaraka ny marina amin’ny fitiavana ka hitombo amin’ny zavatra rehetra ho amin’Izay Loha, dia Kristy ; Izy no itomboan’ny tena rehetra (izay akambana sy ampiraisina tsara) noho ny fifanompoan’ny isan-tonony, araka ny fiàsan’izay rehetra momba azy amin’izay mety ho anjara asany avy ka hampandrosoany ny tenany amin’ny fitiavana” (Efesiana 4. 14-16).

Koa ny vatan’i Kristy, ny fitambaran’ireo olom-boavidin’i Kristy rehetra, ny Eglizy (noforonin’ny Fanahy Masina teto an-tany, Fanahy nidina avy any an-danitra taorianan’ny nanomezam-boninahitra an’i Kristy), dia mitambatra amin’i Kristy, Ilay Lohany any an-danitra.

·   ny kristiana rehetra dia iray, samy momba ny tenan’ny namany : samy rantsambatan’ny tenan’ny namany   

Marina fa miray amin’ny Tompony ny kristiana tsirairay, kanefa tsy irery izy : miray amin’ireo rahalahy sy anabaviny ao amin’ny finoana izy, satria ireo koa dia samy miray amin’i Kristy. Noho izany dia mifandray amin’ny rahalahy sy ny anabaviny ao amin’i Kristy izy ; Na maro aza isika, dia tena anankiray ihany noho isika tafaray amin’i Kristy, ka mifampiankina toy ny ifampiankinan’ireo zavatra anisan’ny tena anankiray ihany” (Romana 12. 5). Koa mifamatotra ny kristiana etỳ an-tany, ary ny vokatr’izany dia :

- tsy maintsy “milaza ny marina amin’ny namany avy ianareo rehetra ; fa samy isan’ny momba ny tenan’ny namantsika avokoa isika (Efesiana 4. 25) ;

- “ary raha mijaly ny anankiray amin’ny momba ny tena, dia miara-mijaly avokoa izay rehetra momba ny tena ; fa raha omem-boninahitra kosa ny anankiray amin’ny momba ny tena, dia miara-mifaly avokoa izay rehetra momba ny tena” (1 Korintiana 12. 26).

Izany no fahamarinana momba ny maha iray ny tenan’i Kristy :

Tena iray ihany isika na dia maro aza” (1 Korintiana 10. 17).

Na maro aza isika, dia tena anankiray ihany noho isika tafaray amin’i Kristy, ka mifampiankina toy ny ifampiankinan’ireo zavatra anisan’ny tena anankiray ihany” (Romana 12. 5).

Ny Baiboly dia mampitaha ny maha iray ny tenan’i Kristy amin’ny maha iray ny vatan’olombelona

Nefa ny momba ny tena (ny vatan’olombelona) tsy iray, fa maro” (1 Korintiana 12. 14).

Fa tahaka ny tena (ny vatan’olombelona) iray ihany, anefa maro no momba ny tena, ary ireo rehetra momba ny tena ireo, na dia maro aza, dia tena iray ihany, dia tahaka izany koa Kristy. Fa Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray, na Jiosy na jentilisa, na andevo na tsy andevo ; ary isika rehetra dia efa nampisotroina ny Fanahy iray” (1Korintiana 12. 12-13). Koa ny Fanahy Masina izany no mampiray ny rantsambatan’ny tena amin’i Kristy, izy ihany koa no mampihetsika ny vatana, ary noho izany, izy no mampisy ny fiainana iombonan’ny kristiana.

Vokatr’izany :

v satria ny kristiana tsirairay miray amin’i Kristy (toy ny hoe rantsambatana miray amin’ny loha), dia tsy afaka hiaina tsy miankina amin’i Kristy izy ;

v satria ny kristiana rehetra mifampiankina (toy ny ifampiankinan’ireo rantsambatan’ny tena iray ihany), dia tsy misy kristiana afaka hitoka-monina ka hiaina tsy miankina amin’ny sasany : toy “ny tongotra hanao hoe : Satria tsy tànana aho, dia tsy mba momba ny tena… ny sofina hanao hoe : Satria tsy maso aho, dia tsy mba momba ny tena” (1 Korintiana 12. 15-16).

·   ny kristiana rehetra dia ankohonana iray, ilay ankohonan’Andriamanitra, ankohonana miray hina  

Ny firaisan’ny ankohonan’Andriamanitra no faniriana nambaran’ny Tompo Jesosy tao amin’ny vavaka fisoronana nataony, ao amin’ny Jaona 17. Tian’i Kristy ho iray ihany ny zanak’Andriamanitra rehetra, toy ny maha IRAY an’ANDRIAMANITRA : “Angatahako … ho an’izay mino Ahy koa noho ny teniny ; mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka Anao Ray ato amiko, ary Izaho koa ao aminao, mba ho ao amintsika koa izy ; mba hinoan’izao tontolo izao fa Ianao no naniraka Ahy. Ary nomeko azy ny voninahitra izay nomenao Ahy, mba ho iray izy, tahaka ny maha-iray Antsika : Izaho ao aminy, ary Ianao ato amiko, mba ho tanteraka ho iray izy, mba ho fantatr’izao tontolo izao fa Ianao efa naniraka Ahy sady efa tia azy tahaka ny nitiavanao Ahy” (Jaona 17. 20-23). Koa tian’ny Tompo Jesosy izany raha ho iray ihany ny olom-boavidiny rehetra, mba hijoroany ho vavolombelona eo imason’izao tontolo izao fa nirahin’Andriamanitra ho eto amin’izao tontolo izao ny Zanany, mba hinoan’izao tontolo izao Azy. Ny toe-tsaina amoronan’i Kristy ny Egliziny dia ny hoe mba hitambatra ho iray ny olom-boavidiny rehetra.

Ny zava-niafina nambara izany dia izao : napetrak’Andriamanitra ho vatana iray ny Jiosy mino an’i Kristy sy ny jentilisa mino an’i Kristy.  Koa tamin’ny alalan’i Kristy no nandrodanan’Andriamanitra ny rindrina nampisaraka ny Jiosy tamin’ireo firenena hafa. Noho izany, ry kristiana avy amin’ny firenena hafa, “ankehitriny kosa, ao amin’i Kristy Jesosy, ianareo izay lavitra fahiny dia efa nampanakeken’ny ran’i Kristy. Fa Izy no fihavanantsika, Izay naha-iray antsika roa tonta ka nandrava ny efitry ny fisarahana, fa tao amin’ny nofony no nandravany ny fandrafiana, dia ny lalàna nisy didy natao hotandremana, mba hanakambanany antsika roa tonta ao amin’ny tenany ho olom-baovao iray, ka hanaovany fihavanana, ary hampihavana antsika roa tonta ho tena iray amin’Andriamanitra noho ny hazofijaliana, izay namonoany ny fandrafiana” (Efesiana 2. 13-16)  —ilay olom-baovao iray dia ny Eglizy, raisina ho toy ny vatana iray, dia ny vatan’i Kristy. Ny kristiana rehetra dia “mpiombona ny teny fikasana ao amin’i Kristy Jesosy noho ny filazantsara” (Efesiana 3. 6), fampanantenana ara-panahy, fampanantenana ny fiainana mandrakizay, izany hoe hoavy feno voninahitra eo anilan’Andriamanitra, dia ny paradisa.

Koa izay rehetra mino dia ampiana ho isan’ny Fiangonan’Andriamanitra, izay zava-baovao, tena fanahy, vatan’i Kristy : “Fa Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray, na Jiosy na jentilisa, na andevo na tsy andevo ; ary isika rehetra dia efa nampisotroina ny Fanahy iray” (1 Korintiana 12. 13). Io fahamarinana momba ny maha vatana iray ny Jiosy sy ny jentilisa io dia tena fahamarinana fototra, amin’ny finoana kristiana. Koa hatrany am-boalohany, ireo jentilisa izay nino an’i Kristy Jesosy, sy ireo Jiosy nino, dia nekena avokoa ho isan’ny ny fiangonana eo amin’ny toerana iray, izay fanehoana hita maso ny vatan’i Kristy. Koa rehefa nekena toy izany ny maha iray ny vatan’i Kristy, dia tsy nisy intsony ny hoe andaniny ny Jiosy, ary ankilany ny tsy Jiosy : ny fiangonana no nisy, ireo Jiosy sy tsy Jiosy miaraka, ireo voavidin’ny ran’i Kristy, no miaraka ao, miara-mitsaoka an’Andriamanitra. Izy roa ireo —Jiosy sy tsy Jiosy— dia “olom-baovao iray”, ny Eglizy, miombona amin’i Kristy natsangana tamin’ny maty, miray aminy.

NY EGLIZY DIA MITOVY AMIN’I KRISTY

Rehefa nifofo ny ain’ireo kristiana i Saoly avy any Tarsosy  —izay nanjary apostoly Paoly tatỳ aoriana—, dia toy ny hoe nanenjika an’i Kristy mihitsy : “Ary Saoly mbola nifofofofo fandrahonana sy famonoana tamin’ny mpianatry ny Tompo ihany, dia nankao amin’ny mpisoronabe izy ka nangataka taratasy taminy ho any amin’ny synagoga any Damaskosy, mba hoentiny mifatotra ho any Jerosalema izay rehetra hitany momba izany fampianarana izany, na lahy na vavy. Ary raha nandeha izy, dia tonga teo akaikin’i Damaskosy ; ary nisy mazava avy tany an-danitra nanelatrelatra tampoka manodidina azy ; dia lavo tamin’ny tany izy ka nandre feo nanao taminy hoe : Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy ?

Ary hoy izy : Iza moa ianao, Tompoko ?

Dia hoy Izy : Izaho no Jesosy Izay enjehinao (Asan’ny Apostoly 9. 1-5).

Ka rehefa miteny amin’i Saoly avy any Tarsosy ny Tompo hoe : “Izaho no Jesosy Izay enjehinao”, dia asehony fa Izy sy ireo olona nino Azy dia iray ihany, “tena iray ihany, dia tahaka izany koa Kristy” (1 Korintiana 12. 12).

NY EGLIZY DIA ZAVAMANANA AINA

Ny Eglizy, izay tenan’i Kristy, dia zavamanana aina, ary Jesosy Kristy no Lohany : ny “Andriamanitr’i Jesosy Kristy Tompontsika... dia nampanaiky ny zavatra rehetra ho eo ambanin’ny tongony (tongotr’i Kristy) ka nanao Azy ho Lohany manapaka ny zavatra rehetra ho an’ny fiangonana, izay tenany” (Efesiana 1. 17, 22-23). Amin’izao fotoana izao, Kristy irery ihany no any an-danitra, efa nomem-boninahitra. Ny Eglizy dia miandry izany ; ho any an-danitra izy, homem-boninahitra, rehefa ho avy Kristy haka azy. Amin’izay fotoana izay dia horaisin’i Kristy ny Eglizy  —izay tenany—  ho fiangonana malaza tsy misy pentimpentina, na fiketronana, na izay toy izany, fa mba ho masina sady tsy misy tsiny” (Efesiana 5. 27).

NY EGLIZY AORIN’I KRISTY

TOETOETRA SASANTSASANY MAMARITRA NY EGLIZY AORIN’I KRISTY

·   Nahoana no lazaina hoe : « Ny Eglizy aorin’i Kristy » fa tsy hoe « naorin’i Kristy » ?

Haoriko ny fiangonako ; ary ny vavahadin’ny fiainan-tsy hita (ny fitoeran’ny maty) tsy haharesy azy” (Matio 16. 18).

Ny Eglizin’i Kristy dia teraka tamin’ny andro Pentekosta, andro izay nidinan’ny Fanahy Masina teto an-tany ; ny sitrapon’Andriamanitra dia ny hanampy ho ao amin’io Eglizy io izay olona rehetra —Jiosy na tsy Jiosy— mino ny Zanak’Andriamanitra. Koa ny Eglizy aorin’i Kristy dia mbola tsy vita tanteraka, satria isaky ny misy olona nateraka indray, dia anampin’ny Tompo amin’izany Eglizy izany izy, ho vato velona.

·   Ny Eglizy aorin’i Kristy dia zavatra misaraka amin’izao tontolo izao

Ny hoe “Eglizy dia midika hoe “nantsoina hivoaka ny ..., nosintonina avy amin’ny... : nantsoin’Andriamanitra, nosintonina avy amin’izao tontolo izao, mba ho an’i Kristy tanteraka. Ireo olom-boavidin’i Kristy irery ihany no mandrafitra ny Eglizin’Andriamanitra, ary masina izy io : masina izy, izay no toerana misy azy, noho ny asan’i Kristy. Izany toerana maha masina azy izany (izany hoe misaraka amin’izao tontolo izao mba hatokana ho an’Andriamanitra) dia teo anoloan’ny apostoly Paoly mandrakariva. Koa hoy izy mantsy ny fiangonana any Korinto hoe : “... nohamasinina ao amin’i Kristy Jesosy, olona voantso sady masina” (1 Korintiana 1. 2).

·   Ny Eglizy aorin’i Kristy no ilay tranon’Andriamanitra, trano fanahy

Vato velona no mandrafitra azy, ny kristiana, na avy amin’ny vahoaka jiosy na avy amin’ny jentilisa. Ny Eglizy aorin’i Kristy izany dia tsy mitovy mihitsy amin’ny tempoly tao Jerosalema, izay natao tamin’ny vato maty. Ny Vato Fehizoro, ho an’ny  Eglizy, dia Kristy mihitsy. (Ny vato fehizoro no vato apetraka voalohany, ary izy no arahina andaharana ny vato manaraka ; io vato io no mahamafy na tsia ny trano atsangana). Apetraka mifanakaiky toy izany ny kristiana, ireo vato velona, mba handrafitra trano fanahy, dia ny tranon’Andriamanitra : “Ny Tompo [dia] hatoninareo toy ny vato velona, ‘nolavin’ny olona, fa voafidin’Andriamanitra sady soa’, ka dia atsangana koa ianareo (kristiana) tahaka ny vato velona, ho trano fanahy” (1 Petera 2. 3-5) ; “Koa dia tsy mba vahiny sy mpivahiny intsony ianareo, fa tompon-tany, mpiray fanjakana amin’ny olona masina sady ankohonan’Andriamanitra, natsangana teo ambonin’ny fanorenan’ny Apostoly sy ny mpaminany, ary Kristy Jesosy no fehizoro indrindra (Efesiana 2. 19-20).

Koa taorianan’ny tabernakely, izay tranon’Andriamanitra azo entina mandehandeha tany an-taniefitra, taorianan’ny Tempoly, ilay tranon’Andriamanitra tao Jerosalema, ny Eglizy aorin’i Kristy no tranon’Andriamanitra ankehitriny, trano fanahy.

·   Ny Eglizy aorin’i Kristy dia Tempoly, tempolin’Andriamanitra, fonenan’Andriamanitra amin’ny Fanahy

Ny fitambaran’ny kristiana, “atsangana ... ho trano fanahy”, no ilay tempolin’Andriamanitra : “Tempolin’Andriamanitra ianareo, ary ny Fanahin’Andriamanitra mitoetra ao anatinareo (1 Korintiana 3. 16). Koa ny fitambaran’ny kristiana izany no mandrafitra ny tempolin’Andriamanitra ; mitoetra ao anatin’izy ireo ny Fanahin’Andriamanitra, ary Andriamanitra dia mitoetra eo anivony : “Isika no tempolin’Andriamanitra velona, araka ny nataon’Andriamanitra hoe : ‘Honina eo aminy Aho sy handeha eo aminy ; ary ho Andriamaniny Aho, ary izy ho oloko  (2 Korintiana 6. 16).

Ny fitambaran’ny kristiana (izay mandrafitra io Tempoly io izany) dia hitombo mandra-pahatonga azy rehetra ho tafaray ao amin’ny voninahitra, rehefa hiverina ny Tompo Jesosy : “Ao aminy (amin’i Jesosy) no irafetan’ny rafitra rehetra, mitombo tsara ho tempoly masina ao amin’ny Tompo. Ary ao aminy no miaraka aorina koa ianareo ho fonenan’Andriamanitra amin’ny Fanahy” (Efesiana 2. 21-22).

·   Ny Eglizy aorin’i Kristy dia iray tsy mivaky

Hoy Kristy : “Haoriko ny fiangonako (Matio 16. 18). Amin’ny teny fototra, io “fiangonako io dia manondro tokana fa tsy maro.  Koa tsy fiangonana maro izany no haoriny, fa iray ihany ! Iray ny EGLIZY ; ary tena misy io maha iray azy io, satria ao anatin’ny fahatanterahan’ilay teny faminaniana hoe : “Jesosy ho faty … mba hanangona ny zanak’Andriamanitra, izay efa niely, ho antoko iray” (Jaona 11. 51-52).

Mbola misy hatrany, ankehitriny, ny maha iray ny EGLIZY, toy ny tany am-boalohany. Kristy tokoa, rehefa hiverina, dia haka ny EGLIZY, ny hany EGLIZY, voarafitr’ireo tena kristiana marina, ireo olona rehetra mino ny anarany. Halainy izy mba hampakariny ho Vadiny, ho mandrakizay.

·   Ny Eglizy aorin’i Kristy dia ho Vadin’i Kristy

Ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hiray amin’ny vadiny, ary dia ho nofo iray ihany izy roroa”.
Zava-miafina lehibe izany ; fa milaza ny amin’i Kristy sy ny fiangonana aho”
(Efesiana 5. 31-32). Ankehitriny ny EGLIZY dia fofombadin’i Kristy Jesosy, araka ny lazain’ny apostoly Paoly hoe : “Nataoko fofombadin’ny lehilahy iray ianareo, mba hatolotro tahaka ny virijina madio ho an’i Kristy” (2 Korintiana 11. 2). Io maha fofombady azy io dia mandra-piverin’ny Tompo Jesosy Kristy. Amin’izay Kristy dia haka ny fofombadiny, mba ho eo anilany mandrakizay : hampakariny ho Vadiny izy. Eo am-piandrasana izany dia miasa ao anatin’ny EGLIZINY ny Tompo, mba hahatonga azy ho lavorary, ho vonona ho amin’ny fampakarambady, dia “ny fampakarambadin’ny Zanak’ondry” (Apokalypsy 19.7).

Marihina fa ny Vadin’i Kristy dia ny fitambaran’ireo kristiana rehetra, nanomboka tamin’ny Pentekosta ka mandra-paka ny EGLIZY ; fa amin’izao fotoana izao izy dia hita ho toy ny voarafitr’ireo mbola velona fotsiny.

MIANDANY AMIN’ANDRIAMANITRA NY OLONA ARAKA NY FANAHY, TAKANY SY HITANY ...

·   ... fa Kristy dia manorina EGLIZY tokana, iray ihany, iray tsy mivaky

Iray ny tena (ny tenan’i Kristy, ny vatan’i Kristy), ary iray ny Fanahy, dia toy ny niantsoana anareo ho amin’ny fanantenana iray momba ny fiantsoana anareo” (Efesiana 4. 4). Ny maha iray ny Eglizy dia asan’ny Tompo Jesosy mihitsy, ka tsy ilaina atao intsony. Fa ny anjaran’ny tsirairay dia ny mahatsikaritra sy ny miaina izany.

·   ... ny fikarakaran’i Kristy ny EGLIZINY

Tsy rafitra natsangan’olombelona tsy akory ny EGLIZY, fa vatana manana aina mihitsy. Noho izany dia mila fikarakarana sy sakafo izy. Ny Tompo Jesosy, amin’ny maha Loha sy Vadin’ny EGLIZY Azy, dia manome izay rehetra ilain’ny EGLIZY : sakafo ara-panahy amin’ny alalan’ny Teniny, fikarakaran’ny mpiandry, fitiavana, fanomezam-pahasoavana… “mba hahamasina azy amin’ny anadiovany azy amin’ny rano fanasana amin’ny teny ; mba horaisiny ho an’ny tenany izany ho fiangonana malaza tsy misy pentimpentina, na fiketronana, na izay toy izany, fa mba ho masina sady tsy misy tsiny izy… Fa tsy mba nisy olona tsy tia ny nofony, fa mamelona sy mitaiza azy, dia tahaka an’i Kristy amin’ny fiangonana (Efesiana 5. 26-27, 29).

Koa miasa ao anatin’ny EGLIZY ny Tompo, “ho fanatanterahana ny olona masina, ho amin’ny asan’ny fanompoana amin’ny fiangonana, ho amin’ny fampandrosoana ny tenan’i Kristy, mandra-pahatongantsika rehetra ho amin’ny firaisan’ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak’Andriamanitra, ka ho lehilahy lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehiben’ny fahafenoan’i Kristy ; mba tsy ho zaza intsony isika, ka ahilangilana sy ampitambolimbolenin’ny rivotry ny fampianarana samihafa rehetra amin’ny saim-petsy ataon’ny olona sy ny fihendreny hahatanteraka ny hevitry ny famitahana (Efesiana 4. 12-14). Tsy miova ny fitiavan’i Kristy ny EGLIZINY : omaly Izy nijaly teo amin’ny hazofijaliana, mba hahazoany azy ; anio Izy mikarakara azy ; rahampitso Izy haka azy, hiaraka aminy ho mandrakizay any an-danitra.

·   ... ny maha maneran-tany ny EGLIZY aorin’i Kristy

Ny EGLIZIN’Ilay Andriamanitra velona dia fitambaran’ireo tena kristiana marina manerana izao tontolo izao. Toy izany no fahitan’ny apostoly Paoly azy, ka nilazany hoe : “...tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana ka nanolorany ny tenany hamonjy azy (Efesiana 5. 25) : Kristy izany dia nanolotra ny tenany ho an’ny kristiana rehetra.

Koa zava-dehibe indrindra ny mahatakatra fa ny EGLIZY dia ny fitambaran’ireo zanak’Andriamanitra rehetra eto an-tany, miray amin’i Kristy, Izay any an-danitra ! Ny fahatakarana io lafiny manatontolo io, fahatakarana ny maha maneran-tany ny EGLIZY, dia mitarika ny kristiana hitia ireo kristiana hafa rehetra, miely patrana eran’izao tontolo izao, sy hivavaka ho azy ireo : “Mivavaha mandrakariva … ho an’ny olona masina rehetra (Efesiana 6. 18). (Ao amin’ireo epistily, “ny olona masina” dia ireo zanak’Andriamanitra velona eto an-tany, fa tsy hoe olona maty ivavahana, heverina hoe efa any an-danitra satria nanana fiainana masina fahavelony teto an-tany.)

·   ... ny fidadasiky ny drafitr’Andriamanitra momba ny EGLIZY aorin’i Kristy

Nirahin’Andriamanitra ho et an-tany ny Zanany, mba hamonjy ireo rehetra mino Azy, mba hanangona azy ireo ho vatana iray ihany, ny EGLIZY, ny vatan’i Kristy, ny tenan’i Kristy. Amin’ny alalan’ny EGLIZY no ampisehoana amin’ny anjely sy ny demonia (izay anisan’ny fanapahana sy fahefana any an-danitra) ny “mahamaro samihafa ny fahendren’Andriamanitra” (Efesiana 3. 10) ; misy lafiny sasantsasany amin’izany ambara ao amin’ny 1 Timoty 3. 16 : “Andriamanitra, … naseho teo amin’ny nofo, nohamarinina tao amin’ny Fanahy ; hitan’ny anjely, notorina tany amin’ny jentilisa, ninoana teny amin’izao tontolo izao, nakarina tamin’ny voninahitra. Fa tsy mijanona hatreo ny drafitr’Andriamanitra : tiany hitovy ho mandrakizay amin’i Kristy ireo olom-boavidiny, azo ambara hoe tiany ny hametraka antsika eo amin’ny toeram-boninahitra efa nametrahany an’i Kristy ; ary tiany koa ny ho Raintsika, ho mandrakizay. Mahatalanjona io drafitr’Andriamanitra io : hitondra ny mpino rehetra ho any an-danitra, ao amin’ny voninahitra, ho eo anilan’i Kristy. Ary izao no tanjony farany amin’izany : “mba hasehony amin’ny andro ho avy ny haben’ny harenan’ny fahasoavany amin’ny fahamoram-panahiny amintsika ao amin’i Kristy Jesosy (Efesiana 2. 7).

Famintinana :

Ny EGLIZY aorin’i Kristy dia trano miorina ara-panahy, ilay tranon’Andriamanitra, trano fanahy. Ireo tena kristiana marina eran’izao tontolo izao no mandrafitra azy.  Maneran-tany io EGLIZY aorin’i Kristy io, tsy hita maso satria tsy misy kristiana afaka mahita amin’ny indray mipy maso ireo olom-boavidin’i Kristy rehetra. Andriamanitra irery ihany, avy eny an-danitra eny, no afaka mahita azy ireo ; hitany hoe vatana iray izy ireo : ny vatan’i Kristy, ny tenan’i Kristy. Ny finoana irery ihany no ahitana ny EGLIZY aorin’i Kristy.

Marina fa tsy hita maso ny EGLIZY aorin’i Kristy ; nefa tena zava-dehibe ny hanehoan’ny kristiana azy io ho hita maso, eo amin’izay toerana misy azy ireo, mba hahitan’ny olon-drehetra azy, toy ny hoe endrika hita maso ampisehoana izay tsy hita maso. Ny hoe maneho ho hita maso ny EGLIZY maneran-tany dia ny mivory eto an-tany amin’ny Anaran’i Jesosy, ao amin’izay antsoina eto  —mba hanamora ny fiteny—  hoe “eglizy eo amin’ny toerana iray, na “fiangonana. Koa ny hoe “fiangonana, izany, dia fanehoana eo amin’ny toerana iray ny EGLIZY aorin’i Kristy, toy ny hoe masoivoho eo amin’ny toerana iray, masoivohon’ny EGLIZY maneran-tany.

AHOANA NO AHAFAHAN’NY KRISTIANA MANEHO HO HITA MASO, EO AMIN’NY TOERANA IRAY, NY EGLIZY AORIN’I KRISTY, NY EGLIZY MANERAN-TANY ?

Eo amin’izay tanàna onenan’ny kristiana, dia ampirisihina izy ireo :

·   hanaiky, amin’ny finoana, ny fisian’ny tenan’i Kristy, ny vatan’i Kristy ;

·   ho tonga saina fa anisan’io vatan’i Kristy io, rantsambatan’io tenan’i Kristy io, satria “momba ny tenany isika” (Efesiana 5. 30) ;

·   hanaiky fa io vatan’i Kristy io dia ny EGLIZY  —ilay EGLIZY tena izy—, ny EGLIZY aorin’i Kristy, trano fanahy, Tempoly masina, ilay tranon’Andriamanitra, ny fitoeran’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fanahy ;

·   hanaiky fa ny EGLIZY aorin’i Kristy, fitambaran’ireo tena kristiana marina eran’izao tontolo izao, dia iray ihany, iray tsy mivaky, tsy hita maso, maneran-tany ;

·   hiara-mivory amin’ny kristiana hafa, mba hampiseho, eo amin’io toerana io, ilay EGLIZY maneran-tany : hiara-mivory ho fiangonana ;

·   hahatakatra fa Kristy no “Lohan’ny tena, dia ny fiangonana” (Kolosiana 1. 18) ; Kristy no Lohan’ny EGLIZY maneran-tany, Izy no Lohan’ny vatan’i Kristy ; nefa toy izany koa, dia Izy no Lohan’ny fiangonana eo amin’ny toerana iray.

NY FIANGONANA EO AMIN’NY TOERANA IRAY MISOLO TENA, EO AMIN’NY TOERANA IRAY, NY EGLIZY AORIN’I KRISTY, EGLIZY MANERAN-TANY VOARAFITR’IREO TENA KRISTIANA MARINA

Na toa inona, na toa inona ny toerana (tranobe, trano falafa, ambany hazo, anaty ala, an-tampon-tanety…), dia miharihary ny maha tena zava-misy marina ny EGLIZY, ny EGLIZY naorin’i Kristy, ny EGLIZY MANERAN-TANY, rehefa mivory manodidina ny Tompo Jesosy ny kristiana, ka manaiky Azy ho hany Lohany, ho ivon’ny fivoriany, ary ho ivon’ny fitiavany. 

Rehefa mivory toy izany izy ireo, dia manatrika eo tokoa ny Tompo Jesosy, ao amin’io fiangonana eo an-toerana io, satria Izy no nampanantena hoe : “Na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo amin’ny anarako, dia ao afovoany Aho” (Matio 18. 20).  Ny fisian’izany fanatrehan’ny Tompo Jesosy izany, eo afovoan’ny roa na telo mivory amin’ny anarany, no mahatonga io fiangonana io hisolo toerana ny EGLIZY MANERAN-TANY. Ny fiangonana eo an-toerana iray, izany, dia mijoro ho vavolombelona fa mifamatotra amin’i Kristy izy, sady mifamatotra amin’ny EGLIZY aorin’i Kristy. Noho izany dia tsy manao na inona na inona izy, raha tsy eo Kristy. Toy izany no fijerin’ny apostoly Paoly ny fiangonana isan-toerana, ka nahatonga azy hanoratra hoe :

-    Manaova veloma ny rahalahy any Laodikia ary Nymfa sy ny fiangonana ao an-tranony (Kolosiana 4. 15) ;

-    Manao veloma anareo ny fiangonana atỳ Azia. Manao veloma anareo indrindra ao amin’ny Tompo Akoila sy Prisila mbamin’ny fiangonana izay ao an-tranony (1 Korintiana 16. 19) ;

-    Paoly Apostoly…  mamangy ny fiangonana atỳ Galatia : ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompontsika” (Galatiana 1. 1-3).

Ireo kristiana mivory amin’ny anaran’ny Tompo Jesosy eo amin’ny toerana iray dia mahatakatra fa izy ireo no fanehoana ho hita maso ny EGLIZY, ny EGLIZY tsy hita maso, ny EGLIZY MANERAN-TANY, ny EGLIZY AORIN’I KRISTY. Izany hoe ireo kristiana ireo dia “tranon’Andriamanitra” eo amin’io toerana io, “ary isika no tranony (Hebreo 3. 6). Ka rehefa mivory manodidina ny Tompo ny kristiana, eo amin’ny toerana iray, dia izy ireo no “tranon’Andriamanitra” : eo afovoan’izy ireo i Kristy, izay Lohany ; eo anivon’izy ireo ny Fanahy Masina, izay Mpitarika. Koa satria ny kristiana mivory manodidina ny Tompo Jesosy dia “tranon’Andriamanitra” eo amin’io toerana io, dia tokony hitondra tena mendrika an’Andriamanitra izy ireo, ao amin’io “trano” io : izany no ahafahana mihazona ny filaminana sy ny fahamasinana mendrika ny fiangonan’Ilay Andriamanitra velona, ny “tranon’Andriamanitra” eo amin’ny toerana iray.

NY FITONDRANTENA AO AMIN’NY FIANGONANA, NY TRANON’ANDRIAMANITRA EO AMIN’NY TOERANA IRAY

Manoratra ho an’i Timoty ny apostoly Paoly hoe : “Izany zavatra izany dia soratako aminao, na dia manantena hankatỳ aminao faingana aza aho ; fa raha tratra ela aho, dia ny hahafantaranao izay fitondrantena mety hatao ao an-tranon’Andriamanitra, dia ny fiangonan’Andriamanitra velona, sady andry sy fiorenan’ny fahamarinana” (1 Timoty 3. 14-15).

Ny fampiharana ny hoe mitondra tena tsara ao amin’ny “tranon’Andriamanitra”, ny fiangonana eo an-toerana, dia izao :

·   manome ny toerana voalohany ho an’i Kristy sy ny Tenin’Andriamanitra ;

·   manohana ny fahamarinan’izany Teny izany, manoloana ireo fampianaran-diso ;

·   mitandro ny fahamarinan’ny Teny ary tsy mivadibadika, izany hoe mandeha amin’ny fahazavan’io Teny io ;

·   mitandro ny fandaminana araka an’Andriamanitra ao amin’ny “tranon’Andriamanitra”, izany hoe manaiky izay ambaran’ny Teny ary mandà izay melohiny ;

·   mijoro ho vavolombelon’ny fahamarinan’ny Tenin’Andriamanitra (ny Baiboly) eran’izao tontolo izao, amin’ny fitoriana ny Teny, amin’ny fanapariahana ny Filazantsara...

Koa izay rehetra atao ao amin’ny “tranon’Andriamanitra”, ao amin’ny fiangonana, dia tokony hatao araka ny Tenin’Andriamanitra. Tokony hitandrina izany ny kristiana rehetra ! Amin’izay dia ho voatana ny filaminana, ny fandaminana, ary ny fahamasinana. Hoy ny apostoly momba izany : “Fa ny nanoratako taminareo, dia ny mba tsy hiharoharoanareo aminy, raha misy atao hoe rahalahy, nefa mpijangajanga, na mpierina, na mpanompo sampy, na mpanaratsy, na mpimamo, na mpanao an-keriny, dia aza miara-mihinana akory amin’ny toy izany ianareo… Esory aminareo ilay mpanao ratsy (1 Korintiana 5. 11, 13).

NY ANDRASAN’I KRISTY AMIN’NY FIANGONANA EO AMIN’NY TOERANA IRAY

Rehefa mamaky ny hafatra nalefa tamin’ireo fiangonana fito tany Azia isika (fiangonana nisy fahiny teo amin’ny faritr’i Torkia amin’izao fotoana izao), dia mahatakatra ny tadiavin’ny Tompo Jesosy amin’ny fiangonana isan-toerana tsirairay (Apokalypsy 2 sy 3) :

v mba hanome ho an’i Kristy ny toerana voalohany,

v mba tsy hiala amin’ny fitiavany voalohany an’i Kristy,

v mba hihazona ny Teny,

v mba tsy hivadika amin’ny finoana, ary tsy handà ny anaran’ny Tompo,

v mba tsy handefitra amin’ny ratsy eo anivony, fa hisaraka amin’izany,

v mba hanilika izay rehetra mety ho fanompoan-tsampy,

v mba hiteny ireo izay manosika ny hafa ho ratsy fitondrantena,

v mba hizaha toetra ireo milaza ho mpanompon’Andriamanitra, nefa tsy izany akory,

v mba tsy hanaiky hampianarin’ny mpampianatra sandoka na mpaminany sandoka,

v mba tsy hanolo ny Tenin’Andriamanitra amin’ny tenin’ny olona,

v mba ho mahatoky eo amin’ny fanompoana ny Tompo ary tsy hiovaova,

v mba ho velona, hanana risi-po, hanatanjaka ny osa,

v mba hiaiky ny fahadisoany rehefa misy izany, ka hibebaka,

v mba ho mendrika ny Tompo,

v mba hiandry ny fiverenan’ny Tompo.

·   Ny fiangonana tao amin’ny toerana iray nantsoina hoe Filadelfia  

Fiangonana faka tahaka ny fiangonana tao Filadelfia, fiangonana mahatoky sy mendrika hatao môdely, tsy mba nokianin’ny Tompo (toy ny tsy nanakianany ny fiangonana tao Smyrna, izay niaina andro fanenjehana). Koa izao no voasoratra momba azy : “Ary soraty ho amin’ny anjelin’ny fiangonana any Filadelfia : Izao no lazain’Izay masina, Izay marina, Izay manana ny fanalahidin’i Davida, Izay mamoha ka tsy hisy hanidy, ary manidy ka tsy misy mamoha : Fantatro ny asanao (indro, efa nasiako varavarana mivoha eo anatrehanao, ka tsy misy maharindrina azy), fa manana hery kely ihany ianao ka nitandrina ny teniko ary tsy mba nandà ny anarako. Indro, alaiko ny sasany amin’ny synagogan’i Satana, izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy, fa mandainga, indro, hataoko tonga hiankohoka eo anoloan’ny tongotrao ireo, ka ho fantany fa Izaho efa tia anao. Satria efa nitandrina ny teniko ny amin’ny faharetana ianao, Izaho kosa hiaro anao ho voavonjy amin’ny andro fakam-panahy izay efa hihatra amin’izao tontolo izao ho fizahan-toetra izay monina ambonin’ny tany. Ho avy faingana Aho ; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao.

Izay maharesy no hataoko andry eo amin’ny tempolin’Andriamanitro, ary tsy hiala eo intsony izy ; ary hosoratako eo aminy ny anaran’Andriamanitro sy ny anaran’ny tanànan’Andriamanitro, dia Jerosalema vaovao, izay midina avy any an-danitra avy amin’Andriamanitro, ary ilay anarako vaovao.

Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny fiangonana” (Apokalypsy 3. 7-13).

Ohatra tsara ho antsika ny fiangonana tany Filadelfia, indrindra amin’izao andro farany izao ! Marina fa kely hery izy, saingy nihazona tsara ny Tenin’Andriamanitra teo anivony, izany hoe nankatò izany. Tsy nandà ny anaran’ny Tompo izy ; mifanohitra amin’izany aza, manoloana ny fahalovana sy ny lainga izay efa nihanaka, dia nanaiky izy fa Jesosy no Ilay Masina, Ilay Marina, Ilay Lohan’ny Eglizy. Fantany ihany koa fa mikarakara azy manokana ny Tompo, noho ny fitiavany.

Ny fiangonana tao Filadelfia dia niaina akaiky dia akaiky an’Andriamanitra, tsy nanan-draharaha tamin’izao tontolo izao. Ny fiangonana tao Filadelfia, amin’i Kristy, dia fiangonana môdely ; ho antsika, dia faka tahaka izy  :

·   tonga saina izy hoe an’Andriamanitra manokana sy an’ny Tompo Jesosy ;

·   fantany fa ny fitahiana rehetra homena azy dia mifamatotra amin’ny voninahitr’Andriamanitra sy ny voninahitr’i Kristy ;

·   takany fa ny lanitra no toerana fonenany ; koa miandry ny fiverenan’ny Tompony izy, ny Tompo Izay haka azy sy hitondra azy any an-danitra.

Ny fiangonana tao Filadelfia, izany, dia fiangonana naneho amin-kaja teto an-tany ny Eglizy aorin’i Kristy.

Fanamarihana :

Ireo fiangonana roa tsy nivadika (Smyrna sy Filadelfia) no hany nanana fahavalo ivelany, fahavalo “izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy, fa mandainga” (Apokalypsy 3. 9). Ireo Jiosy sandoka ireo dia nihambo ho vahoakan’Andriamanitra, nefa raha ny marina, tsy izany izy ireo, satria tsy nanana ny ain’Andriamanitra tao anatiny. Kristiana sandoka, izany no loza mitatao amin’ny fiangonana mahatoky ankehitriny, noho ireo milaza ny tenany ho kristiana nefa tsy izy akory, tsy manana ny ain’Andriamanitra.

Amin’izao fotoana fikorontanana izao, indraindray dia misy fiangonana feno olona tsy manana ny ain’Andriamanitra akory, fiangonana anjakazakan’ny fihevitr’olombelona, ary indraindray aza manolo ny Tenin’Andriamanitra ny tenin’ny olona. Koa mampiorina antsika ny nosoratan’ny apostoly Paoly ho an’i Timoty, mba tsy hivadihany sy tsy hananany tsiny :

Koa ianao, anaka, dia aoka hihahery amin’ny fahasoavana izay ao amin’i Kristy Jesosy. Ary izay zavatra efa renao tamiko teo anatrehan’ny vavolombelona maro dia atolory ny olona mahatoky, izay hahay mampianatra ny sasany kosa.

Miaraha miaritra ny mafy amiko ianao tahaka ny miaramila tsaran’i Kristy Jesosy. Ny miaramila manafika dia tsy mba misy maningo-tena amin’ny raharahan’izao fiainana izao, mba hahafaly izay efa nifidy azy ho miaramila. Ary raha misy manezaka amin’ny filalaovana, dia tsy satrohana satroboninahitra izy, raha tsy manezaka araka ny lalàna. Ny mpiasa tany izay misasatra no tokony ho voalohany handray ny vokatra. Diniho izay lazaiko, fa homen’ny Tompo fahazavan-tsaina ny amin’ny zavatra rehetra ianao.

Tsarovy Jesosy Kristy Izay natsangana tamin’ny maty, dia Ilay avy tamin’ny taranak’i Davida, araka ny filazantsarako, izay iaretako fahoriana hatramin’ny fatorana aza, ohatra ny mpanao ratsy ; nefa ny tenin’Andriamanitra dia tsy mba voafatotra. Izany no iaretako ny zavatra rehetra noho ny amin’ny olom-boafidy, mba hahazoan’ireny koa famonjena, dia ilay ao amin’i Kristy Jesosy, mbamin’ny voninahitra mandrakizay. Mahatoky izao teny izao : Fa raha miara-maty aminy isika, dia hiara-belona aminy koa ; raha miaritra isika, dia hiara-manjaka aminy ; raha mandà Azy isika, Izy kosa handà antsika ; fa na dia tsy matoky Azy aza isika, dia mbola mahatoky ihany Izy, fa tsy mahazo mandà ny tenany.

Izany zavatra izany no ampahatsiarovy ny olona, ka anaro mafy eo anatrehan’ny Tompo izy mba tsy hiady teny, satria tsy mahasoa akory izany fa mamadika ny mpihaino. Mazotoa manolotra ny tenanao amin’Andriamanitra ho olona voazaha toetra, dia mpiasa tsy mahazo henatra, mizara tsara ny teny fahamarinana. Fa halaviro ny fibedibedena foana ; fa mbola handroso amin’ny haratsiam-panahy ihany izy ireny, ary ny teniny dia handany tahaka ny aretina mihady ; isan’ireny Hymeneo sy Fileto, izay nania tamin’ny marina ka milaza fa efa lasa sahady ny fitsanganan’ny maty, dia mamadika ny finoan’ny sasany.

Kanefa ny fanorenana mafy nataon’Andriamanitra dia miorina tsara sady manana izao tombo-kase izao : “Ny Tompo mahalala ny azy, ary koa : “Aoka ny olona rehetra izay manonona ny anaran’ny Tompo hiala amin’ny ratsy.” Fa ao an-trano lehibe, tsy dia fanaka volamena sy volafotsy ihany no ao, fa fanaka hazo sy tany koa, ny sasany homem-boninahitra, ary ny sasany halàm-baraka. Koa raha misy olona manadio ny tenany ho afaka amin’ireny, dia ho fanaka homem-boninahitra izy, efa nohamasinina ka mahasoa ho an’ny Tompo, voavoatra ho amin’ny asa tsara rehetra.

Fa mandosira ny filan’ny tanora fanahy ; ary miezaha mitady fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana amin’izay miantso ny Tompo amin’ny fo madio. Fa mandava ny fanontaniana adaladala tsy misy antony, satria fantatrao fa mahatonga ady izany. Ary tsy mety raha miady ny mpanompon’ny Tompo, fa ho malemy fanahy amin’ny olona rehetra, mahay mampianatra, mahalefitra, mananatra ny mpanohitra amin’ny fahamoram-panahy ; fa angamba Andriamanitra hanome azy fibebahana hahalalany tsara ny marina, ka hody ny sainy ho afaka amin’ny fandriky ny devoly, izay nanao azy sambo-belona hanao ny sitrapony.

Fa aoka ho fantatrao izao : fa any am-parany any dia hisy andro mahory. Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina, tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara, mpamadika, kirina, mpieboebo, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’Andriamanitra, manana ny endriky ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, nefa nandà ny heriny ; ireny koa dia halaviro. Fa isan’ireny izay misokosoko miditra any an-tranon’ny sasany ka mahalasa ho babo ny vehivavy adaladala, vesaran’ny fahotana, entin’ny filana maro, mianatra mandrakariva, nefa tsy mahatratra ny fahalalana ny marina. Ary tahaka ny nanoheran’i Jana sy Jambra an’i Mosesy no anoheran’ireo koa ny fahamarinana, dia olona maloto saina sady tsy manam-pinoana marina. Kanefa tsy handroso intsony izy ; fa ny hadalany dia haseho amin’ny olona rehetra, tahaka ny an’ireo koa.

Fa ianao kosa dia efa nanaraka tsara ny fampianarako, ny fitondrantenako, ny fisainako, ny finoako, ny fandeferako, ny fitiavako, ny faharetako, ny nanenjehana ahy, ny fahoriana izay nanjo ahy tany Antiokia, tany Ikonioma, tany Lystra, dia ny fanenjehana izay niaretako ; ary ny Tompo nahafaka ahy tamin’izany rehetra izany. Eny, izay rehetra te ho velona amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, izay ao amin’i Kristy Jesosy, dia henjehina. Fa ny ratsy fanahy sy ny mpanoloky kosa dia handroso hiharatsiratsy kokoa, sady mamitaka no fitahina.

Fa ianao kosa dia mahareta amin’izay zavatra nianaranao sy nampinoana anao, satria fantatrao izay nampianatra anao izany ; fa hatry ny fony vao zaza ianao dia efa nahalala ny Soratra Masina, izay mampahahendry anao ho amin’ny famonjena amin’ny finoana izay ao amin’i Kristy Jesosy. Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon’Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.

Eo anatrehan’Andriamanitra sy Kristy Jesosy, Izay hitsara ny velona sy ny maty, ary noho ny amin’ny fisehoany sy ny fanjakany, no ananarako anao mafy : mitoria ny teny, mazotoa, na amin’ny fotoana, na tsy amin’ny fotoana, mandrese lahatra, mampirisiha, mananara mafy amin’ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra. Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan’ny olona ny fampianarana tsy misy kilema ; fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany ; ary hampiala ny sofiny amin’ny teny marina tokoa izy ka hivily ho amin’ny anganongano.

Fa ianao kosa, mahonona tena amin’ny zavatra rehetra, miareta fahoriana, ataovy ny asan’ny evanjelista, tanteraho ny fanompoanao (2 Timoty 2. 1 - 4. 5).

IREO FIVORIAN’NY FIANGONANA

Ny fivorian’ny fiangonana eo amin’ny toerana iray dia tsy hoe fiaraha-mivory tsotra fotsiny ataona kristiana, fa tena fivoriana atrehin’ny Tompo Jesosy. “Koa raha vory ny mpiangona rehetra” (1 Korintiana 14. 23), dia eo ny Tompo, manatrika eo afovoany, araka ny nampanantenainy hoe : “Na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo amin’ny anarako, dia ao afovoany Aho” (Matio 18. 20). Koa dia fivoriana manetriketrika izany !

Ry kristiana, rehefa miangona ho fiangonana ianareo (1 Korintiana 11. 18), dia tokony hanaiky ny fahefan’ny Tompo, Izay manatrika eo afovoanareo ; tokony hanaiky koa ny fahefan’ny Baiboly ary hitandrina mba ho ny fahamarinan’ny Baiboly ihany, izay Tenin’Andriamanitra, no hanan-kery eo anivonareo.

Rehefa angonin’ny Tompony ny kristiana, hanodidina Azy ao amin’ny fiangonana eo amin’ny toerana iray, dia :

v mihaino ny Tenin’Andriamanitra (fivoriana fampiorenana) ;

v mitsaoka an’Andriamanitra (Ray sy Zanaka), “mba hanajan’ny olona rehetra ny Zanaka, tahaka ny fanajany ny Ray” (Jaona 5. 23), “amin’ny fanahy sy ny fahamarinana (Jaona 4. 23), isaky ny andro voalohany amin’ny herinandro (Asan’ny Apostoly 20. 7) (fivoriana fitsaohana) ;

v mivavaka (fivoriam-bavaka).

Izany no nataon’ireo kristiana voalohany nivory manodidina ny Tompo Jesosy, “ary izy ireo naharitra tamin’ny fampianaran’ny Apostoly sy ny fiombonana sy ny famakiana ny mofo ary ny fivavahana.” (Asan’ny Apostoly 2. 42).

·   NY FIVORIANA FAMPIORENANA (FIVORIANA FAMPANDROSOANA)

Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon’Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra” (2 Timoty 3. 16-17). Ny Baiboly, izay fahefana mandritra ny fivorian’ny fiangonana isan-toerana, dia tokony hovakiana mazava tsara. Ireo izay mihaino dia tokony hifantoka tsara ary hanamarina hoe mifanaraka tsara amin’ny Baiboly ve izay lazaina aminy. Izany no toe-tsain’ireo olona tany Beria, izay “nandray ny teny tamin’ny zotom-po indrindra ireo ka nandinika ny Soratra Masina isanandro, na marina izany, na tsia” (Asan’ny Apostoly 17. 11).

Koa izay miloa-bava ao amin’ny fiangonana dia tokony hanambara teny avy amin’Andriamanitra, am-pangovitana sy am-panajana, mba hampiorina, hampirisika, hampionona, hampianatra ary hanitsy ny mpino : “Izay maminany kosa miteny amin’olona, ho fampandrosoana sy ho fampirisihana ary ho fampiononana” (1 Korintiana 14. 3). Ny tokony ho tanjon’ny toriteny dia ny hahatonga ny kristiana hahatakatra ny hafatra ambaran’ny Baiboly, “mba hofenoina fahalalana tsara ny sitrapony ianareo amin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina rehetra avy amin’ny Fanahy, mba handehananareo mendrika ny Tompo, hanaovana ny sitrapony amin’ny zavatra rehetra, dia mahavokatra amin’ny asa tsara rehetra sady mitombo amin’ny fahalalana tsara an’Andriamanitra, ary ampahatanjahina amin’ny hery rehetra araka ny herin’ny voninahiny ho amin’ny faharetana rehetra sy ny fandeferana amin’ny hafaliana” (Kolosiana 1. 9-11). Zava-dehibe ny ananan’ny mpitoriteny toe-tsaina toy ny an’i Apolosy, mpanompo nolazaina fa “lehilahy nahay nandaha-teny sady nahery tamin’ny Soratra Masina. Izany lehilahy izany efa nampianarina ny làlan’ny Tompo ; ary nafana fo izy, dia niteny sy nampianatra marimarina ny amin’i Jesosy … ka naneho marimarina tamin’ny Soratra Masina fa Jesosy no Kristy” (Asan’ny Apostoly 18. 24-25, 28).

Raha misy olona miteny, dia aoka izy hiteny toy ny milaza tenin’Andriamanitra” (1 Petera 4. 11) ; izany hoe, izay miteny eo anivon’ny fiangonana dia tokony hihevitra ny tenany ho vavan’Andriamanitra mihitsy, ka hiteny araka izany. Ny tokony hataony izany dia :

-   manaiky hotarihin’ny Fanahy Masina, ka “milaza zava-panahy amin’izay olona araka ny Fanahy” (1 Korintiana 2. 13) ;

-   mitandrina ny hoe : “Aoka ny zavatra rehetra hatao ho fampandrosoana” (1 Korintiana 14. 26).

Ho fampahatsahivana, dia izao no niseho rehefa nivory hihaino ny Teny ny vahoaka Israely : “Dia nosokafan’i Ezra teo imason’ny olona rehetra ny boky… ary ny Levita dia nampianatra ny olona ny lalàna ; ary ny olona dia teo amin’izay nitoerany ihany. Dia novakiny mazava ny teny tao amin’ny bokin’ny lalànan’Andriamanitra, sady nohazavainy tsara ny heviny, ka dia azon’ny olona tsara ny teny novakina” (Nehemia 8. 5, 7-8).

·   NY FIVORIANA FITSAOHANA

o Momba ny fanompoam-pivavahana nataon’ny Israely ho an’Andriamanitra

Tamin’ny fotoanandrony, ny Israely dia vahoaka mpitsaoka, satria hoy Jehovah taminy hoe : “Dia ho fanjakà-mpisorona sy ho firenena masina ho Ahy ianareo” (Eksodosy 19. 6). Nanao fanompoam-pivavahana ho an’Andriamanitra ny vahoaka Israely, nefa hoy Jesosy tamin’ilay vehivavy samaritana hoe : “Avy ny andro, ka tsy amin’ity tendrombohitra ity (ny tendrombohitra Gerizima tany Samaria), na any Jerosalema aza, no hivavahanareo amin’ny Ray… Fa avy ny andro, sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin’ny Ray amin’ny fanahy sy ny fahamarinana ; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany. Andriamanitra dia Fanahy ; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy ny fahamarinana” (Jaona 4. 21, 23-24). Ny tian’i Jesosy holazaina tamin’izany dia hoe :

-   nisy mpitsaoka sandoka ;

-   nifarana hatreo ny fanompoam-pivavahana nataon’ny Jiosy ho an’Andriamanitra tany Jerosalema ; ary

-   Andriamanitra dia mitady olona vaovao tena hitsaoka Azy marina.

o Ny fetran’ny fanompoam-pivavahana jiosy

Ny fanompoam-pivavahana nataon’ny Jiosy ho an’Andriamanitra dia napetraka tamin’ny fotoanan’ny fanekena voalohany. Nifarana io vanimpotoana io rehefa nolavina ny Mesia ary nohomboana teo amin’ny hazofijaliana. Ary rehefa nanorina ny Fanasan’ny Tompo ho tsangambato fahatsiarovana ny fahafatesany Jesosy, dia nilaza hoe : “Ity no rako, dia ny amin’ny fanekena, izay alatsaka ho an’ny maro ho famelan-keloka” (Matio 26. 28). Midika izany fa tapitra ny fotoanan’ny fanekena voalohany. “Fa ankehitriny efa mahazo fanompoam-pivavahana tsara noho ny an’ireny Izy, dia araka ny nanaovana Azy ho Mpanalalana amin’ny fanekena tsara lavitra, izay natao tamin’ny teny fikasana tsara lavitra. Fa raha tsy nanan-tsiny izany fanekena voalohany izany, dia tsy mba nisy fitoerana hotadiavina ho an’ny faharoa... Amin’ny anaovany hoe ‘vaovao’ dia nataony fa efa ela ny voalohany. Fa izay tratra ela sy mihantitra dia efa madiva ho levona” (Hebreo 8. 6-7, 13). Efa niha tranainy ilay fanekena taloha (nanana ny fombafombany...) ka efa nadiva ho levona. Noho izany ny fanompoam-pivavahana dia tsy azo natao tao amin’ny tabernakely na tao amin’ny tempoly tao Jerosalema intsony.

Ankoatra izany, ny fanompoam-pivavahana nataon’ny Jiosy ho an’Andriamanitra dia natao tao amin’ny fitoerana masina eto an-tany, ary “miditra mandrakariva eo amin’ny tabernakely voalohany ny mpisorona hanefa ny fanompoam-pivavahana. Fa ny faharoa kosa (ny fitoerana masina indrindra) no idiran’ny mpisoronabe irery ihany indray mandeha isan-taona ; ary izy aza dia tsy miditra, raha tsy mitondra ra, izay ateriny noho ny amin’ny tenany sy ny fahadisoana nataon’ny olona amin’ny tsy fahalalana ; koa izany no anambaran’ny Fanahy Masina fa tsy mbola voaseho ny làlana mankany amin’ny fitoerana masina indrindra, raha mbola ao ihany ny tabernakely voalohany ; fanoharana izany amin’izao andro ankehitriny izao, ary araka izany no anaterana fanomezana sy fanatitra, izay tsy mahatanteraka ny mpivavaka ny amin’ny fieritreretana (fa naman’ny zavatra hohanina sy ny zavatra hosotroina sy ny fanasana samihafa), dia fitsipika araka ny nofo, voatendry hatao mandra-piavin’ny andro fanovana” (Hebreo 9. 6-10). Ny hoe “andro fanovana” dia tonga tamin’ny alalan’i Kristy Jesosy ; koa tsy nisy antony intsony mbola hanaovana ny fanompoam-pivavahana jiosy, satria araka ny nofo io, “fanoharana … amin’izao andro ankehitriny izao” (andron’ny kristiana).

Tamin’ny fanompoam-pivavahana jiosy izany dia nisy tabernakely  —tranolay masina misy fizarana samihafa izay nanaovan’ny vahoaka Israely fanompoam-pivavahana tany an-taniefitra, tamin’ny fanaterany sorona samihafa. Tao amin’io tabernakely io dia nisy “fitsipika ny amin’ny fanompoam-pivavahana, ary nisy ny fitoerany masina momba ny etỳ an-tany. Fa nisy tabernakely voavoatra : ny efitra voalohany, ilay atao hoe ‘ny fitoerana masina’, izay nisy ny fanaovan-jiro sy ny latabatra ary ny mofo aseho. Ary ao anatin’ny efitra lamba faharoa no nisy ny tabernakely izay atao hoe ‘ny fitoerana masina indrindra’, izay nisy lovia volamena fandoroana ditin-kazo manitra sy ny fiaran’ny fanekena, izay voapetaka takela-bolamena avokoa ; ary tao anatin’io nisy ny vilany volamena, izay nitoeran’ny mana, sy ny tehin’i Arona izay nitsimoka, ary ny vato fisaky ny fanekena ; ary teo ambonin’io koa ny kerobima nisy ny voninahitra, izay nanaloka ny rakotra fanaovam-panavotana” (Hebreo 9. 1-5).

Koa ny vahoaka jiosy, izay nanao fanompoam-pivavahana ho an’Andriamanitra araka ireo fitsipika nandidiana azy, dia tsy afaka nanatona tanteraka an’Andriamanitra, satria nisy efitra lamba tsy azo nidirana nanasaraka azy tamin’Andriamanitra, ary tao ambadik’io efitra lamba io no nisy ny fitoerana masina indrindra.  Ny mpisoronabe irery ihany, ary indray mandeha isan-taona monja, no niditra tao, nitondra ra nataony sorona ho azy sy ny fahotan’ny vahoaka (Hebreo 9. 7). Ankoatra izany, ny mpivavaka tao amin’ny Testamenta Taloha dia nanatitra “fanomezana sy fanatitra, izay tsy mahatanteraka ny mpivavaka ny amin’ny fieritreretana” (Hebreo 9. 9), satria mandritra ny fotoana voafetra ihany no voavela ny helony ; noho izany izy dia tsy maintsy nanavao fanatitra matetika, mba hampitony ny fahatezeran’Andriamanitra aminy. Raha ny marina, tsy voaisotra ny fahotana, fa azo atao hoe nangonina tao anaty fitehirizana iray, ary niandry ny fotoana hahafahana mamafa azy ireo, noho ny sorona hataon’i Kristy. Nandefitra tam-paharetana Andriamanitra tamin’ireo fahotana ireo, araka ny voasoratra hoe :

-   “... tsy namalian’Andriamanitra ny fahotana lasa tamin’ny nandeferany” (Romana 3. 25-26) ;

-   Fa amin’ireo [sorona ireo] dia misy fahatsiarovana ny ota isan-taona. Fa tsy mahaisotra ny ota ny ran’ombilahy sy ny ran’osilahy” (Hebreo 10. 3-4).

Satria tonga Kristy nanao sorona ny tenany, dia nahavita ireto zavatra ireto ny rany : manaisotra ny fahotana tsy ho eo imason’Andriamanitra intsony, manadio antsika, mahatonga antsika ho lavorary ka afaka mitsaoka —zavatra izay tsy vitan’ny ran’ombilahy sy ny ran’osilahy (ireo sorona naterina), tsy vitan’ny fanajana ireo didy aman-dalàna, satria “ny lalàna, izay misy aloky ny zava-tsoa ho avy, fa tsy ny tena endrik’izany zavatra izany, dia tsy mba mahatanteraka ny olona manatona amin’izay fanatitra ateriny mandrakariva isan-taona. Raha izany, dia tsy ho nitsahatra va ny nanaterany ireo, satria rehefa nodiovina indray mandeha ny mpivavaka, dia tsy ho nasian’ny fieritreretany ny amin’ny ota intsony izy ?” (Hebreo 10. 1-2).

Satria tonga Kristy, dia afaka nanadio ireo rehetra mino Azy ny sorona nataony. Koa afaka miteny Andriamanitra hoe : “…Ny fahotany sy ny helony tsy hotsarovako intsony” (Hebreo 10. 17) : lavorary ireo olona ireo, raha ny momba ny fieritreretany, izany hoe tsy mieritreritra fahotana intsony. Koa dia afaka manatona Ilay Andriamanitra masina izy, ary mitsaoka.

Ny olona mahalala tsara ao am-pony sy ao amin’ny fieritreretany fa tsy voadio tamin’ny fahotany mantsy, mahalala fa tsy milamina izy manoloana an’Andriamanitra, dia tsy afaka mijoro eo anatrehan’Andriamanitra : noho izany izy dia tsy afaka hitsaoka amin’ny fahamarinana. Tsy maintsy voavaha aloha io olana io, vao azo atao ny mitsaoka Ilay Andriamanitra velona sy marina.

o Ny maha zava-dehibe ny sorona nataon’i Kristy, ho an’ny fanompoam-pivavahana

Izay rehetra mino dia “hamarinina maimaimpoana amin’ny fahasoavany ... noho ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesosy, Izay nasehon’Andriamanitra tamin’ny rany ho fanavotana amin’ny finoana, hanehoana ny fahamarinany amin’ny tsy namalian’Andriamanitra ny fahotana lasa tamin’ny nandeferany, mba hanehoana ny fahamarinany ankehitriny, mba ho marina Izy sady hanamarina izay manana finoana an’i Jesosy” (Romana 3. 24-26). Io “ankehitriny” io dia nanomboka tamin’ny nahafatesan’i Jesosy ho sorona. Noho izany asa izany, na iza na iza mino dia lazain’Andriamanitra fa marina ; ary afaka mitsaoka izay mitafy ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra toy izany, afaka mitsaoka satria tsy mahatsiaro itambesaran’ny ota intsony : izany no vokatra azon’ny mpitsaoka eo no ho eo, noho ny sorona nataon’i Kristy.

Koa mba ho afaka mijoro eo anatrehan’Andriamanitra ny mpitsaoka iray, satria tsy itambesaran’ny ota intsony, dia nanolotra sorona Andriamanitra, sorona mahatanteraka izay rehetra takiany sy izay rehetra ilain’ny olona : io sorona io dia Jesosy, Ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra, Izay nanolotra ny ainy hahazoana fanavotana mandrakizay ho an’ny olona rehetra, hany ka izay mino Azy dia tena voavela heloka tokoa. Koa “fanatitra iray ihany no efa nahatanterahany ho mandrakizay izay olona hamasinina” (Hebreo 10. 14). Jesosy dia “nanatitra ny tenany tsy manan-tsiny ho an’Andriamanitra” (Hebreo 9. 14), mba hadio ny amin’ny fahotana ny fieritreretan’ireo mpitsaoka, rehefa nodiovina indray mandeha.

Ankoatra izany, tamin’ny nahafatesan’i Kristy sy ny nitsanganany tamin’ny maty, dia nosokafany ho antsika ny lalana mankany amin’Andriamanitra : tsy lalana mitondra amina fitoerana masina eto an-tany (ny tabernakely tany an-taniefitra, na, tatỳ aoriana, ny tempoly tao Jerosalema), fa mankany an-danitra mihitsy, ao amin’ny fitoerana masina any an-danitra, izay nidiran’i Kristy “mba hiseho eo anatrehan’Andriamanitra ankehitriny ho antsika”. Koa voasoratra hoe : “Fa Kristy kosa, rehefa tonga ho Mpisoronabe ny amin’ny zavatra tsara ho avy, dia namaky teo amin’ny tabernakely lehibe lavitra sady tsara lavitra, izay tsy nataon-tànana, izany hoe, tsy isan’izao zavatra ary izao, ary tsy mba nitondra ran’osilahy sy ran-janak’omby Izy, fa ny ran’ny tenany, dia niditra indray mandeha ho any amin’ny fitoerana masina ka nahazo fanavotana mandrakizay. Fa raha ny ran’osilahy sy ny ran’ombilahy ary ny lavenom-bantotr’ombivavy afafy am