[Page principale | Nouveautés | La Bible | Chant- Cantiques]

 

Ny sain-dalin’i Satàna

 

Elie Argaud

 

Fizahàn-takila

1     Ireo anaran’i Satàna

2     Fiavian’i Satàna, tantarany ary toetrany

3     Asan’i Satàna hatreo amin’ny hazofijalian’i Kristy

4     Asan’i Satàna taorian’ny hazofijalian’i Kristy

5     Mitandrina sy miambina

6     Zava-miafina

 

 

Ny fanamaivanana ny herin’ny Fahavalo, na ny fanaovana azy ho tsy misy eo amin’ny fiainana, dia tena fisainana mamoa-doza. Nisy nilaza fa “arakaraka ny ahalalan’ny olona iray an’i Kristy no hatahorany bebe kokoa an’i Satàna.” Ataonay fa ilaina ny mahalala amin’ny ambangovangony, voalohany, ny anarana ilazan’ny Soratra Masina azy ; avy eo, ny fiavian’io fahavalo lozabe io, ny toetrany sy ny asany ; ary farany, ny fitsarana mahatahotra hihatra aminy.

 

 

1                    Ireo anaran’i Satàna

 

Ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, dia anarana samihafa no entiny:

Satàna (ohatra, ao amin’ny Matio 16. 23), izany hoe ny fahavalo, ilay manohitra an’Andriamanitra sy ny olony;

Ny devoly (Lioka 4. 2), izay midika hoe ny mpiampanga, ny mpanoso-potaka, ary indrindra indrindra, “ny mpiampanga ny rahalahintsika” (Apokalypsy 12. 10);

Ny menarana (2 Korintiana 11.3), noho ny hafetseny, ary satria izy nampiasa io biby io mba hamitahany an’i Eva tao Edena;

Ny menarana ela (Apokalypsy 12. 9), satria izy nitarika ny olona hanao ratsy, hatrany am-boalohany;

Ny dragona (Apokalypsy 12. 9), izay mampiasa ny fahefana eto amin’izao tontolo izao mba hanaovan-dratsy;

Ny mpaka fanahy (Matio 4. 3);

Ny fahavalo (Matio 13. 25);

Ny andrianan’izao tontolo izao (Jaona 12. 31);

Ny mpanapaka ny fanjakana eny amin’ny rivotra (Efesiana 2. 2);

Ny andriamanitr’izao tontolo izao (2 Korintiana 4. 4);

Ilay Ratsy (1 Jaona 3. 12).

Izany anarana rehetra izany dia efa manambara zavatra betsaka momba ny toetrany.

 

 

2                    Fiavian’i Satàna, tantarany ary toetrany

I Satàna dia voarin’Andriamanitra, ary niravaka ny fanomezam-pahasoavana tsara indrindra. Ny ankamaroan’ireo toetra tanisaina ao amin’ny Ezekiela 28. 12-19 momba ny mpanjakan’i Tyro, dia azo raisina ho toy ny kisarisarin’i Satàna. Izy no “ilay mahatanteraka ny rafitra tsara tarehy tonga marika, sady feno fahendrena no tena tsara tarehy”. “Tao an-tendrombohitra masin’Andriamanitra” izy, ary “nitsangantsangana tao amin’ny vato mirehitra”. Efa ary izy talohan’ny naharìna ny olombelona. Indray andro dia nitsangana ny fony, hanohitra an’Andriamanitra. Koa “nariana niala tamin’ny tendrombohitr’Andriamanitra” izy, toy ny zava-maloto, ary notarihiny hiaraka aminy ireo anjely nanompo azy. Nesorina taminy ny voninahiny, ary hatreo izy dia nampiasa “ny herin’ny maizina” (Lioka 22. 53; Efesiana 6. 12), miaraka amin’ireo demony marobe eo ambany fahefany.

“Izy dia mpamono olona hatramin’ny taloha, ary tsy nitoetra tamin’ny marina, satria tsy misy marina aminy… Mpandainga izy, sady rain’ny lainga” (Jaona 8. 44).

Nahatonga ny fahalavoan’ny olona izy, ary manapaka azy amin’ny firehetampo sy ny fitsiriritana. Hainy ny manitikitika azy ireo, noho ny sainy mahataka-dalina, izay vao mainka mitombo, araka ny voalaza, noho ny traikefa ananany momba ny fon’olombelona. Nentaniny izao tontolo izao, na ara-politika na ara-pivavahana, mba hanohitra an’i Kristy, hamono Azy, ka tamin’izany no niantsoan’i Kristy azy mazava hoe “andrianan’izao tontolo izao” (Jaona 14. 30); ary avy eo izy dia tsy nitsahatra ny nampijaly ireo mpianatr’i Kristy. Ankehitriny koa, dia mbola hainy ny mamorona fanenjehana ireo kristiana mahatoky, toy ny nataony nandritra ireo taonjato lasa, araka izay fetra amelan’Andriamanitra azy, sy toy ny mbola hataony amin’ny mpino, any aoriana. “Liona mierona” izy (1 Petera 5. 8), nefa koa afaka miova ho “anjelin’ny mazava” (2 Korintiana 11. 14), ary vao mainka mampidi-doza antsika ny asany, amin’izany.

Noho izany, dia manam-pahefana tokoa izy, fanahy feno fahalalana sy hafetsena, ary tsy tokony hohamaivanintsika ny fanapahany, satria na i Mikaela arikanjely aza, dia tsy sahy niteny ratsy hahameloka azy, raha nifanditra taminy ny amin’ny fatin’i Mosesy (Joda 9).

 

 

3                    Asan’i Satàna hatreo amin’ny hazofijalian’i Kristy

Ny tany no tonga toerana nampiharany tsy an-kiato ny asany, sady mbola afaka miditra any an-danitra koa izy, mba hiampanga ny olona, ary any izy no manapaka ireo “fanahy ratsy eny amin’ny rivotra” (Efesiana 6. 12). Ny Soratra Masina dia mampiseho azy mizahazaha sy mivezivezy etsy sy eroa etỳ an-tany, ary avy eo, dia miseho eo anatrehan’Andriamanitra, mitondra ireo fiampangana sy fanosoram-potaka (Joba 1. 6-12). Manohitra an’Andriamanitra mandrakariva izy, manangoly ny olona, mitarika azy ireo ho amin’ny faharatsiana, mikatsaka hatrizay ny hanohitra ny fikasàn’ny fahasoavan’Andriamanitra hanasoa ny olombelona meloka. Izy no nanosika ny tontolo talohan’ny safodrano ho amin’ny fahalòvana sy ny herisetra. Izy no nitondra ny taranak’i Noa hanompo sampy sy hanome fahafaham-po ny filàny rehetra. Izy no nanosika an’i Farao hamono ny zazalahy rehetra teraka teo amin’ny Isiraelita, nanosika  koa an’i Atalia, zanakavavin’i Jezabela, hamono ny ankohonan’ny mpanjakan’i Joda, mba tsy hahatanteraka ireo teny fampanantenana nomen’Andriamanitra. Kanefa dia resin’Andriamanitra daholo ireo hafetseny, ary tanteraka tamin’ny fotoanany ny teny fampanantenana momba ny Mpanafaka: tonga teto amin’izao tontolo izao i Kristy.

Raha vao niseho teo amin’io sehatra io ny Zanak’Andriamanitra, dia naneho fahavitrihana fatratra indrindra i Satàna: nampiasainy daholo ny heriny hanohitra an’Andriamanitra, mba haharesy ny Tompo Jesoa. Angaha moa tsy fantany fa Izy, “ilay tarana-behivavy”, no tsy maintsy hanorotoro ny lohany, araka ny voalazan’ny faminaniana tranainy indrindra (Genesisy 3. 15) ? Niezaka ny hamono ilay zaza nomena ho Mpamonjin’izao tontolo izao izy, tao Betlehema. Naka fanahy an’i Jesoa intelo izy, tany an’efitra, nitady izay hampanota Azy, nefa tsy nahomby. Nanafika indray mandeha farany izy, tao Getsemane: narangarangany tamin’i Jesoa ny ho saran’ny fanonerana ny ota sy ny fahatezeran’Andriamanitra, tsy hisy fanalefahana na kely aza. Ny notadiaviny, dia ny hanakana an’i Jesoa teo amin’ny lalan’ny sorona izany hataony. Kanefa dia hahatontosa izany hatramin’ny farany ny Mpamonjy.

Handeha hatramin’ny farany Izy, ary handresy. Efa nandroba an’ilay mahery Izy (Matio 12. 29), ary hanapotika koa ny fahefany. Tamin’ny fahafatesana no nandringanany ilay manana ny herin’ny fahafatesana, dia ny devoly, sy nanafahany ireo olona rehetra nandany ny fiainany manontolo tamin’ny fahandevozana, noho ny fatahoran’izy ireo ny fahafatesana (Hebreo 2. 14). Noreseny sy nobaboiny ireo fanapahana sy fahefana, ka nasehony ampahibemaso: teo amin’ny hazofijaliana no nahazoany izany fandresena izany (Kolosiana 2. 15). I Satàna, izay nambabo ny mpanota, dia nentina ho babo koa (Efesiana 4. 8).

Mbola tsy nilavo lefona nefa i Satàna, na dia resy teo amin’ny hazofijaliana aza; naseho nibaribary izany fandresena izany, tamin’ny nitsanganan’i Kristy tamin’ny maty. Toy ny nampanomboany ny Tompo, dia nenjehiny koa ny mpianatra, sy izay rehetra mino Azy. Tsy mitsahatra ny asany. Vao niandoha ny fivavahana kristiana, dia nobaboiny ny fon’i Ananiasy hahatonga azy handainga amin’ny Fanahy Masina, ny sasany natosiny hanatanteraka izao fahotana mampalahelo rehetra izao, ny sasany indray nasainy nanely na nanaiky fampianaran-diso. Nanohy hatrany izy, ary mbola manohy. Tsy mitsahatra mihitsy izy.

 

 

4                    Asan’i Satàna taorian’ny hazofijalian’i Kristy

Kanefa, taorian’ny hazofijaliana, na dia mbola nitafy haja ihany aza izy, dia tsy nanam-pahefana tamin’ny mpino intsony. Nesorina ny heriny, ary raha toherintsika izy, dia handositra lavitra antsika (Jakoba 4. 7).

Aoriana kelin’ny hampakarana ny olo-masina, ary rehefa vita ny ady lehibe iray hataon’i Mikaela sy ny anjeliny amin’i Satàna sy ny anjeliny (Apokalypsy 12. 7-9), dia hazera avy any an-danitra ho etỳ an-tany i Satàna. Ho tezitra mafy izy, satria fantany fa kely sisa ny andro hahazoany mamotika sy manangoly. Hanana mpanampy roa matanjaka izy: ny iray ara-politika, dia ny lohan’ny fanjakana romana naverina indray, ary ny iray ara-pivavahana, dia ny Antikristy, na ilay mpaminany sandoka. Hifarimbona izy telo ireo, ho iray amin’ny faharatsiana, ary handefa anjely manana fahefana avy amin’ny devoly sy manao fahagagana (Apokalypsy 16. 13-14). Ho voafitak’ireo ny olona, ka hiomana ny hanohitra an’Andriamanitra. Ireo olo-masina etỳ an-tany amin’izay fotoana izay, indrindra fa ireo mahatoky anisan’ny sisa tavela eo amin’ny Jiosy, dia hohenjehina fatratra (Apokalypsy 12. 17). Ireo izay mitady ny hitandrina ny didin’Andriamanitra sy mitana ny filazana an’i Jesoa (Apokalypsy 12. 17) dia handà ny hankatò ny Antikristy, izay hohobian’ny vahoaka jiosy amin’ny ankapobeny. Io sisa tavela mahatoky io, dia sady hiaiky ny fahadisoany momba ny Mesia no hitory ny filazantsaran’ny fanjakana any amin’ireo tanàna rehetra any Isiraely. Satria mahatoky io sisa tavela io, dia hihara-na fanenjehana feno herisetra mbola mahery vaika kokoa, avy amin’ny Antikristy, izay hanorina ny fanompoan-tsampy ao amin’ny tempoly. Noho izany dia handositra izy ireo (vakio Matio 24. 16-21), ary hialokaloka any amina firenena samihafa. Any izy ireo dia mbola hitory koa ny filazantsaran’ny fanjakana; ho maro ireo olona handray izany ka hiova fo, ary hisy maritiora koa amin’ireo.

Amin’io fotoana io ireo mpanjakan’ny tany, noho ny fahaverezan-tsainy, dia hiangona mba hiady amin’ny Tompo, Izay nidina avy tany an-danitra miaraka amin’ny miaramilany. Ho levona izy ireo, ary ny lohan’ny fanjakana romana sy ny mpaminany sandoka dia hatsipy velona any amin’ny farihy afo (Apokalypsy 19. 20), Satàna dia hofatorana ka hatsipy any amin’ny lavaka tsy hita noanoa mandritra ny arivo taona (20. 1-3). Tsy ho afaka hampiasa ny fahefany mamoa-doza intsony izy, mandritra io fotoana io.

Rehefa tapitra ny arivo taona, dia hovahana i Satàna, ho fizahan-toetra farany ny olombelona (Apokalypsy 20. 7). Tsy hanova azy tsy akory ny nigadrany ela, ary avy hatrany izy dia hitady izay hampiviliana ny olona. Maro ireo hihaino azy ary hiady amin’ny olo-masina (20 8-9). Kanefa hofaranan’Andriamanitra ny asan’io fahavalo mahatahotra io: “hatsipy any amin’ny farihy afo sy solifara, izay misy ilay bibidia sy ilay mpaminany sandoka koa (izy), ary hampijalina andro aman’alina mandrakizay mandrakizay ireo” (20. 10). Hitoetra eo izy mandrakizay, eo anivon’ireo anjely navarina sy ireo olona mampalahelo izay nandà ny famonjen’Andriamanitra, ary ireo no hiaraka amin’ny tompony fahiny, any amin’ny “afo maharitra mandrakizay”, izay tsy namboarin’Andriamanitra ho azy ireo, fa “ho an’ny devoly sy ny anjeliny” (Matio 25. 41).

 

5                    Mitandrina sy miambina

Izany no fahavalon’ny fanahintsika. Aoka ny tsy mpino, izay mandà an’i Jesoa, hahalala tsara fa mamatotra mandrakizay ny fiainany hiaraka amin’i Satàna: zavatra tokony holanjalanjaina tsara izany! Aoka ny mpino, rehefa nampilazaina mialoha momba ny herin’ny Fahavalo, mba hitandrina sy hiambina tsy ho latsaka amin’ny fandrika velariny. Ny hany arony, dia ny mitoetra eo akaikin’Ilay nandrodana tamin’ny hazofijaliana ny fahefan’i Satàna, rehefa avy namatotra azy tamin’ny Teny, tany an’efitra, sy nandroba azy nandritra ny fanompoany tetỳ an-tany. “Andriamanitry ny fiadanana, hanorotoro an’i Satàna faingana eo ambany tongotrareo”, hoy ny voalaza amin’ny olo-masina (Romana 16. 20). Efa akaiky ireo tranga lehibe notsahivina teo ireo. Ireo izay tsy nahalala ny “sain-dalin’i Satàna” dia ampirisihina hihazona mafy izay ananany, mandra-piavin’Ilay Zanak’Andriamanitra natao ho Zanak’olona, hampihatra ny fitsaràny (Jaona 5. 22, 27; Apokalypsy 2. 18, 24).

 

6                    Zava-miafina

Nahoana moa Andriamanitra no namela mandraka izao ho an’i Satàna ny toerany any an-danitra sy ny asany etỳ an-tany? Nahoana no nahemony ny fampiharana ny didim-pitsarana an’io mpiodina io? Ireo fanontaniana ireo, sy maro hafa koa, dia anisan’ny zava-miafina an’Andriamanitra, ary isika dia tsy maintsy mianina amin’izay nambara hahasoa antsika: “An’i Jehovah Andriamanitra ny zava-miafina; fa antsika sy ny zanatsika mandrakizay kosa ny zavatra ambara, hankatoavantsika ny teny rehetra amin’ity lalàna ity” (Deoteronomia 29. 28). Raha vao tsy tsinjon’ny voary intsony ny fiankinany amin’Andriamanitra, dia tsy misy zavatra manintona azy mihoatra noho ny fitoviana amin’ilay Mpahary azy. Io indrindra no fahadisoana nataon’ilay Fahavalontsika lehibe, ary ho amin’io fahotana io koa no tiany hitarihana antsika, toy izay nitarihany an’ilay Adama voalohany.