[Page principale | Nouveautés | La Bible | Chant- Cantiques]

 

Faharatsiana ara-moraly sy faharatsiana ara-poto-pampianarana

 

Fanontaniana

Lazaina, matetika, fa ny fampianarana zavatra diso dia mampidi-doza kokoa noho ny faharatsiana ara-moraly. Marina ve izany, ary raha eny, nahoana?

 

Valiny

Na dia ota foana aza ny ota, eo imason’Andriamanitra, ary tsy afaka ny hifanaraka amin’ny maha-Izy Azy, dia misy ihany fanavahana sasany ataon’ny Tenin’Andriamanitra. Ohatra, misy ny “ota mahafaty”, izay ampiharan’Andriamanitra ny fahafatesana ara-nofo, araka ireo lalam-pitondrŕny; ary misy ny “ota tsy mahafaty” (1 Jaona 5. 16, 17). Ny ota dia mety hanana toetra manevateva, manimba, maniratsira an’Andriamanitra, na amin’ny fatrany be na kely. Ity ota iray dia mety hisy vokany mandoza kokoa noho ity hafa. Raha milaza izany, dia tsy dia ny vokany eo amin’ilay olona manao ny ota loatra no eritreretina, fa ny fiantraikany eo amin’ny hafa. Ny ota eo amin’ny lafiny ara-moraly dia tena mety hisy vokany manapotika avy hatrany ny tena na ny ain’izay manao izany. Tsy misy isalasalana ny voalaza-na andininy toa ny Romana 1. 24-27 sy 1 Korintiana 6. 15-18: “Ny mpijanganjanga kosa dia manota mihatra amin’ny tenany” (1 Korintiana 6. 18).

Ny vokatra ratsy ateraky ny faharatsiana ara-moraly eo amin’ny hafa, nefa, dia tsy mitovy lanja amin’izay mety hoentin’ny faharatsiana ara-poto-pampianarana. Amin’ny ankapobeny, ny faharatsiana ara-moraly dia mora tsikaritra ho faharatsiana, ary sokajiana ho izany, raha ho an’ireo zanak’Andriamanitra. Na dia toa tsy azo inoana aza ny fomba nanovŕna ny soatoavina ara-moraly ankehitriny, ao amin’ny tontolo kristiana, satria toa navadika mihitsy aza izany), dia mbola mba misy ihany fisehoan’ny faharatsiana ara-moraly sasantsasany izay tsapa ho mivaona na ratsy. Amin’ny hoe “faharatsiana ara-moraly”, dia tsy tokony ho ireo fahotana mibaribary efa noresahina ihany no tonga ao an-tsaina, fa koa ireo zavatra rehetra lo ara-moraly, toy ny lainga, ny fihatsarambelatsihy, ny tsy fitanana ny teny nomena, ny toetra mora tezitra, ny fitsiriritana, ny ady, ny famonoana olona, ary zavatra maro hafa koa, mitovitovy amin’izany. Ny Soratra Masina dia miantso ireo rehetra ireo  ho “asan’ny nofo” (Galatiana 5. 19-21). Izany no “masirasira” amin’ny lafiny ara-moraly (1 Korintiana 5. 6).

Fa momba ny fampianaran-diso mifandraika amin’ny zavatr’Andriamanitra, izany hoe ny “masirasira” ara-poto-pampianarana (Galatiana 5. 9), dia tsy mahagaga raha tsy miraharaha izany mihitsy ny olon’izao tontolo izao. Kanefa na ireo zanak’Andriamanitra koa aza, ankehitriny, dia mahavariana  fa toa tsy rototra na dia mifampikasoka amin’ny fampianarana diso na ratsy aza, ary vao mainka mahagaga izany, satria tokony ho fantatr’izy ireo fa tena mampidi-doza izany.

Fa nahoana moa izany no tena mampidi-doza? Satria ampiasain’i Satana hanozongozonana sy hamotehana ny fototry ny finoantsika, ary na ny Tena sy ny asan’ny Tompo sy Mpamonjy antsika koa aza. Ilay fahavalon’Andriamanitra sy ny olombelona dia mahalala tsara, ary matetika, mihoatra noho ny mpino, fa raha vitany ny manapotika ny fampianarana tsara, dia ho voahozongozona miaraka aminizany  koa ny fototry ny fiainam-pinoana. Ary raha vao voahozongozona ny fatokiana an’Andriamanitra sy ny finoana ny Tompo Jesoa Kristy, iza no afaka hanambara ny  hiafarŕn’izany lalana izany? Raha tsy miasa ny fahasoavan’Andriamanitra (Titosy 2. 11-12), dia ho fahafatesana no fiafarŕn’izany!

Ny tena mampidi-doza voalohany indrindra, amin’ny faharatsiana ara-poto-pampianarana, dia izy raisina matetika loatra ho tsy tena zava-dehibe, fa ambinambiny ihany. Fa avy aiza moa izany tsy firaikan’ireo zanak’Andriamanitra maro aminny fampianaran-diso izany? Nahoana no hamaivaniny toy izany izy io? Valinteny roa no azo omena. Voalohany, izany dia maneho tsy dia firaharahana loatra  ny Tompo sy ny voninahiny, ary tsy fitiavana Azy. Mety tsy ho izany ny fomba fijery azy, kanefa izany dia iray amin’ireo antony roa hisian’io tsy firaikana manoloana ny fampianaran-diso io  —antony izay tokony hampanetry tena antsika. Raha toa isika tia ny Tompo sy Mpamonjy antsika, Izay nanolotra ny tenany ho amin’ny fahafatesana, moa ve afaka ny tsy hiraika isika raha asian-dratsy na alŕna baraka ny Tenany? Tokony hianatra hahatsapa isika fa ny tanjona voalohan’i Satana dia tsy ny hanao ratsy ny mpino, tsy akory, fa ny handroba ny haja sy ny voninahitra izay tokony ho an’i Kristy. Ary satria Kristy no ivon’ny Soratra Masina sy ny fampianarana, dia tsy tara mihitsy izy hanatsatso ny fampianaran’ny Tenin’Andriamanitra sy hanolo izany amina fampianaran’ny demonia (1 Timoty 4. 1).

Ny antony faharoa dia ao amin’ny fomba fisainan’ny olona, ary tsy ireo manaraka ny toetrandro ihany. Heverina ho fahateren-tsaina sy tsy fandeferan-kevitra ny manohitra ny hevitry ny hafa, ny tsy fanekena izay rehetra tsy mifanaraka amin’ny hevitry ny tena; ary ireo olona nahita fianarana indrindra no mirona ho amin’izany toe-tsaina izany. Kanefa, raha matetika manana ny toerany ny fandeferan-kevitra, eo amina trangan-javatra maro, dia mety hampidi-doza kosa ho anny fototry ny fampianarana kristiana, na “ny finoana izay efa voatolotra indray mandeha monja ho an’ny olona masina” (Joda 3). Koa tsy maintsy “miaro” izany isika, ary mifanohitra indrindra amin’ny “fandeferan-kevitra” izany. Ny fampianaran’ny Tenin’Andriamanitra, mantsy, dia tsy zavatra noforomporonin’ny sain’olombelona fotsiny, ka azo raisina malalaka, fa ny mifanohitra amin’izany, tena fanehoana ny sitrapon’Andriamanitra (Kolosiana 1. 9).

Andriamanitra mihitsy no manavaka ny faharatsiana ara-moraly sy ny faharatsiana ara-poto-pampianarana; izany no mivohitra mazava rehefa ampitahaina ny epistily voalohany ho an’ny Korintiana sy ny epistily ho an’ny Galatiana. Na dia maro aza ireo fahadisoana ara-moraly teo amin’ny mpino tao Korinto, dia afaka nampisongadina lohahevitra maro hiderana azy ireo ihany ny apostoly Paoly, teo am-panombohana ny taratasiny. Ny fanaovam-beloma ao amin’ny faran’ny epistily, aza, dia soratananizy tenany mihitsy. Tsy hahita izany mihitsy isika ao amin’ny epistily ho an’ny Galatiana, satria tany Galatia dia nanimba ny filazantsara notorěn’i Paoly ny masirasira ara-poto-pampianarana.

Farany, dia tokony hotandremana ny tsy hanasokajy avy hatrany ho fampianaran-diso izay rehetra fampianarana vaovao. Ny Tenin’Andriamanitra dia milaza hoe misy “fampianarana hafahafa” (1 Timoty 1. 3), “fampianarana maro hafahafa” (Hebreo 13. 9), “fampianaran’olona” (Kolosiana 2. 22), “fampianaran’ny demonia” (1 Timoty 4. 1). Ireo fampianarana ireo dia avy amin’i Satana, ary izy rehetra dia mety hitondra ho amin’ny fampianaran-diso. Fa manoloana fampianaran-diso isika, rehefa ny fototry ny fivavahana kristiana no hozongozonina, rehefa ny Tenan’i Kristy sy ny Asany no toherina (2 Jaona 7, 11).