[Page principale | Nouveautés | La Bible | Chant- Cantiques]

FAHASAMBARANíNY MPIVADY

SY NY FIANAKAVIANA

E. W. Bremicker

Fizahŗn-takila

 

TENY FANOLORANA. 3

 

1-Fikororosy fahaníny daholobe sy fahatokianíny tsirairayÖÖÖÖÖÖ.6

........ Ny fianakavianíi Manoa............................................................. 6

........ Ny fiainaníi Samsona ............................................................. 14

 

2-Ny fifandraisaníny mpivady .......................................................... 18

........ Ny antso avy any an-danitra. 18

........ Ny toetraníny fo. 19

........ Ny fankatoavana. 20

........ Kristy, ilay mŰdely tonga lafatra. 24

........ Famafazana mampalahelo. 25

........ Ianareo lehilahy, tiava ny vadinareoÖ.. 26

........ Ny fisehoníny fitiavana. 27

........ Ireo fototra ara-mŰraliníny fitahiana. 28

 

3-Ny ray aman-dreny sy ny zanaka................................................. 31

Loza mitatao ateraky ny fanahafana
ny fanaoníizao tontolo izao...................................................... 31

........ Mahafantatra ny sitraponíAndriamanitra
mba hanatanterahana izany
. 32

........ Ireo foto-kevitríAndriamanitra momba ny mpivady. 333

........ Ireo foto-kevitríAndriamanitra momba ny ankizy. 37

........ Tokantrano folo izay novangianíny Tompo Jesoa. 39

 

Bibles et Publications Chrťtiennes - 30, rue Ch‚teauvert F-26000 VALENCE



 

 

TENY FANOLORANA

 

Ny fiainaníny mpivady sy ny fianakaviana kristiana, izay loha≠he≠vitríity bokikely ity, dia nanaovana famelabelarana telo, nandritra ireo fivoriana tany Dillenburg taminíny taona 1988.

Ankasitrahiko feno hatrany ireo rahalahy nandray feo sy nan≠dra≠ki≠tra an-tsoratra ireo fivoriana, ary koa namerina namaky izany rakitra an-tsoratra izany, hatraminíny fanontana azy, na taminíny teny Alemana izany na ny taminíny teny Frantsay. Atolotra ihany koa izany fan≠ka≠si≠tra≠hana izany, ho aníireo rahalahy avy any Soisa sy Frantsa, izay nahafoy fotoana nandika ny rakitra an-tsoratra sy namboatra azy. Ny Tompo anie hanome harem-pahasoavana ho azy ireo !

Misaotra ny Tompo aho noho ny fitahiany, izay nampitombo ahy ihany koa, taminíny nianarako io lohahevitra io. Ny faniriako dia mba ho maro ireo izay handray be, eny ho be lavitra aza, aminíny famakiana ity boky ity.

 

E.W. Bremicker



 

 

 

 

ďAlatsaho ao aminíny fonareo sy ao aminíny fanahinareo izao teniko izao, Ö mba ho maro ny andronareo sy ny androníny taranakareo eo aminíny tany Ö, toy ny faharetaníny lanitra amboniníny tany.Ē

Deoteronomia 11. 18-21

 

 

Ny miaina fiainana tahaka ny any an-danitra, izany hoe, fiai≠nana voamariky ny toetoetraníny lanitra, dia hasambarana mbola atolotra antsika ankehitriny, ao aminíny fanambadiana sy ao aminíny fianakaviana: ahitantsika taratry ny fahasambarana any an-danitra ny fanambadiana sy ny fianakaviana, raha an≠ka≠toa≠vintsika izay voalazaníAndriamanitra ao aminíny Teniny. Te han≠dinika akaiky io lohahevitra io izahay, ka mampiasa tan≠ta≠ram-piainana fianakaviana iray voarakitra ao aminíny Tes≠ta≠men≠ta Ta≠lo≠ha sy fitsipika vitsivitsy avy ao aminíny Testamenta Vao≠vao.


 

 

  1. FIKOROROSY FAHANíNY DAHOLOBE SY FAHATOKIANíNY TSIRAIRAY

 

Ny fianakavianíi Manoa

Mpitsara 13 hatraminíny 16

 

Any aminíny fiaraha-monina tandrefana manaraka ny fom≠ba kristiana, ilay lazaina ho fanalalahana ny fitondrŗntena an≠ke≠hi≠triny dia mitera-bokatra mampatahotra, izay tsy inona fa ny tsy firaharahana ireo soatoavina ara-mŰraly napetrakíAndriamanitra ao aminíny olona (Romana 1. 28). Ny fanamaivanana ny fanam≠ba≠diana, ny fisaraham-panambadiana, ny fijangajangana ary ny fanalan-jaza dia lasa fomba mahazatra ankehitriny, tsy manaitra intsony. Lasa fiaraha-moniníny mpamono olona sy ny mpi≠jan≠ga≠janga no misy antsika izao, nefa toa tsy dia manelingelina antsika akory izany.

Ny isaníny fisaraham-panambadiana voarakitra, nefa, dia sombiny bitika monja aminíny tena zava-misy. Firy aminíireo tokan≠≠trano mbola mijoro ihany ara-panjakana, moa, no ahitana ny samy maka ho azy ao an-trano, na tsy fifanarahana mihitsy? Indrisy, fa na ny mpino aza dia miaina fiainana mampalahelo tahaka izany, ary maro tsy araka ny iheverana azy ny isaníizy ireo. Tsy afaka misaraka sady tsy te hisaraka, nefa tsy mifam≠pi≠re≠sa≠ka intsony.

Nefa dia mbola afaka mahita hasambarana manokana isika, indrindra ao aminíny fanambadiana sy ao aminíny fiana≠ka≠via≠na. Andriamanitra dia mampahafantatra antsika, ao aminíny Teniny, ny fototra ijoroaníny fanambadiana izay hanome antsika andro ďtoy ny faharetaníny lanitra amboniníny tanyĒ. Miankina amintsika ny faniriana hamantatra izany hasambarana izany.

Andriamanitra tenany no nametraka ny fitiavana ao am-poníny lehilahy sy ny vehivavy; nefa, tahaka ireo fanomezana hafa rehetra, io dia mbola nosimbainíilay olona noaržny ihany koa. Ao aminíny 2 Timoty 3. 3 dia ahitantsika hoe ďny andro faranyĒ dia ho ďandro mahoryĒ ka ny olona dia lasa ďtsy manam-pitiavanaĒ. Ilay fitiavana voajanahary napetrakíAndriamanitra tao am-pon≠tsika dia voahitsakitsaka, vokatríizany dia manjaka ny fitiavan-tena. Zovy ŗry no ho gaga raha mahita fa fanambadiana iray aminíny telo dia miafara aminíny fisarahana?

Manoa sy ny vadiny óizay tsy nolazaina antsika ny ana≠ranyó dia niaina tamina vanim-potoana tsy misy hafa aminíizao misy antsika izao, raha ny ara-mŰraly. Voasoratra fa ďny zanakíi Israely nanao indray izay ratsy eo imasoníi JehovahĒ (Mpitsara 13. 1). Rehefa ny tsirairay eo aminíny vahoakaníAndriamanitra no manao izay ataony ho tsara (toko 17. 6 sy 21. 25), dia ďratsy eo imasoníi JehovahĒ hatrany izany. Fanimpitony, izao, no ive≠re≠naníio teny io ao aminíny bokiníny Mpitsara. Isaky ny nisy izany, dia tsy maintsy nanafay ny olony Andriamanitra; ary dia nian≠tso≠antso, hatrany, aníi Jehovah izy ireo, ka reny, ary dia niditra an-tsehatra Izy, namonjy azy ireo. Fa tsy mba nisy izany fitarainana izany tao aminíny Mpitsara 13: teo ambany fifehezaníny Filistina ny vahoakaníAndriamanitra, ary dia nianina taminíizany. Tsy mito≠vy aminíizany ve ny mitranga eo aminíny tontolo kristiana anke≠hi≠tri≠ny? Miaina ao anaty faharatsiana ny olona, sady tia izany, ka tsy maniry zavatra hafa intsony. Iza ŗry no hizaka ny vokatríizany tsy fanajana aníAndriamanitra izany? Tsy iza fa ny taranaka.

Teo anivoníireo vahoaka nandeha araka ny nahim-pony ireo, dia nisy mpivady nivavaka izay nahafapo aníAndriamanitra ny nijery azy, dia i Manoa sy ny vadiny. Ny anarany dia midika hoe ďfanomezanaĒ, na koa ďtoeram-pitsaharanaĒ. I Manoa dia fano≠mezaníAndriamanitra ho aníny vadiny, ary torakíizany koa, ny vadiny ho azy; ary ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra dia tokony ho tahaka izany koa, ho aníny vadiny. Rehefa mifampitondra taha≠ka izany ny mpivady, dia fiombonana feno hasambarana no voka≠ny.

Manana zavatra mavesa-danja hambara aminíizy roa Andria≠manitra, ary dia ramatoa, izay atao hoe fanaka malemy, no ire≠sa≠hany voalohany. Niseho taminy ny Anjeliníi Jehovah, ka nano≠me azy teny fampanantenana mahatalanjona, hoe hahazo zana≠ka≠lahy izy. Etsy andaniníizany Izy dia nanoro hevitra azy ny aminíny tokony ho fitondrŗntenany. Ao aminíio torohevitríilay anjely ho an-dravehivavy io, dia azontsika anovozana fahalalana, rehefa manontany tena isika ny aminíizay tokony ho fiton≠drŗn≠te≠nan≠tsika, manoloana ny faharavaníny tontolo kristiana. Teny tsotra no raketiny, dia ny hoe: fisarahana aminíizao tontolo izao sy aminíny ratsy. Tokony homarihina tsara fa Andriamanitra dia tsy nanom≠≠boka taminíny filazana izay tokony na tsy tokony hataoníilay zazalahy, fa nampianatra mazava tsara kosa aníilay vehi≠vavy, ho reny rahampitso, ny aminíny tokony ho fiton≠drŗn≠te≠na≠ny, indrindra mikasika ireto manaraka ireto:

ó Tsy tokony hisotro divay na toaka.

ó Tsy tokony hihinana zava-padžna.

Ny haha-Nazirita ny zaza dia namaritra sahady ny tokony ho toetran-dreniny! Ny divay sy ny toaka, eto, toy ny any aminíny andinin-tSoratra Masina hafa, dia sary enti-maneho ny fifalianíny tany. Ny mpino izay mitady ny fiarahana aminíny tsy mpino, ary miara-mifaly aminy, dia tsy mba hitondra zavatra mendrika aníAn≠dria≠manitra ao an-tokantranony; hiova ho ratsy ny fifaliany ao aminíAndriamanitra, ary hiantraika aminíny zanany izany. Any aminíny andininy hafa, Andriamanitra dia milaza fa ďmpa≠niratsira ny divay, ary mpitabataba ny toaka, koa izay mirai≠ki≠raiky azoníiza≠ny dia tsy hendryĒ (Ohabolana 20. 1). Tsy maha≠gaga moa ny mahita fa ny oloníizao tontolo izao dia tia ny fahafinaretana mihoa≠tra noho ny fitiavany aníAndriamanitra (2 Timoty 3. 4), nefa tsy tokony hitovy aminíizany isika kristiana. Ny fiombonantsika dia aminíny Ray sy i Jesoa Kristy Zanany, ka aminíizany no tokony hahi≠tantsika ny fifaliantsika.

Ny torohevitra faharoa koa, ďAza mihinana izay zava-padžnaĒ, dia mifono fampianarana manan-danja aminíizao vani≠nan≠dro izao. Ny hoe mihinana zava-padžna dia midika ho manao zava-dratsy. I Davida dia nanambady vehivavy nitazona terafima (sampy) (1 Samoela 19), ary mety nahafantatra izany; Rahely vadiníi Jakoba dia nangalatra ny terafiman-drainy ary nanafina izany tao an-tranolainy, nefa tsy mba fantatry ny vadiny izany (Genesisy 31). Raha ny ara-mŰraly no jerena, dia nameno ny sainy tamina zava-pady ireo vehivavy roa ireo, ary dia tena ratsy ny vokany.

SoritaníAndriamanitra eto ny fiantraikaníny fitondrŗn≠te≠naníny renim-pianakaviana, mihoatra noho ny aníny raim-pia≠na≠ka≠viana, aminíny zanany, eo an-tokantranony, arakaraka izay sakafom-panahiny, na ny TeniníAndriamanitra na ny zavatríizao tontolo izao. ďIzay araka ny nofo dia mihevitra izay zavatry ny nofo, fa izay araka ny Fanahy kosa, mihevitra izay zavatry ny FanahyĒ (Romana 8. 5). Raha ny zavatríizao tontolo izao ótoy ny tantara foronina, gazety-boky samihafa, mozika, fana≠tan≠ja≠han≠tena, onjam-peo, fahitalavitra, sns.ó no amokisantsika isanían≠dro ny fanahintsika, dia mitoetra eo ambany fahefaníny zava-dra≠tsiníizao fiainana izao isika. Lasa manaraka tsy nahy ny fanaony sy ny fomba fisainany isika, eo aminíny fiainantsika, ary ny tena loza, dia tonga hatrany aminíny fiangonaníAndriamanitra izany: ďNy fihevitry ny nofo dia fahafatesana, fa ny fihevitry ny Fanahy kosa, fiainana sy fiadananaĒ (Romana 8. 6). Fantatry ny Tompo ny voka-dratsiníizany, dia alahelo sy tomany ao aminíireo fiana≠ka≠viana maro nidirany (Marka 4. 19). Tsy ihambahambana fa ny iray aminíireo terafima (sampy) lehibe aminíizao vanim≠po≠toa≠nan≠tsika izao, dia ny fahitalavitra. Mbola mitombina ankehitriny izay lazainíny 1 Jaona 5. 21: ďAnaka, arovy ny tenanareo aminíny sampyĒ; io no fampitandremana farany nataoníi Jaona, ao aminíny epistily voalohany nosoratany. Nitahiry terafima Rahely sady nifikitra taminíizany, ary tsy fantatry ny vadiny izany. Tsy fantatríi Jakoba hoe nangalarin-dRahely antsokosoko ny sam≠piníny rainy, ka dia nisendaotra izy, niteny taminíi Labana hoe: ďIzay hahitanao ny andriamanitrao dia aza velomina.Ē Ary dia maty tokoa Rahely taoriana keliníizay. Mampitandrina antsika, eto, ny fihetsikíi Jakoba, ny aminíny loza fonosiníny tendrom-po izay mampiteniteny foana tsy amim-piheverana.

Noho izany, dia tsara kokoa ny mamoky ny fanahintsika amin-javatra mahasoa, toy izay hampiasa ny saintsika tsy amim-piheverana ka hahatonga antsika hanao izay tsy mendrika. Ao aminíny TeniníAndriamanitra no ahitantsika izany sakafo maha≠soa izany: ďTahaka ny zaza vao teraka, dia maniria ny rononom-panahy tsy misy fitaka, mba hitomboanareo aminíizany, ho aminíny famonjenaĒ (1 Petera 2. 2). Hitantsika ao aminíny zaza rehe≠tra, manomboka aminíny andro ahitany masoandro, izany filŗna izany, ary eto Andriamanitra dia manome fampianarana azo ampiharina andavanandro. Ny sakafo voalanjalanja dia antoky ny fahasalamana sy ny fitomboana ary ny filaminan-tsaina; ary dia mila izany isika, aminíizao androníny faharavana izao.

Hitantsika teo ny antony iray lehibe mety manimba ny fifan≠draisaníny mpivady kristiana, dia ny fanafenana zavatra aminíny vady, nefa tokony ho tsotra sy mahitsy eo anatrehaníny vady sy eo anatrehaníAndriamanitra; ary araka ny fihevitríAn≠dria≠ma≠nitra, dia ny lahy no lohaníny tokantrano. Tsy tokony hanao zavatra tsy ekeny na afenina azy. Ny fahazaran-dratsy mifanafina aminíny samy mpivady dia tena mampiana-dratsy ny ankizy. I Jakoba, ďilay mpisolokyĒ, dia nanafin-javatra sy namitaka ny nano≠di≠dina azy. Noho izany, ny folo taminíireo zanany lahy dia lasa mpa≠mi≠taka, ary dia nizaka ny vokatríizany tany aminíny tany rehetra nalehany, nandritra ny roa amby roapolo taona.

Etsy andaniníizany, inona kosa no nataoníny vadiníi Manoa taorianíny nisehoaníilay anjely taminy? Tsy nitady olona hafa izy, fa tonga dia nanatona ny vadiny. Maneho ny fatokisany tanteraka ny vadiny izany. Tena sambatra tokoa ny vehivavy izay afaka matoky tanteraka ny vadiny, izay azony izarŗna ny zavatra rehetra. Ohatra ho antsika koa i Manoa; inona no nataony? Nitodika taminíAndriamanitra izy, dia nivavaka. Asehony mazava tsara, aminíizany, ny fomba fiarahana aminíAndriamanitra, maha≠zatra azy. Ary isika lehilahy manambady ve, mba maha≠fan≠tatra izany fiombonana iainana andavanandro izany, izany fifan≠drai≠sana mitohy sy maharitra aminíAndriamanitra izany?

Tsapaníi Manoa ny andraikiny, ary zarainy aminíny vadiny. Tsy mba nitady ďny hisehoaníilay oloníAndriamanitra aminy koaĒ izy, fa dia ataony ho iray izy sy ny vadiny, aminíny ilazany hoe: ďRy Tompo Ű, aoka hankatỳ aminay indray ny lehilahiníAn≠dria≠manitra, ilay efa nirahinao, ka hampianatra anay izay tokony hataonay Hita tsara, eto, ny firindrana misy eo aminíny mpivady, aminíny fanabeazana ny ankizy. Izany fitaizana ny ankizy izany dia adidiníny ray sy ny reny miaraka, fa tsy natokana ho aníny iray aminíizy roroa ihany. Tokony hiray hevitra izy ireo ny aminíizay fomba hanabeazana, ka hitady aminíny alalaníny vavaka ny fahen≠drena ilaina ho aminíizany.

Momba izany indrindra, dia fampitandremana mafonja ho antsika ny tantaraníi Isaka sy i Rebeka: Isaka dia tia aníi Esao, fa i Rebeka kosa tia aníi Jakoba (Genesisy 25. 28). Tsy izany no tokony ho zava-nitranga; niteraka vokatra nahamenatra izany fiangarana sy tsy fitovian-kevitra izany. Nioty ny vokatra mangidy taminíizany izy mivady sy ireo zanany. Ry ray aman-dreny, ny fitondrŗntenantsika dia mamboatra sy mamaritra betsaka ny ho toetraníny zanatsika. Raha mitanila izany, mandeha araka ny fisai≠naníny nofo, dia mihevitra ve isika fa hahita fifaliana ireo zanatsika ao an-tokantrano? Mandinika antsika izy ireo, ary maka lesona ho azy, avy aminíny fihetsika ataontsika, na ho aminíny ratsy izany na ho aminíny tsara. Ny fankatoavaníny ray aman-dreny ny Teny, dia mampirotsaka ny fitahianíAndriamanitra ho aminíny ankohonana manontolo. Marina fa miankina aminíny faha≠soavaníAndriamanitra isika, nefa izany dia tsy manala veli≠vely ny andraikitsika ho mŰdely aminíny fankatoavana sy ny firai≠ke≠tam-po aminíAndriamanitra.

Loza iray hafa mananontanona, indrindra fa ny vehivavy, ny tonga ho tia bebe kokoa ny zanany noho ny vadiny. Ao aminíny Titosy 2. 4, dia tsara ny manamarika ny filaharaníny fampirisihana ny vehivavy tanora aminíny fitiavany: ny vady, aloha, izay vao ny zanaka. Raha avadika io fandaharaníAn≠dria≠ma≠nitra io, dia ho avy koa ny fikorontanana, miaraka aminíny voka-dratsiny rehetra.

Mailaka i Manoa sy ny vadiny, nankatÚ ny teniníAn≠dria≠ma≠ni≠tra; ary izany no tsiambarateloníny fitahiana ny fiainam-piana≠ka≠viana. Rehefa tsy mankatÚ isika, dia tsy misy azoníAndriamanitra atao afa-tsy ny manohitra antsika, na dia zanany aza isika; ny lŗlaníny tsy fankatoavana dia fahotana, ary ďny tavaníi Jehovah, tezitra aminíny mpanao ratsyĒ (Salamo 34. 16).

Namaly ny vavaka nataoníi Manoa Andriamanitra, ka dia niverina niseho fanindroany. Ny navaliníilay Anjeliníi Jehovah ny fanontaniana ny aminíny fomba hitaizana ilay zazalahy kely, dia famerenana indray ny tokony ho fitondrŗntenaníny reniny. Dia hoy i Manoa taminíilay Anjeliníi Jehovah: Iza moa no anaranao, mba hanomezanay voninahitra anao? (and. 17). Tokony hataontsika lohalaharana mandrakariva ao aminíny fiainantsika koa, ny fano≠me≠zam-boninahitra aníAndriamanitra. Manaitra fatratra ny valin-teniníilay Anjeliníi Jehovah: ďNahoana no manontany ny ana≠ra≠ko ianao? fa anarana mahagaga izany.Ē Misarika ny sain≠tsika ho any aminíny Isaia 9. 5, izay anambarŗníny Fanahiníny famina≠nia≠na ny Tompo Jesoa hoe: ďNy anarany, atao hoe: Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery, Rainíny mandrakizay, Andria≠naníny fiadanana.Ē Araka izany, dia Izy indrindra, ilay Mahagaga, no nanoloana aníi Manoa! Ho antsika aminíizao fotoa≠na izao koa, io Tompo mahagaga io dia miahy antsika, mahafoy fotoa≠na hanam≠py antsika aminíizay manahirana antsika, ao aminíny adin≠tsika sy ny fahoriantsika. Ary ny zavatra ataony dia mahagaga, tahaka Azy ihany koa. Avy eo, rehefa nanatitra ny fanatitra dora≠na i Manoa, dia avy tao aminíny lelafo teo ambony alitara no niakaraníilay Anjeliníi Jehovah ho any an-danitra. Fantatríi Manoa ilay nifampiraharaha taminy, ka nihorohoro izy, ary natahotra ny ho faty. Hita tsara, eto, ny maha fanomezana sarobidy ho azy aníilay vehivavy vadiny. Nahay nanavaka ny zava-panahy noho izy ilay vehivavy vadiny, ka tena mpanolo-tsaina tsara ho azy. Andriamanitra dia te hanome ho aníny lehi≠lahy izay vady tandrify hanampy azy; sambatra izay mahazo mpa≠nampy toy izany ka mankasitraka azy indrindra!

Tsy iainantsika isaníandro ve ny fanampiana ataon-dramatoa vadintsika? Afaka manao izany izy, na eo aminíny lafiny ara-panahy na koa ara-materialy. Vonona ny handray torohevitra ara-panahy ve isika, rehefa tsapantsika fa avy aminíAndriamanitra izany? Zavatra iray tsara marihina koa, dia ny fahaizana man≠ka≠sitraka noho ny fanampiana omeníny vehivavy vadintsika. Hain≠tsika ve ny maneho izany aminy? Isaorantsika aníAndria≠ma≠ni≠tra isaníandro ny sakafo omeny; fa mba isaorantsika Azy koa ve ny vady nomeny sy ny fahafoizan-tena tsy tapaka asehoníio vady io? Tsy mahataitra antsika akory izany, matetika, na koa raisintsika ho toy ny zavatra mandeha ho azy. Ny toko tsirairay ao aminíny epistily ho aníny Kolosiana, nefa, dia mampirisika antsika hahay man≠kasitraka; ary kristiana sambatra ireo lehilahy izay mahay man≠kasitraka, satria mahatsapa ny zava-tsoa omeníAn≠dria≠ma≠ni≠tra.

Hitantsika ao aminíny andininy faha-24 ny nahaterahaníilay zaza nampanantenaina, dia i Samsona, izay midika hoe ďlehila≠hiníny masoandroĒ. Iza ŗry no masoandro? Ao aminíny Salamo 84. 11 dia ahitantsika hoe: ďMasoandro sy Ampinga Jehovah Andriamanitra Eny, ny Tompo tokoa io masoandro io, ary ao Aminy no ahitantsika fahazavana sy fiarovana ho aníny fiai≠nan≠tsika. Fanampiníizany, ny masoandro dia maneho hery koa: ďAoka izay tia Azy (...) ho tahaka ny masoandro, raha miposaka aminíny heriny izyĒ (Mpitsara 5. 31). Mba hamonjeny ny olony, Andriamanitra dia mbola tsy nanangana olona matanjaka ara-batana toa aníi Samsona. Manantitra mafy io tanjaka ara-batana io ny TeniníAndriamanitra.

Ary dia tsipihiníny FanahiníAndriamanitra mazava tsara (and. 24): ďdia nitombo ny zaza Tena nitombo tokoa izy, satria nihinana sakafo nifanaraka taminíny toromarika nomeníilay anjely, sakafo nifanaraka taminíny fifadiana efa nataon-dreniny. Fanon≠ta≠niana tena manan-danja ho antsika tsirairay ny hoe: Inona ny sakafo omentsika ny zanatsika? Mba misy teniníny Tompo Jesoa omen≠tsika azy ve, rehefa miara-misakafo iny ny fianakaviana, ary koa ny hariva mandritra ny famakiana ny TeniníAndriamanitra? Ndeha averina vakiana izay voalazaníAndriamanitra ao aminíny Deo≠teronomia 6. 6-7: ďAoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao. Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-trano ianao, na mandeha any an-dŗlana, na mandry, na mifoha Dia mbola mampirisika toy izany koa Izy ao aminíny toko faha-11 (and. 19). Ahoana koa ny fomba fam≠pitantsika ny TeniníAndriamanitra, mba ho takatry ny zana≠tsi≠ka? Vakiantsika ve rehefa tafavory hisakafo isika, ary tsy haza≠vai≠na akory? Raha izany, dia ho sarotra ho aníny zaza, matetika, ny hahazo azy, sady tsy hisy vokany akory. Ny zava-dehibe, dia ny aha≠fahantsika manatsoaka vatsim-panahy ho aníny zanatsika, avy aminíilay andininy novakiana. Arakaraka ny maha-kely ny vatsi≠ny no haha-mora latsaka azy ao aminíny fandrikíi Satŗna, izay mitady ny handavo azy. Mizŗra maka fotoana, araka izay tratra, ampianarana ny ankizy ho tia ny TeniníAndriamanitra sy iarahana mitadidy andininy izay mora azoníizy ireo tsara.

Mampalahelo ny mahita ny habetsahaníny zanaka kris≠tia≠na tezaina ao aminíny tsy fahalalana ny sitraponíAn≠dria≠ma≠ni≠tra. Dia tokony ho gaga ve isika, raha lasa any aminíizao tontolo izao izy ireo, noho isika tsy nanome sakafom-panahy azy? Koa dieny mbola zaza ŗry izy, dia aoka hampahafantarintsika ny fa≠ha≠le≠hi≠bea≠zaníny Tompo Jesoa, mba tsy ialany Aminy intsony any aoria≠na. Ny zanakíi Israely dia nanao ambinambin-javatra ny fitan≠ta≠ra≠na taminíny zanany ny fahagagana nataoníAndriamanitra, ta≠miníny nanafahany azy ireo avy tany Egypta. Inona ŗry no vo≠ka≠tríiza≠ny? Vakiantsika ny Mpitsara 2. 10: ďAry taranaka hafa, izay tsy nahalala aníi Jehovah na ny asa efa nataony ho aníny Israely, no nitsangana nandimby azy.Ē Mety ho anisaníizany ďtaranaka hafaĒ izany koa ve ny zanatsika?

Indraindray isika dia mandre hoe anjaraníny Sekoly Ala≠ha≠dy ny miandraikitra izany. Marina fa ilaina ny Sekoly Alahady, nefa tsy midika velively izany, hoe afaka adidy ny ray aman-dreny. Ary tombontsoa ho antsika, aza, aminíny maha ray aman-dreny antsika, ny mampianatra ny zanatsika mba ahafahany mivoa≠tra, no sady miorim-paka ao aminíi Kristy. Ny hazo dia tsy hahatohitra ny rivo-mahery rehetra mandalo, raha tsy efa lalim-paka, ka afaka mitroka avy amina tany tsara izay tsiro ilainy. Mba tianíAndriamanitra ny hamolavola antsika hitovy aminíny hazo taha≠ka izany, isaky ny taranaka mifandimby.

Mazava ho azy, fa tena zava-dehibe tokoa ny mivavaka mba hahavoavonjy ny zanatsika, nefa tsy mijanona hatreo ny asantsika; raha tsy manome azy ny vatsim-panahy isika, dia tsy hahita fahombiazana. Tsy afa-misaraka ireo. Isika rehetra, na ray aman-dreny na zanaka, dia samy mila ny fitarihaníny TeniníAn≠dria≠manitra isaníandro.

 

 

Ny fiainaníi Samsona

 

Ndeha isika handinika zavatra sasantsasany nitranga teo aminíny fiainaníi Samsona. Araka ny andininy faha-25, dia tena tsara fiandohana ny fiainany. ďDia niantomboka nanindry azy indrain≠dray ny Fanahiníi Jehovah, tany Mahane-dana, teo anela≠ne≠laníi Zora sy i Estaola.Ē Manazava ny saintsika ny hevitríireo anarana ireo. Zora dia midika hoe Ďtanŗnaníny fanenitraí. Ary Andriamanitra dia naniraka fanenitra tokoa, handroaka ny faha≠va≠lo mba handositra eo anoloaníny Zanakíi Israely (Eksodosy 23. 28; Deoteronomia 7. 20; Josoa 24. 12). Izany dia nampianatra aníireo Zanakíi Israely fa avy aminíAndriamanitra irery ihany ny hery. Estaola dia midika hoe Ďvavakaí, na Ďhatakaí, ka mam≠pahatsiahy antsika ny fiankinana. Mahane-dana dia ny Ďtobiníny fitsaranaí, ny toeraníny fandinihan-tena, ao no ampiharantsika ireo Teniníny Soratra Masina manindrontsindrona ny fanahintsika. Tsy afaka ny hitahy antsika ny Tompo, raha tsy ampiharintsika ireo toetra telo ireo. Izay no nitranga taminíi Samsona, ary mba tokony ho toy izay koa ny amintsika.

Taorianíio fanombohana tena tsara io, dia aminíalahelo kosa no anatrehantsika ny fikororosy fahaníio lehilahiníAn≠dria≠ma≠ni≠tra io, satria vehivavy telo no nanam-pahefana taminy ka nanam≠bany azy, teo aminíny fiainany, ambara-pahafatiny tany am-ponja.

Ao aminíny toko faha-14, dia nidina nankany Timna i Samsona, ka nahita vehivavy anisaníireo zanakavaviníny Filistina, izay niriny ho vady. Timna dia azo adika hoe Ďanjara voaomanaí, ka maneho amintsika, eto, hoe ahoana no nanomananíi Samsona Ďanjaraí tena hangidy ho aníny tenany. Ny fitsiriritana dia name≠lo≠na tao anatiny ny faniriana, ka nanosika azy hanao tsinontsinona ny torohevitry ny ray aman-dreniny, ary dia tsy noraharahainy ny fampitandremaníny rainy azy. Ho tanteraka eo aminíny fiainaníi Samsona izay voalaza ao aminíny Ohabolana 30. 17, hoe: ďNy maso izay miandranandrana amin-dray sady tsy mety manaja reny, dia hotsaingotsaingohaníny goaika eny an-dohasahan-driaka ary hohaniníny zana-boromahery

Akory moa ny fanantitranteraníny TeniníAndriamanitra amin≠tsika ny tsy tokony hiraisaníny mpino aminíny tsy mpino! Ratsy hatrany ny vokatríizany. Mba irintsika fatratra ve ny hahita ny zanatsika tsy hihevitra, na dia kely akory aza, hanambady tsy mpino? ary mba ampitandremantsika ve izy ireo tsy handia izany lŗlaníny tsy fankatoavana izany?

Nampiseho fahalemena ihany ny ray aman-dreniníi Sam≠so≠na, satria nony farany dia nanaiky hidina tany Timna niara≠ka taminy izy ireo. Tatỳ aoriana dia ny rainy ihany sisa no nana≠ra≠ka azy (and. 10). Nankaiza ŗry ny reniny? Tsy nanaiky intsony ve izy, ka nampiseho taminíny nandŗvany tsy hanaraka ny vadiny, ny tsy fankasitrahany ny lŗlana mivaona nizoran-janany? Tsy haintsika ny valiníizany. Na izany na tsy izany, nefa, ary na dia tokony han≠ja≠ka mandrakariva eo aminíny mpivady aza ny fifa≠na≠ra≠han-tsaina, dia mety hisy ny toe-javatra izay tsy tokony hanao≠va≠na mari≠ma≠ritra iraisana. Tokony hanjaka ao am-po sy ao an-tsaintsika man≠dra≠kariva ny sitraponíAndriamanitra.

Ao aminíny fiandohaníny toko faha-16, dia hitantsika fa niditra tao an-tranona mpivaro-tena iray i Samsona. Na dia ny mpanomponíAndriamanitra, aza óeto, dia mpitsara ny Israelyó, dia mety ho latsaka amina fahalavoana toy izany, ary tsy tokony hohamaivanintsika izany loza mananontanona izany. Ambaraníi Jehovah fa ďny mpijangajanga sy ny mpaka vadiníolona dia hohe≠lo≠hiníAndriamanitraĒ (Hebreo 13. 4), ary araka ireo lŗlana fiton≠drŗníny Tompo, i Samsona dia tsy maintsy hizaka ny vokatry ny fitsarŗna azy toy izany.

Farany, i Delila no vady fahatelo teo aminíny fiainaníi Sam≠so≠na. Toa tsy mba nandray fananarana avy taminíny toe-javatra niseho teo aloha mihitsy izy, raha tsy niraraka taminíny tany ny randrany fito. Rava ilay mariky ny maha-voa≠ho≠so≠tríAndriamanitra azy, very ilay loharanoníny heriny. Nopotserina ny masony, ary dia tsy nahita ny mazava intsony ilay ďlehilahiníny masoandroĒ. Nahoana ŗry? Satria nandeha araka ny sitrapony izy, fa tsy mba nety nihaino. Inenina no amakiantsika momba azy, hoe ďnidina izyĒ. Tena mampisaintsaina koa ny mahita fa noho ny fiton≠draníAndriamanitra azy no nanesorany izay mety ho fandrika ho azy, dia ny masony. Tsy nilaza ve izy hoe: ďNahita ahoÖ izy no mahafinaritra ahyĒ (14. 2-3)? Mba ho fampitandremana ho antsika, anie, izao nahazo aníi Samsona izao!

Mahatsikaritra ve isika, rehefa mamaky ny faraníny tan≠ta≠raníi Samsona, hoe taiza izy no tsy maintsy nandany ny androny sisa, nony latsaka teo an-tŗnaníny fahavalony? Tany Gaza, voafatotra tamina rojo vy, tao aminíny trano figadrana, ary nitoto koba. Niala taminy ilay fatanjahany mahagaga, ary ny hery kely sisa mba nananany dia nanompoany ireo fahavalony, izay efa resiny foana hatrizay. Nefa tao aminíio toerana io indrindra, dia Gaza, no nandehanany tany am-boalohany taminíny nahim-pony, ka nandraisany ďny vavahadiníny tanŗna mbaminíny tolŗna roa, dia nongotany izy mbaminíny hidiny ka nataony teny an-tsorony, dia nentiny ho any an-tamponíny tendrombohitra izay tandrifiníi HebronaĒ (16. 3). Nahoana ny Fanahy Masina no misarika ny saintsika aminíi Hebrona, eto aminíity tantara ity? Tokony ho tadidiníi Samsona fa tany aloha tany ny razambeny dia niaina tao aminíio tanŗna io, feno fiadanana sy fitahianíilay Andriamaniny. Inona sisa ny aminíity mpanomponíAndriamanitra ity, dia ilay mpi≠tsara ny Israely? Nataony tsinontsinona ny fiombonana taminíilay Andriamaniny, ary tafalatsaka lalina tao aminíny faho≠tana naha≠sa≠ri≠ka azy izy!

Teo ambany fitondrŗníAndriamanitra no nijinjaníi Samsona ny voka-dratsiníny fitondrŗntenany; na izany aza, noho ny famin≠drŗmponíi Jehovah, dia tsy nandao azy Izy. Tao aminíny naha≠fa≠tesany no nanomezany azy ny fandresena goavana indrindra. Manao ahoana re io Andriamanitsika io! Fahavelony i Samsona dia nidina hatrany aminíny ambany indrindra, ary nony maty izy, ďny rahalahinyÖ nitondra ny fatiny niakatra, dia nandevina azy teo anelanelaníi Zora sy i Estaola, tao aminíny fasaníi Manoa rainy. Ary izy efa nitsara aníi Israely roapolo taona.Ē

Tao aminíilay toerana nanombohany ny asany no nisy ny fasany. Ny fiafarŗníny tantarany dia mampahatsiahy ireo anarana mifono famantarana taminíny niandohany: ny heriníAndriamanitra (Zora), ny fiankinana (Estaola) ary ny fitsarana ny nofo (Mahane-dana). Raha nirakitra ireo rehetra ireo tao am-pony i Samsona, dia tsy ho nitsahatra alohaníny fotoana toy izao ny fanompoany.

Tiantsika ve ny hametraka ny fiainantsika manokana sy ny aníny fianakaviantsika eo ambany fitahianíAndriamanitra? Ka ny androntsika ho ďtoy ny faharetaníny lanitra amboniníny tanyĒ? (Deoteronomia 11. 21). Raha izany, dia tazony tsara ireo fam≠pia≠na≠rana lazainíny Teniny. Faniriany ny hahita antsika ho sambatra. Antsika ny safidy, na ny hiaina izany atao hoe fiainam-piana≠ka≠via≠na sambatra, na ny tokantranontsika ho toy ny aníireo rehetra izay tsy nahomby.


  1. NY FIFANDRAISANíNY MPIVADY

Efesiana 5. 19-29

 

Ny antso avy any an-danitra

 

Mety manaitra antsika ny hoe ao aminíny epistily ho aníny Efesiana no maro indrindra ny teny momba ny fifandraisaníny mpivady sy ny fifandraisa ao aminíny fianakaviana. Ny fame≠la≠be≠la≠rana mikasika ny foto-pampianarana hita ao aminíio epistily io, mihoatra noho ny hafa rehetra, dia maneho ny tanjoníAn≠dria≠ma≠ni≠tra ho aminíny mandrakizay, momba aníi Kristy sy ny fiangonana. Avy aminíAndriamanitra, ilay Rainíny voninahitra, avokoa, ny zava≠tra rehetra hita ao. Ny loharanoníny fanirianíny fony no aseho mia≠loha, fa tsy ny toeram-pahaverezana misy antsika, toy ny ao aminíny epistily ho aníny Romana. Ny toko 1 dia mampa≠ha≠fan≠ta≠tra ny toeram-boninahitra misy antsika ankehitriny eo anatre≠haníAn≠driamanitra, tsy toy ny zanaka fotsiny, fa tena zanaka maha≠lala ireo fikasŗníAndriamanitra. Ny toko 3 dia maneho amin≠tsi≠ka ny toerana ametrahany ny fiangonana, ary dia i Paoly no nomena hampahafantatra izany zava-miafina izany. Ny mpinoníny vanim-potoananíny fahasoavana no mandrafitra izany fiangonana izany, dia ilay vadiníi Kristy, ho mandrakizay. Mifampizara ny za≠va≠tra rehetra Aminy isika, noho ny nanolorany ny tenany ho azy.

Ny FanahiníAndriamanitra ŗry no maneho antsika io tan≠jo≠na mandrakizay any an-danitra io, ho mŰdely ho aníny fifan≠drai≠san≠tsika ao aminíny fanambadiana. Noho izany, ny fahazavaníny fikasŗníAndriamanitra, araka ny habeníizany manontolo, dia ana≠za≠va≠na ny tokantranontsika. Ny fombaníizao tontolo izao ve, sa ny TeniníAndriamanitra, no manan-danja ho antsika sy ho aníny fianakaviantsika? Ny fombaníizao tontolo izao, araka ny efa nahi≠tan≠tsika azy, dia mifototra aminíilay hevitra tokana hoe samy manao izay heveriny ho mety ny tsirairay. Ny vokatríizany fomba fiainana izany, araka izay efa voalazantsika ihany, dia ny fitom≠boana mahatsiraviníny isaníny fisaraham-panambadiana, ary zara raha azontsika an-tsaina ny fahoriana miafina ao ambadiky ny tsirairay aminíireny. Ny foto-kevitra napetrakíAndriamanitra kosa dia ity: ďIzay mandinika ny teny no hahita soaĒ (Ohabolana 16. 20). Ny hoe ďmandinika ny teniníAndriamanitraĒ dia midika hoe mampihatra azy ka manary ilay sitrapontsika manokana, izay loha≠ranoníny ny fahasahiranana rehetra, ary koa manaiky ny fahe≠faníi Kristy, aminíny maha-Tompo Azy. Izay olona manao izany dia hahita ny fitahianíAndriamanitra, ao aminíny fiainany manon≠tolo.

Ny epistily ho aníny Efesiana, manomboka ao aminíny 5. 22 ka hatraminíny 6. 9, dia ahitantsika karazam-pifandraisana telo, mampiseho ny foto-kevitríAndriamanitra, izay azontsika ampi≠ha≠ri≠na sy tokony hampiharintsika.

ó Fifandraisaníny mpivady;

ó Fifandraisaníny ray aman-dreny sy ny zanaka;

ó Fifandraisaníny mpampiasa sy ny mpiasa.

Ao aminíny 5. 19-21 dia misy zavatra roa manan-danja ampitaina amintsika, mikasika ireo fifandraisana ireo.

 

 

Ny toetraníny fo

 

Voalohany indrindra, Andriamanitra dia miresaka momba ny fontsika sy izay tokony ho hita ao anatiny: ďmihira sy mikalo ao am-ponareo ho aníny Tompo, misaotra aníAndriamanitra Ray mandrakariva noho ny zavatra rehetra, aminíny anaraníi Jesoa Kristy Tompontsika.Ē Io epistily io, izay mitanisa toetra fito momba ny fo, eto, dia miresaka ny aminíny fo misaotra. Azo antoka fa ny fiainana ao an-tokantrano sy ny fifandraisana any am-piasana dia miteraka olana, nefa izany fiainana tsy maintsy andalovana izany dia tsy tokony hanakana antsika tsy hisaotra sy hidera aníAn≠dria≠ma≠ni≠tra. Izay mpino mahay mankasitraka dia mpino sambatra. Ahoana no anombohantsika sy amaranantsika ny tontolonían≠dron≠tsika? Ny mihira sy mankalaza aníAndriamanitra aminíny fo manontolo dia mampiseho antsika hoe mankasitraka Azy sy miva≠vaka aminy. Rehefa maraina, tonga ve ny vavaka dia atom≠bo≠tsika aminíny filazana izay manahirana antsika, sa ny asa vitaníny Tompo teo aminíny hazofijaliana, aloha, no mameno ny sain≠tsika? Ny fisainantsika ny momba Azy sy izay nataony, mantsy, dia mitondra antsika hisaotra sy hivavaka, ary izany no toetraníny fo tsara indrindra mba ahafahantsika mahafantatra ny lŗlana itarihany antsika, eny na ny mikasika ny fifandraisana anda≠vanandro eo aminíny fianakaviana aza. Tsy ny tarige≠tran≠tsi≠ka manokana, na dia tena ambony sy tsara aza izany, no ha≠na≠ma≠rika ny rivotra iainana ao an-tokantranontsika, fa ny fana≠tre≠haníny Tompo tenany mihitsy.

 

 

Ny fankatoavana

 

Faharoaníizay, Andriamanitra dia miresaka amintsika mom≠ba ny fanoavana: ďsady mifanaiky aminíny fahatahorana aníi Kristy.Ē Raha ny toetra voajanahary ao anatintsika, dia sarotra ho antsika ny manaiky, ary tsy vitantsika izany raha tsy ao ny fata≠ho≠ra≠na aníi Kristy, izay hamboatra ny toetra sy izay ho fetraníny fane≠kentsika. FanirianíAndriamanitra ny hanajantsika ny Teniny sy ny hatahorantsika ny hanao na inona na inona tsy hahafaly Azy. Ao aminíny fifandraisantsika andavanandro no ahafahantsika maneho fa tena manana fiainana kristiana isika, ary haha≠fan≠ta≠ra≠na koa raha tena tiantsika ny hiaina araka ny fihevitríAn≠dria≠ma≠ni≠tra.

Isika rehetra dia samy mahafantatra aminíny amban≠go≠van≠gony ireo fampianarana omeníAndriamanitra ao aminíny Efe≠sia≠na 5. Na izany aza, nefa, dia ahitana tombontsoa lalandava ny mba mandinika izany sy manontany tena hoe: Inona ŗry no lazainíAndriamanitra amiko androany, aminíny alŗlaníny Teniny? Ary dia hitantsika ao hoe: ďIanareo vehivavy, maneke ny va≠di≠na≠reo, tahaka ny anekena ny Tompo. Fa ny lahy no lohaníny vavy, dia tahaka aníi Kristy koa no lohaníny fiangonana; ary Izy no mpa≠mon≠jy ny tena. Fa tahaka ny anekeníny Fiangonana aníi Kristy no hanekeníny vavy ny lahy koa, aminíny zavatra rehetraĒ (and. 22-24). Raha miteny tahaka izany aminíny vehivavy Andriamanitra, dia satria tsy tena manavanana azy ny fanekena. Nefa izany fanekena tokony hasehony aminíny vadiny izany dia tsy natao ho aníny lehilahy hafa. Ao aminíny Tompo ihany, izay aseho eto ho fahefana faratampony, no tena ahafahana manatanteraka izany. Araka izany, na ho aníny lahy na ho aníny vadiny, dia ny fahefaníny Tompo[1] no lohalaharana sy mahatonga ny fifan≠drai≠saníizy mivady hanana ny tena lanjany. Rehefa samy manaiky ny fahefaníny Tompo izy roa, dia tsy ho sarotra ho aníny vavy ny hanaiky ny lahy, ary tsy ho lasa hanjakazaka fahatany ny lahy. Eny, kianina ny fanoavaníny vehivavy, tsy ao aminíizao tontolo izao ihany, fa ao aminíny tontolo kristiana koa; resahina ny five≠la≠ra≠na sy ny fanafahana ny vehivavy, nefa tsy miteny toy izany ny TeniníAndriamanitra. Tsy mitondra fitahiana ny fanafahana ny vehi≠vavy, fa vao mainka aza mampiditra fikorontanana, ady, faha≠ra≠vaníny tokantrano, ary vokatríizany, dia fahoriana.

Tsara homarihina ny famerimberenaníny Testamenta Vao≠vao io fanoavaníny vehivavy io. Ndeha aloha vakiana ny ao aminíny 1 Korintiana 14. 34-35: ďAoka hangina ny vehivavy, raha ao am-piangonana; fa tsy avela hiteny izy, fa aoka hanoa tsara ara≠ka ny lazainíny lalŗna koa. Ary raha misy tiany hianarana, dia aoka izy hanontany ny lahy raha mby any an-trano, fa maha≠me≠na≠tra raha miteny ao am-piangonana ny vehivavy.Ē Araka izany, dia hamafisina ireo zavatra voalaza tao aminíny Testamenta Talo≠ha. Nefa izany fampirisihana izany dia mahakasika an-kolaka ny lehilahy koa, satria raha hanontany ny vadiny ny vehivavy any an-trano, dia tokony efa nahazo mazava tsara ilay TeniníAn≠dria≠ma≠ni≠tra, izany, ny lahy. Fantatsika ve ny Baiboly, mba ahafahantsika ma≠maly ireo fanontaniana apetraky ny vadintsika? Tsy ampy ny famakiana andininy tsindraindray, tokony handalina ny Soratra Masina aminíny antsipiriany isika, mba ahafahantsika mamaly marina tsara ny fanontaniana. Firifiry moa, aminíireo vehivavy tia fivavahana, ny mijaly tsy mahazo fanampiana ara-panahy avy aminíny vadiny, noho izy ireto tsy dia miraika firy aminíny TeniníAn≠driamanitra sy ny fihevitríAndriamanitra!

Mahita andininy faharoa manan-danja koa isika, ao aminíny 1 Timoty 2. 11-12: ďAoka ny vehivavy hianatra mangingina ka hanaiky tsara, fa ny vehivavy tsy avelako hampianatra na hana≠paka ny lehilahy.Ē Io dia foto-kevitra manan-danja nomeníAn≠dria≠manitra: tsy tokony hanapaka ny lahy ny vavy, satria tsy tianíAndriamanitra hanao izany, ary dia omeny ny antony, ao aminíireo andininy manaraka. Koa hifanohitra aminíny heviny, izay efa nambarany mazava tsara, ny fanaovana izany. Moa ve tsy misy tokantrano kristiana ahitana vehivavy miandraikitra zava≠tra mihoatra noho ny tokony ho anjarany?

Hitantsika koa, ao aminíny Titosy 2, ny sehatra aha≠zoaníny vehivavy kristiana efa zokinjokiny manome ohatra tsara, aminíny fampianarana ireo mbola zandrinjandriny. Ny lazainy fara≠ny aminíireo lohahevitra fito tanisainy ao, dia ny hoe: ďhanaiky ny vadinyĒ izy, ary tena lehibe ny antony ambaraníny apostoly, hoe: ďmba tsy hitenenana ratsy ny TeniníAndriamanitraĒ (and. 5). Ny bokiníny Ohabolana 14. 1 dia milaza fa ďny vehivavy hendry dia samy manao ny tranony, fa ny adala kosa mandrava ny tranony aminíny tŗnany Raha misy fanambadiana tsy miorina eo aminíny TeniníAndriamanitra, izay tsy azo hozongozonina, dia loza mahatsiravina no mananontanona azy. Aoka ŗry isika hitan≠dri≠na, mba tsy isika ihany no hanimba ny hasambarantsika aminíny tanantsika, ka hahavery ilay fitahiana tianíAndriamanitra hafeno antsika.

Voasoratra ihany koa ao aminíny Kolosiana 3. 18 ny hoe: ďIana≠reo vehivavy, maneke ny vadinareo, araka izay mety hatao ao aminíny Tompo Noho izany, ny fanekeníny vehivavy dia tsy faha≠faham-baraka velively, fa kosa tena firavaka ho azy, noho izy manome voninahitra ny Tompo.

Ary farany, misy tsongandahatsoratra fahadimy izay entiníny apostoly Petera ilazŗna ny momba io fanekena io: ďToy izany koa, ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, mba ho voa≠tao≠naníny fitondrŗntenaníny vavy izy, na dia tsy aminíny teny aza (raha tŗhiny misy tsy manaiky ny teny), rehefa hitany ny fahadiovaníny fitondrŗntenanareo aminíny fatahorana. Ary aoka ny firavahanareo tsy ho zavatra eny ivelany, toy ny firandranam-bolo sy ny firava-bolamena na ny fiakanjoana, fa aoka ho toetra miafina ao am-po, izay tsy mety ho lo, dia ny fanahy malemy sady miadana, izay soa indrindra eo imasoníAndriamanitra. Fa tahaka izany no niravahaníny vehivavy masina fahiny, izay nanantena aníAndriamanitra sady nanaiky ny vadinyĒ (1Petera 3. 1-5). Misy fampianarana roa lehibe, azo raisina avy aminíizany: voalohany, ny fitondrŗntenaníny vehivavy dia mety ho fijoroana ho vavo≠lom≠be≠lo≠na; ankoatra izany, misy vidiny lehibe aminíAndriamanitra ny halemem-panahy sy ny fahatoniana. Noho ny toetra voajanahary ao anatintsika, dia tsy mora hatrany ny manatanteraka izany fitsipika izany. Aoka nefa ho fantatry ny vehivavy fa izany toetra izany dia manome voni≠na≠hi≠tra ny Tompo, mihoatra noho ny zavatra hafa rehetra.

Manaraka io andininy notanisaina teo io, dia mitantara mom≠ba ny vehivavy iray ao aminíny Testamenta Taloha ny apos≠to≠ly Petera, ary manambara tsara ny aminy. I Saraha, vadiníi Abrahama, no ohatra omeny antsika. Eo anatrehaníi Jehovah dia antsoiny hoe ďtompoĒ ny vadiny. Ny iriníAndriamanitra dia tsy fanoavana ivelany fotsiny ihany, fa fanekena avy ao am-po. Tsy mandidy velively ny vehivavy hankatÚ anjambany Izy, fa hanoa. Fa raha i Saraha no ataontsika ohatra, dia asehoníAndriamanitra ao aminíny Testamenta Taloha, fa ilay hevitra naposany mikasika aníi Agara dia nisy akony ratsy, teo aminíny taranakíi Abrahama. Andriamanitra tenany no mametraka fetra ny aminíny fanekena, araka ny hita ao aminíny Efesiana 5. 22, ďtahaka ny anekena ny TompoĒ. Nony nisy mosary tao aminíny tany Kanana, dia nihena hery ny finoaníilay ďoloníny finoanaĒ. Naleony nidina tany Egypta, araka ny nahim-pony, toy izay nikaroka ny fitarihaníAndriamanitra. Fandrika, nefa, ny fatahorana olona (Ohabolana 29. 25), ary dia nifandamina taminíi Saraha izy, ny mba ilazaníi Saraha hoe anabaviny. Marina tapany io, nefa manoloana ny tranga eto, dia nanjary tena lainga entina hamitahana. Noho io lainga vokatry ny fitiavan-tenaníi Abrahama io, dia navelany ho aníi Farao ny vadi≠ny, ary raha tsy niditra an-tsehatra Andriamanitra, dia ho nafoiny mandrakizay ny vadiny. Taona maromaro tatỳ aoriana, dia mbola namerina izany fihetsika izany ihany izy ireo, tany Gerara, teo anatrehaníny Filistina. Samy nanota izy mivady, teto: tsy ampy finoana i Abrahama, ka nandidy ny vadiny hanafina ny rohy misy aminíizy ireo; ary i Saraha dia nanaiky ny vadiny mihoa≠tra noho ny tokony ho izy. Dia toy izany koa ankehitriny, misy fetra ny fane≠keníny vehivavy kristiana ny vadiny. Raha toa ny vadiny ka mandidy azy hanao zavatra tsy araka ny sitra≠poníAn≠dria≠manitra, dia afaka mandŗ izy, ary tokony handŗ. Ny mifa≠no≠hi≠tra aminíizany aza, mahafinaritra tokoa ny mahita ny vehivavy afa≠ka tena manam≠py ny vadiny, aminíny trangan-javatra toy ireny. Ho antsika lehilahy izay mora taitaitra rehefa manao zavatra, ka tafiditra any amina lŗlan-diso, dia tena ilaina tokoa ny torohevitry ny vady tia mivavaka. Toy izany koa, rehefa tsy manam-pahen≠dre≠na isika any aminíny fivoriana, ekentsika ve, ohatra, ny toro≠he≠vi≠try ny vadintsika milaza hoe lava vavaka loatra isika?

 

 

Kristy, ilay mŰdely tonga lafatra

 

Ndeha hiverina hijery ny Efesiana 5. Milaza ny apostoly hoe: ďmaneke Ö tahaka ny anekena ny Tompo Io indrindra ny fatra, ary miaraka aminíizany, ny fahamboniana fonosiníny fanoa≠va≠na. Ary ao aminíny andininy faha-23 no anomezany ny voto≠a≠tiníizany, araka aníAndriamanitra: ďÖ Fa ny lahy no lohaníny vavy, dia tahaka aníi Kristy koa no Lohaníny Fiangonana, ary Izy no mpamonjy ny tena.Ē Araka izany, aminíny fanaovaníny lahy aníi Kristy ho mŰdeliny no hahalavorary ny andraikiny aminíny maha lohaníny vavy azy. Kristy no mpamonjy ny tena[2], izany hoe ny Fiangonana. Ny fanolorany ny tenany ho azy dia tsy taminíny andro lasa ihany, fa mbola manohy mikarakara azy koa Izy, an≠ke≠hi≠triny. Manolokolo ny Fiangonana Izy; dia tahaka izany koa ny lahy, tokony hiahy izay hahasoa ny vadiny ary hanampy azy aminíizay zava-mitranga rehetra. Izao no fanontaniana tena mi≠pe≠tra≠ka amintsika lehilahy: Rehefa manana adin-tsaina na alahelo ny vadintsika, mba tsikaritsika ihany ve? Mety mijaly mangina izy, nefa tsy tsinjontsika izany. Mora amintsika lehilahy ny tsy mitodika afa-tsy aminíny tenantsika, mifantoka aminíny tenantsika, hany ka tsy tsikaritsika akory izay mety manahirana ny vadintsika. Ny hariva isika, rehefa mody ao an-trano, reraky ny asa, dia mihe≠vi≠tra fa azoníny vavy izany zavatra izany, ary dia miandry azy hika≠ra≠kara. Fa mba tsapantsika ve hoe mety ho reraka ihany koa ny vadintsika, ka tokony hokarakaraintsika toy izany koa?

 

 


Famafazana mampalahelo

 

Hiverina kely aminíny tantaraníi Abrahama sy ny taranany isika, hamarana ny resaka fanoavana, ka haka fampianarana miainga avy aminíny Efesiana 5. 24. Raha notoaviníny vadiny sy nohajainy i Abrahama aminíny maha-loham-pianakaviana azy, dia nahitana fihemorana sy tsy fanajana kosa teo aminíny zananilahy sy ny zafikeliny, Isaka sy Jakoba. I Rebeka, vadiníi Isaka, dia ninia nanao fitaovana ny zanany, hamitahana ny vadiny, ka nanim≠ba ny tao an-tranony. Taminíny fahatanorany izy dia nano≠me ohatra tsara ny aminíny toe-panahy araka aníAndriamanitra, ka tonga isaníireo kisarisary tsara indrindra maneho ny Fian≠go≠na≠na, ao aminíny Testamenta Taloha. Nampalahelo, nefa, fa nami≠taka ny vadiny izy tatỳ aoriana, ary vokatríizany dia voatery nandao ny tranon-dray aman-dreniny i Jakoba, ka tsy nihaona tamin-dreniny intsony. Taiza ŗry no nianaraníi Rebeka mandain≠ga? Ny vadiny dia nandainga taminíny Filistina, hoe anabaviny izy. Ary ny vadiny kosa, taiza no nianarany mandainga? Izy koa ve tsy nahazo ohatra ratsy taminíi Abrahama rainy? Niantomboka tamina voa ratsy nafafiníi Abrahama ireo rehetra ireo, voa ratsy nitera-boka-dratsy taminíny zanany sy ny zafiny, araka ny hitan≠tsi≠ka tao aminíi Isaka sy i Jakoba. I Jakoba mpamitaka, ďilay mpi≠so≠so≠kaĒ hatry ny nahaterahany, dia mba voafitaka imbetsaka koa. Rahely vadiny dia namitaka azy, ary toa tsy tsikariny akory izany. Namitaka azy koa i Labana, rafozandahiny, ary farany, dia nanao toy izany koa ny zananilahy folo, nampitondra ny akanjoníi Josefa teo aminy sady nandainga teo imasony. Nandritra ny 22 taona no nijaliany mafy noho io fitaka mahonena io. Nangidy tokoa izany vokatra izany, ary mampatsiahy antsika ilay foto≠ke≠vitríAn≠dria≠ma≠ni≠tra milaza fa ďizay afafiníny olona no hojinjainyĒ (Galatiana 6. 7).

Inona ŗry no fositra niandohaníireo famitahana nifanesy tao aminíny taranakíi Abrahama ireo? Voalohany indrindra, efa notsipihintsika teo aloha ny tsy fahampianíny fatokianíi Abrahama aníAndriamanitra, ka nidinany tany Egypta, tsy nanontany akory ny sitraponíAndriamanitra; ary vokatríizany izy dia tonga nanery aníi Saraha hanana fitondrŗntena tsy mahitsy teo anatrehaníny Egyptiana. Faharoa, dia teo koa ilay fankatoavana anjambany sady tafahoatra nataoníi Saraha. Fahatelo, dia ny finiavaníi Re≠be≠ka tsy ahafantatra sy fanaovany tsinontsinona ny fahefaníny loham-pianakaviana. Ary isika, ďvoaĒ manao ahoana no am≠pi≠tain≠tsika aminíny zanatsika sy ny zafikelintsika? Tsara ve sa ratsy ny ohatra asehontsika azy ireo?

Ny tantaraníi Mosesy ao aminíny Eksodosy 4. 24-26, koa, dia mirakitra torohevitra mampitandrina antsika. Teny an-dŗlana hiverina any Egypta, dia ďnitsena azy Jehovah ka nitady hamono azy.Ē Inona no antony, nefa nankatÚ Azy izy, taminíizany? Satria nisainíAndriamanitra ny fisianíi Zipora vadiny. Nitsipaka mafy ny famorana ny zananilahy io vadiny io. I Mosesy te hanaiky aníAn≠dria≠manitra; ny vavy, nefa, nanohitra. Nila niditra mivantana an-tsehatra Andriamanitra, vao nitsahatra ny fanoheraníilay renin-jaza. Aoka isika tsy hitsaratsara aníi Zipora, fa handini-tena sady hanontany tena ny aminíny lesona tianíAndriamanitra hampia≠na≠ri≠na antsika, aminíny alŗlaníireny tantara ao aminíny Testamenta Taloha ireny. Tsy afaka mandeha araka ny nahim-pontsika isika, momba ny zavatra napetrakíAndriamanitra ao aminíny Teniny, ka tsy hitanty ny vokatríizany.

 

 

Ianareo lehilahy, tiava ny vadinareoÖ

 

Manomboka ao aminíny Efesiana 5. 25, dia mivantana aminíny lehilahy ny Teny: ďIanareo lehilahy, tiava ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavaníi Kristy ny Fiangonana ka nanolorany ny tenany hamonjy azy, Ö mba horaisiny ho aníny tenany izany ho fiangonana malaza, tsy misy pentipentina, na fiketronana, na izay toy izany, fa mba ho masina sady tsy misy tsiny izy. Dia tahaka izany koa, ny lehilahy tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany.Ē

Anisaníireo andinin-tSoratra Masina tsara indrindra ireo. Noho ny fitiavaníi Kristy no nanolorany ny tenany ho aníny Fian≠go≠nana, nanomezany izay rehetra nananany, hatraminíny tenany, mba hividianany ilay vatosoa tena sarobidy (Matio 13. 46). Nefa tsy taminíizany ihany no niseho feno ny fitiavaníny Tompo. Aminíizao fotoana izao Izy dia manamasina sy manadio ny fian≠go≠na≠na aminíny alŗlaníny Teny, itsinjovany ny andro izay handrai≠sa≠ny azy am-boninahitra ho aníny tenany. Io fifandraisana feno fitiavana io, izay tsy hivalamparantsika aloha, izao, no filamatra ampitahana ny fitondrŗntenaníny lehilahy. Marina fa refy avo dia avo izany, saingy tsy afaka nanome latsakíizany Andriamanitra: ďTahaka aníi Kristy!Ē

Tsy misy amintsika, na dia iray aza, nahatratra izany haavo izany. Tokony hekentsika fa tena lavitra ny fatraníny fitia≠vaníi Kristy ny fitiavantsika Azy. Ao aminíny Testamenta Talo≠ha, dia vitsy ireo lehilahy nolazainíAndriamanitra fa tia ny vadiny. Ao aminíny 1 Samoela 1 dia lazainy fa i Elkana tia aníi Hana vadi≠ny. Mba ho afaka miteny toy izany momba antsika tsirairay ve Izy? Fankasitrahana maningana koa no ambarany, mikasika lehi≠la≠hy iray izay tsy ho noeritreretintsika akory, dia i Jakoba, izay lazainy intelo fa tia an-dRahely. FantatríAndriamanitra izany, ary hitany fa tsara ny manamarika izany amintsika. Ankoatra izany, dia voalaza koa i Isaka fa tia aníi Rebeka vadiny. Taminíny vao nivady izy ireo, dia nomeny ny vadiny ny fitiavany manontolo. Indri≠sy nefa, tatỳ aoriana, fa nitongilana tany aminíny hanim-py ny fony, ka tsy nisy Teny momba ny fitiavany ny vadiny intsony. Ary ahoana ny amintsika? Angamba nitia ny fofombadintsika isika, saingy nony vita ny mariazy, nihanangatsiaka ve ny fitiavantsika sa nihamafy orina, nihalalina? Izay mandray ny vadiny ho fano≠me≠zaníny Tompo ho azy, dia hitombo fitia hatrany ho azy sady hahay maneho izany aminy. Indrisy fa maro ny mpivady no mitovy aminíi Isaka sy i Rebeka, ary dia fahavoazana toy inona re izany!

 

 

Ny fisehoníny fitiavana

 

Ao aminíny Kolosiana 3. 19, ny lehilahy dia ampirisihana hitia ny vadiny sy tsy ho sosotra aminy; midika izany fa mety hanao izany izy ireo! Misy lehilahy lasa masiaka ratsy sy tsy manaja, nefa tsy mahatsapa izany akory. Nandritra ny fifa≠mo≠foa≠na, nefa, dia tena naneho fitiavana izy ireo, nahay miresaka, nahafantatra izay andrasaníny olon-tiany aminy, ary mpanampy nahafatra-po. Inona sisa tavela, taminíizany? Rehefa nivady kelikely, indreo ireny lehilahy ireny fa tsy mihevitra afa-tsy ny hotom≠poina ary sahy, tsy misy henatra, ny ho tezitezi-poana. Marina fa ny lehilahy no lohaníny fianakaviana ka miantsoroka izany andraikitra izany, nefa tsy misy mihitsy teniníAndriamanitra mampirisika azy hanararaotra izany toerany izany, manoloana ny vadiny. Ny mifanohitra aminíizany, aza, no vao mainka ampi≠ri≠si≠hana antsika, dia ny hitia tahaka ny nitiavaníi Kristy. NaidiníAn≠dria≠manitra ao am-pontsika ny fitiavany, taminíny alalaníny Fana≠hy Masina, ary tombontsoa lehibe ny fahafahana maneho izany fitiavana izany. Nivavaka ho aníny Efesiana ny apostoly Paoly, ao aminíny 3. 17, mba ďhamaka sy hiorina mafy aminíny fitiavanaĒ izy ireo, ary raha mivelona aminíizany fitiavaníAndriamanitra izany isika, dia afaka ny hanovo izay hery rehetra ilaina. Ny fitiavaníny lahy ny vadiny dia miseho aminíny famelomany sy ny fanka≠ma≠mia≠ny azy, tahaka ny ataoníi Kristy, ary izany dia mahakasika na ny lafiny ara-panahy na ny ara-nofo. ďMamelona sy mankamamyĒ, izany no adidy voalohany miandry ny lehilahy, satria izy no nanan≠kinana ny fiainam-pianakaviana, avy aminíny asa ataony. Sehatra manokana nomena ny vehivavy ny fikojakojana ny ao an-tokantranony.

Na dia nanjary tsy nomena hasina loatra aza, ankehitriny, ny vehivavy mijanona ao an-trano mikarakara ny ankohonany, dia tsy miova kosa ny hevitríAndriamanitra mikasika izany. Efa voa≠so≠ra≠tra ao aminíny Titosy 2. 5 ho aníny vehivavy tanora fanahy ny ďhiasa ao an-tranonyĒ.

NosorataníAndriamanitra izany fandaminana izany, tsy hoe hanoherana ny vehivavy, fa satria mifono fiarovana ho azy ireo izany. Maro herehina ny vehivavy tomponíandraikitra ao an-tranony sady renim-pianakaviana. Taminíny fotoana nandraisaníi Abrahama ireo vahiny avy any an-danitra, dia nitoetra tao an-dainy i Saraha, nanao ny asa amaníandraikiny tao an-tokantrano, tao aminíilay toerana maha mpanampy mahatoky ny vadiny azy.

 

 

Ireo fototra ara-mŰraliníny fitahiana

 

Ao aminíny Efesiana 5. 28 dia manohy i Paoly hoe: ďdia tahaka izany koa, ny lehilahy tokony ho tia ny vadiny.Ē Tsy hoe fahombiazana, na resaka isehosehoana, ny fitiavantsika ny vadin≠tsika, fa adidy voa-janahary: nefa tsy tokony hanontany tena ve isika hoe: marina amiko ve izany? Manokana fotoana ho aníny vadintsika ve isika, sa dia variana any ivelany any, mitady izay mahasoa antsika na koa miala voly? Aleo dinihina lalina izay lazainíny apostoly Petera ao aminíny epistiliny voalohany 3. 7, ďAry toy izany koa, ianareo lehilahy, miaraha mitoetra aminy araka ny marina, manaja ny vavy, tahaka ny mety hatao aminíny fanaka malemilemy kokoa sady mpiara-mandova ny fahasoa≠vaníny fiainana, mba tsy ho voasakana ny fivavahanareo.Ē Zava-dehibe telo no ampitainíio andinin-tSoratra Masina io amintsika:

ó Aoka hiara-mitoetra aminíny vady araka ny marina isika, izany hoe, mahatsapa tsara ilay fifandraisana anaty misy aminíny mpivady; izay manatanteraka izany teny fampirisihana izany dia tsy handao lava ny tokan≠tra≠nony.

ó Aoka hieritreritra azy ho fanaka malemilemy kokoa isika; noho izany, dia aoka hitandrina tsara aminíizay hatao aminy. Tsy mitovy ny fomba fieritreretana sy ny faha≠tsapaníny vehivavy sy ny lehilahy zavatra iray.

ó Aoka tsy hanambany azy aminíny zavatra ataony isika, fa mainka kosa hanome haja azy, satria ianareo samy manana ilay tombontsoa tsy manan-tsahala, dia ny fan≠do≠vana ny fiainana mandrakizay.

 

Ireo dia fepetra apetraky ny TeniníAndriamanitra, mba tsy ho voasakana ny fivavahantsika, fa mba hisy vokany. Ny aminíizay indrindra, dia te hiresaka momba ny mpivady iray izay aho, ravehivavy mbola tanora nefa dia tena efa reraka no sady tsy salama loatra. Ny hariva, aminíny fotoana fanariana ny fako ao an-trano, dia maka aina tsara sady mamaky boky eo ambony seza lava ralehilahy, ary dia mamela ilay vadiny hibata irery ny enta-mavesatra. Izany ve no fanomezana haja azy? Tsia dia tsia tokoa. Ny andro rehetra iainantsika dia tokony hohararaotina itia≠va≠na ny vadintsika, amelomana azy, itoerana eo anilany, ary anome≠zana haja azy. Mahavita izany ihany isika indraindray, nefa mety manao izany an-tsirambina ihany koa. Aiza ŗry ny ho tambin-kasasarantsika rehefa hanatrika ny fitsarŗníi Kristy isika?

Ny mamelona sy mitia dia mahakasika ny lafiny ara-panahy koa. Raha tsy efa voaraintsika ho antsika manokana izany hafatra izany, dia tsy afaka ny mizara azy aminíny hafa isika. Tokony hatao ny iray, ary tsy azo hadinoina ny iray hafa. Inona no andaniantsika ireny takariva na alina mampalalaka antsi≠ka ireny? ďMankafỳ fatratra ny fialam-bolintsikaĒ ve? Mankafỳ ny zavatríizao tontolo izao ve isika, sa mba manam-potoana ama≠kia≠na ny TeniníAndriamanitra sy miara-mandalina izany? Indro, misy ohatra iray hafa indray, lehilahy vao nanambady, izay tena tia aníAndriamanitra sy maniry ny hanokananíny vadiny fotoana amakiana boky fanadihadiana ny TeniníAndriamanitra, fa tsy ireny tantaram-pitiavana izay tadiaviny fatratra ireny, satria tsy dia tiany loatra ny boky ara-panahy. Taminíny fo feno fitiavana no niki≠ri≠za≠ny hanaitra ny sainíny vadiny ny aminíizany, ka dia tratrany ny tan≠jo≠ny nony farany, taminíny fisafidianana boky tsara naha≠sa≠ri≠ka ny sainíny vadiny. Ankehitriny dia mitovy izao ny boky vakianíizy ireo.

Ary farany, dia indro misy toromarika lehibe avy aminíny apos≠toly Petera: ďmba tsy ho voasakana ny fivavahanareoĒ. Mampalahelo fa misy lehilahy mpino sy fianakaviana kristiana izay tsy mba miara-mivavaka mihitsy. Aminíny ankapobeny dia nan≠dritra ny fifamofoana no efa niavianíizany tsy fahombiazana izany. Ranabavy malala isany, raha manana fofombady ianao nefa mbola tsy niara-nivavaka taminao izy, dia diniho tsara raha toa ka ďao aminíny TompoĒ tokoa ny fanambadiana kasainao. Ny vavaka iarahana, toy ny vavaka atao irery, dia andry iankinaníny fiainana, ao aminíny tokantrano kristiana.

Ny fofombady tsirairay ve tsy samy naniry fatratra ny hanome fitiavana hanasoa ny vadiny? Tokony ho hafa noho izany ve no izy rehefa atỳ aoriana? Raha tena maka marina ny toerana nomena azy ao an-tokantrano ny lehilahy, ary i Kristy no ataony mŰdely tarafina, dia ho moramora ho aníny vadiny ny handray azy ho tena lohaníny fianakaviana, sy hitoetra eo anilany aminíny maha mpanampy sarobidy azy ka tsy foiny intsony.


  1. NY RAY AMAN-DRENY SY NY ZANAKA

Efesiana 5. 9 ó 6. 4

 

 

Loza mitatao ateraky ny fanarahana
ny fanaoníizao tontolo izao

 

Fitsipi-pitondrantena manao ahoana no iainantsika ao an-tokantrano sy eo anivoníny fianakaviana? Ao aminíny epistily ho aníny Efesiana dia heverina ho toy ny kristiana any an-danitra isika; ary araka izany, dia tokony hiaina araka ny fombaníny lanitra ireo andro fohy iainan≠tsi≠ka eto an-tany. Ny oloníizao tontolo izao dia tsy mahafantatra fomba fiainana hafa ankoatra ny fia≠ra≠ha-monina misy azy, ary dia tandindomin-doza isika aminíny hifin≠draníizany toe-tsaina ankehitriny izany. Tsy zavatra efa ekena manodidina antsika ve ny fanaovana tokantranomaso? Miray trano ivelaníny fanambadiana ny olona, ary tsy misy miasa saina ny momba izany intsony!

Ny kristiana manaraka ny fombaníizao tontolo izao dia tsy mba hahazo ny fitahianíAndriamanitra. Vakio ŗry ny Galatiana 6. 7-8: ďAza mety hofitahina ianareo, Andriamanitra tsy azo vazi≠va≠zina, fa izay afafiníny olona no hojinjainy. Fa izay mamafy ho aníny nofony dia hijinja fahasimbana avy aminíny nofo.Ē Aoka isika tsy hamita-tena, natao ho antsika manokana izany teny hen≠ti≠tra izany, satria izay mamafy tsimparifary tsy mba hijinja vary. Izay miaina sy mamafy araka ny fombaníizao tontolo izao dia tsy hijinja afa-tsy faharatsiana.

Tanjoníi Satŗna mandrakariva ny hanimba ilay faha≠sam≠ba≠rana ao aminíny fanambadiana sy eo anivoníny fianakaviana, ary ampiasainy daholo izay azo atao rehetra, hahatanteraka izany. Ezahiny mafy ny hisarika antsika hiaina araka ny fombaníizao tontolo izao, mba handrodanana ny fombaníAn≠dria≠ma≠nitra. Irintsika sy azontsika atao ve ny mandeha aminíizany lŗlana izany?

 

 


Mahafantatra ny sitraponíAndriamanitra,
mba hanatanteraka izany

 

Tsy isalasalana fa tena tandindomin-doza be tokoa isika. Ao aminíny Kolosiana 1. 9-10, dia hoy i Paoly: ďAry noho izany izahay koa, hatraminíny andro nandrenesanay, dia tsy mitsahatra mivavaka sy mangataka ho anareo, mba hofenoina fahalalŗna tsara ny sitrapony ianareo, aminíny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina rehetra avy aminíny Fanahy, mba handehananareo men≠drika ny Tompo, hanaovana ny sitrapony aminíny zavatra rehe≠tra Ilaintsika tokoa ny vavaka toy izany, ho aníny tokan≠tra≠non≠tsi≠ka sy ny fianakaviantsika! Rehefa feno fahalalŗna ny sitrapony isika, dia tsy misy toerana ho aníny zavatra hafa intsony ao am-pontsika. Nefa aleo ihany manontany tena hoe: ďMivavaka ohatra izany ve isika, na ho aníny tenantsika mano≠kana na ho aníny rahalahy sy anabavintsika?Ē Andriamanitra dia nitahiry manokana aníio vavaka fangatahaníny apostoly io, mba hianarantsika miva≠va≠ka toy izany. Averina indray: fantatsika marina ve ny sitra≠poníAndriamanitra ho aníny mpivady sy ny fiana≠kaviana, sa dia aleontsika miaina araka ny eritreritsika? I Saoly mpanjaka dia lehilahy nandeha araka izay noheveriny ho mety eo imasony, ary tsy maintsy nampitandremaníAndriamanitra toy izao: ďHe! ny mana≠≠ra≠ka no tsara noho ny fanatitra, ary ny mihaino no tsara noho ny sabo≠raníondrilahy. Fa ny miodina dia toy ny heloka aminíny fanka≠tovana, ary ny ditra dia toy ny manompo sampy sy tera≠fimaĒ (1 Samoela 15. 22-23).

Fahotana lehibe eo anatrehaníAndriamanitra ny fanao≠vana ny sitraponíny tena. Ndeha hovakiana ny 1 Petera 1. 2, ďAra≠ka ny fahalalŗna rahateo, izay aníAndriamanitra Ray, aminíny fana≠masinaníny Fanahy, ho aminíny fanarahana sy ny fama≠za≠fa≠zaníny raníi Jesoa Kristy Mety hieritreritra isika hoe diso i Petera teo aminíny fandaharana sy fitanisana teo, taminíny nametrahany ny fanarahana alohaníny famafazana ny ra, nefa dia izay mihitsy no fandaharaníAndriamanitra, izay mamoaka ny maha zava-dehibe eo imasony ny fankatoavana. Teny an-dŗlana ho any Damaskosy, rehefa napetraka teo aminíny fahaza≠vaníAn≠dria≠ma≠ni≠tra i Saoly, dia izao no fanontaniany voalohany: ďTompoko, inona no hataoko?Ē (Asaníny Apostoly 22. 10). Izany no atao hoe fan≠ka≠toa≠vana. Tatỳ aoriana izy vao nahalala ny hasarobidiníilay ra.

Mbola ny apostoly Petera ihany no nampatsiahy antsika hoe lasa zanaka mpanoa isika (1 Petera 1. 14). Ny fankatoavana dia midika hoe ďfanafoanana tanteraka ny sitraponao, mba hande≠ha≠na≠na araka ny sitraponíAndriamanitraĒ. Ao aminíny bokiníny Mpitsara isika dia mahita vahoaka iray manontolo manao izay fanta≠ny fa mety. Mpivady iray ihany no nambara fa nitady ny sitra≠poníAndriamanitra. Izany sitraponíAndriamanitra izany irery ihany no nankasitrahiníi Manoa sy ny vadiny. Dia nandeha araka ny fankatoavana sy ny fatahorana ny TeniníAndriamanitra izy ireo. Ny fankatoavana sy ny fatahorana dia miaraka mandrakariva, fa ireo no miantoka ny fahasambarana ho aníny mpivady sy ny fiana≠kaviana.

Fantatsika izay rehetra nolazainíi Josoa, taminíny faraníny fiainany, nanoloana ny vahoakaníi Israely: ďFa raha izaho sy ny anko≠honako kosa, dia hanompo aníi Jehovah izahayĒ (Josoa 24. 15). Andinin-tSoratra Masina mahafinaritra fotsiny ihany ve izany, ahan≠tona eny aminíny rindrina, na teny mamy imolotra ihany, sa tena izany tokoa no fanirianíny fontsika? Misy, aminíny toerana sasa≠ny, ahitana trano tsara sady voakarakara tokoa; ary eo akai≠ki≠ny eo, trano efa simba, rava tanteraka, ny varavarankely efa potika, ny tafo efa mitete ary efa anirianíny bozaka hatraiza hatraiza. Iza aminíireo no mitovy aminíny tokantranonao, ilay trano voakarakara sa ilay efa rava? Tahaka ny trano ihany, ny fanam≠badiana sy ny fianakaviana koa dia tokony hokolokoloina. Raha tsy araka ny fombaníAndriamanitra nefa no anaovana izany, dia tsy voatazona ny filaminaníireo.

 

 

Ireo foto-kevitríAndriamanitra momba ny mpivady

 

Efa nisy nodinihintsika ny sasany aminíireo foto-kevitra ireo. Ohatra: ahoana ny momba ilay fanekeníny vehivavy ny vadiny sy ny fitiavaníny lahy ny vadiny? Ahoana ny momba ireo loha≠he≠vitra fito tokony hampianariníny vehivavy anti-panahy ny tanora (Titosy 2. 4-5)? Fa aiza tokoa ŗry ireo vehivavy anti-panahy naha≠tanteraka marina ireo zavatra ireo teo aminíny androm-piainany, ka afaka hampita izany ho fampianarana ireo zandriny? Tsy tokony hodian-tsy hita ireo fanontaniana ireo.

Ao aminíny Efesiana 5. 29 dia misy izao teny izao: ďTsy mba nisy olo≠na tsy tia ny nofony, fa mamelona sy mitaiza azy, dia tahaka aníi Kristy aminíny Fiangonana.Ē Efa hitantsika fa ho aminíny lafi≠ny ara-panahy ihany koa izany fikarakarana izany, fa tsy ho ara-nofo fotsiny, ary Kristy, eto, no ohatra tsy manan-tsahala. Izy dia mamelona sy mitia antsika isaníandro tsy tapaka. Eritrereto fotsi≠ny, ohatra, ny fivorianíny mpino: manao ahoana ny fanetreny tena hiaraka amintsika, mba ho ivoníny fivoriana sy hitahy antsi≠ka.

Hitantsika ao aminíny 1 Tesaloniana 2. 7-8 ny apostoly Paoly izay nanara-dia ny tompony, raha niteny hoe: ďNalemy fana≠hy teo aminareo izahay, tahaka ny reny mitaiza ny zanany nate≠rany, dia toy izany no nahazoto anay, Ö satria efa malalanay ianareo Mora azo izany kisarisary izany. Iza no ďmalemy fanahyĒ toa aníi Kristy? Naka tahaka Azy i Paoly. Manao toy izany ve ianao? Malemy fanahy aminíny vadinao ve ianao? Sa matetika no tsy miraharaha azy? Manan-javatra ianarana isaníandro aminíilay Lohaníny tena isika.

ďMamelonaĒ dia midika hoe manomana, avy eo dia mizara ilay sakafo. Mety efa mahazatra antsika ny mamaky eo am-pisakafoana ny TeniníAndriamanitra na ny alimanaka, ary tsara izany. Fa mba miezaka ny hanazava izay teny novakiana ve isika? Mba miara-miresaka izany ve isika? Nataontsika ho saro≠bi≠dy ve ny TeniníAndriamanitra, dia ilay Teny izay afaka mam≠pi≠o≠ri≠na antsika rehetra? Raha tsy azoníny zanatsika ny TeniníAn≠dria≠ma≠ni≠tra, dia hahamonaina azy ny mamaky izany. Indraindray isika dia maheno raim-pianakaviana miteny hoe: tsy haiko izany, tsy fano≠mezam-pahasoavana nomena ahy izany. Fialan-tsiny mitom≠bi≠na ve izany? Sa kosa tsy ao anatintsika ny fitiavana ny Tompo, ary tsy miaina eo anilany isika? Izay tsy miombona tanteraka aminíny Tompo dia tsy mba mahay mitia tahaka Azy, ary tsy afa≠ka mamelona tahaka Azy. Ho henatra ho antsika izany, mano≠loa≠na ny fitsarŗníi Kristy, raha tsy azony omena antsika ny tambin-kasasarana efa nomaniny ho antsika.

Mitanisana trano na fianakaviana 14 ny boky voalohaníi Samoela; roa aminíireo ihany no milamina. Ao aminíny 2. 35 dia ny tokantranoníi Tsadoka, ilay mpisorona mahatoky; ary ao aminíny 25. 28, ny tokantranoníi Davida, ilay mpanjaka araka ny foníi Jehovah. Tokantrano toy izany no tianíAndriamanitra omena antsika, tsy mihozongozona, miorina eo ambony vatolampy. Izay manorina eny ambony fasika, izany hoe, miaina araka ny eritre≠ri≠ny sy araka ny tombontsoany, dia tsy mba hahita fiorenana tsara. Aminíireo tokantrano hafa voatanisa ao ireo, tsy maro ve ny maneho endrika mampalahelo? Eritrereto fotsiny ny momba aníi Ely mpisorona: tsy mba nahita filaminana izy, satria nataony tsinontsinona ny fomba fitaizana ny ankizy araka aníAndria≠ma≠ni≠tra. Nahakasika izany trano izany ny fitsarŗníAndriamanitra: indray andro ihany no nahafaty ny rainy sy ny zanany roalahy.

Ao aminíny Efesiana 5. 30-31 dia misy sary mam≠pi≠to≠la≠ga≠ga, momba aníi Kristy sy ny Fiangonana: ďfa momba ny Tenany isika. Ary noho izany, ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hiray aminíny vadiny, ary dia ho nofo iray ihany izy roroa.Ē Momba ny tenany isika, satria efa maty ho antsika Izy. Ary ho mandrakizay no hiraisantsika tanteraka Aminy, aminíny maha-isaníny Tenany antsika, araka ny voalaza ao aminíny Efesiana 1. 17, 22-23, ďNy Rainíny voninahitra no Ö nanao Azy ho lohany manapaka ny zavatra rehetra ho aníny Fiangonana, izay tenany, dia ny fahafenoaníIzay mameno izao zavatra rehetra izao aminíny rehetra Izany firaisana akaiky izany dia ampihariníny TeniníAn≠dria≠manitra aminíny lehilahy sy ny vadiny, aminíizao fotoana izao.

Zavatra takianíAndriamanitra ny handaozaníny lehilahy ny tranoníny ray aman-dreniny, rehefa manambady. Izay manam≠ba≠dy ao aminíny Tompo (araka ny fampianarana mazava tsara ao aminíny 1 Korintiana 7. 38-39) dia manao ny tsara. Aoka hisaina izany isika. Tokony hamela ny zanany handeha ny ray aman-dreny. Be ny fahorianíny tokantrano maro, vokatry ny fifan≠drai≠sa≠na lalina loatra misy eo aminíny zanaka sy ny rainy na ny reniny. Izy ireo nefa dia tokony hahatsapa fa hafa ny fiainaníny zanany raha vao nanambady izy, ary misy fifamatorana lalina kokoa sy vao≠vao ho azy ireo. Miova ny endriky ny fahefaníny ray aman-dreny aminíny zanany, raha vao manorin-tokantrano izy. Na izany aza, dia misy hatrany ny fifandraisany aminíny ray aman-dreny, ary tokony hotsarovana tsara izany.

Mariho kely fa ny andininy ao aminíny Genesisy 2 notanisainíny apostoly io dia miresaka ďlehilahyĒ, fa tsy tovolahy na ankizy; izany hoe, mitaky fahamatorana ny fanambadiana. Firy aminíireo fanambadiana tsy matotra no ratsy fiafara sy mam≠pi≠ton≠dra fahoriana! Firy aminíireo mpivady tanora fanahy no misedra olana goavana ary lasa tsy manome vonina≠hi≠tra aníAn≠dria≠ma≠ni≠tra! Ireo zavatra mitranga aminíny fiainana dia miantso lalandava ny mba hihazonana ilay TeniníAndriamanitra hoe: ďIzay mandinika ny teny no hahita soa. Ary izay matoky aníi Jehovah no ho sambatraĒ (Ohabolana 16. 20). Mazava ny fitsi≠pikíAndriamanitra: ďAmboary ny asanao any ivelany; ary ataovy lavo≠rary ny any an-tsaha. Ka rehefa vita izany, dia mahazo manao ny tranonao ianaoĒ (Ohabolana 24. 27). Ny lehilahy manambady, voalohany indrindra, dia tokony ho afaka mamelona ny vadiny sy ny fiana≠ka≠viany, na ara-nofo izany na ara-panahy. Tsy tokony hahagaga nefa ny mahita fa mbola manaraka ny toro≠he≠vi≠try ny ray aman-dreny ihany ny mpivady vao, satria efa nahita fiai≠na≠na betsaka izy ireo.

Avy eo dia hitantsika fa ďhikambana aminíny vadiny ny lehi≠lahy, ka ho nofo iray ihany izy roroaĒ (Genesisy 2. 24). Man≠dri≠tra ny fifamofoana, izay fotoana sarobidy eo ana≠tre≠haníAn≠dria≠ma≠ni≠tra, dia mianatra ny hifankahafantatra sy hifankatia ireo mpi≠fa≠mo≠fo. Tsy lasa ďnofo irayĒ nefa izy roroa, raha tsy efa vita maria≠zy. Fanampiníizany, Andriamanitra dia miteny eto hoe roa, fa tsy telo na efatra na mihoatra izany. Misy dikany koa io foto-kevitra io. Tsy hitantsika ve, ohatra, ao Afrika, ny voka-dratsiníny fana≠na≠na vady maro? Ao aminíny Testamenta Taloha ihany koa, ary na dia teo aza ny fahariponíAndriamanitra, dia maro ny ohatra mane≠ho fa ny fananana vady maro dia tsy mba nahazo tsodrano avy aminíi Jehovah. Saino kely, ohatra, ny momba aníi Abrahama sy i Hagara, na koa ny fiafara ratsiníi Solomona, izay nivily nanaraka andria≠mani-kafa noho ny fampirisihaníireo vadiny marobe hafa fire≠ne≠na. Ny fanarahana izay lazainíny Tompo ihany no lŗlana toka≠na ahazoana ny fitahianíAndriamanitra.

Ny ao aminíny Genesisy 2 dia mitantara ny nam≠boa≠raníAndriamanitra aníi Eva. Araka ny filazaníny olona iray azy, dia tsy avy aminíny tongotríi Adama, tsy akory, no nanao≠va≠na aníi Eva, satria tsy tokony hohitsakitsahina izy, na avy aminíny lohany, satria tsy tokony hanjaka aminy. Noforonina avy aminíny taolan-tehezaníi Adama i Eva, izany hoe akaikiníny fony. Eo ani≠laníny lehilahy no toeraníny vehivavy, mba ho tiany, fa tsy ao am≠ba≠niny na eo amboniny.

Farananíny apostoly aminíny teny hoe, ďZava-miafina lehi≠be izany; fa milaza ny aminíi Kristy sy ny Fiangonana aho. Na dia izany aza, samia tia ny vadiny tahaka ny tenany ianareo lehi≠la≠hy rehetra, ary aoka kosa ny vavy hatahotra ny lahyĒ (Efesiana 5. 32-33). Ho famaranana, mampitandrina antsika ireo andinin-tSoratra Masina roa ireo, ny aminíny zavatra roa lehibe eo aminíny fiai≠naníny mpivady, dia izao:

ó Tokony hotandremaníny lehilahy lalandava ny hatsa≠raníny fitiavany ny vadiny. Tokony ho tiany tahaka ny tenany izy.

ó Ny vavy, sady manampy hatrany ilay olon-tiany, no toko≠ny hanaiky sady hankasitraka ny toerana no≠meníAn≠driamanitra ny vadiny ho lohaníny fianakaviana.

 

 

Ireo foto-kevitríAndriamanitra momba ny ankizy

 

Rehefa avy naneho ny hasarobidiníny mariazy sy ny fifan≠drai≠saníny mpivady ny apostoly, dia manohy ny resaka aminíny fampianarana mikasika ny ankizy, ao aminíny Efesiana 6. 1-3. Fita≠hiana nomena antsika izy ireo, ary tokony horaisina am-panka≠sitrahana avy aminíAndriamanitra, nefa tsy tokony hialana ny andraikitra mifamatotra aminíizany: ďAnaka, maneke ny ray sy ny reninareo ao aminíny Tompo, fa marina izany. ĎManajŗ ny ray sy ny reninaoí (fa izany no didy voalohany misy teny fikasana), Ďmba hahita soa ianao sy ho maro andro amboniníny tanyí (Ekso≠do≠sy 20. 12 / Deoteronomia 5. 16)Ē. HazoniníAndriamanitra man≠dra≠ka ankehitriny, ka mitoetra hatrany, ny teniny sy ny toky ome≠ny. Ny fankatoavaníny zanaka dia voatanisa imbetsaka ao aminíny Testamenta Vaovao, izay manamafy ny maha-zava-dehi≠be izany eo imasoníAndriamanitra. Nefa tokony hianarana sy hampi≠harina izany. Adidiníny ray aman-dreny, indrindra indrindra ny ray, ny mampianatra ny zanany hankatÚ.

OmeníAndriamanitra fampianarana mazava isika, ao aminíny Testamenta Taloha, aminíny ohatra momba fianakaviana isan-karazany. Misy ireo ohatra tsara, ary ao koa ireo ohatra ratsy. Efa hitantsika ny fiafarana mampalahelo nanjo ny fiana≠ka≠vianíi Ely. Inona no antony? Nanao izay tiany hatao ireo zana≠ni≠la≠hy, nampitandrina azy ireo izy, nefa tsy nanakana azy taminíiza≠ny. Araka izany, dia aleo vakiana ireto teniníAn≠dria≠ma≠ni≠tra mavesa-danja ireto: ďnefa tsy nihaino ny tenin-drainy izy ireoĒ (1 Sa≠moela 2. 25), ary koa, ďfa efa nambarako taminy fa hotsarai≠ko mandrakizay ny taranany noho ny heloka izay fantany, satria ny zanany nahatonga ozona ho aníny tenany, nefa tsy nosa≠ka≠na≠nyĒ (1 Samoela 3. 13).

Ohatra hafa indray no voalaza ao aminíny fianakavianíi Davida. Izy tenany dia nianatra nankatÚ, fony tao an-tranoníi Jese rainy. Rehefa nirahina ho any aminíny rahalahiny izy, dia tsy nian≠dri≠andry fa ďnifoha marainakoaĒ, mba hanatanteraka ny sitra≠poníny rainy. Imbetsaka taorianíio, dia mbola voatanisa hatrany ny fankatoavaníi Davida, na aníAndriamanitra na aníi Saoly koa, satria niantomboka tao an-tranon-drainy no nianarany izany, ary dia nanaraka azy taminíny androm-piainany rehetra izany. Inona ŗry no nitranga tao aminíny fianakaviany avy eo? Nanaraka ny ohatra nomen-drainy ve izy? Indrisy fa tsia. Naka vady maro izy ary nanan-janakalahy 20 taminíireo. Ahoana no nitaizany azy? Amnona dia tonga mpijangajanga tao an-tranon-drainy ihany, Absaloma dia sady namono ny rahalahiny no nandrombaka ny fanjakana, ary Adonia dia nitady haka an-keriny ny satro-boni≠na≠hi≠try ny rainy. Kisarisary mahonena toy izany no asehoníny Fana≠hy Masina eo anoloantsika izao, mamela antsika hanopy maso ny fiaina-miafiníi Davida, dia ny fahalemeny manoloana ireo zana≠ni≠lahy; momba aníi Adonia, dia voalaza fa ďny rainy mbola tsy niteny mafy azy akory hatrizay niainany, nanao hoe: Nahoana ianao no manao toy izao?Ē

Tokony hapetratsika izao fanontaniana izao: ďInona no ianaraníny zanatsika ao an-trano?Ē ny fankatoavana ve, sa zava≠tra hafa? Fa ny fankatoavana dia tsy mba afa-misaraka aminíny fitia≠vana; tsy misy lŗlana hafa. Tokony hankatÚ ny ray aman-dreny ny ankizy, raha mbola miara-mitoetra aminíizy ireo. Raha efa mitokan-trano indray izy ireo, dia afaka aminíizany, na dia mbola mitahiry hatrany ny fanajana azy ireo aza, eny fa na dia efa maty aza ireo. Tsahiviníny apostoly eto ny teny fampanantenana: ďÖ mba hahita soa ianao sy ho maro andro eto amboniníny tanyĒ. Ny tsirairay amintsika dia samy mahita ohatra maro, manodidina antsika, manamafy ny fahamarinaníizany fam≠pia≠na≠raníAn≠dria≠ma≠ni≠tra izany, satria firifiry tokoa moa no nijinja voka-dratsy rehefa tsy nihaino ny ana-dray aman-dreny nandritry ny hatanorany. Toy izany no nanozonaníAndriamanitra hahafohy ny androníireo za≠nakíi Ely, izay niaina tao anaty fahotana, tahaka ny aníireo zanakíi Davida telo notanisaina tetsy aloha, satria voasoratra hoe: ďny tavaníi Jehovah tezitra aminíny mpanao ratsyĒ (Salamo 34. 16).

 

 

Tokantrano folo novangianíny Tompo Jesoa

 

Rehefa avy nandinika ireo toro-marikíAndriamanitra mom≠ba ny tokantrano sy ny fianakaviana isika, sady nam≠pa≠ha≠tsia≠hy ireo foto-kevitra ambaraníny Soratra Masina tokony hara≠hin≠tsika, dia hahazo fitahiana betsaka eo am-panarahana ny Tompo Jesoa any aminíireo tokantrano folo nidirany, araka ny raiketiníny fila≠zan≠tsara nosorataníi Lioka.

 

1. Ny tranoníi Simona Petera: Lioka 4. 38-39

Ny rafozambaviníi Simona dia natory teo am-pandriana, tratraníny tazo mahery, izay kisarisariníny samboaravoara sy ny ahiahy mety hahazo ny fontsika sy ny tokantranontsika. TianíAn≠dria≠manitra hanam-piadanan-tsaina isika, ďtsy ho maro ahinaĒ (1 Ko≠rintiana 7. 32), ary dia ataony afaka manompo Azy tahaka ny rafozambaviníi Simona.

 

2. Ny tranoníi Levy: Lioka 5. 29-39

Tsy vitaníny hoe nampandroso ny Tompo tao an-tranony ihany i Levy, fa nanao fanasana lehibe niaraka taminíny mpamory hetra sy olona maro hafa. Tsy ohatra tsara halain-tahaka ve izany, ny aminíny fampiantranoana vahiny? Sady asa atao ho aníAn≠driamanitra koa.

 

3. Ny tranoníi Simona ilay Fariseo: Lioka 7. 36-50

Nanasa ny Tompo i Simona, nefa tsy mba nandray Azy araka ny tokony ho izy: tsy nanome rano hanasany tongotra, tsy mba nanoroka na nampiseho fitiavana, tsy nanosotra menaka ny lohany, ho mariky ny fanajana. Ity lehilahy ity dia tsy mba nana≠ra≠rao≠tra ny andro iray toa zato nandalo teo aminy. Ary isika ve mba manome ny toerana voalohany ho aníny Tompo, ao aminíny fontsika sy ao an-tokantranontsika?

 

4. Ny tranoníi Jairo: Lioka 8. 51-56

Nanome baiko hentitra ny Tompo, tao: ďnasainy nomena hani≠naĒ ilay zazavavy natsangany taminíny maty. Manana ny lanja≠ny hatrany, manoloana ny zanatsika, izany didy izany, mba hano≠mezantsika azy ireo ny sakafom-panahy, aminíny fitantarana ireo tantara ao aminíny TeniníAndriamanitra sy fanazarana azy ireo aminíIlay Andriamanitra te ho namany.

 

5. Ny tranoníi Marta: Lioka 10. 38-40

Fantatsika tsara io tokantrano io, fa mahazatra ny Tompo ny misintaka kely any. Zava-dehibe roa ihany no hotsahivintsika eto: voalohany, dia tao no nipetrahana teo an-tongony, nihaino Azy; manaraka izay, dia nanaiky ny hampianariny i Marta. Tokony hanana ireo toetra roa ireo isika.

 

6. Ny tranoníny Fariseo iray nanana ny lazany:

Lioka 14. 1-4

Tafintohina ny Tompo nahita azy ireo nitady ny fitoerana voalo≠hany. Miezaka mafy tokoa ve isika mba hanajaníny olona antsika sy mba hisondrotana? Ny tompon-trano, eto, dia tsy nana≠sa afa-tsy ireo mpanasa mahazatra azy ihany. Tsy mba toetraníny Tompo ny avonavona sy ny fitiavan-tena tao, ary mana≠la baraka Azy izany raha miseho eo aminíny olony. Tsy nitady tombon-tsoa Izy, ary nanetry tena tokoa, sady nanafoana ny tenany!

 

7. Ny tranoníi Zakaiosy: Lioka 19. 1-10

Tamin-kafaliana lehibe no nandraisaníi Zakaiosy ny Tom≠po. Manao toy izany koa ve isika? Tsy te ho vahiny mandalo fotsi≠ny Izy, fa te ho ivoníny zavatra rehetra sy ho Tompontsika ao an-trano.

 

8. Ny Tempoly: Lioka 19. 45-46

Mitaky ny maha-tranony ny Tempoly ny Tompo, taminíny nilazany hoe: ďNy tranoko dia trano fivavahana, fa ianareo kosa nanao azy ho zohy fiereníny jiolahy.Ē Ary isika, ahoana ny fiton≠drŗn≠tenantsika ao an-tranony, dia ny FiangonaníIlay Andria≠ma≠ni≠tra velona, mpanome tŗnana ve isika sa vato misakana?

 

9. Ilay trano nivoha ho aníny Tompo: Lioka 22. 7-13

Eto ny Tompo dia naniry ny hankalaza farany ny Paska, niaraka taminíny mpianany. Vonona ve isika ny hamoha malalaka ny tranontsika ho Azy tanteraka?

 

10. Ny tranoníilay mpisoronabe: Lioka 22. 54-71

Io no trano nidirany farany, tao no tokony ho nandraisana Azy taminíny voninahitra rehetra. Nefa dia io no trano ratsy indrin≠dra, ho Azy: tao no nampahitana Azy ny fahoriana rehetra sy ny nanao≠vana Azy ho toy ny olon-dratsy.

 

Ireo ny trano folo. Iza aminíireo no mitovy aminíny antsika? Ny TeniníAndriamanitra dia feno torohevitra tsara. Antsika ny safidy, anjarantsika ny manapa-kevitra! Toetra manao ahoana no asehoníny tranontsika?

Hofaranantsika ity famelabelarana ity, aminíny fiverenana vetivety aminíny fiainaníi Samoela, ilay ďlehilahiníAn≠dria≠ma≠ni≠traĒ, satria feno fampianarana amina lafiny maro izany. Inona ny zava≠tra voalohany nolazainíAndriamanitra momba azy: ny asany? ny vavaka nataony? Tsia. Ny zavatra voalohany hitantsika dia ny fian≠≠ko≠≠hofana: ďdia nivavaka taminíi Jehovah izyĒ (1 Samoela 1. 28). Mbola zaza izy dia efa mpivavaka teo anatre≠haníAn≠dria≠ma≠ni≠tra, niaraka taminíny ray aman-dreniny. Izany tokoa ve no tan≠jon≠tsi≠ka voalohany, aminíny fitaizana ny zanatsika? Mazava ho azy fa mila mandeha any am-pianarana izy ireo, mba hahazoany asa, nefa ny laharam-pahamehana dia ny hanabeazana azy ho aníAn≠dria≠manitra ka hahatonga azy ho mpitsaoka, satria na dia ny ankizy aza dia afaka misaotra ny Tompo noho ny asa vitany teo aminíny hazofijaliana, tao Kalvary. Ny fitsaohana aníAn≠dria≠ma≠ni≠tra no hita voalohany teo aminíny fiainaníi Samoela, ary dia izay no nataony farany: ďÖ any Rama Ö, fa tao ny tranony; ary nitsara ny Israely tao izy sady nanorina alitara tao ho aníi Jehovah.Ē Natom≠bony sy nofaranany taminíny fivavahana aminíny Tompo ny fiainany, ary raha ny tena marina, dia vokatry ny fitaizaníny ray aman-dreniny azy izany.

Ny filazantsaraníi Marka 2. 1 dia mitantara hoe, ďre fa tao an-trano Izy.Ē Ny hafa koa ve mba mahatsapa fa ao an-tranon≠tsika i Jesoa, toy ny any an-tranony, ary tena Tompo tokoa? Raha izany no izy, ary tena izany tokoa, dia hahatsapa faha≠sambarana marina isika.[3]

 



 

Bonheur

dans le couple

et la famille

 

ďAlatsaho ao aminíny fonareo sy ao aminíny fanahinareo izao teniko izao, Ö mba ho maro ny andronareo sy ny androníny taranakareo eo aminíny tany Ö, toy ny faharetaníny lanitra amboniníny tany.Ē

Deoteronomia 11. 18-21

 

 

Ho maro andro tahaka ny faharetaníny lanitra amboniníny tany, izany hoe, voamariky ny toetra anananíi Jesoa Izay any an-danitra ankehitriny, izany no fahasambarana izay mbola atolotra antsika aminíizao fotoana izao ao aminíny fanambadiana sy ny fianakaviana: ireo dia ahitana ny taratry ny fahasambarana any an-danitra, raha mana≠raka izay voalazaníAndriamanitra ao aminíny Teniny isika.

Tantaram-piainana fianakaviana iray voarakitra ao aminíny Tes≠ta≠men≠ta Taloha no nampiasainíny mpanoratra, hamelabelarany io loha≠he≠vi≠tra kanto io, ary nampifandraisiny taminíny fampianarana notsoahina tao aminíny Testamenta Vaovao.



[1] Ilaina tokoa ny mahazo tsara fa ny fampirisihana ataoníny Tompo dia ho aníny tsi≠rai≠ray, araka ny toerana misy azy avy. Ohatra, ny Tompo miteny aminíny lahy hoe: ďTiava ny vadinareo.Ē Raha miteny aminíny vadiny ny lehilahy hoe: ďTokony hanaiky ahy ianaoĒ, dia tsy manatanteraka ny Teny izy, na inona na inona eritreretiny.

[2] Azo raisina aminíny heviny hoe vatana ara-nofo koa io, ary akana fampa≠he≠re≠za≠na manokana ho aníny vehivavy izay mijaly noho ny ataoníny vadiny izay tsy mpino.

[3] Fanamarihaníny mpandika avy aminíny teny alemana ho aminíny teny fran≠tsay: Io fila≠zan≠tsara nosorataníi Lioka 2: 8 io dia miteny amintsika sahady, manao hoe: ďTsy nisy nitoe≠rany tao an-tranom-bahiny.Ē Tsy nisy toerana ho azy, teo aminíny tany izay noaržny tamim-boninahitra ary notsidihany taminíny fahasoavana? Moa ve Izy mitana ny toerana voalohany ao am-pontsika sy ao an-tranontsika?