Le NOUVEAU TESTAMENT  
   
Seconde Épître de PIERRE 2 Petera
   
Accès direct aux chapitres de 2 Pierre : 1, 2, 3 Accès direct aux chapitres de 2 Pierre : 1, 2, 3
   
Chapitre 1 Chapitre 1
1 Siméon Pierre, esclave et apôtre de Jésus Christ, à ceux qui ont reçu en partage une foi de pareil prix avec nous, par [la] justice de notre Dieu et Sauveur Jésus Christ : 1 [Fiarahabana, sy fananarana mba hitondra tena mendrika ny Kristiana] Simona Petera, mpanompo sy Apostolin'i Jesosy Kristy, mamangy izay efa nahazo finoana soa tahaka ny anay amin'ny fahamarinan'i Jesosy Kristy, Andriamanitsika sy Mpamonjy: [* Na: ny fahamarinan'Andriamanitra sy Jesosy Kristy, Mpamonjy antsika]
2 Que la grâce et la paix vous soient multipliées dans* la connaissance de Dieu et de Jésus notre Seigneur ! 2 hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana amin'ny fahalalana tsara an'Andriamanitra sy Jesosy Tompontsika.
— v. 2 : ou : par.  
3 Comme sa divine puissance nous a donné tout ce qui regarde la vie et la piété, par la connaissance de celui qui nous a appelés par [la] gloire et par [la] vertu, 3 Efa nomen'ny herin'Andriamanitra ho antsika ny zavatra rehetra momba ny fiainana sy ny toe-panahy araka an'Andriamanitra amin'ny fahalalana Ilay niantso antsika tamin'ny voninahiny sy ny fahatsarany*; [* Na: [tamin'ny voninahitra sy ny fahatsarana]
4 par lesquelles il nous a donné* les très-grandes et précieuses promesses, afin que par elles vous participiez de la nature divine, ayant échappé à la corruption qui est dans le monde par la convoitise… ; 4 ary izany no nahatanterahany amintsika ireo teny fikasana sady soa no lehibe indrindra, mba ho tonga mpiray amin'ny fomban'Andriamanitra amin'izany ianareo, rehefa afa-nandositra ny fahalotoana izay eo amin'izao tontolo izao noho ny filàna;
5 pour cette même raison aussi, y apportant* tout empressement, joignez à votre foi, la vertu ; et à la vertu, la connaissance ; 5 koa noho izany dia manaova izay zotom-po rehetra kosa ianareo, ka amin'ny finoanareo dia manehoa fahatanjahan-tsaina, ary amin'ny fahatanjahan-tsainareo dia fahalalana,
6 et à la connaissance, la tempérance* ; et à la tempérance, la patience ; et à la patience, la piété ; 6 ary amin'ny fahalalanareo dia fahononam-po, ary amin'ny fahononam-ponareo dia faharetana, ary amin'ny faharetanareo dia toe-panahy araka an'Andriamanitra,
7 et à la piété, l’affection fraternelle ; et à l’affection fraternelle, l’amour ; 7 ary amin'ny toe-panahinareo araka an'Andriamanitra dia fitiavana ny rahalahy, ary amin'ny fitiavanareo ny rahalahy dia fitiavana ny olona rehetra.
8 car, si ces choses sont en vous et y abondent, elles font que vous ne serez pas oisifs ni stériles pour ce qui regarde la connaissance de notre Seigneur Jésus Christ ; 8 Fa raha anananareo izany zavatra izany, sady anananareo betsaka, dia tsy avelan'izany ho malaina na tsy hahavokatra ianareo amin'ny fahalalana tsara an'i Jesosy Kristy Tompontsika.
9 car celui en qui ces choses ne se trouvent pas est aveugle, et ne voit pas loin, ayant oublié la purification de ses péchés d’autrefois. 9 Fa izay tsy manana izany zavatra izany kosa dia toa jamba ka tsy mahajery lavitra, sady nanadino ny nanadiovana azy tamin'ny fahotany voalohany izy.
10 C’est pourquoi, frères, étudiez-vous d’autant plus à affermir votre appel et votre élection, car en faisant ces choses vous ne faillirez jamais ; 10 Ary amin'izany dia mazotoa kokoa, ry rahalahy, hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo; fa raha manao izany zavatra izany ianareo, dia tsy ho tafintohina akory mandrakizay;
11 car ainsi l’entrée dans le royaume éternel de notre Seigneur et Sauveur Jésus Christ vous sera richement donnée*. 11 fa toy izany no hanomezana malalaka ho anareo ny fidirana ho any amin'ny fanjakana mandrakizay, izay an'i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy antsika.
— v. 4 : ou : nous ont été données. — v. 5 : litt.: apportant en outre (ou : en même temps). — v. 6 : maîtrise de soi. — v. 11 : plutôt : fournie.  
12 C’est pourquoi je m’appliquerai à vous faire souvenir toujours de ces choses, quoique vous les connaissiez et que vous soyez affermis dans la vérité présente. 12 [Fananarana mba hiorina tsara amin'ny fampianarana marina] Koa hazoto mandrakariva hampahatsiaro anareo ny amin'izany zavatra izany aho, na dia efa fantatrareo aza, ka efa naorina tsara amin'ny fahamarinana izay efa eo aminareo.
13 Mais j’estime qu’il est juste, tant que je suis dans cette tente*, de vous réveiller en rappelant [ces choses] à votre mémoire, 13 Fa raha mbola eto amin'ity trano-lay ity aho, dia ataoko fa mety ny hampifoha anareo amin'ny fampahatsiarovana anareo,
14 sachant que le moment de déposer ma tente* s’approche rapidement, comme aussi notre Seigneur Jésus Christ me l’a montré ; 14 satria fantatro fa ho avy tampoka ny hanesorana ny trano-laiko, dia toy ny nasehon'i Jesosy Kristy Tompontsika tamiko koa.
15 mais je m’étudierai à ce qu’après mon départ vous puissiez aussi en tout temps vous rappeler ces choses. 15 Ary dia hataoko izay zakako mba hisy hahatsiarovanareo izany zavatra izany mandrakariva, rehefa maty aho.
16 Car ce n’est pas en suivant des fables ingénieusement imaginées, que nous vous avons fait connaître la puissance et la venue de notre Seigneur Jésus Christ, mais comme ayant été témoins oculaires de sa majesté. 16 Fa tsy nanaraka izay anganongano noforonin'ny fahafetsen'ny saina izahay, raha nampahafantatra anareo ny hery sy ny fihavian'i Jesosy Kristy Tompontsika; fa efa hitan'ny masonay ny fiandrianany.
17 Car il reçut de Dieu le Père honneur et gloire, lorsqu’une telle voix lui fut adressée par la gloire magnifique : «Celui-ci est mon Fils bien-aimé, en qui j’ai* trouvé mon plaisir». 17 Fa nahazo laza amam-boninahitra tamin'Andriamanitra Ray Izy, raha tonga teo aminy avy tamin'ny voninahitra lehibe indrindra ilay feo nanao hoe: "Ity no Zanako malalako izay sitrako" (Mat. 17.5).
18 Et nous, nous entendîmes cette voix venue du ciel, étant avec lui sur la sainte montagne. 18 Ary renay io feo avy tany an-danitra io, raha niara-nipetraka taminy tany an-tendrombohitra masina izahay.
19 Et nous avons la parole prophétique [rendue] plus ferme, (à laquelle vous faites bien d’être attentifs, comme à une lampe qui brille dans un lieu obscur), jusqu’à ce que [le] jour ait commencé à luire et que [l’]étoile du matin se soit levée dans vos cœurs, 19 Ary manana ny teny faminaniana atao mafy orina kokoa isika; koa raha mandinika izany ianareo, dia manao tsara, fa toy ny jiro mahazava ao amin'ny fitoerana maizimaizina izany, mandra-pahazavan'ny andro, ka miposaka ao am-ponareo ny fitarik'andro;
20 sachant ceci premièrement, qu’aucune prophétie de l’écriture ne s’interprète elle-même*. 20 fa fantatrareo voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin'ny Soratra Masina dia tsy efan'ny fisainan'ny olona fotsiny ihany;
21 Car [la] prophétie n’est jamais* venue par la volonté de l’homme, mais de saints hommes de Dieu ont parlé, étant poussés par l’Esprit Saint. 21 fa tsy nisy faminaniana avy tamin'ny sitrapon'ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin'Andriamanitra no nitenenan'ny olona araka izay nitondran'ny Fanahy Masina azy.
— v. 13 et 14 : c. à d. : mon corps ; comparer 2 Corinthiens 5:1-3. — v. 17 : litt.: moi j’ai. — v. 20 : ou : n’est d’une interprétation particulière ; c. à d. : ne doit pas être considérée isolément. — v. 21 : ou : pas autrefois.  
Chapitre 2 Chapitre 2
1 Or il y a eu aussi de faux prophètes parmi le peuple, comme aussi il y aura parmi vous de faux docteurs qui introduiront furtivement des sectes* de perdition, reniant aussi le maître** qui les a achetés, faisant venir sur eux-mêmes une prompte destruction ; 1 [Ny hahafantarana ny mpampianatra sandoka, sy faminaniana ny handringanana azy] Efa nisy mpaminany sandoka teo amin'ny olona Isiraely, ary hisy koa mpampianatra sandoka tahaka izany eo aminareo, izay hahatonga mangingina sain-diso* mahavery ary handà ny Tompo Izay nividy azy aza ka hahatonga fahaverezana tampoka ho amin'ny tenany. [* Na: fitokoana]
2 et plusieurs suivront leurs excès : et à cause d’eux la voie de la vérité sera blasphémée ; 2 Ary maro no hanaraka ny fijejojejoany; ka ireny no hitenenan-dratsy* ny lalan'ny fahamarinana. [* Gr. hanaovana blasfemia, izahao Mat.9.3]
3 et, par cupidité, ils feront trafic de vous avec des paroles artificieuses ; mais leur jugement, dès longtemps, ne demeure pas oisif, et leur destruction ne sommeille pas. 3 Ary amin'ny hafatratry ny fitiavany harena no hanaovany varotra anareo amin'ny teny mamitaka; efa ela izay no tsy nijanonjanona ny fitsarana ireny, ary tsy rendremana ny fahaverezany.
4 Car, si Dieu n’a pas épargné les anges qui ont péché, mais, les ayant précipités dans l’abîme, les a livrés pour être gardés dans des chaînes d’obscurité pour le jugement ; 4 Fa raha tsy navelan'Andriamanitra ny anjely fony nanota, fa noroahiny ho any amin'ny helo ka natolony ho ao an-davaka maizina* mba hotehirizina ho amin'ny fitsarana, [* Na: (nafatony tamin'ny gadra fahamaizinana)]
5 — et s’il n’a pas épargné l’ancien monde, mais a préservé Noé, lui huitième*, prédicateur de justice, faisant venir [le] déluge sur un monde d’impies ; 5 ary raha tsy namela izao rehetra izao taloha Izy, fa namonjy an'i Noa, mpitory ny fahamarinana, sy ireo fito, fony nahatonga ny safo-drano tamin'ny ratsy fanahy teo amin'izao tontolo izao,-
6 — et si, réduisant en cendres les villes de Sodome et de Gomorrhe, il les a condamnées par une totale subversion, les établissant pour être un exemple à ceux qui vivraient dans l’impiété ;* 6 ary raha nataony nanjary lavenona ny tanàna Sodoma sy Gomora ka nohelohiny horavana ary nataony fananarana ho an'izay ratsy fanahy ato aoriana,-
7 et s’il a délivré le juste Lot, accablé par la conduite débauchée de ces hommes pervers, 7 fa Lota marina, izay ory dia ory noho ny fijejojejoan'ny olona ratsy fanahy, no novonjeny ho afaka
8 (car ce juste qui habitait parmi eux, les voyant et les entendant, tourmentait de jour en jour son âme juste à cause de leurs actions iniques*,) 8 (fa izany lehilahy marina izany, raha nitoetra teo aminy, dia nahory loatra ny fanahiny marina isan'andro isan'andro noho ny nahitany sy ny nandrenesany ny fandikan'ireo ny lalàna):
9 — le Seigneur sait délivrer de la tentation les hommes pieux, et réserver les injustes pour le jour du jugement, pour être punis, 9 dia fantatry ny Tompo izay hamonjeny ny tsara fanahy amin'ny fakam-panahy sy ny hitehirizany ny olona tsy marina amin'ny fijaliana ho amin'ny andro fitsarana,-
10 mais spécialement ceux qui suivent* la chair dans la convoitise de l’impureté et qui méprisent la domination. 10 indrindra fa izay mandeha araka ny fitarihan'ny nofo hila zava-mahaloto ka manamavo ny manana fahalehibiazana. Ireo efa olona sahisahy, mitompo teny fantatra sady tsy matahotra hiteny ratsy ny manana voninahitra.
11 Gens audacieux, adonnés à leur sens*, ils ne tremblent pas en injuriant les dignités**, tandis que les anges, plus grands en force et en puissance, ne portent pas contre elles de jugement injurieux devant le *Seigneur. 11 Fa ny anjely aza, izay mihoatra amin'ny tanjaka sy ny hery, tsy mitondra fiampangana hitenenan-dratsy azy eo anatrehan'ny Tompo.
12 Mais ceux-ci, comme des bêtes sans raison, [purement] animales, nées pour être prises et détruites, parlant injurieusement dans les choses qu’ils ignorent, périront aussi dans leur propre corruption, 12 Fa ireo kosa izay miteny ratsy ny zavatra tsy fantany (tahaka ny biby tsy manan-tsaina, fa zava-manan'aina fotsiny ihany, izay teraka ho fisambotra sy ho famono) dia haringana tokoa amin'ny fahalotoany,
13 recevant la récompense de l’iniquité*, estimant plaisir les voluptés d’un jour** ; — des taches et des souillures, s’abandonnant aux délices de leurs propres tromperies tout en faisant des festins avec vous ; 13 ary hiharan'ny ratsy ho valin'ny faharatsiany izy. Ataony ho zava-mahafinaritra ny velona vetivety amin'ny fy, ka be pentimpentina sy tsiny izy sady velona amin'ny fy eo amin'ny fanasam-pifankatiavany*, raha miara-mihinana aminareo, [* Na: [amin'ny famitahany].
14 ayant les yeux pleins d’adultère et ne cessant jamais de pécher ; amorçant les âmes mal affermies, ayant le cœur exercé à la cupidité*, enfants de malédiction. 14 manana maso feno fijangajangana, izay tsy mety mitsahatra amin'ny fahotana: dia mamitaka ny tsy miorina tsara izy; ary mampaharatra ny fony amin'ny hafatratry ny fitiavany harena, dia zanaky ny fanozonana izy;
15 Ayant laissé le droit chemin, ils se sont égarés, ayant suivi le chemin de Balaam, [fils] de Bosor, qui aima le salaire d’iniquité* ; 15 efa niala tamin'ny lalana mahitsy izy ka nivily nanaraka ny lalan'i Balama, zanak'i Beora*, izay tia ny tambin'ny tsi-fahamarinana, [*Na: Bosora].
16 mais il fut repris de sa propre désobéissance : une bête de somme muette, parlant d’une voix d’homme, réprima la folie du prophète*. 16 nefa voanatra izy noho ny fahotany: ny boriky moana efa nanao feon'olona ka nisakana ny hadalan'ilay mpaminany.
17 Ce sont des fontaines sans eau et des nuages poussés par la tempête, [des gens] à qui l’obscurité des ténèbres est réservée pour toujours ; 17 Ireo efa loharano ritra, zavona entin'ny tafio-drivotra, ka efa tehirizina ho azy ny fahamaintisan'ny maizina.
18 car, en prononçant d’orgueilleux discours de vanité, ils amorcent par les convoitises de la chair, par leurs impudicités, ceux qui avaient depuis peu* échappé à ceux qui vivent dans l’erreur ; 18 Fa mandoka fatratra ny zava-poana ireo, ka ny filan'ny nofo, dia ny fijejojejoana, no entiny mamitaka ny olona izay saiky afaka tsy ho naman'ny velona eo amin'ny fahadisoana intsony*; [* Na: Satria velona amin'ny filan'ny nofo ireo, dia ny fandokafany fatratra ny zava-poana no entiny mitaona ny olona izay saiky afaka tsy ho naman'ny velona eo amin'ny fahadisoana intsony ho amin'ny fijejojejoana]
19 — leur promettant la liberté, eux qui sont esclaves de la corruption ; car on est esclave de celui par qui on est vaincu. 19 fahafahana no ampanantenainy ireny, kanjo ny tenany aza dia andevon'ny fahalotoana; efa izay maharesy ny olona dia mahandevo avy.
20 Car, si, après avoir échappé aux souillures du monde par la connaissance du Seigneur et Sauveur Jésus Christ, étant de nouveau enlacés, ils sont vaincus par elles, leur dernière condition est pire que la première ; 20 Fa raha misy efa afaka amin'ny fahalotoan'izao tontolo izao noho ny fahalalana tsara an'i Jesosy Kristy, Tompo sy Mpamonjy, nefa voasingotr'izany indray ka resy, ny farany dia ratsy noho ny voalohany.
21 car il leur eût mieux valu n’avoir pas connu la voie de la justice, que de se détourner, après l’avoir connue, du saint commandement qui leur avait été donné ; 21 Fa tsara aminy raha tsy nahalala ny lalan'ny fahamarinana toy izay hiala amin'ny didy masina natolotra azy, rehefa nahalala izany izy.
22 mais ce que dit le proverbe véritable leur est arrivé : Le chien est retourné à ce qu’il avait vomi lui-même, et la truie lavée, à se vautrer au bourbier*. 22 Efa mihatra aminy ny ohabolana marina hoe: "Ny amboa miverina indray amin'ny loany" (Oha. 26. 11), ary: "Ny kisoavavy efa nisasa dia mihosim-potaka indray."
— v. 1* : c. à d. : écoles ou doctrines (non pas schismes), comme en 1 Corinthiens 11:19. — v. 1** : maître d’un esclave, ailleurs seigneur ou souverain ; comme Luc 2:29. — v. 5 : c. à d. : avec sept autres ; Genèse 7:8. — v. 6 (et 6 à 8) : voir Genèse 19. — v. 8 : actes sans loi, sans frein ; voir Hébreux 8:12, et 1 Corinthiens 9:21. — v. 10 : litt.: marchent après. — v. 11* : n’admettant que leur propre opinion ; voir note à Tite 1:7. — v. 11** : litt.: gloires. — v. 13 et 15 : ailleurs aussi : injustice ; comme Jacques 3:6. — v. 13 : ou : de jour, en plein jour, en contraste avec 1 Thessaloniciens 5:7. — v. 14 : ou : exercé à séduire. — v. 16 : Nombres 22. — v. 18 : ou : à peine, à peu près. — v. 22 : voir Proverbes 26:11.  
Chapitre 3 Chapitre 3
1 Je vous écris déjà, bien-aimés, cette seconde lettre ; et, dans l’une et dans l’autre, je réveille votre pure intelligence en rappelant [ces choses] à votre mémoire, 1 [Ny amin'ny hihavian'ny Tompo, sy fananarana noho izany] Ry malala, ity no epistily faharoa soratako ho aminareo ankehitriny, ka izy roroa dia samy entiko mampifoha ny sainareo madio amin'ny fampahatsiarovana,
2 afin que vous vous souveniez des paroles qui ont été dites à l’avance par les saints prophètes, et du commandement du Seigneur et Sauveur par vos apôtres, 2 mba hahatsiarovanareo ny teny voalazan'ny mpaminany masina rahateo sy ny didin'ny Tompo sady Mpamonjy izay nentin'ny Apostoly nirahina ho atỳ aminareo;
3 sachant tout d’abord ceci, qu’aux derniers jours des moqueurs viendront, marchant dans la moquerie selon leurs propres convoitises 3 efa fantatrareo voalohany indrindra fa amin'ny andro farany dia hisy mpaniratsira avy haniratsira, mandeha araka ny filany
4 et disant : Où est la promesse de sa venue ? car, depuis que les pères se sont endormis, toutes choses demeurent au même état dès le commencement de la création. 4 ka manao hoe: Aiza ny teny fikasana ny amin'ny fihaviany? Fa hatrizay nodian'ny razana mandry dia maharitra tsy miova ny zavatra rehetra; eny, hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao aza.
5 Car ils ignorent volontairement ceci, que, par la parole de Dieu, des cieux subsistaient jadis, et une terre [tirée] des eaux* et subsistant au milieu des eaux*, 5 Fa minia jamba ireo ka tsy mahalala fa nisy hatramin'ny ela ny lanitra, ary nisy tany koa, izay niseho avy tamin'ny rano, sady rano no nanaovana azy tamin'ny tenin'Andriamanitra,
6 par lesquelles le monde d’alors fut détruit, étant submergé par de l’eau*. 6 ary rano koa no nandravana izao rehetra izao taloha tamin'ny nanasaforany azy;
7 Mais les cieux et la terre de maintenant sont réservés par sa parole pour le feu, gardés pour le jour du jugement et de la destruction des hommes impies. 7 fa izao lanitra sy tany ankehitriny izao dia hazonin'izany teny izany ho amin'ny afo ka tehirizina ho amin'ny andro fitsarana sy fandringanana ny ratsy fanahy.
8 Mais n’ignorez pas cette chose, bien-aimés, c’est qu’un jour est devant le *Seigneur comme mille ans, et mille ans comme un jour. 8 Nefa, ry malala, izao zavatra iray loha izao no aoka tsy hohadinoinareo: ny indray andro amin'ny Tompo dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona toy ny indray andro.
9 Le *Seigneur ne tarde pas pour ce qui concerne la promesse, comme quelques-uns estiment qu’il y a du retardement ; mais il est patient envers vous, ne voulant pas qu’aucun périsse, mais que tous viennent à la repentance. 9 Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon'ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin'ny fibebahana izy rehetra,
10 Or le jour du *Seigneur viendra comme un voleur ; et, dans ce jour-là, les cieux passeront avec un bruit sifflant, et les éléments embrasés seront dissous, et la terre et les œuvres qui sont en elle seront brûlées entièrement. 10 Fa ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron'ny Tompo, ary amin'izany ny lanitra dia ho lasa amin'ny firimorimoana mafy, ary ho levon'ny afo ny tenan'ny zavatra rehetra*, ka hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy. [* Na: ny masoandro sy ny volana ary ny kintana]
— v. 5 : litt.: de l’eau. — v. 6 : le déluge ; Genèse 7 et 8.  
11 Toutes ces choses devant donc se dissoudre, quelles [gens] devriez-vous être en sainte conduite et en piété, 11 Koa raha ho levona toy izany izao zavatra rehetra izao, dia olona tokony hanao ahoana moa ianareo amin'ny fitondran-tena masina sy ny toe-panahy araka an'Andriamanitra,
12 attendant et hâtant la venue du jour de Dieu, à cause duquel les cieux en feu seront dissous et les éléments embrasés se fondront. 12 sady manantena no mampahafaingana* ny hihavian'ny andron'Andriamanitra, izay hahamay sy hahalevona ny lanitra ary handoro sy hampiempo ny tenan'ny zavatra rehetra*! [* Na: maniry mafy]
13 Mais, selon sa promesse, nous attendons de nouveaux cieux et une nouvelle terre, dans lesquels la justice habite. 13 Kanefa isika, araka ny teny fikasany, dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran'ny fahamarinana.
14 C’est pourquoi, bien-aimés, en attendant ces choses, étudiez-vous à être trouvés sans tache et irréprochables devant lui, en paix ; 14 Koa amin'izany, ry malala, satria manantena izany zavatra izany ianareo, efa mazotoa mba ho hita tsy manan-tsiny amam-pondro eo anatrehan'ny Tompo amin'ny fihavanana.
15 et estimez que la patience de notre Seigneur est salut, comme notre bien-aimé frère Paul aussi vous a écrit selon la sagesse qui lui a été donnée, 15 Ary ny fahari-pon'ny Tompontsika dia ekeo ho famonjena, tahaka ny voasoratr'i Paoly, rahalahy malalantsika, taminareo koa araka ny fahendrena nomena azy,
16 ainsi qu’[il le fait] aussi dans toutes ses lettres, où il parle de ces choses, parmi lesquelles il y en a de difficiles à comprendre, que les ignorants et les mal affermis tordent, comme aussi les autres écritures, à leur propre destruction. 16 tahaka ny ataony ao amin'ny epistiliny rehetra koa, fa milaza izany zavatra izany ao aminy izy; ary amin'ireo efa misy zavatra saro-pantarina, izay aolan'ny olona kely fahalalana sady tsy miorina tsara, tahaka ny anaovany ny teny sasany amin'ny Soratra Masina koa, ka mahatonga fahaverezana ho an'ny tenany.
   
17 Vous donc, bien-aimés, sachant [ces choses] à l’avance, prenez garde, de peur qu’étant entraînés par l’erreur des pervers, vous ne veniez à déchoir de votre propre fermeté ; 17 Koa, satria fantatrareo rahateo izany, ry malala, dia tandremo fandrao ho voataonan'ny fahadisoan'ny ratsy fanahy ianareo ka ho lavo hiala amin'izay iorenanareo;
18 mais croissez dans la grâce et dans la connaissance de notre Seigneur et Sauveur Jésus Christ. À lui la gloire, et maintenant et jusqu’au jour d’éternité ! Amen. 18 fa mitomboa amin'ny fahasoavana sy ny fahalalana an'i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy. Ho Azy anie ny voninahitra ankehitriny sy mandrakizay. Amena.