[ Page principale | La Bible | la Foi - l'Évangile | Affermissement | Défense de la foi | ]

 


 

 

 

Herim- piainana

 

 

“ary ny fiainanareo miara-miafina amin’i Kristy ao amin’Andriamanitra...Kristy fiainantsika…”

Kolosiana 3: 3-4

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

“Puissance de vie”

Bibles et Publications Chrétiennes

30, rue Chateauvert F-26000 Valence

 


FIZAHAN-TAKILA

Herim-piainana

4

 

 

1-    1- Fiainam-baovao miaraka amin’Andriamanitra

7

Andriamanitra no ilay Andriamanitra velona

7

Fiainam-baovao ho mandrakizay omena ny mino

 

9

2- Teraka ao amin’io fiainam-baovao io ary mitombo ao

 

 

12

Teraka ao amin’io fiainam-baovao io

12

Havaozina indray ary mitombo

14

 

 

3- Ireo toetran’ny fiainan’i Kristy

17

Fahatokiana sy finoana

18

Fitiavana

19

·  Fitiavana an’Andriamanitra sy ny Tompo Jesoa

 

19

·  Fitiavana ireo rahalahy kristiana

20

·  Fitiavana ny olona rehetra

21

Fankatoavana sy fahamasinana

22

Fanetrentena sy fahalemempanahy

24

 

 

4- Ireo fanoitra omen’Andriamanitra

26

Kristy, ilay Mpisoronabe ho antsika

27

Ny Tenin’ny fiainana

28

Ny Fanahin’ny fiainana

29

Ny fampiharana amin’ny fiainana ny fahafatesan’i Kristy

 

30

5- Ny fiainana ao amin’ny Fiangonana

 

33

Ny Fiangonana no tenan’i Kristy

33

Ny tranon’Andriamanitra, fiangonan’ilay Andriamanitra velona

 

35

6- Famaranana

38

 

 


 

Herim-piainana

 

“Na iza na iza ianao no maniry fiainana ka tia andro maro hahitana ny soa”[1]

 

Ny olombelona rehetra dia tonga eto an-tany manana io fahefana mahavariana sy tsy takatry ny saina atao hoe “aina” io. Marefo izy io, ary miankina amin’ny tontolo manodidina azy, kanefa dia mikiry mafy tokoa mba haharitra, hiseho, “hiaina”. Na dia ao anatin’ny tontolo mandrahona ny fisiany aza no ahaterahan’ny olona tsirairay, dia tia miaina izy ary mikatsaka izay hanamafy orina sy hanatsara ny fizotran’izany fiainana izany. Ny fomba fihetsiny, dia toy ny manana tanjona iray, mitady fahafaham-po sy fivelarana izay azy samirery ihany. Ny fomba fiainany sy ny zavatra ataony dia hiankina betsaka amin’ny tontolo sy ny zava-nisy nandritra ireo taona voalohany niainany.

Ny antony manosika ny hetsika ataony dia maro karazana tokoa. Maka toerana lehibe ao ny fitiavan-tena, mazava ho azy izany. Ho an’ny sasany, dia ho ady lalandava mba hivelomana izany; ny sasany indray, izay tsy dia manam-pahasahiranana loatra eo amin’ny lafim-pivelomana, dia ho sodokan’ny fitiavan-karena izy ireo; ny sasany indray dia ny fiainana mirimorimo mahadomelina, ny sasany hafa koa dia ny fahefana, ny fahaizana, ny laza. Soa ihany fa maro ireo olona nanana tanjona hafa, na inona na inona vaninandro niseho, dia ny fitiava-namana, ny fandriampahalemana eo amin’ny firenen-tsamihafa, ny fahasitranan’ny fanahy sy vatana... Tsy tena fahasambarana tokoa ve ny mahatsapa fa ny zavatra ataonao dia manamaivana, na dia kely ihany aza, ny fijalian’ny zanak’olombelona… ohatra hoe eo amin’ny lafiny fitsaboana?

Raha tena manan-danja tokoa ny fiainana ara-batana sy ny tontolo manodidina izany, ny tena mamolavola ny toetrany sy ny fizotrany anefa dia ny antony manosika azy hihetsika, ny fihetseham-po, ny fifanakalozana ary ny fifandraisana amin’ny mpiara-belona. “Izany no iveloman’ny olona, ary amin’izany tokoa no iainan’ny fanahiko”[2], hoy i Ezekia mpanjaka fahiny. Ny olombelona tsirairay dia manana fanahy sy fiainana “ara-panahy”. Tsapany tsara ny maha-marefo ny aina sy ny maha-fohy ny andro iainana; fantany fa tsy maintsy ho faty izy. Koa inona àry izany no dikan’ity fikirizany te hiaina ity?

Matetika ny nenina mangidy sy ny fahadisoam-panantenana mangirifiry dia mahatonga ny olona ho leon’ny fiainana. Nefa raha misy olona tena faly tokoa manao zavatra heveriny fa tsara sy kanto, ka mahazo sitraka amin’ny mpiara-belona aminy noho izany, ampy ve izany hanafoana ny fatahorana ny fahafatesana? Ity fiainana manetsika mafy ahy ity ve dia hitsahatra tanteraka?

Hatreto isika dia tsy nijery afa-tsy lafiny iray ihany momba ny fiainan-janak’olombelona, dia ny fisehoany et ivelany sy eo amin’ny fiaraha-monina, izay mihelina ihany. Fa ny fiandohany sy ny hoaviny, aorian’ny fahafatesana izay fantatra fa tsy maintsy hitranga, iza no afaka hampianatra antsika izany ankoatra Ilay nanome azy? Andriamanitra no manome ny aina; ary matoa isika “miaina”, dia efa porofo izany fa misy Andriamanitra. Andriamanitra anefa dia niteny, ary miteny amin’ireo miaina et an-tany Izy.


 

1- Fiainam-baovao miaraka amin’Andriamanitra

 

Resahina ao amin’ny Baiboly iray manontolo ny atao hoe aina. Ndeha hitanisa fiteny sasantsasany isika: “fofonaina”, “hazon’aina”, “fidio ny fiainana”, “loharanon’aina”, “loharano velona”, “mpandova ny fahasoavan’ny fiainana”, “loharano miboiboika ho fiainana”, “ranon’aina”… Ary momba ny Tompo Jesoa, dia voalaza fa “Izy no manana ny fiainana ho Azy”, Izy no manome ny “rano velona”, Izy no “mofon’aina”, Izy no “mampamirapiratra ny fiainana”, izay manaraka Azy dia hahazo ny “fahazavan’ny fiainana”, Izy no “làlana sy fahamarinana ary fiainana”, “fitsanganana amin’ny maty sy fiainana”, ary “fiainana mandrakizay”. Ny filazantsara no “tenin’ny fiainana”, ny Tenin’Andriamanitra rehetra dia “velona”, ny Fanahy dia “Fanahin’ny fiainana”; ny hoe kristiana, dia midika ho “nantsoina ho amin’ny fiainana”.

 

Andriamanitra no ilay Andriamanitra velona

 

Mangetaheta an’Andriamanitra ny fanahiko, dia Andriamanitra velona[3].

 

Andriamanitra no ilay Andriamanitra velona[4]. Ny fanjakan’Andriamanitra no antsoina hoe fiainana[5]. Manana ny fiainana ho Azy Andriamanitra[6], dia ny fiainana feno: fitiavana, fahasambarana, fiadanana, voninahitra… Ny miantso an’Andriamanitra ho toy ilay Andriamanitra velona, dia fanekena fa miasa[7] Izy, manafaka[8] Izy, tsy reraka ary tsy mitsahatra. Fahatsapana koa izany fa fantatr’Andriamanitra izay rehetra atao sy saintsainin’ny olombelona. Tsy misy zavatra miafina aminy. Izy no mamorona, manome ary mihazona ny aina rehetra[9], na ara-nofo izany na ara-panahy. Ka ny fandraisan’ny olombelona Azy, olombelona izay voariny, dia tokony ho feno fahatokiana sy fahatahorana[10].

Noforonin’Andriamanitra ny olombelona, nandray “fanahy velona”, “fofon’aina”[11], kanefa dia nikatsaka ny hitovy lenta amin’Andriamanitra izy, ary izany no nanamelohana azy ho amin’ny fahafatesana. Hatramin’izay, dia tsy misy na inona na inona afaka manome fahafaham-po azy maharitra, fa kosa mitoetra ao anatiny ny hetaheta hiaina, ary Andriamanitra irery ihany no afaka mamaly izany. Nanome valiny mandaitra Izy : «Andriamanitra naniraka ny Zananilahy Tokana tamin’izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin’ny alàlany”[12].

 

Fiainam-baovao mandrakizay omena ny mino

 

Jesoa Kristy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay[13].

 

Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesoa Kristy, Izay efa nirahinao[14].

 

Ao amin’ny Baiboly no anambaràn’Andriamanitra amin’ireo olombelona miaina eto an-tany, fa tsy vitan’ny hoe ho faty izy ireo indray andro any[15], fa koa efa matin’ny fahadisoany sy ny fahotany[16]. Io fahafatesana ara-panahy io dia ny tsy fisian’ny fifandraisana amin’Andriamanitra, ny fahalavirana Azy[17]. Hatramin’ny tsy nankatoavan’ny razambeny fahiny, dia tafasaraka tamin’ilay Mpahary azy ny olombelona, izany hoe tsy nisy fifandraisana taminy intsony, lasa olon-ko azy amin’ny fiainan’Andriamanitra[18]. Mifanohitra amin’izany, ilay fiainam-baovao sy tsy misy fahataperany omen’i Jesoa ny mino, dia ny fiombonana aina amin’Andriamanitra, ny mahalala Azy sy mahalala an’i Jesoa Tompo. Ny idirantsika amin’izany fifandraisana izany dia amin’ny alalan’ny finoana, amin’ny fihainoana sy ny finoana ny Tenin’Andriamanitra, izay antsoina hoe tenin’ny fiainana.

Eny, vaovao tena kanto tokoa izany ! Omen’i Jesoa izay rehetra mino Azy ny fiainany. Nefa mba hahatanteraka izany, dia tsy maintsy nitondra ny fanamelohana ny otantsika Izy ary nampihavana antsika tamin’Andriamanitra. Tsy maintsy nijaly hatrany amin’ny fahafatesana i Jesoa Kristy, mba hahazoantsika fiainana[19].

Tamin’ny nahatongavany, ny nahafatesany ary ny nitsanganany tamin’ny maty, dia “ny filazantsara no nampisehoany (Jesoa Tompo) mazava ny fiainana sy ny tsy fahalòvana mandrakizay”[20]. Noho izany, izay manaiky ny filazantsara dia novelomina, nakambana tamin’i Kristy, Ilay Andrianan’ny fiainana. Velona izy satria velona Jesoa[21]. Ny fahavelomana ara-panahy dia sady zava-misy ankehitriny, efa voaporofo, no fanantenana izay midika fa mbola hitsangana amin’ny maty ny vatana. Andriamanitra no loharano nipoirany, manana toetran’ny any an-danitra izy, ary tsy manam-pahataperana.

Koa miara-miafina amin’i Kristy ao amin’Andriamanitra[22], izany, io fiainam-baovao io, ary tsy tratran’ny fahafatesana sy ny ota. Na dia miafina ao amin’ny loharanony aza io fiainam-baovao io, dia hita ny vokany amin’ny fitondrantena, ny fisainana, sy ny zavatra ataon’ny mino. Fa nahoana? Satria i Jesoa mihitsy no velona ao anatin’izy ireo. Toy ny ikorianan’ny tsiron-java-maniry any amin’ny sampana avy any amin’ny foto-boaloboka[23] no isehoan’ny fiainan’i Jesoa koa eo amin’ny mino tsirairay.

 


 

2-    Teraka amin’io fiainam-baovao io ary mitombo ao

 

 

Teraka amin’io fiainam-baovao io

 

Tsy maintsy hateraka indray ianareo[24].

 

Io tenin’i Jesoa tamin’i Nikodemosy io dia manambara ny amin’ilay fahaterahana indray. Tsy mianina amin’ny fanatsarana ny toetrantsika taloha ny fiainana vaovao, fa kosa vokatry ny fahateraham-baovao mihitsy. “Izay ateraky ny Fanahy dia fanahy”[25].

Koa ahoana àry izany no ahazoana io fiainam-baovao io, io toetra vaovao io[26]? Tsotra ihany: amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy natolotra noho ny fahotantsika ary natsangana tamin’ny maty ho fanamarinana antsika[27]. Izany no zava-miafina feno voninahitra raketin’ny filazantsara. “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zananilahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay”[28]. Mba hahazoana ny fiainam-baovao, tsy ampy ny hoe te hanara-dia an’i Jesoa fotsiny sy haka tahaka Azy. Ny ilaina, araka ny nambaran’i Jesoa, dia ny “mihinana ny nofon’ny Zanak’olona sy misotro ny rany”[29], izany hoe manaiky fa mila ny fahafatesany aho (satria nanota tamin’Andriamanitra) ary mino fa ny fahafatesan’i Jesoa no manadio ahy amin’ny fahotako sy manome ahy ny fiainana.

Ny andraikitsika izany dia ny mino, manaiky ny Tenin’Andriamanitra. “Ary ireto no ilay voafafy teny amin’ny tany tsara, dia izay mandre ny teny ka mandray azy dia mamoa”[30]. Io voan’ny Teny izay nafafy io dia mitsimoka, mitombo ary mamokatra zava-maniry vaovao, kisarisarin’ny fiainan’i Kristy izay mitombo ao amin’ny mino.

Ny fahateraham-baovao, noraisina tamin’ny finoana, dia asan’Andriamanitra. Fa izay rehetra nandray an’i Jesoa, izay rehetra nino Azy, “dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany, dia ireo izay tsy nateraky ny ra, na ny sitrapon’ny nofo, na ny sitrapon’ny olona, fa naterak’Andriamanitra”[31]. Amin’ny alalan’ny Fanahiny sy ny Teniny no anatontosan’Andriamanitra izany fahateraham-baovao izany, io fiovàna mahery vaika sady lalina io, izay ahazoantsika fiainam-baovao, fo vaovao, ary anombohantsika mizotra amin’ny lalam-baovao[32].

Ireo rehetra izay nino an’i Jesoa dia mandray ny Fanahy Masina[33]. Izy no manome hery[34] io fiainantsika vaovao io, izay fifandraisana vaovao amin’Andriamanitra, izay raisintsika ho toy ny Raintsika[35]. Amin’ny alalan’ny Fanahy no iantsoantsika hoe: “Aba, Ray ô”[36], “Ray malala”. Afaka manatona Azy malalaka isika, amin’ny vavaka sy ny fiankohofana eo anatrehany, satria voafafa tamin’ny ran’i Jesoa daholo ny fahotantsika. Ny manatona ny Ray, dia ny fidirana lalina indrindra ao amin’ny fitiavana.

 

Havaozina indray ary mitombo

 

Fa na dia mihalevona aza ny toetray ivelany, dia havaozina isan’andro isan’andro kosa ny toetray anatiny[37].

 

Ao amin’ny zava-boary, dia mihavao isan’andro ny aina. Rehefa miposaka ny masoandro ka manome ny hazavany sy ny hafanany, dia mivelatra ny voninkazo, misioka ny voronkely, mahazo hery vaovao indray ny miaina hatraiza hatraiza. Toy izany koa amin’ny lafiny ara-panahy. Amin’ny alalan’ny Fanahiny no anavaozan’Andriamanitra ny fiainana anaty, ilay fiainam-baovaon’ny mino. Io fiainam-baovao io dia mihavao lalandava, feno fifaliana sy fitiavana tsy mihatonta mihitsy.

Miresaka amintsika momba ny “fanavaozan’ny Fanahy Masina”[38] ny Baiboly. Io fanavaozana io dia misy fiantraikany hita maso amin’ny fitondrantenantsika, toy ny tsy azo amerana ny fikorianan’ny rano avy amin’ny loharano. Anjarantsika ny tsy manakana azy tsy hiasa! Mampitodika antsika amin’i Kristy ny Fanahy Masina, asehony amintsika mazava ny hasoan’ny toetran’i Kristy mba hiderantsika Azy. Miasa amin’ny fanomezana fahasoavana ara-panahy ho an’ny mino izy, ary amin’ny Tenin’Andriamanitra, ny vavaka, ireo fivoriana kristiana, mba “hamahanana” ny fanahintsika amin’ny Tompo. Izany no ahazoantsika hery ho amin’ny fanantenana sy ny fitiavana.

 

Mahavokatra amin’ny asa tsara rehetra sady mitombo amin’ny fahalalana tsara an’Andriamanitra[39].

 

Tsy vitan’ny hoe havaozina ilay fiainam-baovao ao amin’ny mino, tsy mihatonta, fa mitombo izy, mihalehibe. Asaina isika hitombo amin’ny fahasoavana sy ny fahalalana an’i Jesoa Kristy, ilay Mpamonjintsika[40]. Noho ny fahasoavan’Andriamanitra no hanitsiany antsika mba hitondrantsika voa bebe kokoa. Ny hany ataontsika mba itomboana, dia ny miray amin’i Kristy lalandava, toy ny ambaran’ilay ohatra mazava tsara momba ny sampana miray amin’ny foto-boaloboka[41]. Raha tsy eo i Kristy, raha ivelan’i Kristy aho, dia tsy mahavita na inona na inona. Ireo voa rehetra mety hovokariko, voan’ny fitiavana, ny fiadanana, ny fahadiovana, sns, dia avy amin’ny habetsahan’ny vokatra avy amin’i Kristy, dia ilay tena foto-boaloboka.

Tokony hokatsahintsika izay hitomboantsika amin’ny fahalalana ny Tompo Jesoa, mandritra ny fiainantsika manontolo. Na dia i Paoly aza, ilay apostoly lehibe, dia afaka nilaza fa mbola tsy tanteraka[42]. Io fitomboana io dia ho hita taratra amin’ny fiainantsika: hampiseho an’i “Kristy bebe kokoa” izy, ary “ny maha-isika antsika kelikely kokoa”.


 

3-    Ireo toetran’ny fiainan’i Kristy[43]

 

Ndeha ho jerentsika akaikikaiky kokoa ny momba ireo toetra sasantsasany ananan’io fiainam-baovao io, ireo vokatry ny Fanahy Masina ao anatintsika; izany no atao, dia tsy ny handinihana tsy akory raha manana io fiainana io isika na tsia (satria ny faharesentsika lahatra momba izany dia tokony hiorina amin’ny fanambaràn’ny Baiboly), fa kosa hampirisihina antsika haneho io fiainam-baovao io eo ivelany.

Handroso io fiainana io raha miaina ilay fifandraisana amin’i Kristy am-pitokiana isika, dia i Kristy izay loharanon’aina, fa tsy miantehitra amin’ny sain’olombelona tsy manana an’Andriamanitra. Tsy maintsy “mihinana” Azy isika[44], “mijery Azy”, mibanjina Azy amin’ny finoana, ao amin’ny voninahitra. Dia hovàna hahazo ny endriny isika[45].

Amin’izay vao ho hitantsika ny tena atao hoe fiainana kristiana. Tsy vitan’ny hoe manaja fitsipika sasantsasany fotsiny izany, na mirotsaka manao asa marobe, satria azontsika atao tsara izany, nefa ny fontsika lavitra ny Tompo[46]. Tsia, ny fiainana kristiana dia manovo ny heriny, ny fahafenoany, ny maha misy dikany azy ao amin’ny fifandraisana mandrakariva amin’ny Tompo Jesoa, miombona Aminy, mitoetra lalandava eo anatrehany. Hahazo hery isika amin’izay, hankatoavana ny tenin’ny Tompo sy hanatanterahana ireo asa soa nomanin’Andriamanitra ho antsika.

 

Fahatokiana sy finoana

 

Fa ny marina ho velon’ny finoany[47].

 

Ny toetra voalohan’ny fiainana avy amin’Andriamanitra hita ao amin’ny mpino dia ny finoana. Ao amin’ny Baiboly[48] dia mifamatotra tanteraka ny finoana sy ny fiainana, ka tsy azo sarahina. Raha tsy misy ny finoana, tsy misy ny fiainana[49]; raha tsy misy ny asa mampiseho ny fahavelomana, dia maty ny finoana[50]. Ny finoana dia ilay tànana mitsotra mandray ny fampanantenàn’Andriamanitra. Izy izany no fepetra, nefa koa fomba fanehoana, ny fiainana izay mandray avy amin’Andriamanitra ny zavatra rehetra, ary tsy miankina amin’ny heriny samirery.

Raha voavonjy noho ny finoana isika, dia tokony hiaina amin’ny finoana koa. Amin’ny andavanandro izany, ilay fiainana avy amin’Andriamanitra dia miseho ary mitombo amin’ny fitokiana an’Andriamanitra, amin’ny fanantenana Azy. Arakaraka ny hiainantsika amin’ny finoana no hanehoantsika ny fiainan’i Kristy. Raha niteny ny apostoly hoe: “Tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko”, dia nampiany hoe: “Fa izay ivelomako ankehitriny eo amin’ny nofo dia ivelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy”[51].

 

Fitiavana

 

Ny toetra iray koa mampiavaka ny fiainam-baovao ao amin’ny mpino, dia ny fitiavana. Naidin’Andriamanitra tao am-pontsika ny fitiavana, tamin’ny alalan’ny Fanahiny[52]. Miverina any amin’ny loharano nipoirany io fitiavana io, mankany amin’Andriamanitra, ary mipariaka hahatratra ny olona hafa.

 

·         Fitiavana an’Andriamanitra sy ny Tompo Jesoa

 

Isika tia, satria Izy efa tia antsika taloha[53].

 

Ny ilazana ny kristiana dia olona tia an’Andriamanitra[54]. Mikatsaka ny fanatrehan’Andriamanitra izy ireo, ary antsoina haneho ny fitiavany Azy amin’ny fitandremana ny didiny sy ny fitiavana ny rahalahiny[55].

Ho an’ny tsy mino, izay rehetra mikasika an’i Jesoa dia tsy dia misy dikany loatra, raha atao bango tokana. Ny mifanohitra amin’izany ny an’ny kristiana: tia ny Tompo Jesoa izy[56]. Tafalentika lalina ao am-pony ny fanajana ny Tompony[57]. Ny fifaliany, dia ny mamaky izay rehetra momba an’i Jesoa, ny miresaka ny Tompony amin’ny olon-kafa, ary koa ny manompo Azy, ny miandry Azy, ny mankatò Azy. Io fitiavany ny Tompo Jesoa io, io fifaliana ao anatiny io, no fanehoana anaty sy mihavao lalandava, ilay fiainam-baovao.

 

·         Fitiavana ireo rahalahy kristiana

 

Fantatsika fa efa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana isika satria tia ny rahalahy[58].

 

Izay rehetra “nateraka indray” dia manana fitiavana ireo rahalahiny kristiana. Zava-misy ao anaty io fitiavana io. Nefa dia voatery ihany isika manaiky sy milaza, na an-dranomaso aza, fa misy fotoana tsy ahafahantsika mampiseho izany, tsy ifankatiavantsika araka ny didin’ny Tompo. Koa ahoana àry no fomba ahazoantsika mampiseho izany fitiavana izany ho hitan’ny hafa? Tsotra ihany aloha: raha sendra nanafintohina ny rahalahiko aho, dia manatona azy ka miteny aminy hoe: “mamelà ahy”. Io no dingana voalohany. Ary koa tsy maintsy mamela heloka amin’ny fo manontolo, ka mampiseho izany amin’ny fihetsika isika.

Ny fitiavana kristiana dia fitiavana mahitsy. Ny fitadiavana marimaritra iraisana amin’ny faharatsiana dia tsy tena fitiavana[59]. Ny fitiavana kristiana dia mora tohina, feno hamorampo. Miara-mitomany amin’izay mitomany izy ary miara-mifaly amin’izay mifaly[60]. Miseho amin’ireo fanompoana madinika isan’andro izy, amin’ny fiantrana, ny fahamorampo, ny fahafoizan-tena, ny fikatsahana ny fahamarinana, ny fankatoavana ireo didin’Andriamanitra…

 

 

·         Fitiavana ny olona rehetra

 

Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo — mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra ianareo[61].

 

Ampirisihina ny mino ho tia, tsy ireo rahalahiny kristiana ihany, fa koa ny olona manodidina azy, izay manakaiky azy. Ny fitiavana ny namana, dia miatomboka amin’ny fijerena izay mikasika azy, fanajana azy, ary koa fanompoana azy. Ny fitiavana koa, dia ny faniriana fatratra ny hahafantarany an’i Jesoa ho toy ny Mpamonjiny manokana. Ry kristiana, tsy tokony hijery ny tenantsika ihany isika, fa hijery ny hafa koa. Raha tiantsika ny namantsika, dia hivavaka ho azy isika, ary haharesy ny tahotra ka hijoro ho vavolombelona manambara an’i Jesoa, ombàn’ny fanampian’ny Tompo.

Ny kristiana dia ampirisihina koa ho tia ny fahavalony, toy ny Tompony, izay nivavaka ho an’ireo izay nanombo Azy, ary nanome ny ainy ho azy ireo. Nandritra ny taonjato nifandimby, ary mandraka ankehitriny, dia maro ireo kristiana nahay naneho fitiavana an’izay nankahala azy, nivavaka ho azy ireo, nanao soa azy ireo. Ny fitiavana toy izany dia fijoroana ho vavolombelona mahery vaika tokoa maneho ny fisian’ilay fiainam-baovao, satria tsy vokatry ny herintsika izany. Vokatry ny Fanahin’Andriamanitra ao am-pontsika izany, ka tokony asehontsika.

 

 

 

Fankatoavana sy fahamasinana

 

Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô, no sitrako[62].

 

Ny fiainam-baovao noraisintsika dia ilay namirapiratra tao amin’i Kristy. Ka mba hahafantarana azy bebe kokoa, dia ndeha hojerena ny fomba niainan’i Jesoa. Ny fifaliany, ny zavatra tiany, ny sakafony, dia ny nanao ny sitrapon’ny Rainy. Voantso hanaraka an’i Jesoa Kristy isika[63], ary hampiseho fankatoavana toy ny nataony. Tsy fankatoavana toy ny an’ny andevo, fa mariky ny fitiavantsika ny Ray. Vokatry ny asan’ny Fanahiny izay manoratra ny lalànan’Andriamanitra ao am-pontsika izany[64]. Ilaina ny fankatoavantsika, hisitrahana ny tombontsoa entin’ny fahasoavan’Andriamanitra. Fitaovana io fankatoavana io fa tsy antony.

Ny Fanahy Masina no manome antsika ny faniriana sy fahaizana mankatò ny Tompo Jesoa, nefa tsy manao izany eo amin’ny toerantsika Izy tsy akory. Andraikitsika ny mankatò.

Mifandraika amin’izany ny momba ny fahamasinana.

Ampifanoherin’ny Baiboly ny ota sy ny fahafatesana, andaniny, ary ny fiainana sy ny fahamasinana[65], ankilany. Andriamanitra, izay loharanon’ny aina, dia masina. Ny aina foroniny ao amin’ny mino dia masina. Ny fahamasinana izany dia fanomezan’Andriamanitra. Fanomezana voalohany sy tsy azo ovana, izay raisintsika rehefa mino ny Tompo Jesoa isika[66]. Ary ampirisihina isika handroso amin’ny fampiharana izany fahamasinana izany eo amin’ny fiainantsika andavanandro[67].

Raha ao anatintsika ny fiainan’i Kristy, dia tsy afaka ny tsy haniry ny fahamasinana isika. Rehefa manota ny kristiana iray, dia mahatsiaro hafahafa izy. Tsapany fa misy efitra manasaraka azy amin’Andriamanitra, ary very ilay fifaliany anaty. Ny vahaolana amin’izay, dia tsy ny fitadiavana ny fahamasinana amin’ny ezaka ataontsika, fa ny mitoky amin’ny fahasoavan’Andriamanitra, mba hialàna amin’ny ratsy sy hanaovana ny tsara. Ny fitiavan’Andriamanitra izay mitaky ny fahamasinana amintsika no hahatonga izany, raha mitoetra eo anilany isika.

 

Fanetrentena sy fahalemempanahy

 

Fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho[68] (hoy Jesoa).

 

Voalaza fa ny fanetrentena no ravaky ny fahamasinana. Nanamarika an’i Jesoa izany nandritra ny fiainany tetỳ an-tany. Na nandritra ny fiainany, na tamin’ny nahafatesany, dia nasehon’i Jesoa hatrany ilay fitiavana avy amin’Andriamanitra izay manetry tena, feno halemempanahy sy fahamorampo mba hahazo ny fontsika sy hanafaka antsika amin’ny ratsy.

Ny fiainan’i Kristy ao anatintsika dia mbola miseho amin’ny fanetrentena mandrakariva, nefa raha ara-boajanahary isika, dia miavona. Nefa ampy ny fahasoavany hihazona io avonavona io ho ao amin’ny fahafatesana. Aoka hekena izay mampietry antsika, izay manilika antsika, mba hamirapiratra ao anatintsika ilay fiainan’i Jesoa. Izany no tena fahamboniana ho antsika, ary ao amin’ny fanompoana no ahitantsika izany.

Mbola be ireo toetra manamarika ny fiainam-baovao ao amin’ny mino, toetra izay vokatry ny Fanahy: fitiavana, fifaliana, fiadanana, faharipo, fahalemempanahy, fahatsarampanahy, fahatokiana, fahamorampanahy, fahaizana mifehy tena[69].


4-     Ireo fanoitra omen’Andriamanitra

 

Alohan’ny hiresahantsika ny fanoitra nomen’Andriamanitra mba hanehoantsika ny fiainan’i Jesoa, dia ndeha aloha hojerentsika vetivety ireo sakana misy. Tsy inona ireo fa: Satana, izao tontolo izao ary ny nofo.

Tsy afaka manaisotra ny aina ao amin’ny zanak’Andriamanitra i Satana[70], kanefa dia hilofo izy hanakana azy tsy hitombo sy tsy hiseho eo ivelany. Ny ampiasainy amin’izany dia ny fanenjehana na ny fakàm-panahy eo amin’izao tontolo izao sy ny nofo. Nefa afaka mandresy isika raha mitoetra ao amin’i Kristy[71].

“Fa raha velona araka ny nofo ianareo, dia tsy maintsy maty”[72].

Ao amin’ny Baiboly, ny voambolana hoe “nofo” dia mahàlana no milaza ny vatana, fa ny dikany dia hoe ilay toetra maha-mpanota. Ny nofo dia tsy vitan’ny hoe mamokatra ireo fahotana mibaribary halan’ny feon’ny fieritreretana, fa loharanon’ny zavatra rehetra ao anatintsika ao manohitra ny sitrapon’Andriamanitra. Ny famelàna ny nofo hahazo vahana dia mitondra fahafatesana[73]. Ohatra, ny fanakianana be fahatany sy ny fifosafosana dia mamafy fahafatesana[74]. Aoka isika hitandrina momba izay resaka ataontsika, indrindra eo anivon’ny fianakaviana.

“Izao tontolo izao kosa dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa”[75]. Toa manintona izao tontolo izao, kanefa tsy misy na inona na inona omeny hamahanana ilay fiainana nomen’Andriamanitra antsika. Ny mifanohitra amin’izany aza ! Mamahana ny nofo izao tontolo izao ary mahatonga antsika ho leon’ny mofon’aina. “Raha misy olona tia izao tontolo izao, dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray”[76]. Inona moa ireo hanina omen’izao tontolo izao? Anjaran’ny tsirairay ny mametra-panontaniana ny amin’izany. Izay rehetra mampiala antsika amin’i Kristy dia tsy mitondra fiainana ary mampanalavitra antsika an’Andriamanitra.

Hisaorana anie Andriamanitra! Manome antsika fanoitra Izy mba hanehoantsika ny fiainan’i Jesoa.

 

Kristy, ilay Mpisoronabe ho antsika

 

Koa amin’izany, dia mahavonjy tokoa izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany Izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy. Fa Mpisoronabe tahaka izao no miendrika ho antsika : dia Izay masina, tsy misy tsiny, tsy misy loto, voasaraka amin’ny mpanota ka natao avo noho ny lanitra[77].

 

Fa isika tsy manana mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika, fa Izay efa nalaim-panahy tamin’ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota. Koa aoka isika hanatona ny seza fiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin’izay andro mahory[78].

 

Mba hiaina amin’ny andavanandro ho voninahitr’Andriamanitra, dia mila mpisorona ny mpino. Io mpisorona io dia i Kristy, izay mivavaka sy mihaino ny vavaky ny olony ary manampy azy ireo. Izy no ilay Mpiandry tsara mikarakara antsika, ilay namana akaiky antsika indrindra.

 

Ny Tenin’ny fiainana

 

Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra[79].

 

Ny tenin’ny Tompo dia fanahy sy fiainana[80], mamelona antsika[81]. Ny Teny no mamahana ilay fiainana nomen’Andriamanitra antsika, noho ny asan’ny Fanahy Masina, satria izy no manambara amintsika an’i Kristy, ilay mofon’aina. Amin’ny alalan’ny Fanahy no iverenantsika ao amin’i Kristy raha mamaky ny Baiboly, no anasana antsika ho afaka amin’ny loto rehetra azontsika eny an-dàlana eny. Miasa ao amin’ny fanahintsika ny Tenin’Andriamanitra mba hamantarantsika izay tadiavin’Andriamanitra isaky ny zava-mitranga amin’ny fiainantsika.

Ankoatra izany, amin’ny alalan’ny Teny — alentiky ny Fanahy ao am-po sy saintsika — no anambaràn’Andriamanitra ny tenany amintsika, isehoany amin’ny fanahintsika. Ny famakiana ny Baiboly, ny fivavahana amin’Andriamanitra no ahafahantsika mifandray amin’Andriamanitra.

 

Ny Fanahin’ny fiainana

 

Izay mino Ahy, hoy i Jesoa, dia hisy onin’ny rano velona hiboiboika avy ao an-kibony… Ary ny Fanahy, Izay efa horaisin’ny mino Azy, no nolazainy tamin’izany[82].

 

Tsy mandao antsika ny Fanahy Masina rehefa naterany indray isika. Tonga monina ao anatintsika Izy[83]. Ny Tompo Jesoa no monina ao anatintsika amin’ny alalan’ny Fanahiny[84]. Izy no manome antsika ilay fiainam-baovao sy mitandro azy; ary ireo fientanam-po, faniriana, fisainana dia vaovao tanteraka, sady mifanohitra amin’ny asan’ny nofo[85].

Fanahin’ny aina izany, onin-drano velona. Mandray “an’i Kristy” izy, ary manambara izany amintsika. Ambonin’izany, mahatonga antsika handresy ny fahotana izy[86]. Izy no herin’ny fiainana, dia ireo onin-drano velona mikoriana ao anatintsika ao.

 

Ny fampiharana amin’ny fiainana ny fahafatesan’i Kristy

 

Mitondra ny fahafatesan’i Jesoa mandrakariva ao amin’ny tena izahay, mba haseho ao amin’ny tenanay koa ny fiainan’i Jesoa[87].

 

Hoy ny apostoly: “Voahombo miaraka amin’i Kristy amin’ny hazofijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko”[88]. Ny hahitana an’i Kristy amin’ny toetrantsika manontolo sy izay rehetra ataontsika no iantsoana antsika, satria Izy no fiainantsika. Mba hahatanteraka izany, dia tsy maintsy ailika ny maha-isika antsika, dia ilay “izaho” izany. Raha te-hanara-dia an’i Jesoa, dia tsy maintsy mitondra ny hazofijaliany[89], mamono ireo asan’ny nofo ao amintsika sy izay rehetra mety ho tsy fiankinana amin’Andriamanitra. Ny fitokisantsika amin’ny fahasoavan’Andriamanitra no hahazoantsika hery hanaovana izany, ary ny fieritreretantsika an’i Kristy sy izay zavatra rehetra mampiseho ny voninahiny amin’ny maha-olombelona Azy any an-danitra[90].

Io fahitana an-danitra io no hahatonga antsika hanaiky ireo zava-tsarotra miseho eo amin’ny fiainantsika. Eo an-tànan’Andriamanitra, ireny dia “fitaovana” hampamirapiratana ny fiainan’i Jesoa ao anatintsika. Io làlana mahangirifiry hanalantsika izay rehetra maha-isika antsika io dia hiseho any am-parany fa anisan’ny làlan’ny fiainana. Enga anie isika ka hahazo hery hikatsaka an’i Kristy sy ny fiombonana Aminy, amin’ireo zava-tsarotra manjo antsika! Fa isika “dia atolotra ho amin’ny fahafatesana mandrakariva noho ny amin’i Jesoa, mba haseho ao amin’ny nofo mety maty koa ny fiainan’i Jesoa”[91] ary atolotra ny rahalahintsika rehefa miresaka aminy momba an’i Kristy isika.

Ny fisian’ny fiainan’i Kristy ao anatintsika dia tsy mahatonga antsika ho tsy maintsy haharitra ny mafy tsy akory. Ny mifanohitra amin’izany aza! Arakaraka ny hanahafan’ny kristiana iray ny Tompony no hahatonga azy ho mora tohina sy mahay mandanjalanja. Manana ny fiainan’i Kristy isika, Izy izay nitomany sy nahatsapa hovitra tao anaty, ary nalahelo am-panahy. Izany no voninahitry ny fivavahana kristiana: mampiseho ny fiainan’ny Tompo Jesoa amin’ny maha olona antsika, manam-petra, mijaly, marary indraindray, fa koa faly sy manantena.


5-    Ny fiainana ao amin’ny Fiangonana[92]

 

Ny Fiangonana no tenan’i Kristy

 

Fa mba hanaraka ny marina amin’ny fitiavana ka hitombo amin’ny zavatra rehetra ho amin’Izay Loha, dia Kristy; Izy no itomboan’ny tena rehetra (izay akambana sy ampiraisina tsara) noho ny fifanompoan’ny isan-tonony, araka ny fiasan’izay rehetra momba azy amin’izay mety ho anjara asany avy ka hampandrosoany ny tenany amin’ny fitiavana[93].

 

Nanolotra ny ainy ny Tompo Jesoa mba hahazoan’izay rehetra mino Azy ny fiainana mandrakizay, ary hahafantarany an’Andriamanitra ho toy ny Rainy sy Jesoa ho toy ny Tompony sy Mpamonjy azy. Fa maty koa i Jesoa mba hanangona ho iray ireo zanak’Andriamanitra miely[94]. Natsangana tamin’ny maty sy nasandratra am-boninahitra Izy, ary naniraka ny Fanahy Masina hamorona ny Fiangonana, hanao batisa ny mino rehetra ho tonga vatana iray, dia ny tenan’i Kristy[95].

Io tena io izany dia fikambanan’ireo mpino rehetra izay nateraka indray. Amin’ny alalan’ny Fanahy no iraisan’ny tsirairay aina amin’ny Loha, dia i Kristy. Avy amin’ny Loha no idinan’ny fahasoavana rehetra, ny fisehon’ny fiainana rehetra izay miparitaka eran’ny vatana, ary miara-miasa ny isan’izany vatana izany, araka ny anjarany avy, mba hampitombo ny vatana sy hampiorina azy amin’ny fitiavana. Io fitomboana io, io fiorenana io dia tsy vita raha tsy miombona aina mandrakariva amin’ny Loha ny ratsam-batana rehetra. Satria tsy manana aina ny vatana raha tsy miray amin’ny loha, ary tsy afaka mitombo raha tsy amin’ny alalany. Izay no maha-zava-dehibe ny fihazonana mafy ny Loha[96], ny fitandroana mandrakariva ny fiombonana aina marina sy manokana amin’i Kristy ary ny fanekena ny fahefany.

Voantso hanatanteraka izany fiaraha-miaina izany isika, amin’ny fivoriantsika manodidina an’i Kristy, ao amin’ny fiangonana, toy ny anisan’ny vatany, ary mifampiankina, toy ny ifampiankinan’ireo zavatra anisan’ny tena iray ihany. Asehontsika koa izany fiaraha-miaina izany amin’ny fifampiahiantsika rehetra amin’ny zavatra miseho eo amin’ny fiainana ary amin’ny fifanekentsika noho ny fatahorana an’i Kristy[97].

Zava-misy ary velona ny tenan’i Kristy. “Ary raha mijaly ny anankiray amin’ny momba ny tena, dia miara-mijaly avokoa izay rehetra momba ny tena; fa raha omem-boninahitra kosa ny anankiray amin’ny momba ny tena, dia miara-mifaly avokoa izay rehetra momba ny tena”[98]. Ampirisihina isika hiaina izany fahamarinana izany eo amin’ny fiainantsika andavanandro, ho mora tohina amin’ny zava-manjo ny rahalahintsika kristiana, ny fahoriany, ny fifaliany.

 

Ny tranon’Andriamanitra, fiangonan’Ilay Andriamanitra velona

 

Nanandrana ianareo fa tsara ny Tompo, Izay hatoninareo toy ny vato velona… ka dia atsangana koa ianareo tahaka ny vato velona ho trano fanahy, ho fisoronana masina, hanatitra fanati-panahy sitrak’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy[99].

 

Ao amin’ny Testamenta Vaovao, dia raisina ho toy ny tranon’Andriamanitra koa ny Eglizy, ho Fiangonan’ilay Andriamanitra velona. Ireo mpino tamin’ny Testamenta Taloha dia nikatsaka ilay Andriamanitra velona[100]. Ankehitriny, dia mitoetra ao amin’ny Eglizy Andriamanitra, amin’ny alalan’ny Fanahiny. Mampahery sady manan-danja tokoa ny fieritreretana izany. Mampahery, satria ny fanatrehan’Andriamanitra dia loharanom-piainana; manan-danja, satria ny fitondrantenantsika dia tsy maintsy mifanaraka amin’izany fanatrehany izany[101].

Koa noho izany, dia afaka manontany tena isika. Ry kristiana, rehefa tonga manatrika ny fivoriana ao am-piangonana isika, manodidina ny Tompo Jesoa, tena Izy marina ve aloha no tiantsika ho hita, Izy ve no hatonintsika, Izy ve no itokisantsika?

Ny fanatonantsika ny Tompo no mampiorina antsika, miha-mafy ny finoantsika, havaozina, hitombo. Misy fivoarana ho an’ny tsirairay sy ho an’ny rehetra. Io fanatrehan’ny Tompo eo anivon’ny olony io koa dia hery mandresy lahatra ny olona sendra mandalo: “Fa raha… miditra ny tsy mino… dia hiankohoka izy ka hivavaka amin’Andriamanitra sady hilaza fa Andriamanitra dia ao aminareo marina tokoa”[102].

Satria ny fiangonana no toerana misy ny fanatrehan’Andriamanitra sy ny Tompo Jesoa, dia toeram-piainana sy fitahiana izy noho izany. “Fa voadidin’i Jehovah ho eo ny fitahiana, dia fiainana ho mandrakizay”[103]. Toerana masina io, atokana ho an’Andriamanitra, izay ahazoan’ny fiainana mivelatra ary anesorana ny ratsy. Eo no ahatsapana, amin’ny asan’ny Fanahy Masina, ny fanatrehan’Andriamanitra, ny fikarakaràny, ny fitiavany. Ny Fanahy Masina, izay herim-piainana, fofon’aina avy amin’Andriamanitra, no mamelombelona, mampahery, mampitombo ilay fiainam-baovao ao amin’ny mpino mivory eo, indrindra fa amin’ny alalan’ny Teny izay ambaran’ny iray na ny hafa. Aoka isika hiambina mba tsy hamono ny Fanahy[104] amina eritreritra na fiziriziriana na fihetsika hisakana ny asany feno fitahiana ho antsika.


6-   Famaranana

 

Ho an’izay manan-karena (ary samy mba manana zavatra daholo isika tsirairay avy), dia loza mananontanona ny dify io tena fiainana io[105]. Mety hitondra tena toy ireo tsy manana ny fiainan’Andriamanitra isika. Mety hatory ara-panahy isika[106]. Ny loza iray hafa koa dia ny manolo ny fisehoan’ny fiainan’ny Tompo Jesoa amina asa isan-karazany, fitadiavana traikefa samihafa, fanangonana fahalalana.

Tsy misy fahazavana raha tsy misy an’i Jesoa Kristy, eo amin’ny lafiny ara-moraly sy ara-panahy. “Izy (ny Teny, Kristy) no nisiam-piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona”[107]. Ny fiainana avy amin’Andriamanitra, izay nambaran’i Jesoa, no manazava antsika momba ny tena tsara. Tsy azontsika atao ny “mandray ambanimbany kokoa”: ny tena fivavahana kristiana, dia ny fanehoana ny fiainan’i Jesoa. Io fitakiana io dia hentitra lavitra, ary lalina lavitra, noho ny nangatahan’ny lalànan’i Mosesy. Ilay hafatra antsoina hoe “toriteny teo an-tendrombohitra” dia mihoatra ny takian’ny Testamenta Taloha, hanehoana ny fiainan’ny Tompo Jesoa: tia ny fahavalonao, mivavaka ho an’izay manisy ratsy antsika, sns[108].

Fony tetỳ an-tany i Jesoa, dia Izy no fahazavan’izao tontolo izao, Izy no fahazavan’ny fiainana. Tao Aminy no nitoeran’ny fahafenoan’Andriamanitra. Ankehitriny, dia ankinina amin’ny kristiana tsirairay ny fanehoana io fiainana avy amin’Andriamanitra io, ary koa amin’ny Eglizy, satria io no tranon’Andriamanitra velona.

Enga anie isika ka hahatanteraka tsaratsara kokoa hatrany ity vavaka ity:

 

Ho ahy, ny fiainako dia i Kristy! Enga anie ka izany no ho teny filamatr’ireo voavidinao rehetra. Enga anie ka izany no holazain’ny tsirairay, ary enga anie ka hahay hanatanteraka izany izy rehetra.

 

Ho an’ireo rehetra manana ny fiainana mandrakizay no anambaràn’ny Baiboly zava-miafina iray: “Tsy hodimandry avokoa isika rehetra, fa vetivety, toy ny indray mipy maso, rehefa maneno ny trompetra farany, dia hovana isika rehetra; fa hotsofina ny trompetra, ary ny maty hatsangana tsy ho lo intsony, ary isika hovana. Fa ity mety lo ity tsy maintsy hitafy ny tsy fahalòvana, ary ity mety maty ity tsy maintsy hitafy ny tsy fahafatesana. Fa rehefa mitafy ny tsy fahalòvana ity mety lo ity, ary mitafy ny tsy fahafatesana ity mety maty ity, dia ho tanteraka ny teny voasoratra hoe: ‘Ny fahafatesana noresena ka levona’. ‘Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô, aiza ny fanindronanao?’ Fa ny ota no fanindronan’ny fahafatesana; ary ny lalàna no herin’ny ota. Fa hisaorana anie Andriamanitra, Izay manome antsika ny fandresena amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika!”[109]

 

 


 

 

Misy asasoratra maromaro ireto, hameno ny fanazavana mikasika ity lohahevitra hitanao tato ity. Mandrisika anao izahay hamaky azy ireto:

 

Ny fahateraham-baovao; ireo toetra roa karazana sy ny fizorana araka ny Fanahy.

 

Ndeha handroso… hatrany Aminy (tantara vitsivitsy tsotra ho an’ny tanora).

 

Ireo fahamarinana ifotony momba ny famonjena, E. Dennett.

 

Ny fiombonana kristiana, A. Remmers.

 

Ny voninahitry ny Tompo Jesoa ara-moraly, J.G.Bellett.

 

Ny Fiangonan’Ilay Andriamanitra velona, A. Gibert.

 

 

 

 


Herim-piainana

 

 

Amboaram-boky 10x15

ahitanao fanazavana tsotra

avy amin’ny Baiboly

 

Nahoana no navoaka

izao amboaram-boky 10x15 izao ?

 

 

Natonta tamin’ny taratasy manify ireo boky, ary natao tafiditra anaty valopy. Natao indrindra ho fampitomboana an’ireo mpamaky liana amin’ny Tenin’Andriamanitra ireo bokikely rehetra ho hitanao ato amin’ity amboara ity. Amidy amin’ny vidiny mirary izy ireo, ary mamaly araka ny Tenin’Andriamanitra an’ireo fanontaniana fametraky ny olona matetika.

 

 



[1] Salamo 34. 12

[2] Isaia 38. 16

[3] Salamo 42. 2

[4] Nomery 14. 21; Deoteronomia 5. 26; Matio 16. 16, sns

[5] Marka 9. 43

[6] Jaona 5. 26

[7] Josoa 3. 10

[8] 2 Mpanjaka 19. 4; Daniela 6. 20

[9] Asa 17. 25

[10] Isaia 40. 28; Hebreo 10. 31

[11] Genesisy 2. 7

[12] 1 Jaona 4. 9

[13] 1 Jaona 5. 20

[14] Jaona 17. 3

[15] Hebreo 9. 27

[16] Efesiana 2. 1

[17] Lioka 15. 24. Satria ao amin’ny Baiboly, ny fahafatesana dia tsy ny tsy fisian’aina intsony, fa ny tsy fisian’ny fifandraisana amin’Andriamanitra.

[18] Efesiana 4. 18

[19] Jaona 6. 54; 12. 24

[20] 2 Timoty 1. 10

[21] Romana 6. 8; Jaona 14. 19

[22] Kolosiana 3. 3

[23] Jaona 15. 4

[24] Jaona 3. 7

[25] Jaona 3. 6

[26] 2 Petera 1. 4

[27] Romana 4. 25

[28] Jaona 3. 16

[29] Jaona 6. 53

[30] Marka 4. 20

[31] Jaona 1. 12-13

[32] Jaona 3. 5

[33] Efesiana 1. 13

[34] Asa 1. 8

[35] Talohan’ny nahatongavan’i Kristy, dia nisy koa ny mpino, toa an’i Abrahama ohatra, izay nohamarinina noho ny finoana (Romana 4. 3,5). Nomen’Andriamanitra azy io “fanamarinana ho fiainana” io, satria nijery izay asa hataon’i Kristy eo amin’ny hazo fijaliana at aoriana Izy (Romana 5. 18,19). Ny mpino tamin’ny vanim-potoanan’ny Testamenta Taloha koa izany dia nanana fiainam-baovao, saingy tsy nahazo ny fanomezana ny Fanahy Masina izy ireo, satria tsy azo nalefa honina ao amin’ny mino ny Fanahy Masina raha tsy taorian’ny nanandratana an’i Kristy tam-boninahitra (Jaona 7. 39). Talohan’izany, dia efa niasa tet an-tany ihany ny Fanahy Masina, afaka nanome tsindrimandry olona, ary nampiasa azy ireo, saingy tsy nonina tao aminy.

[36] Romana 8. 15

[37] 2 Korintiana 4. 16

[38] Titosy 3. 5

[39] Kolosiana 1. 10

[40] 2 Petera 3. 18

[41] Jaona 15. 2

[42] Filipiana 3. 12

[43] Ny toetran’i Kristy dia tsy afaka hiseho raha tsy ao amin’ireo olona efa nahazo ny fiainany, dia ireo mpino efa nateraka indray. Ny fikatsahana ny hanahaka an’i Jesoa nefa tsy manaiky ny asa famonjena vitany, amin’ny finoana, dia tsy misy dikany ary mety hampidi-doza.

[44] Jaona 6. 34

[45] Hebreo 12. 2; 2 Korintiana 3. 18

[46] Matio 15. 8

[47] Habakoka 2. 4

[48] Jaona 3. 16

[49] Jaona 3. 36

[50] Jakoba 2. 17

[51] Galatiana 2. 20

[52] Romana 5. 5

[53] 1 Jaona 4. 19

[54] Romana 8. 28

[55] 1 Jaona 4. 21; 5. 2

[56] Jaona 8. 42

[57] 1 Korintiana 12. 3

[58] 1 Jaona 3. 14

[59] 1 Korintiana 13. 6

[60] Romana 12. 15

[61] Matio 5. 44,45

[62] Salamo 40. 8

[63] 1 Petera 1. 2

[64] Ezekiela 36. 27; Jeremia 31. 33

[65] Jakoba 1. 15; Romana 6. 22

[66] 1 Korintiana 1. 30

[67] Hebreo 12. 14; 2 Korintiana 7. 1

[68] Matio 11. 29

[69] Galatiana 5. 22,23

[70] Jaona 10. 28,29

[71] 1 Jaona 5. 18

[72] Romana 8. 13

[73] Romana 6. 23; 8. 6

[74] Jakoba 3. 8

[75] 1 Jaona 5. 19

[76] 1 Jaona 2. 15

[77] Hebreo 7. 25,26

[78] Hebreo 4. 15,16

[79] Hebreo 4. 12

[80] Jaona 6. 63

[81] Salamo 119. 50

[82] Jaona 7. 38

[83] 1 Korintiana 6. 19

[84] Efesiana 3. 16,17

[85] Galatiana 5. 16-26

[86] Jaona 16. 14. Romana 8. 2

[87] 2 Korintiana 4. 10

[88] Galatiana 2. 20

[89] Matio 10. 38

[90] 2 Korintiana 3. 18

[91] 2 Korintiana 4. 11

[92] Ao amin’ny Testamenta Vaovao, ny atao hoe Eglizy (na Fiangonana) dia na ny fitambaran’ny kristiana rehetra, ireo izay nahazo ny fiainam-baovao, ny fiainan’i Jesoa Tompo, ary voaisy tombo-kase tamin’ny Fanahy Masina, na ny mpino rehetra eo amin’ny toerana iray. Voalaza koa ny momba ny mpino mivory ho fiangonana (1 Korintiana 12. 18). Ny mpino tamin’ny Testamenta Taloha dia tsy isan’ny Eglizy akory. Nanana ny fiainana izy ireo, fa ny naha-samy hafa azy amintsika (izay kristiana), dia tsy teo amin’ny votoatin’ny fiainana tsy akory (naterak’Andriamanitra toa antsika koa izy ireo), fa teo amin’ny nameloman’i Kristy antsika sy ny nandraisantsika ny Fanahy Masina.

[93] Efesiana 4. 15-16

[94] Jaona 11. 52

[95] 1 Korintiana 12. 13

[96] Kolosiana 2. 19

[97] Romana 12. 5; 1 Korintiana 12. 25; Efesiana 5. 21

[98] 1 Korintiana 12. 26

[99] 1 Petera 2. 5

[100] Salamo 84. 2

[101] 1 Timoty 3. 15

[102] 1 Korintiana 14. 23-25

[103] Salamo 133. 3

[104] 1 Tesaloniana 5. 19

[105] 1 Timoty 6. 19

[106] Matio 25. 5

[107] Jaona 1. 4

[108] Matio 5 hatramin’ny 7

[109] 1Korintiana 15. 51-57