[ Page principale | La Bible | la Foi - l'Évangile | Affermissement | Défense de la foi | ]


 

 

Taratasy

momba

 

ny maha-ANDRIAMANITRA

 an’i

JESOA KRISTY

 

 

 

 

 

Lettre sur la divinité de Jésus Christ


 

Taratasy momba ny maha-Andriamanitra an’i Kristy

 

 

Tompoko,

 

Ny boky famakafakana nosoratanao dia mba ahafahako mivalampatra kokoa ny amin’ny porofo ao amin’ny Soratra Masina momba ny maha-Andriamanitra ny Tompo.

Izao no fanontaniana mipetraka: Inona no ambaran’ny Soratra Masina? Tsy misy kristiana handà fa ny Ray no tokony hivavahany, nefa azo antoka koa fa ny vavaka sasany dia miantefa amin’ny Tompo. Ary mihoatra noho izany aza, ny “miantso ny anaran’ny Tompo Jesoa” dia azo lazaina hoe famaritana ny kristiana (1 Korintiana 1. 2). I Stefana dia nangataka tamin’ny Tompo Jesoa ny handraisany ny fanahiny, ary i Paoly dia nitalaho taminy mba hanalàny ilay tsilo tamin’ny nofony (2 Korintiana 12. 8). Ny zanak’Andriamanitra iray dia mivavaka amin’ny Rainy, fa ny fitantanana ny tranon’Andriamanitra kosa dia eo am-pelatànan’ny Tompo.

Mahagaga ihany ny filazana hoe tsy manambara ny Soratra Masina fa Jesoa dia Andriamanitra. Ary mariho fa ny fanontaniana mifamatotra amin’izany dia izao: “Inona Izy talohan’ny naha-olona Azy?” Izao anefa no vakiantsika: “Ny Teny tao amin’Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra”. Manaraka izany: “Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika”. Tsy handà ianao fa i Jesoa no ambara eo. Moa ve Andriamanitra — ary izany i Jesoa — mitsahatra tsy ho Andriamanitra? “Endrik’Andriamanitra” Izy, nailiny ny voninahiny ka naka ny “endriky ny mpanompo” Izy; nefa antsoina hatrany hoe Andriamanitra Izy: Jesoa no Imanoela, amintsika Andriamanitra (Matio 1. 23). Araka izany, dia miantso Azy hoe Andriamanitra ny Soratra Masina. Ankoatra izany, Jesoa dia midika hoe Jah na Jehovah Mpamonjy. Ny anarany mihitsy dia efa manantitra hoe Jehovah (na Yahve) Izy; tsy Andriamanitra ve i Jehovah? Izany no anarana noraisin’i Jesoa, satria tsy maintsy namonjy “ny vahoakany tamin’ny fahotany” Izy — vahoakan’iza? Izany no mahatonga ny mpanoratra ny filazantsara, ao amin’ny Jaona 12, hitanisa ilay tsongandahatsoratra ao amin’ny Isaia 6, izay anambaràna ny voninahitr’i Jehovah ambony indrindra, ary lazainy (Jaona 12. 41) fa nahita ny voninahitr’i Kristy ny mpaminany ka nanambara Azy. Izany koa no nilazan’ny Tompo tamin’ny Jiosy hoe: “Ravao ity tempoly ity, dia hatsangako ao anatin’ny telo andro”.

Tsy misy dikany ilay fanontanianao mikasika ny Zanak’i Davida. Tsy misy milaza mihitsy hoe Andriamanitra dia Zanak’i Davida: ny kristiana rehetra dia manaiky fa tonga olona tetỳ an-tany i Kristy; ny lazainy kosa dia hoe ilay Zanak’i Davida dia Andriamanitra koa. Jereo ny epistily voalohany nosoratan’i Jaona, eo amin’ny fiafaràn’ny toko faha-2 sy ny fiandohàn’ny toko faha-3. Eo amin’ny andininy faha-28 no amakiantsika hoe: “raha hiseho Izy”; ny “Izy” dia i Kristy; ao amin’ny andininy faha-29, ambara fa ny olona masina dia “zanany naterany”. Fa eo amin’ny 3.1 kosa, dia “zanak’Andriamanitra” izy ireo; avy eo, dia voalaza fa izao tontolo izao “tsy nahalala Azy”, izany hoe tsy nahalala io Olona izay Kristy tetỳ an-tany io. Eo amin’ny andininy faha-2, “ankehitriny aza, dia zanak’Andriamanitra isika”, manaraka izany, dia ny hoe “raha hiseho Izy”, io ankehitriny io izany dia i Kristy. Tsy misy afaka mamaky io tsongandahatsoratra io ka tsy hahita fa Kristy sy Andriamanitra dia Zavatra iray ihany, Olona iray ihany, ao amin’ny eritreritry ny apostoly. Toy izany koa ao amin’ny fiafaràn’ny epistily: “Ary isika ao amin’Ilay marina, dia ao amin’i Jesoa Kristy Zanany. Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay” (1 Jaona 5. 20).

Io fahamarinana io dia hita any amin’ny Testamenta Taloha koa. Ao amin’ny Daniela 7, ny Zanak’olona dia nanatona ny Fahagola (and 13), fa, erỳ aoriana, dia ny Fahagola no avy (and 22). Toy izany koa ao amin’ny Apokalypsy (1. 17), ilay “Voalohany sy Farany” dia “Ilay velona” na dia “efa maty” aza. Ao amin’ny 1. 8, ny Alfa sy Omega dia ny Tsitoha; ary ao amin’ny 22. 12-13, ny Alfa sy Omega dia i Kristy, izay avy. Ao amin’ny 1 Timoty 6. 14-16, ilay “Andriana finaritra sady tokana” dia “Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo”, ary ao amin’ny Apokalypsy 19. 16, io “Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo” io dia i Kristy. Ao amin’ny Jaona 17, dia mangataka i Jesoa mba hankalazana Azy eo anilan’ny Ray, nefa io voninahitra io dia efa Azy fony mbola tsy ary izao tontolo izao. Ny zavatra lazainy dia hoe tsy manao, ary tsy mahazo manao na inona na inona ho Azy Izy (Jaona 5. 19). Izany koa no lazaina momba ny Fanahy Masina (16. 13): “Tsy hiteny ho Azy Izy” — toy ny hoe Izy no loharanon’izay teneniny. Tsy misy kristiana handà fa naka ny endriky ny mpanompo i Jesoa, ary toy izany hatrany no niainany tetỳ an-tany; fa iza kosa àry no “naka ny endriky ny mpanompo”? Tsy anjely mihitsy. Ny anjely dia mpanompo, ary tsy afaka miala amin’izany toetra nanaovana azy izany. “Nofoanan’i (Kristy) ny tenany”, nefa endrik’Andriamanitra Izy; endrika diso ve izany? Enga anie ny Tompo hamela ny heloko amin’ny fametrahako izany fanontaniana izany; apetrako izany noho ny fitiavako anao, tompoko. Afaka niteny i Kristy hoe: “ Fony tsy mbola àry i Abrahama, dia IZY AHO”. Ekenao fa ny fahafenoan’Andriamanitra dia nonina tao Aminy. Lehibe lavitra noho ny maha Zanak’i Davida Azy ny maha Zanak’Andriamanitra Azy: “Andriamanitra ao amin’i Kristy no nampihavana izao tontolo izao taminy”. Avy aiza ny hevitra sy ny tenin’i Kristy? Tsy hevitra sy tenin’olombelona ve izany, nefa avy aiza? Afaka nilaza Izy, momba Azy, hoe: “ny Zanak’olona izay any an-danitra”. Inona Izy talohan’ny nidinany tetỳ an-tany? Ilay Teny tonga nofo ve, Andriamanitra sa tsia, talohan’izany?

Tsy manaporofo na inona na inona ny fanaporofoana hoe olona Izy; mino izany izahay, ary fahamarinana fototra izany. Fa olona fotsiny ve Izy? Mazava fa tsia. Izy dia ny “Teny”; Izy dia “nidina avy an-danitra”. Inona àry Izy talohan’ny naha-olona Azy? Milaza Izy fa Iray amin’ny Ray (Jaona 10. 30); toetran’ny zavatra noarìna ve izany? Koa raha tsy zavatra noarìna Izy, dia Andriamanitra. Raha tsy izany, dia hisy olona iray tsy noarìna, manana fisiana ho azy manokana, nefa tsy Andriamanitra; fampifangaroan-kevitra izany ary zavatra tsy mety hisy. “Izy no nahariana ny zavatra rehetra”, iza io “Izy” io? Izy no “Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao” satria Izy no namorona izany; ambonin’izany, “ao aminy no aharetan’ny zavatra rehetra” (Kolosiana 1. 16-17). Izy izany dia efa tany am-boalohany, ary Izy no nahariana ny zavatra rehetra; raha tsy Izy, dia tsy ho nisy na inona na inona ary (Jaona 1. 1,3): Izy izany dia tsy noarìna akory. Dia misy Andriamanitra roa ve? Izy no nametraka ny fanorenan’ny tany, ary asan’ny tànany ny lanitra; ireo dia ho levona, fa Izy kosa haharitra (Hebreo 1. 10-11). Ireo anjelin’Andriamanitra rehetra dia miankohoka eo anoloany (and 6). “Sambatra izay rehetra mialoka aminy” (Salamo 2. 12): ao “aminy” ny Zanaka; ary “hotahina izay olona matoky an’i Jehovah”, fa “ho voaozona izay olona matoky olona” (Jeremia 17. 7,5). Izy sy ny Ray dia iray ihany; misy voary afaka milaza izany ve? Ny hitako izany dia nantsoina hoe Andriamanitra i Jesoa talohan’ny nahatongavany tetỳ an-tany (Jaona 1); ary taorian’ny nahatongavany, dia “Andriamanitra amintsika” Izy. Nahary izao zavatra rehetra izao Izy, ary “Izy no aharetan’ny zavatra rehetra”; tokony hitsaohana amin’ny maha voalohany sy farany Azy Izy, dia ilay Alfa sy Omega, anarana izay omena mazava ny Tsitoha, Mpanjakan’ny mpanjaka ary Tompon’ny tompo, Fahagola. Ary, fandrao isika hieritreritra hoe Andriamanitra iray ambany Izy, dia voalaza fa “ao amin’ny tenany no itoeran’ny fahafenoan’ny fomban’Andriamanitra rehetra” (Kolosiana 2. 9). Manantitra izany ny fampianaran’ny Soratra Masina momba ny fitondrantena. “Kristy no  zavatra rehetra” ho an’ny Kristiana, hany ka raha tsy Andriamanitra Izy, dia tsinontsinona Andriamanitra. Izy no lehibe indrindra ivavahan’ny fo: Izy no antony ahavelomako (2 Korintiana 5. 15). Ho mety ve izany, raha noarìna Izy? Io no tena fanontaniana mipetraka: “Noarìna Izy sa Mpahary?” Tsy misy kristiana handà fa olombelona tokoa Izy, ary nanetry tena teo anatrehan’ny Ray; nefa, mba hahatanterahany izany, dia nofoanany ny momba Azy na dia nanana ny endrik’Andriamanitra aza Izy, ary nandray ny endriky ny mpanompo Izy: tsy misy voary nahavita izany.

Araka ny voalazanao, dia ilay Adama faharoa efa voalahatra Izy, nefa io Adama faharoa io dia ny Tompo avy any an-danitra (1 Korintiana 15. 47). Azo antoka fa ny nahatongavany, dia tsy ny hanao ny sitrapony; amin’ny maha olombelona Azy, dia toeram-pankatoavana sy fiankinana no nisy Azy; fa tonga tao anaty vatana namboarin’Andriamanitra Izy, ary nanolo-tena hanao izany. Azonao lazaina fa Zanak’Andriamanitra Izy. Inona no tianao holazaina amin’izany? “Manoroha ny Zanaka fandrao ho tezitra Izy” (Salamo 2. 12); “nampiteneniny (Andriamanitra) tamintsika ny Zanany” (Hebreo 1. 2). Ny fanandratana an’i Jesoa resahinao dia taorian’ny nanaovana Azy ho “ambany kely noho ny anjely… noho ny fitondràny ny fahafatesana”, rehefa avy natao “tahaka ny rahalahiny amin’ny zavatra rehetra Izy”. Andriamanitra dia “manao ny anjeliny ho rivotra… Fa ny Zanaka kosa dia nilazany hoe: Ny seza fiandriananao, Andriamanitra ô, …”. Tsy nataon’Andriamanitra ho zavatra Izy. Ny ran’ny olona iray, izay tsy inona fa olona ve, afaka hanadio amin’ny fahotana rehetra?

Tsy azoko mihitsy ny ilazanao fa tsy milaza ny Soratra Masina hoe Andriamanitra i Jesoa Kristy. Anteriny impiry impiry izany, na mivantana na tsy mivantana, fa amina voambolana milaza mitovy ihany. Tsy notanisaiko ny hoe: “Andriamanitra tonga nofo” sy “Kristy, Izay ambonin’izy rehetra, Andriamanitra isaorana mandrakizay”, satria ireo mpanakiana dia handahatra ny amin’izany. Ity farany ity anefa, (Romana 9. 5), dia fijoroana ho vavolombelona mazava dia mazava tokoa, ary ny voambolana ampiasaina eto dia tsy afaka ampiharina afa-tsy amin’i Kristy. Tsy mahagaga ihany ve raha tsy nisy hitanao ireo tsongandahatsoratra rehetra notanisaiko, ary tsy nisy nohazoninao afa-tsy ireo izay manambara ny tena maha-olona an’i Kristy, zavatra izay tsy misy mandà, ary raha tsy nisy izany, tsy ho nisy nilantsika ny maha-Andriamanitra Azy?

Kely ny toerana azoko iresahana an-taratasy, ka tsy afaka hihambo hiady hevitra feno momba izany aho eto. Fa ny Soratra Masina iray manontolo dia manantitra ilay fahamarinana hoe Jesoa dia Jehovah. I Jaona Mpanao batisa dia ilay “feo miantso mafy any an’efitra hoe: Amboary ny làlan’i Jehovah”. Toy izany koa ao amin’ny Lioka 7. 27, raha oharina amin’ny Malakia 3. 1; toy izany koa ao amin’ny Lioka 1. 76; ary rehefa niteny tamin’ilay boka koa Izy hoe: “Mety Aho; madiova ianao”. Ao amin’ny Isaia 66. 15, dia ho avy amin’ny afo i Jehovah, nefa fantatsika fa i Kristy no ho avy. Inona no dikan’ny voalaza ao amin’ny Mika 5. 1? Iza no naman’i Jehovah? Ny fanadiovana ilay boka dia asan’i Jehovah; ny fampitomboana ny mofo hahavoky dimy arivo lahy dia mifandraika amin’ny Salamo miresaka an’i Jehovah; koa na amin’ny maha Zanak’olona Azy aza no nanaovan’i Jesoa izany (Lioka 9. 10-17 sy ny manaraka), dia ny Salamo 132. 15 no notanterahiny, salamo izay milaza an’i Jehovah. Tsy vitan’ny hoe nanao fahagagana Izy, izay fahefana azon’Andriamanitra omena ny tsirairay, raha tiany, fa nomeny avy amin’ny heriny manokana ho an’ny hafa koa izany fahefany hanao fahagagana izany, ary tsy vitan’ny olona tsotra izany (Lioka 4). Tanisaiko daholo ireo andininy ireo, hananterana ny fijoroana mivantana ho vavolombelona ataon’ny Soratra Masina fa Andriamanitra i Jesoa; ary tsy misy foto-pampianarana mifanaraka amin’izany. Ary azo atao ny mampitombo isa izany porofo izany isaky ny mamadika pejy iray ao amin’ny filazantsara. “Tahaka izany koa no ameloman’ny Zanaka izay tiany” (Jaona 5. 21); azo lazaina ve izany, raha toa ka olona tsotra ihany Izy, olona noarìna? Milaza ny Testamenta Taloha fa tsy maintsy ho avy i Jehovah, ka tokony hamboarina ny làlany, fa i Kristy izany nolazaina izany. Ny Hebreo 12. 25-26 dia manambara mazava fa i Kristy ilay Jehovah tao amin’ny tendrombohitra Sinay.

…Mangataka aminao aho mba handanjalanjanao tsara ireo tsongandahatsoratra ireo; satria ny fampiononana lehibe indrindra dia ny fahafantarana fa nidina toy izany Andriamanitra ary tonga olona — fa manambara ny tenany amintsika Izy amin’ny fanatonana antsika. Mahalala an’Andriamanitra aho, amin’ny fahafantarako an’i Kristy; hitako fa fahasoavana sy fitiavana Izy, ary tsy misy fomba hafa ahazoako mahalala Azy. Enga anie Izy mba hiseho aminao ho toy izany koa!

 

J. N. Darby