[ Page principale | La Bible | la Foi - l'Évangile | Affermissement | Défense de la foi | ]

 


 

Mahalala an’Andriamanitra

ho toy

ny Ray

 

 

“Ary efa nampahafantariko azy ny Anaranao, ary mbola hampahafantariko ihany, mba ho ao aminy ny fitiavana izay nitiavanao Ahy, ary Izaho koa ho ao aminy.” Jaona 17.26

 

 

 

 

 

 

S. Fayard

 

 

 

 

Connaître Dieu comme Père

Bibles et Publications Chrétiennes

30, rue Chateauvert F-26000 Valence
FIZAHAN-TAKILA

 

  1. Fampidirana

 

5

  1. Ny anaran’ny Ray 

7

      Ireo anaran’Andriamanitra

7

      Ao amin’ny Testamenta Taloha

8

      Ao amin’ny Testamenta Vaovao

10

      Andriamanitra dia Ray

11

      Jehovah ô, Ianao no Rainay

12

      Rain’Ilay Zanakalahy Tokana

13

  Andriamanitra dia Rain’ireo rehetra mino ny Tompo Jesoa

 

16

            Ny Fanahin’ny fananganan’anaka

19

            Andriamanitra sady Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika

 

 

20

  1. Jesoa no manambara ny Ray

24

            Fanambaràna miandàlana

24

            Amin’ny tenany, ny teniny ary ny asany

26

            Amin’ny fahafatesany, ny fitsanganany tamin’ny maty, ny fisandratany

 

 

28

  1. Ny tavan’ny Ray

31

            Ny famindrampony

31

            Ny fahamasinany

33

            Ny fitiavany

36

            Ny fahamarinany

 

38

  1. Ny fiahian’ny Ray ny zanany

40

            Ireo fikarakaràny

40

            Ny valisoa omeny

41

            Ny fifehezany

 

44

  1. Miaina amin’ny maha zanak’Andriamanitra

 

47

            Ny fankatoavana

47

            Ny fahafahana

49

            Ny vavaka

50

            Ny fiderana

56

      Fitiavana sy fahamarinana

 

59

  1. Fehiny

62

 


 

1. Fampidirana

 

“Dia niainga izy ka nankany amin-drainy. Fa raha mbola lavitra izy, dia tazan-drainy, ary onena azy izy ka nihazakazaka, dia namihina ny vozony sady nanoroka azy. Ary ilay zanany nanao taminy hoe: Raiko ô, efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho ka tsy mendrika hatao hoe zanakao intsony. Fa rainy kosa nanao tamin’ny ankizilahiny hoe: Alao haingana ny akanjo tsara indrindra ka ampiakanjoy azy; ary asio peratra ny tànany sy kapa ny tongony; ary ento et ny zanak’omby nafahy, ka vonoy; ary aoka isika hihinana sy hifaly; fa ity zanako ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray.”

(Lioka 15. 20-24)

 

Ao amin’ilay fanoharana antsoina hoe “ilay zanaka adala” nataon’i Jesoa no ilazany ny tantaran’ny lehilahy iray nanan-janaka mirahalahy. Nangataka ny anjara lovany ilay zandriny ary lasa tany an-tany lavitra tany, nandany ny fananany rehetra tamin’ny fiveloman-dratsy. Tsy ela akory izy dia voatery niandry kisoa. Nahatonga saina azy ny toerana nisy azy ka nanapa-kevitra ny hiverina tany amin-drainy izy. Tsy nandatsa azy kely akory ity rainy, fa nandray azy tamim-pitserana sy fitiavana, namihina ny vozony sy nanoroka azy. Nomeny ny akanjo tsara indrindra izy ary nanomana fanasana hifaliana noho ny fiverenany.

Io fanoharana io dia entin’i Jesoa anambaràna amintsika sombiny amin’ny zava-miafina momba ny fitiavan’Andriamanitra, Izay te hiseho amintsika ho toy ny Ray. Mitovy amin’ilay tovolahy zandriny isika, te hankafy ny fiainana tsy misy an’Andriamanitra. Nefa rehefa lavitra an’Andriamanitra isika, dia very ny fahafahantsika, ny fiainantsika, ny maha isika antsika. Hitan’Andriamanitra fa mizotra ho amin’ny fahaverezana isika, fa isika kosa ve mba mahatsapa izany?

Matetika, ao anatin’ny fahoriana isika vao mahatsiaro an’Andriamanitra. Tsapantsika ve fa nanimba ny fiainantsika isika, nanota tamin’Andriamanitra, nanalavitra Azy? Ndeha isika ho any Aminy, hilaza izany Aminy. Ho hitantsika fa tsy mandatsa izay miverina aminy Andriamanitra. Onena noho ny fahoriantsika Izy. Rehefa mahita soa tarafin’ny fitiavany isika, dia miantoraka Aminy ka milaza hoe: “Ray ô, nanota taminao aho”.

Na dia lasa lavitra aza isika, dia vonona ny handray antsika hatrany Andriamanitra satria tia antsika Izy. Lehibe ny famelàny heloka, ary faly Izy mahita antsika indray. Miandry antsika Izy, mitsena antsika ary mampanankarena antsika amin’ny fahamarinany raisina amin’ny finoana ny Tompo Jesoa. Ny fifaliany dia fifalian’ny ray mahita ireo zanany indray. Foana ireo tahotra sy tomany eo anatrehan’Andriamanitra, fa voasolo fifaliana, dia fifaliana satria tian’Andriamanitra.

 

 

 

 

 

2. Ny anaran’ny Ray

 

Ireo anaran’Andriamanitra

 

Any amin’ny tany tandrefana, mazàna ny antony ifidianan’ny ray aman-dreny ny anaran-janany dia satria tiany io anarana io. Fa ao amin’ny Baiboly kosa, toy ny mbola fanao ihany any an-tany hafa, ny anarana dia nomena araka ny dikany. Ohatra, “Abrahama” dia midika hoe “rain’ny maro”. Ny anaran’i Jakoba (“Mpamingana”) dia nosoloin’Andriamanitra hoe “Isiraely” (“Mpitolona amin’Andriamanitra”). “Samoela” dia midika hoe “Nohenoin’Andriamanitra”, sns. Ny anarana dia nanambara zavatra momba ilay olona na ny iraka nampanaovina azy.

Toy izany koa, ny anarana nanehoan’Andriamanitra ny tenany ao amin’ny Baiboly dia misy dikany avokoa, manambara ny maha Izy Azy. Niseho niandàlana tamin’ny anarana samihafa Andriamanitra nandritra ny tantaran’ny zanak’olombelona. Ny ambony indrindra amin’izany fanambaràna an’Andriamanitra izany dia ilay anarana nampahafantaran’i Jesoa antsika, mbola tsy nisy nahita.

Eo amin’ny fifaneraseran’ny olombelona, dia misy lanjany mandrakariva ny fampahafantarana ny anaran’ny tena amin’ny olona iray. Midika izany fa manambara ilay teny azo amantarana ahy sy ifandraisana amiko aho. Midika izany fa omeko alàlana hahafantatra ahy io olona io raha mifanena amiko indray. Ny anarana, izany, dia anisan’ny maha izaho ahy. Koa akory ny lanjany raha Andriamanitra no manambara ny anarany ! Ny miantso ny anarany, dia mangataka ny fanampiany. “Ary na zovy na zovy no hiantso ny anaran’i Jehovah dia hovonjena”[1]. Izany no maha zava-doza ny fanononana foana ny anaran’Andriamanitra, satria toy ny mikasika ny tenany izany[2].

 

Ireo anaran’Andriamanitra ao amin’ny Testamenta Taloha

 

Raha tsorina, dia azo lazaina fa anarana telo samihafa no anehoan’ny Testamenta Taloha an’Andriamanitra amintsika. Voalohany aloha, dia miseho amin’ny maha Andriamanitra mahery, ilay Andriamanitra Avo indrindra, Andriamanitra (El), izay tsy misy itovizana amintsika raha ny amin’ny fahalehibiazany, ny voninahiny, ny heriny. Ilay Andriamanitra Avo indrindra dia tena miavaka mihitsy amin’izao tontolo izao. Ny anarana hoe “El” dia matetika ampifandraisina amin’ny toetra iray an’Andriamanitra. “El Olam” dia mampahatsiahy ilay Andriamanitra mandrakizay. “Elohim” dia milaza ilay Andriamanitra namorona sy mitàna izao tontolo izao. “Elyon” dia midika ho “Andriamanitra ankalazaina”. “El Shaddaï” dia Andriamanitra Tsitoha, ambonin’ny fahefana rehetra, izay miditra amin’ny fiainan’ny olony, mikarakara azy ireo, manome azy izay ilainy.

Avy eo Andriamanitra dia nanambara ny tenany tamin’ny olony ho Jehovah (Yahweh)[3]. Amin’io anarana io Andriamanitra dia mampahafantatra ny tenany ho Izaho Izay Izy[4], Izaho Izay manatrika etoana, Izaho Izay velona. Io anarana io no nisehoan’Andriamanitra tamin’i Mosesy teo amin’ilay roimemy nirehitra: “Izaho, Izay Izy hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay”[5]. Nony naniraka an’i Mosesy Andriamanitra, dia niseho taminy ho toy ilay Andriamanitra ho eo akaikiny mandrakariva hanafaka ny vahoakany sy hitondra azy any amin’ilay tany efa nampanantenaina. Amin’io anarana hoe Jehovah io, no anambaràn’Andriamanitra fa tsy miova ny zavatra nokasainy, fa tanterahiny izay fanapahan-kevitra noraisiny, ary tontosainy ny teny fampanantenana nataony. Io anarana io no nanaovany fanekena tamin’ny vahoakany tet an-tany, dia Isiraely. Matetika isika no mamaky ao amin’ny Testamenta Taloha izao teny izao: “Jehovah Andriamanitrao”, mba hampahatsiahivana ny vahoakany ny fanafahana azy, ny fahatokiany, ny fanekeny, ny fandraisany azy ireo sy ny tokony hankasitrahan’izy ireo Azy. Io anarana io no tokony ho nijoroan’i Isiraely ho vavolombelona nanoloana ireo jentilisa.

Farany, hitantsika koa ny anarana hoe “Adon” na “Adonaï”, izay manambara an’Andriamanitra amin’ny toetra maha Tompo Azy, Ilay ambonin’ny zavatra rehetra, mendrika ny fiderana rehetra sy ny fanoavana tsy misy fepetra. Ireo anarana roa hoe “Yahweh” sy “Adonaï” dia matetika atambatra amin’ny fiantso hoe “Jehovah Andriamanitra”, izay hita sahady ao amin’ny Genesisy 2. 4, “Jehovah Tompo” ao amin’ny Genesisy 15. 2, sns.

 

Ireo anaran’Andriamanitra ao amin’ny Testamenta Vaovao

 

Hita ao amin’ny Testamenta Vaovao ny anarana hoe “Théos” (Andriamanitra), izay nandikana ny teny hebreo hoe “Elohim”; ary matetika izy dia ampiarahina amin’ny mpamaritra milaza tompo (Andriamanitro, Andriamanitsika, Andriamanitrareo). Andriamanitra dia Andriamanitry ny zanany tsirairay avy. Ny anarana iray hafa ampiasaina ilazàna an’Andriamanitra dia ny hoe Tompo (“Kurios”) izay nandikana ny teny hebreo hoe “Yahweh” sy “Adonaï”[6]. Tsy ilazana an’Andriamanitra Ray ihany no ampiasàna ny hoe “Tompo”, fa matetika indrindra ilazàna ny Tompo Jesoa, ary indray mandeha aza, ilazàna ny Fanahy[7]. Ny Tompo dia ilay Andriamanitra manana fahefana amin’ny zavatra rehetra, amin’ny olombelona rehetra, ka anisan’ireo ny vahoakany, ary amin’ny tsirairay amin’ny mino[8] tsirairay.

Ny mampiavaka ny Testamenta Vaovao, dia ny fanambaràn’Andriamanitra ny tenany ho Ray.

 

Andriamanitra dia Ray

 

“Andriamanitra (dia) iray ihany, dia ny Ray, izay niavian’ny zavatra rehetra, ary ho Azy isika; ary iray ihany ny Tompo, dia Jesoa Kristy, izay nahariana ny zavatra rehetra sady nahariana antsika koa” (1 Korintiana 8. 6).

 

“Ary noho izany no andohalehako amin’ny Ray, izay ahazoan’ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy et an-tany anarana” (Efesiana 3. 14-15).

 

Inona no tiana hambara rehefa milaza fa Andriamanitra dia Ray? Efa fahatsapana sahady izany fa avy Aminy ny zavatra rehetra. Isika rehetra tsy an-kanavaka, dia miankina amin’Andriamanitra raha ny momba ny fiaviantsika sy ny fiainantsika. Izy no nahary izany ary Izy no mitana izany. Noho izany, Andriamanitra irery ihany no Ray amin’ny dikany feno tanteraka. Avy amin’ny Ray no ahazoan’ny maha ray hafa rehetra (na fianakaviana) anarana, ary avy Aminy koa no isiany. Izy no tokony homena ny haja sy ny voninahitra rehetra[9].

“Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra dia avy any ambony ka midina avy amin’ny Rain’ny fanazavana”[10]. Ny fanekena fa Andriamanitra no Ray dia midika fahatsapana koa fa avy Aminy izay rehetra ananantsika. Izy no Ray ambonin’ny zavatra rehetra[11]. Tsy misy afaka amin’ny fifehezany. Tsy misy tsintsina iray ho latsaka amin’ny tany raha tsy avelan’ny Rainareo, hoy Jesoa amintsika[12]. Noho izany, dia raisintsika avy Aminy daholo ny zavatra rehetra, na ny soa na ny ratsy[13]. Ry kristiana, aoka isika tsy hety horahonana na hampitahorin’ny zava-mitranga, fa kosa ho tony, matoky Azy.

 

Jehovah ô, Ianao no Rainay

 

“Fa ankehitriny, Jehovah ô, Rainay Ianao; izahay dia tanimanga, ary Ianao no mpanefy anay, ary asan’ny tànanao izahay rehetra” (Isaia 64. 7).

 

“Tsy mpiombon-dray va isika rehetra? Tsy Andriamanitra iray ihany va no nahary antsika?” (Malakia 2. 10).

 

Amin’ny andininy sasany, dia antsoina hoe Rain’ny firenena Isiraely Andriamanitra. Io anarana hoe Ray io dia mifamatotra amin’ny hoe Mpamonjy. Andriamanitra mantsy no nanafaka an’i Isiraely tamin’ny fanandevozana tany Egypta. Izy no nanorina io firenena io ary nanao fanekena taminy. “Tsy Izy va no Rainao, Izay nanavotra anao? Tsy Izy va no nanao anao sy nanorina anao?” “Jehovah ô, Ianao no Rainay, ary Mpanavotra anay no anaranao hatrizay hatrizay”[14].

Ny tena mampihetsi-po antsika kristiana, dia satria io fanambaràna an’i Isiraely ho zanak’Andriamanitra[15] io dia milaza mialoha an’i Kristy. Ilay tenin’ny mpaminany Hosea momba an’i Isiraely, manao hoe: “Tiako izy, ary nantsoiko hiala tany Egypta ny zanako”, dia naverin’i Matio raha niresaka ny Tompo Jesoa izy[16].

 

Rain’ilay Zanakalahy Tokana

 

“(Ianareo) izay mino ny anaran’ny Zanak’Andriamanitra” (1 Jaona 5. 13).

 

Fa mbola lalina lavitra kokoa ny maha Ray an’Andriamanitra. Izy no Ray manontolo eo anivon’ny maha Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika[17]. Jesoa Tompo no Zanakalahy Tokan’Andriamanitra, amin’ny maha Andriamanitra hatrizay ka ho mandrakizay Azy. Tsy tonga Zanak’Andriamanitra Izy, fa Zanak’Andriamanitra, hatrizay ka ho mandrakizay, “Zanakalahy Tokana, Izay ao an-tratran’ny Ray”[18], “Zanaky ny Ray”[19].

Ny nanomezany ny Zananilahy Tokana indrindra no maneho ny haben’ny fitiavan’Andriamanitra. Jesoa no Ilay Zanakalahy hatrizay, raha nanome Azy sy naniraka Azy Andriamanitra. Ny hazofijaliana no marika fara tampony amin’io fanomezana io. “Toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny Zananilahy Tokana…”, “Izay tsy niaro ny Zananilahy, fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy…”[20].

Mba hanatanterahany ny asam-panavotana tamin’ny nahafatesany, dia tonga olona ny Zanaka, dia Kristy Jesoa olona. Fomba mahatalanjona no namoronana Azy, noho ny herin’ny Fanahy Masina tao an-kibona virijiny, ary noho izany no iantsoana Azy koa hoe “Zanak’Andriamanitra”[21].

Ny hevitra ny Zanaka dia tsy midika mihitsy akory hoe ambany Izy. Rehefa miteny i Jesoa hoe: “Fa ny Ray dia lehibe noho Izaho”[22], dia miresaka momba ny fanetrentenany Izy, ny maha mpanompo Azy, ny nifidianany ny hahantra[23], fa tsy fahambaniana ara-boa-janahary tsy akory. Voasoratra hoe: “mba hanajan’ny olona rehetra ny Zanaka, tahaka ny fanajàny ny Ray”[24]. Voatsipika imbetsaka ao amin’ny Soratra Masina io halehiben’ny Zanaka io, ohatra amin’ny fanambarana hoe tsy nianatra nankatò Jesoa satria Zanaka, fa kosa na dia Zanaka aza[25] . “Nianatra fanarahana tamin’izay fahoriana nentiny Izy”; nandia ny toetran’ny olona mpankatò Izy, miaraka amin’izay rehetra miantraika Aminy noho ny fanatanterahany izany fankatoavana izany, dia fankatoavana “hatramin’ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin’ny hazofijaliana”[26].

Ao amin’ny epistily ho an’ny Hebreo, dia anaram-boninahitra io anarana hoe Zanaka io: anarana fankasitrahan’ny Ray an’Ilay nandavorary ny asa nasain’ny Ray nataony tamin’ny naha olona Azy tet an-tany. Ny fipetrahany ankehitriny eo an-tanan-kavanan’ny Ray dia fanehoana amin’izao tontolo izao fa tanteraka Izy ary tanteraka ny asany.

 

 

 

Andriamanitra dia Rain’ireo rehetra mino ny Tompo Jesoa

 

“Fa izay rehetra nandray Azy (Jesoa) dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra … dia ireo izay … naterak’Andriamanitra” (Jaona 1. 12-13)

 

“Isaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, Izay nitahy antsika … araka ny nifidianany antsika tao aminy (tao amin’i Kristy), fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao … rehefa notendreny rahateo … isika mba ho Azy amin’ny fananganan-anaka amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, araka izay ankasitrahan’ny fony, ho fiderana ny voninahitry ny fahasoavany, izay nanasoavana antsika maimaimpoana ao amin’ny Malala” (Efesiana 1. 3-6).

 

Tsy afaka nanambara ny tenany ho toy ny Ray, amin’ny hafenoany manontolo, Andriamanitra, talohan’ny nahatongavan’ny Zananilahy Tokana. Fa ankehitriny kosa, dia ambarany ny tenany ho an’ireo rehetra mino ny Tompo Jesoa. Rain’izy ireo Andriamanitra, ary mifamatotra akaiky aminy mihitsy. Fifandraisana manokana sy toy ny fifandraisan’ny ray sy zanaka no ifandraisan’izy ireo, ary fifandraisana tsy fantatr’ireo mpino tamin’ny Testamenta Taloha izany. Ao amin’ny tantaran’ny fiainany no ilazan’i Bilquis Sheikh fa, talohan’ny niovany fo, dia hitany fa toa ataon’ny kristiana fa azy manokana Andriamanitra. Hoy ilay namany kristiana nilazany izany: “Tsy misy afa-tsy fomba iray ihany no ahafantarana hoe nahoana no toy izany no fandraisanay Azy. Aoka ianao mihitsy no hianatra hahalala an’Andriamanitra, na dia hitanao fa hafahafa aza izany. Ahoana ianao raha mivavaka amin’ilay Andriamanitra tadiavinao? Angataho Izy hanambara ny tenany. Miresaha Aminy toy ny hiresahanao amin’ny namanao”. Gina tsy nahateny i Bilquis, ka dia nampiany hoe: “Miresaha Aminy, toy ny hoe Rainao Izy”. “Io teny io no nahakasika ny fanahiko, hoy I Bilquis Sheikh, toy ny fahamarinana izay sady mitondra fampaherezana no mahagaga”.

Ny fahalalana an’Andriamanitra toy izany dia mifamatotra mivantana amin’ny finoana ny Tompo Jesoa. “Raha nahalala Ahy ianareo, dia ho nahalala ny Raiko koa”, hoy I Jesoa tamin’ireo Jiosy tsy nety nino. Ary nampiany koa hoe: “Raha Andriamanitra no Rainareo, dia ho tia Ahy ianareo”. Hoy koa Izy tamin’ireo mpianany: “Izay mankahala Ahy, dia mankahala ny Raiko koa”[27].

Ny finoana ny Zanak’Andriamanitra no tena zava-dehibe. “Tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako”, hoy i Jesoa[28]. Ary koa: “Izay rehetra mandà ny Zanaka no tsy manana ny Ray koa; izay manaiky ny Zanaka no manana ny Ray koa”[29]. Hevitra miezinezina tokoa ny hoe tsy afaka hanana an’Andriamanitra ho Ray, raha tsy mino ny Zanaka. Fa ny mampionona, dia ny fieritreretana fa izay mino ny Tompo Jesoa, na dia marefo dia marefo aza izany finoany izany, dia afaka misaotra noho io zavatra be voninahitra io, hoe Andriamanitra no Rainy. « Nanoratra taminareo ankizy madinika aho satria efa mahalala ny Ray ianareo”[30].

Satria teraka avy amin’Andriamanitra isika, noho ny finoana an’i Jesoa Kristy, noho ny finoana ilay fahafatesany anonerana ny fahotantsika sy ny fitsanganany tamin’ny maty. Fahateraham-baovao[31] izany, fahaterahana ara-panahy. Omen’Andriamanitra fiainam-baovao isika, amin’ny alalan’ny Fanahiny. Tonga zanak’Andriamanitra ny mpino, satria teraka avy Aminy. Tonga mpiray amin’ny fomban’Andriamanitra izy[32].

Miaraka amin’ny fahateraham-baovao, dia mbola misy koa ny fananganan-anaka. Isika izay mino ny Tompo Jesoa dia nalain’Andriamanitra avy teo amin’ny toeram-pahaverezana nisy antsika, mba hatsangany ho Azy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Mpanota isika, tsy mendrika, nefa dia nakarin’Andriamanitra ho toy ny zanany. Mandray antsika araka ny sitrapony Andriamanitra. Ataony am-pifaliana tanteraka izany, toy ny nahafaly Azy nandray ilay Malala tamin’ny voninahitra, satria nankasitrahina ao Aminy isika.

 

Nitady zanaka miray amin’ny Zanaka ny fonao,

Koa natsanganao izahay, ry Ray be fitia,

Ny fiainanay dia mifamatotra amin’Ilay tianao,

Amin’i Jesoa any an-danitra, ilay olona natsangana tamin’ny maty.

(Pierre Diedrichs)

 

 

Ny Fanahin’ny fananganan’anaka

 

“Fa tsy nandray ny fanahim-pahandevozana ho amin’ny tahotra indray ianareo, fa nandray ny fanahin’ny zanaka natsangana, izay iantsoantsika hoe: Aba, Ray ô. Ny Fanahy dia miara-milaza amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika” (Romana 8. 15-16).

 

Ny Fanahy Masina no manorina io fifandraisana vaovao amin’ny Ray io. Izy no Fanahin’ny zanaka natsangana. Rehefa nateraka indray isika, dia tonga monina ao anatintsika Izy, ary mahatonga antsika hahatsapa fa fifandraisan’ny zanaka amin’ny Ray no iainantsika. “Ny Fanahy dia miara-milaza amin’ny fanahintsika”. Nampiorim-paka ao an-tsaintsika ny fahazoana antoka Izy, fahazoana antoka ny fitiavan’Andriamanitra antsika sy ny famindram-pony, ho ahy sy ho anao. Ampidininy ho ao am-pontsika ny fitiavan’Andriamanitra[33], sy ny hafaliana satria Azy isika[34].

“Fa izay tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra no zanak’Andriamanitra”[35]. Mahaliana tokoa ny mahita fa ampifamatoran’ny Soratra Masina ny hoe tarihin’ny Fanahy sy ny hoe zanak’Andriamanitra. Hisitraka an’io fifandraisana amin’ny maha zanak’Andriamanitra io isika, ary haka ny toerana  maha zanakalahy sy zanakavavy antsika, raha toa manaiky ho tarihin’ny Fanahy Masina. Tsy mitsahatra ny mitondra antsika any amin’i Kristy, Ilay Tompontsika, Izy, mba ho voninahitry ny Ray irery ihany, ary Izy no ipoiran’ny fahafahana hanatonana ny Ray, mba hivavahana Aminy sy hilazana hoe: “Aba, Ray ô” (Ray tia anay). Io anarana atao hoe Ray izay tononintsika eo imason’Andriamanitra io dia tena hiakan’ny Fanahy.

 

Andriamanitra sady Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika

 

“Isaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika” (Efesiana 1. 3; 1 Petera 1. 3).

 

“Misaotra an’Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, izahay” (Kolosiana 1. 3).

 

Matetika no ahitantsika izao teny izao, amin’ireo asasoratry ny apostoly: “Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika”[36]. Izany no fomba anehoan’Andriamanitra ny tenany ankehitriny. Tsy miresaka amin’Andriamanitra toy ny tamin’i Jehovah (Yahweh) intsony ny kristiana[37]. Mahalala Azy izy ary manatona Azy toy ny manatona Ilay Andriamanitra sady Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika. Io no loharanon’ny fitahiana rehetra mirotsaka amintsika.

Ny filazana hoe Andriamanitra dia “Ilay Andriamanitra sady Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika”, dia midika fa Jesoa dia Zanak’Andriamanitra, nefa tsy izay ihany, fa ho antsika mpino, dia toy ny fandraisany an’i Jesoa ny fandraisany antsika: Izy no Rainy sy Andriamaniny. Miray amin’i Kristy isika, ary izany firaisantsika Aminy izany no mahatonga antsika hanana fifandraisana amin’Andriamanitra toy ny zanaka. Ny mpino dia zanaka malala, satria ny Tompo Jesoa dia Ilay Zanaka malalan’ny Ray. Tiana toy ny itiavana an’i Jesoa izy ireo[38].

Isika izay mino ny Tompo Jesoa dia efa tonga zanak’Andriamanitra. I Jesoa dia tsy tonga Zanaka, fa efa ilay Zanakalahy Tokana. Ny maraina nitsanganany tamin’ny maty, dia hoy Izy tamin’i Maria: Mandehana mankany amin’ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe: Miakatra ho any amin’ny Raiko sy ny Rainareo Aho, ary ho any amin’Andriamanitro sy Andriamanitrareo[39]. Raha manome voninahitra ny olony Izy, dia misy kosa voninahitra izay Azy manokana, izay ho hitan’izy ireo[40]. Tandrovin’ny Soratra Masina tsara ny maha lohany Azy.

Ireo zavatra nokasain’Andriamanitra homena ny zanany dia mifamatotra akaiky amin’ny ho an’ny Zanany. Te hanana fianakaviana zanaka mitovy toetra amin’ilay Malalany Andriamanitra. Tiany izy ireo mba “hitovy endrika amin’ny Zanany, mba ho Lahimatoa amin’ny rahalahy maro Izy”[41]. Izany no vokatra tanteraka entin’ny asan’i Kristy.

Ho tanteraka io vokatra io rehefa hovàna ny vatantsika ka hitovy endrika amin’ny an’i Kristy[42]. “Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa”[43]. Nefa tokony hiandry io andro io ve isika vao hitovy Aminy? Tsia! Ny andrasan’Andriamanitra amin’ny zanany, dia ny hanehoan’izy ireo dieny izao ny toetran’ilay fiainam-baovao efa noraisiny, ilay fiainana namirapiratra tao amin’i Kristy, ilay olona tanteraka[44].

 

Ny hitovy aminao, Jesoa, no tena fanantenàko,

Misaina, miasa, mitia bebe kokoa hatrany toa anao.

Ny hitovy aminao, Jesoa, no tena fanantenàko

Amin’ny alalan’ny Fanahinao, amboary hitovy aminao aho.

 

Ianao, ry Tompo Jesoa, dia tonga olona tet an-tany

Sy mpanompo nanetry tena ho an’ireo vahoaka nanodidina Anao.

Tonga ianao, ry Jesoa Tompo, nanome voninahitra ny Ray

Nataonao ny sitrapony, hatramin’ny hazofijaliana aza.

 

(J. Gowans; S. Jaccard)


3. Jesoa no manambara ny Ray

 

“Nasehoko tamin’ny olona izay nomenao Ahy avy tamin’izao tontolo izao ny anaranao; Anao ireny ka nomenao Ahy; ary notandremany ny teninao” (Jaona 17. 6).

 

Araka ny efa hitantsika, dia i Jesoa no hany làlana tokana mankany amin’ny Ray. Marina izany mba hahatongavana ho zanak’Andriamanitra. Fa marina koa izany mandritra ny fiainantsika manontolo, amin’ny maha kristiana antsika. Arakaraka ny anakaikezantsika an’i Jesoa, no maha akaiky antsika koa ny Ray.

 

Fanambaràna miandàlana

 

Vao nanomboka ny asany ny Tompo Jesoa dia nanambara ny Ray[45]. Tsy vitan’ny hoe nanambara ny tenany ho ilay Zanak’Andriamanitra Izy, Ilay irany, fa nampifandraisiny tamin’Andriamanitra koa ireo mpianany mba handray an’Andriamanitra ho toy ny Rain’izy ireo koa. Vao nanomboka Izy dia efa “nampahafantatra tamin’ny mpianatra fa ny Rainy dia Rain’izy ireo koa. Nambarany azy ireo ny anaran’ny Ray, mba hahazoan’izy ireo mifandray Aminy, sy hitondrany tena araka ny maha Izy Azy”.

Niandàlana io fanambaran’ny Zanaka ny Ray io. Hita izany, ohatra, tamin’ny vao niantombohan’ny asan’ny Tompo Jesoa, tamin’ny nanambaràny an’Andriamanitra hoe “ilay Rainareo Izay any an-danitra” sy “ilay Rainareo any an-danitra”[46]. Tsy hita any amin’ny Asa na any amin’ny epistily intsony izany fomba fiteny izany[47]. Mbola mametraka elanelana ireo fomba fiteny ireo, ary tsy tena mifanaraka amin’ny toerana misy ny kristiana, araka ny nanambaràna azy tat aoriana.

Ary amin’ireo teny farany nataon’i Jesoa, araka ny itantaran’ny filazantsaran’i Jaona azy ao amin’ny toko faha-13 hatramin’ny toko faha-17, no ampidiran’ny Tompo antsika ho ao amin’ny zava-miafina indrindra momba ny Ray. (Ireo teniny farany ireo dia mahakasika ny fotoana aorian’ny hazofijaliana, raha ny lafiny ara-moraly no jerena[48].) Hatramin’izay ny Tompo Jesoa dia mpanelanelana eo amin’ny mpianatra sy ny Ray. Manomboka hatreo, dia hifandray mivantana amin’ny Ray izy ireo. Tsy mila hilaza ireo fangatahany amin’ny Tompo intsony izy ireo, mba hisoloan’ny Tompo vava azy any amin’ny Ray, fa hiresaka mivantana amin’ny Ray, ao anatin’ny fahafahana tanteraka. “Fa ny Ray dia tia anareo…”[49].

Io fanambaràn’ny Zanaka ny Ray miandàlana io dia mahakasika koa ilay zava-misy hoe miorina amin’ny nahafatesan’i Kristy sy ny nitsanganany tamin’ny maty ny fifandraisantsika amin’ny Ray. Koa, vao nitsangana tamin’ny maty Izy, ny hafatra voalohany nasainy nentin’i Maria Magdalena ho an’ny mpianatra dia ny hoe: “Miakatra ho any amin’ny Raiko sy ny Rainareo Aho, ary ho any amin’Andriamanitro sy Andriamanitrareo”[50]. “Hafatra feno fitahiana tsy hay lazaina izany; toy ny milaza azy ireo hoe: miara-mizara amiko ny fitiavana omeny Ahy ianareo, ary ny nitsanganako tamin’ny maty no porofon’izany fitiavana izany; manomboka izao ka ho mandrakizay, dia mifandray amin’Andriamanitra izay Ray io ianareo, miditra amina sehatra vaovao feno fahalalahana tanteraka, tsy misy atahorana, mifandray akaiky Aminy, satria izay no vokatry ny asako. Aza miahiahy mihitsy momba io Andriamanitra nanao zava-dehibe ho Ahy io. Ary ianareo koa, aoka hiaina ao anatin’ny herin’izany fitiavana izany” (J. Koechlin).

 

Amin’ny tenany, ny teniny ary ny asany

 

Nahoana moa i Jesoa no afaka manambara ny Ray? Voalohany aloha, satria Izy no Zanaka. Afaka miresaka ny tompony ny mpanompo, fa ny zanaka ihany no afaka miresaka ny rainy.

“Izaho sy ny Ray dia iray ihany”[51], hoy koa i Jesoa. Fitovian-toetra io, fitovian-tsaina amin’ny zavatra atao sy ny fanambaràna ny zava-miafina. “Andriamanitra ao amin’i Kristy no nampihavana izao tontolo izao taminy[52]. Hoy i Jesoa tamin’i Filipo: “Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray… Tsy mino va ianao fa Izaho ao amin’ny Ray ary ny Ray ato amiko?”[53]. “Ny fahatongavan’ny Zanaka teto amin’ity tany ity dia tsy fanambaràna ny Ray sy ny Zanaka ihany, fa raha ny marina, dia fanambaràna ny Ray ao amin’ny Zanaka… Ny fahasoavana, ny fitiavana, ny hery sy ny fahendrena namirapiratra tamin’ny teny sy ny asan’ny Tompo Jesoa dia maneho amintsika ny fon’ny Ray” (H. Smith).

Imbetsaka ny Tompo no manantitra fa ny lazainy rehetra dia tenin’ny Ray, ary ny asa ataony rehetra dia avy amin’ny Ray. “Fa Izay nirahin’Andriamanitra dia milaza ny teniny”. “Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny, ary Izaho koa miasa”. “Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ny Zanaka tsy mahazo manao na inona na inona ho Azy, afa-tsy izay hitany ataon’ny Ray; fa na inona na inona no ataon’ny Ray, dia toy izany koa no ataon’ny Zanaka. Fa ny Ray tia ny Zanaka ka maneho Azy ny zavatra rehetra izay ataon’ny tenany”. “Tsy Ahy ny fampianarako, fa an’Izay naniraka Ahy”. “Ny Ray Izay naniraka Ahy, Izy no nandidy Ahy izay holazaiko sy izay hotoriko”. “Ny teny izay lazaiko aminareo, dia tsy avy amiko izany lazaiko izany; fa ny Ray mitoetra ato amiko no manao ny asa”. “Fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo, satria izay rehetra reko tamin’ny Raiko no nambarako taminareo”[54].

 

Amin’ny fahafatesany, ny fitsanganany tamin’ny maty, ny fisandratany…

 

“Ary nony nandroso kelikely Izy (Jesoa), dia niankohoka tamin’ny tany ka nivavaka mba hialan’izany ora izany aminy, raha azo atao. Ary hoy Izy: Aba, Raiko ô, ny zavatra rehetra hainao; esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao” (Marka 14. 35-36).

 

Tamin’ny fotoana nandraisan’i Jesoa avy tamin’ny tànan’ny Ray ny kapoaky ny fahatezerany manameloka ny ota[55], no ahitantsika voalohany teo am-bavany, ny teny hoe: “Aba, Ray” (Ray tia). “Izany teny izany dia manambara ny fifandraisana akaiky indrindra amin’ny fotoana toy izany. Ny hazofijaliana, ilay zavatra mampivarahontsana tsy azo nidifiana, dia tsy nampametra-panontaniana momba io fisitrahany ny fitiavana io, na dia nesorina taminy aza izany teo. Ny mifanohitra amin’izany aza: rehefa avy nisotro ny kapoaka Izy, dia mbola hahita fanehoana vaovao io fitiavan-dalina io. “Izany no itiavan’ny Ray Azy”… izany koa no itiavan’ireo olom-boavidiny Azy, Izy izay nitia azy ireo taloha ka nandia izany zavatra rehetra izany ho azy ireo” (J. Koechlin).

Tamin’ny niaretany ny hazofijaliana, dia “nanorina sy nanambara izay rehetra ao amin’Andriamanitra, dia ny voninahiny, i Jesoa. Andriamanitra dia marina, masina, mankahala ny ota; Andriamanitra dia fitiavana. Tsy misy ahazoana mampiaraka ireo toetra rehetra ireo raha tsy amin’ny alalan’ny hazofijaliana. Eo no manameloka ny ota ilay fitsarana marin’Andriamanitra, eo koa no mampihatra ilay fitiavana tsy manam-pahataperana amin’ny mpanota Andriamanitra. Tsy hay ambara  araka ny maha Izy Azy Andriamanitra raha tsy amin’ny alalan’ny hazofijaliana. Asehon’io hazofijalian’i Jesoa io fa zavatra iray tsy mivaky ny fahamasinan’Andriamanitra, ny fahamarinany ary ny fitiavany. Manaraka izany, ny fankatoavana sy ny fitiavana ny Ray dia tanteraka tao amin’ny olona iray, dia Jesoa, Izay olona sy Kristy : nozahana toetra tanteraka tamin’ny zava-nitranga Izy, ary teo no nanehoany, tamin’ny fomba tsy manam-paharoa, ny fahatanterahan’ny fitiavany sy ny maha olona tanteraka Azy” (J.N. Darby).

 

Natsangana tamin’ny maty tamin’ny voninahitry ny Ray i Kristy (Romana 6. 4)

 

Ny fitsanganany tamin’ny maty no nanambara feno ny hajan’ny Zanak’Andriamanitra[56]. Io no porofo fa Izy no Zanaka, io no mampamirapiratra ny voninahitra maha Andriamanitra Azy. Ary satria ny fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty no mampiseho ny voninahitra maha Zanaka Azy, dia io koa no maneho rahateo ny voninahitry ny Ray.

Ambonin’izany, mampiseho ny voninahiny amin’ny maha Ray Azy Andriamanitra, tamin’ny nametrahany teo amin’ny seza fiandrianany an’i Jesoa izay nolavina sy nohomboana tet an-tany. “Jesoa Kristy no Tompo ho voninahitr’Andriamanitra Ray”[57].

 

Ao aminao Zanaka no ahitanay ny Ray

Ny anarany masina no nambaranao

Ny fitiavany tsy misy mahasimba

No niseho tanteraka tao amin’ny fitiavanao .

(J.Conder)

 


4. Ny tavan’ny Ray

 

“Ary ny Ray Izay naniraka Ahy, Izy no nanambara Ahy. Tsy mba renareo ny feony, na hitanareo akory aza ny endriny” (Jaona 5. 37)

 

Ao amin’ny Soratra Masina, dia kisarisary no entin’Andriamanitra matetika mampianatra antsika. Ohatra, hita ao ny teny hoe “sandrin’Andriamanitra”, ilazana ny heriny. Resahina ny “tànany” anambaràna ny fidirany an-tsehatra; ny “masony” itenenana fa tanteraka ny fomba fitsaràny. Matetika koa no amakiantsika ny fiteny hoe “ny tavany” (na ny tarehiny), ka manambara ny fankasitrahany izany, ary koa ny fanehoany ny tenany[58].

 

Ny famindrampony

 

“Aoka ho mpamindra fo ianareo mba ho tahaka ny Rainareo, Mpamindra fo” (Lioka 6. 36).

 

Ny tarehy no manambara ny maha isika antsika. Inona no endriky ny Ray? Misy azontsika fantarina kely ihany avy amin’ny fitondrantenan’i Jesoa Tompo tet an-tany[59]. Impiry moa no nolazaina fa onena Izy[60]! Ny fanambaràny an’Andriamanitra dia Andriamanitra be famindrampo, Ray onena[61].

Ny famindrampon’Andriamanitra[62] dia mahakasika ny olona rehetra. “Fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina”[63]. Mampamirapiratra ny hatsarampanahiny Izy, Izy izay hany manana izany toetra izany amin’ny maha Izy Azy. Tia ireo fahavalony Izy, ary manao soa azy ireo, Andriamanitry ny fiadanana sy ny fampihavanana Izy. Izy izay notsiratsiraintsika, dia nampihavana antsika taminy tamin’ny nahafatesan’ny Zanany[64].

Ny salamo dia efa nankalaza sahady io famindrampo io, ary efa nambaran’ireo mpaminany izany. Mba hahazoantsika sombintsombiny momba izany, dia manome ny kisarisarin’ny fitiavan’ny ray ny zanany ny Baiboly[65]. I Zakaria dia miresaka ny “halehiben’ny famindrampon’Andriamanitsika”. Izany no fototra nanirahana ny Zanaka, sy nanomezana fiainam-baovao, omen’Andriamanitra an’izay mino[66].

Andriamanitra no Rain’ny famindrampo, Andriamanitry ny fampiononana rehetra. Mianatra mahalala izany toetrany izany isika rehefa ao anaty fahoriana. Ny famindrampony irery ihany koa no ahazoantsika manompo Azy. Ary io famindrampon’Andriamanitra io koa no andrasantsika. Tsy ho ela dia hoentin’ny Tompo Jesoa Kristy ao an-tranon’ny Ray ireo olom-boavidiny rehetra, amin’ny fidirany an-tsehatra amin-kery[67].

Isika, izay zanak’Andriamanitra noho ny fahasoavana irery ihany, dia asaina mampihavana, mamindra fo ary mamela heloka[68]. Izany no fomba amaliantsika ity didin’ny Tompontsika ity: “Aoka ho tanteraka ianareo toy ny fahatanterahan’ny Rainareo Izay any an-danitra”[69]. Ary ao amin’ny filazantsaran’i Lioka mifanindran-dàlana amin’io no amakiantsika hoe: “Aoka ho mpamindra fo ianareo mba ho tahaka ny Rainareo, Mpamindra fo”. Ny fahatanterahan’Andriamanitra dia toy ny hoe ampifandraisina amin’ny famindrampony.

 

Ny fahamasinany

 

“Fa araka ny fahamasinan’Ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masina koa ianareo amin’ny fitondrantena rehetra, satria voasoratra hoe: ‘Ho masina ianareo, satria masina Aho’. Ary raha Ilay tsy mizaha tavan’olona, fa mitsara araka ny asan’izy rehetra, no antsoinareo hoe Ray, dia mitondrà tena amin’ny fahatahorana mandritra ny andron’ny fivahinianareo etỳ” (1 Petera 1. 15-17).

 

Ao amin’ilay vavaka nataon’ny Tompo Jesoa tamin’ny Rainy, izay voarakitra ao amin’ny Jaona 17, dia hoy Izy: “Ray masina ô, tehirizo ireo amin’ny anaranao izay nomenao Ahy, mba ho iray ihany izy, tahaka ny mahiray Antsika”[70] Ny fahamasinana dia manambara ny zava-miafina tsy hay lazaina momba Ilay Masina[71]. Ny fiteny hoe “Ray masina” dia manambara fa ninia hanatona sy hiseho toy ny Ray Ilay Andriamanitra tsy hita maso. Io fanambaràny ny tenany io indrindra no manamasina antsika. Mangataka i Jesoa mba hotehirizina amin’ny anarany isika, dia ny anaran’ny Ray, eo amin’ny toerana izay anomezana antsika ny fiainana mandrakizay amin’ny fahafenoany manontolo. Eo no miombona amin’ny Ray sy ny Zanaka isika, ary ao amin’ny fifankatiavana.

Ny fahamasinan’Andriamanitra dia tena akaikin’ny voninahiny. Ny haja, ny fitsaohana, ny tahotra dia omena ilay “Rain’ny voninahitra”. Mampahatsiahy ny fahadiovany tanteraka koa ny fahamasinan’Andriamanitra. Rehefa manoloana ilay Andriamanitra masina ny mino tsirairay, dia dia mahatsapa avy hatrany ny fahalotoany, ny toeram-pahaverezana misy azy[72]. Satria ny fahamasinan’Andriamanitra dia tsy mahatanty izay mety ho faharatsiana[73] rehetra. Marina fa, satria Andriamanitra masina, dia mankahala ny ota Izy, nefa, satria Izy masina, dia mamonjy ny mpanota izay mino[74] Izy. Omeny azy ny fiainana vaovao sy masina[75].

Nefa satria mbola ao anatintsika ihany ny loharanon’ny fahotana, (izay antsoin’ny Baiboly hoe ny nofo), dia ampirisihina isika hitady “ny fahamasinana, satria izay tsy manana izany, dia tsy hahita ny Tompo na oviana na oviana”. Ny tiana hataontsika amin’izany, dia ny mitsara sy mamela izay rehetra ao amin’ny fiainantsika ka tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’ny Raintsika. Ny fahamasinantsika dia vokatry ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra. Antsoina isika hanamasina ny tenantsika, mba hifanaraka bebe kokoa hatrany amin’ny maha zanaka antsika ny fiainantsika andavanandro. Tsy ny ezaka ataontsika no ahatanterahantsika izany, fa ny fitokisantsika amin’ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny herin’ny Fanahiny. Andriamanitra no manatontosa io asa fanamasinana io ao anatintsika. Izany no votoatin’ny fifehezan’ny Ray, araka ny mbola ho hitantsika aoriana.

 

 

 

 

Ny fitiavany

 

“Endrey! manao ahoana ny fitiavana nasehon’ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak’Andriamanitra” (1 Jaona 3. 1).

 

Nomarihina matetika fa tsy voalaza hoe tia izao tontolo izao ny Ray. Tia ny voariny Andriamanitra, fa ny Ray kosa tia ny zanany. Ary — zava-miafina tsy hay takarina! — ny Ray dia tia ny zanany tahaka ny itiavany ny Zananilahy Tokana. Tsy ho sahy nilaza izany isika raha tsy Izy Tompo mihitsy no nampahafantatra izany tamintsika: “Ianao… efa tia azy tahaka ny nitiavanao Ahy”[76]. Mandroaka ny tahotra ny fitiavany. Raha nino ny Tompo Jesoa isika, dia foana ny fanahinahiana, tsy misy tahotra ny momba ny hoavintsika mandrakizay, satria ny Ray mihitsy no tia antsika. Aoka isika hianatra hiantoraka tanteraka eo an-tratran’ny Ray amin’ny finoana, toy ny zazakely eo an-tratran-dreniny.

“Azo antoka fa ny fitiavan’ny Ray no zava-dehibe indrindra amin’ny fanambaràn’ny Baiboly. Mamirapiratra ho an’ny zanany izany fitiavana izany, ary izy ireo irery ihany no afaka mahatsapa izany. Avy amin’Andriamanitra Izy tenany mihitsy ny toetran’izany fitiavana izany. Nitia antsika Andriamanitra, tsy hoe satria isika maha te ho tia, fa satria fitiavana Izy. Hitantsika ny maha sarobidy indrindra ny anaran’ny Ray tamin’ny famirapiratana feno hamorampo tao amin’ny Zanany. Ao aminy no ianarantsika hahalala izany hoe fitiavan’ny Ray izany. Izy no “Zanakalahy Tokana eo an-tratran’ny Ray”, “ny Zanaky ny fitiavany” (W. J. Hocking)”.

“Ary isika efa mahalala sy mino ny fitiavan’Andriamanitra antsika”[77], hoy ny apostoly Jaona. Mety misy fotoana amin’ny fiainantsika, amin’ny maha kristiana antsika, izay ahatsapantsika be tokoa izany fitiavan’ny Ray izany, fa indraindray kosa, toa takona izany. Enga anie isika mba tsy ho azo hozongozonina amin’ireny ora maizina ireny, noho ny finoana, ary hatoky fa tsy miova ny fitiavan’Andriamanitra.

“Ny fitiavan’ny Zanaka ny Ray no anton’ny fankatoavany; ary ny mifanaraka amin’izany, ny fitiavan’ny Ray ny Zanaka, no anton’ny fanomezam-boninahitra Azy! Raha andininy iray ihany no mampiseho antsika ny lafiny voalohany, dia ny Zanaka mitia ny Ray[78], ahitantsika andininy fito kosa ao amin’io filazantsara io manambara ny fitiavan’ny Ray ny Zanaka[79]. Toy ny manasa antsika koa hijery ny fitiavana omena antsika, fa tsy ny fihetseham-pontsika ho an’ny Tompo na ny Ray. Nahazo izany lesona izany i Jaona, ilay nitonona ho “mpianatra izay tian’i Jesoa” (J. Koechlin).

 

 

 

 

 

Ny fahamarinany

 

“Fa efa tia Ahy Ianao, fony tsy mbola àry ny fanorenan’izao tontolo izao. Ray marina ô, tsy nahalala Anao izao tontolo izao, fa Izaho nahalala Anao, ary ireto efa mahalala fa Ianao no naniraka Ahy” (Jaona 17. 24-25).

 

Miaina ao anatin’ny tontolo izay matetika voamariky ny tsy fahamarinana sy ny faharatsiana isika. Tontolo mifanohitra amin’ny Ray. Fa endrey kosa ny fiadanana rehefa mahafantatra fa ilay Andriamanitsika dia Andriamanitra marina sy Mpamonjy[80]! Tafiditra ao amin’ny fahamarinany ny fahatokisany sy ny famindrampony. Efa azon’i Davida tsara izany, ka nivavaka izy hoe: “Vonjeo amin’ny fahamarinanao aho”[81]. I Paoly dia nanoratra koa fa Andriamanitra dia “marina… sady hanamarina izay manana finoana an’i Jesoa”[82].

Miaraka amin’ny fahamasinan’Andriamanitra ny fahamarinany. Manamasina sy mampahery tokoa ny mahalala fa ny Andriamanitsika dia Ray marina. Angamba isika indray andro tany, niharan’ny tsy fahamarinana. Azontsika atao ny mananki-tena amin’Andriamanitra, toy ny nataon’ny Tompo Jesoa. “Raha notevatevaina Izy (ny Tompo Jesoa), dia tsy mba nanevateva; raha nijaly, dia tsy nandrahona, fa nanolotra ny adiny ho amin’ny Mpitsara marina”[83]. Fa hevitra manamasina koa izany. Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra. Tsy maintsy ataontsika an-tsaina izany rehefa tsy maintsy mampiasa fahefana na mitsara isika.

Fantatsika koa fa hotsarain’Andriamanitra izao tontolo izao, amin’ny alàlan’ny Tompo Jesoa. “Fa ny Ray aza tsy mitsara olona, fa ny fitsarana rehetra dia nomeny ny Zanaka, mba hanajan’ny olona rehetra ny Zanaka, tahaka ny fanajany ny Ray. Izay tsy manaja ny Zanaka dia tsy manaja ny Ray, Izay naniraka Azy. Ary nomeny fahefana hitsara Izy, satria Zanak’olona”[84].


5. Ny fiahian’ny Ray ny zanany

 

“Izay tsy niaro ny Zananilahy, fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy, tsy homeny antsika miaraka aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra?” (Romana 8. 32).

 

Ny fanomezana lehibe indrindra natolotr’Andriamanitra antsika dia ny Zanany malalany; koa tsy hanome antsika izay rehetra ilaintsika ve Izy? Fantatry ny Ray izay rehetra ilaintsika, ary hanome izany am-pitiavana, amin-kery sy amim-pahendrena Izy. Ny maha Izy Azy no mibaiko ny fikarakaràny ny zanany. Rehefa mianatra mahalala Azy isika, dia hianatra koa hanavaka, hahita ilay tànam-pitiavany amin’izay zavatra diavintsika rehetra.

 

Ireo fikarakaràny

 

“Dia aza manahy ianareo ka manao hoe: Inona no hohaninay? na: Inona no hosotroinay? na: inona no hotafinay? Fa izany rehetra izany dia katsahin’ny jentilisa fatratra; fa fantatry ny Rainareo Izay any an-danitra fa tokony ho anareo izany rehetra izany. Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany. Ary amin’izany, dia aza manahy ny amin’ny ampitso ianareo; fa ny ampitso hanahy ny azy. Ampy ho amin’ny andro ny ratsy miseho ao aminy” (Matio 6. 31-34).

 

“Aza manahy”, izany no averin’i Jesoa amin’ny mpianany — raha ny momba ny sakafony, ny fitafiany, na izay rehetra mety ho filàny. Mamahana ny vorona eny an-danitra ny Raintsika ary mandravaka ny voninkazo amin’ny hatsarana mahavariana. Koa raha ireny aza fahanany sy ampitafiany, mainka fa isika[85]! Tsy misy zavatra kely loatra ka tsy hojeren’Andriamanitra. “Tsy varidimiventy ihany va no vidin’ny tsintsina roa? — hoy ny Tompo manontany — nefa tsy misy na dia iray akory aza amin’ireny ho latsaka amin’ny tany, raha tsy avelan’ny Rainareo. Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Koa aza matahotra: mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo[86].

Tsy hoe atao tsirambina tsy akory ny fiainantsika ara-materialy. Toy ny olona rehetra, ny kristiana dia tsy maintsy mihinana, misotro, mitafy, miasa. Ny fifanoherana dia ato amin’ireto teny ireto hoe: “manahy” ny amin’ny sakafo sy ny fitafiana, sy ny hoe “mikatsaka ny fanjakan’Andriamanitra”. Ny fanahiana toy ny jentilisa dia mariky ny tsy finoana. Izany no “fiahiahiana izao fiainana izao” izay lazain’ilay fanoharana momba ny mpamafy, fiahiahiana izay manakana ny tenin’Andriamanitra tsy hamoa[87]. Toy izany koa ny fisaritahan’i Marta[88], izay be herehina tamin’ireo asa maro fanao andavanandro, ka nanadino ny zavatrahany tena ilaina. Rehefa ireo zavatra manahirana ireo no ilomanosana, dia kely sisa ny toerana ho an’Andriamanitra.

Ampifanoherin’i Jesoa ny zavatra izay avy eto an-tany sy ny avy amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Manohitra tanteraka ny fihevitry ny olombelona ny zavatra teneniny. Ny mitady an’Andriamanitra sy ny fanjakany no ilaina kokoa, manan-danja kokoa, maika kokoa, noho ny sakafo sy ny fitafiana. Raha ny fanjakan’Andriamanitra no jerena, dia ambinambin-javatra ihany ny fomba fiainana et an-tany. Rehefa matoky tanteraka isika fa mikarakara antsika Andriamanitra, na amin’izao ankehitriny izao na ny momba ny hoavy, dia afaka amin’ny tebiteby sy ny fanahiana[89], ka mazoto amin’ny asan’ny Tompo.

Mifandimby ny apostoly manantitra ireo tenin’i Jesoa tamin’ny mpianany ireo. “Aza manahy na inona na inona”, “Fa Andriamanitro hahatanteraka izay rehetra tokony ho anareo araka ny hareny amin’ny voninahitra”. “Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra dia avy any ambony ka midina avy amin’ny Rain’ny fanazavana, Izay tsy misy fiovaovana na aloka avy amin’ny fihodinana”. “Ary apetraho Aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo”[90].

 

Mamy amiko, ry Andriamanitro,

Ny manana Anao ho Ray,

Miaraka amiko lalandava Ianao.

Ny fahasoavanao tokoa no manazava ahy

Ekenao ny vavaka ataoko

Mijery ahy Ianao

Ary manohana ny finoako.

 

(César Malan)

 

Ny valisoa omeny

 

“Fa ianao kosa, raha manao fiantrana, dia aoka tsy ho fantatry ny tànanao ankavia izay ataon’ny tànanao ankavanana, mba hatao ao amin’ny mangingina ny fiantranao; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin’ny mangingina, no hamaly anao” (Matio 6. 3-4; jereo koa 6. 18).

 

Ny tokony hitarika antsika amin’ny fanaovan-tsoa sy ny fiainam-pinoantsika, dia ny fahafantarana fa mahita antsika Andriamanitra, ilay Raintsika. Mahita ao amin’ny mangingina Izy. Raha tsapantsika fa mijery antsika Izy, amin’ny maso feno fahamoram-po sy mandinika ny any anatintsika lalina any, dia ho voaro isika tsy hanandra-tena, satria vetivety izany dia ho lasa fihatsarambelatsihy. Ny zava-dehibe aloha, dia tsy ny fanaovana fanomezana, na ny mivavaka na ny mifady hanina, fa izay antony mahatonga antsika hihetsika. Tsy ny hitady sitraka amin’ny olona no tokony hibaiko antsika, fa ny fanaovana izay ankasitrahin’ny Raintsika[91]. Raha izany no anaovantsika asa soa, dia tsy ho fomba hireharehantsika mihitsy ireny, fa kosa ho fanatitra ho an’Andriamanitra.

Mahalala antsika tsirairay Andriamanitra. Eo imasony, dia tsy misy miafina na inona na inona. Hasehony indray andro any ny zavatra faran’izay nafenina indrindra. Havoakany hazava tsara ny asa ratsy natao — ny fieritreretana izany dia tokony hahatonga tahotra mahasoa ao anatintsika. Kanefa koa Andriamanitra dia hanambara sy hanome valisoa izay rehetra natao tao amin’ny mangingina noho ny fitiavana Azy, ary angamba nafenina tet an-tany. Hafatra mampahery tokoa izany, ary tena mampitombo ny finoantsika !

 

Ny fifehezany

 

“Fa izay tian’i Jehovah no faiziny, ary izay zanaka rehetra raisiny no kapohiny. Famaizana no antony hiaretanareo; Andriamanitra mitondra anareo tahaka ny zanaka; fa aiza moa izay zanaka tsy faizin-drainy? Fa raha tsy faizina tahaka ny itondrana azy rehetra ianareo, dia zazasary, fa tsy zanaka” (Hebreo 12. 6-8).

 

Ny ray tia ny zanany dia tsy mamela azy ireo hitaiza tena irery eny. Mampianatra sy manabe azy izy; mibedy sy manafay azy izy rehefa ilaina izany. “Izay mitsitsy ny tsorakazony dia tsy tia ny zanany; fa izay tia zanaka dia manafay azy, raha mbola kely”[92]. Izany no ataon’Andriamanitra amin’ireo olony. “Fa izay tian’i Jehovah no anariny, dia tahaka ny ataon’ny ray amin’ny zanaka tiany”[93].

Na, amin’izao fotoana izao aza, tsy mahafaly antsika izany famaizan’ny Raintsika izany — fa kosa mampalahelo — dia aoka isika hahay hijery ilay tànam-pitiavana amin’izay rehetra manjo antsika. Ny zavatra ataony dia “hahasoa, mba handraisantsika ny fahamasinany”. “Fa rehefa afaka izany, dia vao mitondra ny vokatry ny fahamarinana hiadanana ho an’izay nanaovana azy” izany famaizana izany (Hebreo 12.10,11). Noho izany, aoka isika tsy hanao tsinontsinona ny famaizana ataon’i Jehovah ary tsy ho reraka raha mahakasika antsika izany (and 5). Tsy tokony hoe hahari-pery isika — toy ny hoe zavatra efa voasoratra ka tsy maintsy diavina ny fijaliana — na ho very fanantenana— toy ny hoe tsy voalanjalanjan’Andriamanitra tsara ny fijaliantsika. Aoka isika hahatsiaro fa “ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra”[94].

Ny fifehezan’ny Ray ny zanany dia mety hanana endrika samihafa. Mety ho valin’izay natao izany, ary toa famaizana, nefa misoroka sy mitaiza lalandava. Betsaka tokoa ireo ohatra ao amin’ny Soratra Masina izay mampiseho ny vokatra ara-moraly entin’ny fitsapana. Io fifehezana misoroka sy mitaiza io mihitsy no lazain’i Jesoa ao amin’ny fiandohan’ny Jaona 15, raha miresaka ny asan’ny mpamboly amin’ny sampam-boaloboka Izy. “Izaho no voaloboka, ianareo no sampany”. “Ny Raiko no mpamboatra”. “Ny sampany rehetra izay mamoa dia amboariny, mba hamoa bebe kokoa”. “Izany no ankalazàna ny Raiko, mba hamoazanareo be” (and 1-8). Ary inona moa izany voa izany, raha tsy ny fanehoana ny fiainan’i Jesoa eo amin’ny mino? Mihoatra noho ny asa soa izany, ary izany no ankalazàna ny Raintsika. Enga anie ka havelantsika hiasa ao anatintsika Izy!

 

Miahy ny zanany ny Ray

Tsy mitandro hasasarana,

Raha mamoa voa tsara ho Azy

Ilay antso avy any an-danitra.

(J.N. Darby)


6. Miaina amin’ny maha zanak’Andriamanitra antsika

 

Efa hitantsika fa ny Tompo Jesoa no manambara ny Ray amintsika ary mitarika antsika any Aminy. Ny fomba niainany tet an-tany, indrindra indrindra ny mikasika ny fifandraisany tamin’Andriamanitra Rainy, no manambara amintsika ireo tena toetran’ny zanak’Andriamanitra.

 

Ny fankatoavana

 

“Hoy Jesoa taminy: Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’Izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany” (Jaona 4. 34).

 

“Manao izay sitrapon’Andriamanitra amin’ny fo” (Efesiana 6. 6).

 

Raha tonga tet an-tany ny Tompo Jesoa, dia nilaza hoe: “Inty Aho tonga — ao amin’ny horonam-boky no nanoratana Ahy — hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô”[95]. Izany no haniny. Nankatò hatramin’ny fahafatesana i Jesoa, dia ilay fahafatesana tamin’ny hazofijaliana[96]. Mbola lavitra dia lavitra isika vao hitovy amin’ilay Modely avy amin’Andriamanitra, nefa enga anie ny faniriantsika sy ny zavatra katsahintsika lalandava, ka mba ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahiny. Ary amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainantsika izany.

Andriamanitra no Raintsika, manana fahefana amin’ny fiainantsika Izy. Ary tanterahiny ny zavatra nokasainy eto amin’ity tany ity, ary ampiasainy indrindra amin’izany ny fankatoavan’ny zanany. Arakaraka ny hatokisantsika an’Andriamanitra no hankatoavantsika Azy, ary arakaraka ny hankatoavantsika Azy no hahafantarantsika ny sitrapony, dia izay tsara  sady ankasitrahina no marina[97].

Miresaka ny momba ny fitiavana hafakely omen’ny Ray — sy omeny koa — ny Tompo, ho an’izay olona mitandrina ny didiny, na ny teniny. “Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia Ahy; ary izay tia Ahy no ho tian’ny Raiko, ary Izaho ho tia azy ka hiseho aminy”[98]. Mbola ampiany koa hoe: “Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ary ny Raiko ho tia azy, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy”[99]. Koa ho an’izay tia ny Tompo ka mitandrina ny teniny, dia hisy fisehoan’ny Zanaka sy ny Ray manokana, amin’ny fonenany ao aminy. Feno sy tanteraka ny fanambaràn’i Jesoa ny Ray amintsika; fa ny fomba hidirantsika manokana amin’izany sy hisitrahantsika azy no miankina amin’ny fomba fankatoavantsika.

Aoka ho tsaroantsika fa ny tsy mino dia antsoina hoe zanaky ny tsy fanarahana, fa ny zanak’Andriamanitra kosa dia antsoina hoe zanaka manoa[100].

“Ny nahafantaran’izao tontolo izao ny fitiavan’ny Zanaka ny Ray, dia ny fankatoavany. Ny hampahafantatra azy ny fitiavan’ny Ray ny Zanaka, dia ny voninahitr’io Zanaka io. Amin’izany, dia afaka mametraka fanontaniana amin’ny tenantsika isika hoe: satria ho hitan’izao tontolo izao rahampitso fa notiavina isika, efa anio ve izy dia afaka hahatsapa fa isika koa dia tia ny Tompo satria mitandrina ny didiny?”[101] (Jean Koechlin).

 

Inona no havalinay izany fitiavanao lehibe izany, ry Ray tsara ô?

Omeo fo mahay mankatò re izahay!

Enga anie hamirapiratra eo amin’ny handrinay ilay toetra avy Aminao

Izay hanisian’ny Fanahinao tombo-kase ny zanakao.

 

(F. Olivier)

 

Ny fahafahana

 

“Ary satria zanaka ianareo, dia nirahin’Andriamanitra ho ato am-pontsika ny Fanahin’ny Zanany… ka dia tsy mpanompo intsony ianao, fa zanaka” (Galatiana 4. 6-7).

 

Ry kristiana, aza mihevitra fa hoe, satria isika zanak’Andriamanitra, ka noho izany, zanaka manoa, dia voageja isika. Ny mifanohitra amin’izany no izy. Ny Soratra Masina dia milaza fa “ny lalàna tanteraka, dia ny lalàn’ny fahafahana”[102]. Ny anjarantsika dia ny “ho amin’ny fahafahana izay momba ny voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra”[103]. Marina fa eo amin’ny samy olombelona, izany hoe voatery hanao ny sitrapon’olon-kafa izany dia mariky ny fanandevozana. Fa mifanohitra amin’izany kosa ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra, satria io no làlana ahitana ny tena atao hoe fahafahana.

Jesoa no manome ny ohatra lehibe indrindra amin’ny fiainana toy izany. Nikatsaka lalandava ary nisafidy an-kalalahana ny hankatò ny Rainy Izy, ary izany no fifaliany lehibe indrindra. Nivelatra ny maha Izy Azy, na dia teo aza ny fankahalana, ny tsy rariny sy ny fanambaniana. Tsy niankina tamin’izay hevitry ny sasany mihitsy i Jesoa, na ny an’ireo nanam-pahefana tamin’izany fotoana izany, na ny an’ny vahoaka, na ny an’ny mpianatra aza. Ny faniriana tsy miova nasehony dia ny fanatanterahana izay nasain’Andriamanitra Ray nataony. An-kalalahana hatrany no nanaovany izany. Niseho izany fahafahany izany tamin’ny fanekeny ny hanolotra ny ainy, noho ny fitiavany ny Rainy, ny Fiangonany ary ny olona tsirairay izay mino Azy.

Raha nanangana antsika Andriamanitra, dia nanafaka antsika tamin’ny fanandevozan’ny lalàna sy ny ota, ka nanome toerana avo antsika ho zanaka lahy sy zanaka vavy. Nohafahana isika hivavaka Aminy sy hitsaoka Azy[104]. Ary tsy izany ihany, fa nomeny antsika ny Fanahiny izay manafaka antsika amin’ny faharatsiana ao anatintsika. “Fa ao amin’i Kristy Jesoa ny lalàn’ny Fanahin’aina no nahafaka ahy tamin’ny lalàn’ny fahotana sy ny fahafatesana”[105]. Ny fahafahana, amin’ny dikany lalina indrindra, dia mahakasika ny fiainana anaty. Tsy mijanona eo amin’ny fahafahana miala amin’ny zavatra fanao andavanandro na ny hazakazaka atao amin’ny fiainana moderina izany, mba ho fahafinaretantsika. Raha ny tena dikany lalina, ny fahafahana dia ny fanatanterahana ny iraka tadiavin’Andriamanitra ataontsika.

Mba hanazavana kokoa io fahafahana io, dia afaka maka ohatra iray isika, dia ny trondro: afaka izy rehefa ao anatin’ny zavatra tokony hisy azy andavanandro, dia ny rano. Toy izany koa, afaka ny vorona raha afaka manidina. Ny kristiana dia olona afaka raha afaka mitia toy ny fitiavan’Andriamanitra, ka mikatsaka sy manao ny tsara. Raisiny eo amin’ny fiainany izany fahafahana izany, amin’ny alalan’ny fahasoavan’Andriamanitra izay miasa ao anatiny. “Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony”[106]. Misy fifamatorana saro-pantarina sy tena lalina izany eo amin’ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fahafahan’ny mino. Ny fahasoavana no mahatonga izany fahafahana izany ao anatintsika, ary miaina izany isika amin’ny finoana sy ny asan’ny Fanahy Masina.

 

Ny vavaka

 

“Ary Jesoa nivavaka tao amin’ny fitoerana iray, ka rehefa nitsahatra Izy, dia hoy ny mpianany anankiray taminy: Tompoko, mampianara anay hivavaka… Raha mivavaka ianareo, dia ataovy hoe: Ray ô…” (Lioka 11. 1-2).

 

“Ary satria zanaka ianareo, dia nirahin’Andriamanitra ho ato am-pontsika ny Fanahin’ny Zanany, miantso hoe: Aba, Ray ô” (Galatiana 4. 6).

 

Jesoa, ilay Olona tanteraka, dia olon’ny vavaka. Nivavaka tamin’ny Rainy Izy, na taiza na taiza toerana nisy Azy, na inona na inona fotoana[107], ary tontolo alina mihitsy no nanaovany izany matetika[108]. Ny vavaka no mariky ny fatokisany ny Rainy, izay tsy azo hozongozonina, sy mariky ny fiombonany Aminy. Nanaitra ny mpianatra tokoa izany ka nahatonga azy ireo hangataka hoe: “Tompoko, mampianara anay hivavaka”.

Nampianatra azy ireo ilay vavaka atao hoe “Vavaka nampianarin’ny Tompo” ny Tompo Jesoa[109]. Modely tsy hoe atao “tsianjery”[110] tsy akory izany, fa hosaintsainina lalindalina kokoa hatrany. Ny hataka telo voalohany amin’ny “Vavaka nampianarin’ny Tompo” dia mifandraika amin’ny voninahitr’Andriamanitra: ny anarany, ny fanjakàny, ny sitrapony. Raha ataontsika ho toy ny antsika izany, dia hisy fiantraikany be amin’ny fiainantsika. Manaraka ireo, dia ny hataka momba ny filàntsika (omeo anay… mamelà ny helokay…manafaha anay). Ireo fangatahana ireo dia mitarika antsika hahatsiaro fa, amin’ny zavatra rehetra, dia miankina amin’ny Ray isika, na ny momba ny vatantsika izany (ny sakafo), na ny momba ny fanahintsika (ny famelan-keloka). Mba hisitrahana ny famelan-keloka omen’Andriamanitra, dia tsy maintsy manana saina tia mamela heloka koa aho[111]. Farany, ilay fangatahana farany, izay matetika adino, dia ny fangatahana mba tsy ho azon’ny fakàm-panahy[112]. Marina fa indraindray dia mamela ny fisian’ny fizahan-toetra Andriamanitra mba hanamafy ny finoantsika. Izany no ivavahantsika hoe: “manafaha anay amin’ny ratsy”. Io hataka io dia mipololotra avy ao am-po, ary manambara finoana mandresy. Satria mitaky zava-tsoa izay efa azo tamin’ny fandresen’i Jesoa isika.

Tamin’ireo teny farany nataon’ny Tompo Jesoa talohan’ny hanomboana Azy teo amin’ny hazofijaliana, dia mananatra ny mpianany Izy (ary isika koa, aorian’izy ireo) mba hivavaka mivantana amin’ny Ray, amin’ny anarany[113]. Hatramin’izay Izy mantsy, dia toy ny mpanelanelana amin’ny mpianatra sy ny Ray. Fa hatramin’ny nahafatesany sy ny nitsanganany tamin’ny maty, dia nampifandraisiny mivantana tamin’ny Ray isika. Na ora inona, na zava-miseho inona, dia tsy manelingelina an’Andriamanitra mihitsy isika. Tsy misy mpanelanelana intsony, tsy misy ahiahy, tsy misy tahotra ny holavina. Mandray antsika Andriamanitra noho i Kristy.

Ny mivavaka amin’ny Ray amin’ny anaran’i Jesoa no manamarika ny vanim-potoana kristiana. Matetika loatra angamba isika no mamarana am-pahazarana ny vavaka ataontsika amin’ny hoe “amin’ny anaran’ny Tompo Jesoa” nefa tsy mahatsapa tsara ny tena dikan’izany. Rehefa mangataka amin’Andriamanitra amin’ny anaran’ny Tompo Jesoa isika, dia toy ny hoe ny Tompo no miara-mangataka amintsika. Mangataka amin’Andriamanitra isika mba hataony ho toy ny Zanany no manao izany fangatahana izany.

Tamin’isika mbola zaza angamba, dia nianatra nivavaka tamin’ny Tompo Jesoa isika. Tsy mahagaga izany. Ny Tompo Jesoa no namantsika faratampony. Hitantsika ao amin’ireo filazantsara fa nitrotro ny zaza Izy[114]. Raha izany no zava-nisy, mampiasa ny fahafahantsika miresaka amin’ny Raintsika ve isika ? Indraindray isika dia mandre kristiana mivavaka ary mampiasa ny teny hoe “Tompo” fotsiny, nefa angamba tsy dia fantany loatra hoe iza no ivavahany. Marina fa re ireny vavaka ireny, nefa ny Testamenta Vaovao, izay manambara amintsika ny Ray sy ny Zanaka, dia manome antsika ohatra hafa. Ao amin’ny Asan’ny Apostoly sy ny epistily, dia hitantsika fa ny vavaka ataon’ireo kristiana dia miantefa na amin’ny Tompo Jesoa na amin’Andriamanitra Ray, araka izay itarihan’ny Fanahy Masina azy ireo[115].

Tokony hivavaka amin’ny alalan’ny Fanahy isika[116], izany hoe manaiky ho tarihiny. Mety tsy ho fantatsika angamba “izay vavaka tokony hataontsika”, nefa “ny Fanahy no mamonjy ny fahalementsika”[117] . Ary na dia “fitarainana tsy azo tononina” aza no miloatra ny fontsika, dia ren’ny Ray izany ary azony, satria “Izay mandinika ny fo no mahalala izay hevitry ny Fanahy” (and 27).

 

Avy amin’ny Rain’ny fahazavana

Izay rehetra mety ho fanomezana tanteraka

Mamaly ny vavako Izy

Faly ny hitahy ahy.

 

Ny fiderana

 

“Tamin’izany andro izany, dia namaly Jesoa ka nanao hoe: Midera Anao Aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nafeninao tamin’ny hendry sy ny manan-tsaina izany zavatra izany ka nasehonao tamin’ny zaza madinika. Eny, Raiko; fa izany no sitraponao” (Matio 11. 25-26).

 

“Koa izany no tsy mahamenatra Azy hanao ireo hoe ‘rahalahy’ ka manao hoe: Hitory ny anaranao amin’ny rahalahiko Aho; eo amin’ny Fiangonana no hiderako Anao” (Hebreo 2. 11-12)

 

“Fa avy ny andro, sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin’ny Ray amin’ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka Aminy ho tahaka izany. Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy ny fahamarinana” (Jaona 4. 23-24).

 

Toy ny Tompo Jesoa, dia afaka midera ny Ray isika. Midera Azy isika noho ny maha Izy Azy sy noho ny zavatra ataony. Mankasitraka Azy isika noho ny fikarakaràny sy ny heviny, ny fikasàny. Izy irery no hendry.

Isaorantsika “ny Ray, Izay mampahamendrika antsika hanana anjara amin’ny lovan’ny olona masina eo amin’ny mazava, sady nahafaka antsika tamin’ny fahefan’ny maizina ka namindra antsika ho amin’ny fanjakan’ny Zanany malalany”[118]. Izany indrindra no ataontsika rehefa mivory manodidina ny Tompo Jesoa isika, miaraka amin’ireo rahalahy sy anabavintsika ao amin’ny finoana. Izany no tokony hikatsahantsika ny “hampiray hevitra antsika araka an’i Kristy Jesoa”. Amin’izay dia “ho saina iray sy vava iray” no hankalazantsika “an’Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika”[119]. Hampiara-peo amin’ny Tompo isika amin’izay fotoana izay. Eo afovoan’ny olony mivory amin’ny anarany Izy ary mitarika azy ireo, amin’ny herin’ny Fanahiny, mba hankalaza ny Ray amin’ny fiombonana Aminy.

Efa mialoha làlana sahady ny fiderana mandrakizay isika amin’izany. Aoka ho eritreretina ny voninahitra tokony homen’ny voarin’Andriamanitra Azy, ary ny tian’ny Ray homen’ny zanany Azy. Mitsaoka an’Andriamanitra ny anjely, nefa Izy dia te ho fantatra sy hivavahan’ny zanany malalany, izay omeny fahasoavana, ho toy ny Ray.

Eny, tsy ny hidera an’Andriamanitra toy ny Andriamanitra Mpanjaka sy Tsitoha ihany no anasana antsika, fa koa toy ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, toy ny amin’ny Raintsika ao amin’i Jesoa Kristy. Miseho amintsika amin’ny anarana mamy hoe “Ray” Andriamanitra, amin’ny alalan’ny Fanahiny, ary izany fahalalana izany no anefeny antsika ho tonga mpivavaka marina. Mitsaoka ny Ray isika, ary mitsaoka an’Andriamanitra. Tsy azo sarahina ireo zavatra roa loha ireo. Ambonin’izany, dia mitsaoka ny Zanaka koa isika, Ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra, ary amin’ny fivavahana aminy no ankalazantsika ny Ray[120].

 

Ny fiderana ny voninahitry ny Ray

No aoka hipololotra avy ao am-pontsika izay mifaly amin’ny fitiavany!

Ary aoka ny hira ho mandrakizay, izay atomboka et an-tany,

Hanandratra, hanome voninahitra ny Ray sy ny Zanaka!

(A.   Ladrierre)

 

Fitiavana sy fahamarinana

 

“Ry malala, aoka hifankatia isika; fa avy amin’Andriamanitra ny fitiavana, ary izay rehetra tia no naterak’Andriamanitra sady mahalala an’Andriamanitra” (1 Jaona 4. 7).

 

“Izay rehetra naterak’Andriamanitra no tsy manota, satria ny voany mitoetra ao anatiny, ary tsy mahay manota izy satria naterak’Andriamanitra”

(1 Jaona 3.9).

 

Rehefa tonga kristiana isika, dia mampiditra antsika ho isan’ny fianakavian’ny zanak’Andriamanitra ny Fanahy Masina, amin’ny alalan’ny fahateraham-baovao. Ny toetra voalohany manamarika io fianakaviana io dia ny fitiavana. Satria Andriamanitra no Raintsika, isika rehetra (kristiana) dia mpirahalahy daholo, ary tokony hiaina izany fifandraisana amin’ny samy mpirahalahy izany isika, ka mampiseho ny toetran’ny Ray.

Ambonin’izany, ny Tompo Jesoa dia niantso antsika hoe rahalahiny. Izy no “Lahimatoa amin’ny rahalahy maro”[121]. Nampiraisiny ho iray isika tamin’ny nahafatesany. Ny faniriany dia ny anehoantsika marina, amin’ny alalan’ny Fanahiny, fa zanak’Andriamanitra isika ary mpirahalahy, amin’ny fifankatiavantsika sy ny fifanompoantsika. Ao amin’ny fianakavian’ny zanak’Andriamanitra, dia samihafa ny fahamatorana. Ny apostoly Jaona dia miresaka ny “ankizy madinika”, ny “zatovo” ary ny “ray”. Fa raha mikasika ny fitiavana kosa, tsy tokony hisy ny fanavakavahana, satria iray ihany isika rehetra ao amin’i Kristy amin’ny alalan’ny Fanahy.

Rehefa mitia isika, dia mampiseho fa zanak’Andriamanitra, satria Andriamanitra dia fitiavana. Mianatra mahalala ny fon’Andriamanitra koa isika amin’izany. Raha manana lolompo mantsy isika, raha mandà ny hamela heloka, dia manala baraka Ilay entintsika anarana, ary ho very ny fifaliana amin’ny maha zanaka antsika.

Raha voasoratra fa “izay rehetra tia no naterak’Andriamanitra”, dia voasoratra koa fa “izay rehetra naterak’Andriamanitra no tsy manota”. Marina sy masina Andriamanitra. Ny zanany, izay naterany, dia manana ny toetra tmaniry sy mikatsaka ny tsara, sady mankahala sy mandositra ny ratsy. Izany no ahafantarana azy ireo. “Raha fantatrareo fa marina Izy, dia fantaro fa izay rehetra manao ny marina no zanany naterany”[122]. Mazava ho azy fa misy foana ny fahalavoana amintsika, noho ilay toetrantsika taloha. Lazain’ny apostoly Jaona mazava izany ary ambarany koa ny fomba hiarenantsika amin’izany[123].

Io fitiavana io, izay Andriamanitra no loharano nipoirany, ka iantsoana antsika mba hitafy azy[124], dia tokony hamirapiratra koa ho an’ireo tsy mino. Eo amin’ny tontolo izay matetika tsy mifaditrovana, dia andraikitsika ny mitia ny fahavalontsika sy misaraka amin’ny faharatsiana. Amin’izany no anehoantsika fa zanaky ny Raintsika isika[125]. Raha isika, izay zanany, no mitovy amin’ny Ray, dia ho afaka hanambara ny tenany amin’ny olombelona manodidina antsika Izy.

 

 

Ry zanak’Andriamanitra, aza mitsahatra ny miaina

Ao anatin’ilay fitiavana mampiray antsika.

Izany no harena mandrakizay

Ho an’ireo izay tahian’ny Mpamonjy.

 

(A.   Barbey).


7. Fehiny

 

“Ary efa nampahafantariko azy ny anaranao, ary mbola hampahafantariko ihany” (Jaona 17. 26).

 

Rehefa mandinika ny teny farany nataon’i Jesoa tamin’ny mpianany talohan’ny hanomboana Azy teo amin’ny hazofijaliana isika[126], dia gaga fa amirapiratan’ny fanambaràna ny Ray izany teny izany. Toy ny hoe, tamin’ireo teniny farany, dia mampirisika antsika fatratra hanatona ny Ray ny Tompo Jesoa. Tokony ho vokatr’izany manontolo ny fiainantsika: na amin’ny toerana omentsika ny Fanahy ao amin’ny fiainantsika, na amin’ny fitandremantsika ny tenin’i Jesoa, na amin’ny famoazantsika, na koa aza amin’ny fomba fandraisantsika ny fankahalan’izao tontolo izao…

“Matetika isika no mialona sy mitady ho tiana irery, toy ny zaza izay tsy tia mizara amin’ny sasany ny fikarakarana sy ny fitiavan’ny ray aman-dreniny. Mifanohitra tanteraka amin’izany ny fitiavan’i Kristy! Ny hany faniriany dia ny hampivelatra io fiombonona io, izay Izy no ivony. Tiany ny hampiditra ireo izay antsoiny hoe rahalahiny amin’ny fahafantarana ny fon’Andriamanitra, toy ny fahafantarany azy.

Raha tia ny Tompo isika, dia voalohany indrindra, hifaly amin’izany fitiavana izany noho Izy. Dia hihataka amin’izay zavatra nampahery Azy mandrakariva tet an-tany sy mbola fifaliany ho  mandrakizay ve isika? Hifaly koa isika noho ny Ray. Zanaka toy inona moa i Jesoa aminy! Nefa koa, mianatra mahalala ny anjara toerantsika ao amin’izany zavatra mampitolagaga izany isika: tia antsika ny Ray satria tiany i Jesoa, ary tahaka ny itiavany an’i Jesoa no itiavany antsika[127]. Toy ny milaza amintsika ny Tompo hoe: “Satria ahy ianareo, dia misitraka ny fitiavany Ahy koa ianareo. Banjino amin’ny finoana Aho, eo amin’ny toerana izay nametrahan’ny Ray Ahy; amin’ny fahatsapanareo ny fitiavany Ahy no hahatsapanareo fa tiana ianareo” (J. Koechlin).

Ankehitriny, any an-danitra, dia mbola manohy mitarika antsika hanatona ny Ray ihany Izy. Amin’ny alalan’ny Fanahiny no anaovany izany. Amin’ny alalan’ny teniny no anaovany izany. Ataony izany mandra-piavin’ilay fotoana hampidirany antsika rehetra ho ao an-tranon’ny Ray. Ao no hahitantsika an’i Jesoa, ary amin’ny alalany no hahafantarantsika ny hafenoan’ny fitiavan’ny Ray, ny fiadanany, ny fifaliany.

 

Ao amin’ny fahazavana mandrakariva

Ao amin’ny tranon’ny Ray

Dia foana izay mety ho aloka

Manoloana ny famirapiratan’ny andro.

(A.  Ladrierre)


Mifandraika amin’io lohahevitra io, dia manasa anareo izahay hamaky ireto lahatsoratra ireto:

 

Ny fanambaràna miandàlana ny anaran’Andriamanitra

 

Ny fiombonana

 

Ireo teny farany

 

 



[1] Asa 2. 21

[2] Eksodosy 20. 7

[3] Ny fanoratana ara-bakiteny io teny hebreo io dia sarotra tokoa. Izany no anoratana hoe Jehovah.

[4] Amin’ny teny hebreo, ny matoanteny hoe “misy” dia mifono ny hevitra hoe “hetsika”. Ohatra, ao amin’ny bokin’ny mpaminany, raha voasoratra ara-bakiteny hoe “ny tenin’i Jehovah dia nolazaina an’i…”, azo adika toy izao izany: “ny tenin’i Jehovah dia tonga tamin’i…”

[5] Eksodosy 3. 14

[6] Isaky ny voatanisa ao amin’ny Testamenta Vaovao ny andininy iray amin’ny Testamenta Taloha, dia adika hoe Kurios ny anarana hoe Yahweh sy Adonaï.

[7] Ilazana ny Ray (Asa 4. 29), ilazana ny Zanaka (Filipiana 2. 11), ilazana ny Fanahy Masina (2 Korintiana 3. 17).

[8] 1 Korintiana 12. 3

[9] Nomarihina matetika fa vitsy ao amin’ny Testamenta Taloha, ireo andininy maneho an’Andriamanitra ho toy ny Ray. Nilaina talohan’izany ilay fanehoana lehibe tao amin’ny Testamenta Taloha, hoe Andriamanitra no Mpahary. Vavolombelon’ny heriny tsy misy fetra sy ny maha Andriamanitra Azy ny fisian’izao tontolo izao, fa tsy vavolombelon’ny maha Ray Azy.

[10] Jakoba 1. 17

[11] Efesiana 4. 6

[12] Matio 10. 29

[13] Joba 2. 10

[14] Deoteronomia 32. 6; Isaia 63. 16

[15] Eksodosy 4. 23

[16] Hosea 11. 1; Matio 2. 15

[17] Kolosiana 1. 3

[18] Jaona 1. 18. Jereo koa Jaona 17. 24

[19] 2 Jaona  3

[20] Jaona 3. 16; Romana 8. 32

[21] Lioka 1. 35

[22] Jaona 14. 28

[23] 2 Korintiana 8. 9

[24] Jaona 5. 23

[25] Hebreo 5. 8

[26] Filipiana 2. 8

[27] Jaona 8. 19,42; 15. 23

[28] Jaona 14. 6

[29] 1 Jaona 2. 23

[30] 1 Jaona 2. 13

[31] Jaona 1. 12,13

[32] 2 Petera 1. 4. Ny firaisana amin’ny fomban’Andriamanitra dia tsy midika akory hoe lasa andriamanitra. Izay ao amin’i Kristy dia efa lasa olom-baovao (2 Korintiana 5. 17).

[33] Romana 5. 5

[34] 1 Tesaloniana 1. 6

[35] Romana 8. 34

[36] Efesiana 1. 3; 2 Korintiana 1. 3; 1 Petera 1. 3; Romana 15. 6; Kolosiana 1. 3; 2 Korintiana 11. 31

[37] Jehovah no anarana nentiny nifandray tamin’ny vahoakany tet an-tany.

[38] Efesiana 5. 1; Jaona 17. 23

[39] Jaona 20. 17

[40] Jaona 17. 22,24

[41] Romana 8. 29

[42] Filipiana 3. 21

[43] 1 Jaona 3. 2

[44] Jereo 1 Jaona 2. 6; 2 Korintiana 3. 18

[45] Matio (toko faha-5 hatramin’ny faha-7)

[46] Matio 5. 16,45,48; 6. 1,9,14,26,32; 7. 11

[47] Ny fotoana nanaovan’ny Tompo ny asany tet an-tany dia fotoana manelanelana ny vanim-potoanan’ny lalàna sy ny vanim-potoanan’ny Fiangonana. Ny fanambaràna tanteraka ny fivavahana kristiana dia miorina amin’ny nahafatesan’i Kristy sy ny nitsanganany tamin’ny maty, ny nandratana Azy am-boninahitra, ary ny fahatongavan’ny Fanahy Masina et an-tany. Ny Tompo mihitsy no efa nampitandrina ny mpianany hoe mbola be ireo zavatra tokony holazainy azy ireo, saingy mbola tsy tantiny (jereo Jaona 16. 12)

[48] Jaona 13. 31; 17. 4

[49] Jaona 16. 27

[50] Jaona 20. 17

[51] Jaona 10. 30

[52] 2 Korintiana 5. 19

[53] Jaona 14. 9-10; vakio koa 17. 21

[54] Jaona 3. 34; 5. 17; 5. 19-20; 7. 16; 12. 49; 14. 10; 15. 15

[55] Jereo Isaia 51. 17

[56] Romana 1. 4

[57] Filipiana 2. 11

[58] Ohatra: Isaia 51. 9; Deoteronomia 12. 25; Salamo 89. 15; Nomery 6. 25; Eksodosy 33. 20

[59] Jaona 14. 9

[60] Matio 9. 36; 14. 14; 15. 32; 20. 34; Marka 1. 41; 6. 34; 8. 2; Lioka 7. 13

[61] Lioka 15. 20; Matio 18. 27

[62] Ny atao hoe famindrampo dia ny fananana fo mora tohina amin’ny fahoriana sy fijalian’ny sasany. Izany no mifanohitra amin’ny tsy firaharahiana sy ny hamafisampo.

[63] Matio 5. 45

[64] Romana 5. 10

[65] Deoteronomia 1. 31

[66] Lioka 1. 78; 1 Petera 1. 3

[67] 2 Korintiana 1. 3; 4. 1; Joda 21

[68] Matio 5. 9; 18. 21-35; Efesiana 4. 32; 5. 1; Romana 12. 17,21

[69] Matio 5. 48

[70] Jaona 17. 11

[71] Izany no mahatonga ny fiantsoana an’Andriamanitra indraindray hoe Ilay Masina (Isaia 40. 25; Hosea 11. 9).

[72] Joba 34. 10; Isaia 6. 5

[73] Habakoka 1. 13

[74] Isaia 5. 16; 52. 10

[75] 1 Korintiana 1. 30

[76] Jaona 17. 23

[77] 1 Jaona 4. 16

[78] Jaona 14. 31

[79] Jaona 3. 35; 5. 20; 10. 17; 15. 9; 17. 23,24,26

[80] Isaia 45. 21; Jereo koa 1 Jaona 1. 9

[81] Salamo 31. 1

[82] Romana 3. 26

[83] 1 Petera 2. 23

[84] Jaona 5. 22-23,27

[85] Matio 6. 26-30

[86] Matio 10. 29-31

[87] Matio 13. 22

[88] Lioka 10. 41

[89] 1 Petera 5. 7

[90] Filipiana 4. 6,19; Jakoba 1. 17; 1 Petera 5. 7

[91] Galatiana 1. 10

[92] Ohabolana 13. 24

[93] Ohabolana 3. 12

[94] Romana 8. 28

[95] Hebreo 10. 7

[96] Filipiana 2. 8

[97] Romana 12. 2

[98] Jaona 14. 21

[99] Jaona 14. 23

[100] Efesiana 5. 6; 1 Petera 1. 14

[101] Jaona 17. 23

[102] Jakoba 1. 25

[103] Romana 8. 21

[104] Hebreo 10. 19

[105] Romana 8. 2

[106] Filipiana 2. 13

[107] Matio 11. 25-27; Jaona 11. 41-42

[108] Matio 14. 23

[109] Matio 6. 9-13 sy Lioka 11. 2-4. Io vavaka io dia mifandraika amin’ny vanim-potoana niainan’ny mpianatra. Niseho tamin’ny vahoakany i Jesoa mba hanorina ilay fanjakana nampanantenaina, ary mbola tsy nolavina. Ny fahafatesan’ny Tompo sy ny asa famonjena hataony dia mbola tsy fantatra, ary mbola tsy tonga nonina tao amin’ny mino ny Fanahy Masina. Ny tena votoatiny voalohany amin’io vavaka io izany dia mahakasika ny vanim-potoana hanolorana ny fanjakan’Andriamanitra na hanorenana azy (ao amin’ny Fanjakana arivo taona). Na izany aza anefa, na dia tsy mifandraika mivantana amin’ny vaninandro kristiana aza io vavaka io, dia manana ny lanjany satria hitantsika ao daholo ireo fitsipi-pitondrantena tokony hananana amin’ny vanim-potoana rehetra.

[110] Matio 6. 7

[111] Ny tiana holazaina eto dia ny famelan-keloka amin’ny fiainantsika et an-tany fa tsy ny famelan-keloka ho mandrakizay akory. Ampitovio amin’ny Marka 11.25-26. Raha miteny ny Tompo hoe: “Tsy hamela ny fahadisoanareo ny Rainareo”, dia tsy ny famonjena antsika ho amin’ny mandrakizay no resahiny, fa ny fifehezan’ny Ray ny zanany. Ny maha zanaka antsika dia tsy voakasiky ny fahadisoana na tsy fankatoavana, fa amin’ny fisitrahantsika ilay fifandraisana kosa no hisy fiantraikany.

[112] Ny fakàm-panahy dia izay zavatra rehetra mety hitarika antsika hiala amin’ny làlana anatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra.

[113] Jaona 16. 23-26

[114] Marka 10. 16

[115] Jereo manokana: Asa 4. 24; 7. 59-60; 12. 5; Romana 10. 1; 15. 30; 2 Korintiana 12. 8; Efesiana 1. 16-17; Filipiana 4. 6; Kolosiana 4. 2-3; 1 Tesaloniana 1. 2; Jakoba 1. 5;

1 Jaona 3. 21-22. Ny filazana vavaka atao amin’ny Tompo Jesoa dia vitsy noho ny sasany.

[116] Efesiana 6. 18; Joda 20

[117] Romana 8. 26

[118] Kolosiana 1. 12,13

[119] Romana 15. 5,6

[120] Ao amin’ny Baiboly no ahitantsika fa mba hankasitrahan’Andriamanitra ny vavaka, dia tsy maintsy aorina amin’ny fanatitra izany vavaka izany. Matoa azo atao ny fivavahana kristiana, dia satria nijaly sy maty i Jesoa, ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra. Izany no manome azy ny lanjany rehetra. “Ny fivavahana dia tsy afa-misaraka amin’ny fahatsiarovana ny fijalian’ny Tompo Jesoa, Izay nohomboana, sy amin’ny fibanjinana ny fahatanterahany rehetra” (M.J. Koechlin).

[121] Romana 8. 29

[122] 1 Jaona 2. 29. Ny fandehanana amin’ny fahamarinana sy ny fahamasinana dia, mazava ho azy, fa fandehanana amin’ny fankatoavana ny didin’Andriamanitra: “Ary izao no ahafantarantsika fa mahalala Azy isika, dia ny fitandremana ny didiny. Izay manao hoe: Fantatro Izy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary ny marina tsy ao anatiny”

(1 Jaona 2. 3-4).

[123] Jereo 1 Jaona 1. 9 hatramin’ny 2. 1

[124] Kolosiana 3. 14

[125] Matio 5. 45

[126] Jaona 13 hatramin’ny 17

[127] Jaona 14. 23